Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50; 30–35 (Fizarana 8)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50; 30–35 (Fizarana 8)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50; 30–35 (fizarana 8) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50)

Rehefa nianatra momba ny drafitry ny famonjena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 ireo mpianatra dia nahita fa ny didin’ Andriamanitra rehetra dia ara-panahy avokoa ary Andriamanitra dia nanome antsika ny fanomezan’ny fahafahana misafidy mba hanaovana safidy sy hizakana ny vokatr’ireo safidy ireo. Rehefa nandinika ny fomba nitondran’ny Fahalavoan’i Adama ny fahafatesana ara-panahy ny mpianatra dia nianatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy no manolotra famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mino Azy sy mibebaka amin’ny fahotany.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–32)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia namaky ny torohevitra sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo ny lehilahy enina izay nantsoiny hitory ny filazantsara. Ny lesona dia manantitrantitra fa tokony hanompo ny Tompo amin’ny fanahintsika manontolo isika dia hiaraka amintsika Izy. Ireo mpianatra dia nianatra ihany koa fa amin’ny alalan’ny fahatokiantsika dia afaka ho voatahy amin’ny finoana sy fahafantarana ny fahamarinana ireo mpikamban’ny fianakaviantsika.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33–34)

Nandalina ny tenin’ny Tompo ho an’ny mpitory ny filazantsara roa ireo mpianatra, dia i Ezra Thayre sy Northrop Sweet. Nahita ireo mpianatra fa raha manokatra ny vavantsika mba hitoriana ny filazantsara isika dia hanome aingam-panahy antsika Izy amin’izay tokony ho tenenintsika. Tamin’ny alalan’ny tenin’ny Tompo ho an’i Orson Pratt ny mpianatra dia nianatra fa ireo izay mampianatra ny filazantsara amim-pahazotoana sy araka ny tokony ho izy dia hanao izany amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35)

Namaky momba ny fiovam-pon’i Sidney Rigdon ireo mpianatra ary nandalina ny tenin’ny Tompo ho azy. Nianatra izy ireo fa ny Tompo dia mahafantatra antsika sy manana asa ho an’ny tsirairay amintsika ary Andriamanitra dia miantso ireo malemy mba hanatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny. Nahita koa ireo mpianatra fa rehefa mitandrina ireo didy sy manaja ireo fanekempihavanana isika dia hanampy antsika hanatanteraka ny asany ny Tompo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia mifantoka manokana amin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i David sy Peter Whitmer taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana septambra 1830. Nandritra ny fihaonambe ny Tompo dia nanazava fa ireo fanambarana avy tamin’i Hiram Page dia diso. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30 ny Tompo dia nananatra an’i David Whitmer noho ny finoany an’ilay vato ary niantso an’i Peter Whitmer mba hiaraka amin’i Oliver Cowdery amin’ny iraka nampanaovina azy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–4

I David Whitmer dia nanarina noho ny nampandriany sofina tamin’ny fandresen-dahatry ny olombelona

Asaivo mandinika amim-pahanginana ireto toe-javatra manaraka ireto ny mpianatra:

  1. Nisy zatovolahy iray izay nihaino mozika tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-pitondrantena voalaza ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza. Na dia mankafỳ mihaino izany mozika izany aza izy dia manomboka mahatsapa fa ny hafatra izay fonosiny dia mahatonga ny Fanahy hiala aminy sy hanalavitra azy amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny Fiangonana.

  2. Taorian’ny fiarahana maromaro tamin’ny zatovolahy iray ny zatovovavy iray dia nanomboka nahatsapa tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina fa io zatovolahy io dia nanandrana tsikelikely ny handresy lahatra azy mba tsy hankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Ahoana no fomba hahafahantsika mahafantatra tahaka ny olona ao amin’ireo toe-javatra ireo fa efa manomboka voafitaka isika?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30 dia mirakitra ireo fahamarinana izay afaka manampy antsika hiomana handray sy hanaraka fampitandremana avy amin’ny Fanahy ary manampy antsika mba tsy ho voafitaka. Asao ireo mpianatra mba hijery ireo fahamarinana ireo mandritra ny fandalinany ny fizarana anio.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30, dia asaivo milaza ny zavatra izay nianarany momba an’i David Whitmer nanomboka tamin’ny fotoana nandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Tantaran’ny Fiangonana ka hatramin’izao izy ireo. (Izy dia anisan’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ary nanampy tamin’ny fanomezana fitaovana nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.)

Lazao ireo mpianatra fa i David Whitmer dia zaodahin’i Hiram Page. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra ny zavatra tsaroany momba an’i Hiram Page avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28. (Izy dia anisan’ny Vavolombelona Valon’ny Bokin’i Môrmôna ary nahita vato iray izay nolazainy fa hahafahany mandray fanambarana.) Hazavao fa rehefa nampahafantatra ny vato mpahita sandokany i Hiram Page sy nilaza fa nisy fanambarana avy amin’izany dia nanomboka nino ny zavatra nolazain’i Hiram i Oliver Cowdery sy ny fianakaviana Whitmer ary ny olona hafa tany amin’ny faritra Fayette.

  • Nahoana no mety mora tamin’i David Whitmer ny resin’i Hiram Page lahatra?

Asaivo mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2 ny mpianatra ka hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa nataon’i David Whitmer izay mety nahatonga azy ho mora voafitaka?

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa tsy nataon’i David?

Asao ireo mpianatra hilaza ireo fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2 Mety hilaza ny sasany amin’ireto fitsipika manaraka ireto na izy rehetra izy ireo:

Tokony hiantehitra amin’ny Tompo isika maba hahazoana hery fa tsy hatahotra ny olona.

Tokony hametraka ny saintsika amin’ny zavatry ny Tompo mihoatra ny zavatry ny tany isika.

Tokony hanaraka ny Fanahy sy ny torohevitry ny mpitarika ny Fiangonana isika fa tsy hoe ho resy lahatra amin’izay lazain’ny olona tsy voantson’ny Tompo.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny fametrahana ny saintsika amin’ny zavatry ny tany mihoatra ny zavatry ny Tompo? Inona ireo toe-javatra izay mety hahatonga antsika ho voan’ny fakam-panahy hanao izany?

  • Ahoana ny fifantohana amin’ny zavatr’izao tontolo izao mihoatra ny zavatry ny Tompo no mahatonga antsika ho mora voafitaka?

Manasà mpianatra iray hamaky ity teny nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith manaraka ity:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Toa hafahafa ny hoe fotoana fohy taorian’ny fisehoana mampitolagaga noraisin’i [David Whitmer] sy nahitany maso ny firotsahan’ny Fanahy tamin’ny fotoana hafa no nanadinoany, fa ny maha olombelona ny olombelona dia ny filantsika rehetra fampahatsiahivana ny andraikitsika raha tsy izany isika dia mora hirona amin’ny fanadinoana. Ny filàna fivavahana tsy tapaka sy fifantohana ny eritreritsika amin’ny zavatry ny fanjakana ary ny fivononana amim-kitsimpo amin’ny adidy dia misy eo amin’ny ankabeazantsika, raha tsy izany isika dia ho lavo. Efa impiry ny Tompo no nampitandrina ny vahoakany amin’ ny fahalemen’ny nofo!” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:146).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Smith, inona no tokony hataontsika mba hahazoantsika antoka fa tsy hadinontsika ny andraikitra ara-panahy sahanintsika tahaka ny nanadinoan’i David Whitmer izany?

Azonao araraotina ity fotoana ity ho fampahatsiahivana ny mpianatra ny ilàna ny fandalinana ny soratra masina isan’andro—tsy ny manatanteraka ny asa ampanaovina azy ihany fa ny manampy azy ireo hianatra ny filazantsara sy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara ary hihaino ny feon’ny Tompo. Azonao angatahina ihany koa ny mpianatra mba hizara ny zavatra izay nanampy azy ireo mba handalina ny soratra masina amin’ny fomba izay hahatonga izany ho sarobidy amin’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:3–4 Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ary hamantatra ny torolalan’ny Tompo ho an’i David Whitmer.

  • Taorian’ny nahavoafitak’i Hiram Page an’i David Whitmer, ahoana no hanampiana azy amin’ny alalan’ny fisaintsainany ny zavatra nambaran’ny Tompo ho azy?

Amporisiho ireo mpianatra handinika raha toa misy toe-javatra amin’ny fiainany izay iankinany na ifantohany bebe kokoa amin’ny “zavatry ny tany” mihoatra ny zavatr’ Andriamanitra ary handinika ny fomba mahatonga azy ireo ho mora voafitaka noho ny fisian’izany. Asao izy ireo mba hanapaka-kevitra ny amin’ny zavatra hataony mba hiankinana bebe kokoa amin’ny Tompo mandritra ireo toe-javatra ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5–8

Nantsoina mba hiaraka amin’i Oliver Cowdery amin’ny asa fitoriana any amin’ny Lamanita i Peter Whitmer

Manehoa zavatra mavesatra iray na ny harona feno zavatra mavesatra iray. Asao ny mpianatra iray handroso eny anoloana ka hihazona ilay zavatra eo anoloany. Mandritra ny fihazonan’ilay mpianatra ilay zavatra mavesatra dia asao ny mpianatra ambiny mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5 ka hitady ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Peter Whitmer mba hataony. Asaivo mizara izay nianarany ny mpianatra.

  • Iza no tokony ho mpitarika mpiahy amin’ny fitorian’i Peter Whitmer ny filazantsara any amin’ny Lamanita?

Asao ny mpianatra iray faharoa mba hanampy ilay mpianatra mihazona ilay zavatra mavesatra na ilay gony. Asaivo milazalaza ny fahasamihafana tsapany noho ny nanampian’ny olona hafa azy ilay mpianatra voalohany. Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5–7 dia mirakitra ny torohevitry ny Tompo ho an’i Peter Whitmer momba ny tokony hanampiany sy hanohanany an’i Oliver Cowdery amin’ny maha mpitarika azy. Asaivo mijery ireo andininy ireo ny mpianatra ka hijery ireo andian-teny izay mamariparitra ny fomba tokony hanohanan’i Peter an’i Oliver.

  • Inona ireo andian-teny nampiasan’ny Tompo mba hampianarana an’i Peter ny fomba tokony hanampiany sy hanohanany an’i Oliver? (Jereo ny andininy 6; I Peter dia tokony ho ory amin’ny fahorian’i Oliver rehetra sy hivavaka ho an’i Oliver ary hanaiky ny fahefan’i Oliver.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “ory amin’ny fahoriany rehetra” (F&F 30:6)?

  • Inona no lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Peter izay miantefa amintsika ihany koa?

Fahamarinana iray mety ho lazain’ny mpianatra ny hoe isika dia tokony hanohana sy hanampy ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny asany. Asao ny mpianatra iray hanoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.

Asaivo manazava ny mpianatra hoe ahoana no hiantefan’io fitsipika io amin’ny fiainany, ohatra amin’ny fanampiana ny paroasy misy azy ireo na ny sampana misy azy ireo. Asao izy ireo mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fanampiana ny olona nantsoin’ny Tompo hitarika ny asany. Amporisiho izy ireo mba hanohy hatrany ny fampiharana io fitsipika io.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–40)

Anontanio ireo mpianatra raha efa nasaina nankatò didy iray fa tsy nahafantatra tanteraka ny anton’izany. Inona no hitranga raha toa ka ampanantenaina fitahiana avy amin’ny fankatoavana ianao kanefa tsy nahavita nankatò ilay didy? Mandritra ny fizarana manaraka ny mpianatra dia hianatra momba ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tojo tamin’izany toe-javatra izany ary hianatra momba ny fampianaran’ny Tompo azy ireo.

Hamoaka printy