Seminera
Lesona 9: Joseph Smith—Tantara 1:27–54; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2


Lesona 9

Joseph Smith— Tantara 1:27–54; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Fampidirana

Nanohy nanamafy ny zatovolahy Joseph Smith fa nahita fahitana izy, ary nitohy ny fanenjehana azy noho izany. Niteny izy taty aoriana fa nandritra izany fotoana izany dia “lavo tao amin’ireo hadisoana kidaladala maro izy, ka nampiseho ny fahalemen’ny fahatanorana” (Joseph Smith—Tantara 1:28). Indray alina, tamin’izy 17 taona, dia nangataka famelan-keloka izy ary nangataka mba hahafantatra ny toerany teo anoloan’ Andriamanitra. Niseho taminy ny anjely iray nantsoina hoe Môrônia ka nanambara fa manana asa ho ataon’i Joseph Andriamanitra, anisan’izany ny fandikana ny rakitsoratra fahiny iray izay nosoratana teo ambonin’ny takela-bolamena. Rehefa nanazava ny anjara asan’i Joseph tao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara i Môrônia dia nitanisa faminaniana maro avy tao amin’ny Baiboly izy, anisan’izany ny faminanian’i Malakia momba ny fiverenan’i Elia. Nandeha tany amin’ilay havoana izay nambaran’i Môrônia fa nandevenana ireo takela-bolamena i Joseph Smith ny ampitson’izany. Teo no nahazoany torolalana bebe kokoa avy tamin’i Môrônia.

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:27–29

Nangataka famelan-keloka i Joseph Smith

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny zavatra izay nianaran’izy ireo avy tamin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith fony izy zatovolahy. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara fohifohy ny fitsipika iray izay nianaran’izy ireo ka tena nisy fiantraikany teo aminy. Avy eo dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:27–29. Mialoha ny hamakiany izany dia lazao fa ireo zava-nitranga izay voafaritra ato anatin’ireto andinin-tsoratra masina ireto dia nitranga fony i Joseph 14 ka hatramin’ny 17 taona. Asao ny mpianatra hampitaha ireo andininy ireo amin’ny tenan’izy ireo, ka hamantatra ireo zavatra niainan’i Joseph Smith izay mitovy amin’ny zavatra niainany.

  • Inona no sasany amin’ireo zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny fahatanorany ka azonao ampifandraisina aminao? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hizara zavatra mahakasika be loatra ny tenany manokana na tsiambaratelo.)

  • Araka ny fiafaran’ny Joseph Smith—Tantara 1:28, inona no nolazain’i Joseph momba ireo fakam-panahy sy fahadisoana nahalavo azy? (Tsy meloka tamin’ny fahotana lehibe na mamohehatra izy, saingy nahatsapa indraindray fa tsy nitondra tena tahaka ny olona iray izay voantson’ Andriamanitra.)

  • Inona no nataon’i Joseph Smith mikasika ny fahamelohana tsapany noho ireo fahotany? (Nivavaka mba hahazo famelan-keloka izy ary nangataka mba hahafantatra ny toerany eo anoloan’ Andriamanitra.)

  • Inona ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith?

Eo am-pifanakalozan’ny mpianatra ny heviny dia ampio izy ireo mba hamantatra ireto fahamarinana manaraka ireto:

Rehefa manaiky ny fahotantsika isika ka mahatsapa alahelo ny amin’izy ireny dia afaka mangataka famelan-keloka amin’ny Ray any An-danitra.

Afaka mangataka ny mba hahafantatra ny toerantsika eo anoloan’ Andriamanitra isika.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mahafantatra ny toeranao eo anoloan’ Andriamanitra? (Mety ho ilainao ny manazava fa ny mahafantatra ny toerantsika eo anoloan’ Andriamanitra dia midika hoe mahafantatra raha toa ka faly amintsika Andriamanitra.)

  • Nahoana no mety ho manan-danja ho antsika ny fahafantarantsika ny toerantsika eo anoloan’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Hazavao fa afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba ahafahantsika mahalala ny toerantsika eo anoloan’ Andriamanitra ny torohevitry ny Loholona Andersen.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“[Afaka] mitalaho amim-panetrentena amin’ny Tompo [isika] hoe: ‘Ray ô, inona no tianao hataoko?’ Tonga ireo valiny. Mahatsapa ireo fiovana tokony hataontsika isika. Miteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny Tompo (Mibebaka … mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 41).

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay nifampiresahan’ny mpianatra. Omeo antoka ny mpianatra fa vonona hamela antsika ny Ray any An-danitra rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika ka manao izao rehetra takina mba hibebahana amin’ny fahotantsika.

Joseph Smith—Tantara 1:30–35

Niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:30 ka hitady ny zavatra nitranga rehefa nangataka famelan-keloka i Joseph Smith. Asaivo manao tatitra izay zavatra hitany izy ireo. Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 91; jereo koa ny LDS.org).

Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:32–33 ary asao ny mpianatra mba hitady ny hafatra voalohany nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith.

  • Inona no nolazain’i Môrônia momba ny hoavin’i Joseph Smith? (Tokony hilaza ny mpianatra fa nanana asa nampanaovina an’i Joseph Smith Andriamanitra.)

  • Niteny i Môrônia fa “ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena rehetra” ny anaran’i Joseph Smith? Oviana no nahitanao ohatra mikasika izany?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hamantatra ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba ny asa izay hotontosain’i Joseph.

  • Ahoana no fomba handikana ilay boky? (Amin’ny alalan’ny vato manokana, antsoina hoe Orima sy Tomima, izay nomanin’ Andriamanitra.)

Hazavao fa ao anatin’ireo lesona manaraka dia hianatra momba ireo ezaka nataon’i Joseph Smith mba handikana sy hamoahana ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra.

Joseph Smith—Tantara 1:36–49; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Nampianatra an’i Joseph Smith i Môrônia

Fintino ny Joseph Smith—Tantara 1:36–42 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitanisa ireo faminaniana avy ao amin’ny Baiboly i Môrônia mba hanazavana ny anjara asan’i Joseph Smith amin’ny fanatontosana ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara. (Asao ny mpianatra mba hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina voalaza ao anatin’ireo andininy ireo. Ohatra, ao amin’ny andininy 40 dia afaka manisy marika ilay andian-teny hoe “ny Isaia toko fahiraika ambin’ny folo” ny mpianatra.

Ambarao fa ireo teny ao amin’ny faminaniana izay notanisaina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:38–39 dia hita ihany koa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2. Anisan’ireo fanambarana voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity izany, izay nomena an’i Joseph Smith fony izy 17 taona.

Azonao atao ihany koa ny milaza fa ity faminaniana ity dia tena manan-danja tokoa ka hita ihany koa ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Malakia 4:5–6), sy ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Lioka 1:17), ary ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 3 Nefia 25:5–6).

Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia manaova tahadika an’ity kisary manaraka ity. Hetezo ho taratasy telo misaraka tsara izany. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra ary omeo taratasy iray ny vondrona tsirairay. Angataho ny vondrona tsirairay mba handalina ny andininy nomena azy ireo sy ilay fanazavana avy amin’ny mpaminany izay manaraka izany. Ankoatra izany dia angataho ny vondrona tsirairay mba hamintina amin’ny teniny manokana ny hafatra tao amin’ilay andininy nomena azy ireo sy hamaly ilay fanontaniana na ireo fanontaniana ao amin’ny taratasy nozaraina taminy.

Vondrona 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1—Iza i Elia? Herin’ny fisoronana inona no nolazain’i Môrônia fa haverin’i Elia amin’ny laoniny?

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“I Elia dia mpaminany lehibe iray izay nomen’ Andriamanitra fahefana lehibe. Nihazona ilay fahefana lehibe indrindra izay omen’ Andriamanitra ny zanany izy: nihazona ny fahefan’ny famehezana izy, dia ilay fahefana hamehy eto an-tany ka hahatonga izany ho voafehy any an-danitra” (Filoha Henry B. Eyring, “Hearts Bound Together,” Ensign or Liahona, May 2005, 78).

Vondrona 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2—Iza avy ireo ray sy zanaka voalaza ao anatin’ity andinin-tsoratra masina ity?

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ao amin’ilay faminaniana hoe “izy hamboly ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin-drainy,” ilay andian-teny hoe “ny rainy” dia milaza an’i “Abrahama sy Isaka ary Jakôba izay nanaovana ny fampanantenana. Inona avy ireo fampanantenana? Izy ireo dia fampanantenan’ny fitohizan’ny vondron’ny fianakaviana any amin’ny mandrakizay” (Loholona Bruce R. McConkie, Millennial Messiah[1982], 267).

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Ao amin’ilay faminaniana hoe “hitodika amin’ny rainy ny fon’ny zanaka,” ilay andian-teny hoe “ny rainy” dia milaza “ireo razambentsika efa maty, izay maty tsy nanana fahafahana nandray ny filazantsara, kanefa nahazo ilay fampanantenana fa ho avy ny fotoana izay ahafahan’izy ireo hahazo izany. Ireo zanaka dia ireo izay velona ankehitriny ka manomana ireo fampahalalana momba ny tetiarana ary manatanteraka ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ireo tempoly” (President Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:127).

Vondrona 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:3—Nahoana no hofongorana tanteraka ny tany manontolo raha toa ka tsy naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny famehezana?

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Nahoana no hofongorana ny tany? Tsotra fotsiny satria raha tsy misy ny fifamatoran’ny rohy eo amin’ireo ray sy ny zanaka—dia ny asa atao ho an’ny maty izany—dia holavina isika rehetra. Tsy hahomby ny asan’ Andriamanitra iray manontolo ka ho ringana tanteraka” (President Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:122).

Rehefa nahazo fotoana malalaka tsara mba hiomanana ireo vondrona dia asao ireo mpianatra avy ao amin’ireo vondrona mba hanao tatitra amin’ny mpianatra ny famintinany sy ny valinteniny. Tokony hahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1Handefa an’i Elia Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny eto ambonin’ny tany ny fahefan’ny famehezana mialoha ny Fahatongavan’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2Azo atodika any amin’ireo razambentsika ny fontsika, ary afaka manatontosa ireo ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:3Raha tsy misy ny fahefana hampiray ny fianakaviana ho mandrakizay dia horavana ny tany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny fianakavianao raha toa ka nofehezina tany amin’ny tempoly ianareo. Raha mbola tsy voafehy ianao dia lazao ny fiandrandranao mafy ny famehezana. Hazavao vetivety fa rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 ny mpianatra dia hianatra momba an’i Elia nanome ny fahefan’ny famehezana ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo.

Sariho hiverina any amin’ilay tantara ao amin’ny Joseph Smith—Tantara ny sain’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nitanisan’i Môrônia momba ny fiverenan’i Elia dia nitanisa faminaniana hafa momba ny Famerenana amin’ny Laoniny izy. Dia nanome torolalana misimisy momba ireo takela-bolamena izy avy eo dia nandeha (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:42–43). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:44–45. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny zavatra nitranga taorian’ny nandehanan’i Môrônia. Raha vantany vao fantatry ny mpianatra fa niverina i Môrônia tamin’io alina io ary namerina niteny ny hafatra nitovy tamin’ny teo aloha dia asao izy ireo mba hamaky haingana ny Joseph Smith—Tantara 1:46–49 ary hitady hoe impiry i Môrônia no namerina nizara tamin’i Joseph Smith ilay hafatra izay amin’ny ankapobeny mitovy foana.

  • Impiry i Môrônia no nizara ilay hafatra tamin’i Joseph Smith? (In-efatra.)

  • Inona avy ireo hafatra sasany izay miveriberimberina ao amin’ny soratra masina, sy any amin’ny lesona any am-piangonana, ary ao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny fiangonana?

  • Inona no tombontsoa azontsika rehefa mamerina ny hafany ny Tompo sy ireo mpanompony?

Amporisiho ny mpianatra mba hitady ireo fampianarana naverimberina rehefa mandalina manokana ny soratra masina sy mba hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ireo fampianarana ireo.

Joseph Smith–Tantara 1:50–54

Nandeha nankany amin’ilay havoana i Joseph ka nanokatra ilay rakitsoratra sy ny Orima sy Tomima ary ilay saron-tratra

Fintino ny Joseph Smith—Tantara 1:50–51 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nankatò ny didin’i Môrônia i Joseph ary niteny tamin’ny rainy mikasika ny zavatra niainany ny alina mialoha izany. Nino azy ny rainy ary nanoro hevitra azy mba hanao izay nasain’i Môrônia nataony. Dia nandeha tany amin’ilay havoana izay nandevenana ireo takela-bolamena i Joseph. Mangataha mpianatra telo mba hifandimby hamaky ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:52–54 ary hanaraka ny vakiteny kosa ny mpianatra ambiny. Mba hahazoana antoka fa takatry ny mpianatra tsara ireo zava-nitranga izay voafaritra ao amin’ireo andininy ireo dia asaivo mamerina miteny ny zavatra nitranga amin’ny fiteniny manokana ny mpianatra iray. Ampahafantaro ny mpianatra fa amin’ny lesona manaraka dia hifampiresaka ireo zava-nitranga nanodidina ny fotoana namelana an’i Joseph haka ireo takelaka izy ireo.

Azonao atao ny mamarana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifampiresahana tato anatin’ity lesona ity sy amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra mba hanao asa araka ny bitsika izay noraisin’izy ireo mba hampiharana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Joseph Smith—Tantara 1:33. “Ho tsara sy ratsy laza any anivon’ny firenena rehetra … ny anarako”

Nilaza traikefa iray izay nahitany ny fahatanterahan’ny faminanian’i Môrônia ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:33 i John H. Groberg ao amin’ny Fitopololahy. Raha nitory ny filazantsara tany Pasifika Atsimo i Elder Groberg dia nitsidika nosy nisitaka iray nantsoina hoe Tafahi, izay tsy nanana afa-tsy tokantrano 18 ary tsy nanana herinaratra na rano fisotro madio. Nanoratra izy hoe:

Sary
Loholona John H. Groberg

“Nisy eritreritra hafahafa tonga tamiko rehefa teo amin’ilay tokantrano farany aho: ‘Maninona moa raha tsapainao ilay faminaniana hoe ho tsara sy ratsy laza any anivon’izao tontolo izao ny anaran’i Joseph Smith?’ Tsy fantatro hoe nahoana no tonga tao amiko izany eritreritra izany fa dia tonga izany.”

Nanontany ilay fianakaviana izay nipetraka tao amin’ity tokantrano ity izy raha efa naheno momba ny filohan’ny Etazonia izy ireo. Namaly izy ireo hoe: “Iza izany?”ary “Aiza izany Etazonia izany?” Nilaza ny Loholona Groberg hoe:

“Niezaka nanazava ny toerana nisy izany aho fa tsy afaka nahatakatra izany izy ireo. Nanontany izy ireo hoe nosy lehibe toy ny ahoana izany. Namaly aho fa nosy tena goavambe izany, kilaometra an’arivony maro lavitra niala teo miaraka amin’ny olona an-tapitrisany maro mipetraka ao. Nolazaiko azy ireo fa olona marobe no tsy mbola nahita ny ranomasina na oviana na oviana ary olona marobe no tsy nifankafantatra. Tsy azon’izy ireo sary an-tsaina izany.”

Dia nanontaniany azy ireo avy eo ny momba ireo mpitarika any Rosia sy Frantsa, fa tsy afaka namaly ny fanontaniany izy ireo.

“Avy eo,” hoy izy, “dia nanontany momba ireo olona mpanao fanatanjahan-tena aho, ireo mpilalao sarimihetsika malaza, ireo mpandraharaha fanta-daza, momba ilay fotoana nisian’ny fitambotsoran’ny toekarena sy ny Adin’i Korea ary zavatra hafa koa. …

“Tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana nipetraka teto amin’ity nosy ity, na dia nisy fiangonana roa hafa aza tao. Naka aina tsara aho dia niteny hoe: ‘Efa naheno mikasika an’i Joseph Smith ve ianareo?’

“Nihiratra teo no ho eo ny endrik’izy ireo. Nijery ahy daholo ny rehetra dia niteny ilay raim-pianakaviana hoe: ‘Aza miresaka aminay momba izany mpaminany diso izany! Aza miresaka momba azy ato an-tokantranonay! Fantatray avokoa ny momba azy. Nambaran’ny mpitandrina anay izany!’ Sarotra tamiko ny nino ny zavatra henoko. Henoko tao an-tsaiko ilay soratra masina hoe ‘ho tsara sy ratsy laza any anivon’ny firenena rehetra’ ny anaran’i Joseph Smith (JS—T 1:33). Fahatanterahan’ilay faminaniana mivantana izany tamiko.

“Azoko antoka fa tsy hahita toerana lavitra sy mitokantokana ary tsy mahafantatra ireo fandrosoana maoderina tahaka ilay nosy kelin’i Tafahi ianareo. Tsy nahafantatra na inona na inona momba ireo mpitarika lehibe tamin’izany andro izany izy ireo—na ara-pôlitika, na ara-toekarena, na hafa koa—kanefa nahafantatra ny anaran’i Joseph Smith izy ireo. Teto dia zavatra ratsy no fantatr’izy ireo, farafaharatsiny mba hoenti-manomboka aloha. Nandany ny andro vitsivitsy manaraka tamin’ny fanazavana bebe kokoa momba ny asa nanirahana ny Mpaminany Joseph Smith aho, ary talohan’ny nialanay dia lasa tsara laza tamin’ny olona vitsivitsy tamin’izy ireo ny anarany” (In the Eye of the Storm [1993], 104–6).

Hamoaka printy