Seminera sy Institiota
Lesona 37: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30


Lesona 37

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30

Fampidirana

Tamin’ny volana Septambra 1830, fotoana fohy taorian’ny Fihaonamben’ny Fiangonana iray tao Fayette, New York, dia naharay fanambarana ho an’i David Whitmer sy i Peter Whitmer zanany ary i John Whitmer i Joseph Smith. Ireo fanambarana ireo dia navoaka nisaratsaraka tany am-piandohana, saingy natambatr’i Joseph Smith ho ao anatin’ny fizarana iray izany tao amin’ny fanontana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny 1835.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–4

Mandevilevy an’i David Whitmer ny Tompo noho izy tsy nihaino ny Fanahy sy ireo mpanompo voatendrin’ny Tompo

Angataho ireo mpianatra hieritreritra mangina ireto toe-javatra manaraka ireto :

  1. Nisy zatovolahy iray izay nihaino mozika tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-pitondrantena voalaza ao amin’ny Ry Tanora Mahereza. Na dia mankafỳ mihaino izany mozika izany aza izy dia manomboka mahatsapa fa ny hafatra izay fonosiny dia mahatonga ny Fanahy hiala aminy sy hanalavitra azy amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny Fiangonana.

  2. Taorian’ny fampiarahana maromaro nataon’ny zatovovavy iray niaraka tamin’ny zatovolahy iray dia nanomboka nahafantatra tamin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina ilay zatovovavy fa mikasa ny handresy lahatra azy tsikelikely handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ilay zatovolahy.

Hazavao fa hampitandrina antsika ny Fanahy Masina rehefa tandindomin-doza ara-panahy isika. Kanefa raha tsy mihaino ny fampitandremany isika dia hiala amintsika ny Fanahin’ny Tompo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30 dia mirakitra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy antsika hiomana mba handray sy hanaraka ireo fampitandremana avy amin’ny Fanahy.

Hazavao fa ny ampahany voalohany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30 dia fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’i David Whitmer.

  • Inona no fantatrareo mikasika an’i David Whitmer? (Ireo valinteny dia mety ahitana fa nanome toerana an’i Joseph Smith handikana ny Bokin’i Môrmôna izy sy ireo ray aman-dreniny, fa izy dia iray amin’ireo Vavolombelona Telo an’ny Bokin’i Môrmôna, ary izy dia iray tamin’ireo mpikambana enina voalohany tao amin’ny Fiangonana.)

Hazavao fa na dia nahatoky tamin’ny fomba maro aza i David Whitmer dia nandevilevy azy ny Tompo mikasika ny fanaovany tsinontsinona ny andraikiny tao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny teny fandevilevena nampiasain’ny Tompo.

  • Nahoana ny Tompo no nandevilevy an’i David Whitmer? (Azonao atao ny manao lisitry ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Ireo valinteny dia mety ahitana fa natahotra ny olona i David, tsy niantehitra tamin’ny Tompo tamin’ny tanjaka, nampirona kokoa ny sainy tamin’ny zavatry ny tany noho ny tamin’ny zavatra avy amin’ny Tompo, tsy nanaraka ny fitarihan’ny Fanahy sy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, ary resy lahatra tamin’izay nolazain’ireo olona tsy nantsoin’ny Tompo.)

Asao ireo mpianatra hilaza ireo fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2. Mety hanolotra ny sasany amin’ireto fitsipika ireto ny mpianatra na izy rehetra:

Tokony hiantehitra amin’ny Tompo isika mba hahazoana hery fa tsy hatahotra ny olona.

Tokony hametraka ny saintsika amin’ny zavatry ny Tompo mihoatra ny zavatry ny tany isika.

Tokony hanaraka ny Fanahy sy ny torohevitry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana isika fa tsy hoe ho resy lahatra amin’izay lazain’ny olona tsy voantson’ny Tompo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny lanjan’ireo fitsipika ireo dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto na izy rehetra:

  • Inona aminao no dikan’ny hoe matahotra ny olona? (Ireo valinteny dia mety ahitana fa izany dia midika hoe mamela ny fampianaran’ireo olona hafa hitarika antsika tsy hanaraka ny fampianaran’ Andriamanitra.)

  • Inona avy ireo zavatra azontsika atao mba hianteherana amin’ny Tompo hahazoana tanjaka? Oviana ianao no nahatsapa fa nampatanjaka anao ny Tompo?

  • Inona aminao no dikan’ny hoe mampirona kokoa ny saintsika amin’ireo zavatry ny tany noho ny amin’ireo zavatra avy amin’ny Tompo? Inona avy ireo loza avy amin’ny fahamelohana noho ny fanaovana izany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao rehefa nanaraka ny Fanahy sy ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:3–4. Amporisiho ny mpianatra rehetra hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i David Whitmer.

  • Rehefa avy nandevilevy an’i David ny Tompo dia inona no nandidiany azy mba hataony? (Hieritreritra ny amin’ireo zavatra izay efa noraisiny sy hifofotra amin’ny asa fanompoany ao amin’ny Fiangonana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fieritreretantsika ireo zavatra efa noraisintsika avy amin’ Andriamanitra antsika hijanona ho mahatoky?

  • Ahoana no hitaomana antsika amin’ny tsara rehefa manolo-tena amin’ireo antso voaraintsika isika?

Amporisiho ireo mpianatra hamerina hamaky mangina Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–4 mba hitady torohevitra izay tena mifandraika indrindra amin’ny fiainan’izy ireo. Asao ihany koa izy ireo hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hanarahana izany torohevitra izany. Asao izy ireo hanoratra ireo zavatra eritreretiny ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5–8

Nantsoina mba hiaraka amin’i Oliver Cowdery amin’ny asa fitoriana any amin’ny Lamanita i Peter Whitmer zanany

Mitondrà zavatra mavesatra iray ao an-dakilasy na kitapo feno zavatra mavesatra, toy ny boky na vato. Asao ny mpianatra iray hitazona ilay zavatra eo anoloany. Rehefa mitazona ilay zavatra ilay mpianatra dia hazavao fa ankoatra ilay fanambarana ho an’i David Whitmer dia mirakitra fanambarana roa fanampiny ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30 izay natao ho an’i Peter sy i John rahalahin’i David. Asao ireo mpianatra hamaky samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5 ary hitady ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Peter Whitmer zanany mba hataony.

  • Nantsoin’ny Tompo hanao inona i Peter Whitmer zanany? (Hanambara ny filazantsara.) Iza no tokony ho mpitarika an’i Peter tao anatin’io asa io? (I Oliver Cowdery.)

Asao ny mpianatra iray faharoa hanampy ilay mpianatra izay mihazona ilay zavatra mavesatra. Angataho ilay mpianatra voalohany hamaritra ny zavatra tsapany ho maha hafa izany hoe mahazo ny fanampiana avy amin’ny olona hafa izany. Hazavao fa ny Tompo dia nanome torohevitra an’i Peter, izay mamaritra ny fomba tokony hanampiany an’i Oliver Cowdery. Asao ireo mpianatra handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5–8 mba hitady andian-teny maromaro mamaritra ny fomba tokony hanohanan’i Peter an’i Oliver. Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny ireo.

  • Inona avy ireo andian-teny hitanao? (Azonao angatahina ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra eo amin’ny solaitrabe.)

  • Nidika ho inona tamin’i Peter araka ny eritreritrao izany hoe “ory amin’ny fahorian’i [Oliver] rehetra”? (Tsy maintsy nanampy an’i Oliver i Peter na dia tao anatin’ireo fotoan-tsarotra aza.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6 dia inona no anjara asan’ny vavaka amin’ny fanampiana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:9–11

Nantsoina hitory ny filazantsara i John Whitmer

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:9–11 dia mirakitra fanambarana iray ho an’i John Whitmer. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i John Whitmer mba ho ataony. (Mety hanampy ny manazava fa ny vadin’i Philip Burroughs dia mpikamban’ny Fiangonana. Ny fianakaviana Burroughs dia nipetraka tany amin’ny 11,27 km tany avaratry ny fianakaviana Whitmer tao Seneca Falls, New York. Na dia antsoina hoe “rahalahy” aza i Philip Burroughs ao amin’ny andininy 10 dia tsy mbola nisy firaketana nanambara ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy mihitsy.)

Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ireo mpianatra dia asao izy ireo handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:11 mba hitady fitsipika iray mikasika ny fomba tokony hanompoantsika ny Tompo. Amporisiho izy ireo hilaza ny zavatra nianarany ao anatin’ny fehezanteny manana firafitra “raha–dia”.

  • Inona no fitsipika hitanareo ao amin’ny andininy 11? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha manompo ny Tompo amin’ny fanahintsika rehetra isika dia hiaraka amintsika Izy.)

Asao ireo mpianatra hizara zavatra niainan’izy ireo izay nahatsapany fa niaraka taminy ny Tompo rehefa nanompo Azy izy ireo. (Azonao zaraina ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona mikasika io fitsipika io.) Amporisiho ireo mpianatra hitady fotoana maromaro ahafahan’izy ireo manakaiky ny Tompo amin’ny alalan’ny fanompoana Azy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:5–7. I Oliver Cowdery tamin’ny naha-mpanolotsaina an’i Joseph Smith azy

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“I Peter [Whitmer zanany] dia nampahafantarina fa tsy nisy olona voatendry ho mpanolotsaina an’i Oliver afa-tsy i Joseph Smith. Noho izany dia takatr’i Peter fa andraikiny ny mandray, fa tsy ny manome, torohevitra teo am-panaovana io dia io. Ny fiarahan’i Oliver Cowdery nandray anjara tamin’i Joseph Smith tamin’ny nanomezana ny Fisoronana sy ny fahefana tao anatin’ireo fotoana rehetra dia manome azy amin’izao ny fahefana mba ho tompon’andraikitra faharoa tao amin’ny Fiangonana tao aorian’i Joseph Smith tamin’ny fitantanana ny Fiangonana” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:146–47).

Hamoaka printy