Seminera sy Institiota
Lesona 62: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57


Lesona 62

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57

Fampidirana

Tamin ny jona 1831 dia nandidy an’i Joseph Smith sy ireo loholona ny Tompo mba hanao fihaonamben’ny Fiangonana tao Missouri (jereo nyF&F 52:2). Nankatò ny didy i Joseph Smith sy ireo hafa ka nandeha sahabo ho 1 448 kilometatra avy any Ohio ho any Missouri. Taorian’ny nahatongavany tao Missouri dia nahazo fanambarana ny Mpaminany izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57. Ao amin’io fizarana io dia nanambara ny toerana misy ny tanànan’i Ziona ny Tompo, ho fanatanterahana ny fampanantenana nataony tany aloha tamin’ny Olomasina (jereo ny F&F 52). Nampianatra olona maromaro momba ny andraikiny amin’ny fananganana an’i Ziona ihany koa ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:1–6

Nanambara ny toerana misy ny tanànan’i Ziona ny Tompo

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fotoana iray niandrandrany fatratra ny zavatra iray, tahaka ny fankalazana ny andro fety na andro fitsingerenan’ny taona, fanaovana ny asa fitoriana, famangiana ny tempoly, fandraisana fanomezana na fitsidihana ny olon-tiana iray. Anontanio ny mpianatra ny zavatra tsapany rehefa nanakaiky ilay tranga niandrasany.

  • Nahoana no zava-dehibe aminao io tranga io?

  • Ahoana no nahitana taratra ny fientanentananao mikasika an’io zava-niseho io teny amin’ny asa nataonao?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith no nahalalan’ny Olomasina fa any amin’ny toerana iray tao Missouri no hisian’i Ziona (jereo nyF&F 52:2, 5, 42). Hazavao fa taorian’ny niantsoan’ny Tompo ny sasany tamin’ireo Olomasina fahiny mba hiainga avy any Ohio ho any Missouri dia niandry fatratra ny hahalala ny toerana marina misy ny tanànan’ i Ziona ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fientanentanan’ireo Olomasina ny amin’ny fananganana an’i Ziona dia asao ny mpianatra iray hamaky ny tantara manaraka momba ny Rahavavy Polly Knight. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny antony ahitana taratra ny fiandrasan-dRahavavy Knight ny fananganana an’i Ziona tamin’ny alalan’ny zavatra nataony.

“Nanao sorona ny ainy Rahavavy Knight, renin’i Newel sy mpikambana tao amin’ny sampana Colesville mba handehanana any Ziona. Tsy dia tsara loatra ny fahasalaman’i Polly, nefa lehibe tokoa ny faniriany hahita ny tany nampanantenaina hany ka nandà ny ho avela irery tany Ohio izy. … Nanoratra ny zanany lahy hoe: ‘Ny faniriany tokana na lehibe indrindra dia ny hametraka ny tongony ao an-tanin i Ziona sy ny handevenana azy any amin’io tany io.’ … Nitantara izy taty aoriana fa ‘nomen’ny Tompo azy ny fanirian’ny fony ka niaina teo amin’izany tany izany izy’ [Scraps of Biography: Tenth Book of the Faith-Promoting Series (1883), 70; jereo koa ny History of the Church,1:199]. Roa herinandro taorian’ny nahatongavany tao an-tanin i Ziona dia maty i Polly ary izy no Olomasin’ny Andro Farany voalohany nalevina tao Missouri” (Church History in the Fulness of Times, 2nd ed. [Church Educational System manual, 2003], 105).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa vondrona telo no nantsoina handeha sahabo ho 1 448 kilometatra ho any Missouri: ny Mpaminany sy ny vondrona kelina loholona iray (jereo ny F&F 52, 53); ny vondrona misiônera nantsoina hitory teny an-dalana (jereo nyF&F 52; ary ny Olomasin’i Colesville izay notarihin’i Newel Knight (jereo ny F&F 54).

Hazavao fa taorian’ny nahatongavany tao Missouri dia nanontany ny Tompo ny Mpaminany mba hahafantarana bebe kokoa momba ny toerana misy ny tanànan’i Ziona sy ny fotoana tokony hanorenana izany. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57 ny valintenin’ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:1–3. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ary hitady ny toerana izay nilazan’ny Tompo fa hanorenana an’i Ziona.

  • Aiza no toerana tokony nanorenana ny tanànan’i Ziona? (Independence, Fivondronan’i Jackson, Missouri.)

  • Aiza no toerana tokony nanorenana ny tempoly raha ampifandraisina amin’ny tanin’i Ziona? (Tao Independence, Missouri no toerana afovoanʼi Ziona.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3 sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa tokony hisy ao Independence, Missouri, ilay toerana afovoan’i Ziona.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa tokony hisy ao Independence, Missouri na ilay toerana afovoan’i Ziona? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny tempoly no toerana afovoan’i Ziona.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:4–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nandidy ny Olomasina mba hividy tany tao amin’ny Fivondronan i Jackson, Missouri sy ny manodidina azy, mba hahafahany manomboka manorina an’i Ziona sy manangana tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:7–16

Nampianatra olona momba ny andraikiny amin’ny fananganana an’i Ziona ny Tompo

Asao ny mpianatra roa mba hanao tantara an-tsehatra eo imason’ny kilasy izao toe-javatra manaraka izao (Azonao atao ny miresaka amin’ireo mpianatra roa alohan’ny hanombohan’ny fianarana ka hanome fotoana azy ireo hiomanany):

Ny mpianatra iray manontany ny iray hafa hoe: naninona no tsy tonga tamin’ny fivoriana na fiaraha-mientan’ny Fiangonana izy tato ho ato. Mamaly ilay faharoa hoe tsy tsapany ny antony ilaina izany. Tsy mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zatovo na kôlejy ilay mpianatra iray ary toa mahatsapa izy fa tsy afaka manova na inona na inona eo amin’ny hafa ao amin’ilay vondrona.

Aorian’ny fizaran’ilay mpianatra faharoa ny ahiahiny dia angataho ny iray kilasy hilaza ny fomba hamaliany izany mba hanampiana ity mpianatra ity. Rehefa avy nizara ny eritreriny izy ireo dia asao mba hitady fitsipika iray izay afaka manampy ity zatovolahy na zatovovavy ity eo am-pandalinany ny ambiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57.

Soraty eo amin’ ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: F&F 57:7; F&F 57:8–10; F&F 57:11–12; F&F 57:13.

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra, ary omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Angataho ny mpianatra mba hamaky ny andinin-tsoratra masina nampandraiketina azy ireo sy hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.

  • Iza no notondroin’ny Tompo hanampy amin’ny fanorenana an’i Ziona?

  • Inona no zavatra nampandraiketina azy?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany. Hazavao fa ny olona tsirairay izay notoroina hevitra hiorim-ponenana tao Missouri dia nanana fanomezam-pahasoavana sy talenta izay nilaina tamin’ny fanorenana an’i Ziona.

  • Inona no zavatra ampianarin’ny torohevitry ny Tompo antsika momba ny fomba fananganany ny Fanjakany? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamaritra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Tokony hampiasaintsika ny herintsika manokana mba hanampiana amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo rehefa miantso antsika hanao izany Izy. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Tolory hevitra ny mpianatra mba hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny soratra masiny, eo akaikin’ny andininy 8–13.)

  • Ahoana no hanampian’ny fahatakarana an’io fahamarinana io ny zatovolahy na zatovovavy tao amin’ilay tantara an-tsehatra?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fahamarinana io sy ny fifandraisan’izany aminy dia soraty eo amin ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary angataho ny mpianatra hamaly izany ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany ny soratra masina

Inona avy ny herinao?

Ahoana no mety hahatonga ny herinao ho fitahiana ho an’ny fianakavianao sy ny Fiangonana ?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny sasantsasany amin’izy ireo hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

Asao ny mpianatra mba hizara ohatra momba ny olom-patany izay nanorina ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fampiasana ny heriny manokana, ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy na ny fahaiza-manao izay ananany. Farano izany amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa ny tsirairay amin’ireo mpianatrao dia manana andraikitra goavana amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo. Entano izy ireo mba hampiasa ny heriny manokana mba hitahiana ny fianakaviany sy ny Fiangonana.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3. “Ny faritra ho an’ny tempoly”

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanazava zavatra iray izay azontsika atao mba hifantohana any amin’ny tempoly sy hanampiana ireo zanatsika hifantoka amin’izany dieny mbola kely:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Tena zavatra hahafinaritra tokoa raha … manana ny sarin’ny tempoly ny ray aman-dreny ao an’efitrano fatoriany tsirairay avy mba ahafahan’ny zazalahy kely na zazavavy kely mijery, dieny mbola kely, ilay sary isan’andro ka ho lasa raiki-tapisaka eo amin’ny fiainany izany. Rehefa tonga ny fotoana izay ilainy handraisana ilay fanapahan-kevitra lehibe [momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly], dia ho efa ho vita mialoha izany” (The Teachings of Spencer W. Kimball, navoakan’i Edward L. Kimball [1982], 301).

Nilaza ny maha-zava-dehibe ny tempoly ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Howard W. Hunter:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Aoka isika mba ho olona mpandeha any amin’ny tempoly sy ho olona tia ny tempoly. … Ndeha isika hanao ny tempoly, miaraka amin’ny fitsaohana sy ny fanekempihavanan’ny tempoly, ho tanjontsika faratampony ety an-tany sy ho traikefa avo indrindra amin’ny fiainana an-tany.” (“A Temple-Motivated People,”Ensign, feb. 1995, 5).

Hamoaka printy