Lesona 56
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49
Fampidirana
I Leman Copley izay mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana dia naniry ny hitorian’ireo misiônera ny filazantsara tamin’ireo mpikambana tao amin’ny vondron’olona mpivavaka nisy azy teo aloha, dia ny Shakers izany. Na izany aza anefa dia mbola nanohy nitana ny sasantsasany tamin’ireo finoana diso nananan’izany antokom-pivavahana izany izy. Noho i Joseph Smith niahiahy ny amin’ny nitazonan’i Leman ireo zavatra ninoany teo aloha dia nanontany ny Tompo izy tamin’ny 7 mey 1831, ka dia naharay ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 amin’izao fotoana izao.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:1–4
Niantso an’i Sidney Rigdon sy i Parley P. Pratt ary i Leman Copley ny Tompo mba hitory tamin’ny Shakers
Mialoha ny fotoam-pianarana dia manamboara famandrihana rajako iray na ataovy eny amin’ny solaitrabe ity sary ity. Mba hanamboarana fandri-drajako dia boaty misy sarony alaina. Apetaho amin’ilay boaty ilay sarony dia asio lavaka lehibe azon’ny mpianatra iray ampidirana tanana mivelatra fa tsy manao totohondry eo amin’ny lafiny ilany amin’ilay boaty. Asio voankazo na baolina iray ao anatin’ilay boaty.
Anontanio ny mpianatra raha mahafantatra ny fomba fisamborana rajako. (Raha hain’izy ireo ity fomba manaraka ity dia asao izy ireo hanazava an’izany amin’ny mpianatra sisa ao an-dakilasy. Raha nanamboatra fandrika ianao dia azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra iray mampiseho hoe tratran’ny fandrika.) Lazao amin’ny mpianatra fa fomba iray hamandrihana rajako ny mametraka zavatra iray mahatsiriritra ao anatin’ny fitoeran-javatra iray misy lavaka ampy hampidiran’ilay rajako ny tanany ao. Rehefa maka ilay zavatra ilay rajako dia tsy afaka manala ny tanany satria mitazona zavatra lehibe loatra ka tsy antonona ilay lavaka ny tanany. Noho ny fahatapahan-kevitr’izy ireo tsy hamela ilay zavatra dia hamela ny tenany ho tratra ny rajako sasany.
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ka hitady ny zavatra itovizan’ilay toe-javatra voafaritra amin’ilay fandri-drajako. Rehefa avy manazava ny mpianatra fa sarotra ho an’i Leman Copley ny namela ireo finoana Shaker sasantsasany dia angataho izy ireo hitanisa ny sasany amin’ireo zavatra ninoan’ny Shakers.
Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny, araka ny hita etsy ambany. Aza atao eo ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Ny fotopampianaran’ny Tompo.” Ho adikanao eo izany tsanganana izany ao aoriana kely mandritra ny lesona.
Finoana Shakers |
Ny fotopampianaran’ny Tompo |
---|---|
| |
| |
| |
| |
|
Raha liana amin’ilay anarana hoe Shaker ny mpianatra dia hazavao fa nantsoin’ny besinimaro hoe Shakers ireo mpikambana tao amin’ny Fikambanana Mitambatry ny Mpino ny Fisehoan’ i Kristy Fanindroany noho ny fomba fivavahan’izy ireo, izay nahitana ny fanozongozonany ny vatany rehefa nihira sy nandihy ary nitehaka tamin’izany hira izany izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nambaran’ny Tompo mikasika ny Shakers.
-
Olona toy ny ahoana no namaritan’ny Tompo ny Shakers? (Jereo ny andininy 2.)
-
Inona aminareo ny dikan’ny hoe “maniry … ny hahafantatra ny ampahany fa tsy ny marina rehetra”? (Nanaiky ny sasany tamin’ireo fampianaran’ Andriamanitra izy ireo fa tsy niraharaha na nandà ireo hafa.)
-
Mety ho ahoana no fomba hananan’ny mpikamban’ny Fiangonana fihetsika mitovy amin’izany amin’izao fotoana izao?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Tafiditra ao anatin’ny hoe mahitsy eo anoloan’ny Tompo …
Anontanio ny mpianatra ny fomba hamenoany io fitsipika io raha miainga amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 2. Rehefa mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe: Tafiditra ao anatin’ny hoe mahitsy eo anoloan’ny Tompo ny faniriana handray ny fahamarinana rehetra nambarany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 2. Hazavao fa raha maniry fatratra ny hahafantatra ny fahamarinana isika dia maniry ihany koa ny hiaina mifanaraka amin’ny fahamarinana.
-
Nahoana i Leman Copley no nila ilay torohevitra ao amin’ny andininy 2? Mety ho ahoana no fomba hanampian’io fitsipika io antsika?
-
Inona avy ireo fitahiana mety tsy ho azon’ny olona iray amin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsy hanaiky afa-tsy ampahany amin’ny fahamarinana ihany?
Resaho ilay fandri-drajako. Asao ny mpianatra hanao lisitra ireo fandrika sasany izay mety hitarika ny olona hitsipaka ny sasany amin’ireo fampianaran’ Andriamanitra—asa atao sy fihetsika izay hifikiran’ny olona ka manakana azy ireo tsy ho mahitsy eo anoloan’ny Tompo. (Mety ahitana ireto ny ohatra vitsivitsy: fanamarinan-tena amin’ny fahazarana manimba, fihainoana hira mandroaka ny Fanahy, fandraisana anjara amin’ireo asa sy fialam-boly tsy tokony hatao amin’ny andro Sabata, fitiavana ny fampianarana sy ny haifotokevitr’izao tontolo izao mihoatra noho ny fampianaran’ Andriamanitra, ary tsy fanekena ny didy mba hamela ny hafa.)
-
Inona ireo voka-dratsy sasantsasany ateraky ny fifikirana amin’ny asa sy fihetsika toy izany? Inona no mampitovy an’izany amin’ny fandrika?
Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra tokony havelany mba handraisany ireo fitahiana rehetra kasain’ny Ray any An-danitra omena azy ireo. Asao izy ireo hametraka tanjona mba hamela ny zavatra iray izay misakana azy ireo tsy hahitsy eo anoloan’ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:5–28
Manitsy ny fotopampianarana dison’ny Shakers ny Tompo ary mandidy ireo mpanompony hanasa ny Shakers hibebaka sy hatao batisa
Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa nandidy an’i Leman Copley sy i Sidney Rigdon ary i Parley P. Pratt ny Tompo mba hitory ny filazantsara amin’ireo Shakers (jereo ny F&F 49:1–4). Hazavao fa talohan’ny nahazoan’i Leman Copley an’ity didy ity dia “nitebiteby izy fa tokony handeha ho any amin’ireo rahalahiny teo aloha [ny Shakers] ny loholona sasany dia hitory ny filazantsara” (Histories, Volume 2: Assigned Histories, 1831–1847, vol. 2 of the Histories series of The Joseph Smith Papers [2012], 37). Rehefa nandeha tany amin’ny Shakers ireo loholona ireo dia novakin’izy ireo mafy tamin’ny Shakers ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49.
Adikao eo amin’ny solaitrabe ilay tsanganana faharoa amin’ilay tabilao tany am-piandohan’ity lesona ity.
Zarao ho vondrona dimy ireo mpianatra. Omeo iray amin’ireo andinin-tsoratra masina nosoratanao eo amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. (Raha vitsy ny mpianatrao dia tsinjarao amin’izy ireo ireo andinin-tsoratra masina ka hifanakalozy hevitra miaraka izy rehetra.) Asao ny mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo mba hitady ireo fotopampianarana sy fitsipika izay manitsy ireo finoana dison’ny Shakers.
Rehefa nahazo fotoana ampy nandalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondrona misy azy, ka hiomana hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra.
-
Inona avy ireo fotopampianarana sy fitsipika tokony ho takatry ny Shakers sy i Leman Copley?
-
Ahoana no hanazavan’ireo andininy nomena anareo an’ireo fahamarinana ireo?
Rehefa avy nomena fotoana ampy namakina sy nifanakalozana hevitra mikasika ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo vondrona dia asao ny mpianatra iray isaky ny vondrona hamaly ireo fanontaniana ireo ho an’ny mpianatra rehetra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ireo andininy izay mampianatra ireo fahamarinana hitany.
Tokony hahita ireto fotopampianarana sy fitsipika manaraka ireto ny mpianatra. (Marihina fa ireo fahamarinina ireo dia nalahatra mba hifanaraka amin’ilay lisitr’ireo finoana diso eo amin’ny solaitrabe.) Rehefa manonona ireo fahamarinana ireo ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana fanaraha-maso ny fivoarana ireto mba hanentanana hanohy bebe kokoa ny fifanakalozan-kevitra.
-
Tokony ho hitan’ny mpianatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:7 ity fotopampianarana manaraka ity: Tsy misy olona mahafantatra afa-tsy Andriamanitra ihany ny fotoana hitrangan’ny Fiaviana Fanindroany.
-
Fitsipika iray mety ho hitan’ny mpianatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:22–25 ity manaraka ity: Raha mahafantatra ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany isika dia tsy ho voafitak’ireo fanambarana diso.
-
Inona avy ireo famantarana vitsivitsy voalaza ao amin’ny andininy 23–25? (Azonao atao ny manazava fa ilay anarana hoe Jakoba ao amin’ny andininy 24 dia entina ilazana ny mpianakavin’i Isiraely.) Tamin’ny fomba ahoana no nahitanareo ny fisehon’ireo famantarana ireo amin’izao androntsika izao?
-
-
Tokony ho hitan’ny mpianatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:11–14 ity fotopampianarana manaraka ity: Nandidy ireo mpanompony i Jesoa Kristy mba hiantso ny olona hino Azy, hibebaka, hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina.
-
Nahoana ianareo no feno fankasitrahana fa natao batisa ary feno fankasitrahana fa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina? Nahoana ianareo no maniry mafy ny hanampy ireo olona hafa handray ireo ôrdônansy ireo?
-
-
Tokony ho hitan’ireo mpianatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 ny iray amin’ireto fotopampianarana manaraka ireto na ny mihoatra izany: Voatendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, ary didiana ny mpivady mba ho nofo iray dia hanan-janaka. Azonao atao ny manazava ilay andian-teny hoe “hahazoana mameno ny fatrany amin’ny isan’ny olombelona, araka ny nahariana azy talohan’ny nanaovana izao tontolo izao.” Ity andininy ity dia mampianatra fa tanjona iray nahariana ny tany ny hanome toerana ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra monina ao anatin’ny fianakaviana.
-
Inona avy ireo tanjona kendrena izay tanterahin’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?
-
Nahoana no mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny “fandrarana tsy hanambady”?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 16 dia mankasitraka ny fanambadiana nentim-paharazana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray Andriamanitra. Inona avy ireo ezaka sasantsany ataon’ny olona hanalana baraka na hanimbana ny fanambadiana nentim-paharazana?
-
Inona no azon’ny zatovolahy sy ny zatovovavy atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fanambadiana selestialy?
-
-
Tokony ho hitan’ny mpianatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:18–21 ity fotopampianarana manaraka ity: Nomen’ny Tompo ho ampiasaintsika ireo biby eto an-tany.
-
Inona no fampitandremana hita ao amin’ny andininy 21? Nahoana araka ny eritreritrareo no tsy faly amin’ireo izay mamono fahatany ny biby ny Tompo?
-
Hazavao fa ny Shakers sy i Leman Copley dia tsy nanaraka ny torohevitry ny Tompo. Nandà ny hafatra nentin’ireo misiônera ny Shakers ary niverina tamin’ny finoany teo aloha i Leman Copley ka dia niala tao amin’ny Fiangonana.
Farano izany amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:26–28. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny torohevitra sy ny fampanantenan’ny Tompo. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe vodilaharana dia entina hiantsoana olona iray izay miaro olona hafa avy ao aoriana.)
Asao ny mpianatra hamerina hamaky mangina ireo andininy ireo ary hieritreritra mikasika ny fomba iharan’ireo torohevitra sy fampanantenan’ny Tompo ireo eo amin’izy ireo tsirairay avy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitahiana izay tonga rehefa mikatsaka ny fampianaran’ny Tompo sy manaraka izany isika.