Seminera sy Institiota
Lesona110: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105


Lesona 110

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105

Fampidirana

Ho fankatoavana ny torolalan’ny Tompo dia nanangana ilay nanjary nantsoina hoe Tobin’i Ziona ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpilatsaka an-tsitrapo hafa sy ireo vatan-dehilahy noraisina hanampy teo amin’ny 200 teo ho eo mba handeha hanampy ireo Olomasina izay noroahina avy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Ny 22 jona 1834, dia nandray ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nilasy teo akaikin’ny Reniranon’i Fishing tany Missouri. Nampahafantatra ny Olomasina ny Tompo tao anatin’izany fanambarana izany fa tsy havotana ny tanin’i Ziona tamin’izay fotoana izay. Nanome torolalana mikasika izay tsy maintsy hitranga mba hanavotana an’i Ziona amin’ny fotoana izay ho avy ihany koa ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:1–19

Nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hiandry ny fanavotana an’i Ziona

Ataovy izay hananana ireto zavatra ireto mialoha ny fotoam-pianarana: kaopy vita amin’ny taratasy iray, fingotra iray, ary kofehy miisa telo. Ny faribolan’ilay fingotra dia tsy maintsy kely kokoa noho ny faribolan’ilay kaopy. Afatory amin’ilay fingotra amin’ny elanelana mitovy ireo kofehy.

kaopy vita amin’ny taratasy, fingotra, kofehy

Atombohy amin’ny fangatahana olona manolo-tena an-tsitrapo telo ny lesona. Apetraho eo amin’ny toerana mahitsy ilay kaopy ary toroy lalana ireo olona manolo-tena an-tsitrapo mba haka ilay kaopy amin’ny fampiasana ilay fingotra sy ireo kofehy. Lazao azy ireo fa tsy afaka mikasika ilay fingotra izy ireo; tsy maintsy mihazona ireo kofehy izy ireo. (Mba hanatontosana izany asa izany dia mila miara-miasa ireo mpianatra ary miara-misintona ireo kofehy amin’ny hery mitovy mba hahafahana mandrirotra ilay fingotra ka hihitatra tsara mba ho antonona eo ambanin’ilay kaopy ka hanaingana izany avy eo.)

Rehefa nahavita io asa atao io ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no anjara asan’ny firaisan-kina tamin’ny fanatontosana ity asa ity?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’ny febroary 1834 dia nanome torolalana ho an’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo hafa ny Tompo mba hanangona loharanom-pitaovana ara-nofo ka hamporisika olona hilatsaka an-tsitrapo mba hanampy ireo Olomasina izay noroahina avy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, amin’ny fangatahana ny tanin’izy ireo. Rehefa manomboka ny fifanakalozan-kevitra anio ny mpianatra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105, dia amporisiho izy ireo mba hitady ny anjara asan’ny firaisan-kina tamin’ny fiezahan’ireo Olomasina nangataka ny tanin’i Ziona.

Angataho ny mpianatra mba hitadidy avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo izay nirian’ny Tompo mba handray anjara ao amin’ny Tobin’i Ziona (500) sy ny isa farany ambany izay notakiny (100). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao andinin-tsoratra manaraka izao. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny isan’ny olona izay tena nanolo-tena ho an’ny Tobin’i Ziona tany am-piandohana rehefa niainga ilay vondrona.

Tsy nahomby araka izay nantenaina ny valinteny azon’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo hafa tamin’ny ezaka nataon’izy ireo hanangona mpilatsaka an-tsitrapo sy loharanom-pitaovana ho an’ny Tobin’i Ziona. Tamin’izay fotoana izay dia nanomboka ny diabeny ilay toby na ilay tafika tamin’ny fiandohan’ny volana mey 1834, ary olona 122 monja no nanolo-tena handeha. Nandrotsaka mpilatsaka an-tsitrapo fanampiny teny an-dalana nankany Missouri ny Tobin’i Ziona. Rehefa nifankahita tamin’ny andiany nentin’i Joseph Smith tamin’ny voalohandohan’ny jona 1843 ny vondrona izay nangonin’i Hyrum Smith sy i Lyman Wight avy tamin’ny faritanin’ny Michigan, dia nihoatra kelin’ny lehilahy 200, vehivavy 12 ary ankizy 9 ny Tobin’i Ziona (jereo ny Alexander L. Baugh, “Joseph Smith and Zion’s Camp,” Ensign, jona, 45).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony iray nisafidianan’ny sasany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny tsy hanampy ireo Olomasina niaraka taminy tany Missouri. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:1–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fiantraikan’ny tsy fankatoavana sy ny tsy fahampian’ny firaisan-kina teo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. (Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ilay andininy 5, dia mety hanampy ny fanazavana fa “ny lalàn’ny fanjakana selestialy” dia ahitana ireo lalàna sy fitsipika rehetra tokony hankatoavintsika, ireo ôrdônansy tokony horaisintsika, ary ireo fanekempihavanana tokony hotandremantsika mba handovana ny fanjakana selestialy.)

  • Tamin’ny fomba nanao ahoana avy no tsy niraisan’ireo mpikamban’ny Fiangonana hina sy tsy nankatoavany?

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no tsy maintsy ataontsika mba hanampiana amin’ny fananganana an’i Ziona? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo mba hahita izao fitsipika manaraka izao: Mba hanampiana amin’ny fananganana an’i Ziona dia tsy maintsy miray hina sy mankatò izay rehetra angatahin’ Andriamanitra isika.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no takiana amin’ny fananganana an’i Ziona ny firaisan-kina sy ny fankatoavana?

  • Inona ireo traikefa izay nanampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny firaisam-pon’ny mpikamban’ny Fiangonana?

Hazavao fa ireo izay nanolo-tena ho an’ny Tobin’i Ziona dia niaina olana sy fahagagana maro nandritra ny dian’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao andinin-tsoratra manaraka izao. Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba mety ho nasehon’ireo teo anoloan’ny sasany amin’ireo olana.

Nandeha an-tongotra teo amin’ny 1450 kilaometatra teo ho eo nanerana ny firenena 4 ny Tobin’i Ziona, nandeha teo anelanelan’ny 30–60 kilaometatra isan’andro nandritra ny 45 andro. Niaina tongotra niempaka, toetr’andro mafana sy mando, tsy fahampian-tsakafo ary sakafo tsy ara-pahasalamana ireo mpikambana tao amin’ny toby. Nisy fotoana ireo mpikambana tao amin’ny toby, noho ny hetaheta be loatra, no nisotro ranon’ny honahona ka notantavanina avy tao amin’izany (indraindray tamin’ny fampiasana ny nifin’izy ireo ho fanatantavanana) ny atodi-moka na nisotro rano avy teo amin’ireo dian-tongo-tsoavaly taorian’ny oram-baratra. Matetika ihany koa ny Tobin’i Ziona no norahonan’ny hafa tamin-kery nandritra ny dian’izy ireo. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 143–45.)

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no ho fihetsika nasehonareo tamin’ireo olana ireo?

Hazavao fa taorian’ny nahatongavan’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona tany Missouri dia fantatr’izy ireo fa tsy hitandrina ny fampanantenany i Daniel Dunklin, ilay governoran’i Missouri, mba hanampiana ny Olomasina hiverina any amin’ny tanin’izy ireo ao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Na dia teo aza ireo vaovao mahakivy dia nanohy nanatona ny Fivondronan’i Jackson ny Tobin’i Ziona, niandry fitarihana fanampiny avy tamin’ny Tompo.

Ampahafantaro ny mpianatra fa ilay fitarihana nandrandraina dia tonga tao anatin’ny fanambarana iray avy tamin’ny Tompo tamin’ny 22 jona 1834 rehefa nandeha efa ho fito herinandro ny Tobin’i Ziona ary tokony 15–30 kilaometatra tsy ho tonga tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9–14 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Tompo fa tokony hataony mikasika ny fanavotana an’i Ziona.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’ny toby mikasika ny fanavotana an’i Ziona?

  • Raha toa ianao ka mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona, ahoana no mety ho fahatsapana nanananao raha naheno ity fanambarana ity mialoha indrindra ny fahatongavana tany amin’ny toerana nalehanao?

  • Inona ireo antony nilazan’ny Tompo fa tsy havotana tamin’izay fotoana izay i Ziona?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:18–19 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hitady ny antony nandidian’ny Tompo ny Tobin’i Ziona mba handeha hatrany Missouri ary avy eo nanambarany fa tsy haverina amin’ny Olomasina ny tanin’i Ziona tamin’izay fotoana izay.

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, nahoana ny Tompo no nandidy ny Tobin’i Ziona mba handeha hatrany Missouri ary avy eo nanambara fa tsy mbola havotana i Ziona? (Fizahan-toetra ny finoana izany. Mety ilaina ny manazava fa ny fizahan-toetra ny finoana dia afaka ambara amin’ny fitsapana raha toa ka hisafidy ny hahatoky sy hankatò ny Tompo isika na inona na inona toe-javatra misy.)

  • Amin’ny fomba ahoana avy no nitsapana ny finoan’ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona nandritra ny zavatra niainan’izy ireo?

  • Inona no azontsika ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Fitsipika iray mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe Nanomana fitahiana lehibe ho an’ireo izay mahatoky mandritra ny fitsapana azy ireo Andriamanitra.)

  • Oviana ianareo na ny olona fantatrareo no niaina fizahan-toetra ny finoana? Ahoana no nanomanan’ireo fizahan-toetra ny finoanareo ireny anareo ho amin’ny fitahiana lehibe kokoa?

Ampahafantaro ny mpianatra fa lehilahy maro izay nanompo tao amin’ny Tobin’i Ziona no nahazo fahafahana hanompo tao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Tamin’ny febroary 1835 dia natsangana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Kôlejy voalohan’ny Fitopololahy. Ny sivy tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo ary ny mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia nanompo tao amin’ny Tobin’i Ziona avokoa. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 151.)

Asao hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith manaraka ity ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny anjara asan’ny Tobin’i Ziona tamin’ny fanomanana lehilahy ho amin’ny toeran’ny mpitarika:

Mpaminany Joseph Smith

“Andriamanitra dia tsy naniry anareo hiady. Tsy afaka nanangana ny fanjakany tamin’ny lehilahy roa ambin’ny folo Izy mba hanokatra ny varavaran’ny Filazantsara ho an’ny firenena ety an-tany, ary niaraka tamin’ny lehilahy fitopolo teo ambanin’ny fitarihan’izy ireo hanaraka ny diany, raha tsy hoe nalainy avy tamin’ny vondron-dehilahy nanolotra ny ainy sy nanao fahafoizan-tena goavana tahaka ny nataon’i Abrahama izany” (ao amin’ny History of the Church, 2:182; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times, 151).

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fahatokisana sy fankatoavana ny Tompo rehefa tsapaina ny finoantsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:20–41

Mampianatra ny Olomasina ny zavatra tokony hataony mialoha ny hanavotana an’i Ziona ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:20–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nilaza tamin’ireo Olomasina tany Missouri ny fihetsika tokony hasetrin’izy ireo ny fanenjehana izay niainan’izy ireo raha niandry ny fanavotana an’i Ziona amin’ny hoavy izy ireo. Nanoro hevitra azy ireo mba hanetry tena sy hisoroka ny fitondrana fifandirana. Nanazava Izy fa nilaina ny hanamasinana azy ireo ho fanomanana amin’ny fanavotana an’i Ziona any aoriana any. Araka izay nolazainy tao anatin’izany fanambarana izany ihany teo aloha fa izy ireo dia tokony “[hampianarina tsaratsara kokoa] ny vahoakany, ka hananany ny fahaiza-manao sy hahafantarany tsaratsara kokoa ny adidiny mbamin’ireo zavatra izay takia[ny] eo an-tanany” (F&F 105:10).

  • Inona ireo fihetsika sasany tokony hasehontsika amin’ny fanenjehana?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–41 ka hisafidy andian-teny iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masina izay mamintina ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina hamaliana ireo izany nanao tsindry hazo lena azy ireo.

  • Araka ny andininy 40, dia inona avy ireo fitahiana izay ho tonga amin’ny Olomasina tany Missouri raha toa ka nikatsaka ny hamitra-pihavanana tamin’ny hafa izy ireo? (Tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Raha toa ka mikatsaka ny hamitram-pihavanana amin’ny hafa isika dia hiara-hiasa hahasoa antsika ny zava-drehetra avy eo.)

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana amin’ny fanorenana fandriampahalemana amin’ny hafa?

  • Ahoana no nitahiana anareo rehefa nikatsaka ny hanorina fandriampahalemana ianareo ka anisan’izany ny amin’ireo izay mety ho manenjika anareo?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina zavatra iray izay azon’izy ireo atao mba hikatsahana bebe kokoa ny hanorina fandriampahalemana amin’ny hafa eo amin’ny fiainan’izy ireo, indrindra rehefa mety ho nanaovan-dratsy izy ireo, ary hanoratra tanjona iray ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina mba hanaraka izany fitsipika izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105. Fiaingana ho ao amin’ny Tobin’i Ziona

Mialoha ny nialana tao Kirtland, Ohio, dia “nampanantena ireo rahalahy [i Joseph Smith] fa raha toa ka hiaina araka ny tokony hiainany izy rehetra, manoloana ny Tompo ka hitandrina ny didiny, … dia ho tafaverina soa aman-tsara avokoa izy rehetra” (ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 143). Nampitandrina ny Mpaminany fa raha tsy manao izany izy ireo dia hianjadian’ny hatezeran’ Andriamanitra.

Nianga tamin’ny toky toy izany ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona, nahafantatra fa nametraka ny ainy ho tandindomin-doza amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ity dia ity. Nilaza ny fahatsapana nananan’ny maro i Heber C. Kimball tamin’izay fotoana izay:

Heber C. Kimball

“Nanomboka tamin’ny 5 mey (1834) izahay, ary tena maraina manan-danja tamiko izany. Nandao ny vadiko sy ny zanako ary ny namako aho, tsy nahafantatra raha toa ka hahita azy ireo indray ao amin’ny nofo, satria norahonan’ny fahavalo ny tenako sy ny rahalahiko tao amin’izany firenena izany sy tany Missouri, fa handringana anay sy handripaka anay avy ao amin’ny tany izy ireo (ao amin’ny Orson F. Whitney, The Life of Heber C. Kimball [1945], 40).

Maro tamin’ireo lehilahy tao amin’ny Tobin’i Ziona no namela vola kely na tsy namela vola mihitsy ary tsy namela loharanom-pivelomana ho an’ny fianakaviany. Mba hisorohana amin’ny fahasahiranana dia nanao tanimboly ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hahafahan’ny vehivavy sy ny ankizy mijinja katsaka na masomboly hafa mandritra ny tsy maha-eo ny tafika. Ny salan-taonan’ireo lehilahy tao amin’ny toby dia 29 taona. 16 taona i George Albert Smith, zana-drahalahin’ny rain’ny Mpaminany, ary 14 taona i Addison Greene. 79 taona no zokiny indrindra. I Joseph Smith, izay voafidy ho “mpifehy lehiben’ny miaramilan’i Isiraely,” dia vao 28 taona monja. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 142–52.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105. Ny fiarovan’ny Tompo ny Tobin’i Ziona

Matetika ny Tobin’i Ziona no norahonan’ny hafa tamin’ny herisetra nandritra ilay dia. Nanatanteraka ny fampanantenany izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:20 anefa ny Tompo. Niteny i Joseph Smith hoe: “Na dia nandefa fampitahorana hanao herisetra hatrany aza ireo fahavalonay dia tsy natahotra izahay, na koa nisalasala tamin’ny fanohizana ny dianay, satria niaraka taminay Andriamanitra, ary nandeha teo anoloanay ireo anjeliny, ary tsy nihozongozona ny finoan’ilay vondrona kelinay. Fantatray fa anjely no namanay, satria nahita azy ireo izahay” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 288–89).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:5. Ny lalàn’ny fanjakana selestialy

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona D. Todd Christofferson

“Ny lalàn’ny fanjakana selestialy dia … ny lalàn’ny filazantsara sy ny fanekempihavanana, izay ahitana ny fahatsiarovantsika lalandava ny Mpamonjy sy ny fanolorantsika tena amin’ny fankatoavana, fahafoizan-tena, fanokanan-tena, ary fahatokiana” (“Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 39).

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson:

Filoha Ezra Taft Benson

“Ny lalàn’ny filazantsara dia mahafaoka ireo lalàna sy fitsipika ary ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny fisandratantsika” (The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 337).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:19. “Fizahan-toetra ny finoan[’izy ireo]”

Ilay didy mba hiverina any Kirtand kanefa tsy niady ho an’ireo Olomasina tany Missouri dia fizahan-toetra ny finoana ho any mpikambana maro tao amin’ny Tobin’i Ziona. Nikomy mivantana ny sasany ka nihemotra taty aoriana. Nampitandrina ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona ny Mpaminany tany aloha nandritra ny dian’izy ireo fa hitondra antambo (fahoriana na aretina goavana) eo amin’izy ireo ny tsy firaisan-kinany sy ny fifamaliany ary ny tsy fankatoavany. Vokatry ny hatezerana sy ireo fitarainana tsy ara-drariny mba hanentsina ny toromariky ny Tompo mba tsy hiady dia namerimberina izany fampitandremana izany ny Mpaminany. Voan’ny kôlerà ny mpikambana maro tao amin’ny Tobin’i Ziona tamin’ny 24 jona 1834. Niparitaka ilay areti-mifindra, nahatonga fivalalanana mahery vaika, fandoavana ary fivonkonan’ny hozatra amin’ny ranjo. Olona teo amin’ny 68 teo no voan’ilay aretina ka anisan’izany i Joseph Smith, ary mpikambana miisa 13 avy tao amin’ny toby sy mpikambana 2 teo an-toerana no maty talohan’ny niafaran’izany aretina izany. Nilaza i Joseph Smith fa tamin’ny 2 jolay dia “niteny tamin’izy ireo izy fa raha toa ka hanetry ny tenany eo anoloan’ny Tompo izy ireo ka hanao fanekempihavanana ny hitandrina ny didiny sy hankatò ny toroheviny dia hajanona avy hatrany ilay areti-mifindra ka tsy hisy kôlera intsony eo anivon’izy ireo. Nanao fanekempihavanana araka izany ireo rahalahy tamin’ny fananganan-tanana ka dia nihafana ilay areti-mifindra” (ao amin’ny History of the Church, 2:120).

Nanaiky ny fahafoizan-tena nataon’ireo mpikambana tao amin’ilay toby ny Tompo ka nitahy azy ireo tamin’izay tiany hatao. Noravain’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tobin’i Ziona tamin’ny volana jolay 1834. Raha toa ka tsy nahavita ilay fizahan-toetra ny finoany ka nandao ny Fiangonana ny olona sasany dia nampatanjahana tamin’ilay zavatra niainany kosa ireo izay nahatoky.

Nanazava ny Loholona Franklin D. Richards tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe:

Loholona Franklin D. Richards

“Jeren’ny maro ho toy fizarana iray eo amin’ny tantara izay tsy nahazoana tombontsoa sady tsy nahomby ny ‘dian’ny Tobin’i Ziona.’ Ny rahalahy iray tany Kirtland izay tsy nandeha niaraka amin’ilay toby, raha nihaona tamin’i Brigham Young teo am-piverenany, dia niteny taminy hoe: “Dia inona izany izao no azonao tamin’izay dia nankany Missouri tsy nisy ilàna azy izay niaraka tamin’i Joseph Smith?’ ‘Izay rehetra natrehanay tany,’ hoy i Brigham Young namaly. ‘Tsy ho atakalo velively amin’ny haren’ny Fivondronan’i Geauga, ilay fivondronana misy an’i Kirtland, ny traikefa azoko tao anatin’izany dia izany.’ (B. H. Roberts, “Brigham Young, A Character Sketch,” Improvement Era, vol. 6 [jona 1903], p. 567.)” (“The Purpose of Life: To Be Proved,” Ensign, des. 1971, 50).

Fahafahana iray ho an’ireo mpikambana tao aminy mba hampisehoana tamin’ny Tompo sy tamin’ny tenan’izy ireo ny halalin’ny fahatokiany sy ny fanolorantenany ho amin’ny asan’ny Tompo ny Tobin’i Ziona. Tahaka an’i Abrahama dia nandalo fitsapana izay natao mba hanatanterahany ireo tanjona avy amin’ Andriamanitra ireo mpitarika maro tao amin’ny Fiangonana tany aloha tany. Nilaza ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy nizaha ny endriky ny firenen’i Missouri tamin’ny fahafahan’izy ireo manokana ireo izay nanao diabe tao anatin’ny Tobin’i Ziona” (“Notwithstanding My Weakness,” Ensign, nôv. 1976, 14).