Seminera sy Institiota
Lesona 69: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–19


Lesona 69

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–19

Fampidirana

Ny 27 Aogositra 1831 dia vao niverina avy tany Ohio ny Mpaminany Joseph Smith sy ny loholona maromaro rehefa avy nandeha nanokana ny tany sy ny faritry ny tempoly tany Ziona, na Independence, Missouri. Nandritra ny diany nandroso sy niverina avy tany Missouri dia tsy nifankahazo ny sasany tamin’ireo loholona ka niaina tao anatin’ny fifandirana, kanefa afaka nihavana ihany ny ankamaroany. Ny 11 Septambra dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 ny Mpaminany. Ity lesona ity dia mahafaoka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–19, ka ao anatin’izany no iresahan’ny Tompo momba ny fahavononany hamela ny mpanompony. Mandidy ireo mpikamban’ny Fiangonana hifamela ihany koa Izy.

Fanamarihana: Ny lesona 70 dia manome fahafahana mpianatra roa hampianatra. Raha tsy mbola nanao izany ianao dia azonao atao izao ny mifidy mpianatra roa ary manome azy ireo ny tahadikan’ny ampahan’ny lesona nofidiana ao amin’ny lesona 70 mba hahafahan’izy ireo manomana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–7

Manome toky ireo loholona ny Tompo amin’ny fahavononany hamela

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

Oviana ianao no nahatsiaro tena ho tohina noho ny teny na zavatra nataon’ny olona hafa iray?

Ahoana no fomba namalianao izany toe-javatra izany?

Atombohy ny kilasy amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 ny Tompo dia mampianatra antsika ny fomba famaliana rehefa mandratra antsika ny hafa. Nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 i Joseph Smith ny 11 Septambra 1831, tokony ho roa herinandro taorian’ny niverenany niaraka tamin’ireo andiana loholona avy any Independence, Missouri ho any Ohio. Niaina tao anatin’ny fahasarotana ireo loholona ireo sy ny mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana noho ny fifanolanana sy fifandirana nisy teo anivon’ireo mpikambana sasany tao amin’ilay vondrona. Nilaza ny Tompo tao anatin’ity fanambarana ity hoe: “Misy ireo eo anivonareo izay efa nanota” (F&F 64:3).

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–4, ary asao ny iray kilasy hitady ny andian-teny izay milaza ny fomba hamalian’ny Tompo ireo izay nanota. Tolory hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay hitany.

  • Ahoana no lazain’ny Tompo fa hasetriny ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanota?

  • Inona no ampianarin’ireo valinteny ireo antsika momba ny Tompo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mpangoraka sy mpamela heloka ary mpamindra fo ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Naninona io fahamarinana io no mety zava-dehibe ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay niatrika fahasarotana noho ny fifanolanana sy lolom-po. Nahoana no zava-dehibe aminao io fahamarinana momba ny Mpamonjy io?

Hazavao fa tamin’io fotoana io dia lasa nitsikera an’i Joseph Smith ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana, anisan’izany ireo loholona sasany izay niara-dia tamin’i Joseph Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:5–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo momba an’i Joseph Smith. Alohan’ny hamakian’ny mpianatra dia hazavao fa ny hoe nitady hirika hiampangana azy, araka ny voalaza ao amin’ny andininy 6, dia midika hoe nitady fahadisoan’ny olona iray.

  • Inona no nolazain’ny Tompo momba an’i Joseph Smith? (Nihazona ny fanalahidin’ny fanjakan’ny Tompo i Joseph Smith ary mpanompon’ny Tompo izy. Nitady izay hiampangana an’i Joseph ny olona sasany.)

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7 sy hitady ny zavatra hafa izay nambaran’ny Tompo momba an’i Joseph Smith.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity andininy ity momba an’i Joseph Smith? (Nanota i Joseph Smith, kanefa vonona ny hamela azy ny Tompo. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity andinin-tsoratra masina ity dia azonao atao ny manamafy fa nanana fahalemena tahaka ny olon-drehetra i Joseph Smith ka nila nikatsaka ny famelan-keloky ny Tompo izy noho ny fahotany. Kanefa tsy meloka tamin’ny fahotana lehibe izy.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity andininy ity momba ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoantsika famelan-keloka avy amin’ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–19

Mandidy ireo mpanompony hifamela ny Tompo

Raha azo atao dia mampisehoa sarina bibilava misy poizina izay miaina eo amin’ny faritra misy anao na sarina ratra vokatry ny kaikitry ny bibilava misy poizina iray.

  • Ankoatra ny fahatsapana fanaintainana ara-batana dia inona koa ny fihetseham-po tsapanao raha toa ka nokaikerin’ny bibilava misy poizina ianao?

Hazavao fa ny olona ao anatin’io toe-javatra io dia mety (1) hanenjika ilay bibilava ka hamono azy noho ny hatezerana na ny fahatahorana, na (2) handray fepetra avy hatrany hanesorana ilay poizina ao amin’ny vatany.

  • Iza amin’ireo zavatra roa ireo no heverinao fa tsara kokoa? Nahoana?

Hazavao fa afaka ampitahaina amin’ny safidin’ny olona iray aorian’ny fandraisany kaikitra misy poizina ny safidy ataontsika rehefa mahatsapa voatohina noho ny teny na ny fihetsika ataon’ny olona iray hafa isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nanjo ireo mpianatry ny Tompo noho ny fandavany hifamela heloka. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no fitsipika azontsika nianarana avy tamin’ny andininy 8? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa mandà tsy hamela ny heloky ny hafa isika dia mitondra fahoriana amin’ny tenantsika ihany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanoratra io fitsipika io amin’ny teniny manokana ao amin’ny soratra masiny.)

  • Ahoana no mety mahatonga ny olona iray ho ory (na tohina) rehefa tsy mamela heloka ny hafa izy? Inona no itovizan’izany amin’ny vokatry ny fanenjehan’ny olona iray ny bibilava izay vao avy nanaikitra azy?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hamantatra ny vokatra hafa ateraky ny tsy famelana ny heloky ny hafa.

  • Araka nyandininy 9 dia inona koa ny vokatry ny fandavana ny famelana heloka ny hafa? (Raha tsy mamela ny hafa isika dia meloka eo anoloan’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)

Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopololahy ity:

Loholona David E. Sorensen

“Mety ho sarotra tokoa ny mamela heloka ny olona iray noho ny ratsy nataony tamintsika, kanefa rehefa manao izany isika dia manokatra ny tenantsika ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Tsy hifehy ny lalam-piainantsika intsony ny fanafintohinana nataon’ny hafa. Rehefa mamela ny hafa isika dia mamela antsika hisafidy ny fomba hiainantsika ny fiainantsika izany. Ny famelan-keloka dia midika fa tsy hibaiko ny hoavintsika intsony ireo olana teo aloha ary afaka hifantoka amin’ny hoavy miaraka amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 12).

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hampihatra ny didin’ny Tompo momba ny hamelana ny olon-drehetra dia vakio ireto ohatra manaraka ireto ary apetraho ny fanontaniana aorian’izay:

  1. Tohina sy menatra ny zatovovavy iray taorian’ny nahafantarany fa nanaparitaka fifosafosana momba azy ny sasany tamin’ireo zatovo mitovy taona aminy. Taty aoriana dia niala tsiny ny sasany tamin’ireo namany ireo, saingy tsy nanao izany kosa ny hafa. Mamela ireo hafa izay niala tsiny taminy ilay zatovovavy fa nitazona lolom-po tamin’ny hafa kosa.

    Asao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10–11 ireo mpianatra. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ilay ohatra izay vao avy novakianao.

    • Inona no didy izay nomen’ny Tompo ao amin’ny andininy 10? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity didy ity: Mandidy antsika hamela ny olon-drehetra ny Tompo)

    • Ahoana no ifandraisan’io didy io amin’ilay zatovovavy tao amin’ilay ohatra teo? Nahoana, araka ny hevitrao, no manan-danja ny mamela ny olon-drehetra, na niala tsiny noho ny fahadisoany izy ireo na tsia?

  2. Mandika didy iray ny zatovolahy iray. Mivavaka izy mba hahazoany famelan-keloka ary miresaka amin’ny evekany momba ny olany. Kanefa, na dia nanome toky ilay zatovolahy aza ny eveka fa nibebaka tanteraka tamin’ny fahotany izy dia mbola mahatsapa tsy mendrika ihany ilay zatovolahy noho ny fahotany tany aloha.

    • Ahoana no ifandraisan’ny didy hamela ny olon-drehetra amin’ilay zatovolahy ao anatin’ity ohatra ity? Nahoana isika no tsy maintsy mamela ny tenantsika?

  3. Malahelo sy sahiran-tsaina ny zatovovavy iray noho ny zavatra ataon’ny rainy. Nandao ny fianakaviany izy. Talohan’ny nandaozany azy ireo dia zara raha nampiseho fitiavana ny fianakaviany izy ary matetika no ratsy fanahy. Tsy takany ny antony nahatonga ny rainy nanao toy izany, ary mitazona lolompo aminy izy. Fantany fa tokony hikatsaka ny hamela azy izy nefa mieritreritra fa mety tsy vitany izany.

    • Ahoana no fomba mety hanampian’ilay torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 11 ity zatovovavy ity amin’ny famelana ny rainy? Fa nahoana no manampy antsika ny famelana an’ Andriamanitra hitsara ireo izay nandratra antsika?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra raha toa ka misy olona izay tokony havelany. Ekeo fa mety tena sarotra indraindray ny mamela ny hafa. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity: Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra izay afaka ataony raha toa ka sahirana mamela heloka ny olona iray izy ireo.

Filoha Gordon B. Hinckley

“Miangavy anareo aho mba hangataka hery amin’ny Tompo mba hahafahanareo mamela heloka. … Mety tsy ho mora ary mety tsy ho tonga vetivety izany. Saingy raha hikatsaka amin-kitsim-po sy hikolokolo izany ianao dia ho avy izany” (“Of You It Is Required to Forgive,” Ensign, Jona 1991, 5).

  • Inona no torohevitra nasain’ny Filoha Hinckley ataontsika raha sahirana mamela heloka ny olona iray isika? Nahoana araka ny hevitrao no afaka manampy antsika hamela ny hafa ny fangatahana hery amin’ny alalan’ny vavaka?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:12–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny safidintsika hamela ny hafa dia tsy manala azy ireo amin’ny andraikiny tamin’ny zavatra nataony. Mbola tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra noho ny fahadisoana vitany izy ireo. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:15–17 dia mahita isika fa namela heloka manokana ny mpanompony roa ny Tompo, dia i Isaac Morley sy Edward Partridge, satria nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo.

Asehoy ny sarin’i Jesoa Kristy. Tondroy ilay fitsipika voalohany izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe tany amin’ny fiandohan’ny lesona: Mpangoraka sy mpamela heloka ary mpamindra fo ny Tompo. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mamela heloka isika dia lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahany mampihatra ireo fitsipiky ny famelan-keloka izay vao avy nianarany androany. Omeo fotoana izy ireo hanoratany ny zavatra hataony mba hampiharana ireo fahamarinana ireo sy hiraketany an-tsoratra ny fahatsapana izay azony.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 64:8. Mitondra fahoriana amin’ny tenantsika isika rehefa tsy mamela ny hafa

Nitantara momba ny lehilahy roa izay nandratra ny tenany sy ny olona maro hafa noho ny tsy fahavononany hamela ny hafa ny Loholona David E. Sorensen:

Loholona David E. Sorensen

“Lehibe tao amin’ny tanàna mpamboly iray aho ary ny rano no anisan’ny zava-dehibe tao amin’ilay fiarahamonina. Tsaroako ny olona tao amin’ny fiarahamonina nisy anay fa niambina sy nitaintaina ary nivavaka lalandava mba hahazoana orana sy zo fitarihan-drano ary rano amin’ny ankapobeny. …

“Noho ny fahasarotana ateraky ny toetr’andro dia tsy nitondra tena araka ny tokony ho izy ny olona. Indraindray dia mifamaly ny mpifanolobodirindrina satria mijanona ela loatra ny mpamboly iray rehefa tonga ny anjarany amin’ny fitarihan-drano. Toy izany no fiandohany ho an’ny lehilahy roa izay nipetraka teo akaikin’ny tendrombohitra fihinanan’ny biby fiompy ahitra; antsoiko hoe Chet sy Walt izy ireo. Nanomboka nifamaly noho ny rano avy amin’ny dobo fitarihan-drano niombonany ireo mpifanolobodirindrina roa ireo. Tany am-boalohany dia toa tsy naninona loatra ilay izy, fa rehefa nandeha ny fotoana dia navelan’izy roalahy ho lasa lolom-po ny fifandirany ary nivadika ho fifamaliana—eny, tonga hatramin’ny fandrahonana mihitsy aza.

“Indray marainan’ny volana Jolay dia samy tsy nahazo rano indray izy roalahy. Samy nandeha nankany amin’ny dobo izy ireo mba hijery ny zava-nitranga, samy nieritreritra tany an-tsainy fa nangalarin’ny iray ny rano. Niara-tonga teny amin’ny vavahadin-drano izy ireo. Nifanao teny maharary izy ireo; ady no niafarany. Lava ranjanana sady matanjaka be i Walt. I Chet kosa dia kely, sy maozatra ary mpikiribiby. Tao anatin’ilay ady dia nampiasain’ireo lehilahy ho toy ny fiadiana ny lapelina izay nentiny. Nahavoa tsy nahy ny maso ilan’i Chet tamin’ilay lapelina i Walt, ka nahajamba azy.

“Nandeha ny volana aman-taona, kanefa tsy nahavita namela na nanadino i Chet. Niboiboika tao anatiny ny hatezerany noho ny fipoahan’ny masony ary nihanitombo ny fankahalany. Indray andro dia nandeha tao an-tsopiny i Chet ka naka ny basiny teo amin’ny fitoerany, sy nitaingin-tsoavaly ary nandeha nankany amin’ny vavahadin-drano. Nametraka toho-drano teo amin’ilay dobo izy ka namily ny lalan’ilay rano tsy handeha any amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’i Walt, ary fantany tsara fa ho avy tsy ho ela i Walt hijery ny zava-nitranga. Avy eo dia nikorisa tao anaty bozaka izy ka niandry. Vao nipoitra i Walt dia notifirin’i Chet ho faty. Avy eo dia nitaingina ny soavaliny izy ka nandeha nody ary niantso ny serifa mba hampahafantatra azy fa vao avy nitifitra an’i Walt izy.

“Nasaina ho isan’ireo hanampy ny mpitsara izay nitsara an’i Chet noho ny famonoana olona ny raiko. Tsy nanan-jo ny ho tafiditra tao anatin’ireo olona hanampy ny mpitsara ny raiko satria mpinamana efa elabe tamin’ireo lehilahy roa ireo sy tamin’ny fianakaviany izy. Notsaraina i Chet ka nomelohina mandra-pahafaty noho ny famonoana olona.

“Taona maro taty aoriana dia nanatona ny raiko ny vadin’i Chet ary nanontany azy raha toa ka vonona hanao sonia ny fangatahana hatao amin’ny governora izy mba hamindrany fo ny vadiny, izay niharatsy ny fahasalamany taorian’ny taona maro nijanonana tany am-ponjan’ny faritra. Nanao sonia ilay fangatahana ny raiko. Indray alina, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia niseho teo am-baravaranay ny lehilahy lehibe roa tamin’ireo zanak’i Walt. Tezitra sy nisafoaka izy ireo. Nilaza izy ireo fa, satria nanao sonia ilay fangatahana ny raiko dia nanao tahaka izany koa ny hafa. Nangataka ny raiko izy ireo mba hanaisotra ny anarany hiala amin’ilay fangatahana. Nandà izy. Nahatsapa izy fa efa trotraka sy marary i Chet. Nijaly nandritra ny taona maro tany am-ponja izy noho ny famonoana olona vokatry ny hatezerana. Tiany ny hahita an’i Chet hatao veloma farany sy halevina amim-pamendrehana eo akaikin’ny fianakaviany.

“Namaly tamin-katezerana ny zanakalahin’i Walt ka nanao hoe: ‘Raha toa ka hafahana izy dia hataonay mahita olana izy sy ny fianakaviany.’

“Nony farany dia nafahana ihany i Chet ka navela hody mba ho faty eo akaikin’ny fianakaviany. Soa ihany fa tsy nisy intsony ny herisetra teo amin’ireo fianakaviana roa tonta ireo. Nitoloko matetika ny raiko nilaza fa nampalahelo ny nahita an’i Chet sy Walt izay mpifanolobodirindrina sy mpinamana hatry ny fony mbola kely, tafaroboka tao anatin’ny hatezerany ka namela izany handrava ny fiainany. Nampalahelo fa tsy nahafehy ny hatezerana tamin’ny fotoana iray izy ireo—niteraka ny fahafatesan’izy roalahy izany nony farany—satria tsy afaka nifamela noho ny tsy fetezan’ny fizarana ny fitarihan-drano izy ireo. …

“… Rehefa mandratra antsika na ireo olon-tiantsika ny olon-kafa dia mety manindry mafy antsika izany fanaintainana izany. Mety ho raisina ho toy ny zava-manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao izany fanaintainana na tsy fahamarinana izany ary toy ny tsy manan-tsafidy afa-tsy ny hamaly faty isika. Kanefa i Kristy, ilay Andrian’ny Fiadanana dia nampianatra antsika fomba tsaratsara kokoa. Tena sarotra ny mamela ny olona sy ny vokatry ny zavatra nataony tamintsika, kanefa raha manao izany fomba izany isika dia hanokatra ny tenantsika ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Tsy hifehy ny lalam-piainantsika intsony ny fanafintohinana nataon’ny hafa. Rehefa mamela ny hafa isika dia mamela antsika hisafidy ny fomba hiainantsika ny fiainantsika izany. Ny famelan-keloka dia midika fa tsy hibaiko ny hoavintsika intsony ireo olana teo aloha ary afaka ny hifantoka amin’ny hoavy miaraka amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign, May 2003, 10–11, 12).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:12–14. “Hoentinareo eo anoloan’ny fiangonana [izy]”

Ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:12–14 dia mampiseho fa ny famelantsika ny hafa dia tsy manala azy ireo amin’ny vokatry ny asa nataony. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:

Loholona Richard G. Scott

“Raha toa ianao ka olona tsy manan-tsiny nefa niharan’ny tsy rariny dia aza mamboly fankahalana sy fahatezerana amin’ny zavatra izay toa tsy marina. Mamelà ny olona nanafintohina na dia tsy manan-tsiny aza ianao. Mety mitaky ezaka goavana avy aminao ny fanaovana izany. Tena sarotra indrindra izany famelana izany, nefa lalana azo antoka mankany amin’ny fiadanana sy fahasitranana izany. Raha toa ka ilaina ny fanasaziana noho ny fandikan-dalàna lehibe natao taminao dia avelao ho an’ny Fiangonana sy ny manam-pahefana sivily izany. Aza vesarina amin’ny eritreritra famaliana ny fiainanao. Mandeha tsimoramora ny fitsaran’ny Tompo fa mandeha amim-pahombiazana izany. Ao amin’ny drafitry ny Tompo dia tsy misy olona afa-miala amin’ny vokatry ny fandikana ny lalàny izay tsy mbola nibebahana. Amin’ny fotoana sy amin’ny fomba hitany fa mahamety izany dia hotakiana ny fanefana feno ny asa ratsy tsy mbola nibebahana ” (“Peace of Conscience and Peace of Mind,” Ensign naLiahona, Nôv. 2004, 16–17).

Nanazava ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Loholona David E. Sorensen

“Tiako hazavaina kely ny hoe: tsy midika fandeferana ny ratsy velively ny famelana ny fahotana. Raha ny tena marina dia nilaza ny Tompo ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith hoe: “fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina.” Mangataka antsika ny Mpamonjy mba hahafoy ny ratsy sy hiady amin’ny ratsy amin’ny endriny rehetra, ary na dia tsy maintsy mamela heloka ny mpifanolobodirindrina iray izay nandratra antsika aza isika dia mbola tokony hiasa mafy hisorohana ny fiverimberenan’izany faharatrana izany. Ny vehivavy izay niharan’ny herisetra dia tsy tokony hikatsaka valifaty, kanefa tsy tokony hieritreritra ihany koa izy fa tsy afaka ny handray fepetra hisorohana ny herisetra hafa. Ny mpandraharaha iray izay tratry ny tsy rariny tamin’ny fifanakalozana dia tsy tokony hankahala ilay olona tsy marin-toetra kanefa tokony handray fepetra kosa mba hitondrana vahaolana amin’ilay fahavoazana. Tsy mitaky antsika hanaiky na handefitra amin’ny ratsy ny famelan-keloka. Tsy mitaky antsika tsy hiraharaha ny fahavoazana izay hitantsika manodidina antsika na hitantsika eo amin’ny fiainantsika tsy akory izany. Kanefa rehefa miady amin’ny fahotana isika dia tsy azontsika avela hifehy ny eritreritsika na ny zavatra ataontsika ny fankahalana na ny fahatezerana” (Forgiveness Will Change Bitterness to Love,”Ensign na Liahona, mey 2003, 12).