Seminera sy Institiota
Lesona 97: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–20


Lesona 97

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–20

Fampidirana

Ny 6 mey 1833, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Hozaraina roa ny fampianarana ity fanambarana ity. Miompana amin’ny andininy 1–20 ity lesona ity ka ao anatin’izany no nanazavan’i Jesoa Kristy ny tanjon’ilay fanambarana: “Omeko anareo ireo teny ireo hahazoanareo mahatakatra sy mahafantatra ny fomba ivavahanareo sy izay ivavahanareo, mba hahazoanareo manatona ny Ray amin’ ny anarako ary mandray amin’ ny fahafenoany amin’ ny fotoana mahamety izany” (F&F 93:19).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–5

Nampianatra ny fomba ahafahana mahita ny tavany sy mahafantatra ny fisiany i Jesoa Kristy

Mampisehoa sarin’olona fanta-daza iray izay ho fantatry ny mpianatra ka anontanio azy ireo raha hainy ny anaran’ilay olona. (Raha tsy afaka mampiseho sary ianao dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ilay olona ary asaivo hazavain’ny mpianatra hoe iza io olona io ary inona no mampalaza azy.)

  • Nahoana no maro ireo olona mahalala hoe iza io olona io?

  • Moa ve ianao mihevitra fa manan-danja ny mahalala hoe iza io olona io? Nahoana?

Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy (azonao ampiasaina ny Jesoa Kristy [Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara (2009), lah. 1]; jereo koa ny LDS.org) ary hazavao fa maro ny olona ankehitriny no tsy mahafantatra hoe iza Izy.

Jesoa Kristy
  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra hoe iza i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona fa tsy afaka ny hahatratra ny fahafenoantsika tanteraka isika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika raha tsy mahafantatra ny mikasika an’i Jesoa Kristy. Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 ny Tompo dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mampitombo ny fahalalantsika mikasika Azy sy mikasika ny heriny izay hitahiana antsika amin’izao sy mandritra ny mandrakizay. Soraty eny aminʼny solaitrabe ireto fanontaniana roa manaraka ireto ka asio toerana malalaka eo ambanin’ireo fanontaniana mba hanoratan’ny mpianatra ny valinteniny.

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Inona no mety ho fantatsika mikasika Azy raha manao ireo zavatra ireo isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–5. Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ny vakiteny dia asaivo mitady ny valin’ny fanontaniana voalohany ny antsasaky ny mpianatra ary asaivo mijery ny valin’ny fanontaniana faharoa kosa ny antsasany hafa. Rehefa voavakin’ny mpianatra ireo andininy ireo dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ny valinteniny amin’ ireo fanontaniana. Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fomba hilazanao ny fampanantenana ao amin’ny andininy 1 ho toy ny fitsipika misy “raha–dia”? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Raha mahafoy ny fahotantsika isika, manatona an’i Kristy, miantso ny anarany, mankatò ny feony ary mitandrina ny didiny dia hahita ny tavany ka hahafantatra fa Izy no Izy.)

Azonao atao ny manamafy fa io fitahiana io dia ho tonga amin’ ny fotoan’ny Tompo sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony (jereo ny F&F 88:68; jereo koa ny Enôsa 1:27).

  • Ahoana no hahafahan’ireo asa atao tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1 manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy?

  • Avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny andininy 3, dia inona no fotopampianarana manan-danja izay tokony ho takatra mikasika ny Ray sy ny Zanaka? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Ny Ray sy ny Zanaka dia iray.)

  • Midika inona ny hoe ny Ray sy ny Zanaka dia iray?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa olona roa samy hafa sy miavaka tsara ny Ray sy ny Zanaka, ary samy manana vatana ara-nofo feno voninahitra izy ireo (jereo ny F&F 130:22). Saingy ny Ray sy ny Zanaka dia iray eo amin’ny tanjona sy ny fotopampianarana. Miray hina tanteraka Izy Ireo mba hanatanterahana ny drafitry ny famonjena masin’ny Ray any An-danitra.

Asehoy ity andian-teny manaraka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:4 ity: “Ny Ray, satria nomeny tamin’ ny fahafenoany Aho.” Avy eo dia asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:17, 26. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no dikan’ ny hoe nandray ny fahafenoan’ny Ray i Jesoa Kristy? (Jereo ny F&F 93:16–17, 26.)

  • Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ny andininy 4–5 antsika hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe ny Ray sy ny Zanaka dia iray?

Hazavao fa satria iray ny Ray sy ny Zanaka dia ho fantatsika ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy rehefa manao izay nolazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1 isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:6–20

Ampiasaina ny rakitsoratr’i Jaona mba hanampiana antsika hahatakatra ny fomba nandraisan’i Jesoa Kristy ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray any An-danitra

Hazavao fa afaka mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny fampahalalana izay nomen’ny Tompo avy amin’ny rakitsoratr’i Jaona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93. Mety manampy koa ny manazava ny hoe mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa ny Apôstôly Jaona fony i Jesoa Kristy nanomboka ny asa fanompoany tety an-tany. Tao anatin’ny asa sorany dia nanome fitantarana fohy mikasika ny tenivavolombelona izay nambaran’i Jaona Mpanao Batisa momba ny Mpamonjy ny Apôstôly Jaona.

Zarao ho tsiefatrefatra ireo mpianatra. Asaivo miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:6–11 ny vondrona tsirairay ka hitady ny anarana nampiasaina hanoritsoritana ny Mpamonjy. Ny anarana izay hitan’ny mpianatra dia tokony hahitana ny hoe “ny Teny, dia ny iraky ny famonjena” (andininy 8), “ny fahazavana sy ny Mpanavotra izao tontolo izao” (andininy 9), “ny Fanahin’ny fahamarinana” (andininy 9), ary “ny Lahitokan’ny Ray” (andininy 11).

handout iconRehefa avy namaky ireo andininy ireo izy ireo dia omeo ny tahadikan’ity fampahalalana manaraka momba ireo lohateny voalaza etsy ambony ity ny mpianatra tsirairay. Asaivo mifidy iray amin’ireo anarana ireo ny mpikambana ao amin’ny vondrona ka handalina amim-pahanginana ny fampahalalana mifandraika amin’izany. Omeo toromarika ny mpianatra mba hiomana ny hanazava ny dikan’ny anarana amin’ny sisa ambiny ao amin’ny vondrona ary hizara ny valinteniny mikasika an’ity fanontaniana manaraka ity. Azonao atao ny manoratra ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe na ataovy ao anaty taratasy azo zaraina ilay izy mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany, raha toa ka ilaina ny manao izany.

  • Amin’ ny fomba ahoana no hanampian’io fampahalalana io anao hahalala sy hankasitraka ary hanaraka bebe kokoa an’i Jesoa Kristy?

“Ny Teny, dia ny iraky ny famonjena”

Antsoina hoe “ny Teny” i Jesoa Kristy ao amin’ny Jaona 1:1. Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Loholona Russell M. Nelson

“Ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny Grika izany Teny izany dia lazaina hoe Logos na ‘fanehoana’. … Mety toa hafahafa izany fomba fiteny izany, kanefa mety tsara. Mampiasa teny isika mba hampitana ny fanehoana ny eritreritsika amin’ny hafa. Koa i Jesoa no ilay Teny na fanehoana ny Rainy amin’izao tontolo izao” (“Jesus the Christ: Our Master and More,” Ensign, apr. 2000, 4). Antsoina hoe iraky ny famonjena i Jesoa Kristy satria manambara ny tenin’ny Ray amintsika Izy, ary ireo izay mandre sy mankatò ny hafany no hahazo ny famonjena (jereo ny Jaona 12:49–50).

“Ny fahazavana sy ny Mpanavotra izao tontolo izao”

Manome aina sy fahazavana ny zava-drehetra i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy. Antsoina hoe ny Fahazavan’izao Tontolo izao koa Izy satria manome ohatra lavorary ny amin’ny fomba tokony hiainan’ny olon-drehetra. Mpanavotra izao tontolo izao i Jesoa Kristy satria tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia nanefa ny sandan’ny fahotan’ny olombelona rehetra Izy ary nanatanteraka ny fitsanganan’ny olon-drehetra amin’ ny maty.

“Ny Fanahin’ny fahamarinana”

Ny anarana hoe “ny Fanahin’ny fahamarinana” dia manampy antsika hahatakatra fa tsy mandainga i Jesoa Kristy ary manana ny fahafenoan’ny fahamarinana Izy (jereo ny Enôsa 1:6; F&F 93:26). Manambara ny fahamarinana amin’ny olombelona Izy (jereo ny F&F 76:7–8). Entina hilazana ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ihany koa io anarana io (jereo ny Jaona 15:26).

“Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray”

I Jesoa Kristy no faran’izay manan-danja indrindra amin’ireo olona teraka teto an-tany. Andriamanitra no Rain’ny fanahin’ny olombelona rehetra, saingy i Jesoa Kristy kosa no hany olona izay teraka teto amin’izao tontolo izao ka Zanakalahin’ Andriamanitra ara-bakiteny tao amin’ny nofo. Satria nateraky ny ray tsy mety maty i Jesoa Kristy dia nanana fahefana handresena ny fahafatesana Izy (jereo ny Jaona 5:26). Namela Azy hanatanteraka ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’ny olombelona rehetra amin’ ny maty io hery io.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hamitana ny fifanakalozan-kevitra ireo vondrona dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–17. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra sady hamantatra ny fomba nahatonga an’i Jesoa Kristy ho tahaka ny Rainy.

  • Ahoana no nahatonga an’i Jesoa Kristy tahaka ny Rainy? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Nitombo tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana Izy ambara-pandraisany ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe nanohy tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana i Jesoa Kristy ambara-pandraisany ny fahafenoana?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fahasoavana dia tanjaka sy hery avy amin’ Andriamanitra izay mahatonga antsika hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny antony nahatonga ny Mpamonjy hanambara ny fomba nandraisany ny fahafenoan’ny Ray.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 19 dia inona no antony nahatonga ny Mpamonjy hanambara ny fomba nandraisany ny fahafenoan’ny Ray?

Ampio ny mpianatra hahafantatra fa nanambara ny fomba nandraisany ny fahafenoana ny Mpamonjy mba ahafahantsika “mahatakatra sy mahafantatra” Azy sy ny Ray any An-danitra ary mahafantatra ny fomba fitsaohana ny Ray sy fandraisana ny fahafenoany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. (Io fanambarana io dia hita ao amin’ny The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 568.)

“Ny fakana tahaka ny ohatra napetraky ny olona iray no tena fitsaohana lavorary. Manome voninahitra ireo izay alaintsika tahaka isika” (Loholona Bruce R. McConkie).

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mitsaoka?

  • Ahoana no fomba itsaohantsika ny Ray any An-danitra? (Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Asaina mitsaoka ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy.)

  • Inona no mampitovy ny fandrosoan’ny Mpamonjy tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana amin’ny fizotry ny fianarana sy fandrosoana izay mety iainantsika?

  • Inona no fampanantenana izay nomena an’ireo manaraka ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy sy mitandrina ny didiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:20? (Tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mitandrina ny didy isika dia afaka hahazo ny fahafenoan’ny Ray, tahaka izay azon’i Jesoa Kristy.)

Asehoy indray ilay sarin’ny Mpamonjy izay nasehonao tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana.

  • Nahoana no zava-dehibe ny manana fijoroana ho vavolombelona momba ny ohatra sy ny fampianarana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azonao atao hanohizana hahazo “ny fahasoavana miampy fahasoavana” (F&F 93:13) sy ho tahaka Azy bebe kokoa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Filoha Lorenzo Snow ity ka asaivo mieritreritra mikasika ny zavatra tiany hatao ny iray kilasy mba ho tahaka ny Mpamonjy:

Filoha Lorenzo Snow

“Aza manantena ny ho tanteraka ao anatin’ny indray mandeha ianao. Ho diso fanantenana ianao raha manao izany. Manaova tsaratsara kokoa mihoatra noho ny nataonao omaly ary manaova tsaratsara kokoa rahampitso mihoatra noho ny nataonao androany. Ny fakam-panahy izay mety nandresy antsika tamin’ny ampahany androany dia aoka tsy handresy antsika tahaka izany rahampitso. Noho izany, tohizo tsikelikely isan’andro isan’andro ny hatsarana ary aoka tsy handalo fotsiny ny fiainanao nefa tsy nahavita tsara tamin’ny hafa sy tamin’ny tenanao ianao” (Enseignements des Présidents de l’Église: Lorenzo Snow [2012], 103).

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba manokana iray izay hikatsahany ny fandrosoana sy ny fivoarana amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra napetraky ny Mpamonjy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:5. Nampiharihary ny asan’ny Ray i Jesoa Kristy

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fanampiana antsika hahalala ny Ray any An-danitra no tanjona lehiben’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tety an-tany:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Tamin’ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony, tafiditra ao anatin’izany, ary indrindra indrindra tamin’ny fijaliana sy ny sorona manavotra nataony, dia nasehony antsika hoe iza ary manao ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, ary tena nanolo-tena tanteraka ho an’ireo zanany Izy tamin’ny vanim-potoana sy tao amin’ny firenena rehetra. Niezaka nampahafantatra tamintsika tsirairay avy ny tena toetran’ny Rainy, ny Raintsika any An-danitra tamin’ny alalan’ny teny sy ny asa i Jesoa.

“Anisan“ny antony nanaovany izany farafahakeliny ny hoe mila mahafantatra an’ Andriamanitra bebe kokoa isika rehetra tamin’izany sy amin’izao mba hitiavana Azy lalina kokoa sy hankatoavana Azy feno kokoa. …

“Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsaram-belatsihy, ary niangavy ny olona mba hino i Jesoa Kristy—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray, Izy ‘izay mamindra fo sy miantra, tsy mora sosotra, mahari-po ary heniky ny hatsarana’ [Lectures on Faith (1985), 42.]” (“The Grandeur of God,” Ensign, nôv. 2003, 70, 72).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–16. Tian’ny Ray any an-danitra handray ny fahafenoany isika

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava mikasika ny fomba hahafahantsika ho tonga amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ka handray ny fahafenoany:

Loholona Dallin H. Oaks

“Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

“Misy fanoharana iray maneho izany hevitra izany. Nahafantatra ny ray mpanankarena iray fa raha hanolotra ny hareny amin’ny zanany izay mbola tsy nanana ny fahendrena sy ny tsanganana ilaina amin’izany izy dia mety ho verivery foana ilay lova. Hoy ilay ray tamin’ny zanany:

“‘Maniry ny hanome anao ny zava-drehetra izay ananako aho—tsy ny hareko fotsiny ihany fa ny toerako sy ny lazako eo anivon’ny olona koa. Afaka omeko anao mora foana ny zavatra izay ananako fa ny maha-izaho ahy kosa dia tsy maintsy ianao ihany no mikatsaka izany. Ho mendrika ny lovanao ianao rehefa mianatra ny zavatra nianarako sy miaina izay zavatra niainako. Homeko anao ny lalàna sy ny fitsipika izay nahazoako ny fahendreko sy ny tsanganako. Araho ny ohatra napetrako, mahafehy zavatra tahaka ny nahaizako nifehy, dia ho lasa tahaka ahy ianao ka ho anao izay rehetra ahy.’

“Mitovy amin’ny lamin’ ny lanitra io fanoharana io. Mampanantena ny lova tsy manam-paharoan’ny fiainana mandrakizay sy ny fahafenoan’ny Ray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka manambara ny lalàna sy ny fitsipika ahazoantsika izany” (“The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:13–14. “Tsy nandray ny fahafenoana hatramin’ ny voalohany” i Jesoa Kristy

Anisan’ny fiambanian’i Jesoa Kristy ny hoe na dia mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra aza Izy dia niampita ny voaly nanketo amin’ny fiainana mety maty ka lasa tahaka ny tsirairay amintsika ary tsy nahalala akory ny maha-Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra Ray Azy tany am-boalohany. Nanazava ny Filoha Lorenzo Snow hoe: “Fony i Jesoa mbola zazakely tsy afaka niaro tena ka nandry teo amin’ny fihinanam-bilona dia tsy fantany fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, ary tany aloha tany dia Izy no nahary ny tany. Fony navoaka ny baikon’i Heroda dia tsy nahalala na inona na inona mikasika izany Izy; tsy nanana hery hanavotana ny Tenany Izy; ary voatery nitondra Azy [i Josefa sy i Maria] ka nandositra tany Egypta mba hiarovana Azy tamin’ny vokatr’izany baiko izany. … Lasa lehilahy lehibe Izy ary nandritra ny fitomboany dia nambara Taminy hoe iza Izy ary inona no antony nandehanany teto amin’izao tontolo izao. Nampahafantarina Azy ny voninahitra sy ny hery izay nananany talohan’ny nahatongavany teto amin’izao tontolo izao” (Enseignements des Présidents de l’Église: Lorenzo Snow [2012], 279).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12, 19–20. Manohy ao amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana sy mandray ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray

Ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity dia manazava ny lafiny iray amin’ny fitomboana ao amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana ambara-pandraisantsika ny fahafenoana:

Mpaminany Joseph Smith

“Tsy fahendrena ny tokony hampisehoana antsika indray mandeha ny fahalalana rehetra, fa tokony hahazo tsikelikely isika, dia afaka ho takatsika izany” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007)], 286).

Ary ankoatra izay dia hoy izy:

Mpaminany Joseph Smith

“Raha miakatra tohatra ianao dia tsy maintsy manomboka any ambany ary miakatra tsikelikely mandra-pahatonganao any amin’ny tampony ary dia toy izany koa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara—tsy maintsy manomboka any amin’ny voalohany ianao ary manohy hatrany mandrapahaizanao ireo fitsipika rehetra mikasika ny fisandratana. Saingy mbola ho fotoana lava any aorian’ny hiampitanao ny voaly hahafatesanao mihitsy aza vao hahalala azy rehetra ianao. Tsy natao ho takatra eto amin’ity izao tontolo izao ity daholo izany; fa ho asa lehibe ny fianarana momba ny famonjena sy ny fisandratana ho antsika eny na dia any ankoatry ny fasana aza” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 268).