Lesona 138
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131
Fampidirana
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 dia ahitana ny fanangonana ireo fitsipika nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith tao Ramus, Illinois, tamin’ny 16–17 mey 1843. Nampianatra momba ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ary ny fampanantenana momba ny fiainana mandrakizay ho an’ireo mahatoky izy. Nampianatra ihany koa izy fa ny fanahy rehetra dia tamba-tsinga.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4
Nampianatra momba lanjan’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay i Joseph Smith
Mampisehoa gadanà tsotra mila kaody iray. Azonao ampiasaina izany hanidiana ny saron’ny boaty iray. Raha tsy manana gadanà ianao dia manaova sary iray eny amin’ny solaitrabe. Manasà mpianatra lahy iray sy mpianatra vavy iray hankeny anoloana. Omeo an’ilay mpianatra iray ny taratasy iray izay misy ny ampahany voalohany amin’ilay kaody. Omeo an’ilay mpianatra hafa kosa ny taratasy iray izay misy ny sisa ambiny amin’ilay kaody. Raha nitondra gadanà tao an-dakilasy ianao dia asaivo vahan’ny iray amin’ireo mpianatra tsy misy ny fanampian’ilay mpianatra iray hafa ilay gadanà. Avy eo dia asaivo miara-miasa izy ireo hamahana ilay gadanà.
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity (na soraty ao anaty taratasy izany ka ataovy ao anatin’ilay boaty izay vao novahan’ireo mpianatra roa): Raha maneho ny fisandratana any amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy ilay gadanà, dia maneho inona kosa ilay kaody? Asaivo mijery ny valin’io fanontaniana io ireo mpianatra rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 izy ireo.
Hazavao fa tamin’ny 16 mey 1843 dia nandeha nankany Ramus, Illinois i Joseph Smith. Raha mbola nitoetra tao an-tranon’i Benjamin sy Melissa Johnson izy dia nanatontosa ny famehezana azy ireo ho mpivady mandrakizay. Nampianariny azy ireo ihany koa ny fomba ifandraisan’ny fanambadiana mandrakizay amin’ny fanjakana selestialy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4 ireo fahamarinana ireo. (Jereo ny History of the Church, 5:391–92.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny fahamarinana iray izay nambaran’ny Mpaminany momba ny fanjakana selestialy.
-
Inona no nambaran’i Joseph Smith momba ny fanjakana selestialy?
Hazavao fa matetika isika no miantso ny fahazoana ny ambaratonga avo indrindra amin’ny voninahitra ao amin’ny fanjakana selestialy ho toy ny fisandratana na fiainana mandrakizay. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fisandratana. Hazavao fa ireo izay mahazo an’io ambaratonga ao amin’ny voninahitra selestialy io dia hiaina tahaka ny Raintsika any An-danitra.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2–4, ary angataho ny iray kilasy mba hitady ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny ambaratonga ambony indrindra amin’ny fanjakana selestialy.
-
Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika.)
-
Inona, araka ny hevitrao, no tian’ny ao amin’ny andininy 4 holazaina amin’ny hoe raha tsy fehezina any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fahefana marina isika dia “tsy afaka ny hanana fitomboana”? (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io andinin-tsoratra masina io, dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe fitomboana dia entina hilazana ny fahafahana hanohy hanana zanaka any amin’ny fanjakana selestialy.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra an’ilay andian-teny hoe “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” dia hazavao fa ny teny hoe vaovao ao amin’io sahan-kevitra io dia midika fa naverina tamin’ny laoniny indray io fanekempihavanana io amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Ny teny hoe maharitra mandrakizay dia midika hoe haharitra mandritra ny mandrakizay io fanekempihavanana manan-danja io. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa any amin’ny tempoly no anaovantsika an’io fanekempihavanan’ny fanambadiana selestialy io.)
-
Amin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no anomanan’ny fanambadiana selestialy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray azy ireo ho amin’ny fisandratana?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba hanampian’ny fanambadiana antsika amin’ny fiomanana ho amin’ny fiainana mandrakizay.
“Antony ara-potopampianarana roa tsy hay tohaina no manampy antsika hahatakatra ny mahatonga ny fanambadiana mandrakizay ho manan-danja eo amin’ny drafitry ny Ray.
“Antony voalohany: Ny natioran’ny fanahin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifameno sady tonga lafatra rehefa miaraka, ka noho izany ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hivoatra miaraka mankany amin’ny fisandratana. …
“Araka ny tendrin’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiaraka handroso mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny voninahitra. Noho ny toetra voajanahary sy ny fahaiza-manaon’izy ireo izay samy miavaka tsara dia samy mitondra fomba fijery sy traikefa tsy manam-paharoa ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitondra anjara biriky amin’ny fomba samy hafa nefa mitovy lenta hanatratrana ilay fitambarana ho iray sy ilay firaisan-kina izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Ny lehilahy dia mameno sy mandavorary ny vehivavy ary ny vehivavy dia mameno sy mandavorary ny lehilahy rehefa mianatra amin’izy samy izy sy mifampahery ary mifampitahy izy ireo. …
“Antony 2: Efa tendrin’ Andriamanitra fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia samy ilaina mba hitondrana ireo zanaka ho eto amin’ny fiainana an-tany ary mba hanolorana ny rafitra tsara indrindra hitaizana sy hamelomana ireo zanaka” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 83–84; nesorina ny soratra matavy sy ny soramandry).
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar, nahoana no ilaina amin’ny fisandratantsika ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray?
-
Inona no mety fiantraikan’ny fahatakarana an’io fotopampianarana hoe ilaina amin’ny fisandratana ny fanambadiana selestialy io amin’ny zavatra izay tadiavinao eny amin’ny vady rahatrizay?
-
Nahoana no zava-dehibe amin’izao taonanao izao ny manao ho laharam-pahamehana ny fiomanana ny hivady mandrakizay any amin’ny tempoly?
Azonao atao ny manazava fa ireo fitahian’ny fisandratana dia mety ho azon’ireo izay tsy manana fahafahana ny hanao fanambadiana selestialy eto amin’izao fiainana izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nalaina avy tao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana ity:
“Ireo mpikambana sasany ato am-piangonana dia mijanona ho tokan-tena tsy fidiny na dia manam-paniriana ny hanambady aza izy ireo. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao dia matokia fa ‘ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra’ (Romana 8:28). Rehefa mitoetra ho mendrika ianao dia indray andro any, eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy, dia homena ireo fitahiana rehetra entin’ny fananana fianakaviana mifandray mandrakizay” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], ).
-
Ahoana no ahafahan’ny fitandremana dieny izao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa manampy anao hiomana handray ireo fitahiana azo avy amin’ny tempoly? Inona no zavatra azon’ny zatovolahy sy ny zatovovavy atao dieny izao mba hanaovana ny fanambadiana selestialy any amin’ny tempoly ho laharam-pahamehana? (Azonao atao ny manao lisitry ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.)
Entano ireo mpianatra ny hanao ho laharam-pahamehana ny hanambady mandrakizay any amin’ny tempoly. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitahiana izay ho azo vokatry ny fanambadiana selestialy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5–6
Manazava ny “teny faminaniana atao mafy orina kokoa” ny Mpaminany
Manehoa fiantohana an-tsoratra iray amin’ireo mpianatra.
-
Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana fiantohana?
-
Nahoana no tena manan-danja tokoa ny fiantohana iray avy amin’ny Ray any An-danitra?
Hazavao fa nanao toriteny momba ilay andian-teny hita ao amin’ny 2 Petera 1:19 izay maneho fiantohana avy amin’ Andriamanitra i Joseph Smith ny marainan’ny 17 mey 1843, tao Ramus, Illinois (jereo ny History of the Church, 5:392). Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Petera 1:19 sady hitady an’ilay andian-teny. (“Teny faminaniana atao mafy orina kokoa.”)
Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5 sady hitady ny dikan’ilay andian-teny hoe “teny faminaniana atao mafy orina kokoa.” Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 5, dia inona no antoka omen’ny Ray any An-danitra ny olona iray amin’ny alalan’ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa? (Fiainana mandrakizay.)
-
Inona araka ny hevitrao ny zavatra tsapa rehefa mahazo ny fiantohana toy izany? Nahoana?
Fanamarihana: Aza maminavina mikasika ireo olona velona izay mety nahazo ny “teny faminaniana atao mafy orina kokoa.” Kanefa ny soratra masina dia milaza momba an’ireo olona izay nahazo an’io antoka mahakasika ny fiainana mandrakizay io raha mbola teto an-tany. Ohatra: ny Tompo dia naneho io antoka io tamin’i Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49) sy tamin’i Almà (jereo ny Môsià 26:20).
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:6, ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra izay hanakana ny olona iray tsy hahazo ny fiainana mandrakizay.
-
Inona no nolazain’i Joseph Smith fa tsy hahatonga antsika ho voavonjy na tsy hahazo ny fiainana mandrakizay? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra fa ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo ny hoe tsy azo vonjena ao amin’ny tsy fahalalana isika. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe.)
Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanazavana manaraka ity mikasika an’io fahamarinana io izay nomen’ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asaivo henoin’ireo mpianatra ny karazana fahalalana izay ilaintsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.
Ny fahalalana ilay ‘Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy’ (Jaona 17:3) no fahalalana manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izo. Io ilay fahalalana izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith fa raha tsy ananan’ny olona dia tsy ho afaka ny hovonjena izy. Ny tsy fananana izany no tsy fahalalana izay resahan’ilay fanambarana izay milaza hoe: ‘Tsy azo heverina ny hamonjena ny olona ao amin’ ny tsy fahalalana.’ (F&F 131:6.)” (“Except a Man Be Born Again,” Ensign, nôv. 1981, 14).
-
Inona no karazana fahalalana izay tsy maintsy ananantsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? Araka ny eritreritrao, nahoana no tena ilaina amin’ny famonjena io fahalalana io?
-
Inona no azontsika atao mba hampitomboana ny fahalalantsika momba ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy?
Fotopampianarana sy fanekempihavanana 131:7–8
Nampianatra i Joseph Smith fa tamba-tsinga ny fanahy rehetra
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny zavatra mandrafitra an’ireo fanahy.
-
Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Ny zava-boary rehetra dia misy tamba-tsinga, kanefa ny tamba-tsingan’ny fanahy dia “madio sy malefaka kokoa.”)
Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay noresahana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131, ary entano ireo mpianatra hanohy ny fahazoana fahalalana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahafahan’izy ireo ho lasa tahaka Azy Ireo.