Seminera sy Institiota
Lesona 102: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–48


Lesona 102

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–48

Fampidirana

Nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 6 aogositra 1833, tokony ho roa herinandro taorian’ny niovan’ny fanenjehana ireo Olomasina tany Missouri ho herisetra. Nitondra fitarihana ho an’ireo Olomasina izay niharan’ny haratsiam-panahy ity fanambarana ity. Mampianatra ny fomba fihetsika tokony hasehon’ny Olomasina amin’ny fahavalony ny Tompo ao anatin’izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–32

Ambaran’ny Tompo ny fihetsika tokony hasehon’ny Olomasina manoloana ny fanenjehana

Mialoha ny fampianarana dia asio tsanganana telo eny amin’ny solaitrabe ary omeo anarana amin’ireto lohateny manaraka ireto izany: Ny lalàn’ny Tompo momba ny Famaliana ho faty (F&F 98:23–32); Ny lalàn’ny Tompo momba ny ady ( F&F 98:33–38); ary Ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka (F&F 98:39–48).

Angataho ny mpianatra mba hamaritra fomba fihetsika vitsivitsy mety asehon’ny olona rehefa nanafintohina na nandratra azy ny olona iray. Hazavao fa ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98, ny Tompo dia mampianatra ireo fitsipika izay afaka manampy antsika hahafantatra ny fihetsika aseho rehefa mandratra antsika ny teny na fihetsiky ny olona iray. Amporisiho ny mpianatra mba hitady ireo fitsipika ireo ao anatin’ny lesona androany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 dia nomena tamin’ny 1833, fotoana fohy taorian’ny niovan’ny fanenjehana ireo Olomasina tany Missouri ho herisetra. Angataho ny mpianatra mba hitadidy ny antsipirihan-javatra momba ny haratsiam-panahy niainan’ireo Olomasina avy amin’ny lesona teo aloha.

Asao ny mpianatra mba handika ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany Soratra Masina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–27. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady izay nampianarin’ny Tompo momba ny famaliana ho faty. Asaivo mandinika ny torohevitra miverimberina nataon’ny Tompo tao anatin’ireo andininy ireo izy ireo.

  • Inona ireo andian-teny miverimberina izay mampianatra momba ny famaliana ho faty? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanisy marika ny andian-teny hoe “tsy miteny ratsy” sy “mizaka izany amim-paharetana” ao amin’ny andininy 23–27.)

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ny Olomasina raha toa ka mizaka amim-paharetana ny fanenjehana izy ireo ka tsy mikatsaka valifaty?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 23–27? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka mizaka ny haratsiam-panahy amim-paharetana isika ka tsy mamaly faty dia hamaly soa antsika ny Tompo. Asao ny mpianatra iray mba hanoratra izany fahamarinana izany eo ambanin’ny lohateny hoe Ny lalàn’ny Tompo momba ny famaliana ho faty.)

Hazavao fa rehefa niforona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ilay andian’olona mpihetraketraka, tamin’ny 20 jolay 1833, dia te hanao zavatra mihoatra ny famotehana fananana izy ireo. Nikatsaka ny handratra ireo mpikamban’ny Fiangonana koa izy ireo. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy izao tantara manaraka izao ka asaivo henoin’ny mpianatra ny fihetsika nasehon’ny Eveka Edward Partridge sy Charles Allen, izay lehilahy 27 taona, mpikambana vaovao avy tany Pennsylvanie.

B. H. Roberts

“Nisambotra ny Eveka Edward Partridge sy i Charles Allen ilay andian’olona mpihetraketraka ka nitaritarika azy ireo nandalo ireo vahoaka feno hatezerana, izay nanompa sy nanao herisetra tamin’izy ireo eran’ny lalana nankany amin’ny toerana iray ivezivezen’ny vahoaka. Nomena safidy roa izy ireo teo: na mandà ny finoany ny Bokin’i Môrmôna izy ireo na miala ny fivondronana. Tsy nandà ny Bokin’i Môrmôna izy ireo, na koa nanaiky hiala ny fivondronana. Nilaza ny Eveka Partridge, rehefa nomena lalana hiteny, fa tsy maintsy niaina fanenjehana ny olomasina tamin’ny fotoana rehetra teto amin’izao tontolo izao, ary vonona hijaly noho ny amin’i Kristy ny tenany, tahaka ny nataon’ireo olomasina tamin’ny fotoana taloha; fa tsy nanao na inona na inona izay mety nanafintohina na iza na iza izy, koa raha manao herisetra aminy izy ireo dia hanao ratsy amin’ny olona tsy manan-tsiny. Teto dia tsy heno ny feony noho ny fifanjevoana teo amin’ny vahoaka, izay nihiaka toy izao ny ankamaroan’izy ireo: ‘Antsoy ny Andriamanitrao mba hanafaka anao … !’ Nesorina teny amin’ireo rahalahy roa ireo, i Partridge sy Allen, ny akanjony ka nosorana tara mifangaro voasary makirana na lavenona voahangy na karazana asidra mihinana ny nofo ary nanaparitahana volom-borona teo ambonin’izany. Niaritra izany zavatra natao taminy sy herisetra izany tamim-panetrentena sy fahamoram-panahy lehibe izy ireo ka nanjary nangina ny vahoaka, ary toa gaga tamin’ny zavatra izay hitany. Navela hiala tamim-pahanginana ireo rahalahy ireo” (B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 1:333; jereo ihany koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Church Educational System manual], 2003, 133).

  • Inona no manaitra anao momba ny fomba fihetsika nasehon’i Charles Allen sy ny Eveka Partridge tamin’ny fanenjehana?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:28–32 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanoro hevitra ny Olomasina fa raha toa mandratra azy ireo in-telo ny fahavalo ka tsy hangataka valifaty amin’ Andriamanitra dia tokony hampitandrina ny fahavalo amin’ny anaran’ny Tompo izy ireo mba tsy hamerina hanao ratsy amin’izy ireo intsony. Raha nanohy nandratra azy ireo ny fahavalo taorian’ity fampitandremana ity dia nohamarinina “raha valian[y] araka ny asany izy.” Na izany aza anefa dia notenenina ihany koa ireo Olomasina fa raha mamela ny fahavalony izy ireo na dia voamarina amin’ny famaliana ho faty aza dia hahazo valisoa amin’ny fahamarinany izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:32–38

Nanazava ny fotoana hanamarinana ny ady ny Tompo

Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina raha toa ka fantatr’izy ireo izay nambaran’ny Tompo momba ny ady. Azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona araka ny eritreritrareo ny lalàn’ny Tompo momba ny ady?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:32–34. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nambaran’ny Tompo tamin’ireo mpaminany taloha momba ny ady.

  • Araka ny andininy 33, dia inona ilay lalàna nomena ireo mpaminany taloha? (Eo am-pamalian’ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo eo ambanin’ny lohateny hoe Ny lalàn’ny Tompo momba ny ady. Hamarino fa nanome ity lalàna ity manokana tamin’ny vahoaka izay niaina nandritra ny fotoana hafa sy kolontsaina hafa ny Tompo. Na dia marina aza ny fitsipika momba ity lalàna ity dia eo ambanin’ny lalàn’ny firenena izay misy onenantsika ihany koa isika amin’izao fotoana izao.)

  • Inona no tokony nataon’ireo mpaminany taloha raha toa ka misy olona mihantsy ady amin’izy ireo? (Ampio eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe Ny lalàn’ny Tompo momba ny ady ny valinteny.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:35–38 ary angataho ny mpianatra mba hitady izay nolazain’ny Tompo tamin’ireo mpaminany taloha mba hataon’izy ireo raha toa tsy ekena ny fangatahana hiaina fandriampahalemana ataon’izy ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny lalàn’ny Tompo momba ny ady? (Mety hanolotra karazana fitsipika maro ny mpianatra kanefa ataovy izay hanamafisana izao manaraka izao: Azo hamarinina ny ady araka ny toe-javatra mitranga izay voalazan’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe Ny lalàn’ny Tompo momba ny ady izany fitsipika izany.)

Hazavao fa maro amintsika no tsy voatery hanapa-kevitra raha toa ka handeha hiady amin’ny firenena iray hafa isika. Afaka manampy antsika hahafantatra ny zavatra tokony atao ao amin’ny fifandraisantsika manokana anefa izany—ohatra hoe rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny hafa isika.

  • Araka ny zavatra nianarantsika androany momba ny torohevitry ny Tompo momba ny ady, inona no tokony ataontsika rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny hafa isika? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Tokony hikatsaka vahaolana feno fandriampahalemana isika rehefa misy tsy fitovian-kevitra.)

  • Inona ireo fitahiana mety ho tonga avy amin’ny fikatsahana vahaolana feno fandriampahalemana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–48

Mampianatra ny Olomasina ny Tompo momba ny fomba fihetsika tokony hasehon’izy ireo amin’ny fahavalony

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao tantara manaraka izao:

Eveka Keith B. McMullin

“Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, tany Hollande, dia nampiasa ny tranon’izy ireo ho toeram-piafenana ho an’ireo izay nenjehin’ireo Nazi ny fianakaviana Casper ten Boom. Izany no fomba niainan’izy ireo ny finoany amin’ny maha-Kristianina azy. Efatra tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviana no namoy ny ainy noho ny fanomezana izany fialofana izany. Niaritra volana maromaro mampatahotra tao amin’ilay toeram-panangonana malazan’i Ravensbrück i Corrie ten Boom sy i Betsie rahavaviny. Nodimandry tao i Betsie—raha toa ka avotra kosa i Corrie.

“Nianatra i Corrie sy i Betsie, tao Ravensbrück, fa manampy antsika hamela heloka Andriamanitra. Taorian’ny ady dia tapa-kevitra i Corrie fa hizara izany hafatra izany. Nisy fotoana iray izay vao avy niresahany tamina andian’olona iray tany Alemana izay nijaly noho ny faharavana nateraky ny ady. Ny hoe ‘mamela heloka Andriamanitra’ no hafany. Tamin’izay no nipoitra ny fitahiana vokatry ny fahatokian’i Corrie ten Boom.

“Nanatona azy ny lehilahy iray. Tadidiny fa iray tamin’ireo mpiambina tena ratsy fanahy indrindra tao am-ponja io. ‘Nanonona ny Ravensbrück ianao tao amin’ny valan-dresakao,’hoy izy. ‘Mpiambina tao aho. … Saingy hatramin’izay fotoana izay … dia lasa Kristianina aho.’ Nanazava izy fa nikatsaka ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra izy noho ireo zavatra mahatsiravina nataony. Nanolotra ny tanany izy ary nanontany hoe: ‘Hamela ahy ve ianao?’

“Dia nilaza i Corrie ten Boom hoe:

“‘Toa tsy segondra vitsivitsy no nitsanganany teo—niaraka tamin’ny tanany izay natolony—fa ho ahy dia toa naharitra ora maro izany raha nitolona tamin’ny zavatra sarotra indrindra ho ataoko amin’ny fiainako aho.

“‘… Misy fepetra … ilay hafatra hoe mamela heloka Andriamanitra: dia ny hamelantsika ireo izay nandratra antsika. …

“… ‘Ampio aho!’ Hoy aho nivavaka mangina. ‘Afaka maninjitra ny tanako aho. Vitako raha izany. Ianao no hanome ny fahatsapana.’

“‘… Nanolotra ho azy ny tanako tamin’ilay tanana izay natolotra ahy aho. Rehefa nanao izany aho dia nisy zavatra mahagaga nitranga. Nisy fahatsapana mahery nanomboka tany amin’ny soroko, nihazakazaka nidina ny tanako ka niditra tamin-kery tao amin’ny tananay izay nifandray. Dia toa nameno tanteraka ny vatako iray manontolo izany fahatsapana mahamay izany ka nitondra ranomaso teo amin’ny masoko.

“‘Mamela anao aho, rahalahy!’ Hoy aho. ‘Amin’ny foko manontolo.’

“‘Nifandray tanana nandritra ny fotoana ela izahay, dia ilay mpiambina taloha sy ilay voafonja taloha. Tsy mbola nahafantatra ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny fomba mahery vaika toy ny tamin’izay fotoana izay aho.’ [Corrie ten Boom, Tramp for the Lord (1974), 54–55.]” (Keith B. McMullin, “Ny lalan’ny adidintsika,” Ensign na Liahona, mey 2010, 13).

Rehefa avy mamaky ilay mpianatra dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no manaitra anao momba izany tantara izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–40 ka angataho ny mpianatra mba hitady ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka.

  • Araka ireo andininy ireo, inona no tokony ataontsika rehefa mangataka famelan-keloka ny olona iray?

  • Araka ny andininy 40, impiry isika no tokony hamela ny olona izay mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka? (Ny hoe “hatrany amin’ny fitopolo im-pito” dia midika fa tokony hamela ny hafa isika isaky ny mibebaka sy mikatsaka ny famelan-keloka amintsika izy ireo raha nanafintohina na nandratra antsika. Na dia didiana hamela heloka aza isika dia tsy midika izany fa tokony hamela ny hafa hanao ratsy antsika isika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:41–43. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo fahamarinana nampianarin’ny Tompo ny Olomasina mikasika ireo fahavalony izay tsy nety hibebaka. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Nahoana no manan-danja tamin’ireo Olomasina tany Missouri ny nahatakatra ireo fahamarinana ireo?

  • Ahoana no hamintinanao ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka? (Ampio ny mpianatra mba hahita izao didy manaraka izao: Nandidy antsika mba hamela ny fahavalontsika ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe Ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka izany didy izany.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no didiana isika mba hamela ny hafa na dia tsy mangataka famelan-keloka aza izy ireo?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:44–48 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampanantena fa raha toa ka mibebaka ireo fahavalon’ny Olomasina dia tsy afaka hitsoaka ny valifatiny izy ireo. (Fanamarihana: Ilay andian-teny hoe “tsy hamela azy ianareo” ao amin’ny andininy 44 dia midika fa ireo izay tompon’antoka tamin’ny fanaovan-dratsy dia tokony ho tompon’andraikitra amin’ny asany, fa tsy hoe tokony hanana fahatsapana lolom-po mitohy hatrany ny Olomasina.)

Farano amin’ny famporisihana ny mpianatra mba hanaraka ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny fikatsahana hamela na iza na iza nanao ratsy tamin’izy ireo na tamin’ireo olon-tiany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98. Nanavotra ireo pejy tamin’ny Bokin’ny Didy i Mary Elizabeth Rollins sy i Caroline Rollins

Nizara ny tantaran’i Mary Elizabeth sy i Caroline Rollins ny Loholona Steven E. Snow ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy:

Loholona Steven E. Snow

“Vetivety monja taorian’ny nifindran’i Mary Elizabeth sy i Caroline Rollins, izay mpirahavavy mbola tanora tokoa, tany Independence, Missouri niaraka tamin’ny reniny, tamin’ny fararanon’ny taona 1831 no nianaran’izy ireo momba ny fahasarotana sy ny fanenjehana niainan’ny Olomasina tao. Indray alina dia nisy andian’olona mpihetraketraka feno hatezerana nanafika ny tranon’izy ireo. Tamin’ny fotoana iray hafa dia nanatri-maso ny fandravana ilay trano printy vaovao tao amin’ny rihana ambonin’ny tranon’i William W. Phelps izy ireo.

“Nandritra ny fandravana ilay trano printy [tamin’ny 20 jolay 1833] dia niditra an-keriny tao amin’ny tranon’ny fianakaviana Phelps ny mpihetraketraka ka nanipy ny fananan’izy ireo teny amin’ny arabe. Dia nanohy ny nataony tamin’ny fanimbana ireo fitaovana fanaovana printy tao ambony rihana ireo mpihetraketraka ka nanipy ireo dikateny natao sora-tanana tsy mbola vita boky avy eny amin’ilay trano. Nisy ireo namoaka taratasy lehibe ka nilaza hoe: ‘Ireto ny Didin’ny Môrmôna!’ [“Mary Elizabeth Rollins Lightner,” The Utah Genealogical and Historical Magazine, jolay 1926, 196]. Hatramin’io fotoana io dia fanambarana masina maro no efa noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith, ny sasany tamin’ny voalohandohan’ny taona 1823, rehefa niseho tamin’ilay zazalahy kely mpaminany ny anjely Môrônia. Noraketin’i Joseph tamin’ny sora-tanany ny fanambarana maro, saingy tsy nisy taratasy nomanina na nozaraina ho tombontsoan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tamim-pientanentanana lehibe no niandrasan’ny Olomasina tany Missouri ny famoahana ireo fanambarana ireo ho ‘Bokin’ny Didy.’ Teo am-panaovana printy izany asa izany no tonga ireo mpihetraketraka. Nanazava ny zava-nitranga i Mary Elizabeth izay vao 15 taona tamin’izay:

“‘Nijery azy ireo teo amin’ny kihon’ny fefy iray i Caroline rahavaviko [13 taona] sy ny tenako ary rehefa niresaka momba ireo didy izy ireo dia tapa-kevitra ny haka ny sasany tamin’izany aho. Nilaza i zandry fa raha toa ka handeha haka ny sasany tamin’izany aho dia handeha ihany koa izy, saingy niteny izy hoe: “hamono antsika izy ireo”‘[“Mary Elizabeth Rollins Lightner,” 196].

“Raha mbola variana tao ambadiky ny trano ireo mpihetraketraka dia nihazakazaka ireto zazavavy roa ka nameno ny tanany tamin’ireo taratasy sarobidy ireo. Hitan’ireo mpihetraketraka izy ireo ka nodidiany mba hijanona. Nitantara i Mary Elizabeth hoe: ‘Nihazakazaka mafy araka izay vitanay izahay. Nanenjika anay ny roa tamin’izy ireo. Nahita lavaka teo amin’ny fefy iray izahay ka niditra tao anatin’ny sahan-katsaka iray ary nametraka ireo taratasy teo amin’ny tany ka nanafina izany tao ambaninay. Teo amin’ny 1 metatra sy 80 sentimetatra ny haavon’ireo katsaka ary tena natevina be izany. Nitady anay ela be izy ireo ary tonga tena teo akaikinay saingy tsy nahita anay’[“Mary Elizabeth Rollins Lightner,” 196]” (“Treasuring the Doctrine and Covenants,” Ensign, jan. 2009, 50).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–27. “Aza miteny ratsy ny fahavalonareo ary zakao amim-paharetana izany”

Na dia asaina hitondra ny haratsiam-panahin’ny hafa amim-paharetana aza isika ka tsy hamaly ho faty dia tsy midika izany fa tokony hamela ny hafa hanao herisetra na hanao ratsy amintsika. Ny Boky Torolanana 2: Fitantanana ny Fiangonana dia miteny fa “tsy ekena ny fikasihan-tanana na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana. Ireo izay manao herisetra na ratsy fanahy amin’ny vadiny, ny zanany, ny olona hafa ao amin’ny fianakaviany, na olona hafa dia mandika ny lalàn’ Andriamanitra sy ny lalàn’ny olombelona” (Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 21.4.2).