Seminera
Lesona 151: Ny Ady tany Utah sy ny Fandripahana tany Mountain Meadows


Lesona 151

Ny Ady tany Utah sy ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Fampidirana

Teo anelanelan’ny 1850 sy 1860, dia niteraka ny Adin’ny 1857–58 tany Utah ny disadisa sy ny faharatsiam-pifandraisana nisy teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manam-pahefan’ny governemantan’i Etazonia. Ny volana septambra 1857, dia nanomboka ihany koa ny disadisa teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny mpifindra monina nandeha fiaran-dalambỳ nandalo tany Utah. Ny Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ny faritra atsimon’i Utah sasany, izay natosiky ny hatezerana sy ny tahotra dia nanao drafitra sy nanatanteraka ny famonoana ny mpifindra monina niisa 120 teo ho eo izay nanao dia nankany Californie. Izany habibiana izany dia fantatra amin’ny hoe ny Fandripahana tany Mountain Meadows.

Sosokevitra enti-mampianatra

Misy ny disadisa eo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny governemantan’i Etazonia

Hazavao fa tamin’ny 24 jolay 1857, dia niaraka tamin’ireo vondron’Olomasina nankalaza ny fahafolo taonan’ny nahatongavan’izy ireo tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny Filoha Brigham Young raha nahare ny fanamafisana ny vaovao re teo aloha fa misy miaramila ho avy ho any Salt Lake City. Ny taona maromaro teo aloha dia nahitana fa ny tsy fitovian-kevitra sy faharatsiam-pifandraisana no niteraka ny fitomboan’ny disadisa nisy teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manam-pahefan’ny governemantan’i Etazonia. Ireo Olomasina dia naniry ny ho tarihan’ny mpitarika izay nofidin’izy ireo manokana ary nitsipaka ireo olona voatendrin’ny fanjakana izay tsy mitovy foto-kevitra amin’izy ireo. Izany dia nahatonga ireo manam-pahefana ara-panjakana sasany handray izany ho toy ny fikomiana amin’ny governemantan’i Etazonia. Ny Filoha James Buchanan, Filoham-pirenenan’i Etazonia, izay tsy nahazo fanomezan-dalana avy tamin’ny Kôngresy dia nandefa andiana miaramila teo amin’ny 1.500 teo ho eo tany Salt Lake City mba hanery ireo mponin’i Utah hanaiky ireo manam-pahefana vaovao.

  • Raha toa ianao Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny taona 1857 ary raha toa ianao naheno fa miaramila marobe no manatona ny tanananao, inona no ahiahy mety nanananao? (Mety hilaza ny mpianatra fa ireo Olomasina dia nentina an-keriny avy tany Ohio, Missouri sy avy tany Illinois; maro ireo namoy fananana sarobidy sy tany; ary ny sasany dia novonoina na maty nandritra izany fanenjehana izany. Ny vaovao mikasika ny miaramila nanakaiky dia niteraka ahiahy fa izany tranga izany dia mety hitranga ihany koa ao Utah.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity andian-tsoratra manaraka ity:

Nandritra ny toritenin’ny Filoha Young sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa ho an’ny Olomasina dia namariparitra ny fiavian’ny andiana miaramila ho fahavalo izy ireo. Ny Filoha Young, izay efa an-taonany maro no nanasa ireo Olomasina mba hitahiry voa, dia mbola namerina nilaza ny torolalany indray mba hananan’izy ireo sakafo hohanina raha ilaina ny mandositra ireo andiana miaramila. Tamin’ny maha governoran’ny Faritr’i Utah azy dia nanome baiko ny milisim-paritra izy mba hiomanan’izy ireo hiaro ny faritra misy azy ireo.

Nitranga ny disadisa tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ny mpifindra monina nampiasa fiara an-dalambỳ.

Mampisehoa sarin-tany iray mitovy amin’ilay misy ao amin’ny lesona, na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe izany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireto andian-tsoratra roa manaraka ireto:

Sary
sarintanin’ny faritra andrefan’i Etazonia

Kalesim-piara andalambỳ iray izay nizotra niakandrefana avy tany Arkansas mankany Californie no niditra tao Utah tamin’ny fotoana nanombohan’ny fiomananan’ireo Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fiarovana ny faritra misy azy ireo manoloana ny andiana miaramilan’i Etazonia izay manatona. Ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny kalesim-piara andalambỳ dia lasa sorena satria nanahirana ny fividianana ny voa atao sakafo izay tena nilaina tamin’ny Olomasina, izay nahazo torolalana ny hitahiry ny voany. Ireo mpifindra monina ireo dia nila ady tamin’ny Olomasina ihany koa satria tsy tian’ireto farany hihinana ny sakafo sy rano izay vatsy nilain’ny Olomasina ho an’ny biby fiompin’izy ireo manokana ny soavaly mpitarika andian-tsarety sy ny biby fiompy.

Nipoaka ny fifanolanana tao Cedar City, izay toeram-ponenana farany tao Utah amin’ny lalana mankany Californie. Ny fifandonana dia nitranga teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany sy tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay mpitondra andian-tsarety. Ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay mpitondra andian-tsarety dia nampitahotra ny hiaraka amin’ireo andiana miaramilan’ny governemanta mba hiady amin’ireo Olomasina. Na dia nibedy ireo namany aza ny kapitenin’ireo mpitondra andian-tsarety noho ny fampitahorana nataon’izy ireo dia noraisin’ireo mpitarika tao Cedar City sasany sy ireo mponina ho toy ny fahavalo ny mpifindra monina. Ilay andiany mpitondra andian-tsarety dia nandao ny tanàna adiny iray fotsiny taorian’ny nahatongavany, fa ireo mponina sasany sy ireo mpitarika tao Cedar City kosa dia naniry ny hanenjika sy hanasazy ireo lehilahy izay nahatezitra azy ireo.

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana izay niainan’izy ireo ady tamin’ny olona hafa na tamin’ny vondron’olona hafa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:25. Asao ny mpianatra rehetra hanaraka izany vakiteny izany ary hikaroka ny fitsipika iray nampianarin’i Jesoa Kristy izay afaka mitarika antsika rehefa miaina disadisa amin’ny hafa isika.

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “mihavàna faingana amin’ny fahavalonao”?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io andian-teny io, dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity:

Ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ny andian-teny hoe “mihavàna faingana amin’ny fahavalonao” dia midika hoe “vahao haingana ireo disadisantsika, fandrao ireo hafanampo amin’izao fotoana izao hiharatsy ka ho lasa halozana ara-batana na ara-pihetsehampo, ary ho lasa voagejan’ny hatezerantsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 11).

  • Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12: 25 amin’ny teninao manokana? (Mandritra ny famalian’ireo mpianatra ny fanontaniana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny fitsipika mitovy amin’ity manaraka ity: Raha mamaha ny ady amin’ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo isika dia afaka hisoroka ny vokatra mahatsiravin’ny fifandirana.)

  • Nahoana ny fanajana ny fitsipika ao amin’ny 3 Nefia 12:25 no mety nanampy ireo Olomasin’ny Andro Farany izay lasa sosotra tamin’ireo andiany mpitondra andian-tsarety?

Hazavao fa lasa nanahirana hatrany ny toe-javatra satria ireo Olomasina ireo dia tsy namaha ny disadisan’izy ireo tamin’ny mpifindra monina tamin’ny fomban’ny Tompo. I Isaac Haight, ben’ny tanànan’i Cedar City, sy lehiben’ny milisy ary filohan’ny tsatòka dia nitaky fahazoan-dalana avy tamin’ny lehibe mpanapaky ny milisy izay monina teo akaikin’i Parowan, mba hangataka ny hifandonan’ny milisy amin’ireo olona nanafintohina avy amin’ilay mpitondra andian-tsarety. Ilay lehibe mpanapaka ny milisy, i William Dame dia nanoro hevitra an’i Isaac Haight mba tsy hiraharaha ny fampitahoran’ireo mpifindra monina. Tsy nanaraka izany torohevitra izany i Isaac Haight sy ny mpitarika hafa tao Cedar City fa nanapa-kevitra kosa ny handresy lahatra ireo Indiana tao an-toerana sasany mba hanafika ny kalesin-dalambỳ sy hangalatra ny biby fiompin’izy ireo mba hamaizana ireo mpifindra monina ireo. Nangataka an’i John D. Lee, mpikamban’ny Fiangonana tao an-toerana sy lehiben’ny milisy i Isaac Haight mba hitarika ny fanafihana ary izy roa dia samy nitetika ny hanome tsiny ny Indiana amin’ny fanaovana izany.

  • Inona no tokony nataon’ireo mpitarika tao Cedar City rehefa nanoro hevitra azy ireo ny tsy hampiasana milisy i William Dame? Nitarika azy ireo hanao inona no nitsipahana izany torohevitra izany? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha tsy miraharaha torohevitra mikasika ny fanaovana ny marina isika dia lasa mora kokoa amintsika ny hanao safidy tsy mety.)

Antitrantero fa ireo lehilahy ireo dia nanao zavatra nifanohitra tamin’ny andraikitr’izy ireo ao amin’ny fisoronana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–37. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fampitandreman’ny Tompo an’ireo mpihazona ny fisoronana izay manao fihetsika tsy amim-pahamarinana.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo an’ireo mpihazona ny fisoronana izay mikatsaka ny hanafina ny fahotany na hanao zavatra tsy marina?

Vakio na fintino ity andian-tsoratra manaraka ity ary asao ireo mpianatra mba hihaino hoe ahoana no nanohizan’ireo mpitarika tao Cedar City ny fanaovana safidy tsy mety rehefa tsy niraharaha ny torohevitra nomena izy ireo.

I Isaac Haight dia nanolotra ny drafitra mba hanafika ny kalesin-dalambỳ teo anatrehan’ny filankevitry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana teo an-toerana, fiaraha-monina ary milisy. Ny mpikambana tao amin’ny filankevitra sasany dia tena nitsipaka mafy izany drafitra izany ary nanontany an’i Haight raha efa nila hevitra tany amin’ny Filoha Brigham Young mikasika izany izy. Rehefa niteny izy fa tsy nanao izany dia nanaiky handefa iraka i Haight dia i James Haslam mba handeha any Salt Lake City niaraka tamin’ny taratasy manazava ny zava-miseho sy ny fangatahana ny amin’ny fanapahan-kevitra tokony raisina. Noho ny maha teo amin’ny 402 km teo ho eo an’i Salt Lake City sy i Cedar City anefa, dia nitaky herinandro teo ho eo ho an’ny mpitondra hafatra mitaingin-tsoavaly haingana ny fahatongavana any Salt Lake City sy ny fiverenana any Cedar City miaraka amin’ny torolalan’ny Filoha Young.

Fotoana fohy talohan’ny nandefasan’i Isaac Haight ny taratasy miaraka tamin’ilay mpitondra hafatra, dia nanafika ny fialofan’ny mpifindra monina tany amin’ny toerana nantsoina hoe Mountain Meadows i John D Lee sy ny vondrona Indiana iray. I Lee dia nitarika ny fanafihana fa nanafin-tena izy mba hahitana fa ny Indiana ihany no nanafika. Ny sasany tamin’ireo mpifindra monina dia maty na naratra, ary ireo sisa tavela dia nanohitra ireo mpanafika ka nanery an’i Lee sy ireo Indiana mba hihemotra. Ireo mpifindra monina dia nanosika haingana ny kalesin’izy ireo mba hanao faribolana hety na fefy mba ho fiarovana. Fanafihana roa hafa no nanaraka izany nandritra ny fanafihana naharitra dimy andro an’ireo mpitondra andian-tsarety.

Nisy fotoana ny lehilahin’ny milisin’i Cedar City dia nahatsikaritra lehilahy mpifindra monina roa teo ivelan’ny fefin’ny kalesy. Nitifitra azy ireo ny lehilahin’ny milisy ka nahafaty ny iray. Ny lehilahy iray hafa dia nitsoaka ary nitondra ny vaovao tany amin’ny tobin’ny kalesy fa nandray anjara tamin’ny fanafihana azy ireo ny lehilahy fotsy hoditra. Tamin’izay fotoana izay dia tratra ny famitahana nataon’ireo izay nitetika hanafika. Raha navela hanohy ny diany nankany Californie ireo mpifindra monina dia hiparitaka ny vaovao fa ny Olomasin’ny Andro Farany no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ny kalesin-dalambỳ. Ny mpiray tetika isany dia natahotra fa hitondra voka-dratsy ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ny vahoakan’izy ireo izany vaovao izany.

  • Inona no vokatry ny fanapahan-kevitra ny tsy hankatò ny torohevitry ny lehibe mpanapaky ny milisy?

  • Inona, tamin’izay fotoana izay no safidy nananan’ireo tompon’andraikitry ny fanafihana? (Afaka nibaboka ny zavatra nataony sy nizaka ny vokany izy ireo na afaka nanafina ny fahotana sy ny heloka nataony. Jereo ny F&F 121:37.)

  • Inona no tokony ho nataony?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra ataonao rehefa manao zavatra tsy mety ianao? Mibaboka ny zavatra tsy nety nataonao ve ianao ary mizaka ny vokany ve sa miezaka ny hanafina ny fahotana amin’ny alalan’ny famitahana?

Olomasin’ny Andro Farany sasany no nanao ny drafitra sy nanatanteraka ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Hazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tafiditra tamin’ny fanafihana ny mpifindra monina dia nisafidy hanandrana ny fanafenana ny fahotany. Asao ny mpianatra mba hihaino ny zava-nitranga naterak’izany fanapahan-kevitra izany rehefa mamaky na mamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ianao:

Tamin’ny fikasana ny hanakana ny fiparitahan’ny vaovao fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia nandray anjara tamin’ny fanafihana ny andian-tsarety no nanaovan’i Isaac Haight sy i John D Lee sy ny mpikamban’ny Fiangonana tany an-toerana ary ny mpitarika ny milisy ny drafitra hamono ireo mpifindra monina ambiny ankoatran’ny zazakely. Ho fampiharana izany drafitra izany dia nanatona ireo mpifindra monina i John D. Lee ary nilaza azy ireo fa ny milisy dia hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa amin’ny fitarihana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Cedar City. Rehefa nandeha nankany Cedar City ny mpifindra monina dia nitodika ny lehilahin’ny milisy ary nitifitra azy ireo. Ny Indiana sasany dia nihazakazaka haigana avy tamin’ny toeram-piafenana nisy azy ireo mba handraisany anjara amin’ny fanafihana. Mpifindra monina teo amin’ny 140 teo ho eo no tao amin’ireo mpitondra andian-tsarety ary zazakely 17 ihany no tsy maty.

Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga tao Cedar City dia tonga i James Haslam niaraka tamin’ny hafatra valinteny avy tamin’ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo mpitarika tao an-toerana mba hamela ny andian-tsarety handeha am-pilaminana. “Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight dia nitomany toy ny zazakely ary tsy nahay niteny afa-tsy ny hoe: ‘Tara loatra, tara loatra’” (Richard E Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Hazavao fa ny safidy nataon’ireo mpitariky ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireo mponina tao amin’ny Faritra atsimon’i Utah sasany no nitarika ny Fandripahana mahatsiravina tao Mountain Meadows. Mifanohitra tamin’izany ny fomba namahan’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny mpitariky ny faritra tao Salt Lake City ny disadisa nisy tamin’ny governemantan’i Etazonia izay nilamina tamin’ny alalan’ny firesadresahana momba ny filaminana sy ny fifanarahana natao tamin’ny taona 1858. Nandritra io fifandirana io —izay nantsoina taty aoriana hoe ny Ady tany Utah—, dia nanao fihetraketrahana ny miaramilan’i Etazonia sy ny lehilahin’ny milisy tao Utah fa tsy tonga velively tamin’ny ady akory.

  • Ahoana no hamintinanao ireo safidy izay nitarika tany amin’ny Fandripahana tany Mountain Meadows?

  • Inona avy no fitsipika azontsika hianarana avy amin’io tantara io? (Mety hahita fitsipika samy hafa ny mpianatra fa ny valintenin’izy ireo dia tokony ahitana izao manaraka izao: Ny safidy hanafina ny fahotana dia mety mitarika antsika hanao fahotana hafa. Ny safidy hanafina ny fahotantsika dia mety hitondra fanenenana sy fijaliana.)

Hazavao fa ny Fandripahana tany Mountain Meadows dia tsy niteraka ny fahafatesan’olona teo amin’ny 120 teo ho eo fotsiny fa niteraka fijaliana lehibe ho an’ireo ankizy izay tafavoaka velona sy ny havan’ireo maty ihany koa. Ireo Indiana Paiute koa dia nijaly noho ny nanendrikendrehana tsy ara-drariny azy ireo amin’ny famonoan’olona. Ho fanampin’izany, ireo “izay nanatanteraka ny fandripahana dia hiaina eo ambanin’ny fanamelohana mahatsiravina sy ny nofiratsy miverimberin’ny zavatra ratsy nataony sy hitany hatramin’ny fiafaran’ny fiainany” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” 20).

Omeo antoka ny mpianatra fa raha nanomboka nandeha tamin’ny lalan’ny heloka sy ny fahadisoana izay ireo dia afaka misoroka ny aretim-po amin’ny ho avy sy ny nenina amin’ny fitodiana amin’ny Tompo sy ny fibebahana amin’ny fahotany.

Hazavao fa ny olona sasany dia mamela an’io zava-nitranga io hanaratsy ny fijeriny ny Fiangonana manontolo satria Olomasin’ny Andro Farany vitsy tany an-toerana no tompon’andraikitra tamin’ny fanaovana drafitra sy fanatanterahana ny Fandripahana tany Mountain Meadows.

  • Nahoana no manan-danja ny mahalala fa ny zavatra ratsy ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia tsy mamaritra ny fahamarinan’ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay arahintsika dia mankahala ny famonoana fotsiny izao ny lehilahy, vehivavy ary ankizy. Azo lazaina araka izany fa ny filazantsara dia mamporisika ny hisian’ny filaminana sy ny famelana. Ny zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana [tany Mountain Meadows] fotoana ela izay dia mampiseho fialana mahatsiravina sy tsy azo ekena amin’ny fampianarana sy fitondran-tena Kristianina” (“150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,”sept. 11, 2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre).

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 5:12 Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny zavatra azontsika atao mba hampitomboana sy hitazomana ny fijoroantsika ho vavolombelona mba tsy hahafahan’ny finoantsika mihozongozona mandritra ny fotoan-tsarotra toy ny rehefa maheno tranga isika fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy miaina araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny Helamàna 5:12, dia inona no azontsika atao mba hampitomboana sy hitazonana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? (Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ho matanjaka isika rehefa manorina ny finoantsika eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy.)

Mba hanazavana io fitsipika io, dia asao ny mpianatra iray mba hamaky ity andian-tsoratra manaraka ity:

“I James Sanders dia zafiafin’ny … iray tamin’ireo velona tamin’ilay fandripahana [sady mpikamban’ny Fiangonana ihany koa]. … Ny Rahalahy Sanders … dia nilaza fa ny fahafantarana fa maty tao amin’ilay fandripahana ny razambeny dia tsy nisy fiantraikany teo amin’ny finoany satria izany dia mifototra amin’i Jesoa Kristy, fa tsy amin’iza na iza ao amin’ny Fiangonana’” (Richard E. Turley Zanany., “The Mountain Meadows Massacre,” 21).

  • Ahoana no fomba hahafahan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy mampatanjaka antsika rehefa maheno isika fa tsy miaina araka ny fampianaran’ny Mpamonjy ny mpikamban’ny Fiangonana?

  • Inona no ataonao izay manampy anao hanorina ny finoana eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-manan-danja ny miaina ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny fifotorana ny finoantsika Aminy sy amin’ny filazantsarany. Asao ireo mpianatra mba handalina hoe inona no azony atao mba hanorenany bebe kokoa ny fiainany eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy ary hametraka tanjona hanatanteraka izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ny tompon’andraikitry ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny andraikitra tamin’ny Fandripahana tany Mountain Meadows:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ny andraikitra tamin’ny fandripahana dia mipetraka eo amin’ny mpitarika tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny faritra akaiky ny Mountain Meadow izay nanana fahefana ara- miaramila sy ara-tsivily ary ny mpikamban’ny Fiangonana dia teo ambany fitarihan’izy ireo. …

“… Tsy azo iadin-kevitra fa ny Fahamarinan’ny Lanitra dia mametraka sazy mifanaraka amin’izany ho an’ireo tompon’andraikitra tamin’ny fandripahana” (“150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre, “ sept. 11, 2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre).

Richard E. Turley Zanany, mpahay tantara mpanampy ao amin’ny Fiangonana sy mpirakitra, dia nanazava ny fomba nahafantaran’ireo mpitarika ny Fiangonana teny amin’ny foibe mikasika an’ilay fandripahana. Nofontininy ihany koa ny fiatraikan’izany izay nitranga tamin’ireo mpana heloka:

Sary
Richard E. Turley Jr.

“Na dia nahafantatra mikasika ny fandripahana aza i Brigham Young sy ireo Mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City taoriana kelin’ny nitragan’izany, dia taraiky loatra vao tonga tamin’izy ireo ny fahatakarana ny haben’ny fandraisana anjaran’ireo mponina sy ny antsipiriany mahatsiravin’ilay fandripahana. Ny taona 1859 dia nisaorana tamin’ny antso nananany ny filohan’ny tsatoka Isaac Haight sy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana nanana ny maha izy azy tany Cedar City ka nandray anjara tamin’ilay fandripahana. Tamin’ny taona 1870 dia nesorina hiala amin’ny Fiangonana i Isaac Haight sy John D. Lee.

“Ny taona 1874, dia nanameloka lehilahy sivy tamin’ny anjara asan’izy ireo tamin’ilay fandripahana ny mpitsara lehibe tao an-toerana. Maro tamin’izy ireo no nosamborina tamin’ny farany, na dia i Lee ihany aza no notsaraina, nohelohina sy nosaziana noho ny heloka natao. Nisy lehilahy iray hafa izay voampanga nifampiraharaha tamin’ny fanjakana [nitonon-tena nijoro ho vavolombelona sy nitondra porofo hiampangana ireo voampanga hafa], ary ny hafa kosa nandany taona maro nitsoaka ny lalàna. Lehilahin’ny milisy hafa izay nanatanteraka ny fandripahana no nanao asa an-terivozona mandra-pahafaty teo ambanin’ny fanamelohana mahatsiravina sy nofy ratsy miverimberina mikasika ireo zavatra nataony sy hitany” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007, 20).

Filaharan’ny zava-nitranga araka ny fotoana manodidina ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Ny Alakamisy 3 septambra 1857: andian-tsarety nitondra olona teo amin’ny 140 avy tany Arkansas no nandalo tany Cedar City, Utah. Ny mpikambana sasany tao amin’ilay mpitondra andian-tsarety dia lasa nifamaly amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany an-toerana. Taorian’ny tsy naneken’ireo mpikambana mpitondra andian-tsarety ny hijanona dia nitady fahazoan-dalana avy tamin’i William Dame, lehiben’ny distrikan’ny miaramila tao Parowan, izay akaiky azy ireo, ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao an-toerana sy ireo mpitarika tao Cedar City mba hiantso ny milisy hifanandrina amin’ireo mpifindra monina.

Zoma 4 septambra 1857: I William Dame dia nandefa hafatra ho valiny izay nanome torolalana ireo mpitarika tao Cedar City mba tsy hanao na inona na inona amin’ ireo mpifindra monina. I Isaac C. Haight sy ireo mpitarika tao Cedar City hafa dia namorona drafitra mba handresen-dahatra ireo Indiana ny hanafihana ireo mpifindra monina nitondra andian-tsarety. Naka an’i John D. Lee izay teo akaiky tao Fort Harmony i Haight mba hitarika ny fanafihana.

Alahady 6 septambra 1857: I Isaac C. Haight dia nitarika ny fivoriam-pilankevitra natao tany Cedar City sy nampahafantatra ny mpitarika tao an-toerana mikasika drafitra hanafika ny mpifindra monina. Ireo mpitarika sasany izay nanipaka io drafitra io dia nandresy lahatra an’i Haight mba handefa iraka, dia i James Haslam, mba haka hevitra amin’ny Filoha Young mikasika ny olana.

Alatsinainy 7 septambra 1857: I John D. Lee sy ireo Indiana dia nanafika ireo mpifindra monina nitondra andian-tsarety tao Mountain Meadows. I James Haslam nitondra taratasy fangatahana fitarihana avy amin’ny Filoha Brigham Young, ka nandao an’i Cedar City ho any Salt Lake City. Milisy roa avy Cedar City no nanafika mpifindra monina roa izay tany ivelan’ny fefin’ny kalesy. Ny mpifindra monina iray dia velona ary niverina tany amin’ny fefy sy nitondra ny vaovao fa ireo mponina tao an-toerana no manafika ny mpifindra monina.

Ny talata 8 septambra 1857: Olomasin’ny Andro Farany sy Indiana sasantsasany no nandray anjara tamin’ny fanafihana roa hafa ny andian-tsarety. Ireo mpifindra monina dia niaro ny toerana nisy azy ireo soa aman-tsara fa ireo lehilahin’i Cedar City dia namono olona roa hafa izay niezaka nitsoaka mba hitady vonjy.

Alarobia 9 septambra 1857: I Isaac C. Haight dia nizotra nankany Parowan avy tany Cedar City mba hihaona amin’i William Dame. Ny filankevitra tao Parowan dia nanapaka fa ny andian’ny mpifindra monina dia tokony havela handeha hanohy ny lalany am-pilaminana fa i Haight no nampiasa fomba fandresen-dahatra miafina mba hahazoana ny fahazoan-dalan’i Dame ny hiantso ireo milisy mba hanafika ireo mpifindra monina nanombohany ady.

Alakamisy 10 septambra 1857: I Isaac C. Haight dia niverina tany Cedar ary nikaon-doha niaraka tamin’ny mpitarika tao an-toerana. Nandefa baiko izy ireo ny hamonoana ireo mpifindra monina ankoatran’ireo zaza. I James Haslam dia tonga tany Salt Lake City, nitondra ny hafatr’i Haight ary nanomboka nanao ny diany miverina ho any Cedar City miaraka amin’ny valintenin’ny Filoha Young.

Zoma 11 Septambra 1857: Ireo lehilahin’ny milisy tao an-toerana dia namandrika ireo mpifindra monina tafajanona mba hivoaka ny fialofan’izy ireo. Ireo milisy sy Indiana dia nanafika sy namono ireo mpifindra monina ankoatran’ny zazakely 17.

Alahady 13 septambra 1857: I James Haslam dia tafaverina avy tany Salt Lake City niaraka tamin’ny torolalana voasoratr’i Brigham Young mba hamela ireo mpifindra monina handeha am-pilaminana.

Ny taona 1859: Ireo manam-pahefanam-paritra dia nanatitra ireo ankizy velona hiverina any Arkansas mba hiaina miaraka aminy havany.

Ny taona 1870: Ny Filoha Young dia naheno antsipiriany fanampiny mikasika ny fandripahana ary nanala an’i Isaac C. Haight sy i John D. Lee tsy ho mpikambana intsony.

Ny taona 1874: Lehilahy sivy no voahelokin’ny ny mpitsara lehibe teo an-toerana noho ny anjara asan’izy ireo tamin’ny fandripahana.

Ny taona 1875: I John D. Lee ihany no voaheloka notsaraina fa ny raharaha dia niafara tamin’ny fihantonan’ny fitsarana.

Ny taona 1876: I John D. Lee dia naverina notsaraina ary voaheloka fa namono olona tamin’ny anjara asany tamin’ny fandripahana.

Zoma 23 martsa 1877: I John D. Lee dia novonoin’ireo miaramila mpitifitra ny voaheloka ho faty tao Mountain Meadows.

Ny Ady tany Utah

Teo anelanelan’ny taona 1857 dia naheno tsaho ireo mpitariky ny Olomasin’ny Andro Farany fa ny governemantam-paritra dia hanolo an’i Brigham Young sy hametraka governora vaovaon’ny faritr’i Utah izay ho tohanana andiana miaramilam-paritra maro be. Ireo tsaho ireo dia voamarina ny 24 jolay tamin’ny alalan’ny lehilahy Olomasin’ny Andro Farany iray izay nankany Salt Lake City avy any atsinanana (jereo ny Ronald W. Walker, Richard E. Turley Zanay, ary Glen M. Leonard, Massacre at Mountain Meadows: An American Tragedy [2008}, 30). I Abraham Smoot, Judson Stoddard ary i Orrin Porter Rockwell dia tonga tany Salt Lake City ny 23 jolay miaraka tamin’ny vaovao fa efa manakaiky ny miaramila. Ny ampitson’iny, dia nentin’izy ireo tany Big Cottonwood Canyon izay toerana nisy an’i Brigham Young sy ireo Olomasina nankalaza ny fahafolo taonan’ny fidiran’ny mpamaky lay tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izany vaovao izany (jereo ny Church history in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 369–70).

Ny Filoha Young sy ireo mpitarika hafa ny tao amin’ny Fiangonana dia nino fa ireo andiana miaramilam-paritra izay manakaiky hatrany dia nanana fikatsahana ratsy manoloana ny Olomasin’ny Andro Farany. Tamin’ny fiantombohan’ny volana aogositra 1857, dia nanambara drafitra hisorohana na hanosehana ireo andiana miaramila mba tsy hiditra ny faritr’i Utah ireo mpitarika ny Fiangonana. Ny 15 Septambra 1857 dia nanambara ny lalàna miaramila tao amin’ny faritra i Brigham Young. “Nanome baiko ireo antoko miaramila ihany koa izy mba hiomanan’izy ireo amin’ny fanafihana. Saika tao amin’ny fiaraha-monina tao Utah rehetra dia nohafainganina ny fiomanana amin’ny fiarovan-tena. Nanome torolalana ny Eveka tany amin’ireo toerana ambanivohitra koa izy mba handoro ny zavatra rehetra raha raikitra ny fifandonana” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, 371).

Ireo mpikambana tao amin’i Nauvoo Legion [izay anarana noraiosin’ny milisy tao amin’ny faritr’i Utah] dia nalefa mba hanakorontana ireo andiana miaramilam-paritra izay nandeha an-tongotra hankany amin’ny faritra. “Ireo [mpikambana tao amin’ny antoko miaramila] dia nisava sarety efatra ambin’ny folo, izay nitondra vatsy afaka manohana ny miaramila maro mandritra ny telo volana. Nahasambotra biby fiompy efajato sy arivo tamin’ireo lohany 2000 izay niaraka tamin’ny mpanafika koa izy ireo” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, 374). Nampiadana ny dian’ireo andia-miaramila izany ary nisoroka azy ireo tsy hiditra ny Lohasan’i Salt Lake hatramin’ny lohataonan’ny 1858.

Tamin’ny volana martsa, dia nanome torolalana ireo Olomasina ny Filoha Young mba handao haingana ny fonenana rehetra tao avaratr’i Utah. Ireo Olomasina dia “nanafina ireo vato izay novakiana ho an’ny Tempolin’i Salt Lake ary nampiakatra sy nanototra ny fotony mba hahafahan’ilay tany misy izany mitovy amin’ny tany niasana sy hijanonan’izany ho tsy tany mbola tsy niasana” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, 376). Trano sy toerana fipetrahana hafa tany Salt Lake City no feno mololo mba hahafahana mandoro izany fa tsy ho ampiasain’ny miaramila. Olomasina mihoatra ny 30.000 no nizotra nankany Provo sy tany amin’ny tanan-dehibe hafa tao atsimo sy afovoanin’i Utah, izay nisian’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany izay nanampy sy nikarakara azy ireo.

Mpitariky ny Fiangonana sy mpitondram-paritra tao Sal Lake City no namaha ny ady tamin’ny governemantan’i Etazonia tamin’ny alalan’ny firesadresahana momba ny filaminana sy fifanarahana. Ny volana aprily 1858, dia nandray an’i Alfred Cumming governora vaovao tany Salt Lake City ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nanolotra ny boky firaketan’ny faritra i Brigham Young sy namehy izany tamin’ny governora vaovao ary nanomboka fifandraisana feno hatsaram-panahy niaraka taminy. Tamin’ny fiantombohan’ny volana jona, dia tonga tany-Salt Lake City mba hangatahana famelana avy amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany ireo iraka nalefan’ny Filoha James Buchanan. Nanaiky izany fangatahana famelana izany ireo mpitarika tao amn’ny Fiangonana, ka voadio tamin’ny asa fanafihana ireo andian-tsarety nitatitra vatsy ho an’ny miaramila ny Nauvoo Legion. Ny 26 jona dia niditra ny tanàna renivohitra izay nangina no sady nilaozana ny miaramila. Satria ireo andia-miaramila dia tsy nanelingelina ny fananan’ny Olomasina, dia tsy nandoro indray ny trano fonenana ny Oloamasina tavela tao an-tanàna. Taorian’ny fijanonana tao an-tanàna andro vitsivitsy, dia nandeha ireo miaramila ary nanorina toeram-pitiliana vaovao tokony ho teo amin’ny 77 km atsimo andrefan’i Salt Lake City izay nantsoina hoe Camp Floyd. Ny 1 jolay1858 i Brigham Young dia nitarika ireo Olomasina hiverina any an-tranon’izy ireo tany avaratr’i Utah (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, 375–77).

Inona no nitranga tamin’ireo ankizy mpifindra monina taorian’ny fandripahana?

Ny Olomasin’ny Andro Farany sasany dia naka sy nikarakara ireo ankizy mpifindra monina izay tafavoaka velona tamin’ny fandripahana. Ny taona 1859 ireo manam-pahefanam-paritra dia nikarakara tsara ireo zaza ireoary nanatitra azy ireo hiverina any amin’ny havany any Arkansas.

Nanapoizina ireo Indiana ve ireo mpifindra monina nitondra kalesin-dalambỳ?

I Richard E. Turley Jr., Mpahay tantaran’ny Fiangonana mpanampy sy mpirakitra dia nanazava hoe:

Sary
Richard E. Turley Jr.

“Ny tantaran’i Utah malaza sasany mikasika ny zava-nitranga tao tany Mountain Meadows dia nanaiky ny filazana fa ny fanapoizinana dia niteraka ihany koa ny ady—fa ireo mpifindra monina avy tany Arkansas dia nanapoizina ny loharano ary ny fatin’omby iray tany amin’ny tanànan’i Fillmore teo akaikin’ny Utah afovoany dia niteraka aretina sy fahafatesana teo anivon’ireo Indiana teo an-toerana. Araka ity tantara ity, ireo Indiana dia tezitra ary nanaraka ireo mpifindra monina tany Mountain Meadows, toerana izay na nanatanterahan’izy ireo samy irery ny asa mahatsiravina na nanerehany ireo Olomasin’ny Andro Farany saro-tahotra mba hikambana amin’izy ireo amin’ny fanafihana. Ny fikarohana ara-tantara dia nampiseho fa tsy mari-pototra ireo tantara ireo

“Na dia marina aza fa ny biby fiompin’ireo mpifindra monina sasany dia maty, izay tafiditra tao anatin’izany ny biby fiompy teny akaikin’i Fillmore, dia toa vokatry ny aretina izay nahazo ireo biby fiompy teo anelanelan’ny taona 1850 sy 1860 ny fahafatesana. Ny olona dia nahazo ny aretina avy amin’ireo biby izay efa narary avy amin’ny ratra na harerahana, na fihinanana henan’ny biby nisy ny aretina. Raha tsy nisy io fahatakarana azo amin’izao fotoana izao io dia mety nihevitra ny olona fa ny olana dia avy amin’ ny fanapoizinana” (“The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sept. 2007,16).

Fihetsika mampalahelo nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana

Ity teny manaraka nolazain’i Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity dia afaka manampy antsika hahafantatra ny tokony hataontsika rehefa maheno isika fa manao zavatra diso ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ary amim-pahitsiana tanteraka no hilazako fa nisy ny fotoana izay nanaovan’ireo mpikambana na mpitarika ato amin’ny Fiangonana fahadisoana tsotra izao. Mety nisy ireo zavatra nolazaina na natao izay tsy nifanaraka tamin’ireo soatoavina sy fitsipika ary fotopampianarantsika.

“Heveriko angamba fa tsy ho lavorary ny Fiangonana raha tsy olona efa lavorary no mitantana izany. Andriamanitra dia tanteraka ary madio tsy misy fangarony ny fotopampianarany. Saingy miasa amin’ny alalantsika Izy—ireo zanany izay tsy tanteraka—ary manao fahadisoana ny olona tsy tanteraka. …

“Efa toy izany ilay izy hatramin’izay ary mbola ho toy izany mandra-pahatongan’ilay andro tena lafatra izay i Kristy mihitsy no hanjaka ety an-tany.

“Indrisy fa ny sasany dia nianjera noho ny fahadisoana nataon’olombelona. Fa na dia eo aza izany dia tsy voaloto na nihena na simba ny fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay hita ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Andao hiaraka aminay,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 22–23).

Ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Ho fanampim-panazavana mikasika ny Fandripahana tany Mountain Meadows dia jereo ny Gospel Topics ao amin’ny LDS.org ary karohy ao amin’izany ny hoe “Mountain Meadows Massacre.”

Hamoaka printy