Lesona 11
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3
Fampidirana
Nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3 i Joseph Smith taorian’ny nahavery ireo takila 116 tamin’ny dikanteny natao sora-tanana izay nadikan’i Joseph avy tamin’ireo takela-bolamena tany amin’i Martin Harris. Ato anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nilaza fa handresy ny asany na dia eo aza ny faharatsian’ny olona. Nibedy an’i Joseph ihany koa ny Tompo ary nampitandrina ny zavatra hitranga raha toa ka tsy mibebaka izy. Farany dia nanazava ny tanjony ny Tompo amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–3
Nianatra i Joseph Smith fa tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra
Asao ny mpianatra mba hisaintsaina trangan-javatra izay mety hahatonga azy ireo ho alaim-panahy hihaino ny namana iray toy izay hanaraka ireo didy na ny torohevitry ny ray aman-dreniny na ny mpitarika.
-
Nahoana no sarotra indraindray ny mandà ireo namantsika rehefa miezaka mitaona antsika hanao zavatra ratsy izy ireo?
Asaivo mizara ny zavatra fantany momba ireo tranga izay nitarika ny fahaverezan’ireo takila 116 tamin’ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna nosoratana tamin’ny tanana ny mpianatra.
Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao ampiana amin’ny sasany amin’ireto antsipirian-javatra manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra:
Tamin’ny tapaky ny volana aprily 1828 ka hatramin’ny tapaky ny volana jona 1828 dia nandika ireo takelaka ny Mpaminany Joseph Smith raha tao Harmony, Pennsylvanie izy. Lehilahy iray mpamboly sy mpiompy sady mpandraharaha nanan-karena antsoina hoe Martin Harris no mpitan-tsoratra raha nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith. Zokin’i Joseph 22 taona i Martin ary nanome 50 dôlara (izay volabe tamin’izany fotoana izany) an’i Joseph sy Emma izy mba hanampiana azy ireo hifindra tany Harmony, Pennsylvanie (toerana nipetrahan’ny fianakavian’i Emma), ka nanampy tamin’ny fanohanana an’i Joseph noho izany raha nandika ireo takelaka izy. Namporisika an’i Martin i Joseph mba hitondra ireo tahadikan’ny endri-tsoratra avy teo amin’ireo takelala hankany amin’ireo prôfesora tany New York tamin’ny febroary 1828 (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65). Nanjary niahiahy tokoa momba ny fahalianan’i Martin sy ny fandraisany anjara ara-bola teo amin’ny fandikana ireo takelaka i Lucy Harris, vadin’i Martin. Nanomboka nanery an’i Martin hitondra porofo momba ny fisian’ireo takelaka izy sy ny olon-kafa. Mba hampitoniana ny ahiahin’izy ireo dia nangataka tamin’i Joseph i Martin tamin’ny tapaky ny volana jona mba hamela azy hitondra ny takila 116 tamin’ilay dikanteny nosoratana tamin’ny tanana izay notontosan’izy ireo mba haseho toy ny porofo.
Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina ny zava-tsarotra niainan’ny Mpaminany rehefa nangataka taminy i Martin Harris mba hitondra ireo takila natao sora-tanana. Mba hanampiana amin’ny sahan-kevitra eto dia saintsaino ny hanasa mpianatra iray mba hamaky izao tantara manaraka izao avy tamin’ny tantaran’ny Mpaminany Joseph Smith:
“Naniry ny hangatahako amin’ny Tompo, tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima i [Martin] raha toa ka afaka [hitondra ilay dikanteny natao sora-tanana any an-trano ka hampiseho izany]. Nangataka aho, ary ny valiny dia hoe tsy afaka hanao izany izy. Tsy afa-po tamin’ity valiny ity anefa izy ka naniry ny hangatahako indray. Nanao izany aho, ary nitovy tamin’ny teo aloha ny valiny. Mbola tsy nionona tamin’izay anefa izy, fa nikiry ny hangatahany indray” (ao amin’ny History of the Church, 1:21).
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nikiry nametraka io fanontaniana io ihany tamin’ Andriamanitra i Joseph Smith na dia taorian’ny nahazoana valiny mazava aza?
Hazavao fa rehefa nitalaho foana i Martin dia nanontany ny Tompo fanintelony i Joseph, ary nomen’ny Tompo lalana i Martin mba hitondra ilay dikanteny natao sora-tanana “niaraka tamin’ny fepetra vitsivitsy” (History of the Church, 1:21). Nampanantena i Martin fa tsy hampiseho ilay dikanteny natao sora-tanana raha tsy amin’ny vadiny sy olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviany ihany. Niverina tany New York niaraka tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana i Martin. Fotoana fohy taorian’ny nandehanan’i Martin dia niteraka zazalahy i Emma Smith, dia i Alvin izay nodimandry fotoana fohy taorian’ny nahaterahany. Saika maty koa i Emma, ary nijanona teo an-doham-pandriany i Joseph nandritra ny roa herinandro. Tamin’izay fotoana izay dia efa telo herinandro no nandehanan’i Martin ary tsy naharay vaovao avy aminy mihitsy izy ireo. Nandresy lahatra an’i Joseph mba handeha any New York mba hamantatra ny antony tsy nahenoana vaovao avy tamin’i Martin i Emma, izay nihasitrana tsikelikely. Nandeha tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny i Joseph, ary raha vantany vao tonga tany dia nampiantso an’i Martin. Maraina manontolo no niandrasana an’i Martin. Rehefa tonga izy dia nipetraka niara-nisakafo tamin’ny fianakaviana Smith saingy nandatsaka teo no ho eo ny fitaovam-pihinanany. Raha nanontaniana izy raha toa ka nisy olana, dia nitomany ary niaiky tamin’ny farany fa nanary ireo takila 116 tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana. (Jereo ny History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 124–29 raha hamaky misimisy kokoa amin’ity tantara ity.)
-
Saintsaino izany toe-javatra sarotra nianjady tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao raha tao anatin’izany toe-javatra izany ianao?
Ampahalalao ny mpianatra fa nangataka famelan-keloka i Joseph Smith rehefa niverina tany Harmony tsy niaraka tamin’ireo takila 116. Satria “nangataka lava ny Tompo ny amin’ny hanomezana fahafahana an’i Martin Harris hitondra ireo sora-tanana” i Joseph (History of the Church,1:21), dia nesorin’i Môrônia ny Orima sy Tomima ary tsy teo am-pelatanan’i Joseph intsony ilay fanomezam-pahasoavana handika teny. Nampanantena anefa i Môrônia fa afaka mahazo izany indray i Joseph raha toa ka “manetry tena sy mibebaka” izy (History of Joseph Smith by His Mother, 134). Taty aoriana dia nahazo ny fanambarana izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3 i Joseph.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra tian’ny Tompo ho takatry ny Mpaminany Joseph Smith.
-
Ahoana no fomba hamintinana ny hafatry ny Tompo tamin’i Joseph Smith ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Eo am-pizaran’ny mpianatra ny hevitr’izy ireo dia hamafiso izao fotopampianarana manaraka izao: Tsy azo sakanana ny tanjon’ Andriamanitra. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny andininy 1. Mety hanampy ny fanazavana fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1, ny teny hoe sakanana dia midika hoe manao izay tsy hahatanteraka.)
-
Ahoana no mety nanampian’ity fahamarinana ity an’i Joseph Smith nandritra izany fotoan-tsarotra izany? Nahoana no zava-dehibe ho antsika rehetra ny mahatakatra io fahamarinana io?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4–15
Nobedesin’ny Tompo i Joseph Smith ary namporisihany mba hibebaka
Hazavao na fa dia niteny aza Andriamanitra fa ny asany dia tsy azo sakanana, dia tiany hahatakatra ireo fahadisoana nataony sy ny vokatr’ireo fahadisoana ireo koa ny Mpaminany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hamantatra ireo teny sy andian-teny izay mety ho mafy tamin’i Joseph Smith ny naheno izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny teny na andian-teny nosafidin’izy ireo sy ny anton’izany.
-
Tamin’ny fomba ahoana no “naneken’i Joseph ny fandresen-dahatry ny olona”? (F&F 3:6).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:12–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo andian-teny izay manamafy ny antony naha-lehibe ny zavatra tsy mety nataon’i Joseph. Dia asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7. Asao ny mpianatra mba hamantatra ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony ho nataon’i Joseph Smith rehefa noteren’i Martin Harris izy. (Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe olona ato anatin’ity andinin-tsoratra masina ity dia entina hilazana ny olombelona.) Rehefa avy nahita ilay torohevitry ny Tompo ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Isika dia tokony hatahotra an’ Andriamanitra mihoatra ny olona. (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny ao amin’ny andininy 7 izay mampianatra ity fitsipika ity.)
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe matahotra an’ Andriamanitra mihoatra ny olona?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe matahotra an’ Andriamanitra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanazavana manaraka izao izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Misy toerana maro ao amin’ny soratra masina izay manoro hevitra ny olombelona mba hatahotra an’ Andriamanitra. Amin’izao androntsika izao dia matetika adikantsika hoe “fanajana” na “fanajana lalina” na “fitiavana” ny teny hoe tahotra, noho izany, midika hoe fitiavana an’ Andriamanitra na fanajana Azy sy ny lalàny ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Mety ho marina izany matetika raha vakina kanefa manontany tena aho raha toa ka tsy midika hoe fahatahorana tokoa ny fahatahorana indraindray, toy ny rehefa miresaka momba ny fahatahorana hanafintohina an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandikana ny didiny ny mpaminany. …
“… Tokony hitia sy hanaja azy fatratra isika ka hatahotra amin’ny fanaovana na inona na inona ratsy eo imasony, na inona na inona mety ho fihevitra na fanerena ataon’ny hafa” (“A Sense of the Sacred” [Fampaherezam-panahy an’ny DFF ho an’ireo tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony, 7 nôv. 2004], 6–7, LDS.org; jereo ihany koa speeches.byu.edu).
-
Araka ny Loholona Christofferson, inona no dikan’ny hoe matahotra an’ Andriamanitra?
-
Ahoana no ahafahan’ny fahatahorana an’ Andriamanitra, araka ny nohazavain’ny Loholona Christofferson, manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara na dia mahatsapa faneriterena aza isika?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8, hitady ny zavatra mety ho nataon’ny Tompo raha toa ka nihaino ilay valinteny voalohany tamin’ny fangatahan’i Martin i Joseph Smith. Asao ny mpianatra mba hamintina ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity. Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy izay ahatakaran’izy ireo fa Raha toa ka mahatoky amin’ny didin’ny Tompo isika dia hanampy hanohana antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ny Tompo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.
Asaivo mieritreritra momba ny fotoana iray izay nanarahany ny didin’ny Tompo fa tsy ny fandresen-dahatra na ny fitaoman’ny olona hafa ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nahazoany ny fanohanan’ny Tompo tamin’ny fankatoavany.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tany amin’ny fanombohan’ny lesona dia nangataka azy ireo ianao mba hieritreritra fotoana iray izay nahatonga azy ireo ho nalaim-panahy hihaino namana toy izay hankatò. Dia sariho amin’ilay fahamarinana izao nosoratanao teny amin’ny solaitrabe ny sain’izy ireo.
-
Ahoana no ahafahan’ity fahamarinana ity manampy anao rehefa alain’ny namana fanahy hanao zavatra iray izay fantatrao fa tsy mety ianao?
Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba ny fomba ahafahany mampihatra ity fahamarinana ity amin’ny fifandraisany amin’ny namana sy fianakaviana amin’izao fotoana izao.
Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ka hitady ilay fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith na dia teo aza ny halehiben’ny fahadisoana nataony. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.)
-
Inona ny fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith? Ahoana no hiantefan’izany fampanantenana izany amintsika? (Mety handroso karazana fitsipika samihafa ny mpianatra saingy ataovy izay hanamafisana fa hahazo ny famindrampon’ny Tompo isika raha toa mibebaka amin’ny fahotantsika.)
-
Raha mitadidy ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4–6, dia inona no mety ho tsapanao taorian’ny nahenoanao ity fampanantenana avy amin’ny Tompo ity raha toa ianao teo amin’ny toeran’i Joseph?
Asaivo mamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:9, 11 ny mpianatra ary hamantatra ireo fampitandremana nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith.
-
Nahoana no manan-danja ny hitadidiana ireo fampitandremana ireo rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika ka mikatsaka ny famindrampon’ny Tompo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:16–20
Nanazava ny tanjony amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo
Asaivo mamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:16–20 ny mpianatra, hamantatra ireo tanjon’ny Tompo amin’ny Bokin’i Môrmôna.
-
Nahoana no tena manan-danja amin’ny Tompo sy ny vahoakany ny asa izay nataon’i Joseph Smith sy i Martin Harris?
Farano ity lesona ity amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nianarany sy tsapany androany ary ny fomba ahafahany mampihatra ireo fahamarinana nianaran’izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny famindrampon’ny Tompo rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika. Azonao atao ihany koa ny milaza amin’ny mpianatra fa amin’ny lesona manaraka dia hianatra ny fomba nanoneran’ny Tompo ny fahaverezan’ireo takila 116 tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana izy ireo.