Seminera sy Institiota
Lesona 129: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123


Lesona 129

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123

Fampidirana

Raha mbola nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith nanomboka ny 1 desambra 1838 ka hatramin’ny 6 aprily 1839 dia nanoratra taratasy ho fampiononana sy ho torohevitra ho an’ireo Olomasina izy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123 dia ampahany nalaina avy amin’ny taratasy iray nosoratana tamin’ny 20 martsa 1839, izay nosoratany ho an’ireo Olomasina. Ao anatin’io sombin-taratasy io dia nangataka an’ireo Olomasina ny Mpaminany mba hanangona sy hamoaka ireo tantaran’ny fanenjehana sy ny fijaliana nahazo azy ireo ary hanampy ireo izay voafitak’ireo fotopampianarana diso.

Fanamarihana: Ny lesona manaraka (“Ny fananganana an’i Nauvoo,” lesona 130) dia manome fahafahana ny mpianatra roa hampianatra ny ampahany amin’ilay lesona. Azonao atao dieny izao ny mifidy mpianatra roa ary manome azy ireo ny tahadikan’ny ampahan’ny lesona nofidiana ao amin’ny lesona 130 mba hahafahan’izy ireo manomana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1–6

Manoro hevitra ireo Olomasina i Joseph Smith mba hanangona sy hamoaka ireo tantaran’ny fanenjehana sy ny fijaliana nahazo azy ireo

Atombohy amin’ny famakiana ity fanambarana manaraka ity izany:

“Izaho, Delia Reed dia manamarina fa nifindra tao Missouri tamin’ny taona 1836. Ny vadiko dia maty tsy ela taorian’ny nahatongavanay ka namela ahy niaraka tamin’ny zazakely fito. … Rehefa tonga ny olana teo amin’ireo mponina sy ireo Môrmôna dia voatery nandao an’ilay faritany izaho sy ny sisa ambiny tamin’ny vondrona nisy anay. … Voatery namoy ny ankamaroan’ny fananako aho ary ny fianakaviako dia lasa niely patrana ka tsy maintsy nitady vola kely isan’andro teo anivon’ireo olon-tsy fantatra aho” (Delia Reed, ao amin’ny Mormon Redress Petitions: Documents of the 1833–1838 Missouri Conflict, ed. Clark V. Johnson [1992], 523; ny mari-piatoana sy ny renintsoratra ary ny fomba fanoratana dia nampanarahana ny fenitry ny tsipelina).

Hazavao fa fanambarana ôfisialy nomen’ny Rahavavy Reed tamin’ny manam-pahefan’ny fitsarana io. Avy eo dia asao hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1 ireo mpianatra.

  • Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’io andininy io dia inona no mety antony iray nanomezan’ny Rahavavy Reed an’io fanambarana io?

Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa nanomboka tamin’ny desambra 1838 ka hatramin’ny aprily 1839 dia nogadraina tao amin’ny fonjan’i Liberty, Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ny sasantsasany tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Nandritra an’io vanim-potoana io koa dia noroahina hiala ny faritanin’i Missouri ireo Olomasina nandritra ny volan’ny ririnina mamirifiry noho ny didy fandringanana nataon’ny Governora Lilburn Boggs. Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123 dia sombiny tamin’ilay taratasy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny martsa 1839 tao amin’ny Fonjan’i Liberty izay nanoro hevitra an’ireo Olomasina nandritra an’io fotoan-tsarotra io.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny zavatra natoron’i Joseph Smith hataon’ireo Olomasina nohenjehina. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra an’ireo andininy ireo dia azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 5 ilay andian-teny hoe “fifandraisan’ ireo asan-devoly mamohehatra mahatsiravina” dia entina hilazana ny fitambaran’ireo laingan’ny ratsy fanahy ary ny andian-teny hoe “ireo fanerena mamono” dia entina hilazana an’ireo asa ratsy sy mahery setra.

  • Inona no zavatra natoron’ny Mpaminany hataon’ireo Olomasina ao amin’ireo andininy ireo?

Maro tamin’ireo Olomasina no nankatò ny torohevitry ny Mpaminany ka nanangona ireo tantaran’ny fanenjehana azy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo antony nahatonga an’ireo Olomasina nasaina nanangona ireo tantaran’ny fanenjehana sy ny fijaliana nahazo azy ireo. Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “andidian’ny […] antsika” dia midika hoe “takiana amintsika.” Azonao atao ihany koa ny mampahatsiahy azy ireo fa ny Tompo dia nampanantena ny hanavotra an’ireo Olomasina nohenjehina sy “hivoaka avy ao amin’ny toerany miafina ary hamely ny firenena amin’ny fahavinirany” (F&F 101:89).

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:6, dia nahoana no nandidy an’ireo Olomasina ny Ray any An-danitra mba hanangona ireo tantaran’ny fanenjehana azy ireo?

  • Inona no zavatra ampianarin’io andininy io fa tsy maintsy ataontsika alohan’ny hanatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany?

Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny fanambarana mifono fitsipika iray izay maneho an’io fifandraisana eo amin’ny ezaka ataontsika sy ny fampanantenan’ny Tompo io. Asaivo mizara izay fitsipika hitany ny mpianatra vitsivitsy. Fomba iray mety hanehoan’ny mpianatra io fitsipika io ity fehezan-teny manaraka ity: Hanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo rehefa avy manao ny anjarantsika isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no miandradra antsika hanao ny anjarantsika ny Tompo mialoha ny hanatanterahany ny fampanantenany?

  • Oviana ianao no nahita izany fitsipika izany teo amin’ny fiainanao na fiainan’ny olon-kafa izay fantatrao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:7–17

Manoro hevitra an’ireo Olomasina i Joseph Smith mba hanampy ireo izay voafitaky ny lainga

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe nomena fampiasana iray izy ireo tany am-pianarany hanoratra tatitra momba ny Fiangonana. Anisan’ny zavatra takina amin’izany dia mila milaza loharano telo izy ireo farafahakeliny.

  • Inona no boky mety ho ampiasainao mba hanoratra ny taratasinao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny misafidy ny boky ampiasainao mba hanoratanao zavatra mikasika ny Fiangonana?

  • Ahoana no hahafantaranao hoe iza no boky mamaritra tsara araka ny tena izy ny Fiangonana?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:7–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nirakitra an’ireo andininy ireo i Joseph Smith dia maro ireo lainga izay naparitaka momba ny Fiangonana. Nolazaina an’ireo Olomasina fa “andraikitra tsy azo ihodivirana” ananan’izy ireo (F&F 123:7) izany mba hamaliana an’ireo lainga ireo sy hanangonana ary hamoahana an’ireo tantara momba ny fanenjehana sy ny fijaliana nahazo azy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:11–13. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo antony fanampiny nahatonga an’ireo Olomasina nasaina nanangona sy namoaka an’ireo tantaran’ny fanenjehana sy ny fijaliana nahazo azy ireo. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12, dia ahoana no mahatonga ny ankamaroan’ny madio am-po ho jamba tsy mahita ny fahamarinana?

  • Araka ny eritreritrao, inona no fiantraikan’ny lainga momba ny Fiangonana eo amin’ireo izay tsy iray finoana amintsika?

  • Araka ny andininy 12, dia nahoana no voasakana tsy hahalala ny fahamarinana ny olona maro eto ambonin’ny tany? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Maro ireo izay voasakana tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety mahatonga ny famoahana ny fahamarinana momba ny fanenjehana sy ny fijalian’ireo Olomasina tamin’izany fotoana izany ho nanampy ny olona hahita ny fahamarinana?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa mbola maro ireo olona ankehitriny “hajambain’ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka” ary voasakana amin’ny fahitana ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany (F&F 123:12). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra iray izay misakana ny olona tsy hahalala ny fahamarinana momba ny Fiangonana amin’izao androntsika izao.

Loholona M. Russell Ballard

“Maro loatra ireo olona izay tsy dia mahatakatra ny Fiangonana satria ny ankamaroan’ny fampahalalana izay reny mikasika antsika dia avy amin’ny tatitry ny fampitam-baovao izay matetika mitady fifanjihirana. Ny fifantohana be loatra amin’ny fifanjihirana dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fomba fijerin’ny olona momba ny hoe inona marina Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Sharing the Gospel Using the Internet,” Ensign, jolay 2008, 62).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Ballard, inona no zavatra izay misakana ny olona tsy hahalala ny fahamarinana momba ny Fiangonana amin’izao androntsika izao?

Hazavao fa tahaka an’ireo Olomasina tamin’ny taona 1839 dia tarihina hanampy ny hafa koa isika mba hananany fahatakarana marina momba ny Fiangonana—ny mpikambana ao aminy, ny mpitarika ao, ny finoany, ny tantarany, ny fampianarana ary ny fomba amam-panao ao.

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny hafa hahazo fahatakarana marina ny Fiangonana? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard manaraka ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny fomba iray izay ahafahantsika manampy ny hafa hahazo fahatakarana marina momba ny Fiangonana.

Loholona M. Russell Ballard

“Misy resaka mandeha tsy an-kijanona mikasika ny Fiangonana. Hitohy hatrany ireny resadresaka ireny na misafidy ny handray anjara amin’izany isika na tsia. Saingy tsy afaka mitazam-potsiny isika manoloana ny hafa, anisan’izany ireo mpitsikera antsika, izay miezaka ny mamaritra ny zavatra ampianarin’ny Fiangonana. Ny sasantsasany amin’ireny resadresaka ireny dia misy mpihaino an’arivony eny an-tapitrisany mihitsy aza, kanefa ny ankamaroany dia kelikely kokoa noho izany. Kanefa misy fiantraikany amin’ireo mandray anjara amin’izany ny resadresaka rehetra. Resadresaka tsirairay isak’izay mandeha no manorina ny fomba fijery mikasika ny Fiangonana. …

“Izao dia mangataka anareo aho ny hiditra amin’ilay resadresaka amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ao amin’ny Internet mba hizarana ny filazantsara sy hanazavana amin’ny teny tsotra sy mazava ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. … Mazava ho azy fa mitaky ny fahatakaranareo ireo fitsipika fototry ny filazantsara izany. Tena zava-dehibe ny ahafahanareo manolotra teny vavolombelona mazava sy marina momba ny fahamarinan’ny filazantsara” (“Sharing the Gospel Using the Internet,” 61–62).

Ampio an’ireo efa voatanisa eny amin’ny solaitrabe ny sosokevitry ny Loholona Ballard.

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireo fomba hanampiana ny hafa mba hahalalany ny fahamarinana izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Asao hisafidy ny iray amin’izay tsapany fa mety ho ampiasainy izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanao tatitra ny sosokevitra izay nofidiany sy ny fomba heveriny hampiasana izany mba hanampiana ny hafa hanana fahatakarana marina momba ny Fiangonana. Entano ireo mpianatra rehetra mba hampihatra ny sosokevitra izay nofidiany mba hanampiana ny hafa hahita ny fahamarinana.

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fotoana iray izay nanampiany ny hafa hanana fahatakarana marina momba ny Fiangonana. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny mpianatra rehetra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:13–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra nasaina nataon’ireo Olomasina momba ny ezaka ataony amin’ny fampahafantarana ny hafa mikasika ny tantara marina momba ny fahamarinana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15, dia nahoana no notenenina ireo Olomasina mba tsy hihevitra ny ezaka ataony ho toy ny “zavatra madinika”?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 15 momba ny fanapahan-kevitra madinika izay raisintsika izao? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ny fanapahan-kevitsika ny hankatò ireo didin’ny Tompo izay toa madinika dia mety misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainantsika ho avy.)

  • Inona no fiantraikany lehibe mety ho entin’ny fanapahan-kevitra madinika ny hiresaka momba ny filazantsara amin’ny olona iray?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fifandraisan’io andininy io amin’ny fahamarinana izay nosoratana teny amin’ny solaitrabe teo aloha teo: Hanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo rehefa avy manao ny anjarantsika isika. Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny hazoto “hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika”?

  • Araka ny andininy 17, dia inona no fanomezan-toky azontsika raha manao izay rehetra azontsika atao isika mba ho mpankatò ny didin’ny Tompo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha manao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika isika mba ho mpankatò ny didin’ny Tompo dia afaka ny hahazo toky fa hampiasa ny heriny Andriamanitra mba hanampiana antsika araka ny sitrapony sy ny fotoany.)

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mahazo toky fa hampiasa ny heriny Andriamanitra mba hanampiana antsika raha “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika” isika? Inona ireo zavatra sasantsasany izay azonao atao mba hananana toky eo amin’ny fiainanao?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa afaka ny matoky tena isika fa rehefa manao ny zava-drehetra izay azontsika atao isika mba hankatò ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra dia hanatanteraka ny fampanantenany Izy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1. “Manangona ny filazalazana momba … ireo fampijaliana ary fanararaotana”

Nankatoa ny torohevitry ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123 ireo Olomasina izay nijaly tao Missouri ka nanangona ireo tantara maro momba ny fanenjehana azy ireo. Ireto misy fanambarana ôfisialy roa izay nomena ireo manam-pahefana amin’ny fitsarana:

“Tonga tao Caldwell niaraka tamin’ny miaramilany ny Jeneraly Clark. Nonina tokony ho sahabo telo kilaometatra niala an’i Far West aho … teo akaikin’ny tranon’Andriamatoa Gad Yale. Maro tamin’ireo miaramilan’ny Jeneraly Clark no tonga tao an-tranon’Andriamatoa Yale ka nitoetra tao nandritra ny roa andro ary nanimba fananana be dia be. Nopotehin’izy ireo avokoa ireo rihana roa tamin’ilay trano, ka novonoiny ny akoho amam-borony sy ny kisoany ary nodorany … ny mololo. Hitako izy ireo nandoro ilay mololo izay simba tanteraka. Nalain’izy ireo tamin’Andriamatoa Yale avokoa ny katsaka izay tiany nomena ny soavaliny, ary mino aho fa teo amin’ny efajato ara teo ny tanin-katsany. … Ny sasany tamin’ireo kisoa izay notifiriny dia navelany ho lò tamin’ny tany. Hitako nankao an-tranon’Atoa Cyrus Daniel ihany koa ny sasantsasany tamin’ireo milisy mba handroba. Hitako izy ireo nibata fandriana iray sy lambam-pandriana ary fitafiana sasany” (Mary K. Miles, ao amin’ny Mormon Redress Petitions: Documents of the 1833–1838 Missouri Conflict, ed. Clark V. Johnson 1992, 496–97; ny mari-piatoana sy ny renintsoratra ary ny fomba fanoratana dia nampanarahana ny fenitry ny tsipelina).

“Izaho dia manamarina etoana fa nitoetra tao amin’ny fitotoambarin’i Haun ny raiko ka nonina tao anaty lay tamin’ny fotoana izay nitrangan’ilay famonoan’olona tao. Tao anaty lay aho fony tonga ilay tafika. Niantso mafy an’ireo zaza amam-behivavy ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny vondrona nisy anay mba hiala tao anatin’ireo lay. Nihazakazaka nankany amin’ilay toeram-piasan’ny mpanefy izay nisy ny raiko aho. Niafina tao ambanin’ny tafoforana aho, ka nanao toraka izany koa ny rahalahiko sy ny zazalahy iray izay nantsoina hoe Charles Merrick. Naratra teo amin’ny andilako aho, ny rahalahiko kosa voatifitra teo amin’ny lohany ary ilay zazalahy iray hafa dia naratra teo amin’ny faritra telo ka maty noho ireo ratra ireo. Milaza amiko ny reniko fa feno valo taona tamin’ny volana lasa teo aho. Hitako ny sasany tamin’ireo fahavalonay nanala ireo baotin’ny raiko talohan’ny nahafatesany” (Alma Smith, ao amin’ny Mormon Redress Petitions, 537; ny mari-piatoana sy ny renintsoratra sy ny fitsipi-pitenenana ary ny fomba fanoratana dia nampanarahana ny fenitry ny tsipelina).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:4–5. “Ireo lahatsoratra manombotomboka izay miely patrana”

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny fanaratsiana ny Fiangonana hanampy ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana:

Loholona Robert D. Hales

“Ny traikefa dia mampiseho fa ny fotoan’ny dokam-barotra manaratsy ny Fiangonana dia mety hanampy hanatanteraka ireo tanjon’ny Tompo. Tamin’ny 1983 dia nanoratra ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Fiadidiana Voalohany hoe: ‘Ny fifanoherana dia mety ho fahafahana hanaovana zavatra ihany koa. Anisan’ireo fanamby mitohy atrehan’ireo misiônerantsika ny tsy fisian’ny fahalianana hahafantatra zavatra momba ny fivavahana sy ny hafatra ananantsika. Ireny fitsikerana ireny dia miteraka … fahalianana amin’ny Fiangonana. … Izany dia manome fahafahana [an’ireo mpikambana] mba hampiseho ny fahamarinana amin’ireo izay voasarika aty amintsika ny sainy’ [Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 1 des. 1983].

“Afaka manararaotra ny fahafahana toy izany isika amin’ny fomba maro: taratasy mahafinaritra ho an’ny mpanoratra, fifanakalozan-kevitra amin’ny namana, fanoratana ao anatin’ny bilaogy, na teny mampitony ho an’izay niteny zavatra manambany ny Fiangonana. Afaka mamaly amim-pitiavana ireo izay voatariky ny vaovao tsy marina sy ny fanoherana isika—izay ‘ny hany manakana azy ireo tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany’ (F&F 123:12). Ary manome toky anareo aho fa ny famalianareo ny mpiampanga anareo amin’izany fomba izany dia tsy fahalemena velively.Izany no fahasahian’ny Kristianina rehefa miasa” (“Fahasahian’ny Kristiana: takiana amin’ny maha-mpanara-dia,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 73).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:4–5. Fanombatombanana ny fikasana sy ny fahamarinan’ireo loharano

Ireo mpanoratra sasany izay manoratra momba ny Fiangonana sy ny tantarany dia maneho fampahalalana izay mivoaka ny sahan-kevitra na mampiditra fampahalalana amin’ny ampahany izay mety mamitaka. Ny fikasan’ny sasantsasany amin’ireny asa soratra ireny dia ny handrava ny finoana ao amin’ny Fiangonana sy ny mpitarika ao.

Niresaka momba ny fizahan-toetra ny finoantsika toy izany ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Neil L. Andersen

“Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava ny finoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’izao andro izao.

“Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatra tahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao. Tsaroako tamin’ny 1985 dia nisy mpiara-miasa tamiko niditra tao amin’ny birao fiasako tany Floride. Nisy lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Time teny aminy izay nitondra ny lohateny hoe ‘Challenging Mormonism’s Roots’ (na hoe Mampametra-panontaniana ny tantaran’ny niandohan’ny fivavahana môrmôna.) Io lahatsoratra io dia miresaka momba ny taratasy iray izay hita vao tsy ela akory tamin’izany, izay voalaza fa nosoratan’i Martin Harris, ary toa hoe nifanohitra tamin’ny fitantaran’i Joseph Smith mikasika ny nahitana an’ireo takela-bolamenan’ny Bokin’ i Môrmôna hono.

“Nanontany ahy ilay mpiara-miasa amiko raha haharava ny Fiangonana Môrmôna ity vaovao farany ity. Ilay lahatsoratra dia nilaza mikasika ny lehilahy iray izay nilaza fa hiala ny Fiangonana noho io taratasy io. Taty aoriana dia nisy olona maro hafa no voatatitra fa niala tamin’ny Fiangonana. Azoko antoka fa fizahan-toetra ho an’ny finoan’izy ireo izany.

“Volana vitsivitsy taty aoriana, dia hitan’ireo manam-pahaizana (ary niaiky ilay tompon’antoka) fa sandoka tanteraka ilay taratasy. Tsaroako ny nanantenako tokoa fa hiverina ireo izay niala tamin’ny Fiangonana noho io fitaka io” (“Fitsapana ny finoanao,” Ensign na Liahona, nôv 2012, 41).

Namporisika an’ireo Olomasin’ny Andro Farany ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba handinika tsara ny zavatra vakiany momba ny Fiangonana sy ny tantarany ka hiankina amin’ny Fanahy Masina sy ny sainy rehefa manao izany izy ireo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Misy lafiny roa ny fanombatombanana: ny ara-tsaina sy ara-panahy.

“Eo amin’ny lafiny ara-tsaina dia mazava ho azy fa mila manana traikefa kokoa ireo mpamaky sy mpandinika amin’ny fanombatombanana ny zavatra izay ambara amin’izy ireo. …

“Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana lafiny ara-panahy ihany koa ny fanombatombanana. Izany dia noho ny finoantsika ny fanambaran’i Môrônia hoe: ‘amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra’ (Môrônia 10:5). Io fampanantenana io dia manome toky ara-panahy ho an’ireo mpamaky mora tohina mikasika ny herin’ny fahaiza-manavaka izay hanampy azy ireo hanombatombana ny dikan’ny zavatra izany vakiny.

“Raha ny hery ara-panahy momba ny fanombatombanana no asian-dresaka dia mila tsaroantsika fa tsy hitarika antsika ny Fanahin’ny Tompo raha toa ka manana toetran’ny fifanomezan-tsiny isika. Miantefa amin’ny mpamaky sy ny mpanoratra izany fitsipika izany. …

“Mifototra amin’ny tenivavolombelon’ny Fanahy ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananantsika fa tsy avy amin’ny fanambarana na fanangonana fisehoan-javatra ara-tantara. Raha izany no fototra iorenantsika dia tsy hisy fanovana ny fisehoan-javatra ara-tantara afaka mampihozongozona ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika hery hisaintsainana ka natao hampiasantsika tanteraka izy ireny. Fa nomeny antsika ihany koa ilay Mpampionona, izay nolazainy fa hitarika antsika amin’ny fahamarinana ka amin’ny alalan’ny herin’izany no ahafahantsika mahalala ny fahamarinan’ny zava-drehetra. Izany no fitarihana faratampony ho antsika Olomasin’ny Andro Farany izay mendrika sy vonona ny hiankina amin’izany” (“Reading Church History,” ao amin’ny Symposium Speeches [atrikasa momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Tantaran’ny Fiangonana, 14–16 aôg. 1985], 4, 5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17. “Hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika”

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nino sy niaina ilay fitsipika hoe tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mialoha ny ahafahantsika mahazo fanomezan-toky amin’ny fanampian’ Andriamanitra. Araka izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:86–89 dia nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hitondra ireo tantaran’ny fijaliana sy ny fanenjehana izay nahazo azy ireo eo anatrehan’ireo mpitarika ny governemanta, ka tao anatin’izany ny filohan’i Etazonia. Tamin’ny 29 nôvambra 1839 ny Mpaminany Joseph Smith sy Elias Higbee, izay mpitsara dia nihaona tamin’ny filohan’i Etazonia, Martin Van Buren.

“Tamin’ny voalohany dia tsy niraharaha ny fangatahan’ny Mpaminany i Van Buren. Kanefa rehefa nandeha ny fifanakalozan-kevitra dia nampanantena ny filoha fa hamerina handinika ny fomba fijeriny ka ‘nahatsapa fangorahana tamin’ireo Môrmôna noho ireo fijaliana [nahazo azy ireo]’ [ao amin’ny History of the Church, 4:40].

“Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny Filoha Van Buren dia nijanona roa volana tany Atsinanana ny Mpaminany sy i Elias Higbee niezaka ny hahazo fanohanana tamin’ireo senatera sy solombavambahoaka izay mety ho vonona ny hanohana ny foto-keviny [jereo ny History of the Church, 4:40, 43–44]. Niverina nihaona tamin’ny Filoha Van Buren indray izy ireo tamin’ny febroary 1840. Tamin’io fotoana io dia tsy nanana fangoharana momba ny Fiangonana intsony i Van Buren. Araka ny voalazan’ny Mpaminany dia nandray azy ireo tamin’ny fomba henjana ny filoha ka nilaza hoe: ‘Andriamatoa isany, marina ny foto-kevitrareo, saingy tsy misy na inona na inona azoko atao ho anareo. … Raha manohana anareo aho dia ho resy amin’ny fifidianana ao Missouri [ao amin’ny History of the Church, 4:80]” (Arnold K. Garr, “Joseph Smith: Campaign for President of the United States,” Ensign, feb. 2009, 49).

Na dia nandà ny hanampy ireo Olomasina aza ny filohan’i Etazonia dia tsy nitsahatra nitady fanampiana avy amin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny governemanta ny Mpaminany Joseph Smith. Satria nanao izay rehetra tratry ny heriny i Joseph dia natoky fa hampiasa ny heriny Andriamanitra mba hanampiana azy.