Seminera sy Institiota
Lesona 107: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102


Lesona 107

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102

Fampidirana

Nitombo mihoatra ny mpikambana 3.000 isa ny Fiangonana hatramin’ny janoary 1834. Niteraka filàna mpitantana fanampiny izany fitomboana izany mba hitantanana ny raharahan’ny Fiangonana. Nivory tao amin’ny tranon’i Joseph Smith ny mpisorona avo miisa efatra amby roapolo tamin’ny 17 febroary 1834 nanao fihaonambe iray izay nanangana ny filankevitra avon’ny Fiangonana voalohany. Nomarihan’i Orson Hyde, izay mpitamboky tamin’io fivoriana io fa mety ho nanao fahadisoana teo amin’ny tatitra momba ny fivoriana ny filankevitra avo. Nolanian’ilay filankevitra noho izany fa tokony hanao ireo fanitsiana ilaina ny Mpaminany. Nandany ny ampitson’io, ny 18 febroary, i Joseph Smith, tamin’ny fanaovana fanitsiana ireo tatitra momba ny fivoriana tany am-piandohana. Namboarina sy nekena ireo tatitra momba ny fivoriana ny ampitson’izany, ny 19 febroary. Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102 amin’izao fotoana izao ireo tatitra momba ny fivoriana ireo izao izay mamintina ny fanorenana ireo filankevitra avo sy manolotra fitarihana ho an’ireo fiadidian’ny tsatòka sy ireo filankevitra avo rehefa manatanteraka fitsipi-pifehezana ho an’ireo olona izay nahavita fandikan-dalàna goavana. (Mariho fa mety mahazo lalana hanaraka ireo fomba fanaovan-draharaha ireo ihany koa ireo fiadidian’ny distrika sy ireo filankevitry ny distrika.)

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:1–5

Natsangana ny filankevitra avon’ny Fiangonana voalohany

Vakio mafy ity tantara manaraka izay notantarain’ny Filoha Harold B. Lee ity:

Filoha Harold B. Lee

“Taona maro lasa izay … dia nanompo tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka ahy aho. Nisy zava-miseho nampivarahontsana izay nentina teo anoloan’ny filankevitra avo sy ny fiadidian’ny tsatòka, ka nahatonga fanalana tsy ho mpikambana ny lehilahy iray izay nanao ratsy tamin’ny vehivavy tanora mahafatifaty iray. Rehefa vita ny fivoriana, izay saika ho nandritra ny alina manontolo, ka niafara tamin’izany fanapahan-kevitra izany dia nandeha tany amin’ny biraoko aho ny ampitso maraina somary ketraka ihany ary nifanatrika tamin’ny rahalahin’ity lehilahy ity izay [nihaona taminay tao amin’ny filankevitra] ny omaly alin’io. Niteny ity lehilahy ity hoe: ‘Te hiteny aminao aho fa tsy meloka amin’izay niampanganareo azy ny rahalahiko.’

“‘Ahoana no ahafantaranao fa tsy meloka izy?’ hoy aho nanontany.

“‘Satria nivavaka aho ary niteny tamiko ny Tompo fa tsy manan-tsiny izy,’ hoy ny navalin’ilay lehilahy” (Teachings of Harold B. Lee, boky navoakan’i Clyde J. Williams 1996, 420–21).

  • Araka ny hevitrareo, ahoana no mety nahazoan’ilay lehilahy valim-bavaka izay mifanohitra amin’ny fanapahan-kevitry ny fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102 dia ahitana ireo fitsipika izay manampy antsika hahatakatra ny fomba hikatsahan’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo ny fahafantarana ny sitrapon’ny Tompo momba ny fomba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavitra fandikan-dalàna goavana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny atao hoe filankevitra avo.

  • Inona no atao hoe filankevitra avo? (Vondrona mpisorona avo 12 izay eo ambany fiahian’ny “iray na filoha telo.” Ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia miahy ny filankevitra avo ny filohan’ny tsatòka sy ny mpanolotsaina azy.)

Hazavao fa ilay filankevitra avo voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102 dia nisy fahasamihafana tamin’ireo filankevitra avo ao amin’ny tsatòka amin’izao fotoana izao. Nanana fahefana mitsara tao Kirtland, Ohio sy teo amin’ireo faritra manodidina izany ary notarihin’ny Fiadidiana Voalohany. Rehefa nitombo anefa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana dia natsangana ireo tsatòka sy ireo fiadidian’ny tsatòka ary nantsoiny ireo filankevitra avo mba hitantana ny Fiangonana ao anatin’ny faritry ny tsatòkan’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny tanjon’ny filankevitra avo sy ny fomba fanendrena izany.

  • Ahoana no fomba hanendrena ny filankevitra avo iray? Inona no tanjon’izany?

Rehefa avy mamaly ireo fanontaniana eo ambony ireo ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Tendrena amin’ny alalan’ny fanambarana mba hamaha fahasahiranana lehibe izay mipoitra ao amin’ny Fiangonana ny filankevitra avo iray. Hazavao fa ny “fahasahiranana lehibe” dia milaza ireo toe-javatra miseho izay nahavitan’ny mpikambana fandikan-dalàna goavana amin’ny ankapobeny.

Hazavao fa ny tantara notantarain’ny Filoha Lee tany amin’ny fiandohan’ny lesona dia manolotra ohatra iray amin’ny andraikitra iray izay hazonin’ny filankevitra avo: mba hiasa amin’ny maha-filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana azy eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tanjon’ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo teny natao manaraka izao. Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo tanjona telon’ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana.

“Matetika mitaky ny fampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana araka ny fitsipika ireo fandikan-dalàna tena goavana toy ny fandikana mihoampampana ny lalàn’ny tany, herisetra atao amin’ny vady, herisetra atao amin’ny ankizy, fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, fanolanana, ary ny fanambadiana havana. Ny fampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana araka ny fitsipika dia mety ahitana ny famerana ireo zo ananana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana na fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana. …

“… Ny tanjon’ny Filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia [1] mba hamonjena ny fanah’ireo mpandika lalàna, [2] hiarovana ireo tsy manan-tsiny ary [3] hiarovana ny fahadiovan’ny Fiangonana, sy ny fahamarinany ary ny laza tsarany.

“Ny Filankevitra ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia dingana iray avy amin’ny fanentanam-panahy izay atao mandritra ny fotoana maharitraritra iray. Afaka mahazo famelan-keloka ny mpikambana iray amin’ny alalan’izany dingana arahina izany sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, hahazo fiadanan-tsaina indray, ary hahazo tanjaka mba hisorohana ny fandikan-dalàna amin’ny hoavy” (Miorim-paka amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], ).

  • Inona avy ireo tanjona telon’ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo andian-teny izay mamaritra ny fomba hanatanterahan’ny filankevitra avo iray ny antson’izy ireo. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:6–34

Napetraka ireo lamina arahina ho an’ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:6–11 amin’ny alalan’ny filazana amin’ny mpianatra fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manazava ny fomba fiasan’ny filankevitra avo iray rehefa tsy misy tonga eo ny mpikambana ao amin’izany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:12–14 mba hianarana momba ny fomba fisafidianana ny filankevitra avo izay hiteny mandritra ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana iray. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona no dikan’ny hoe manao antsapaka? (Eto dia midika izany fa hisarika tarehimarika 1 ka hatramin’ny 12 ireo mpikambana ao amin’izany filankevitra izany?)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:15–18 ary angataho ny mpianatra mba hitady ireo antony hisarihan’ny filankevitra avo ireo tarehimarika ireo.

  • Inona no ianarantsika avy amin’ny andininy 15–16 momba ny fomba hitarihana ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana. (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Tokony hotarihina araka ny rariny sy ny fahamarinana ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.)

  • Raha toa ka misarika isa ankasa ny mpanolotsaina avo iray mandritra ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana iray dia inona no andraikiny? Ahoana no ampisehoan’izany ny fiahiahian’ny Tompo momba ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavita fahotana goavana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay tsy maintsy ataon’ny filohan’ny filankevitra aoriana ny fandrenesana ny andaniny sy ny ankilany amin’ilay toe-draharaha. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Nahoana no hanampy ny filohan’ny tsatòka amin’ny fandraisany fanapahan-kevitra ny mihaino ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra aloha ho an’ny zava-mahasoa an’ilay voampanga sy ho an’ny tombontsoan’ny Fiangonana koa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley, ary asao ny mpianatra mba hanamarika izay ataon’ny filohan’ny filankevitra iray ankoatra ny fihainoana ny andaniny sy ny ankilany amin’ilay toe-draharaha.

Filoha Gordon B. Hinckley

“Te hanome toky anareo aho … fa heveriko fa tsy misy fitsarana atolotra raha tsy efa taorian’ny fanaovana vavaka. Tena goavana tokoa ny zavatra atao amin’ny mpikambana iray ka tsy ho vokatry ny fitsaran’ny olombelona ihany, ary indrindra ny lehilahy tokana monja. Tsy maintsy misy ny fitarihan’ny Fanahy, nokatsahina fatratra dia narahina avy eo, raha toa ka tokony hisy fahamarinana ao” (“In … Counsellors There Is Safety,” Ensign, nôv. 1990, 50).

  • Inona no ataon’ny filohan’ny tsatòka ankoatra ny fihainoana ny andaniny sy ny ankilany mikasika ilay toe-draharaha?

  • Araka ny andininy 19, dia inona no angatahin’ny filoha mba ho ataon’ireo mpanolotsaina aorian’ny fandraisany fanapahan-kevitra?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:20–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo andininy ireo dia manome torolalana momba ny zavatra atao raha toa ka misy fisalasalana mikasika ilay fanapahan-kevitra.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:23 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay tokony atao amin’ireo toe-draharaha izay ahitana tsy fahatakarana mikasika ny fotopampianarana. Asao hizara ny zavatra nianarany ireo mpianatra.

  • Inona no fahamarinana ampianarina ao amin’ny andininy 23? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Manambara ny eritreriny amin’ireo izay miahy ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana ny Tompo.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:27–34 amin’ny alalan’ny fanazavana fa azo ampiakarina any amin’ny Fiadidiana Voalohany ireo fanapahan-kevitry ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny tsatòka iray.

Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ilay tantara notantarain’ny Filoha Harold B. Lee tany amin’ny fiantombohan’ny lesona.

  • Hanana fahatokisana bebe kokoa amin’ny—fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo ve ianareo sa amin’ilay lehilahy iray nitsipaka ny fanapahan-kevitr’izy ireo?

  • Araka ireo fahamarinana izay nianaranao tao amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102, dia nahoana isika no afaka mametraka ny fitokisantsika amin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hamaky mafy ny ny sisa amin’ilay tantaran’ny Filoha Lee:

Filoha Harold B. Lee

“Nangataka azy aho mba hiditra ny birao dia nipetraka izahay, dia nanontany aho hoe: ‘Mety aminao ve raha toa ka mametraka fanontaniana manokana vitsivitsy aminao aho?’

“Niteny izy hoe: ‘Tsy maninona mihitsy.’ …

“‘Firy taona ianao?’

“‘Fito amby efapolo.’

“‘Inona no fisoronana azoninao?’

“Niteny izy fa noeritreretiny ho mpampianatra izy.

“‘Moa ve ianao manaja ny Tenin’ny Fahendrena?’

“‘Tsia.’ …

“‘Mandoa ny fahafolonkarenao ve ianao?’

“Niteny izy hoe: ‘Tsia’—ary tsy hanao izany izy raha mbola io … lehilahy io no eveka ao amin’ny paroasy faha-roa amby telopolo.

“Niteny aho hoe: ‘Manatrika ireo fivorian’ny fisoronana ve ianao?’

“Namaly izy hoe: ‘Tsia, tompoko!’ …

“‘Mba manatrika ireo fivorian’ny fanasan’ny Tompo anefa ve ianao?’

“‘Tsia, tompoko.’

“‘Manao vavaky ny mpianakavy ve ianareo?’ dia niteny izy hoe tsia.

“‘Mandalina ny Soratra Masina ve ianao?’ Niteny izy fa tsy mahita tsara ka tsy afaka mamaky firy. …

“‘Izao ary,’ hoy aho, ‘dimy ambin’ny folo amin’ireo lehilahy tsara indrindra ao amin’ny Tsatòka Pioneer no nivavaka omaly alina. … ary niray hina ny lehilahy rehetra. … Izao ianao, izay tsy manao na inona na inona amin’ireo zavatra ireo, dia miteny fa nivavaka ka nahazo valiny mifanohitra amin’izany. Ahoana no hanazavanao izany?’

“Dia nanome valinteny izay heveriko fa tena mifanaraka amin’izany ity lehilahy ity. Niteny izy hoe: ‘Filoha Lee, raha ny fijeriko azy dia tsy maintsy hoe nahazo ny valiny avy tamin’ny loharano diso aho’” (Teachings of Harold B. Lee, 421–22).

Mizarà fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny antony ahafahantsika mahatoky ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny fiadidian’ny tsatòka sy ireo filankevitra avon’ny Fiangonana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102. Filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana

Nanazava izao manaraka izao ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana:

Loholona M. Russell Ballard

“Indraindray ny mpikambana no manontany ny antony hanaovana ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana. Misy tanjona telo: mba hanavotana ny fanahin’ilay mpandika lalàna, mba hiarovana ny tsy manan-tsiny, ary mba hiarovana ny fahadiovana sy ny fahamarinana ary ny laza tsaran’ny Fiangonana.

“Nanome torolalana ny Fiadidiana Voalohany fa ireo filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana dia tsy maintsy atao rehefa nisy famonoan’olona, firaisana ara-nofo teo amin’ny olona roa mpihavana izay raràn’ny lalàna ny fifanambadian’izy ireo, [herisetra amin’ny ankizy (ara-pananahana na ara-batana),] na apôstazia. Tsy maintsy atao ihany koa ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana rehefa manao fandikan-dalàna goavana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay fanta-bahoaka, rehefa mpanimba ka mety ho loza mananontanona ho an’ny olona hafa ilay mpandika lalàna, rehefa mampiseho ny fiverimberenan’ny fandikan-dalàna goavana ilay olona, ary rehefa fantatry ny besinimaro ny fandikan-dalàna goavana iray. …

“Azo atao ihany koa ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana mba handanjalanjana ny toeran’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana aorian’ny fandikan-dalàna goavana toy ny fanalan-jaza, fanovana ny taovam-pananahana amin’ny alalan’ny fandidiana, fikasana hamono olona, fanolanana, herisetra amin’ny fanerena hanao firaisana ara-nofo, fandratrana ny hafa amin’ny nahim-po, fanitsakitsaham-bady, fijanganjangana, firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na samy vavy, … herisetra amin’ny vady, fialana iniana atao amin’ireo andraikitra ao amin’ny fianakaviana, fanendahana, fanami-trano, fampiasana amim-pitaka ny vola napetraka tamin’ny olona iray, halatra, fivarotana zava-mahadomelina, fitaka, fianianan-tsy to na fianianan-diso. [Azo atao ihany koa ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana rehefa meloka amin’ny asa famitahana goavana, fisoloan-tena diso, na ireo endrika famitahana na tsy fahamarinan-toetra hafa amin’ny raharaham-barotra ny mpandika lalàna iray.]

“Tsy atao mba hitsarana ireo toe-draharaha ara-panjakana na ny heloka bevava ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana. Ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ara-panjakana dia mety hanampy amin’ny famantarana raha toa ka tokony atao ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana. Tsy mandidy ny fanapahan-kevitry ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana anefa ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ara-panjakana.

“Tsy anaovana filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana ny zavatra toy ny tsy fandoavana fahafolonkarena, tsy fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena, tsy fandehanana any am-piangonana, na tsy fandraisana ireo mpampianatra isan-tokantrano. Tsy atao izy ireny noho ny tsy fanaovana raharaha nifanarahana na tsy fandoavana trosa. Tsy natao hampisy fifamaliana eo amin’ny mpikambana izy ireny. Tsy atao amin’ireo mpikambana izay mangataka ny hanesorana ny anarany ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana izy ireo na [amin’ireo izay lasa malaindaina]. …

“Manomboka amin’ny vavaka fanombohana ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezana, arahin’ny filazana ny antony anaovana ilay filankevitra. Angatahina hilaza tsotra sy amin’ny teny mazava mikasika ilay fandikan-dalàna ilay mpikambana ary hanazava ny fahatsapany sy ireo dingan’ny fibebahana noraisiny. Afaka mamaly mba hanazava ireo fanontaniana avy amin’ireo mpitarika ilay mpikambana. Asaina hivoaka izy avy eo ary miara-mikaon-doha sy mivavaka ary mandray fanapahan-kevitra ireo mpitarika.

“Mijery lafin-javatra maro ilay filankevitra, toy ny hoe raha toa ka nodikaina ireo fanekempihavanan’ny tempoly na ny fanambadiana; raha toa nampiasaina tamin’ny tsy antony ny toeram-pahatokisana na fahefana ananana; ny fiverimberenana, ny maha-goavana, ary ny halehiben’ilay fandikan-dalàna; ny taona, ny fahamatorana ary ny zavatra niainan’ilay mpandika lalàna; ny tombontsoan’ireo niaram-boina tsy manan-tsiny sy ireo olona tsy manan-tsiny ao amin’ny fianakaviana; ny fotoana teo anelanelan’ilay fandikan-dalàna sy ny fibabohana; raha toa an-tsitrapo ilay fibabohana na tsia; ary ny porofon’ny fibebahana.

“Tsy maintsy mihazona ny zavatra rehetra ho tsiambaratelo sy hamaha ilay olana amin’ny fanahin’ny fitiavana ireo izay mipetraka ao amin’ilay filankevitra. Tsy hanafay no tanjon’izy ireo; fa ny hanampy ilay mpikambana kosa mba hanao ireo fanovana ilaina mba hijoroana ho madio indray eo anoloan’ Andriamanitra.

“Tokony raisina amin’ny fitaomam-panahy ireo fanapahan-kevitry ny filankevitra. Afaka mandray fanapahan-kevitra iray amin’ny efatra ny filankevitra iray: (1) tsy manao na inona na inona, (2) fizahan-toetra ôfisialy, (3) famerezan-jo, na (4) fanalana tsy ho mpikambana.

“Na dia nisy fandikan-dalàna natao aza dia afaka manapa-kevitra ny tsy hanao na inona na inona ilay filankevitra amin’izay fotoana izay. (Amporisihana handray torohevitra bebe kokoa avy amin’ny evekany ilay mpikambana.)

Ny fizahan-toetra ôfisialy dia endrika fitsipi-pifehezana tsy maharitra izay napetraka mba hanampiana ilay mpikambana hibebaka tanteraka. Mamaritra mazava ny fepetra izay azo hamaranana ilay fizahan-toetra ny mpiandraikitra mpiahy ny filankevitra. Mifandray tsy tapaka mba hanampiana ny fivoaran’ilay olona ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mandritra ilay fizahan-toetra.

“Ny fanapahan-kevitra fahatelo mety horaisin’ilay filankevitra dia ny famerezan-jo ho an’ilay mpikambana. Natao ho tsy maharitra ny famerezan-jo kanefa tsy voatery ho fohy. Mihazona ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonana ireo olona very zo. Amporisihana izy ireo mba hanatrika ireo fivorian’ny daholobe any am-piangonana kanefa tsy afaka manao vavaka na manao lahateny ampahibemaso izy ireo. Tsy afaka mihazona toerana ao amin’ny Fiangonana izy ireo, na mandray ny fanasan’ny Tompo, na manangan-tanana ho fanohanana ireo mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana, na mihazona fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly, na mampiasa ny fisoronana. Afaka mandoa fahafolonkarena sy ireo fanatitra anefa izy ireo ary manohy manao ireo garmentan’ny tempoly raha toa ka efa nanao ny fanafiana masina.

Ny fanalana tsy ho mpikambana no fitsarana henjana indrindra azon’ny filankevitra ampiharana fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana raisina. Tsy mpikamban’ny Fiangonana intsony ireo olona izay nalàna tsy ho mpikambana. Noho izany dia lavina amin’izy ireo ireo tombontsoa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana, anisan’izany ny fanaovana ireo garmentan’ny tempoly sy ny fandoavana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra. Afaka manatrika ireo fivorian’ny daholobe ao am-piangonana izy ireo, kanefa voafetra ihany ny fandraisan’izy ireo anjara, tahaka ireo olona very zo. Amporisihana ireo olona nalàna tsy ho mpikambana mba hibebaka sy hiaina mba ho mendrika ny batisa any aoriana any” (“A Chance to Start Over: Church Disciplinary Councils and the Restoration of Blessings,” Ensign, sept. 1990, 15–16).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:18. Ireo zon’ny mpiampanga sy ny voampanga

Nanome torolalana ho an’ireo filankevitra avo ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny taona 1840 mikasika ireo zon’ireo izay voampanga ho nanao fahotana. Mitohy ampiharina ao amin’ireo filankevitra ampiharana fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ireo fitsipika nampianariny. Nampianatra izy hoe:

Mpaminany Joseph Smith

“Tokony tsy hitsara na toe-draharaha inona na toe-draharaha inona ny Filankevitra raha tsy samy eo ny andaniny sy ny ankilany, na tsy nanana fahafahana hanatrika. Tsy tokony hihaino ny fitarainan’ny olona iray izy ireo raha tsy efa nentina mba hotsaraina ilay toe-draharaha; tsy tokony hamela ny famborahana ny toetry ny olona iray, na iza na iza, manoloana ny Filankevitra Avo izy ireo raha tsy manatrika eo ilay olona ary vonona hiaro ny tenany; aoka ny sain’ireo mpanolotsaina mba tsy hiaro mialoha araka ny tsy rariny na hankahala na iza na iza izay mety tsy maintsy handraisany fanapahan-kevitra” (ao amin’ny History of the Church, 4:154). Raha toa ka tsy afaka manatrika ilay filankevitra ampiharana fitsipi-pifehezana ny andaniny iray na ny vavolombelona manan-danja dia manasa azy handefa fanambarana an-tsoratra ny mpiandraikitra mpiahy.