Seminera sy Institiota
Lesona 60: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56


Lesona 60

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56

Fampidirana

Nomena andraikitra i Ezra Thayre mba hiara-hipetraka sy hiara-hiasa tamin’i Joseph Smith Rainy teo amin’ny tany fambolena sy fiompian’i Frederick G. Williams tao Kirtland, Ohio. Nanampy tamin’ny fandoavana ny sasany tamin’ireo trosa tokony aloha tamin’ilay tany koa Rahalahy Thayre. Tamin’ny fiandohan’ny volana jona 1831 dia nantsoina hanao asa fitoriana tany Missouri izy sy i Thomas B. Marsh (jereo ny F&F 52:22). Noho ny avonavona sy ny fitiavan-tena dia tsy vonona ny handeha hiaraka tamin-dRahalahy Marsh Rahalahy Thayre. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56, izay voaray tamin’ny 15 jona, dia nofoanan’ny Tompo ny fiantsoana an-dRahalahy Thayre ka dia nanome namana vaovao an-dRahalahy Marsh Izy. Nampitandrina tamin’ny avonavona ny Tompo ary nampianatra ny Olomasina fa manana zavatra maro voatahiry ho azy ireo mihoatra noho ny tany sy ny vola Izy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:1–13

Manafoana ny antson’i Ezra Thayre mba hitory ny Tompo ka mampitandrina azy mba hibebaka

Anontanio ireo mpianatra raha mahafantatra olona izay efa nahafoy zavatra manan-danja iray mba hahafahana mankatò ny didin’ny Tompo. (Ireo ohatra dia mety ahitana olona izay nahafoy tena mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana na handehanana hitory ny filazantsara na hankatò fenitra ara-pitondrantenan’ny Fiangonana.) Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny ohatr’izy ireo.

Hazavao fa tamin’ny volana jona 1831 dia niantso an’i Ezra Thayre ny Tompo hanao asa fitoriana tany Missouri, miaraka amin’i Thomas B. Marsh. Ny fiahiahian-dRahalahy Thayre ny amin’ny fananany sy ny volany no nahatonga azy tsy ho vonona ny handeha hiaraka tamin-dRahalahy Marsh rehefa vonona ity farany, ka noho izany dia nankany amin’i Joseph Smith Rahalahy Marsh mba hanontany izay tokony hataony. Rehefa nanontany ny Tompo ny Mpaminany dia namaly azy tamin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:1–2. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ireo izay tsy manaiky hankatò ny didiny.

  • Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ireo izay mandà ny hankatò ny didiny?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Mba ho voavonjy dia tsy maintsy … isika.

Asao ny mpianatra hameno ilay fehezan-teny araka ny voalaza ao amin’ny andininy 2. Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mba ho voavonjy dia tsy maintsy manaraka ny Mpamonjy sy mitandrina ny didiny isika. (Fenoy ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[m]itondra ny hazofilalia[ntsika]”? (Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io andian-teny io dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 16:24, izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

  • Inona ireo didy nomen’ Andriamanitra izay mitaky ny fitondranao ny hazofijalianao ary hanao fahafoizan-tena mba ho mpankatò? (Ny ohatra sasany amin’izany dia azo jerena ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts.)

  • Inona avy ireo fitahiana voarainareo na horaisinareo satria misafidy ny hankatò ianareo?

Manontania hoe ahoana no fomba ahafahan’ireo olona ato amin’ireto ohatra manaraka ireto mitondra ny hazofijaliany sy mankatò ny didin’ny Tompo:

  1. Efa akaiky ny fotoana hahafahan’ny zatovolahy iray hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Miahiahy ny amin’ny zavatra rehetra izay tsy maintsy hilaozany rehefa mandeha izy.

  2. Ny zatovovavy iray dia mahafantatra fa ny tanora ao amin’ny paroasiny dia hankany amin’ny tempoly afaka volana vitsivitsy fa tsy manana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly anefa izy. Misy zavatra iray ao amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao izay manakana azy tsy hanana izany fahazoan-dalana izany.

Hazavao fa rehefa misafidy ny tsy hitondra ny hazofijaliantsika isika dia mety tsy afaka hanana ireo fahafahana hitahy ny hafa sy handray ireo fitahiana ho an’ny tenantsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:3–5 Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga satria tsy vonona ny ho any Missouri i Ezra Thayre. Alohan’ny hamakin’ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe manafoana dia midika hoe manaisotra na manajanona.

  • Very inona i Ezra Thayre noho izy tsy vonona ny handeha? (Very ny fahafahany hanao asa fitoriana sy ny fahafahany handray ireo fitahiana tokony ho azony avy amin’izany.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4 dia inona no azon’ny Tompo atao amin’ireo didy izay omeny? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Afaka manome didy na manafoana ny didy iray ny Tompo araka izay hitany fa mety.)

Anontanio ny mpianatra raha misy ohatra azony eritreretina avy ao amin’ny soratra masina na ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana mikasika ny nanomezan’ny Tompo didy iray ary avy eo dia nanafoana izany. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

  1. Rehefa avy nanome didy ambony kokoa ho an’i Mosesy sy ny vahoakany ny Tompo dia nikomy ny zanak’i Isiraely ka nanomboka nitsaoka zanak’omby volamena. Dia nomen’ny Tompo lalàna ambanimbany kokoa izy ireo avy eo. (Jereo ny Eksodosy 32–34; Dikantenin’i Joseph Smith, Eksodosy 34:1–2; F&F 84:23–27.)

  2. Nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany dia naniraka ireo Apôstôly izy mba handeha ho any amin’ireo mpikambana tao amin’ny mpianakavin’i Isisraely ihany (jereo ny Matio 10:5). Fotoana fohy taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia niteny tamin’ireo Apôstôly izy mba hitory ny filazantsara amin’ny olona manerana ny firenena rehetra (jereo ny Matio 28:19).

  3. Nandritra ity fotoampitantanana ity, ny Tompo dia nandidy ny sasany tamin’ireo Olomasina tany aloha hampihatra ny fanambadiana maro. Sarotra ho an’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika maro hafa tao amin’ny Fiangonana io didy io, kanefa nankatò izany izy ireo. Rehefa avy nandray fanambarana ny Filoha Wilford Woodruff dia namoaka ilay Manifestô izy, izay neken’ny Fiangonana fa manan-kery sy tsy azo ovana tamin’ny 6 ôktôbra 1890. Izany dia nitarika ho amin’ny fampitsaharana ny fanaovana fanambadiana maro tato amin’ny Fiangonana (jereo ny Filazana Ofisialy 1

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:6–7 amin’ny alalan’ny fanazavana fa novain’ny Tompo ihany koa ny antso nomena an’i Selah J. Griffin sy i Newel Knight hanao asa fitoriana. Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa noho ireo zava-tsarotra niainana noho ny nataon’i Leman Copley tao Thompson, Ohio, dia nomena toromarika hifindra tany Missouri ireo Olomasina tao Colesville. Nanontany ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo raha toa ka afaka mandeha mifindra miaraka amin’i Newel Knight mba hitarika azy ireo, tahaka izay nataony hatramin’ny nialan’izy ireo tao Colesville. Nantsoina hiara-hanompo tamin’i Selah J. Griffin i Newel Knight talohan’ireo zava-tsarotra niainana ireo (jereo ny F&F 52:32), ka noho izany dia nandidy an’i Selah J. Griffin ny Tompo mba haka ny toeran’i Ezra Thayre mba ho namana mpiara-mitory amin’i Thomas B. Marsh ary i Newel Knight mba hijanona miaraka amin’ireo Olomasina tao Colesville.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:8–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nandidian’ny Tompo an’i Ezra Thayre mba ho ataony rehefa nofoanana ny antso nomena azy mba hitory ny filazantsara.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa hitranga raha tsy mibebaka i Ezra Thayre? Inona no ho nitranga raha tsy nibebaka izy?

Hazavao fa nisafidy ny hibebaka i Ezra ary fito volana taty aoriana dia nantsoina indray izy mba ho lasa misiônera niaraka tamin’i Thomas B. Marsh (jereo ny F&F 75:31)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–20

Mampitandrina ny Olomasina amin’ny fimatimatesan-karena sy ny fo feno avonavona ny Tompo

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa manana namana izy ireo izay nanota ka mahatsapa ho tsy mendrika. Manatona azy ireo ilay namana dia manontany hoe: “Inona no tokony hataoko mba hibebahana?” Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hamaliana. Rehefa avy mamaly izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fihetsika sy asa izay manakana ny famelana ny fahotantsika.

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–15 dia inona ireo fihetsika sy asa izay manakana ny famelana ny fahotantsika?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ilay andian-teny hoe “hanao araka ny fombanareo ihany”? Inona no tian’ilay andian-teny hoe “tsy afa-po ny fonareo” holazaina? (Izany dia midika hoe tsy faly amin’izay anananareo.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 14 sy 15 mikasika ny zavatra ilaina atao mba hibebahana sy hahazoana famelan-keloka? Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana ity fahamarinana manaraka ity: Ny fibebahana dia ahitana ny fankatoavana ny torohevitry ny Tompo sy ny fialana amin’ireo faniriana tsy mendrika. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ity fahamarinana ity ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–15.)

  • Nahoana ny fankatoavana sy ny fialana amin’ny tsy fahamarinana no ilaina ao anatin’ny fibebahana marina?

Hazavao fa ny fibebahana dia tsy fanarahana dingana maromaro fotsiny ihany fa mitaky fiovam-po tanteraka—fanolorantena ny hankatò ny Tompo sy hiala amin’ny tsy fahamarinana rehetra. Rehefa voaray ity fanambarana ity dia toa hita fa nanakana an’i Ezra Thayre tsy hankatò ny torohevitry ny Tompo ny fitiavan-tenany sy ny avonavony.

  • Ahoana no fomba hanimban’ny avonavon’ny olona iray ny fahafahany hanana fo mibebaka?

Asao ny mpianatra hamaky miaraka amin’ny namana iray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:16–17. Angataho ny iray amin’ireo mpiara-miasa mba hitady ny mety ho fomba fisehon’ny fo tsy mibebaka ao amin’ny olona iray mpanan-karena. Angataho ilay mpiara-miasa iray hafa hitady ny mety ho fomba fisehon’ny fo tsy mibebaka ao amin’ny olona iray mahantra. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany. Angataho ny mpianatra hanazava ny zavatra hitany amin’ireo mpiara-miasa aminy ary avy eo dia hiara-hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra azy ireo eo amin’ny solaitrabe):

  • Inona no hitanareo fa itovizan’ireo fo tsy mibebaka izay an’ilay mpanan-karena sy ilay mahantra?

  • Nahoana no toetra iraisan’ilay mpanan-karena sy ilay mahantra ny fimatimatesan-karena?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fotoana mety nahitany ireo fihetsika ireo niseho teo amin’ny fiainany manokana na teo amin’ny fiainan’ireo olona fantany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo teny izay mamaritra ny fon’ireo izay hotahiana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 18 dia tokony hanao ahoana ny fontsika? Inona ny dikan’ny hoe manana fo torotoro? Ary ny fanahy manenina? (Ireo fiteny ireo dia manambara ny fanetrentena sy ny fanoavana ny Tompo.)

  • Raha matimatin-karena ny fontsika dia ahoana no ahafahantsika miova?

Asao ny mpianatra hanohy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:19–20 miaraka amin’ireo namana mpiara-miasa aminy. Asao izy ireo hitady ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mietry am-po. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Ireo izay manana fo mietry dia …

  • Araka ny voalazan’ny andininy 18–20 dia inona avy ireo fitahiana izay mameno ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe? (Rehefa hitan’ny mpianatra ireo fitahiana voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia soraty eo amin’ny solaitrabe izany. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe valisoadia iantsoana ny valisoa noho ny asa tsara natao sy ny famaizana noho ny asa ratsy natao.)

Hazavao fa, ao anatin’ny lalàn’ny fanokanana, ilay ampahany izay nomena ny olona iray na ny fianakaviana iray araka ny toe-javatra iainan’izy ireo dia nantsoina hoe “lova” (F&F 57:7). Azo heverina fa nandritra ny fampiharana io lalàna io tany aloha tany dia nanjary nitebiteby diso tafahoatra tamin’ny fahazoana ny “lovany” ny olomasina sasany toa an’i Ezra Thayre.

Soraty eo akaikin’ireo fitahiana voatanisa eo amin’ny solaitrabe ireo teny hoe Ny Lovako.

  • Raha miainga avy amin’ireo zavatra nataontsika lisitra dia ahoana no hamintinanareo ireo fitahiana izay tehirizin’ny Tompo ho an’ireo izay mietry am-po? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Ireo izay mietry am-po dia handova ny tany.)

  • Manao ahoana ireo fitahiana voafaritra ao amin’ny andininy 18–20 raha ampitahaina amin’ny fananana sy ny vola izay mety nampitebiteby an’i Ezra Thayre sy ireo Olomasina taloha?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana, na lova izay tehirizin’ny Tompo ho antsika rehefa mandà amin’ny tenantsika ny tsy fahamarinana isika ary manolo-tena ny hanaraka ny didiny.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:2. Mitondra ny hazofijaliantsika sy manaraka ny Tompo amin’ny firotsahana ho misiônera

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia niresaka mikasika ny zavatra andrasana amin’ireo zatovolahy mba hahafoy izay rehetra ilaina mba hanaovana asa fitoriana:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Hoy ny Filoha [Spencer W.] Kimball mikasika ny fanaovana asa fitoriana hoe: ‘Tena fitiavan-tena sy tsy firaharahiana lehibe tokoa ny an’ny zatovolahy iray raha toa izy ka lasa olon-dehibe dia mandany ny fotoany amin’ny fiomanana amin’ny asany mandritra ny fiainany ka tsy manana fahavononana ny hanompo ny Mpahary azy ao anatin’ity asa fanompoana manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao ity’ (Seminera ho an’ireo Solontenam-paritra, 30 sept. 1977). …

“Ray zatovolahy, tokony ho teny filamatra ho an’ny tenanareo manokana ity teny nambaran’ny Filoha Kimball ity: “Ny lehilahy Olomasin’ny Andro Farany rehetra izay mendrika sy manana fahafahana dia tokony hanatanteraka asa fitoriana” (Ensign, mey 1974, p. 87). Mangataka anareo izahay mba hanao fahafoizana. Izany no iantsoanay ilay izy satria tsy manana anarana tsara kokoa ho an’izany izahay. Fanolorantena izany. Mirotsaha amin’ny fanaovana izany, dia ny asa fanompoana lehibe sy tsara indrindra eto an-tany. Aza hitsoahana ilay andraikitra. Aza manao fanahiniana mandà izany. Manasa anareo izahay hiditra ao amin’ilay tafiky ny misiônera … izay tsy mitsaha-mitombo isan’andro. Ny asanareo dia ny hanambara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao tontolo izao. Fantaro fa mahatoky sy tia anareo izahay. Miandry anareo izahay mba hanao io asa fitoriana io” (“This Is a Day of Sacrifice,” Ensign, mey 1979, 33).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:4. Mandidy sy manafoana ny Tompo

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome hevi-baovao mikasika ny fomba hanovan’ny Tompo indraindray ny didy omeny ny Fiangonana. Namporisika ireo mpikambana ny Filoha Packer mba hahatoky ny dingan’ny fanambarana izay omena ireo Apôstôly sy hanaiky ireo fanovana atao amin’ireo fomba amam-panao sy ireo dingana arahina rehefa ambara izy ireo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ireo fanovana eo amin’ny fandaminana na ireo dingana arahina dia fijoroana ho vavolombelona fa mitohy ny fahazoana fanambarana. Raha tsy miova ireo fotopampianarana dia miova kosa ireo fomba ampiasaina na ireo dingana arahina. …

“Nambara andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika, ary etsy kely sy eroa kely ny drafitry ny filazantsara. Dia mitohy izany manao hoe: ‘Mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra.’ (Fanek 1:9.)

“Hisy ny fanovana hatao amin’ny hoavy tahaka izay natao teo aloha. Ny fanovana ataon’ireo Rahalahy na ny fitazonana azy ireo dia miankina tanteraka amin’ireo torolalana azon’izy ireo amin’ny alalan’ireo lalam-pifandraisana hahazoana fanambarana izay napetraka hatrany am-piandohana.

“Hijanona araka ny maha-izy azy ireo sy mandrakizay ireo fotopampianarana. Hiovaova ny fandaminana sy ireo fandaharana ary ireo fomba fanaovan-javatra araka izay asain’Ilay tompon’ity Fiangonana ity. …

“Ary amin’ny farany dia tonga ireo zavatra nomena satria ny Tompo no nilaza izany, ‘na amin’ny alalan’ny feo[ny] na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompo[ny], dia iray ihany izany.’ (F&F 1:38.) Fantatsika ny feony rehefa miteny Izy” (“Revelation in a Changing World,” Ensign, nôv. 1989, 15, 16).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–15. Voavela heloka

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny vokatra azo avy amin’ny fiainana fiovam-po tanteraka amin’ny alalan’ny fibebahana:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Mitaky ny olona hanana tanjona matotra sy fahavononana hanohy ny ezaka handresy ny fahotana ny fibebahana na dia tsy maintsy mandalo amin’ny fanaintainana aza. Mety hanampy ny olona sasany ny miezaka mamorona lisitra amin’ireo dingana manokan’ny fibebahana kanefa mety hitarika ihany koa amin’ny fomba fibebahana mandeha ho azy sy tsy noeritreretina izany, izay tsy tena avy amin’ny fo na mitondra fiovana. Tsy zavatra amboarimboarina ny fibebahana marina. …

“Rehefa miaraka amin’ny finoana an’ ilay Mpanavotra be famindram-po, sy amin’ny alalan’ny fahefany, dia hivadika ho fanantenana ilay fahakiviana. Miova ny ao anatin’ny fo sy ny fanirian’ny olona iray ary lasa mankahala an’ ilay toetra mora voasariky ny ota teo aloha. Maniry ao anatin’ izany fo vaovao izany amin’ izay fotoana izay ilay fahavononana tanteraka handao sy hahafoy ny ota ary hanitsy arak’ izay tratra ireo zavatra nosimbainy. Izany fahavononana tanteraka izany dia vetivety dia lasa fanekempihavanana ny hankatò an’ Andriamanitra. Rehefa vita izany fanekempihavanana izany dia hitondra fanamaivanana sy famelan-keloka ny Fanahy Masina, ilay mpitondra ny famindram-po avy any an-danitra” (“Ilay fanomezana masin’ny fibebahana” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 40).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:19. Hanome valisoa ho an’ireo mietry am-po ny Tompo

Ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampianatra ny fitsipiky ny fanonerana, izay ahitana ny fampanantenana valisoa avy amin’ny Tompo:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ny Tompo dia manonitra ny zavatra very rehetra ho an’izay mahatoky. Ireo izay nalaina tamin’ireo nitia ny Tompo dia homeny azy ireo araka ny fombany. Raha mety tsy ho tonga amin’ny fotoana iriantsika izany, ireo mahatoky kosa dia hahafantatra fa ny ranomaso rehetra latsaka androany dia hiverina ho ranomasom-pifaliana sy fankasitrahana avo zato heny” (“Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 28).

Hamoaka printy