Seminera sy Institiota
Lesona 30: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22–23


Lesona 30

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22–23

Fampidirana

Nandritra ny Apôstazia Lehibe dia novaina na nofoanana na natao tsy nomban’ny fahefana tena izy ireo ôrdônansin’i Jesoa Kristy. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22, dia milaza ny Tompo fa tsy maintsy tanterahin’ireo izay manana fahefana mba hanome fahafahana ny tsirairay hiditra ho mpikambana ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny fizarana faha 23 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana fanambarana iray noraisin’i Joseph Smith ho an’ny lehilahy dimy izay naniry mafy ny hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo: i Oliver Cowdery, i Hyrum Smith, i Samuel Smith, i Joseph Smith rainy, ary i Joseph Knight.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22

Tsy maintsy tanterahin’ireo izay manana ny fahefana ilaina amin’izany ny batisa

Asao handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra ny mpianatra telo. Asao ny mpianatra iray hilalao eo amin’ny toeran’ny naman’ny fiangonana iray izay mino fa marina ny Fiangonana. Efa vita batisa nasitrika tany amin’ny fiangonana hafa ilay naman’ny fiangonana ary tsy mahazo ny antony ilàna batisa iray hafa. Angataho ireo mpianatra roa hafa hilalao eo amin’ny toeran’ny misiônera izay miezaka mamaly ny fanontanian’ilay naman’ny fiangonana. Asao ny mpianatra rehetra hieritreritra ny fomba mety hamaliany izany raha toa izy ireo ka miaina izany toe-javatra izany.

Rehefa vita ilay filalaovana an-tsehatra dia hazavao fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22 dia azo tamin’ny alalan’ny toe-javatra sahala amin’izany. Maro tamin’ireo izay naniry ny hiditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana no efa vita batisa tany amin’ny fiangonany teo aloha. Nampametra-panontaniana azy ireo ny antony mbola hanaovana batisa azy ireo indray.

Nanontany ny Tompo mikasika ny fanontanian’izy ireo i Joseph Smith. Ho valin’izany dia nampianatra fotopampianarana manan-danja mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady andian-teny iray mifandray amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

  • Inona no andian-teny mifandray amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ao amin’io andininy io? (“Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay.”)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io andian-teny io dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity fehezanteny manaraka ity.

Filoha Joseph Fielding Smith

Ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay dia ny fahafenoan’ny filazantsara. [Jereo ny F&F 66:2.] Izy io dia ahitana ‘ireo fanekempihavanana, fifanarahana, zavatra mamatotra, adidy, fianianana, voady, asa tanterahina, fifandraisana, fiaraha-miasa, na zavatra antenaina rehetra’ izay fehezina ary homena ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana, amin’ny alalan’ilay fahefan’ny Filohan’ny Fiangonana izay mihazona ireo fanalahidy. [Jereo ny F&F 132:7.] Ny Filohan’ny Fiangonana dia mihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Melkizedeka. Mamindra fahefana amin’ny hafa izy ary manome lalana azy ireo hanatanteraka ireo ôrdônansy masin’ny fisoronana.

“Ny fanambadiana mandrakizay dia fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Ny batisa ihany koa dia fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay [jereo ny F&F 132:22], ary ireo ôrdônansin’ny fisoronana tahaka izany sy ireo fanekempihavanana hafa dia maharitra mandrakizay ary anisan’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay izay mahafaoka ny zavatra rehetra” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i. Joseph Fielding Smith zanany, 5 vols. [1957–66], 1:65).

Asaivo fintinin’ny mpianatra amin’ny teniny manokana ny hevitr’ilay andian-teny hoe fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahafantarana mikasika ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay an’ireo izay efa natao batisa tsy nisy fahefan’ny fisoronana?

  • Amin’ny alalan’ny fahefana inona no hanatanterahana ireo ôrdônansy ao anatin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay? (Ny fahefan’ny fisoronana.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Tsy maintsy olona manana fahefana avy amin’ Andriamanitra no manatanteraka ny batisa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:2–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo andian-teny izay milaza fa tsy manaiky ireo batisa tsy notanterahina tamin’ny fahefan’ny fisoronana ny Tompo. Ato amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia miresaka ny ôrdônansin’ny batisa ho toy ny hoe “miditra amin’ny vavahady ety” (jereo ny F&F 22:2). Asao ny mpianatra avy eo hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Rehefa toy ny ahoana ny batisa no raisina ho toy ny “asa maty”? (Tsy mitondra tombontsoa maharitra mandrakizay ho an’ireo izay manao izany izy ireo.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:3 dia inona no nataon’ny Tompo noho ireo asa maty izay natao tamin’izany fotoana izany? (Nataony izay hampiorenana indray ny fanekempihavanany sy ny hampatanjahana ny Fiangonany.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao satria mpikambana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao—ilay hany fiangonana izay manana ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansy tena ilaina?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23

Nantsoina hampahery ny Fiangonana ny lehilahy dimy

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nahazoan’izy ireo teny fampaherezana tena nilainy mafy tokoa na fitarihana avy amin’ny olona iray. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany.

Asao ireo mpianatra hijery ny sasin-tenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23 ary hamantatra ireo lehilahy dimy izay hiresahana ato amin’ity fizarana ity. Hazavao fa ny tsirairay amin’ireo lehilahy ireo, ato anatin’ity fanambarana ity, dia nandray toromarika voafaritra tsara avy amin’ny Tompo. Amporisiho ny mpianatra hitady ireo lesona izay azon’izy ireo ianarana rehefa mandalina ny tenin’ny Tompo ho tamin’ireo lehilahy ireo izy. Ity tantaram-piainana fohy manaraka ity dia ahitana sahan-kevitra tena manampy hianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23.

I Hyrum Smith, izay zokin’ny Mpaminany, dia nanampy tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa mivantana tamin’ilay mpanonta printy. Filohan’ny sampana voalohany tao amin’ilay Fiangonana tao Colesville, New York izy. Nahatoky tamin’ny Tompo sy ny Fiangonana i Hyrum nandritra ny fiainany.

I Samuel Smith, izay zandrin’ny Mpaminany, dia natao batisa tamin’ny volana Mey 1829. Tamin’ny jona 1830 dia nandeha nanao asa fitoriana izy ary nivarotra Bokin’i Môrmôna iray izay niteraka ny fiovam-pon’i Brigham Young sy ny maro tamin’ireo fianakaviany taty aoriana. Nahatoky tamin’ny fianakaviany sy ny Fiangonana i Samuel nandritra ny fiainany. Tsy vonona ny hitory i Samuel tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity, kanefa nanomboka nanao ny asa fitoriany izy roa volana taorian’izay.

I Joseph Smith rainy, izay rain’ny Mpaminany, dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andro nananganana izany. Ny fahavaratra taorian’io dia nanomboka nitory ny filazantsara tamin’ny fianakaviana lavitra tany New York izy sy ny zanany Don Carlos. Lasa mpisorona avo izy ary patriarika voalohany tao amin’ny Fiangonana. I Joseph Smith zanany dia namaritra ny rainy ho “lehilahy mahatoky tamin’ny Andriamaniny sy tamin’ny Fiangonana tao anatin’ny fotoana rehetra ary tao anatin’ny toe-javatra niainana rehetra izay niantsoana azy mba hiainany” (History of the Church, 4:192).

Naman’i Joseph Smith zanany akaiky i Joseph Knight rainy ary naneho hatsaram-panahy lehibe taminy izy. Namatsy ny zavatra ilain’ny Mpaminany izy nandritra ny fotoana nandikan’i Joseph ny Bokin’i Môrmôna. Nahatsapa faniriana ny hatao batisa niaraka tamin’ireo olona hafa izy tamin’ilay andro nananganana ny Fiangonana, saingy tsy nanao izany izy satria naniry ny handalina bebe kokoa ny Bokin’i Môrmôna. Taty aoriana izy dia nanoratra hoe: “Tokony ho nanana fahatsapana tsara kokoa aho raha … niroso” ho amin’ny batisa (as quoted in Larry Porter, The Joseph Knight Family,” Ensign, Oct. 1978, 40; tsipelina sy renintsoratra nampanarahana fitsipika).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady fampitandremana iray izay nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo an’i Oliver ? Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ny avonavona ho amin’ny fakampanahy?

  • Inona ireo fomba sasantsasany azontsika hisorohana ny avonavona izay hitarika antsika ho amin’ny fakampanahy?

  • Araka ny andininy 2 dia inona no fitahiana ho azon’i Oliver? (Fahafahana “hitory ny fahamarinana.”)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo zavatra mitovy ao amin’ny toromarika nomen’ny Tompo an’i Hyrum Smith sy i Samuel Smith ary i Joseph Smith rainy

  • Inona no nitovizan’ny toromarika nomen’ny Tompo an’ireo lehilahy ireo? (Samy nantsoina hanao fanentanana sy hampahery ny Fiangonana izy ireo. Azonao atao ny manazava fa ny fiantsoana mba hanentana dia entina ilazana ny andraikitra hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.)

Asao ny mpianatra telo mba hifandimby hamaky mafy ireo tantaram-piainan’i Hyrum Smith, Samuel Smith ary Joseph Smith rainy. Alohan’ny hamakina ireo tantara dia asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo fomba izay nanatanterahan’ireo lehilahy ireo ny antso mba hanentana sy hampahery ny Fiangonana. Isaky ny voavaky ny tantara iray dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

  • Inona no zavatra mitovy ao amin’ireo toromarika nomena an’i Hyrum Smith sy i Samuel Smith ary inona no maha samy hafa azy ireo?

  • Ahoana avy ireo fomba izay azontsika hanentanana sy hampaherezana ny Fiangonana ?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny tantaram-piainan’i Joseph Knight rainy. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hafa mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:6–7, izay mirakitra ny torohevitry ny Tompo ho an’i Joseph Knight rainy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nandidian’ny Tompo azy mba hataony.

  • Inona no nandidiana an’i Joseph Knight mba hataony? (Ny hivavaka amin’ny feo avo amin’ny toerana miafina sy miaraka amin’ny fianakaviany sy ireo namany ary eo anoloan’izao tontolo izao. Miditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana marina; manentana ny hafa.)

  • Inona no porofo hitanareo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:7 fa naniry ny hitahy an’i Joseph Knight rainy ny Tompo?

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nanomezan’ny Tompo an’ity fanambarana ity dia nisafidy ny hatao batisa i Joseph Knight rainy. Nanohy nanolo-tena tanteraka ho an’ny Fiangonana izy nandritra ny fiainany, ary niaro ny Mpaminany Joseph Smith na miafina na ampahibemaso. Namariparitra an’i Joseph Knight rainy ny Mpaminany taty aoriana hoe “mahatoky sy marina, tsy miangatra sy ohatra azo alain-tahaka, ary tsara toetra sy malemy fanahy, tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith 462 [2007], ).

Asao ireo mpianatra hilaza fitsipika iray izay nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23. Mety hilaza fitsipika maromaro toy izao manaraka izao ireo mpianatra:

Rehefa maniry ny hanompo ny Tompo isika dia mahazo fitarihana avy Aminy ho an’ny tenantsika manokana.

Hitahy antsika ny Tompo rehefa manaraka ny fitarihana izay omeny antsika isika.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fitarihana izay azon’izy ireo avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina na ny tenin’ireo mpaminany velona na ny soratra masina. Omeo minitra vitsy izy ireo hieritreretana ny fomba hankatoavan’izy ireo ny torohevitra azony. Azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ny zavatra rehetra azon’izy ireo avy amin’ny fitaomam-panahy ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Omeo toky izy ireo fa hahazo fanampiana sy fitarihana avy amin’ny Tompo rehefa manao izay asainy ataony.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1. “dia ilay nisy hatrany am-piandohana”

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1 dia marina ara-bakiteny ilay andian-teny hoe “dia ilay nisy hatrany am-piandohana”: Nampianarina an’i Adama sy i Eva ny filazantsara dia natao batisa izy ireo (jereo ny Mosesy 5:58–59; 6:52–68); nodidiana hanao batisa ireo mpanaradia ny Tompo i Enôka (jereo ny Mosesy 7:11); ary nampianatra ny vahoaka i Noa fa tokony hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy ireo, tahaka ny nanaovana batisa ireo razambeny (jereo ny Mosesy 8:24). Nampianarina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna talohan’ny nahatongavan’i Kristy koa ny batisa. Nisy lahatsoratra iray nivoaka tamin’ny septembra 1974 tao amin’ny Ensign izay maneho fa notanterahina teo anivon’ireo Jiosy fahiny ihany koa ny batisa:

“Na dia tsy tena nazava aza, na tao anatin’ny tantaran’izao tontolo izao na tao anatin’ny soratra masina, fa nifanao batisa marina tokoa ny Jiosy tamin’ny vaninandron’i Jesoa Kristy, dia zavatra fanao mahazatra teo anivon’izy ireo ny nanao batisa ireo jentilisa niova fo ho amin’ny finoana Jodaisma. …

“Tsikaritra fa rehefa tonga teo anivon’ny vahoaka i Jaona dia tsy nanontany azy ireo izy hoe: ‘Inona ity zava-baovao ataonao ity?’ fa nanontany kosa izy ireo hoe: ‘Iza ianao?’ Tsy nametra-panontaniana ny amin’ilay ôrdônansy izy ireo” (Robert J. Matthews, “I Have a Question,” Ensign,Sept. 1974, 16.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:2. “Ianareo dia tsy afaka miditra amin’ ny vavahady ety amin’ ny alalan’ ny lalàn’ i Mosesy”

Ny lalàn’i Mosesy, miaraka amin’ny rafitry ny didy ara-nofo sy ireo fombafomba ary ireo tandindona fonosiny, dia nomena mba hanampiana ny Isiraelita hahatsiaro an’ Andriamanitra sy hitodika mialoha amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Notanterahin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana io lalàna io (jereo ny Almà 34:13–14). Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia niasa mba hampianatra ny Jiosy i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny fa tsy afaka ny ho tonga amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàna fotsiny ihany ny famonjena fa amin’ny alalan’ny hery manavotry ny Sorompanavotana. Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:2, ny Tompo dia nampitaha ny olona iray izay natao batisa tsy nahazoana lalana tamin’ireo izay niantehitra tamin’ny lalàn’i Mosesy izay tsy nino an’i Jesoa Kristy. Ity fampitahana ity dia manantitrantitra ny tokony hamelana ireo fomba amam-panao ara-pivavahana izay “maty” ka tsy afaka mamonjy antsika ary manaiky tanteraka ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay an’ny filazantsara, tahaka izay tsy maintsy nataon’ireo Jiosy fahiny izay nivadika ho Kristianina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1–4. Ny maha-zava-dehibe ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana

Nanazava ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona James E. Talmage

“Rehefa nanangana ny Fiangonany teo anivon’ny Nefita teto amin’ity kaontinanta ity ny Tompo dia nolazainy tamin’ireo izay voafidy sy natokana, izay nomena fahefana, ny fomba marina hanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa. Tokony hiteny izy ireo hoe: ‘Noho ny fahefana nomen’ i Jesoa Kristy ahy, izaho dia manao batisa anao amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny an’ ny Zanaka ary ny an’ ny Fanahy Masina.’ Tsy manome antsika fahefana toy izany io tenin’ny Mpamonjy io amin’izao fotoana izao. Ireo teny nataon’i Kristy tamin’ireo apôstôliny fahiny dia tsy manome fahefana ireo apôstôly amin’izao fotoana izao, na amin’ireo loholona rehetra ao amin’ny Fiangonana na iza na iza. Averiko indray, ireo teny izay nolazain’ny Tompo tamin’ireo mpianany izay voafidy teo anivon’ny Nefita dia tsy manome fahefana antsika; fa efa niteny indray Izy tamin’izao androntsika izao, ary nanome izany hery sy fahefana izany ihany mba hitenenana amin’ny anarany, sy hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny filazantsara araka ny lamina izay napetrany; ka noho izany, ireo loholona sy mpisorona izay mitondra ireo olona maniry ny hatao batisa amin’izao fotoana izao, izay nanambara ny finoan’izy ireo, ary nibebaka tamin’ny fahotany, dia manambara fa manana fahefana izay nomena azy ireo; ary nomen’i Jesoa Kristy andraikitra, dia manao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1924, 68; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana : boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 46).

Ireo mpikambana vaovao sasantsasany tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana dia tsy nahatakatra fa tsy manaiky batisa iray ny Tompo raha tsy ataon’ny olona iray mihazona ny fahefan’ny fisoronana izany. Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Raha vantany vao tafatsangana ny Fiangonana dia nisy mpikambana vaovao niditra. Ny sasany tamin’izy ireo dia mpikambana tao amin’ireo fiangonana izay nino ny batisa asitrika. Marina fa maro tamin’ireo mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana no efa nanaiky io fomba fanaovana batisa io, izay nino fa izany no fomba mety. Tsy tena niraikitra tao an-tsain’izy ireo anefa ny resaka mikasika ny fahefana avy amin’ Andriamanitra. Rehefa naniry ny hiditra tao amin’ny Fiangonana izy ireo, rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona fa mpaminany marina i Joseph Smith, dia nanontany tena izy ireo hoe inona no ilàna azy ireo hatao batisa indray raha efa nahavita ny ôrdônansin’ny batisa asitrika izy ireo” (Church History and Modern Revelation [1953], 1:109).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:4. “Midira amin’ ny vavahady ianareo”

Ny batisa no vavahady, na zavatra takina, mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ho an’ireo rehetra izay nahatratra ny taona maha-tompon’andraikitra (jereo ny 2 Nefia 31:15–21). Ny ôrdônansin’ny batisa, na dia tena ilaina aza, dia tsy manankery raha tsy tanterahina miaraka amin’ny fiovam-po izay mifanaraka amin’izany ka mitondra ho amin’ny fiainana vaovao.

Namariparitra ny fiainana nandalo fiovana toy izany ny Loholona John A. Widtsoe tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona John A. Widtsoe

“Tadidiko ilay lehilahy nanao batisa ahy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana, lehilahy tsy miavaka amin’ny besinimaro, tsotra … izay nisotro labiera indroa na intelo isan’andro, ary nisotro whisky iray vera taorian’izay, … nifoka sigara efa ho ny manontolo andro, izay niaina fiainana tsy nisy nilàna azy sy tsy nisy tanjona, afa-tsy tamin’ny fihinanana sakafo in-telo isan’andro sy tamin’ny fanomezana fahafahampo ireo filàn’ny nofo vitsivitsy. Nandre ny filazantsara izy ka dia nanaiky izany. Tsara ilay izy. Zavatra tena niriany fatratra ilay izy. Nitombo hery sy laza tao amin’ny Fiangonana ilay lehilahy. Araka ny fahatsiarovako azy dia nanatanteraka asa fitoriana miisa dimy na enina izy ary filohan’ny iray tamin’ireo misiona tao amin’ny Fiangonana. Ilay lehilahy teo aloha ihany izy, miaraka amin’ny tanany sy ny tongony sy ny vatany sy ny sainy, kanefa niova noho ny Fanahy izay tonga miaraka amin’ny fanekena ny fahamarinana mandrakizay” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1952, 34; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana : boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha-2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001] , 46–47).