Seminera sy Institiota
Lesona 140: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–66


Lesona 140

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–66

Fampidirana

Raha mbola niasa tamin’ny fanitsiana nentanim-panahy ho an’ny Baiboly ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1831 dia nangataka tamin’ny Tompo izy mba hahazo fahatakarana momba ireo patriarka fahiny izay nanambady mihoatra ny iray. Tamin’io fotoana io dia nanomboka nahazo fanambarana ny Mpaminany ho setrin’ny fanontaniany. Nandritra ireo taona manaraka an’io dia nandidy ny Mpaminany sy ireo Olomasin’ny Andro Farany hafa ny Tompo mba hiaina ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. Tamin’ny volana jolay 1843, raha mbola tao Nauvoo, Illinois ny foiben’ny Fiangonana dia nosoratan’ny Mpaminany ny fanambarana izay voarainy.Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 dia miresaka momba ireo fampianaran’ny Tompo mikasika ny fampakarana vady maro, anisan’izany ny torohevitra ho an’i Joseph sy i Emma Smith.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1–2, 34–48

Nanambara ny fitsipiky ny fampakarana vady maro ny Tompo

Atombohy izany amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe raha mbola rafitra niasa tamin’ny fandikana nentanim-panahy ny Testamenta Taloha i Joseph Smith tamin’ny 1831 dia namaky mikasika ireo mpaminany sasantsasany fahiny izay nanao ny fampakarana vady maro (izay nantsoina ihany koa hoe fampirafesana). Araka io fomba io dia manambady vehivavy mihoatra ny iray ny lehilahy iray. Nandalina ireo soratra masina ny Mpaminany, ka nisaintsaina ny zavatra nianarany ary nony farany dia nitondra ireo fanontaniany momba ny fampakarana vady maro teo anatrehan’ny Ray any An-danitra tao anatin’ny vavaka.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Genesisy 16:1–3. Hazavao fa ireo andininy ireo dia manoritsoritra ireo asa nataon’i Saray sy i Abrama, izay fantatra taty aoriana tamin’ny anarana hoe Saraha sy Abrahama. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady hieritreritra momba ny fanotaniana izay mety ananany mikasika an’io tranga teo amin’ny fiainan’i Abrama sy i Saray io.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1 ka hitady ny zavatra nangatahin’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina tao amin’ny Testamenta Taloha momba ny fanaovana ny fampakarana vady maro izy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Mety ilaina ny hanazavanao fa ilay teny hoe vaditsindrano dia teny entina hamaritana ireo vehivavy tao amin’ny Testamenta Taloha izay, raha tamin’ny fotoana sy ny kolontsaina niainan’izy ireo, dia vita fanambadiana ara-dalàna tamin’ny lehilahy iray saingy nanana saranga ambany kokoa raha oharina amin’ny hoe vady. Tsy tafiditra amin’ilay fampakarana vady maro amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao ny vaditsindrano.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no nandidy ny lehilahy sy ny vehivavy marina hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro ny Tompo tamin’ny fotoana sasantsasany?

Hazavao fa ao amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 ireo mpianatra dia afaka mahita ny valin’ny fanotaniana eny amin’ny solaitrabe sy ireo fanotaniana hafa izay mety ananany momba ny fampakarana vady maro. Asao izy ireo hanoratra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika hitany mandritra ny fandalinany androany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–36. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny antony nahatonga an’i Abrahama sy i Saraha nanomboka nampihatra fampakarana vady maro.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 34, dia nahoana no nomen’i Saraha vady hafa i Abrahama? Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny fitsipiky ny fampakarana vady maro? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tsy ankatoavin’ny Tompo ny fampakarana vady maro raha tsy Izy ihany no mandidy izany.)

  • Nanampy tamin’ny fanatanterahana inona ny fankatoavan’i Saraha sy i Abrahama? (Ny fampanantenan’ny Tompo tamin’i Abrahama, anisan’izany ilay fampanantenana hoe hanana taranaka marobe tahaka ny kintana i Abrahama [jereo ny Genesisy 15:5].)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra misimisy kokoa ny fitsipika izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe dia toroy hevitra izy ireo hanoratra ny Jakôba 2:27, 30 ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Hamafiso fa ny fampakarana vady tokana (fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray) no fenitr’ Andriamanitra ho an’ny fanambadiana raha tsy hoe mandidy ny mifanohitra amin’izany Izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:37–38. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ireo andian-teny izay mamaritra ireo ohatra izay nandidian’ny Tompo ny fanaovana ny fampakarana vady maro. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:39, 41–43 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanamafy fa rehefa manao ny fitsipiky ny fampakarana vady maro araka ny didiny ny olona dia tsy meloka ny amin’ny fahotan’ny fijangajangana izy ireo. Kanefa, raha misy olona manao ny fampakarana vady maro ao anatin’ny toe-javatra izay tsy nandidian’ny Tompo izany dia ho meloka amin’ny fijangajangana izy ireo. (Marihina fa ny teny hoe fongorona ao amin’ny andininy 41 dia milaza fa ireo izay mandika ny fanekempihavanany masina dia hoesorina hiala amin’ Andriamanitra sy hiala amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany [ampitahao amin’ny Asan’ny Apôstôly 3:22–23; 1 Nefia 22:20].)

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:40 sady hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa ho ataony.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 40, dia inona no zavatra hataon’ny Tompo? (Hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Hazavao fa ny hoe “zava-drehetra” dia entina hilazana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izay nambara tany amin’ireo fotoampitantanana tany aloha. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny didy hiaina ny lalàn’ny fampakarana vady maro amin’ny andro farany dia ampahany tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra. [Jereo koa ny Asan’ny Apôstôly 3:20–21.])

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:45, 48. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mikaroka ny zavatra natolotry ny Tompo an’i Joseph Smith mba hamerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra.

  • Inona no natolotry ny Tompo an’i Joseph Smith mba hamerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra? (Ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana.)

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny andininy 45 sy 48 momba ny fampakarana vady maro? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tsy mahazo fankatoavana ny fampakarana vady maro raha tsy amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nomena ny Filohan’ny Fiangonana ihany.)

Hazavao fa tamin’ny voalohandohan’ity fotoampitantanana ity dia nandidy ny sasantsasany tamin’ireo Olomasina fahiny ny Tompo tao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra mba hanao ny fampakarana vady maro tamin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana notanan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo Filohan’ny Fiangonana taty aoriana—Brigham Young, John Taylor ary i Wilford Woodruff. Tamin’ny 1890 ny Filoha Woodruff, izay niasa tamin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo ihany dia nahazo fanambarana fa tokony hatsahatra ny fanaovana ny fampakarana vady maro (jereo ny Filazana Ôfisialy 1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49–66

Manome torohevitra an’i Joseph sy i Emma Smith ny Tompo momba ny fampakarana vady maro

Hazavao fa somary nalaina ny Mpaminany Joseph Smith hanomboka ny fanaovana ny fampakarana vady maro. Nilaza izy fa tsy nanomboka nanao izany raha tsy efa nampitandremana fa hofongana raha tsy nankatò (jereo ny “Plural Marriage,” Historical Record, mey 1887, 222). Noho ny tsy fisian’ny rakitsoratra ara-tantara dia tsy fantatsika ny mikasika ny fiezahan’i Joseph Smith voalohany tamin’ny fanarahana an’ilay didy. Kanefa, tamin’ny 1841 ny Mpaminany dia nanomboka nankatò ilay didy sy nampianatra izany tamin’ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana, ka tao anatin’ny telo taona manaraka dia nampakatra vady fanampiny izy araka ny didin’ny Tompo. Ny fankatoavan’ny Mpaminany Joseph Smith ny didin’ny Tompo momba ny fanaovana ny fampakarana vady maro dia fitsapana finoana ho azy sy ho an’i Emma vadiny, izay tena tiany fatratra tokoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49–50. Asaivo mitady ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo an’i Joseph Smith ireo mpianatra.

  • Inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Joseph Smith?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 50, nahoana no nampanantena ireo fitahiana ireo an’i Joseph Smith ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:52 Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady hikaroka ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Emma Smith.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 52, inona no nasaina noraisin’i Emma? (“Ireo rehetra izay nomena an’i Joseph mpanompoko” dia entina hilazana an’ireo olona nofehezina tamin’i Joseph Smith.)

Hazavao fa ankoatra ny fandidiana an’i Emma handray ireo izay nofehezina tamin’ny vadiny dia nodidian’ny Tompo ihany koa izy hitoetra amin’ny lalàny sy hamela ny fahadisoan’i Joseph. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:56 mba hianatra ny zavatra nampananten’ny Tompo an’i Emma Smith.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’i Emma raha toa ka nankatò ny didiny izy?

Hazavao fa tamin’ny 1841 i Joseph Smith dia nanomboka nampianatra ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky hafa momba ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. Tamin’ny voalohany dia sahirana ihany koa izy ireo tamin’ny fahatakarana sy fanekena io fitsipika io. Ohatra: fony vao nampianarina momba ilay didy hanao fampakarana vady maro i Brigham Young dia nilaza fa toa aleony ho faty toy izay hampakatra vady maro (jereo ny Susa Young Gates and Leah D. Widtsoe, The Life Story of Brigham Young [1930], 321). Na dia niahotra sy sorena tamin’ilay didy aza ireo mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonana ireo tamin’ny voalohany dia nahazo fanamafisana manokana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo ka nanaiky ilay fitsipiky ny fampakarana vady maro. I Vilate Kimball, ilay vady voalohan’ny Loholona Heber C. Kimball dia nandray sy nanaiky ilay fotopampianarana momba ny fampakarana vady maro ka “tsy afaka nisalasala fa avy amin’ Andriamanitra ny lamina momba ny fampakarana vady maro satria nambaran’ny Tompo taminy tao anatin’ny valim-bavaka izany” (Helen Mar Kimball, ao amin’ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball [1967], 325, jereo ihany koa ny pejy 326–28).

Nitondra fanamby hafa ny fanaovana ny fampakarana vady maro. Satria natao mangingina io fomba io tamin’ny voalohany dia nanomboka niparitaka ny tsahotsaho mikasika an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nampaka-bady fanampiny. Nanova an’ilay fahamarinana ireny tsahotsaho ireny sady nanaratsy ny anaran’ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ary vao mainka nampitombo ny fanenjehana ireo Olomasina.

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:63, manomboka eo amin’ilay andian-teny hoe “fa izy ireo dia nomena azy.” Alohan’ny hamakiana izany dia hazavao fa io andininy io dia manampy antsika hahatakatra ny antony iray nahatonga ny Tompo nandidy an’i Joseph Smith sy ireo olon-kafa hanao ny fampakarana vady maro. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady an’io antony manokana io.

  • Inona no didy lazain’ny Tompo ao amin’ny andininy 63? (Ny didy hihamaro sy hameno ny tany.) Inona no dikan’ny hoe hihamaro sy hameno ny tany? (Hanan-janaka.)

Hazavao ilay andian-teny manaraka ao amin’ny andininy 63 hoe: “fa ao amin’izany no itohizan’ny asan’ny Raiko.”

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fananana zanaka hanome fahafahana ireo ray aman-dreny ho mpandray anjara amin’ny fanohizana ny asan’ny Ray any An-danitra?

Azonao atao ny mamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra izy ireo, dia ny hitondra zanaka ho ety an-tany. Hoy ny Tompo hoe: ‘Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona’ [Mosesy 1:39]. Alohan’ny tsy fahafatesana dia tsy maintsy misy ny fiainana an-tany” (“Zanaka,” Ensign na Liahona, nôv 2011, 28).

  • Miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 63, inona no antony iray nahatonga ny Tompo nametraka ny fanaovana ny fampakarana vady maro amin’ny fotoana sasantsasany? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Nametraka ny fanaovana ny fampakarana vady maro ny Tompo tamin’ny fotoana sasantsasany mba hanomezana an’ireo vahoakany fahafahana bebe kokoa ny hanangana zanaka marina ho Azy. Azonao atao ny mamerina mamaky ny Jakôba 2:30.)

Avereno vakina ilay fanontaniana nosoratanao teny amin’ny solaitrabe tamin’ny voalohandohan’ny lesona: Nahoana no nandidy ny lehilahy sy ny vehivavy marina hankatò ny fitsipiky ny fampakarana vady maro ny Tompo tamin’ny fotoana sasantsasany? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamintina ho an’ny iray kilasy ny zavatra nianarany avy amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 sy ny Jakôba 2:27, 30 izay manampy azy ireo hamaly io fanontaniana io.

Farano izany amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hoe nandray sy nankatoa ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132. Ahoana no fomba handalinana ny fampakarana vady maro

Hita ao amin’ny Internet sy ireo loharanom-pitaovana vita printy maro ny ankabeazan’ny fampahalalana tsy azo antoka mikasika ny fampakarana vady maro. Aoka ianao hitandrina sy ho malina amin’ny fampahalalana toy ireny. Ireo mpanoratra sasany izay manoratra momba ny Fiangonana sy ny tantarany dia maneho fampahalalana izay mivoaka ny sahan-kevitra na mampiditra fampahalalana amin’ny ampahany izay mety mamitaka. Ny hanimba ny finoana no fikasan’ny sasantsasany amin’ireny lahatsoratra ireny.

Nampitandrina ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava ny finoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’izao andro izao.

“Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatra tahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao. (Fitsapana ny finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 41).

Rehefa mandalina momba ny fampakarana vady maro dia zava-dehibe ny mahatsiaro ny ohatra fakan-tahaka narahan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fianarany ny filazantsara. Nandalina izy, nisaintsaina ary nivavaka mba hahazo fahalalana.

Azo jerena ao amin’ny josephsmithpapers.org sy ny byustudies.byu.edu ny fikarohana ara-tantara azo antoka mikasika ny fanaovana ny fampakarana vady maro.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1. “Ny fitsipika sy ny fotopampianarana” momba ny fampakarana vady maro

Ireto tantara manaraka ireto dia manampy amin’ny fanazavana ireo zavatra tsapan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana tamin’ny fotoana nampahafantarana voalohany ny fampakarana vady maro.

I Eliza R. Snow, izay nofehezina tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanoratra ireo antsipiriany tamin’ny fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith an’i Lorenzo Snow, anadahiny, momba ny fitsipiky ny fampakarana vady maro. Nomarihany ny fijaliana sy ny fanaintainana izay nentin’ilay fitsipika teo amin’i Joseph Smith ka tsy nanatanteraka ny fametrahana io fitsipika io izy raha tsy noho ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany:

Sary
Eliza R. Snow

“Nanokatra ny fony tamin’ [i Lorenzo Snow] ny Mpaminany Joseph Smith, ary namariparitra ny hasarotan’ny fahorian-tsaina niainany mba handresy ny rikorikon’ny fahatsapany, ilay vokatra voajanaharin’ny fanabeazana sy ny fomba amam-panao ara-piaraha-monina, izay mifandray amin’ny fampidirana ny fanambadiana maro. Fantany ny feon’ Andriamanitra—fantany fa ny didin’ilay Tsitoha taminy dia ny handroso hatrany—ny haneho ohatra sy hametraka ny fampakarana vady maro Selestialy. Fantany fa tsy ny fomba fiheviny sy ny fahatakarany taloha ihany no tsy maintsy niadiany sy noreseny, fa ireo fitsarana an-tendrony izay avy amin’ny Kristianina rehetra ihany koa; saingy Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra, no nanome azy ny didy, ary tsy maintsy ankatoavina Izy. Kanefa niahotra sy nitakemotra hatrany hatrany ny Mpaminany ambara-pitsanganan’ny anjelin’ Andriamanitra iray teo akaikiny niaraka tamin’ny sabatra ka nilaza taminy fa raha tsy nandroso sy nametraka ny fampakarana vady maro izy dia ho esorina hiala taminy ny Fisoronana ary tokony hofongorana izy! Tsy tamin’ny anadahiko ihany no nanaovany izany fijoroana ho vavolombelona izany fa tamin’ny hafa ihany koa—fijoroana ho vavolombelona izay tsy azo lavina iadiana varotra” (Biography and Family Record of Lorenzo Snow [1884], 69–70).

Nanazava ny Filoha Brigham Young hoe:

Sary
Filoha Brigham Young

“Raha nisy olona nanontany ahy hoe inona no safidiko fony nambaran’i Joseph io fotopampianarana io, raha tsy hoe hampihena ny voninahitro izany, dia hilaza aho hoe: ‘avelao aho tsy hanana afa-tsy vady tokana.’ …

“… Tsy naniry velively ny hiala amin’ny fanatontosana na ny tsy fanaovana ny andraikitra araka izay nandidiana ahy aho, kanefa io no voalohany teo amin’ny fiainako izay naniriako ny ho faty ary ela vao tafarina tamin’izany aho. Ary rehefa nahita fandevenana aho dia nahatsapa ho naniry ny toe-javatra manjo an’ilay faty ary nanenina fa tsy mba tao anatin’ilay vatam-paty. …

“… Kanefa ireo Olomasina izay miaina ny fivavahany dia hasandratra, satria tsy handà na oviana na oviana ny fanambarana izay nomen’ny Tompo na mbola homeny izy ireo, eny fa na dia mety hiilaza aza izy ireo, rehefa tonga amin’izy ireo ny fotopampianarana izay tsy tena takany tanteraka loatra: ‘Nandefa an’ity ny aty amiko ny Tompo, ka mivavaka aho ny hamonjeny sy hitsimbinany ahy amin’ny fandavana ny zavatra avy aminy, sy hanome faharetana ahy mba hiandrasako ambara-pahafahako mahatakatra izany’” (ao amin’ny “Provo Conference,” Deseret News, 14 nôv 1855, 282).

Nandray ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fampakarana vady maro i Vilate Kimball, izay vady voalohan’ny Filoha Heber C. Kimball. Nitantara i Helen, zanany vavy hoe:

“Matetika no nilaza tamiko ny reniko fa tsy afaka nisalasala izy fa avy amin’ Andriamanitra ny lamin’ny fampakarana vady maro satria ny Tompo no nanambara izany taminy tao anatin’ny valim-bavaka.

“‘Tao Nauvoo, taoriana kelin’ny fiverenany avy tany Angletera dia nampianarina ny fotopampianaran’ny vady maro ny raiko, niaraka tamin’ireo rahalahiny hafa. …

“‘Nahatakatra tanteraka ilay toe-javatra nisy ny raiko, ary ny fitiavana sy ny fanajana izay nananany ho an’ny Mpaminany dia tena lehibe tokoa hany ka naleony ho faty toy izay namadika azy. Io no anisan’ny fitsapana lehibe indrindra ny finoany. …

“‘Tsikaritry ny reniko [Vilate Kimball] ny fiovana teny amin’ny fomba fanaony sy ny endriny ka rehefa nanontany ny anton’izany izy dia niezaka ny niala an’ireo fanotaniany. Tamin’ny farany dia nampanantena izy fa holazainy azy izany any aoriana, raha toa izy ka miandry. Nampiasa mafy ny sainy io olana io hany ka lasa hita taratra teny aminy isan’andro ny tebitebiny sy harerahany, ary tamin’ny farany dia lasa tsy hay zakaina intsony ny fahoriany ka tsy voafehy mihitsy ny zavatra tsapany. Lasa narary izy; saingy mafy loatra ny fahoriany ka tsy nahafahany natory. Dia nivezivezy tao an-trano mandra-marain’ny andro izy ary indraindray dia tena mafy tokoa ilay fijalian-tsainy hany ka niolana ny tanany sady nigogogogo nitomany toy ny zaza izy ary nitalaho tamin’ny Tompo mba ho be famindrampo sy hanambara io fitsipika io aminy. …

“Tsy hay faritana ny fangirifirian’ny fon’izy ireo, ka rehefa hitany fa tsy nilaina intsony ny nanontany ny olany dia nankao an’efitranony izy ka niondrika teo anatrehan’ny Tompo ary namboraka ny fanahiny tao anatin’ny vavaka tamin’Ilay nilaza hoe: “Ary raha misy tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa.” …

“Naseho teo anatrehany ny lamin’ny fanambadiana selestialy, tao anatin’ny hatsarany sy ny voninahiny, niaraka tamin’ny fisandratana sy haja lehibe izay ho atolotra azy ao anatin’izany tontolon’ny tsy mety maty sy selestialy izany, raha toa ka hanaiky izany izy ka hitsangana eo amin’ny toerany eo anilan’ny vadiny. Hitany ihany koa ilay vehivavy izay nalainy ho vady ka nitazana tamim-pifaliana ny fitiavana sy ny firaisana lehibe sy tsy manam-petra izay ho entin’io lamina io, sy ny fitomboan’ireo fanjakan’ny vadiny, ary ny hery sy ny voninahitra izay hanenika ny mandrakizay, tontolo izay tsy manam-pahataperana.

“Heniky ny fifaliana ny tarehiny satria feno ny Fanahin’ Andriamanitra izy ka niverina tany amin-draiko ary nilaza hoe: “Heber, nasehon’ny Tompo ahy ny zavatra izay nafeninao ahy.” Nolazain’ny reniko tamiko fa tsy mbola nahita lehilahy faly be tahaka ny raiko izy rehefa nanoritsoritra ilay fahitana izy ka nilaza taminy fa afa-po izy ary fantany fa avy amin’ Andriamanitra izany.

“Nanao fanekena izy ny hijoro eo anilany sy hanaja ilay fitsipika, izay fanekempihavanana notandremany tamim-pahatokiana, ary na dia navesatra sy sarotra nozakaina aza ny fitsapana azy dia fantany fa notsapaina ihany koa i dada, ary tsy niova hatramin’ny farany ny fahitsian-toetrany. Nomeny vady maro ny raiko, ary noraisin’izy ireo ho namana mahatoky foana ny reniko’” (ao amin’ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball [1967], 325–28).

Niresaka momba ny fotoana izay nampahafantarana ny fampakarana vady maro ny Filoha John Taylor:

Sary
Filoha John Taylor

“Nanaiky sy nanaraka hevitra hentitra momba ny hatsaran-toetra lalandava aho, ka nahatsapa fa naharikoriko ny nanao an’io zavatra io tany ivelan’io fitsipika io, amin’ny maha-olona manambady ahy. … Zavatra izay natao hampientanentana ny fahatsapana ao anatin’ny fanahin’ny olona izany. Nankatoa ny fitsipiky ny fahadiovam-pitondrantena tamin’ny fomba hentitra foana aho. … Ka noho ireo fahatsapana izay narahiko ireo dia tsy nisy afa-tsy ny fahafantarana an’ Andriamanitra sy ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ary ny fahamarinan’izy ireo no afaka nandresy lahatra ahy hanaiky tanteraka ny fitsipika tahaka an’izy ity” (ao amin’ny B. H. Roberts, The Life of John Taylor, Third President of the Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [1963], 100).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:18–20. Ny toetra mandrakizain’ny fanambadiana

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay niverina nanambady taorian’ny fahafatesan’ny vadiny voalohany dia nanazava tao anatin’ny dinidinika iray fa amin’ny lohahevitry ny toetra mandrakizain’ny fanambadiana dia misy zavatra sasantsasany izay fantatsika fa misy ihany koa zavatra hafa izay tsy fantatsika:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Misy olona maro miaina eto an-tany izay manambady mihoatra ny olona iray. Indraindray dia nifarana tamin’ny fahafatesana ireny fanambadiana ireny; fa indraindray kosa nifarana tamin’ny fisarahana. Inona no dikan’ny fiainana ho avy ho azy ireo raha oharina amin’ny fanekempihavanana izay nataony tany aloha sy ny zavatra hafa? Mieritreritra aho fa tsy dia manana valiny loatra amin’izany fanontaniana izany ireo olona ireo. Mety tsy mampaninona azy ireo izany satria tsy mino izy ireo fa hiaina ho toy ny mpivady ny olona amin’ny fiainana ho avy. Ary raha tsy manao sy miaina ny fanekempihavanana mba hahatonga izany izy ireo, [ho an’ny tenany] dia marina ny azy! Fa ho an’ny olona, tahaka ahy, izay miaina ny finoana ny hoe afaka ny ho mandrakizay ny fanambadiana dia tsy maintsy hilaza hoe: ‘Hanao ahoana ny fiainana amin’ny fiainana ho avy rehefa manambady mihoatra ny iray ianao any amin’ny mandrakizay?’ Voatery hilaza aho hoe tsy fantatro. Saingy fantatro kosa fa nanao ireo fanekempihavanana ireo aho ary mino fa raha mahatoky amin’ireo fanekempihavanana dia ho tanteraka any amin’ny fiainana ho avy ny fitahiana izay andrandraina ety” (ao amin’ny “Elder Oaks Interview Transcript from PBS Documentary,” 20 jolay 2007, mormonnewsroom.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:38–39. I Davida sy i Oria

Nanambara ny Tompo fa nanota i Davida tamin’ny fakana an’i Batseba, vadin’i Oria. Taty aoriana dia nikotrika ny fahafatesan’i Oria i Davida mba hanafenana ny fahotany. Ny vokany dia nianjera avy tamin’ny fisandratany i Davida. Ny fampidirana ny ohatra momba an’i Davida ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:38–39 dia manasongadina ireo lalàna hentitra izay mifehy ny fanaovana ny fampakarana vady maro. Na dia tamin’ny fotoana izay nametrahan’ny Tompo io fomba io sy nandidiany ny vahoakany hiaina izany aza dia notakina tamin’izy ireo ny hanao izany araka ny didiny sy ny torolalana izay nomeny an’ireo mpanompony izay nitana ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:51–56. Inona no zavatra nandidiana an’i Emma Smith tsy ho alainy?

“Tsy misy famantarana omena eto na any amin’ny toeran-kafa mikasika ny zavatra nandidian’ny Tompo hatolotry ny Mpaminany Joseph ny vadiny, kanefa ny sahan-kevitra dia toa milaza fa fitsapana manokana ny finoana izany, tahaka ny fitsapana ny finoan’i Abrahama rehefa nandidy azy hanao sorona an’i Isaka ny Tompo. Ankoatra izay dia tsy ilaina ny manao vinavina” (Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 334).

Hamoaka printy