Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124–128 (Fizarana 27)
Fampidirana
Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–21. Rehefa handalina ireo andininy ireo ny mpianatra dia hianatra izy ireo momba an’i Joseph Smith sy Hyrum Smith ary ny anjara asan’izy ireo tamin’ny Famerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–14
Manazava ny antony niantsoany an’i Joseph Smith mba hamerina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny Tompo
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe matanjaka. Anontanio ireo mpianatra hoe: karazan’olona manao ahoana matetika no raisin’ny olona ho matanjaka, raha araka ny fenitr’izao tontolo izao. Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny, eo ambanin’ny hoe Matanjaka. Soraty eny amin’ny solaitrabe avy eo ny teny hoe Malemy. Anontanio ireo mpianatra hoe: inona ireo toetra izay matetika ampiarahana amin’ny hoe malemy, araka ny fenitr’izao tontolo izao.
-
Amin’ny fomba ahoana no hiezahan’izao tontolo izao hahatonga ny zatovolahy iray na zatovovavy iray hahatsiaro tena ho malemy araka ny fenitra arahiny?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13. Asao ny mpianatra avy eo mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1 ka hitady ny olona izay fariparitan’ny Tompo ho malemy.
-
Amin’ny fomba ahoana no mety naha-malemy an’i Joseph Smith fony izy nantsoina hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara?
-
Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1, dia nahoana no miantso ny malemy ny Tompo mba hanampy amin’ny fanaovana ny asany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia fintino ny valinteniny amin’ny fanoratana ny fitsipika iray izay mitovy amin’ity voasoratra eny amin’ny solaitrabe ity: Mampiseho ny fahendreny amin’ny alalan’ny zava-malemin’ny tany ny Tompo.)
-
Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ny Tompo ny fahendreny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?
Asao ireo mpianatra hanome ny sasantsasany amin’ireo antso na andraikitra izay mety horaisiny raha mbola ao anatin’ny fahatanorany izy ireo. (Ireo valinteny dia mety ahitana ny hoe: mpampianatra isan-tokantrano, mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, misiônera, manao lahateny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, na finamanana amin’ny olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo.)
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana an’io fahamarinana io antsika rehetra mahazo ireo karazana antso sy andraikitra hanompo ao amin’ny Fiangonana isika?
Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–14 amin’ny fanazavana fa ny Tompo dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba hanoratra fanambarana ny filazantsara ho an’ireo mpitondra ny firenen-drehetra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15–21
Manome torolalana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Nauvoo ny Tompo
Asaivo mieritreritra fotoana iray izay nanomezan’ny olona iray fankasitrahana marina ho azy ireo ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo sy ny antony nahatonga ireo fankasitrahana ireo ho zava-dehibe ho azy ireo.
Hazavao fa niresaka momba ny olona maromaro ny Tompo tao anatin’ity fanambarana ity ka nankasitraka azy ireo tamin’ny fanasongadinana ny tanjaka sy ny fandraisan’izy ireo anjara. Asao ireo mpianatra hikaroka mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15–20, ka hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo momba ireo olona ireo. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezanteny izay hitan’izy ireo fa misongadina. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hitodika any amin’ny namana iray ka hizara ny zavatra izay hitany, ka anisan’izany ireo filazana izay hitany ho nisongadina ary ny antony mahatonga izany hisongadina.
Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:19 ny Tompo dia nanambara fa noraisina eo anatrehan’ny Tompo ny lehilahy mahatoky telo izay vao maty tsy ela akory (David W. Patten sy Edward Partridge ary Joseph Smith Rainy, ny rain’ny Mpaminany).
Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny zavatra nolazain’ny Tompo momba an’i Hyrum Smith sy i George Miller ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20.
-
Inona no nolazain’ny Tompo momba an’i Hyrum Smith sy George Miller?
-
Inona no zavatra tsapan’ny Tompo mikasika an’ireo izay mahitsy fo? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny Tompo dia mitia sy matoky ireo izay mahitsy fo.)
-
Ahoana no fomba hamaritanao ny fahitsian’ny fo?
Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ho ahy, ny atao hoe fahitsian’ny fo dia midika hoe manao izay marina sy tsara mandrakariva, na inona na inona ny vokatr’izany eo no ho eo. Midika izany hoe marina hatrany anaty fanahintsika, tsy amin’ny asantsika fotsiny fa indrindra amin’ny eritreritsika sy ao anatin’ny fontsika. Ny fahitsian’ny tena manokana dia mitaky fahatokiana sy tsy fahalovana hany ka tsy afaka ny handika ny fitokiana na fanekempihavanana iray isika” (“Personal Integrity,” Ensign, mey 1990, 30).
-
Araka ny famaritan’ny Loholona Wirthlin, nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo ireo izay mahitsy fo?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny ohatry ny fahitsiam-po izay nasehon’i Hyrum Smith dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“I Hyrum Smith, izay zokilahy, namana ary mpampianatra ny Mpaminany dia nampiseho fitiavana, fahatokiana ary fifikirana tanteraka sy tsy nisalasala tamin’ny Tompo sy ny zandriny lahy Joseph. Ny firahalahian’izy ireo dia mety tsy nanam-paharoa. …
“Nilaza momba ny rahalahiny Hyrum ny Mpaminany Joseph Smith: ‘Afaka mivavaka amin’ny foko iray manontolo aho mba ny rahalahiko rehetra no hitovy amin’ny Hyrum rahalahiko malala, izay manana ny fahalemem-panahin’ny zanakondry, ny fahamarinam-pon’i Joba, raha fintinina dia hatsaram-panahy sy fanetren-tenan’i Kristy ary tiako izy amin’ny fitiavana mahery vaika noho ny fahafatesana, tsy mba nanana velively fotoana aho ka tezitra taminy na izy tamiko.’ History of the Church, 2:338.) …
“I Hyrum dia tsy voahozongozona na dia teo anatrehan’ny fahafatesana aza. Taorian’ny fotoana fiafiana sy fanenjehana lava iray dia nanoratra izy hoe:
“‘Misaotra an’ Andriamanitra aho fa nahatsapa fahavononana ho faty, fa tsy nandà ireo zavatra hitan’ny masoko sy tsapan’ny tanako [ireo takelaka izay niavian’ny Bokin’i Môrmôna], sy efa nijoroako ho vavolombelona tamin’izay mety ho fotoana nilàna izany; ary afaka manome toky ireo rahalahiko malala aho fa afaka nitondra tenivavolombelona mahery, na dia fahafatesana ihany aza no teo anoloako, tahaka ny nitondrako tenivavolombelona nandritra ity fiainana ity.’ (Times and Seasons, des. 1839, p. 23.)” (“The Family of the Prophet Joseph Smith,” Ensign, nôv. 1991, 7).
-
Ahoana no nanehoan’i Hyrum Smith ny fahitsian-toetrany?
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny lafin-javatra iray eo amin’ny fiainany izay ahafahany ho mahitsy fo bebe kokoa. Entano izy ireo hametraka tanjona ny hampivoatra ny fahitsian’ny fony eo amin’izany lafiny izany.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nianarana androany.
Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132)
Anontanio ny mpianatra raha mahafantatra hoe firy no isan’ny ambaratongam-boninahitra misy ao amin’ny fanjakana selestialy ? Hazavao fa mandritra ireo fandalinana atao amin’ny herinandro ambony dia hahita fitsipika betsaka mifandraika amin’ny fanjakana selestialy sy ny drafitry ny famonjena izy ireo.