Lesona 147
Fandaozana an’i Nauvoo
Fampidirana
Taorian’ny famonoana maritiora ny Mpaminany Joseph Smith, dia nitarika ny Fiangonana sy nanohy ny asan’ny Tompo ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, teo ambany fitarihan’ny filohan’ny kôlejy, dia i Brigham Young. Namporisika ny Olomasina mba hamita ny Tempolin’i Nauvoo izy ireo. Noho ny fisian’ny fanenjehana hatrany hatrany, dia nanoro hevitra ny Olomasina ihany koa izy ireo ny hiomanana amin’ny fifindrana any andrefana.
Sosokevitra enti-mampianatra
Niasa tamim-pahazotoana ireo Olomasina mba handraisana ireo fitahiana azo avy amin’ny tempoly
Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanaovany zavatra sarotra satria nahafantatra izy ireo fa mendrika hanaovana ezaka ny vokatra ho azo. Hevero ny hizaranao traikefa manokana amin’ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.
Hazavao fa taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia nampanaovina ny asa sarotra dia ny famitana ny Tempolin’i Nauvoo ireo Olomasina.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mety nahasarotra ho an’ny Olomasina ny fanatanterahana io didy nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith io?
Manehoa sarin’ny tempolin’i Nauvoo Illinois maoderina (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 118; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa mila nanao fahafoizan-tena goavana ny Olomasina mba hananganana ny Tempolin’i Nauvoo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andian-tsoratra manaraka. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo fahafoizan-tena nataon’ny Olomasina mba hanorenana ny tempoly voalohany tao Nauvoo.
Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana ôktôbra 1844, dia nanasa ireo mpikambana mba hanome ny fahafolonkarenan’izy ireo sy ny fanatitr’izy ireo mba hananganana ny tempoly ny Filoha Brigham Young. Vokatr’izany, dia nandray anjara tamin’ny fanaovana latsakemboka “vola vỳ” iray isan-kerinandro mba ho vatsy ho an’ny fananganana ny rahavavy tsirairay tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Lehilahy maro no nanolotra ny fahafolon’ny fotoana nananany amin’ny fiasana ho an’ny tempoly andro iray amin’ny folo. Nanome mihoatra ny iray ampahafolon’ny fananany ny hafa. I Joseph Toronto dia nanome an’i Brigham Young volamena mitentina 2.500 dôlara ny sarany ary nilaza hoe te hanome izay rehetra nananany izy mba hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 302; Ny Lovantsika [1996], 59–60.)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no vonona hahafoy tena betsaka mba hanorenana ny tempoly ny Olomasina?
Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika an’io fanontaniana io ireo mpianatra, dia hazavao fa ny fanenjehana no naha-sarotra ny famitana ny Tempolin’i Nauvoo. Maro ireo fahavalon’ny Fiangonana no nihevitra fa rehefa maty i Joseph Smith, dia ho rava ny Fiangonana. Rehefa nitombo sy niroborobo hatrany hatrany anefa ny Fiangonana, dia nampitombo ezaka mba handroahana ny Olomasina hiala an’i Illinois ny fahavalony.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andian-tsoratra manaraka ity. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra nataon’ny fahavalon’ny Fiangonana mba handravana ity farany.
Tamin’ny volana septambra 1844, dia nitetika hampiasa miaramila mba hanerena ny Olomasina hiala an’i Illinois ny Kôlônely Levi Williams, izay iray tamin’ireo voaendrikendrika tamin’ny famonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith. Izany dia natao nalaza tamin’ny hoe “fihazana amboadia lehibe tao amin’ny Fivondronan’i Hancock” (David E. Miller and Della S. Miller, Nauvoo: The City of Joseph [1974], 186). Teo am-pahenoana izany ny Governoran’i Illinois, Thomas Ford, dia naniraka ny Jeneraly John Hardin izay tao amin’ny milisim-paritra mba hitandrina ny filaminana. Iray taona taty aoriana, tamin’ny volana septambra 1845, dia nitarika andian’olona nahitana lehilahy 300 izay nandrava ny fonenan’ny Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ireo faritra ivelan’ny tanàna ny Kôlônely Williams, ka nandoro ireo tokantrano tsy voaro, ireo tranom-piompiana sy fambolana, ireo milina ary ireo fitobiam-bokatra. Tamin’ny tapaky ny volana septambra dia nangataka mpilatsaka an-tsitrapo i Brigham Young mba hanavotra ireo Olomasina. Nanomana sarety 134 ireo Olomasina tao Nauvoo mba tsy hiharan-doza ny fitondrana ireo fianakaviana tany amin’ny toeram-pifindrana ivelany ho any Nauvoo. (Jereo ny History of the Church, 7:45–46; ; Church History in the Fulness of Times Student Manual, 301; David E. Miller and Della S. Miller, Nauvoo: The City of Joseph, 185–86.)
-
Nahoana ireo fanafihana ireo no nahatonga ny fanohizana ny asa teo amin’ny tempoly ho sarotra?
Hazavao fa maro tamin’ireo mponin’i Illinois no natahotra fa ny fisian’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mety hitarika ady an-trano. Nangataka ny Olomasina mba hiala ny faritra izy ireo. Tamin’ny 24 septambra 1845, dia namoaka taratasy mampanantena ny fialan’ny Fiangonana amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
-
Nahoana izany no mety ho fanapahan-kevitra sarotra noraisina?
-
Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ny handao an’i Nauvoo tamin’ny ezaka nataon’ny Olomasina amin’ny famitana ny tempoly?
Rehefa avy nifanakalo hevitra momba an’io fanontaniana io ireo mpianatra, dia hazavao fa na dia nahafantatra aza ireo Olomasina fa mila niala tao Illinois, dia mbola nanohy hatrany ny asan’ny tempoly.
-
Nahoana araka ny hevitrao no mbola nanohy ny asan’ny tempoly hatrany ireo Olomasina na dia nahafatantra aza izy ireo fa tsy maintsy hifindra monina?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tamin’izany fotoana izany dia mbola tsy nisy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny ireo ôrdônansin’ny tempoly ilaina ho an’ny fisandratana. Tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny 1841, dia nampanantena ny Olomasina ny Tompo fa fa raha manorina ny Tempolin’i Nauvoo izy ireo, dia afaka handray ireo ôrdônansy ireo (jereo ny F&F 124:27–44).
-
Afaka mampianatra inona ho antsika ireo fahafoizan-tena sy fotoan-tsarotra nisy teo amin’ny Olomasina tamin’ny fananganana ny tempoly? (Mety hahita fitsipika samy hafa ireo mpianatra, toy izao manaraka izao: Mendrika ny ezaka sy ny fahafoizana marina rehetra izay ataontsika ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity sy ireo fitsipika rehetra hafa mety hitan’ny mpianatra.)
Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity. Asao ny mpianatra hihaino ireo fahafoizan-tena nataon’ny Olomasina ankehitriny mba handraisana ireo ordônansy atao any amin’ny tempoly.
“Taona maro lasa izay dia namaky mahakasika ny vondrona mpikambana mihoatra ny zato aho izay niainga avy tao Manaus, toerana hita eo afovoan’ny ala kitrok’i Amazonie, ka hanao dia hankany amin’ny tempoly akaiky indrindra teo tamin’izany, izay any Sao Paulo, Brésil—izay teo amin’ny 4.000 kilaometatra miala avy eo Manaus. Nandeha sambo nandritra ny efatra andro namakivaky ny Reniranon’i Amazone sy ireo renirano misampantsampana aminy ireto Olomasina mahatoky ireto. Taorian’ny nahavitana izany fandehanana an-tsambo izany dia niakatra tao anaty fiara fitateram-bahoaka izy ireo mba hanao dia mandritra ny telo andro fanampiny —amin’ny lalana mikintaontaona, ary tsy dia misy sakafo firy na toerana mba azo hatoriana. Taorian’ny fito andro sy alina izy ireo dia tonga tao amin’ny tempolin’i Sao Paulo, izay nanaovan’izy ireo ôrdônansy manana toetra mandrakizay. Mazava ho avy fa nanahirana toy izany koa ny dian’izy ireo niverina. Kanefa dia avy nandray ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly izy ireo, ka na dia foana aza ny poketran’izy ireo, ny tenany kosa dia heniky ny fanahin’ny tempoly sy ny fankasitrahana noho ireo fitahiana izay noraisiny” (“Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’izao Tontolo izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 91).
-
Inona ireo fahafoizan-tena nataon’ireo Olomasina avy any Manaus mba handraisan’izy ireo ny fitahiana azo avy amin’ny tempoly?
Asao ny mpianatra telo mba hanatona eny aloha sy hamaky mafy ity tantara manaraka ity. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo ezaka feno fahamarinana nataon’ny Olomasina mba handraisana ireo ôrdônansy fanao any amin’ny tempoly ireo.
-
Inona no zavatra mahatalanjona anao mikasika ireo ezaka nataon’ ny Olomasina mba handraisany ireo ôrdônansy fanao any amin’ny tempoly?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika izay nosoratany teny amin’ny solaitrabe ary mba hanampiana azy ireo hampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany, dia asao izy ireo mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana.)
Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ireo terem-panahy mba hizara ny valintenin’ny fanontaniana faharoa nomen’izy ireo.
Nandao an’i Nauvoo ireo Olomasina
Hazavao fa rehefa avy nandray ireo ôrdônansy fanao any amin’ny tempoly ireo Olomasina dia nanomboka niala an’i Nauvoo ny volana febroary 1846. Nandritra ireo volana maro manaraka, dia nanohy ny fandaozana an’i Nauvoo izy ireo, ary niorim-ponenana nandritra ny fotoana voafetra teny amin’ny faritry Iowa teny. Rehefa tapitra ny volana aprily, dia maro tamin’ireo Olomasina no efa nandao an’i Nauvoo. Na izany aza dia tsy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra no afaka nifindra monina. Olona vitsy no nijanona tao Nauvoo nandritra ny lohataonan’ny 1846 satria izy ireo dia narary mafy, tena nahantra, na malemy loatra ka tsy afaka hanao ny dia. Ny olona vitsivitsy hafa dia nisafidy ny hijanona.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity andian-tsoratra manaraka ity izay mitantara ny zava-nitranga tamin’ireo izay nijanona.
Tamin’ny volana septambra 1846, dia olona tokony ho sahabo 800, izay nanana tafondro enina no niomana hanafika an’i Nauvoo. Ireo olomasina izay nijanona sy ireo mponina vaovao sasany, izay lehilahy afaka miady niisa 150 fotsiny no niomana hiaro ny tanàna. Taorian’ny andro vitsivitsy niadiana dia noterena hilavo lefona ny Olomasina ary nolazaina mba handao avy hatrany ny tanàna. Avy eo dia niditra ny tanàna ireo mpihetraketraka, ka nandroba ireo trano, ary nanimbazimba ny tempoly. Ireo Olomasina izay tsy afaka nitsoaka haingana dia voakasi-tanana na natsipy tao amin’ny Reniranon’i Mississippi. Taorian’ny namoahana ireo Olomasina ambiny ireo an-keriny dia nanangana trano eva ho an’ny traboina izy ireo teo amin’ny sisin’ny renirano izay mitandrify an’i Iowa. Tsy nanana sakafo ampy izy ireo, na vatsy, na tanjaka ara-batana mba hanohanany ny tenany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 318.)
Hazavao fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandefa andiana mpamonjy voina hiverina any Iowa mba hanampiana ireo Olomasina nijaly.
-
Ahoana no mety ho fahatsapanao raha nantsoina hiverina any Nauvoo ianao?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny hafatra nalefan’i Brigham Young ho an’ireo izay nomena andraikitra hifantina ireo mpamonjy voina:
“Avelao hiredareda ao am-ponareo ny afon’ny fanekempihavanana izay nataonareo tao amin’ny Tranon’ny Tompo, toy ny afo tsy mety maty, … mandra-pilatsahan’ny lehilahy tsirairay … izay afaka mandeha an-tsitrapo, ary ampitao amin’ny fanahiny ny afo, mandra-pitsanganany … sy mandra-pandehanany avy hatrany, ary hitondrany ny anjarany amin’ny fanavotana ny mahantra any Nauvoo. …
“… Andro fanaovana asa anio” (Journal History of The Church of Jesus Christ of Latter-Day Saints, sept. 28, 1846, 5–6, Church History Library, Salt Lake City).
-
Inona no ampianarin’io tenin’i Brigham Young io antsika mikasika ny fanekempihavanana ataontsika? (Makà antoka fa takatr’ireo mpianatra fa tsy ampy ny manao fanekempihavanana fotsiny—fa mila manaja azy ireny koa isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia mitaky ny hiainantsika araka ireo fanekempihavanana nataontsika.)
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:
Zarao ho mpinamana tsiroaroa ny mpianatra, ary asao izy ireo hisafidy iray amin’ireo fanontaniana ary hifanakalo hevitra momba ny valintenin’izy ireo amin’ny namany. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy manontolo.
Farano ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra handinika ny tokony ataon’izy ireo mba hiainan’izy ireo araka ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana azo amin’ny fanajana ireo fanekempihavanana.