Seminera sy Institiota
Lesona 65: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59


Lesona 65

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59

Fampidirana

Ny Alahady 07 Aogositra 1831 dia nahazo fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 ny Mpaminany Joseph Smith raha mbola tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Tao anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanazava ny zavatra andrasany amin’ny Olomasina izay vao tonga tsy ela akory tao Ziona, ka anisan’izany ny fitandremana ny andro Sabata araka ny tokony ho izy. Nohamafisin’ny Tompo ihany koa fa ireo izay mitandrina ny didiny dia hahazo fitahiana ara-panahy sy ara-nofo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:1–4

Manoritsoritra momba ny fitahiana hatolony ireo Olomasina mahatoky ao Ziona ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

Inona, araka ny eritreritrareo, no dikan’ny hoe mitia ny Tompo amin’ny ?

Inona avy ireo asa na fihetsika sasany izay mety hitanao eny amin’ny olona izay tia ny Tompo amin’ny raha oharina amin’ireo izay tsy tia Azy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’i Polly Knight amin’ny fiandohan’ny kilasy. Anontanio ny mpianatra ny zavatra tsaroany mikasika azy avy tao amin’ny lesona momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57. Raha mila fanampiana amin’ny fitadidiana ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky ny tantaran’i Polly Knight nomena ao amin’ny lesona 62.

  • Inona no mahafinaritra anao mikasika an’i Polly Knight?

Lazao ny mpianatra fa tamin’ny andro nahafatesan’i Polly Knight no nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59. Asao izy ireo hamaky mangina ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:1–2 ka hitady ny andian-teny izay mety ho manan-danja ho an’ny namany sy ny olon-tiany. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  • Araka ny andininy 1, mihatra amin’iza ihany koa ity fanambarana ity ankoatra an’i Polly Knight? (Ny Olomasina izay mankatò ny didin’ Andriamanitra amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahiny.) Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:3–4, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fitahiana ara-nofo sy ara-panahy nampanantenaina ireo izay mankatò ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahiny. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo.

  • Ao amin’ny andininy 4, inona no fitahiana izay ampanantenain’ny Tompo nefa mety tsy eritreretin’ny olona sasany ho toy ny fitahiana? (“Didy izay tsy vitsy.”) Amin’ny fomba ahoana no maha-fitahiana ny didy? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Raha mitandrina ny didy amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika dia. …

Asao ny mpianatra hameno ilay fanambarana amin’ny fampiasana ny zavatra nianarany tao amin’ny andininy 1–4. Ny fomba iray mety hanehoan’ny mpianatra ity fitsipika ity dia hoe: raha mitandrina ny didy amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika dia hotahina na eo amin’ny lafiny ara-panahy na eo amin’ny lafiny ara-nofo. Asao ireo mpianatra hijery ohatra hafa mikasika io fitsipika io eo am-panohizany ny fandalinana ity fanambarana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5–8

Manome didy ny Olomasina ny Tompo

Hazavao fa ny Tompo dia nanohy ity fanambarana ity tamin’ny fanomezana didy maromaro ireo Olomasina tao Ziona. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5 ary angataho ny iray kilasy hamantatra ny didy iray izay nomen’ny Tompo ireo Olomasina.

Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no zavatra andrasan’ny Tompo amin’ny Olomasiny? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Tsy maintsy tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra sy amin’ny saintsika rehetra ary amin’ny tanjatsika rehetra isika.

Zarao ho tsiroaroa ny ankizy. Omeo iray amin’ireo teny izay manoritsoritra ny fomba tokony hitiavantsika ny Tompo ny ekipa tsirairay avy (fo, hery, saina, tanjaka). Omeo torolalana ny mpianatra mba hampiasa ireo teny nomena azy ireo mba hamenoana ireo fanontaniana nosoratanao teny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana. Asao ny mpianatra iray isaky ny ekipa tsirairay avy hamaly ny fanontaniana voalohany ary ny mpianatra iray hafa hamaly ny fanontaniana faharoa. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra mba hifanakalozany hevitra mikasika ireo fanontaniana tao anatin’ny ekipa nisy azy, dia asao ny sasantsasany amin’izy ireo hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny lanjan’ilay didy hitia ny Tompo amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra sy amin’ny saintsika rehetra ary amin’ny tanjatsika rehetra dia asao izy ireo hamaly ny iray amin’ireto fanambarana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy:

  • Lazalazao ny fotoana nahatsapanao fitiavana lehibe ho an’ny Tompo.

  • Lazalazao ny fotoana izay nahatonga ny fitiavanao ny Tompo hisy fiantraikany teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisinao.

Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny valinteniny. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy tokony hizara traikefa izay masina na tsiambaratelo izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6–8 sy hamantatra ny didy fanampiny izay nomen’ny Tompo ny Olomasina tamin’izany fotoana izany.

  • Ahoana no fomba ifandraisan’ireo didy ireo amin’ilay didy hitiavana ny Tompo amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra sy amin’ny saintsika rehetra ary amin’ny tanjatsika rehetra?

  • Ahoana no fomba anehoantsika ny fitiavantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fitiavantsika ny namantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19

Mampianatra ny Olomasina momba ny andro Sabata ny Tompo

Omeo tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Mark E. Petersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra na soraty eny amin’ny solaitrabe izany alohan’ny fidiran’ny mpianatra ao an-dakilasy. (Io fanambarana io dia hita ao amin’ny The Sabbath Day,”Ensign, May 1975, 49.)

“Ny fitandremantsika na ny tsy fitandremantsika ny dia refy marina momba ny fihetsika asehontsika amin’ny Tompo manokana sy ny fijaliany tao Getsemane sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ary ny fitsanganany tamin’ny maty” (Ny Loholona Mark E. Petersen).

Asao ireo mpianatra hamantatra ny teny izay banga ao amin’io fanambarana io (“ny Sabata”). Aorian’ny fizaran’izy ireo ny heviny dia hazavao fa ao amin’ny fanambarana noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 dia namerina nilaza ny didy iray izay afaka manampy ny Olomasina hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany sy hanamafy bebe kokoa ny fifandraisany Aminy ny Tompo. Io ilay didy izay tian’ny Loholona Petersen hambara. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–10, ary angataho ireo mpianatra hamantatra ny didy iray izay nomen’ny Tompo ireo Olomasina.

  • Inona no didy nomen’ny Tompo eto amin’ireto andininy ireto? (Mitandrina ny andro Sabata ho masina.)

Asao ireo mpianatra hameno ny banga tao amin’ilay fanambarana nataon’ny Loholona Petersen amin’ny teny hoe ny Sabata.

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Petersen dia ahoana no fomba ifandraisan’ny fitandremantsika ny andro Sabata amin’ny fitiavantsika ny Tompo sy ny Sorompanavotany?

Asehoy fa ao amin’ny andininy 9 dia nampanantena fitahiana lehibe an’ireo izay manaja ny andro masiny ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Raha mitandrina ny andro Sabata ho masina isika dia hanampy antsika … izany.

Asaivo mamerina mijery ny andininy 9 ny mpianatra sy hamantatra ilay fampanantenana nomen’ny Tompo niaraka tamin’io didy io.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 9 dia amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina? Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe miaro ny tenantsika “tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao”?

Asao ny mpianatra hameno ny banga ao amin’ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasany ny fomba fiteniny. Fomba iray mety hanehoan’ny mpianatra io fitsipika io ity fehezan-teny manaraka ity: Raha mitandrina ny andro Sabata ho masina isika dia hanampy antsika hiady amin’ny fakam-panahy sy handresy ny fahotana izany. Toroy hevitra ireo mpianatra mba hanoratra izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masiny.

Hazavao fa ny andininy 9–14 dia manampy antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe mitandrina ny andro Sabata ho masina. Omeo ny iray amin’ireto andininy manaraka ireto ny mpianatra tsirairay: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9, 10, 12, ary ny 13 Asao ny mpianatra mba handalina mangina ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ka hitady ny zava-baovao mikasika ny fomba hahafahantsika mitandrina ny andro Sabata ho masina. Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana fahafahana ny hizara ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy izy ireo. Alohan’ny hanombohan’ireo mpianatra ny famakiana ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo dia mety hanampy ny fanazavana fa ilay andian-teny hoe “hanatanterahinao ny fanompoana” ao amin’ny andininy 10 dia midika hoe mitsaoka na mampiseho ny fitiavantsika sy ny fahatokiantsika. Ankoatra izay dia azonao atao ny mampiseho ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ho an’ny teny hoe fanatitra ao amin’ny andininy 12.

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara dia asao ny mpianatra izay nandalina ny andininy 9 hamaky mafy izany. Asao ny mpianatra izay nandalina io andininy io mba hizara ny zava-baovao hitany momba ny fomba hahafahantsika mitandrina ny andro Sabata ho masina. Tendreo ny mpianatra iray mba ho mpitan-tsoratra sy hanao lisitra ireo zava-baovao ireo eo ambanin’ny fitsipika eny amin’ny solaitrabe. (Ohatra, ao amin’ny andininy 9 dia mety hamantatra ny fankanesana any am-piangonana sy ny fivavahana ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ho toy ny ampahany manan-danja amin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ny mpianatra.) Asao ny mpianatra hamerina io dingana arahana io ho an’ny tsirairay amin’ny andinin-tsoratra masina sisa tavela.

  • Ahoana no nahatonga ny ezaka nataonao hitandrina ny andro Sabata ho masina hanampy anao hanohitra ny fakam-panahy sy hatanjaka ara-panahy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:15 ary hikaroka ny andian-teny izay manoritsoritra ny fihetsika tokony hananantsika mikasika ny andro Sabata. Angataho ny mpianatra mba hizara ny andian-teny hitany sy hanazava ny antony mahatonga ny hoe ny fananana io fihetsika io amin’ny andro Sabata dia afaka manampy antsika hitandrina ny andro Sabata ho masina.

Fintino fohifohy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampanantena fitahiana ara-panahy sy ara-batana ho an’ireo izay manaja ny andro masiny. Zarao ny fomba izay nahatonga ny fitandremanao ny andro Sabata ho masina hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Tompo. Asao ireo mpianatra hanoratra ny zavatra izay hataony ka hanampy azy ireo hitandrina ny andro Sabata ho masina ao anaty kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20–24

Manapaka ny fitahiana eto an-tany sy maharitra mandrakizay eo amin’ireo mahatoky ny Tompo

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe ray aman-dreny izay manome fanomezana ho an’ny zanany izy ireo. Maneho fankasitrahana mandrakariva ny sasany amin’ireo zanany isaky ny mahazo fanomezana.

  • Inona no tsapanao amin’ny maha-ray aman-dreny anao? Moa ve izany hisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitrao ny hanome fanomezana bebe kokoa? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:20–21. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra tsapan’ Andriamanitra momba ny fitahiana antsika sy ny fomba tokony hamaliantsika Azy rehefa mandray ireo fitahiana isika.

  • Inona no tsapan’ Andriamanitra momba ny fitahiana antsika? (Mahafaly Azy izany.) Araka ny andininy 21 dia amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga antsika hanafintohana an’ Andriamanitra? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Manafintohina an’ Andriamanitra isika rehefa tsy maneho fankasitrahana Aminy sy mitandrina ny didiny.)

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fanafintohinana sy ny fahatezeran’ Andriamanitra izay voalaza ao amin’ny andininy 21 dia porofon’ny fitiavany antsika. Tsy faly Izy rehefa tsy mpankasitraka na tsy mpankatò isika satria mampanalavitra antsika Aminy ireo fihetsika ireo.

  • Araka ny hevitrao, nahoana no manimba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ny tsy fisaorantsika Azy noho ny fitahiana azontsika avy any Aminy?

  • Ahoana no fomba ifandraisan’io fahamarinana io amin’ny fitsipika izay hita teo aloha momba ny fitandremana ny andro Sabata ho masina?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23–24. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo mitandrina ny didiny.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitondrana fiadanana teo amin’ny fiainanao rehefa niaina araka ny fahamarinana izay hitantsika tao amin’ity fanambarana ity ianao?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hisaintsainana ny fomba maro izay nitahian’ Andriamanitra azy ireo noho ny fitandremana ny didiny sy ny fomba ahafahany maneho fankasitrahana ho Azy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9. “Ny androko masina”

Ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 no fanambarana voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity izay nanomezan’ny Tompo toromarika manokana momba ny fitandremana ny andro Sabata. Nanome fanambarana ho an’ireo Olomasina izay nasaina nanangana ny tanànan’i Ziona ny Tompo. Niaina teo akaikin’ireo mponina hafa tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ireo Olomasina, ka maro tamin’izy ireo no nanaraka ny fanaon’izao tontolo izao sy tsy nitandrina ny andro Sabata ho masina fa nifidy kosa ny hanaraka fomba fialam-boly maro isan-karazany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9. “Miaro tanteraka ny tenanao tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao”

Nanazava ny fomba hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo antsika hijanona tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Miaina ao anatin’ny andro mahaory araka ny faminanian’ny Apôstôly Paoly isika (jereo ny 2 Timoty 3:1 Ireo izay miezaka ny hanaraka ny lalana ety sy tery dia mahita fanasana hivily lalana amin’ny endriny rehetra. Mety ho variana isika, ho voambanimbany ary ho voaratra fo na ho very fanantenana. Ahoana no ahafahantsika manana ny Fanahin’ny Tompo mba hitarika ny safidintsika sy hihazona antsika amin’ilay làlana?

“Ao amin’ny fanambarana maoderina no nanomezan’ny Tompo ny valiny tao anatin’ity didy ity:

“Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’ izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ ny androko masina;

“Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ ny asanao ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra (F&F 59: 9–10).

“Didy mifono fampanantenana izany. Amin’ny alalan’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy araka ny tokony ho izy no hahamendrika antsika amin’ilay fampanantenana hoe “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika]” isika (F&F 20:77). Izany Fanahy izany no fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka izany, mampahatsiahy antsika ny zava-drehetra ary mitarika antsika any amin’ny fahamarinana. Izany no kompà mitarika antsika amin’ny lalantsika. Nampianatra ny Filoha Wilford Woodruff fa io fanomezana ny Fanahy Masina io no “fanomezana lehibe indrindra izay azo omena ny olona” (Deseret Weekly, Apr. 6, 1889, 451). …

“Ahoana no ahafahantsika hanana ny Fanahin’ny Tompo hitarika ny safidintsika ka ahafahantsika hitoetra ‘tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao’ (F&F 59:9) hatrany sy hijanona eo amin’ny lalana azo antoka mamakivaky ny fiainana an-tany? Mila mendrika ilay hery mpanadio avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fitandremana ilay didiny hanatona Azy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina, ary ao anatin’izany fivoriana mahafinaritra isan-kerinandro izany no handraisana ny marika famantarana ny fanasan’ny Tompo sy hanaovana ny fanekempihavanana izay mahamendrika antsika amin’ny fampanantenana sarobidy fa hanana mandrakariva ny Fanahiny isika (jereo ny F&F 20:77Sacrament Meeting and the Sacrament,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 17, 20).

Hamoaka printy