Seminera sy Institiota
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–40; Ao Ohio (Fizarana 9)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–40; Ao Ohio (Fizarana 9)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–40 sy ny lesona “Ao Ohio” (fizarana 9) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–37)

Tamin’ny alalan’ny fanambarana ho an’i Edward Partridge nomena talohan’ny batisany ireo mpianatra no nianatra fa ireo mpihazona ny fisoronana dia voantso hitory ny filazantsara ary tokony ho madio.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38)

Rehefa nandalina ny didin’ny Tompo ho an’ny Olomasina ny amin’ny tokony hiangonany any Ohio ny mpianatra dia nahita izy ireo fa ny Tompo dia mahafantatra ny zava-drehetra, afaka mampitandrina antsika amin’ny loza Izy ary nanome antsika ireo didy mba ho fiarovana antsika Izy. Nianatra koa izy ireo hoe ny Tompo dia nampanantena ireo Olomasina fa raha mankatò ny didiny izy ireo dia ho voaomana ka tsy hatahotra.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40)

Ny Tompo dia nitarika ny mpitory Protestanta iray antsoina hoe James Covel mba ho atao batisa ka hitory ny fahafenoan’ny filazantsara. Avy tamin’io torolalana io ireo mpianatra dia nianatra fa raha mandray an’i Kristy isika dia hanome antsika hery mba ho lasa zanakalahiny sy zanakavaviny isika. Ireo mpianatra dia nianatra ihany koa fa ny fitahiana nampanantenan’ny Tompo dia miankina amin’ny fihainontsika ny feony. Nandà ny fanasan’ny Mpamonjy mba ho atao batisa i James Covel. Nianatra ireo mpianatra fa ny tahotra sy ny firaharahiana ny zavatr’izao tontolo izao dia afaka mitarika antsika amin’ny fanilihana ny tenin’ Andriamanitra.

Andro 4 (Ao Ohio)

Ity lesona ity dia manome topimaso ny mpianatra amin’ny zavatra niainan’ny Olomasina tany Ohio nanomboka ny taona 1831 hatramin’ny taona 1838. Nianatra ireo mpianatra fa ny Tompo dia nampanantena ireo Olomasina tany Ohio fa hanambara ny lalàny Izy ary hitafy azy ireo amin’ny hery avy any ambony. Ankoatra izany dia nilaza ny Tompo fa hiantso ireo Olomasina Izy mba hitory ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao. Nianatra ireo mpianatra ny amin’ny fomba hanomezan’ny Tompo fanambarana anampy fanambarana ho an’ny Olomasina sy ny fomba hanatanterahany ny fampanantenany na dia misy aza ny fanoherana sy ny fanenjehana. Nianatra koa izy ireo mikasika ny zava-nitranga mampalahelo sy fanoherana sasantsasany izay natrehan’ny Olomasina raha mbola tany Ohio izy ireo.

Fampidirana

Tsy nanome torolalana ny amin’ny tokony hifindran’ny Olomasina any Ohio fotsiny ny Tompo fa nanoro hevitra koa Izy ny amin’ny fomba tokony hifampitondran’izy ireo. Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hianatra momba ny didin’ny Tompo mba ho iray ary mba hanome lanja ny hafa tahaka ny fanomezantsika lanja ny tenantsika.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36–38

Nomena didy ireo Olomasina mba ho iray

Zarao ho vondrona roa ny mpianatra rehetra ary omeo ny karazana zavatra izay fampiasa amin’ny fanorenana ny vondrona tsirairay (mety tafiditra ao anatin’izany ny fitaovana toy ny vatan-kazo na ny kaopy vita amin’ny taratasy na ny boaty kely foana). Ataovy izay hahazoan’ny vondrona iray fitaovana maromaro kokoa na lehibe kokoa noho ny vondrona iray hafa.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity manaraka ity: Manangàna tilikambo avo araka izay vita amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Aza milaza na inona na inona izay mety hanambara fa fifaninanana ity asa atao ity ary aza milaza hoe tilikambo roa no hatsangana. Mitombona raha hihevitra ny mpianatra fa hifaninana ny vondrona roa. Raha manontany ireo mpianatra hoe tokony hiasa miaraka sa hiasa amin’ny maha vondrona misaraka izy ireo dia lazao fotsiny hoe: Tokony hanangana tilikambo avo araka izay vitany izy ireo.

Omeo iray minitra izy ireo hamitàna ny asa. Rehefa vita izany dia asaivo manao tombatombana ny mpianatra hoe iza no “naharesy”. Rehefa nizara ny heviny ireo mpianatra dia ampahafantaro izy ireo fa mba hilazana fa nataony tsara ny asa nandritra ity asa atao ity dia mila mandalina ny torohevitry ny Tompo ho an’ny Olomasina teo am-piomanana amin’ny fifindrana any Ohio izy ireo. Asao ireo mpianatra hikaroka hevi-baovao ao amin’ity asa atao ity sy mandritra ny fiainany rehefa mandalina ny torolalan’ny Tompo ho an’ny Olomasina tany am-piandohana.

Asaivo mampahatsiahy ny antony nanomezan’ny Tompo didy ny Olomasina ny amin’ny tokony hiangonana any Ohio ny mpianatra. (Raha ilaina dia amporisiho izy ireo hamerina hijery ny zavatra noraisiny an-tsoratra tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–38 sy tao amin’ny diary fandalinany soratra masina.) Ny valintenin’ny mpianatra dia tokony hahitana ireo loza nitaotao natrehan’ny Olomasina tany New York sy ny fitahiana izay nampanantenan’ny Tompo ny olony rehefa tafangona tany Ohio izy ireo.

Hazavao fa rehefa nanoro lalana ny Olomasina mikasika ny finfindrana any Ohio ny Tompo dia nanome torohevitra ny amin’ny fomba tokony hifampitondran’ny Olomasina Izy. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:23–25 ka hitady ireo andian-teny izay mampianatra ny fomba tokony hiheverana ny olona hafa.

  • Ahoana araka ny tenin’ny Tompo no tokony heverantsika ny hafa?

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe fiheverana ny rahalahantsika ho toy ny tenantsika? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tokony hanome lanja ny hafa toy ny fanomezantsika lanja ny tenantsika isika.)

  • Inona no mitranga rehefa mihevitra ny olona fa izy ireo dia manan-danja kokoa, na tsaratsara kokoa noho ny hafa?

  • Inona ireo fitahiana izay mety ho tonga amintsika amin’ny maha Fiangonana antsika sy ireo fitahiana ho azontsika manokana rehefa tsy mihevitra ny tenantsika ho manan-danja kokoa noho ny hafa isika?

Asehoy ny rehetra ny lamba kely tsara tarehy iray sy ny voro-kitsay iray. Anontanio ny mpianatra hoe karazana lamba toa inona no irian’izy ireo hotafiana. Hazavao fa ho fanampiana ny Olomasina hahatakatra io fitsipika io dia nanome fanoharana iray ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:26. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra hafa ka hitady ny fomba niheveran’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana ny zanany lahy roa.

  • Inona no mety ho fahatsapanao raha toa ka ianao ilay zanakalahy nitafy voro-kitsay?

  • Inona no azon’ilay zanakalahy nandray ny akanjo lava natao mba hanatsarana io toe-javatra io? (Azony natao ny nizara ny zavatra nananany tamin’ilay zanakalahy tsy dia nanana loatra.)

  • Inona araka ny eritreritrao no hafatry ny Tompo ho antsika ao amin’io fanoharana io?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27 ka hitady fitsipika iray izay irian’ny Tompo ho takatsika avy amin’io fanoharana io. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny fitsipika voalohany nosoratanao ity fitsipika manaraka ity: Raha tsy iray isika dia tsy vahoakan’ny Tompo. Azonao atao ihany koa ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanisiany marika ny teny ao amin’ny soratra masiny izay mampianatra io fitsipika io.

  • Raha amin’ny sahan-kevitra ao amin’ny andininy 27 dia inona ny dikan’ny hoe “ho iray”? (Miray hina amin’ny hafa sy amin’ny Tompo amim-pahamarinana.)

  • Ahoana ny fanomezan-danja ny hafa toy ny fanomezantsika lanja ny tenantsika no mety hanampy antsika ho iray bebe kokoa amin’ny hafa? Ahoana no mety hanampian’izany antsika ho lasa iray amin’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy hahafahantsika ho lasa vahoakan’ny Tompo raha tsy iray?

Hazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohany izay nantsoina mba hiangona tany Ohio dia samihafa fiaviana avokoa. Ny sasany dia nanana toeram-pambolena sy fiompiana niroborobo ary nohajaina tany amin’ny fiaraha-monina nisy azy raha ny hafa kosa dia tsy nanana betsaka sy noheverina fa ambany teo amin’ny fiaraha-monina.

  • Ahoana no fomba nitahian’ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe ny Olomasina raha niangona niaraka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa tany Ohio izy ireo?

Resaho ilay asa atao momba ny fanorenana tilikambo tamin’ny fiatombohan’ny lesona. Asaivo lazain’ny mpianatra indray ny tanjon’ilay asa (manangana tilikambo avo araka izay vita).

  • Nanangana tilikambo avo araka izay vitantsika ve isika? (Raha nanambatra ny fitaovana teo am-pelatanany ireo vondrona dia mety nahavita izany. Raha niasa samy irery ireo vondrona dia mety hilaza izy ireo fa nanorina tilikambo avo araka izay vitany tamin’ny alalan’ny kely nananany.)

  • Raha miainga avy amin’ny torolalan’ny Tompo ho an’ny Olomasina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38, dia inona no fomba tsara indrindra hananganana tilikambo iray avo araka izay vitantsika? (Ny fiarahana miaraka ho vondrona iray ary ny fitambarana amin’ny fitaovana nananana amin’ny fananganana tilikambo iray.)

  • Inona ireo toe-javatra sasany amin’ny fiainana izay mety hahazoantsika fakam-panahy hihevitra ny tombotsoantsika manokana fa tsy ny hahamafy orina na hampitraka ny hafa manodidina antsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asao ny mpianatra mba hihaino ny fifandraisan’ilay didy mba ho iray amin’ny didin’ Andriamanitra mba hiangonan’ny vahoakany miaraka. Mety ilaina ny hanomananao tahadikan’ity fanambarana ity mba hahafahan’ny mpianatra manaraka ny vakinteny.

Filoha Henry B. Eyring

“… Fantatsika avy amin’ny zavatra niainana fa tonga ny fifaliana rehefa misy ny firaisan-kina. … [Ny fanirian’ny Ray any An-danitra] dia ny hanome antsika izany faniriana masina ny mba te ho iray izany noho ny fiitavany antsika.

“Tsy afaka manome izany ho an’ny tenantsika manokana izy. Ny fifalian’ny firaisan-kina izay tiany homena antsika mafy dia tsy natao ho an’olon-tokana. Tsy maintsy mikatsaka izany ary mendrika ny hahazo izany miaraka amin’ny hafa isika. Tsy mahagaga izany raha toa ka mamporisika antsika mba hivondrona Andriamanitra mba ahafahany mitahy antsika. Tiany ny mba hivondronantsika ao anatin’ny fianakaviana. Nanorina kilasy, paroasy sy sampana Izy ary nandidy antsika mba hiara-hivory matetika. Misy tombontsoa lehibe ho antsika ao anatin’ireny fivondronana nalamin’ Andriamanitra ho antsika ireny. Afaka mangataka amim-bavaka an’izany firaisankina izany isika sy miasa mba hahatratrarana izany, izay hitondra fifaliana ho antsika sy hampitombo ny hery hanompoantsika” (“Ny Fontsika Mitambatra ho Iray,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 69).

  • Nahoana araka ny voalazan’ny Filoha Eyring ny Tompo no maniry ny hitambarantsika miaraka?

  • Inona ireo fitahiana avy amin’ny firaisan-kina araka ny voalazany?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny tenin’ny Filoha Eyring antsika hahatakatra ny antony hivondronantsika miaraka amin’ny maha-fianakaviana? Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana? Amin’ny maha-kilasin’ny seminera?

  • Tamin’ny fomba ahoana ianao no niaina ireo fitahiana avy amin’ny fitambarana miaraka amin’ny olona hafa?

Asao ny mpianatra mba handany fotoana vitsivitsy amin’ny fanoratana ao amin’ny diary fandalinany soratra masina momba ny zavatra azony atao mba hiraisany hina amin’ny fianakaviany, amin’ny zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny kôlejy sy kilasy misy azy any am-piangonana ary amin’ny Tompo. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana avy amin’ny firaisan-kina amin’ny hafa sy mikasika ny fanomezan-danja ny hafa tahaka ny tenantsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40

Ny Tompo dia manome fanasana iray ho an’i James Covel

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny mombamomba an’i James Covel sy ny zava-nitranga taminy amin’ny famakiana ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 sy ny 40. Ny 5 janoary 1831 i James Covel dia nodidian’ny Tompo mba hatao batisa (jereo ny F&F 39:10). Tsy nahatana ny fampanantenany hankatò ny didin’ny Tompo anefa izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1–3. Asaivo mitantara ny antony nandavan’i James Covel ny fanasana nomen’ny Tompo azy ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ireo andininy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fitazonana ny fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44)

Mba hanomanana ny mpianatra amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44, dia azonao atao ny manasa azy ireo handinika ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona ireo loza ateraky ny fitsiriritana? Ahoana no fomba tokony hampianarana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo? Ahoana no ho fahatsapan’ireo olo-marina ny fahafatesana? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hanana fahafahana hianatra ny valiny nomen’ny Tompo momba ireo fanontaniana ireo ary hianatra ihany koa momba ny lalàn’ny fanokanana avy amin’ny Tompo.