Lesona 71
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65
Fampidirana
Tamin’ny 12 Septambra 1831 dia niala tao Kirtland, Ohio i Joseph Smith sy ny fianakaviany ka nifindra monina tany Hiram, Ohio, sahabo ho 48 kilometatra any atsimo antsinanan’i Kirtland. Noho ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo no nanaovany izany (jereo ny & 63:65). Nifindra monina niaraka tamin’ny fianakavian’i John sy Alice Johnson, izay vao niova fo tao amin’ny Fiangonana ny Mpaminany sy ny fianakaviany. Ny antony lehibe nialany tany Kirtland dia ny hanohizany ny fandikana ny Baiboly araka ny fanentanam-panahy. Vantany vao tany Hiram dia nanohy izany asa izany i Joseph. Tamin’ny 30 Ôktôbra 1831 dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65 i Joseph Smith. Ao amin’io fanambarana io dia nampianatra ny Tompo fa handeha hiparitaka manerana ny firenen-drehetra ny filazantsara ho fanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ary nasaina hivavaka ny Olomasina mba hampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65
Manambara ny Tompo fa hanenika ny tany manontolo ny filazantsara
Asao ny mpianatra mba hitanisa ny lisitr’ireo zavatra sasantsasany izay angatahiny tsy tapaka amin’ny alalan’ny vavaka ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nosoratany raha tsy manahirana azy ireo ny manao izany.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny fanolorana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65. Hazavao fa ao anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia milaza amintsika ny zavatra izay tokony hangatahantsika amin’ny alalan’ny vavaka—indrindra fa manatri-maso ny fahatanterahan’ny faminaniana ny amin’ireo tranga izay hiseho amin’ny andro farany isika.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:1–2. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny filazalazan’ny Tompo ny fanapariahana ny filazantsara.
-
Handeha ho aiza ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Tokony hamantatra izao fotopampianarana izao ny mpianatra: Handeha hatrany am-paran’ny tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io.)
-
Araka ny andininy 2, inona no zavatra “ankinin’ny Tompo amin’ny olona” ka mahatonga ny filazantsara mameno ny tany iray manontolo? (Ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny andian-teny hoe “ny fanalahidin’ny fanjakana” dia milaza ny fanalahidin’ny fisoronana hiahy ny Fiangonana. Noho ireo fanalahidy ireo dia mitarika ny ezaka ataontsika amin’ny fitoriana ny filazantsara ny Filohan’ny Fiangonana. Zarainy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana sy maneran-tany ny sasany amin’ireo fanalahidy.)
Asehoy an’ny mpianatra ilay sary mitondra ny lohateny hoe Milaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara i Daniela (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 24; jereo koa ny LDS.org). Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra fantany momba ny fandikan’i Daniela ny nofin’ny Mpanjaka Nebokadnezara. (Azonao atao ny mamaky na mamintina ny Daniela 2:31–45. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa sahiran-tsaina tamin’ny nofy iray ny Mpanjaka Nebokadnezara ary nanambara ilay nofy sy ny dikany tamin’i Daniela ny Tompo. Tao anatin’ilay nofy dia nopotehin’ny vato iray izay voaendaka nefa tsy nendahan-tànana ny sarivongana lehibe iray, izay naneho fanjakana ara-pôlitika maro isan-karazany. Tamin’ny voalohany dia kely ilay vato saingy nihalehibe izany ambara-pamenoany ny tany iray manontolo.)
-
Araka nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2dia inona ilay vato nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tànana? (Ny fanjakan’ Andriamanitra. Hazavao fa ao anatin’io andininy io, ny andian-teny hoe “fanjakan’ Andriamanitra” dia milaza ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra io fanazavana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 2
Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity fanambarana manaraka ity ny mpianatra mba hahafahany mametraka izany ao amin’ny soratra masiny. Fa raha tsy mety kosa izany dia azonao atao ny manoratra ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana ka asao ireo mpianatra hanoratra izany ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana.
Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:
“Olom-pirenena ao amin’ny fanjakana lehibe indrindra eto an-tany isika—fanjakana tsy tarihin’ny fahendren’ny olombelona fa tarihin’i Jesoa Kristy Tompo. Tena misy tokoa izany. Azo antoka ny ho aviny. Io ilay fanjakana izay noresahan’i Daniela—vato iray, izay sariteny ihany, izay tokony hendahina hiala amin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahin-tànana ka hikodiadia ary hanenika ny tany. (Jereo ny Dan. 2:34–35.)
“Tsy noforonin’ny olona mety maty io fanjakana io” (“Pillars of Truth,” Ensign,jan. 1994, 4).
-
Inona ireo porofo hitanao izay manamarina fa eo andalam-pahatanterahana io faminanian’i Daniela io?
-
Ahoana no fomba anamafisan’io porofo io ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
-
Midika inona aminao ny hoe mpikambana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany?
Vakio mafy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity: Alohan’ny hamakianao dia lazao ireo mpianatra mba hampihato ny vakiteny eo antenantenan’ny fehezan-teny farany ao amin’ilay fanambarana. Angataho izy ireo mba hihaino tsara sy hieritreritra momba ny fomba mety hamenoany ny banga ao amin’ilay fehezan-teny farany.
“Moa ve ianareo efa nieritreritra hoe inona no antony nandefasana anareo tety an-tany amin’izao fotoana manokana izao? Tsy teraka nandritra ny fotoan’i Adama sy Eva ianareo, na nandritra ny fotoana nanjakan’ireo farao tany Egypta, na nandritra ny fiankohonan’i Ming. Tonga teto an-tany amin’izao taonjato roapolo taorian’ny fiavian’i Kristy voalohany izao ianareo. Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fisoronan’ Andriamanitra, ary efa noraisin’ny Tompo eo An-tanany ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany indray amim-boninahitra. Andro ahafahana manao zava-dehibe sy andron’ny fihazonana andraikitra manan-danja lehibe izao. Andronareo izao. … Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny …” (“Fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49).
Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hilaza ny fomba hamenoany ny banga ao amin’ilay fehezan-teny farany tao amin’ny fanambarana nataon’ny Loholona Andersen. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hitady ny didin’ny Tompo ho antsika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fanjakany.
-
Inona no dikan’ny hoe asaina manomana ny làlan’ny Tompo sy ny fanasan’ny Zanakondry ary vonona ho an’ny Mpampakatra isika? (Milaza ny andraikitra amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ireo andian-teny ireo.)
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manana andraikitra hanomana ny tenantsika sy ny hafa amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:3. Hazavao fa nijoro ho vavolombelona momba an’io fahamarinana io ny Loholona Neil L. Andersen. Vakio ilay fehezan-teny farany nalaina tao amin’ny teny nambarany: “Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany” (“Fanomanana izao tontolo izao,” 49).
-
Rehefa mieritreritra momba ny andraikitrao amin’ny fanomanana ny tenanao sy ny hafa amin’ny Fiaviana Fanindroany ianao dia inona no eritreritra sy fahatsapana anananao?
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:4, ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra azontsika atao hanomanana ny tenantsika sy ny hafa amin’ny Fiaviana Fanindroany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika “mampahafantatra any anivon’ny olona ireo asan’[ny Tompo] mahatalanjona”?
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:5–6, ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra izay tokony angatahantsika amin’ny alalan’ny vavaka.
-
Araka ireo andininy ireo dia inona no zavatra tokony angatahantsika amin’ny alalan’ny vavaka eo am-panomanantsika ny Fiaviana Fanindroany? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra io fanontaniana io dia azonao atao ny manasa azy ireo hampitaha ny andininy 6 amin’ny tonon’ny vavaka nataon’ny Tompo ao amin’ny Matio 6:10.)
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampiana antsika hanomana ny tenantsika sy ny hafa ho amin’ny Fiaviana Fanindroany rehefa mangataka ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ny vavaka isika?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity ary asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra izay tokony hatsofotsika ao anatin’ny vavaka ataontsika.
“Mangataka aho ny hitohizan’ny vavakareo sy ny finoanareo ho an’ireo izay any amin’ny faritra izay mbola voafetra ny fitaomantsika ary mbola tsy azo atao ny mizara amim-pahalalahana ny filazantsara amin’izao fotoana izao. Mety hisy fahagagana hitranga rehefa manao izany isika” (Tonga soa ato amin’ny Fihaonambe,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 6).
-
Araka ny voalazan’ny Filoha Monson, inona no tokony hangatahantsika amin’ny alalan’ny vavaka? Ahoana no fomba hanampian’ireny vavaka ireny amin’ny fanomanana ny làlana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany?
Angataho ny mpianatra hiverina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:1–2, ary angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireo andininy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana no handraisantsika anjara amin’ny asan’ny Tompo mba hamenoana ny tany amin’ny Filazantsarany? (Rehefa mamaly ny mpianatra io fanontaniana io dia ampio izy ireo hahatakatra fa azony atao ny mandray anjara amin’io asa io rehefa lasa misiônera amin’ny fotoana feno izy ireo. Ampio ihany koa izy ireo hahita fa mandray anjara amin’io asa io izy ireo amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fitaomany ao an-tokantranony, ao amin’ny paroasy sy ny sampana misy azy, ao amin’ny sekoliny ary amin’ny fiarahamonina misy azy.)
Entano ireo mpianatra hanomana ny tenany sy ny hafa ho amin’ny Fiaviana Fanindroany.