Seminera sy Institiota
Lesona 53: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–75


Lesona 53

Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 45:60–75

Fampidirana

Rehefa niangona tao Kirtland ireo Olomasina dia tatitra diso sy tsahotsaho tsy mitombina marobe tao anaty gazety an-tsoratra no nanaratsy sy nanasoketa ny Fiangonana. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia nanomboka nampahafantarin’ny Tompo ny mombamomba ny toeram-piangonana iray voatondro izay toeran’ny fandriampahalemana sy toerana fialofana amin’ny andro farany, izay nampanantenaina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary noresahina voalohany tao amin’ny fanambarana iray tamin’ny taona 1830 (jereo ny F&F 28). Nofariparitan’ny Tompo ny mombamomba an’io tany fiangonana io, izay fantatra amin’ny anarana hoe Jerosalema Vaovao, na Ziona. Nandidy an’i Joseph Smith koa ny Tompo mba hanomboka hifantoka tamin’ny asa fandikana ny Baiboly mikasika ny Testamenta Vaovao mba hanomanana ireo Olomasina amin’ireo zavatra ho avy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61

Mandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanomboka ny fandikany ny Testamenta Vaovao

Anontanio ny mpianatra raha misy afaka mitanisa ny fanekem-pinoana fahavalo. Raha mila fanampiana ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamadika ny bokiny ao amin’ny Fanekem-pinoana ka hamaky mafy ilay fahavalo.

  • Inona no tian’ilay andian-teny hoe “araka ny mahamarina ny dikanteny” holazaina mikasika ny Baiboly?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa tia nandalina ny Baiboly i Joseph ary nahazo hery lehibe avy tamin’ny teny ao anatin’izany. Kanefa, teo am-pandalinany izany dia nahatsikaritra fahadisoana izy ary nahatsapa fa nisy tsy hita tao ny fampahalalana sasany na tsy feno. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’ireto fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny Baiboly ireto. Asao ny mpianatra hihaino ny antony nahatonga ireo olana tsikaritr’i Joseph ireo:

Mpaminany Joseph Smith

“Hita nibaribary fa zavatra maro manan-danja mahakasika ny famonjena ny olona no nesorina tao amin’ny Baiboly, na very talohan’ny nanambarana azy” (Enseignements des Présidents de L’Église: Joseph Smith [2007], ).

Mpaminany Joseph Smith

Nilaza koa izy hoe: “Mino ny Baiboly araka izay nosoratan’ny penin’ireo mpanoratra tany am-piandohana aho. Nanao fahadisoana maro ireo mpandika teny tsy manam-pahalalana, na ireo mpandika soratra, na ireo mpitandrina te hitondra ny olona amin’ny sangany sy manana toe-tsaina lomorina” (Teachings: Joseph Smith, 207).

  • Araka ny voalazan’i Joseph Smith dia inona ireo antony telo farafahakeliny ahitana fahadisoana ao anatin’ny Baiboly?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa izy ireo tao amin’ilay lesona mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–59 dia nandalina ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpianany mikasika ny Fiaviany Fanindroany. Ilay fanambarana dia mitantara zavatra betsaka amin’izay voarakitra ao amin’ny Matio 24. Rehefa nomena tamin’ny taona 1831 io fanambarana io dia nanao fanitsiana mazava kokoa ny Testamenta Taloha i Joseph Smith. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra tian’ny Tompo hampifantohan’ny Mpaminany ny sainy.

  • Amin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no hitahiana ny Olomasina amin’ny fandikana ny Testamenta Vaovao? (Hampahafantatra bebe kokoa mikasika ny sitrapon’ Andriamanitra hanomanana ny Olomasina izany.)

Angataho ny mpianatra iray hamintina ity fampahalalana manaraka ity ho an’ny kilasy manontolo. (Mba hanomezana fotoana hiomanana ho an’ilay mpianatra dia omeo azy alohan’ny fotoam-pianarana ilay fampahalalana.) Azonao atao ny manome ireo antsipiriany tsy voalazan’ilay mpianatra.

Teo ho eo amin’ny fararanon’ny taona 1830 teo dia nodidian’ny Tompo i Joseph Smith mba handika ny Baiboly. Tsy nandika ny Baiboly avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafa izy, na hoe nanana ny Baiboly sora-tanana voalohany mba hanaovana ny fandikana. Fa i Joseph kosa dia namaky sy nandalina ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly King James Version ary avy eo dia nanao fanitsiana sy nanampy zavatra araka izay nitaoman’ny Fanahy Masina. Noho izany, ilay fandikana dia nirona bebe kokoa tamin’ny fanitsiana mazava kokoa fa tsy fandikan-teny araka ny fomba mahazatra hatrizay.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia voatombantombana ho nahakasika andininy 3.400 farafahakeliny ao amin’ny Baiboly King James Version. Ireo fahasamihafana ireo dia ahitana teny fanampiny (mba hanazavana ny hevitry ny teny na ny sahan-kevitra), fanaisorana, andinin-tsoratra masina nalamina ary famerenana ny fandrafetana manontolo ny toko sasantsasany. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ireo votoatin’ny fotopampianarana, indrindra fa mikasika ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy, ny toetran’ Andriamanitra, ny toetran’ny olombelona, ny fanekempihavanana nataon’i Abrahama, ny fisoronana, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Ilay Baiboly King James Version navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany izay natonta taorian’ny taona 1979 dia ahitana fanovana 600 mahery avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Voasoratra eo amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ireo fanovana fohy ary hita ao amin’ny Tovan’ny Baiboly ireo zavatra resahina marobe izay azo isafidianana.

Asao ny mpianatra hitady ny Joseph Smith—Matio ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Hazavao fa ity ampahany amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ity dia mirakitra fampahalalana betsaka kokoa avy ao amin’ny Matio 24 mikasika ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany sy ny fahatanterahan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hilaza amin’ny feo mafy ny fahatakarany ny atao hoe Dikantenin’i Joseph Smith . Ohatra, ao amin’ny Matio 4 :1, b dia milaza fa i Jesoa Kristy dia “niaraka tamin’ Andriamanitra” fa tsy hoe “nalain’ny devoly fanahy.” Aorian’ny fanehoana ohatra vitsivitsy amin’ireo mpianatra dia hazavao fa mety afaka hanampy ireo mpianatra amin’ny fandalinany sy ny fahatakarany ny Baiboly ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–65

Nampilazana mialoha ny Olomasina mba hiangona tany amin’ny tany andrefana

Hazavao fa ny Tompo dia nandidy an’ireo Olomasina tany am-piandohana mba hifindra hankany andrefana “avy amin’ny tany atsinanana” (F&F 45:64). Mba hanampiana ny mpianatra hahita maso ilay fifindran-toerana nankany andrefana (avy any New York nankany Ohio) nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hamadika ny bokiny ao amin’ny Sarintany 3 (“Ny faritr’i New York, Pennsylvanie, ary Ohio any Etazonia”) ao amin’ny fizarana misy ny Sarin’ny toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–64. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny antony nandidian’ny Tompo ny Olomasina hiangona nankany amin’ny “tany andrefana” (F&F 45:64).

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa “eo am-baravaranareo aza”? Inona araka ny eritreritrareo no tian’io sarisary io ambara?

Hazavao fa tamin’ny taona 1861, tokotokony ho 17 taona taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith, dia nisy Ady an-trano tao Etazonia. Voatombantombana ho nahafatesana olona 1 tapitrisa mahery io ady io ary nanimba fananana marobe ihany koa, izay nitondra fahasahiranana lehibe ho an’ireo fianakaviana sy fiarahamonina manerana ny firenena. Ireo Olomasina izay nanohy nanaraka ny torohevitry ny Tompo mba hiangona avy any atsinanana dia notahiana tamin’ny fandriampahalemana sy fiarovana marina tao Utah.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:65. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina rehefa tafangona tao amin’ny tany andrefana izy ireo.

  • Nahoana izy ireo no nasaina nanangona ny hareny? (Mba hividianana tany ahafahan’ny Olomasina miaina ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fandriampahalemana ary ao anatin’ny toerana azo antoka. Hazavao fa ny hoe lovadia entina ilazana ny tany izay nahafahan’ireo Olomasina nipetraka sy nitsaoka ny Tompo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–75

Mamariparitra ilay Jerosalema Vaovao, na Ziona ny Tompo

Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Raha afaka misafidy toerana iray hipetrahana eto an-tany ianao dia mety ho aiza izany? Nahoana ianao no maniry ny hipetraka any?

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hamaly. Rehefa mamaly izy ireo dia manaova sarina tsipika midina eo afovoan’ny solaitrabe mba hamoronana tsanganana roa. Soraty eo amin’ny farany ambony amin’ny tsanganana iray ny anaran’ny vitsivitsy amin’ireo toerana tononin’ny mpianatra. Tanisao ao amin’io tsanganana io ihany, eo ambanin’ireo anarana, ny antony hanirin’izy ireo hipetraka ao amin’ireo toerana ireo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–67 mba hitady ny anaran’ny tany lovan’ireo Olomasina sy ny antony maha-toerana maha-te honina an’izany ho azy ireo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no anarana hiantsoana ny tany lovan’ny Olomasina? (Jerosalema Vaovao, na Ziona. Soraty eo amin’ny farany ambony amin’ilay tsanganana faharoa eo amin’ny solaitrabe izany.)

Hazavao fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe Ziona dia ampiasaina indraindray mba hilazana zavatra maromaro tsy dia misy fahasamihafana firy. Indraindray ilay teny dia entina ilazana ny vahoakan’i Ziona ary mamaritra azy ireo ho “ny madio am-po” (F&F 97:21). Any amin’ny soratra masina hafa i Ziona dia entina ilazana ny Fiangonana iray manontolo sy ireo tsatòkany manerana izao tontolo izao (jereo ny F&F 82:14). Mety mamaritra toerana manokana koa ny teny hoe Ziona. Ato amin’ity fanambarana ity dia namaritana tanàna iray izay haorin’ny Olomasina sy hiangonany ny teny hoe Ziona.

  • Ahoana no namaritan’ny Tompo an’i Jerosalema Vaovao na i Ziona? (Ataovy lisitra ao amin’ny tsanganana faharoa eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Mety holazain’izy ireo amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: I Jerosalema Vaovao dia ho tanin’ny fandriampahalemana sy toerana azo antoka ary ho ao ny voninahitry ny Tompo.)

Asao ny mpianatra hampitaha ireo toerana nofidiany ho toeram-ponenana tsara indrindra amin’ny famaritana an’i Ziona.

  • Raha miainga avy amin’ny famaritan’ny Tompo an’i Ziona dia nahoana ianareo no mety haniry ny ho lasa mponina ao amin’io tanàna io?

  • Taiza ianareo no niaina fandriampahalemana sy nahatsapa ho voaro? Nahoana no zava-dehibe ny manana toerana ahafahanareo mahazo fiarovana sy hanananareo fiadanana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:68–71. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo antony fanampiny izay mety hitiavan’izy ireo hipetraka ao amin’i Jerosalema Vaovao. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Asao izy ireo hilaza ny zavatra hitany sy hampiditra ny valinteniny eo amin’ny tsanganana faharoa eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no ho tsapan’ny olon-dratsy mikasika an’i Ziona?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 71 dia avy aiza ireo olo-marina ao Ziona? (Raha tsy mbola hitan’ny mpianatra izany dia soraty ao amin’ilay tsanganana faharoa eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Hiangona ao Ziona ireo olo-marina avy any amin’ireo firenen-drehetra. Azonao atao ny manazava fa mitombina io fotopampianarana io ho an’ilay Ziona resahina ato amin’ity fanambarana ity ary mitombina ho an’ireo tsatòkan’i Ziona izay miorina maneran-tany amin’izao fotoana izao.)

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity mikasika ireo vahoakan’i Ziona:

Mpaminany Joseph Smith

“I Ziona … dia toeran’ny fahamarinana, ka izay rehetra miorina ao dia tokony hitsaoka ilay Andriamanitra marina sady velona, ary mino fotopampianarana iray ny rehetra, dia ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika” (ao amin’ny History of the Church, 2:254).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:72–73 mba hitady ny zavatra nampitandreman’ny Tompo ny Olomasina mba tsy ho ataony. Dia fintino avy eo ireo andininy roa farany ao amin’ity fanambarana ity amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampahatsiahy ny Olomasina fa hahatahotra ny Fiaviany Fanindroany ho an’ireo fahavalon’izy ireo.

Azonao atao ny mampahatsiahy amin’ny mpianatra fa nanentana ireo Olomasina tany am-piandohana sy nanentana antsika ny Tompo ato amin’ity fanambarana ity mba “hihaino” ny feony. Asao ny mpianatra hanao jery todika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 iray manontolo ka hamerina hijery ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasina mikasika ny Fiaviany Fanindroany sy i Jerosalema Vaovao. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hameno ity fehezanteny manaraka ity ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina: “Noho ny zavatra nianarako tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia hiomana amin’ireo zavatra ho avy aho amin’ny alalan’ny …” Farano izany amin’ny alalan’ny famporisihana ny mpianatra hifanakalo hevitra miaraka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61. Ny Dikantenin’i Joseph Smith

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia “fanitsiana na fandikana ny King James Version an’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy, izay natomboky ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny jona 1830. Nodidian’ Andriamanitra izy hanao ny dikanteny ary nihevitra izany ho ‘ampahany amin’ny antsony’ amin’ny maha-mpaminany azy.” Na dia efa vita aza ny ankabeazan’ny asa tamin’ny volana jolay 1833 dia nanohy nanao fanitsiana madinidinika ny Mpaminany mandra-pahafatiny tamin’ny taona 1844. “Navoaka ho boky … ny sasantsasany tamin’ny dikanteniny fony fahavelony.” (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Dikantenin’i Joseph Smith.”)

Kanefa, noho ny fanenjehana sy ny tsy fahampian’ny loharanom-bola ary ny andraikiny amin’ny fitantanana ny Fiangonana dia tsy afaka namoaka ny fanitsiana rehetra nataony tamin’ny Baiboly i Joseph Smith talohan’ny nahafatesany. Ankoatra izay dia tsy teo am-pelatanan’ny Fiangonana ilay sora-tanana. Notazonin’i Emma Smith, vady navelan’i Joseph izany taorian’ny nahafatesan’i Joseph. Tamin’ny taona 1866 dia nomen’i Emma an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany Naverina Naorina io sora-tanana io, izay fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Fikambanan’i Kristy, izay nahazo zo hampiasa izany ka namoaka ilay dikan-teny ho boky tamin’ny taona 1867. (Jereo ny Robert J. Matthews, “Q and A,” New Era, Apr. 1977, 46–47.)

Taty aoriana dia navoaka ho boky ho ampahany tamin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ny bokin’i Mosesy sy ny Joseph Smith—Matio. Na izany aza anefa dia ampahany amin’ny fandikan’i Joseph Smith ny Baiboly ihany no ampiasaintsika ao amin’ny soratra masintsika amin’izao fotoana izao. “Na dia teo aza ireo antony marobe tsy nampidirana ny Dikantenin’i Joseph Smith tao amin’ny Baiboly izay natontan’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny taona 1979 dia tsy iray amin’ireo antony ireo ny tsy fahatomombanan’ny lahatsoratry ny DJS. Nosafidiana mba homena sehatra ireo andinin-tsoratra masina manana heviny ara-potopampianarana ary noho ny maha-singa manan-danja ny famerana ny isan’ny pejy dia tsy nampidirina tao avokoa ny zavatra rehetra” (Robert J. Matthews, “I Have a Question,” Ensign, June 1992, 29).