Seminera sy Institiota
Lesona 153: Ny Filazana Ôfisialy 1 sy ny fitohizan’ny fivoaran’ny asa atao any amin’ny tempoly


Lesona 153

Filazana Ôfisialy 1 sy ny fitohizan’ny fivoaran’ny asa atao any amin’ny tempoly

Fampidirana

Taorian’ny nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana izay nanome toromarika azy hampianatra ny fitsipiky ny fanambadiana maro, dia nanomboka nampihatra ny fanambadiana maro teo ambany fitarihany ireo mpikambana sasany tamin’ny fiantombohan’ny taona 1840. Am-polo taonany maro tany aoriana, dia niaina fanoheran’ny vavam-bahoaka ny Fiangonana noho io fomba fanao io. “Taorian’ny nandraisany fanambarana dia namoaka ny … Manifesto [Filazana Ôfisialy 1] ny Filoha Wilford Woodruff, izay neken’ny Fiangonana fa hampiharina sy manan-kery nanomboka ny 6 ôktôbra, 1890. Izany dia nitarika ny fanafoanana ny fampiharana ny fanambadiana maro tao amin’ny Fiangonana” (Filazana Ôfisialy 1, teny fanolorana). Na dia niaina fanoherana aza ireo Olomasina dia niasa tamim-pahazotoana izy ireo mba hananganana tempoly izay handraisany ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy manokana sy ho an’ireo nodimandry. Nanangana sy nanokana tempoly dimy izy ireo teo anelanelan’ny taona 1846 sy 1893.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nanambara ny Tompo fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony hampitsahatra ny fanaovana fanambadiana maro

Asao ireo mpianatra mba hanonona olona marina ao amin’ny soratra masina izay nosamborina na nogadraina tamin’ny fanaovana izay nandidian’ Andriamanitra azy. (Mety ho isan’ny valinteny ny hoe Daniela, Abinadia, Petera, Joseph Smith, ary ny Mpamonjy.)

Hazavao fa lehilahy Olomasin’ny Andro Farany maro no nosamborina sy naiditra am-ponja satria izy ireo dia nankatò hatrany ny didy sy nampihatra ny fanambadiana maro taorian’ny nankatoavin’ny governemantan’i Etazonia ireo lalàna izay mahatonga io fomba fanao io ho tsy ara-dalàna. Ireo vehivavy sasany dia nosamborina ihany koa, satria matetika dia tsy manaiky hanambara ny toerana misy ny vadiny izay niafina sy nitsoaka ny fisamborana izy ireo.

Asao ireo mpianatra mba hamintina ny fomba nanombohana ny fanambadiana maro teo anivon’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray fanambarana mikasika ny fitsipiky ny fanambadiana maro, ary ny fampiharana io fanambadiana maro io dia natao teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fiatombohan’ny taona 1840 ho valiny fandidian’ny Tompo [ jereo ny F&F 132].)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra manaraka. Asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny fahasarotana sasany niainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa nanaja ny didin’ny Tompo izy ireo amin’ny fampiharana ny fanambadiana maro.

Tamin’ny volana aogositra 1852, dia nanambara am-pahibemaso ny Loholona Orson Pratt nandritra ny fihaonamben’i Salt Lake City fa araka ny fankatoavana ny didy avy amin’ Andriamanitra dia mampihatra ny fanambadiana maro ny mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany. Ny Loholona Pratt dia nanao io filazana io teo ambany fitarihan’ny Filoha Brigham Young. Maro ireo mpitarika ara-pivavahana sy mpitondra ara-pôlitika tao Etazonia no nanohitra io rafitry ny fanambadiana io izay nosokajian’izy ireo ho fitondran-tena ratsy sy toe-tsaina tsy mivoatra. Noesoina ireo Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny alalan’ny lahateny am-pahibemaso, boky, gazetiboky ary gazety. Ny Kôngresin’i Etazonia dia namoaka lalàna izay nametra ny fahalalahan’ny mpikamban’ny Fiangonana ary namotika ny Fiangonana ara-toekarena tamin’ny alalan’ny famerana ny habetsaky ny fananana azon’ny Fiangonana hananana. Ireo lalàna ireo tamin’ny farany dia nitarika fisamborana sy fampidirana am-ponja ny lehilahy izay nanana vady mihoatra ny iray. Nolavina tamin’ireo lehilahy ireo “ny zo hifidy, ny zo amin’ny fananana fiainana manokana any an-tranon’izy ireo, ary ny fampiharana ireo fahalalahana amin’ny maha olo-tsotra hafa” (Our Heritage: A Brief History of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1996], 97). Tamin’ny taona 1890, dia an-jatony ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky no nandalo fonja. Ny sasany dia niafina mba hialana amin’ny fampidirana am-ponja. Amin’izany toe- javatra izany, dia fianakaviana maro no nijaly ny harerahana, fahantrana ary hanoanana.

Taorian’ny filazana tamin’ny taona 1852, dia nanomboka niely patrana ny fanambadiana maro, ary an’arivony ny olona lehilahy sy vehivavy no nofehezina tamin’ny fanambadiana maro teo ambany fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Na dia naneso aza izao tontolo izao noho ny fampiharan’izy ireo ny fanambadiana maro dia maro ny Olomasin’ny Andro Farany no niaro ny fampiharana ary nijoro ho vavolombelona fa fantatr’izy ireo fa nambaran’Andrimanitra izany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Ahoana no hamintinanareo ny zava-tsarotra niainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany am-boalohany noho ny fankatoavany ny didin’ny Tompo hampihatra ny fanambadiana maro?

Filoha Wilford Woodruff

Hazavao fa ireo trangan-javatra sarotra maro ireo dia nitarika ny Filoha Wilford Woodruff mba hikaroka ombam-bavaka ny fitarihan’ny Tompo mikasika ny fampiharan’ny Olomasina ny fanambadiana maro. Ny taona 1889 ny Filoha Woodruff dia nanoro lalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanatsahatra ny fampianarana ny fitsipiky ny fanambadiana maro. Hatramin’ny taona 1890 dia vitsy kely sisa ny fanambadiana maro nisy ary ireo dia tsy nahazo fankatoavana tamin’ny Filoha Woodruff. Na izany aza, ny olona sasany dia namoaka tatitra fa ny Fiangonana dia mbola mamporisika hatrany ny fampiharana ny fanambadiana maro. Ireo tatitra ireo dia nitondra fanoherana ho an’ny Fiangonana bebe kokoa. Tamin’ny septambra 1890 ny Filoha Woodruff dia namoaka fanambarana, izay fantatra amin’ny hoe Filazana Ôfisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Fintino ny andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny Filazana Ôfisialy 1 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Filoha Woodruff dia nanambara fa diso avokoa ireo tatitra milaza fa ny Fiangonana dia mbola manohy ny fampiharana ny fanambadiana maro. Manasà mpianatra telo avy eo mba hifandimby hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny fahefatra sy fahadimy ao amin’ny Filazana Ôfisialy 1 (manomboka amin’ny hoe “Koa satria efa nolanian’ny Kôngresy ny lalàna”) sy ilay teny aorian’izay izay nambaran’ny Filoha Lorenzo Snow, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany. Asaivo manaraka izany famakiana izany ny kilasy ary hikaroka hoe inona no torolalana nomen’i Filoha Woodruff ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Inona no nasaina nataon’ireo Olomasina? (Fanatsaharana ny fanatontosana na fanohizana ny fanambadiana maro.)

  • Nahoana araka ny tenin’ny Filoha Snowno manan-danja ny nahatongavan’ny torolalana mikasika ny fanatsaharana fanambadiana maro avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana? (Satria izy irery ihany no olona eto an-tany mihazona ny fanalahidin’ny famehezana. Azonao atao ny mampahatsiahy an’ireo mpianatra fa ny fanambadiana maro dia tsy hahazoana lalana raha tsy amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana ihany izay nomena ny Filohan’ny Fiangonana [jereo ny F&F 132:7,48].)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra voalohany hoe “Ampahany tamin’ny lahateny telo nataon’ny Filoha Woodruff mikasika ny Manifesto,” izay aorian’ny lahatsoratry ny Manifesto. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka fitsipika iray nampianarin’ny Filoha Woodruff ny Olomasina.

  • Inona no nampianarin’ny Filoha ireo Olomasina? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Ny Tompo dia tsy hamela na oviana na oviana ny Filohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana hivily lalana. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny soratra masin’izy ireo izay mampianatra io fotopampianarana io.)

  • Ahoana no hanampian’izany fitsipika izany antsika amin’izao fotoana izao?

Hazavao fa ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia manontany tena hoe nahoana izy ireo no notarihana hiaina ny fitsipiky ny fanambadiana maro nefa avy eo notarihana mba hampitsahatra izany. Ny Tompo dia nitarika ny Filoha Woodruff mba hanotany fanontaniana iray ny Olomasina . Asao ny mpianatra telo mba hifandimby hamaky mafy ny fahatelo, fahefatra ary ny fahadimy amin’ny andian-tsoratra izay manomboka amin’ny hoe “Ampahany tamin’ireo lahateny telo nataon’ny filoha Wilford Woodruff” (manomboka amin’ny hoe “Nahazo fanambarana misimisy aho”). Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fanontaniana napetraky ny Filoha Woodruff ho an’ny Olomasina.

  • Ahoana no fomba hamintinanao ireo fanotaniana nentanim-panahy napetraky ny Filoha Woodruff ho an’ny Olomasina?

Hazavao fa efa saika nesorina tamin’ny Olomasina ny Tempolin’i St. George tao Utah, ny Tempolin’i Logan tao Utah, sy ny Tempolin’i Manti tao Utah, ary ny Tempolin’i Salt Lake tao Utah izay efa akaiky ny fahavitana azy. (Raha mety dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ireo tempoly ireo.)

  • Inona no asa manan-danja mety hitsahatra raha toa nesorina tamin’ny Olomasina ireo tempoly ireo?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andian-tsoratra fahafito ny “Ampahany amin’ny lahateny telo nataon’ny Filoha Woodruff” (manomboka amin’ny hoe “Hitako marina tokoa”). Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka hoe inona no mety nataon’ny Filoha Woodruff raha tsy nandidy azy Andriamanitra ny hanome torolalana ireo mpitariky ao amin’ny Fiangonana mba hampitsahatra ny fanaovana fanambadiana maro.

  • Inona no mety nataon’ny Filoha Woodruff?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanambaran’ny Filoha Woodruff, izay manao hoe: “Nanoratra izay notenenin’ny Tompo ahy hosoratana”? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ity fotopampianarana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: mitarika ny Fiangonany ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana.)

  • Ahoana no iantefan’izany fotopampianarana izany aminao?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny fahamarinana voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona.

Filoha Joseph F. Smith

Hazavao fa Olomasin’ny Andro Farany vitsy an’isa no mbola nanohy hatrany ny fanambadiana maro taorian’ny nanomezana ny Manifesto. Ny taona 1904 ny Filoha Joseph F. Smith dia nanambara fa “ny fanambadiana [maro] rehetra dia voarara, ary raha misy manam-pahefana na mpikamban’ny Fiangonana izay mieritreritra ny hanao ampahibemaso na hampihatra izany karazana fanambadiana izany dia … esorina hiala tsy ho mpikambana intsony” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1904, 75). Mbola mitohy io fenitra io ankehitriny.

  • Raha mifototra avy amin’izay efa nianaranao, inona no mety ho valinteninao raha misy olona manontany anao hoe mampihatra ny fanambadiana maro ve ny Olomasin’ny Andro Farany? (Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia nampihatra ny fanambadiana maro nandritra ny fotoana voafetra noho ny fankatoavana ny didin’ny Tompo, fa izany fombafomba izany anefa dia efa natsahatra fotoana maro izay, izay araka ny didin’ny Tompo ihany koa. Ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitr’ Andriamanitra amin’ny fanambadiana raha tsy hoe manambara zavatra hafa ankoatra izany indray Izy [jereo ny Jakôba 2:27, 30].)

Ny Tompo dia nanambara fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony ho fehezina amin’ny fianakavian’izy ireo.

Hazavao fa taorian’ny nanomezana ilay fanambarana, dia nitsahatra ny fandrahonana fa esorin’ny fitondram-panjakana amin’ny Fiangonana ny tempoly sy ny fananana hafa. Raha tsy nisy izany fandrebirebena izany, dia afaka nifantoka misimisy kokoa tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly ireo Olomasina. Ny 6 aprily 1893, efapolo taona taty aoriana dia napetraka ireo vatofehizoron’ny Tempolin’i Salt Lake, ny Filoha Wilford Woodruff no nanokana izany tempoly izany, izay nahatonga ny isan’ny tempoly azo nampiasaina ho efatra.

Ny volana Aprily 1894, herintaona taorian’ny fanokanana ny Tempolin’i Salt Lake, dia nanambara i Filoha Woodruff fa nahazo fanambarana izy. Talohan’io fanambarana io, dia nofehezina, na “natsangana” tamin’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tahaka an’i Joseph Smith na i Brigham Young, fa tsy tamin’ny ray aman-dreniny manokana ny mpikamban’ny Fiangonana izay nataon’izy ireo araka ny fahalalana nananany. Fa nianatra tamin’ny alalan’ny fanambarana i Filoha Woodruff fa tokony hitari-dalana ireo Olomasina “mba hamaritra ireo tetiaran’izy ireo farany lavitra indrindra izay vitany izy ireo ary hofehezina amin’ny ray sy renin’izy ireo. Hamehy ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny ary manao izay hahatonga io fitohizana io ho tody lavitra araka izay azonareo atao. … Izany no fanirian’ny Tompo ho an’ny olony” (ao amin’ny James R. Clark, natambatra, Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 6 vols. [1965–75], 3:256–257; jereo koa ny Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], xxxiii–xxxv).

  • Iza no afaka ho voafehy amintsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana ? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny hofehezina amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika isika, anisan’izany ireo izay nialoha antsika sy ireo izay aoriantsika, amin’ny alalan’ny herin’ny famehezana.)

  • Inona no tsapanao mikasika ny hoe afaka hofehezina amin’ny fianakavianao ianao?

Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny herin’ny famehezana sy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny famatorana antsika amin’ireo taranaky ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy ataoany amin’ny tempoly.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Filazana Ôfisialy 1. Fampahafantarana izay hita ao amin’ny soratra masina edisiôna 2013

handout iconIty fehezan-teny manaraka ity izay teny fanolorana ho an’ny Filazana Ôfisialy 1 ao amin’ny soratra masina edisiôna 2013 dia afaka manampy ireo mpianatra hamaly fanontaniana mikasika ny fampiharan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fanambadiana maro tao anatin’ny taona 1800. Azonao atao ny manonta printy io fehezan-teny io ary mizara izany amin’ireo mpianatra izay tsy manana ny soratra masina edisiôna 2013.

“Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ny fanambadiana olona iray ihany no fenitr’ Andriamanitra amin’ny fanambadiana raha tsy hoe nanambara zavatra hafa noho izany izy (jereo ny 2 Samoela 12:7–8 sy Jakôba 2: 27;30). Taorian’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith, dia natomboka teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohan’ny taona 1840 tany ho any ny fampiharana ny fanambadiana maro (jereo ny fizarana 132). Tamin’ny 1860 hatramin’ny 1880 ny governemantan’i Etazonia dia namoaka lalàna milaza fa tsy ara-dalàna io fombafomba ara-pivavahana io. Ireo lalàna ireo dia notohanan’ny Fitsarana Avon’i Etazonia. Rehefa nahazo fanambarana ny Filoha Wilford Woodruff dia namoaka ity Manifesto manaraka ity izay neken’ny Fiangonana fa hampiharina manomboka ny 6 ôktôbra 1890. Izany dia nitarika ny fanatsaharana ny fanambadiana maro tao amin’ny Fiangonana.”

Filazana Ôfisialy 1. Nijanona tampoka taorian’ny Manifesto ve ny fampiharana ny fanambadiana maro?

Ny mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany dia mbola nanohy ny fanambadiana maro ihany taorian’ny nanomezana ny Manifesto ny taona 1890. Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:

Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy nitsahatra tampoka tamin’ny Manifesto ny taona 1890 ny fanambadiana maro. Ireo fifandraisana ao amin’ny fanambadiana maro voafehy talohan’io fanambarana io dia voalaza fa nitohy hatrany nandritra ny taranaka mifandimby iray. Ny fanatanterahana ny fanambadiana maro dia nitohy hatrany ihany koa tany ivelan’i Etazonia, izay tsy nahazoana antoka ny fampiharana ny Manifesto tamin’izany. Hita fa mbola nitohy hatrany ny fanatanterahana fanambadiana maro nandritra ny folo taona teo ho eo tamin’ny faritra sasany izay nanamarinan’ny mpitarika sy mpikambana izany amin’ny hoe nanjavozavo sy nanery ny fifandonan’ny lalàna nankahalaina sy ny fotopampianarana najaina. …

“Marary ny foko rehefa namaky momba toe-javatra niainana iray aho izay tsy maintsy nanaovan’ny vady maromaro sy ireo zanaka safidy mahatsiravina mba handainga ny amin’ny toerana misy ny vady na ny raim-pianakaviana iray, na ny fisiany tetsy andaniny, na nilaza ny marina dia nijery azy nankany am-ponja tetsy an-kilany. … Ny raim-pianakaviana izay any am-pigadrana dia mahatonga ny tsy fisian’ny sakafo eo ambonin’ny latabatra sy tsy fisian’ny hafanàna ao an-trano. Ireo safidy sarotra ireo dia niteraka fifandonana teo amin’izany fihetsem-po sy filàna fototra ny hanolo-tena ho an’ny fahamarinana amin’ny filàna ny fiarahana amin’ny olon-tiana sy fanampiana manoloana ny hatsiaka sy ny hanoanana.

“Ny foko dia mitodika amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay voatery teo anelanelan’ny fanoloran-tena amin’ny fahamarinana sy ny fanoloran-tena amin’ny vadiny sy ny zanany sy amin’izy samy izy. Ny filazana ny marina dia mety midika hoe famadiham-pitokisana na hevitra tohanana iray na fandefasana rahalahy any am-ponja. …

“Tsy haiko hoe inona no eritreretina amin’ireo zavatra rehetra ireo, ankoatran’ny hoe feno fankasitrahana aho fa tsy miatrika izany safidy feno tsindry niatrehan’ireo olona tsara ireo. Mitodika amin’izy ireo ny foko noho ny herimpony sy ny fahafoizan-tenany, izay tombontsoa mivantana ho manokana. Tsy hitsara azy ireo aho. An’ny Tompo ny fitsarana, Izy no mahafantatra ny toe-javatra rehetra ao amin’ny fon’ny mpanatanteraka, ny haavon’ny faharanitan-tsaina ny sy ny fahendreny izay tsyazon’iza n’iza takarina, na dia ny mpahay tantara manam-pahalalana indrindra aza” ( “Gospel Teachings About Lying,” Clark Memorandum [Brigham Young University J. Reuben Clark Law School periodical], Spring 1994, 16–17).

Nanomboka tamin’ny 1904, ny Fiangonana dia nandroaka tsy ho mpikambana intsony ireo olona izay mbola nanatanteraka fanambadiana maro (jereo ny Conference Report, apr. 1904,75). Tamin’ny taona 1998, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nilaza ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana manoloana ny fanambadiana maro:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Ity Fiangonana ity dia tsy manana na inona na inona ifandraisany amin’ireo izay mampihatra ny fanambadiana maro. … Raha misy mpikambana ao aminay hita mampihatra izany fanambadiana maro izany, dia horoahina tsy ho mpikambana intsony izy ireo, izay famaizana hentitra indrindra izay apetraky ny Fiangonana. Tsy hoe mandray anjara amin’ny tsy fanajana mivantana ny lalàn’ny fiaraha-monina fotsiny izy ireo fa manitsakitsaka ihany koa ny lalàn’ny Fiangonana” (“What are People asking about us?” Ensign, nôv. 1998, 71).

Teny nolazain’ny Filoha Wilford Woodruff. Tsy havelan’ny Tompo na oviana na oviana hamily lalana antsika ny Filohan’ny Fiangonana

Ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza traikefa anankiray izay nananany niaraka tamin’ny Filoha Heber J. Grant izay Filohan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany:

Filoha Marion G. Romney

“Nijoro teo anilako izy, ary nametraka ny sandriny teo amin’ny soroko sady niteny hoe: ‘Ry zazalahy, jereo foana ny Filohan’ny Fiangonana, ary raha miteny aminao izy hoe ataovy izao, ka diso izany nefa ataonao dia hitahy anao noho izany ny Tompo.’ Avy eo izy niaraka tamin’ny famiratana teo amin’ny masony nilaza hoe ‘Fa tsy tokony miahiahy ianao. Tsy havelan’ny Tompo na oviana na oviana hamily lalana antsika ny mpitondrateniny’” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1960, 78).

Filazana Ôfisialy 1. Ho fanampim-panazavana

Ho fanampim-panazavana mikasika ny Filazana Ôfisialy 1, dia jereo ny Gospel Topics ao amin’ny LDS.org dia tadiavo ny hoe “plural marriage” na “polygamy.”