Seminera sy Institiota
Lesona 57: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50


Lesona 57

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50

Fampidirana

Rehefa tonga tao Kirtland, Ohio i Joseph Smith dia tsikariny fa nisy “fahalalana hafahafa sy fanahy sandoka nisosoka tsimoramora teo anivon’” ireo Olomasina sasantsasany. Nanomboka nampianatra “tamim-pitandremana sy … fahendrena” izy mba handresena ireo zavatra ireo (jereo ny History of the Church,1:146). Niverina avy nanao asa fitoriana iray ny Loholona Parley P. Pratt dia nahatsikaritra fihetsika toy izany koa tao amin’ireo sampana tao amin’ny Fiangonana tany ivelan’i Kirtland. Nandeha tany amin’i Joseph Smith izy sy ireo loholona hafa mba hahazo fitarihana (jereo ny History of the Church,1:170). Tamin’ny volana mey 1831 dia nanontany ny Tompo ny Mpaminany ka dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50. Ato amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanome torolalana ireo Olomasina hampianatra sy handray ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:1–9

Mampitandrina ireo loholon’ny Fiangonana mikasika ireo fanahy sandoka ny Tompo

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe manatrika fivoriana fanasan’ny Tompo ahitana olon-dehibe vitsivitsy mpikamban’ny Fiangonana mitsangana eo ambony seza lava ary miteny mafy be izy ireo, ary ny hafa kosa dia mitsilailay mivadibadika eo amin’ny tany.

  • Inona no mety ho tsapanareo? Inona araka ny eritreritrareo no mety hitranga amin’ny Fanahy ao anatin’ny toe-javatra toy izany? (Ataovy izay tsy hivadihan’ny fifanakalozan-kevitra ho fitsikerana fivavahana izay handraisan’ny olona anjara amin’ny fomba amam-panao toy izany.)

Hazavao fa tamin’ny fotoana nahatongavan’i Joseph Smith voalohany tao Kirtland dia hitany fa voafitaka ny Olomasina sasany nandritra ny fotoana izay tsy nananan’izy ireo mpitarika firy. Vokatr’izany dia nisy “fahalalana hafahafa sy fanahy sandoka nisosoka tsimoramora teo anivon’” izy ireo (History of the Church,1:146). Nampiditra fomba amam-panao hafahafa sy feno tabataba ary nampikorontan-tsaina tao anatin’ny fotoam-pivavahan’izy ireo ny mpikambana vaovao tao amin’ny faritr’i Kirtland. Nampientanentana ny fihetseham-pon’ny olona ireo fomba amam-panao ireo, saingy tsy nanome hery azy ireo. Tsy azon’ny loholona sasany tao amin’ny Fiangonana ny zava-nitranga ka dia nangataka torohevitra tamin’ny Mpaminany izy ireo. Nanontany ny Tompo izy dia nahazo fanambarana iray izay hanampy ny Olomasina hifampahery rehefa mampianatra sy mianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny loharano nipoiran’io fitaomana io teo anivon’ireo Olomasina.

  • Avy aiza io fitaomana io?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3 dia nahoana i Satana no naniry ny hamitaka ireo Olomasina?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:4–9 mba hitady ny fampitandremana nataon’ny Tompo mikasika ireo olona sasany teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio.

  • Inona avy ireo teny nampiasain’ny Tompo mba hamaritana ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany?

  • Toy ny ahoana izany hoe mpihatsaravelatsihy? Ahoana no fomba hanomezan’ny fihatsaram-belatsihy hery ny fahavalo?

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ireo mpihatsaravelatsihy? (Jereo ny F&F 50:6, 8.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:10–36

Ampianarina an’ireo mpihazona ny fisoronana ny fomba hampianarana sy hianarana amin’ny alalan’ny Fanahy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona no takina mba hahatongavana ho mpampianatra filazantsara mahomby?

Inona no takina mba hahatongavana ho mpianatra filazantsara mahomby?

Asao ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana ireo. Soraty eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay, ny hevi-dehibe lazain’izy ireo. Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra avy eo. Asao ny vondrona iray hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–20mba hitady ireo valin’ny fanontaniana voalohany. Asao ilay vondrona iray hafa hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–20 mba hitady ireo valin’ny fanontaniana faharoa. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra hitany.

  • Singa inona ao amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara no miverimberina ao amin’ireo andininy ireo? (Ny filana ny Fanahy.)

  • Inona avy ireo anjara asan’ny Fanahy Masina voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:14? (Tokony hilaza ny mpianatra fa ny Fanahy Masina no ilay Mpampionona ary mampianatra ny fahamarinana ny Fanahy Masina.)

  • Araka ny eritreritrao dia inona ny dikan’ny hoe mampianatra ny filazantsara “amin’ny alalan’ny Fanahy”? (F&F 50:14). Araka ny eritreritrareo dia inona ny dikan’ny hoe mampianatra “amin’ny fomba hafa”? (F&F 50:17).

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana sy toerana ahafahany manararaotra mampianatra ny filazantsara. Mety hieritreritra ny hampianatra any an-trano izy ireo, na ireo namany, an any am-piangonana, na amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano azy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany rehefa nahatsapa ny Fanahy nitarika azy izy ireo tamin’ny fampianarana ny filazantsara na fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

  • Araka ny eritreritrareo dia inona ny dikan’ny hoe “mandray [ny tenin’ny fahamarinana] … amin’ny fanahin’ny fahamarinana”? (F&F 50:19). Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mandray izany amin’ny “fomba hafa”? (F&F 50:19).

  • Inona no azonareo atao mba handraisana bebe kokoa ny filazantsara rehefa ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka notantarain’ny Loholona Jack H. Goaslind tao amin’ny Fitopololahy ity. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo hevi-baovao mikasika ny fomba hahafahantsika mandray tsara kokoa ny tenin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy.

Loholona Jack H. Goaslind

“Firy taminareo no efa nanao ilay “fomba fipetraky ny olona monamonaina” nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo? Hainareo ilay fomba fipetraka: miondrika , mitan-takolaka, kiho mitehaka amin’ny lohalika, ary lasa saina mandinika ny tany. Efa nitranga taminao ve ny hoe anao ny safidy raha ho mahaliana na tsia aminao ilay fivoriana? …

“Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball fa ny fitsaohana dia ‘andraikitry ny tena manokana ary na inona na inona lazaina eo amin’ny polipitra, raha toa ka maniry hitsaoka ny Tompo amin’ny fanahy sy amin’ny fahamarinana ny olona iray dia afaka manao izany izy. … Raha toa ka tsy mahomby aminao ny fotoam-bavaka, dia tsy nahomby mihintsy ianao. Tsy misy afaka mitsaoka eo amin’ny toeranao. Tsy maintsy mametraka ny fanantenantsika amin’ny Tompo izay antsika manokana isika.’ (Ensign, jan. 1978, p. 5.)

“Namaritra ny fomba niainany voalohany ny fanahin’ny fitsaohana ny zatovo iray. Tsy dia tena nazoto firy izay nandritra ireo taona nanatrehany tao amin’ny Fisoronana Aharôna. Rehefa nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy dia matetika no nipetraka tany aoriana niaraka tamin’ny andiana namany, ary tsy tena ohatra tsara tamin’ny fanajana lalina izy. Indray andro anefa dia tonga somary tara kely izy ary tsy nisy seza teo akaikin’ny namany. Nipetraka irery izy ary voalohany teo amin’ny fiainany no nanakimpiany ny masony nandritra ireo vavaka, nihirany ireo fihirana, nihainoany ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ary nifantohany tamin’ireo mpandahateny. Teo amin’ny antsasaky ny lahateny voalohany teo dia nanganohano ny masony. Somary menatra ihany izy nanopy maso tamim-pitandremana ny manodidina. Toa tsy nisy fientanam-po tamin’ny olon-kafa. Tsy fantany mazava tsara izay nitranga taminy fa nanova ny fiainany ilay zavatra niainany. Nandritra io fivoriana io izy no tena nanomboka ny fiomanany ara-panahy hanao asa fitoriana. Nahatsapa zavatra izy, ary soa ihany fa navadiny ho asa ka dia notohanany ireo fahatsapana nananany ireo” (Yagottawanna,” Ensign, May 1991, 46).

Asao ny mpianatra hizara ny ampahany nanaitra azy ireo tamin’io tantara io. Rehefa avy mizara izany ny mpianatra vitsivitsy dia azonao atao ny ny manoro hevitra ny mpianatra rehetra hanoratra fomba iray voafaritra ahafahan’izy ireo manatsara ny ezaka ataony mba hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mamantatra raha toa izy ireo ka mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy na tsia. Dia asao avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:21–22 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny fomba hanaovana izany.

  • Inona no mitranga rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “mahazo hery sy miara-mifaly”? Oviana ianareo no nahatsapa izany?

  • Ahoana no hamintinanareo ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25 Asaivo tadiavin’izy ireo ny maha-samihafa ny zavatra mitranga rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny olona sy ny zava-mitranga rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny “fomba hafa” (F&F 50:17) ny olona. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Ahoana no namaritan’ny Tompo ny fampianarana tsy hahazoana hery?

  • Ahoana no namaritan’ny Tompo ny fampianarana “avy amin’ Andriamanitra”? (F&F 50:24). Amin’ny fomba ahoana hoy Izy no hitahiana antsika rehefa mandray fampianarana toy izany?

  • Inona no fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo? Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Manazava sy manome hery izay avy amin’ Andriamanitra, fa mitondra safotofoton-tsaina sy haizina kosa izay tsy avy amin’ Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa tsy avy amin’ Andriamanitra ny zavatra renareo, na hitanareo, na niainanareo? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fanahy anareo hahafantatra izany?

Hazavao amin’ny mpianatra fa izy ireo dia handre sy hahita hafatra nokasaina hanimba ny finoany. Ireo fitsipika ianaran’izy ireo androany dia afaka manamafy orina azy ireo hanohitra ireo hafatra ireo. Azonao atao ny mizara traikefa iray azonao rehefa nanampy anao ny Fanahy mba hamantatra fa tsy avy amin’ Andriamanitra ny hafatra iray.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:26–36 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanoro hevitra ireo mpihazona ny fisoronana mikasika ny hery sy ny andraikitra azon’izy ireo avy amin’ny fanokanana azy ireo. Nilaza Izy fa tokony hifanompo sy hitoetra ho madio ireo mpihazona ny fisoronana. Rehefa manao izany izy ireo dia hanome azy ireo hery ny Tompo mba handresena ireo fanahy sandoka tahaka ireo izay hita teo anivon’ny sasany tamin’ireo Olomasina tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:37–46

Mamporisika ireo Olomasina ny Tompo mba hanohy hitombo ao amin’ny fahasoavana sy ao amin’ny fahamarinana izy ireo, ary manome toky azy ireo Izy fa miaraka amin’izy ireo

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Fiaraha-mivavaky ny mpianakavy (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 112; jereo koa ny LDS.org Tondroy ilay zazalahy kely indrindra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

Fiaraha-mivavaky ny Mpianakavy
  • Azonao an-tsaina ve io zazalahikely io manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno rehefa lehibe? Inona ao amin’io sary io no manambara fa ho tafaomana hanompo izy?

  • Rehefa eritreretina ny asa nomanin’ny Tompo ho ataon’ny tsirairay avy amintsika dia inona no mampitovy antsika amin’io zazalahikely io?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:37–40 dia mirakitra ny torohevitra nomen’ny Tompo an’ny sasany tamin’ireo loholona izay nanatrika teo tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andininy 40. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo an’ireo loholona ireo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 40 dia nahoana ny Tompo no niantso ireo mpihazona ny fisoronana ireo hoe “ankizy madinika”? Inona no mampitovy antsika amin’ny ankizy madinika?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “mitombo ao amin’ny fahasoavana”? Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mitombo “ao amin’ny fahalalana ny marina”?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andininy io mikasika ireo fitahiana tian’ny Mpamonjy horaisintsika? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Tian’ny Tompo hitombo ao amin’ny fahasoavana sy ao amin’ny fahalalana ny marina isika.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41–46. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo teny fampiononana sy fanomezan-toky izay nataon’ny Tompo tamin’ireo loholona ireo sy tamintsika.

  • Midika inona aminareo ny fitenenan’ny Tompo hoe: “Ahy ianareo”? Ahoana no hanampian’io fanomezan-toky io antsika “tsy hatahotra”? (F&F 50:41).

  • Inona ireo fampanantenana hafa manan-danja aminareo ao amin’ireo andininy ireo?

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina tao amin’ny lesona androany. Amporisiho ny mpianatra hampianatra sy hianatra feno kokoa amin’ny alalan’ny Fanahy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50. Ny fomba nahazoan’ny Mpaminany Joseph Smith ity fanambarana ity

Nofariparitan’ny Loholona Parley P. Pratt ny fomba nanononan’i Joseph Smith ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 amin’izao fotoana izao. Iray amin’ireo famariparitana natao tamin’ny antsipiriany indrindra izay ananantsika mikasika ny fomba nanononan’ny Mpaminany ireo fanambarana izy ity. Hoy ny Loholona Pratt hoe:

Parley P. Pratt

“Nolazaina miadana sy miavaka tsara ny fehezan-teny tsirairay ary nasiana fiatoana maharitra araka izay nilaina teo anelanelan’izany mba hahafahana manoratra ilay izy amin’ny alalan’ny mpanoratra mahazatra amin’ny tanana, ka nosoratana feno tsara.

“… Tsy nisy mihitsy ny fisalasalana, na fanitsiana, na famerenana mamaky, mba hampirindra tsara ilay zavatra resahina; … ary hitako maso ny nanononana ireo teny maro mampitaina izay samy voarakitra tao anaty pejy marobe” (Autobiography of Parley P. Pratt, natontan’i. Parley P. Pratt Zanany [1938], 62).

Rehefa vita ny fanononan’i Joseph Smith ireo fanambarana dia naveriny nojerena mandrakariva ireo izay nadika tamin’ny tanana, ka nikatsaka fitaomam-panahy izy mba hanaovana izay fanovana nilaina natao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50. Tonga teo anivon’ireo Olomasina ny “fahalalana hafahafa sy fanahy sandoka”

Nofariparitan’i John Whitmer ny sasany tamin’ireo “fahalalana hafahafa sy fanahy sandoka” (History of the Church, 1:146) teo anivon’ny Olomasina tao Kirtland tamin’ny lohataonan’ny taona 1831:

John Whitmer

“Nahita fahitana ny sasany ary tsy afaka nilaza ny zavatra hitany, ny sasany dia nihambo ho nanana ny sabatr’i Labàna ka mahay mampiasa izany [tahaka ny miaramila mitaingin-tsoavaly], ny sasany dia nanao toy ny Indiana manapaka volon-doha, ny sasany dia nikisaka na nandeha mafy [teo] amin’ny tany tamin’ny hafainganam-pandehan’ny bibilava, izay nolazain’izy ireo fa maneho ny fandehanana sambo mankany amin’ny Lamanita mba hitory ny filazantsara. Ary ireo tetika tsy misy fotony sy feno adalana izay mamitaka ary tsy ilaina tononina akory” (Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 amin’ireo Documents tohin-daharan’ny The Joseph Smith Papers [2013], 305).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14, 17. Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana

Nohazavain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny zavatra tokony hataontsika izay isika vao afaka mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy:

Loholona Dallin H. Oaks

“Tokony handalina ny soratra masina isika. Tokony handalina ny fampianaran’ireo mpaminany velona isika. Tokony hianatra araka izay azontsika hatao isika mba hahatonga antsika hanana ny fahavononana ilaina sy ho azo ekena. … Takina alohan’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ny fiomanana” (Teaching and Learning by the Spirit,” Ensign, mar. 1997, 10).

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome hevi-baovao sy torolalana mba hanampiana antsika hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy:

Filoha Henry B. Eyring

“Manana ilay heriny ny fotopampianarana, rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina izany fa marina. …

“Noho ny filantsika ny Fanahy Masina dia tsy maintsy malina sy mitandrina tsara isika mba tsy handeha hihoatra ny fampianarana ny fotopampianarana marina. Ny Fanahy Masina no Fanahin’ny Fahamarinana. Ny fanamafisana avy aminy dia tonga amin’ny alalan’ny fisorohantsika ny fisaintsainana zavatra hafa na ny fizarana hevitra avy amin’ny tenantsika manokana. Mety ho sarotra atao izany. Tianao ilay olona izay ezahinao hotaomina. Mety tsy nahalala velively ilay fotopampianarana heno teo aloha teo izy. Tena maka fanahy ny hanandrana zavatra vaovao sy mahatalanjona. Saingy manasa ny Fanahy Masina ho namantsika isika rehefa mitandrina mba tsy hampianatra afa-tsy fotopampianarana masina ihany” (“Teaching True Doctrine,” Ensign, apr. 2009, 6).

Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampiseho ny fahasamihafana eo amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy sy ny fampianarana amin’ny alalan’ny fahaizantsika manokana:

Loholona Richard G. Scott

“Taona maromaro lasa izany dia nomena antso mitovy amin’ny an’ny Filohan’ny vondrom-paritra tany Mexique sy Amerika Afovoany aho. …

“Indray alahady, … dia nanatrika fivorian’ny fisoronana tao amin’ny sampana [iray] aho izay nahitako Meksikana iray mpitarika tao amin’ny fisoronana izay nanentry tena sy tsy nahita fianarana ary sahirana mafy nampita ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Hita nibaribary fa tena nahakasika ny fiainany tokoa izao fahamarinana ireo. Tsikaritro ny faniriana mivaivay nananany mba hampita ireo fitsipika ireo. Niaiky izy fa zava-tsarobidy ho an’ireo rahalahiny izay tiany ireo zavatra ireo. Namaky ilay boky torolalana ho an’ny lesona izy, kanefa ny fihetsiny dia nahitana taratra ny fitiavana madio tsapany ho an’ny Mpamonjy sy ireo olona nampianariny. Izany fitiavana sy hitsim-po ary fahadiovan’ny fikasana nananany izany dia namela ny fitaoman’ny Fanahy Masina handrakotra ilay efitrano. …

“Taorian’izay aho dia nanatrika ny kilasin’ny Sekoly Alahady tao amin’ny paroasy nivavahan’ny fianakaviako. Mpampianatra nahita fianarana tsara tao amin’ny oniversite no nitondra ny lesona. Hita nibaribary fa nifanohitra tamin’ilay zavatra niainako izay nankafiziko tao amin’ilay fivorian’ny fisoronana tao amin’ilay sampana izany traikefa izany. Raha ny fijeriko azy dia toy ny hoe ninia nifidy soratra masina sarotra takarina sy ohatra maro tsy mahazatra ilay mpampianatra mba hamelabelarany ny lohahevitra nasaina nampianariny—ny fiainan’i Joseph Smith. Nanana fahatsapana miavaka aho fa nampiasainy mba hanaovana izay hampitolagaga ny mpianatra amin’ny fahaizana lehibe nananany ilay fahafahany nampianatra. … Tsy hita taratra hoe nikasa ny hampita ireo fitsipika tahaka ilay mpitarika nanetry tena tao amin’ny fisoronana izy. …

“… Ny fanetrentena nananan’ilay Meksikana mpitarika tao amin’ny fisoronana dia nilaina tamin’ny fampiasana azy ho toy ny fitaovana fampitana ara-panahy ireo fahamarinana” (“Helping Others to Be Spiritually Led” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, aog. 11, 1998], 10–11, LDS.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:19–20. Mandray amin’ny alalan’ny Fanahy

Ny Filoha J. Reuben Clark tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome sosokevitra fa manana anjara asa manan-danja isika amin’ny famantarana raha toa ka mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny mpandahateny iray na tsia:

Ny Filoha J. Reuben Clark

“Tsy afaka miteny isika hoe amin’ny fotoana manao ahoana ireo mpandahateny no ‘entanin’ny Fanahy Masina’ raha tsy rehefa ‘entanin’ny Fanahy Masina’ ny tenantsika.

“Amin’ny lafiny iray dia mamindra tanteraka ny andraikitra avy any amin’izy ireo mankaty amintsika izany mba hamantatra ny fotoana hitenenan’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy” (“When Are Church Leaders’ Words Entitled to Claim of Scripture?” Church News, 31 jolay 1954, 9).

Nanao fanamarihana mikasika ny andraikitry ny mpianatra hianatra amin’ny fomba mahomby ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Joseph B. Wirthlin

“Arakaraka ny hamakin’ireo mpianatra ireo soratra masina asaina vakiny no hitondrany ny soratra masiny ao an-dakilasy, ary arakaraky ny hifanakalozany hevitra mikasika ny tena lanjan’ny filazantsara eo amin’ny fiainany no hananan’izy ireo fahazavan-tsaina sy fivoarana ary fifaliana rehefa miezaka mamaha ireo olany sy miatrika ireo fanambiny manokana izy ireo” (“Teaching by the Spirit,”Ensign, jan. 1989, 15).

Noantitranterin’i A. Roger Merrill, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany ny maha-zava-dehibe fototra ny ilantsika mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy:

A. Roger Merrill

“Lasa takatro tsaratsara kokoa ny tena maha-zava-dehibe ny mandrayamin’ny alalan’ny Fanahy. “Matetika isika no mifantoka araka ny tokony ho izy amin’ny maha-zava-dehibe ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy. Saingy mila mahatsiaro isika fa nanome lanja mitovy, raha tsy hoe lehibe kokoa, ny fandraisana amin’ny alalan’ny Fanahy ny Tompo. (Jereo ny F&F 50:17–22.)” (“Receiving by the Spirit,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 93).

Nizara ity tantara manaraka ity ny Loholona Jack H. Goaslind tao amin’ny Fitopololahy mba hanehoana fa samy manana fahafahana hisafidy isika rehetra na hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy na tsia:

Loholona Jack H. Goaslind

“Taona maro lasa izay dia nahafantatra ny mikasika ny rahalahy mahafinaritra iray aho, izay nitantara ny fihetsiny rehefa nanao ny lahateny famaranana tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Filoha David O. McKay. Avy ny orana tamin’izay tolakandro izay ary izay no fivoriana fahadimy natrehiny. Nipetraka teo amin’ny rihana izy ary variana matetika. Nahatsikaritra lehilahy iray nipetraka teo amin’ny laharan-tseza afovoany izy, izay resi-tory ka niandrandra sy nitanatana vava. Nieritreritra izy fa raha teo amin’ny tafon’ny Tabernakely no nisy azy dia afaka nandatsaka taratasy kely voatsakotsako tao am-bavan’izany lehilahy natory izany izy teo amin’ny iray amin’ireo lavaka fampidiran-drivotra. Lafatra izany raha eritreritra! Taorian’ilay fivoriana dia nahare lehilahy roa miresaka mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo nandritra ny lahatenin’ny Filoha McKay izy. Hita nibaribary fa nanohina azy ireo ny zavatra reny. Lasa saina izy hoe niaina zavatra ara-panahy mahatalanjona ireto rahalahy roa ireo, fa inona no nataoko tamin’izany? Nilaozako nieritreritra ny handatsaka taratasy kely voatsakotsako avy eny amin’ny tafon-trano!” (“Yagottawanna,” Ensign, mey 1991, 46).