Lesona 155
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:7–60
Fampidirana
Ity lesona ity no faharoa amin’ireo fanambarana roa voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. Nandritra ny fisaintsainan’ny Filoha Smith ny andalana tao amin’ny Testamenta Vaovao sasany dia nahita fahitana mikasika ny tontolon’ny fanahy izy ary ireo fanahin’olo-marina dia niandry ny fanafahana avy amin’ny famatoran’ny fahafatesana. Ny Filoha Smith dia nahita ihany fa i Jesoa Kristy teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty dia nandrindra sy nanome fahefana ireo mpanompo marina ny hampianatra ny filazantsara amin’ireo fanahy tao an-tranomaizaina.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:7–37
Ny Filoha Joseph F.Smith dia nianatra ny fomba nitoriana ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy
Lazao ny mpianatra fa ny olona rehetra eto ambonin’ny tany dia samy manana ny finoany avokoa mikasika ny hoe inona no zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana. Anontanio ny mpianatra raha efa nihaona tamin’olona iray izy ireo izay manana finoana hafa mikasika ny hoe inona no mitranga rehefa maty isika. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. (Mila mitandrina tsara ianao mba tsy hiresaka zavatra ratsy na hanao tsinontsinona ny finoana ara-pivavahan’ny hafa.)
-
Ahoana no ahafahantsika mahafantatra hoe iza amin’ireo finoana mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana no marina? (Azonao atao ny manamafy fa na dia ny Olomasin’ny Andro Farany sasany aza dia manana hevitra tsy marina mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana.)
Ho fanampiana ny valintenin’ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tenin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:
“Ny soratra masina no mizàna handrefesana ny mety sy ny fahamarinana” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 34).
Lazao fa afaka mahafantatra ny fahamarinan’ireo karazana finoana isika mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana amin’ny fampitahana ireo finoana ireo amin’ny fahamarinana izay nambaran’ny Tompo ao amin’ny soratra masina toy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138.
Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary nampiarahina eto ity: Azonao atao ny manazava fohy amin’ny fomba hafa fa ny tontolon’ny fanahy manontolo dia azo antsoina hoe tranomaizin’ny fanahy satria na ireo olo-marina aza dia mahatsapa ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy ho famatorana (jereo ny F&F 138:49–50).
Mba hanampiana ireo mpianatra hamerina fohy ireo fahamarinana nianaran’izy ireo tany amin’ny lesona tany aloha tao amin’ny fizarana138, dia asaivo mikaroka antsipiriany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–15, 22 ny mpianatra mikasika ny hoe olona toa ahoana no mankany amin’ny paradisan’ny fanahy rehefa maty ary inona no zavatra hiainany any. Asao ny antsasaky ny mpianatra hafa mba hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:20–22 ny antsipiriany mikasika an’ireo izay hankany amin’ny tranomaizin’ny fanahy rehefa maty sy ny toe-piainana ao. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Hamafiso fa tsy ireo ratsy fanahy sy ireo mpikomy ihany no mankany amin’ny tranomaizin’ny fanahy rehefa maty fa ireo izay maty tao amin’ny fahotany ka tsy nahalala ny filazantsara ihany koa (jereo ny F&F 138:32). Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa raha nisaintsaina ny andalana tao amin’ny 1 Petera ny Filoha Joseph F. Smith dia nanambaran’ny Tompo azy ny fomba nahafahan’ireo olona tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ireo hanana fahafahana handray ireo fitahian’ny filazantsara.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:7–10. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka hoe inona no nolazain’i Petera fa nataon’ny Mpamonjy taorian’ny “novonoina Azy tao amin’ny nofo.”
-
Inona no nolazain’i Petera fa nataon’ny Mpamonjy rehefa nankany amin’ny tontolon’ny fanahy Izy?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–28. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hamantatra hoe inona no nosaintsainin’ny Filoha Smith raha nieritreritra momba ny asan’ny Tompo tany amin’ny tontolon’ny fanahy izy.
-
Inona no fanontanian’ny Filoha Smith? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny Mpamonjy nitory ny filazantsara tamin’ny olona rehetra tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy tao anatin’ny telo andro monja?)
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–32 ary asao ny mpianatra rehetra mba hikaroka ny valinteny noraisin’ny Filoha Smith raha nisaintsaina izany izy.
-
Ahoana no nitorian’ny Mpamonnjy ny filazantsara tamin’ireo olona tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy tao anatin’ny fotoana fohy?
Asao ireo mpianatra mba hampiasa ireo zavatra nianarany tao amin’ny andininy 29–32 mba hilazana fahamarinana mikasika ny hoe ahoana no nampianarana ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy. Tokony hahita mitovy amin’ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Teo ambany fitarihan’i Jesoa Kristy ireo olo-marina mpitory no nampianatra ny filazantsara tamin’ny olona tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny andininy 30 izay mampianatra io fahamarinana io.)
Amin’ny sary eny amin’ny solaitrabe, dia ataovy sary ny tsipika iray avy amin’ny paradisan’ny fanahy mankany amin’ny tranomaizin’ny fanahy mba hanehoana ireo olo-marin’ny Tompo nitory ny filazantsara tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:33–34. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka hoe inona no nampianarin’ireo olo-marin’ny Tompo izay nitory tamin’ny tranomaizin’ny fanahy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Inona no ifandraisan’ireo fampianarana ireo amin’ny fampianarana atao amin’ny olona miomana amin’ny fanaovana batisa eto an-tany?
-
Inona no atao hoe “batisa isoloana tena”?
-
Araka ny andininy 34, nahoana ireo fitsipiky ny filazantsara ireo no nilaina notoriana tamin’olonatany amin’ny tranomaizin’ny fanahy? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe “tsaraina araka ny olombelona ao amin’ny nofo” dia midika fa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra, na velona na maty, dia mila manana fahafahana hianatra sy hanaiky ny filazantsara mba hahafahana mitsara azy tahaka ny hitsarana an’ireo izay nianatra sy nanaiky ny filazantsara tamin’ny fahavelomany.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:35–37. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra, ary hikaroka hoe firy ireo fanahy izay hanana fahafahana hanaiky ny filazatsaran’i Jesoa Kristy.
-
Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny mahalala fa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia hanana fahafahana haheno sy hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy avokoa?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra hoe amin’ny fomba ahoana no rehetra no afaka hihaino ny filazantsara, dia hazavao fa na dia namangy ny tontolon’ny fanahy nandritra ny fotoana fohy aza ny Mpamonjy taorian’ny nahafatesany dia nandrindra ireo fanahin’olo-marina mba hitory ny filazantsara amin’ireo izay any amin’ny tranomaizin’ny fanahy. Mbola mitohy io ezaka io ankehitriny. Ireo olona maty izay mbola tsy nandre na tsy nanaiky ny filazantsara amin’izao androntsika izao dia hanana fahafahana haheno sy hanaiky ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–60
Ny Filoha Smith dia nahita ireo fanahy lehibe sy mahery izay hitory ny filazantsara any amin’ny tranomaizin’ny fanahy.
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra an’ireo olo-marin’ny fianakaviana na razambeny izay efa nodimandry.
-
Efa nanontany tena mikasika ny zavatra ataon’izy ireo ao amin’ny tontolon’ny fanahy ve ianao?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–49, ny Filoha Joseph F. Smith dia nanao lisitra ny anaran’ireo fanahin’“olona lehibe sy mahery” hitany tao amin’ny tontolon’ny fanahy izay miandry ny fisehoan’ny Tompo eo anivony taorian’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Ny sasany tamin’ireo fanahy izay notsidihan’ny Mpamonjy ireo dia mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Testamenta Taloha. Manomboka ao amin’ny andininy 53, dia mamaky isika fa ny Filoha Smith dia nahita ireo fanahy nofinidy hidina eto an-tany amin’ny andro farany, anisan’izany ny Mpaminany Joseph Smith (dadatoany ) sy i Hyrum Smith rainy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fomba hahafahan’ny tsirairay mandray anjara raha mbola eto an-tany amin’ny famonjena ireo izay ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.
-
Ahoana no fomba nanampian’ny mpitarika ny Fiangonana amin’ny andro farany ny fanahy ao amin’ny tranomaizina?
Rehefa nahita ireo mpianatra fa ny mpaminanin’ny andro farany dia manampy amin’ny fanavotana ireo maty amin’ny alalan’ny fananganana tempoly sy amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny maty, dia apetraho na manaova sarin’ny tempoly eo akakikin’ny sary eo amin’ny solaitrabe.
-
Tamin’ny fotoana inona, araka ny andininy 55–56 ireo mpitarika ireo no nanomboka niomana ho amin’ny asa izay ho ataon’izy ireo eto amin’ity tany ity?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka hoe inona no mbola ho ataon’ireo loholona mahatoky aorian’ny fahafatesan’izy ireo.
-
Inona no mbola ho ataon’ireo loholona mahatoky aorian’ny fahafatesan’izy ireo?
Mba hanazavana fa ny asa ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia tsy voafetra ho an’ireo mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ihany, dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Filoha Joseph F. Smith ity. Asao ireo mpianatra mba hihaino hoe inona no ho ataon’ny vehivavy mahatoky any amin’ny tontolon’ny fanahy:
“Ireo rahavavy mahafinaritra ireo izay natokana ary notendrena ho amin’ny asa, … dia hahazo lalana feno ary hahazo hery mba hitoriana ny filazantsara ary hanompo ny vehivavy raha ny loholona sy mpaminany kosa dia hitory ny filazantsara aamin’ny lehilahy” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 461).
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny andininy 57 izay mampianatra ny fahamarinana toy izao: Aorian’ny fandaozana ny fiainana an-tany ireo Olomasina mahatoky dia hanohy ny asany amin’ny fitoriana ny filazantsara.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58–59. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny tokony hataon’ireo maty mba ho avotra. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Inona no hitranga amin’izay mibebaka ao amin’ny tontolon’ny fanahy? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, nefa tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Ireo fanahy izay mibebaka dia ho vonjena amin’ny alalan’ny fankatoavana ny ôrdônansy atao any amin’ny tempoly, ho voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ary handray ny valisoany).
-
Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny asa famonjena ho an’ny maty mandritra ny fotoana hianantsika eto an-tany? (Amin’ny famenoana ny tantaram-pianakaviana sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty atao any amin’ny tempoly.)
Mandritra ity resadresaka ity, dia azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hamaky mafy ny fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ho fotoana nolaniana tamin’ny zavatra tsara ny fanaovanao asa any amin’ny tempoly na inona izany na inona fa ny fanaovanao ôrdônansy isoloanao tena ho an’ny iray amin’ireo razambenao dia ahatonga ny fotoana lany any amin’ny tempoly ho masina kokoa, ary vao maika lehibe kokoa aza ny fitahiana ho azo” (“Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93–94).
Asehoy ilay sarin’ny tempoly eny amin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mankany amin’ny tempoly isika mba hanatanteraka ôrdônansy ho an’izay efa nodimandry dia manampy azy ireo isika—raha toa izy ireo ka misafidy ny hanaiky ireo ôrdônansy—mba ho avotra avy amin’ny tranomaizin’ny fanahy ary hikambana amin’ireo fanahy ao amin’ny paradisa.
Dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny tsipika iray avy amin’ny tranomaizin’ny fanahy mankany amin’ny paradisan’ny fanahy mba hanehoana ny fanavotana ny fanahy nibebaka avy tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.
-
Ahoana no fomba iantefan’io fahalalana io amin’ny zavatra iainanao amin’ny fanaovana ny asa any amin’ny tempoly sy amin’ny fanaovana ny tantatam-pianakaviana?
-
Ahoana no notahiana anao tamin’ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? (Afaka ihany koa ianao mizara zavatra iray izay niainanao.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:60. Asao ny mpianatra rehetra mba hanaraka ny vakinteny ka hitady ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Joseph F. Smith ny amin’ireo fahamarinana noraketiny.
Amporisiho ny mpianatra mba hanokana fotoana hanaovana tantaram-pianakaviana na asa atao any amin’ny tempoly mandritra ny herinandro vitsivitsy ho avy.
Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana azo avy amin’ny Sorompanavotana izay samy afaka raisin’ny velona sy ny maty.