Seminera sy Institiota
Lesona 130: Ny fananganana an’i Nauvoo


Lesona 130

Ny fananganana an’i Nauvoo

Fampidirana

Taorian’ny fandroahana an’ireo Olomasina niala an’i Missouri dia nanajary ny heniheny nanamorona ny Reniranon’i Mississippi ho lasa tanànan’i Nauvoo, izay toeran’ny hatsarana izy ireo. Lasa foiben’ny Fiangonana i Nauvoo, Illinois, nanomboka ny taona 1839 ka hatramin’ny 1846. Natsangana tao ny Fikambanana Ifanampiana, ary niely patrana lavidavitra kokoa nanerana ny tany ny asa fitoriana avy tao amin’ny foibe Nauvoo.

handout iconFanamarihana: Ity lesona ity dia manome fahafahana mpianatra roa hampianatra. Misafidiana mpianatra roa andro vitsivitsy alohan’ny hampianarana ity lesona ity ka omeo tahadikan’ny ampahany voatondro izy ireo mba hananany fotoana hiomanana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nanorina ny tanànan’i Nauvoo ireo Olomasina

sarintany, Missouri sy Illinois

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa noroahina niala an’i Missouri ireo Olomasina nandritra ny vanim-potoan’ny ririnina tamin’ny taona 1838–39 raha mbola nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith.

  • Inona, araka ny hevitrao, no mety ho tsapan’ireo Olomasina rehefa noroahina niala an’i Missouri izy ireo? (Ny valinteny dia mety ahitana ny hoe nanontany tena ireo Olomasina hoe aiza no tokony halehany.)

Hazavao fa taorian’ny nandroahana an’ireo Olomasina niala an’i Missouri dia nahita fialofana tao Quincy, Illinois sy tamin’ny fiaraha-monina kely hafa izy ireo. Asao ireo mpianatra mba hitady an’i Quincy eo amin’ny Sarintany 6 (“Ny dian’ny Fiangonana miankandrefana”) ao amin’ny fizarana momba ny Sarintan’ireo toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana ao amin’ny soratra masiny. Tamin’ny 15 aprily 1839 dia nolazaina an’i Joseph Smith sy ireo mpiara-nigadra taminy fa hafindra any amin’ny toerana iray hafa izy ireo. Raha teny an-dalana nankany amin’ilay toerana vaovao izy ireo dia navelan’ireo mpiambina azy ireo hitsoaka satria niaiky izy ireo fa tsy rariny intsony ny fitazonana azy ireo. Tokony ho herinandro taorian’izay dia tafahaona tamin’ny fianakaviany tao Quincy i Joseph Smith. Teo ambany fitarihan’i Joseph Smith ny Fiangonana dia nividy tany teo amin’ny sisiny roa tamin’ny Reniranon’i Mississippi, tany avaratr’i Quincy. Ny lafiny andrefana tamin’ilay renirano dia an’ny Faritanin’i Iowa, fa ny lafiny atsinanana kosa dia an’ny faritanin’i Illinois. Nanangana ireo foiben’ny Fiangonana tao amin’ny faritr’i Illinois ireo Olomasina tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Commerce, izay novainy hoe Nauvoo.

Asao ny mpianatra mpampianatra voalohany handroso eny aloha mba hampianatra ny iray kilasy momba ny fananganana an’i Nauvoo.

Mpianatra mpampianatra 1: Novain’ireo Olomasina i Commerce, Illinois ho lasa Nauvoo—toeran’ny hatsarana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo toe-javatra eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao izay sarotra na mahasosotra? Omeo fotoana ireo mpianatra mba hisaintsainana.

Asao ireo mpianatra mba hitady hevi-baovao momba ny fomba ahafahany miatrika ireo toe-javatra manahirana na mahasosotra eo am-pianaran’izy ireo momba an’ireo Olomasina izay nanangana an’i Nauvoo.

Hazavao fa novain’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny anaran’ny toerana kely iray nantsoina hoe Commerce ho lasa hoe Nauvoo, izay teny Hebreo midika hoe kanto.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity famariparitana momba an’ilay faritra ity tamin’ny fotoana izay nahatongavan’ireo Olomasina voalohany tao tamin’ny taona 1839. Asaivo mihaino ny iray kilasy ka hisaintsaina ny fihetsika mety ho asehony manoloana an’ilay endrik’ilay faritra.

Rehefa tonga teo amin’ilay toerana izay ho antsoiny hoe Nauvoo ireo Olomasina dia heniheny feno moka ny ankabeazan’ilay tany. Nitondra aretina antsoina hoe tazo ireo moka, izay nitarika fanaviana mafy sy fangovitana ary mety nitarika hatramin’ny fahafatesana. Maro ireo Olomasina izay tratran’izany aretina izany ka lasa narary. Tena narary mafy tokoa ny sasantsasany tamin’izy ireo hany ka voatery nandady tamin’ny tany mihitsy teo am-piezahan’izy ireo nifanampy, ary maty ny sasany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003].)

  • Moa ve ianao hiantso an’izany hoe toerana kanto? Nahoana, araka ny eritreritrao, no nisafidy ny hiantso an’io heniheny io hoe toerana kanto ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ireto andininy manaraka ireto izay manazava ny fomba namalian’ireo Olomasina an’ireo fanamby izay natrehany teo amin’ny toerana izay ho lasa fonenany vaovao.

Tratry ny tazo ihany koa i Joseph Smith, saingy rehefa avy narary nandritra ny andro maromaro dia nitsangana izy tamin’ny 22 jolay 1839 ka heniky ny Fanahin’ Andriamanitra. Nanome tsodrano an’ireo marary maro teo akaikin’ny tranony izy. Tamin’ny tranga iray dia nankeo amin’ny lay izay an’ny mpikamban’ny Fiangonana nantsoina hoe Henry G. Sherwood, izay efa teo ambavahoan’ny fahafatesana i Joseph. Rehefa nandidy azy ny Mpaminany mba hitsangana sy hivoaka an’ilay lay dia nankatò ny Rahalahy Sherwood ka sitrana.

Nankeny am-pitan’ny renirano teny amin’ny faritr’i Iowa i Joseph ary nanohy nanome tsodrano ny marary. Teo am-piomanan’i Joseph hiverina tany amin’ny faritr’i Illinois dia nisy lehilahy iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana nangataka ny Mpaminany raha mba afaka ny hanome tsodrano ny zanany kambana izy izay tokony ho sahabo telo kilaometatra niala teo. “Nilaza i Joseph fa tsy afaka ny handeha saingy nomeny mosoara mena vita tamin’ny landy i Wilford Woodruff ka nilaza taminy mba hametra-tanana amin’izy ireo sady nampanantena fa rehefa fafany amin’izany ny tarehin’izy ireo dia ho sitrana izy ireo” (Church History in the Fulness of Times, 219). Nanaraka an’io toromarika io i Wilford ka sitrana ireo zazakely. Nantsoin’i Wilford hoe “andron’ny herin’ Andriamanitra” io andro io (Wilford Woodruff Journals, July 22, 1839, voalaza ao amin’ny Church History in the Fulness of Times, 218).

Na dia teo aza ny finoana sy hery tamin’io andro io dia mbola tsy nitsahatra teo anivon’ireo Olomasina nandritra ny volana maromaro manaraka ilay aretina. Kanefa, nanohy nifampikarakara izy ireo sady niasa hanorenana ny tranony vaovao. Nandavaka tatatra hanarina ny rano tao amin’ireo heniheny hivarina hankany amin’ny renirano izy ireo ka nahatonga an’ilay tany ho azo ampiasaina bebe kokoa sy nampihena ny olana mahakasika ny moka. Nony farany dia nanangana trano maro sy trano be hafa izy ireo, ka anisan’izany ny Tempolin’i Nauvoo izay noraisin’ny sasany ho isan’ireo trano tsara indrindra teo amin’ny firenena.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ilay “andron’ny herin’ Andriamanitra” tamin’ny 22 jolay 1839 anao hanana finoana lehibe kokoa ny Tompo?

  • Inona no zavatra nataon’ireo Olomasina nahatonga an’i Nauvoo ho toerana kanto?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo.

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny mpianatra momba ny ohatra nasehon’ireo Olomasina tamin’ny asa mafy ho fananganana an’i Nauvoo dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no zava-mitranga rehefa mikatsaka ny hampivoatra ny toe-javatra manodidina antsika isika?

Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mikatsaka ny hampivoatra ny toe-javatra manodidina antsika isika dia mampivoatra ihany koa ny tenantsika. Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra niainany izay maneho an’io fitsipika io. Azonao atao koa ny mizara traikefa sy mijoro ho vavolombelona momba an’io fitsipika io. Asao ireo mpianatra hitady fahafahana androany hampivoatra ny toe-javatra manodidina azy ireo.

Mpianatra mpampianatra 2: Natsangana ny Fikambanana Ifanampiana

Fanamarihana: Alohan’ny fotoam-pianarana dia angataho ny mpikambana iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (ohatra hoe fianakaviana na namana) mba hilaza aminao ny fomba sasantsasany izay nanomezan’ny Fikambanana Ifanampiana fahafahana azy handray anjara amin’ny asan’ny Tompo sy nitahiana ny fiainany. Raiso an-tsoratra izay zavatra nianaranao avy taminy.

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra vehivavy ao amin’ny soratra masina izay mahafinaritra azy ireo. Asao izy ireo hilaza amin’ny mpiara-mianatra iray mikasika an’io vehivavy io sy ny antony mahatonga azy ho mahafinaritra. Rehefa nanana fotoana nifampiresahana ny ekipa tsirairay dia hazavao fa hery lehibe ireo vehivavy tao Nauvoo tamin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo.

Hazavao fa tamin’ny taona 1842 dia niara-nivory ny vehivavy sasantsasany tao Nauvoo mba handinika ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo. Nanangana fikambanana iray izy ireo ka nanoratra ny lalam-panorenana sy ireo lalàna anatiny mifehy ny asan’izy ireo. Nasehony an’ny Mpaminany Joseph Smith ny lalam-panorenany sy ireo lalàna anatiny mifehy azy ireo, ka nilaza ny Mpaminany fa “tsara indrindra tamin’izay hitany hatrizay” izy ireo. Saingy nolazainy taminy fa ny Tompo dia nanana “zavatra tsara kokoa ho azy ireo noho ny lalam-panorenana izay nosoratana.” Nasainy izy ireo hihaona aminy ny herinandro manaraka an’iny, ka amin’izany no “handaminany ireo vehivavy eo ambany fitarihan’ny fisoronana araka ny lamin’ny fisoronana” (Sarah M. Kimball, “Auto-biography,” Woman’s Exponent, 1 sept 1883, 51; voalaza ao amin’ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society [2011], 12). Io fikambanana io no nantsoina hoe Fikambanana Ifanampiana.

I Emma Smith no voantso ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany voalohany. Nampianatra i Eliza R. Snow izay mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo sy filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa taty aoriana hoe: “Na dia manaraka ny toetr’andro aza ilay anarana [Fikambanana Ifanampiana] dia efa ela no niforonan’ny fikambanana. Nilaza taminay [ny Mpaminany Joseph Smith] fa nisy fikambanana sahala amin’io tao anatin’ny fiangonana fahiny” (“Female Relief Society,” Deseret News, apr. 22, 1868, 1; jereo koa ny Daughters in My Kingdom, 7).

  • Inona no zavatra azontsika ianarana mikasika ny Fikambanana Ifanampiana avy amin’ny fanambarana nataon’i Eliza R. Snow? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fikambanana Ifanampiana dia ampahany nentanim-panahy tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra an’io fahamarinana io?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka mikasika ireo tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ity:

“Naorina ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampiana ireo zanakavavin’ Andriamanitra hiomana amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Ireo tanjona fototra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny mampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana, sy manamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary mitady sy manampy ireo izay sahirana” (Daughters in My Kingdom, xi).

Resaho amin’ny iray kilasy ny resaka nifanaovanao tamin’ilay mpikamban’ny Fikambanana Ifanampiana iray, ka atsofohy ao ireo eritreritrao mikasika ny zavatra nianaranao. Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ilay fitsipika izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe izany.

Miely patrana maneran-tany ny asa fitoriana

Isaory ilay mpianatra izay nampianatra. Mba hanomanana an’ireo mpianatra hianatra ny fitomboan’ny Fiangonana nandritra ny vanim-potoan’i Nauvoo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay afaka mamono afo?

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay miteraka ny firedaredan’ny afo?

  • Nampitahain’i Joseph Smith tamin’ny afo iray ny asan’ Andriamanitra. Araka ny eritreritrao, moa ve tahaka ny rano izay nanomboka namono ny asan’ Andriamanitra ireo fanenjehana izay niainan’ireo Olomasina tao Missouri sa tahaka ny solika izay nampiredareda izany? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith tao anatin’ny taratasy ho an’ny tonian-dahatsoratra iray nantsoina hoe John Wentworth tamin’ny 1 martsa 1842:

Mpaminany Joseph Smith

“Tsy nampitsahatra ny fandrosoan’ny fahamarinana ny fanenjehana fa vao mainka nanampy solika an’ilay afo. …

“ … Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afaka hanakana ny fandrosoan’ity asa ity. Handrovitsihy ny fanenjehana, hanao tambabe ny mpihetraketraka, hanambatra hery ny tafika, hitatatata ny fanaratsiana, kanefa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe fa vita ny asa” (ao amin’ny History of the Church, 4:540).

  • Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’io fanambarana io? (Mety hahita karazana fahamarinana maro samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hanamafisana ity manaraka ity: Tsy misy na inona na inona hanakana ny fandrosoan’ny asan’ Andriamanitra manerana ny tany. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Hazavao fa fony nirakitra an’io faminaniana io i Joseph Smith dia nanomboka niantso misiônera ny Tompo mba hitory ny filazantsara tany amin’ny firenena maro samihafa. Ny vokatr’izany dia an’arivony ireo olona—indrindra avy tamin’ny Firenena Britanika—izay natao batisa. Nitondra hery lehibe ho an’ny Fiangonana ireo mpikambana vaovao ka maro ireo nandeha mba hitambatra amin’ireo Olomasina tao Nauvoo.

handout iconMba hanehoana ilay fahamarinana eny amin’ny solaitrabe dia manasà mpilatsaka an-tsitrapo efatra mba handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra mikasika ny zavatra niainan’i Wilford Woodruff raha nitory ny filazantsara tany Herefordshire, Angletera izy tamin’ny 1840. Omeo an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireto anjara manaraka ireto: Wilford Woodruff, mpiandry, pôlisy, mpitantara. Omeo ny tahadikan’ity lahatsoratra manaraka ity ny mpilatsaka an-tsitrapo tsirairay mba hampiasaina amin’ny filalaovana an-tsehatra:

Wilford Woodruff (miresaka amin’ny tenany ihany):Oay. Izay no toriteny faharoa nataoko androany. Aorian’ny fivoriana anio hariva dia mihevitra aho fa tokony ho olona miisa arivo eo ho eo no handre ny hafatry ny Tompo androany.

Mpiandry (mijoro eo amin’ny ilan’ny efitrano, miresaka amin’ilay Pôlisy):Ô ry Ingahy pôlisy an, tokony hosamborina io mpitoriteny Môrmôna io. Olona dimy ambinifolo fotsiny no nanatrika ny paroasiko androany. Dimy ambin’ny folo! Mihevitra aho fa voatarika any amin’ny iray amin’ireo toriteniny ny hafa. Tsy azoko avela hihena ny paroasiko raha mitombo kosa ny mpihaino an’io Môrmôna io. Tiako hosamborina izy dia hajanona ny asany.

Pôlisy:Andraso fa hojereko eo izay azoko hatao.

Mpitantara:Rehefa nitsangana ny Loholona Woodruff mba handaha-teny tao amin’ilay fivoriana tamin’io takariva io dia niditra ny varavarana ilay pôlisy.

Pôlisy (izay miresaka amin’i Wilford Woodruff amin’izao):Azafady, andriamatoa. Pôlisy aho ary nirahan’ny mpiandrin’ny paroasy eto an-toerana miaraka amin’ny didy fampisamborana anao.

Wilford Woodruff:Noho ny heloka inona?

Pôlisy:Noho ny fitoriana filazantsara amin’ny olona.

Wilford Woodruff:Afaka manome toky anao aho fa manana fahazoan-dalana hitory ny filazantsara amin’ny olona tahaka an’ilay mpiandry aho. Raha afaka mipetraka kely ianao dia hiresaka aminao bebe kokoa momba izany aho aorian’ilay fivoriana, fa izao dia tsy maintsy manomboka izany aho. … (mody miresaka amin’ny iray kilasy)

Mpitantara:Naka ilay seza izay nipetrahan’ny Loholona Woodruff ilay pôlisy ka nipetraka teo akaikin’ny Loholona Woodruff raha teo am-pitoriana ny filazantsara nandritra ny adiny iray mahery izy. Hoy i Wilford Woodruff mantsy an’io zavatra niainany io:

Wilford Woodruff:Nitoetra teo amiko ny herin’ Andriamanitra, heniky ny Fanahy ny trano ary resy lahatra ny olona.

Mpitantara:Tamin’ny fiafaran’ilay fivoriana dia nanasa ireo olona hatao batisa ny Loholona Woodruff.

Wilford Woodruff:Manasa anareo rehetra izay maniry ny ho voafafa heloka aho ka hitambatra amin’ny Fiangonan’ny Tompo izay naverina tamin’ny laoniny mba hiditra amin’ny ranon’ny batisa anio.

Pôlisy (mitsangana eo amin’ny seza ka miresaka amin’i Wilford Woodruff):Andriamatoa Woodruff, te-hatao batisa aho.

Mpitantara:Natao batisa tamin’io andro io ilay pôlisy, niaraka tamin’ny mpitoriteny efatra ary olona roa hafa. Niverina nankany amin’ilay mpiandry ilay pôlisy ka nanazava ilay toe-javatra.

Pôlisy (miresaka amin’ilay mpiandry):Raha te hisambotra an’Atoa Woodruff ianao dia tsy maintsy ianao ihany no manao izany; satria reko izy nitory teny mikasika ny filazantsara hany marina izay tsy mbola reko hatrizay.

Mpitantara:Avy eo dia naniraka mpirakidraharaha roa ilay mpiandry mba hanatrika ilay fivoriana mba hijery ny zavatra izay torian’ny Loholona Woodruff. Resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’ny hafatry ny Loholona Woodruff ihany koa izy ireo ka natao batisa. Tsy nandefa olon-kafa tamin’ny iray tamin’ireo toritenin’ny Loholona Woodruff intsony ilay mpiandry.

(Namboarina avy tamin’ny Wilford Woodruff, Leaves from My Journal [1881], 80–81.)

Rehefa avy nahavita izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo dia apetraho amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ilay traikefan’ny Loholona Woodruff an’ilay fitsipika hoe tsy misy na inona na inona hanakana ny fandrosoan’ny asan’ Andriamanitra?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatanteraka ny faminanian’i Joseph Smith mahakasika ny fandrosoan’ny asan’ Andriamanitra ankehitriny? Inona no tsapanao mikasika ny fandraisana anjara amin’io asa io?

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny asan’ Andriamanitra hiely patrana amin’ny olon-drehetra? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaly an’io fanontaniana io ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina.)

Hazavao fa ao anatin’ireo lesona manaraka ny mpianatra dia hianatra bebe kokoa momba ireo tranga manan-danja izay niseho sy ireo fitsipika izay nampianarina nandritra ny fotoana naha-tao Nauvoo ny foiben’Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany nanomboka tamin’ny 1839 ka hatramin’ny 1846. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay noresahana tao an-dakilasy androany, ka asao ireo mpianatra hampihatra ny zavatra izay nianarany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Ny fifindra-monin’ireo Olomasina avy any Missouri

“Nisedra mafy ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana ireo volana taorian’ny fandaozana an’i Far West [Missouri]. Tany am-ponja avokoa ny Fiadidiana Voalohany iray manontolo—Joseph Smith, Sidney Rigdon ary i Hyrum Smith. Nihena ny isan’ny olona tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Maty nandritra ny Adin’i Crooked River i David W. Patten, fa i Parley P. Pratt kosa tany am-ponja ary ny rahalahiny Orson dia niaraka tamin’ny vondron’Olomasina iray tany St. Louis. Nihataka tamin’ny Fiangonana i Thomas B. Marsh sy i William Smith ary i Orson Hyde koa tsy nanolotra fanampiana. Koa dia nipetraka tamin’i Brigham Young sy i Heber C. Kimball ny ankamaroan’ireo andraikitra fanaraha-maso ny zavatra ilain’ny Fiangonana nandritra ny ririnin’ny taona 1838–39 sy nandritra ny fifindra-monina niala avy tany Missouri ho any Illinois. Nantsoina ho apôstôly i John Taylor tamin’ny desambra 1838. Natsofoka tao i Wilford Woodruff sy i George A. Smith ny volana aprily nanaraka an’io. Samy afaka nanolotra fanampiana goavana avokoa ireo lehilahy ireo tamin’io fotoana lehibe io” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Church Educational System student manual, 2003], 211–12).

Tamin’ny 26 janoary 1839 dia nanangana ny Kômitin’ny famindrana i Brigham Young mba hanamorana ilay fifindra-monina.

“Nandritra ny ririnina sy ny lohataona io kômity io dia nandamina ny fanomezana sakafo sy fitafiana ary ny fitaterana ny mahantra. Nanao fifanekena tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra voasoratra ny Olomasin’ny Andro Farany teo ho eo amin’ny efajato teo mba hanome ireo fananany izay tsy ampiasainy ho an’ilay kômity ‘mba hanomezana fitaovana ho fanalana avy ao amin’io faritany io an’ireo mahantra sy sahirana izay heverina ho mendrika, mandra-pahatonga ny hoe tsy misy olona tavela izay maniry ny hiala tao amin’ilay faritany’ [ao amin’ny History of the Church, 3:251]. …

“Tamin’ny tapaky ny volana febroary dia tena niharatsy ny toe-javatra niseho hany ka nanomboka ny fifindra-monina lehibe nataon’ny Olomasina. Novidiana ny sarety sy ny soavaly, na dia tsy tsara aza ny kalitaony, napetraka teny amin’ny lalan’ireo mpifindra monina ny sakafo ary nisy fitsaharany vetivety ny toetr’andro. Na dia izany aza, tsy mora tamin’ireo mpitsoa-ponenana ny nandao an’i Missouri. Maro ireo olona izay namarotra fananana sarobidy sy tany tamin’ny vidiny tena ambany dia ambany tokoa mba hahazoana loharano hitsoahana an’ilay faritany” (Church History in the Fulness of Times, 212).

Ny zavatra niainan’i Wilford Woodruff tamin’ny naha-misiônera azy tany Angletera

Raha mbola nano asa fitoriana tany Angletera i Wilford Woodruff dia nahazo fahatsapana avy amin’ny Fanahy mba handao an’ilay toerana izay nitoriany ka handeha any amin’ny toerana hafa tao Angletera. Nandeha nankany Herefordshire ny Loholona Woodruff ka nahita fanahy maro izay vonona ny handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy tany. “Noho ny ezaka nataon’i Wilford Woodruff sy ny hafa dia olona teo amin’ny valonjato sy arivo teo ho eo no niova fo tao amin’ny faritany telo tao Hereford, Worcester ary Gloucester. … Rehefa nandinika an’io vanim-potoana nampitolagaga teo amin’ny fiainany io i Wilford Woodruff dia nanoratra hoe: ‘Ny tantara iray manontolo tao amin’ny misiônan’i Herefordshire dia mampiseho ny lanjan’ny fihainoana an’ilay feo malefaka sy tony avy amin’ny fanahin’ Andriamanitra sy ireo fanambaran’ny Fanahy Masina. Nivavaka hahazo ny fahazavana sy ny fahamarinana ny olona ka nalefan’ny Tompo ho any amin’izy ireo aho [ao amin’ny Matthias F. Cowley, edisiona, Wilford Woodruff (1979), 120]” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Church Educational System student manual, 2003], 231).

Ny fivoarana ara-potopampianarana tao Nauvoo sy tamin’ireo faritra manodidina

Nanambara “zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9) ny Tompo raha mbola nitazona ny foibe tao Nauvoo ireo Olomasina nanomboka tamin’ny 1839 ka hatramin’ny 1846. Nitranga io vanim-potoana nisian’ny fanambarana tsy an-kijanona io raha mbola rafitra tamin’ny fanamboarana ny Tempolin’i Nauvoo ireo Olomasina, ka tao anatin’izany ny Tompo dia nampanantena fa hanambara ôrdônansy sy fahalalana izay “izay efa nafenina hatry ny talohan’ny nanorenana izao tontolo izao” (F&F 124:41). Nandritra io fotoana io ny Tompo dia nanambara ireo ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty sy ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary ny famehezana ny fanambadiana. Nambarany bebe kokoa ny mikasika ny toetry Ny Andriamanitra (jereo ny F&F 130:22). Nanomboka ny 1842 ka hatramin’ny 1844 ny Mpaminany Joseph Smith dia nanoratra ny Fanekem-pinoana sy namoaka ny bokin’i Abrahama izay nanazava ireo andian-tsoratra masina sarotra tao amin’ny soratra masina hafa ary nanambara ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay tsy mbola fantatra tany aloha na tsy dia takatra tsara. Nanolotra ireo fanalahidin’ny fanjakana tamin’ireo Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany koa ny Mpaminany mba hiomanan’izy ireo amin’ny fitarihana ny Fiangonana aorian’ny fahafatesany.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niresaka mikasika ny fivoarana lehibe hafa iray izay nitranga niaraka tamin’ny fananganana ny Tempolin’i Nauvoo:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Ity trano ity [ny Tempolin’i Nauvoo] dia natao mahakasika ny zavatra izay maharitra mandrakizay. Natsangana izany mba ho vavolombelona ho an’ireo rehetra izay tokony hijery izany fa ireo izay nanorina azy dia nanana finoana mahery vaika sy fahalalana azo antoka fa tsy mitsahatra hatreo amin’ny fasana ny fiainana, fa tsy mety maty ny fanahy ary mbola mivoatra hatrany izany. Tamin’ny volana martsa tamin’ny taona nahafatesany—1844—ny Mpaminany dia nanazava bebe kokoa an’io fotopampianarana io tao anatin’ny toriteny lehibe izay nataony tao amin’ilay ala kely izay eo ambanimbanin’ny faritry ny tempoly. Ny lahatsoratra tamin’izany lahateny izany dia lasa taratasy mifono fotopampianarana manan-danja ho an’ny haifinoan’ny Fiangonana. Fantatra amin’ny anarana hoe Toritenin’i King Follett izany” (“Nauvoo’s Holy Temple,” Ensign, sept. 1994, 62).

Tao anatin’ilay toritenin’i King Follett izay natao nandritra ny fandevenana ny lehilahy iray nantsoina hoe King Follett dia nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa niara-niaina tamin’ny Ray any An-danitra isika talohan’ny nankanesantsika teto an-tany ary nametraka lalàna Andriamanitra mba hahafahantsika mivoatra:

Mpaminany Joseph Smith

“Andriamanitra mihitsy, rehefa nahita fa teo anivon’ireo fanahy sy voninahitra izy, ary noho izy marani-tsaina kokoa, dia nahita fa mety ny hametrahana lalàna izay hahafahan’ny sisa ambiny hivoatra ho tonga tahaka azy. Ny fifandraisana izay ananantsika miaraka amin’ Andriamanitra dia mamela antsika hivoatra ao anatin’ny fahalalana. Manana fahefana izy hametraka lalàna izay mampianatra ireo fanahy osa kokoa, mba hahafahan’izy ireo hisandratra hiaraka aminy” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 210).

Nanazava ny mety hahatongavantsika ho zanak’ Andriamanitra ihany koa i Joseph Smith:

Mpaminany Joseph Smith

“Izao ary izany ny fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay Andriamanitra izay hany hendry sy marina. Ary mila ianaranareo koa ny fomba hahatongavana ho andriamanitra sy hahalasanana ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, … amin’ny fandehanana avy amin’ny ambaratonga kely iray mankany amin’ny iray hafa, avy amin’ny fahasoavana iray mankamin’ny fahasoavana iray, avy amin’ny fisandratana iray mankamin’ny fisandratana iray, ambara-pahazoanareo ny fitsanganana amin’ny maty sy hahafahanareo hitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay ka hipetraka ao amin’ny voninahitra, tahaka ireo izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao anatin’ny hery mandrakizay. …

“… [Ireo marina izay maty] dia mbola hitsangana indray mba hitoetra ao amin’ny lelafo mandrakizay ao amin’ny voninahitra tsy mety maty, ka tsy halahelo na hijaly na ho faty intsony fa sady ho mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Jesoa Kristy. Inona izany? Handova ny hery sy ny voninahitra ary ny fisandratana iray ihany mandra-pahatonganao eo amin’ny toeran’ ny andriamanitra iray, ka miakatra eo amin’ny seza fiandrianan’ny hery mandrakizay, izay mitovy amin’ny an’ireo izay efa nodimandry teo aloha” (Teachings: Joseph Smith, 221–22).

Ny tantara sy ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana

Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fomba anampian’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany dia jereo ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011).