Seminera sy Institiota
Lesona 101: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–22


Lesona 101

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–22

Fampidirana

Nangataka ny tsy hifindran’ny Olomasina ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson intsony sy ny hialan’ireo izay efa nipetraka tany, ny vondron’olona avy any Missouri niisa 400–500 tamin’ny 20 jolay 1833. Raha mbola tsy afaka nanome valin-teny akory ny Olomasina tany Missouri dia efa nisy mpihetraketraka nanomboka nandrava ny fananany sy nandrahona ny ainy sahady. Tamin’ny 6 aogositra 1833 no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98, ary ao anatin’izany no nanomezan’ny Tompo torolalana ho an’ny Olomasina mikasika ny fihetsika tokony hasetrin’izy ireo ny fanenjehana. Na dia efa mety tonga tany amin’ny Mpaminany tany Kirtland aza ny vaovao sasany mikasika ny fahoriana nisy tany Missouri, Ohio, izay lavitra teo amin’ny 1.450 km teo ho eo, dia tsy afaka nahatakatra ny naha sarotra dia sarotra ny toe-javatra raha izy tsy tamin’ny alalan’ny fanambarana ihany. Niaiky ny fijalian’ny Olomasina tany Missouri sy Ohio ny Tompo tato anatin’ity fanambarana ity. Nanoro hevitra azy ireo mba hanaraka ny lalàm-panorenan’ny firenena sy hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo Izy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3

Mamerina manome toky ny Olomasina mandritra ny fijalian’izy ireo ny Tompo

Mialoha ny hanombohan’ny kilasy dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao: Inona no mety ho tsapanareo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao andinin-tsoratra manaraka izao. Asao ny mpianatra rehetra hieritreritra izay mety ho tsapany raha toa izy ireo ka niaina izany toe-javatra izany.

Ny sabotsy 20 jolay 1833 dia nisy mponina tao Missouri miisa teo amin’ny 400 ka hatramin’ny 500 teo izay tezitra nivory tao amin’ny lapan’ny fitsarana tao Independence, Missouri. Nisafidy kômity iray izy ireo mba hanoratra antontan-taratasy milazalaza ny fitakiany amin’ireo Môrmôna. Nitaky izy ireo mba tsy hisy Olomasin’ny Andro Farany instony avela hifindra ao amin’ny Fivondronan’i Jackson ary nilaza fa ireo izay efa nonina tao dia tsy maintsy miala araka izay haingana indrindra. Ankoatra izany dia notakian’izy ireo ny hanatsaharana ny famoahana ataon’ny gazetin’ny Fiangonana. Rehefa naseho tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tany Missouri ireo fitakiana ireo dia tsy nahateny ireo mpitarika ny Fiangonana ka nangataka telo volana mba hisaintsainana ilay tolo-kevitra sy hifanakalozana hevitra amin’ireo mpitarika ny Fiangonana tany Ohio. Nolavin’ilay andiana mponina tao Missouri izay nanolotra ireo fitakiana ny fangatahan’ny mpitarika ny Fiangonana. Dia nangataka 10 andro avy eo ny Olomasina saingy 15 minitra ihany no nomena azy ireo mba hanomezany valinteny. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. Faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 132–33.)

Asaivo miverina amin’ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ka apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka anisan’ireo Olomasin’ny Andro Farany nipetraka tany Independence, Missouri tamin’io fotoana io ianao?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hafa mba hamaky mafy izao andinin-tsoratra manaraka izao:

Nanjary mpihetraketraka vetivety teo ireo mponina tao Missouri izay tao amin’ilay fivoriana tao amin’ny lapan’ny fitsarana tao Independence ka nanapa-kevitra ny handrava ny biraon’ny fanontana sy ny milina fanontana. Niditra an-keriny tao amin’ny biraon’ny fanontana izy ireo ka nanipy ny fanaka teny amin’ny arabe sy teny an-jaridaina, nanimba ny milina fanontana sy nanaparitaka ireo litera sy isa kely atambatambatra amin’ny fanontana ary namotika saika ho ny asa voatonta rehetra, anisan’izany ny ankamaroan’ireo pejy tsy voatambatra tamin’ny Bokin’ny Didy. Avy eo dia nandeha handrava ny Tsena Gilbert sy Whitney ilay andiana mpihetraketraka. Nihaona tamin’ilay andiana mpihetraketraka anefa i Sidney Gilbert talohan’ny nahafahan’izy ireo nanatontosa ny drafiny ary nampanantena fa hangorona ny entana sy hiala afaka telo andro. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 133.)

Asaivo mizara ny valintenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana eny amin’ny solaitra ny mpianatra araka izany amin’izany tantara izany. Rehefa avy mizara ny eritreriny ny mpianatra dia manasà mpianatra iray hafa mba hamaky izao andinin-tsoratra manaraka izao:

Telo andro taty aoriana, tamin’ny 23 jolay dia nipoitra tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri indray ilay andiana mpihetraketraka ka nirongo basy lava, poleta, karavasy sy kibay tamin’ity indray mitoraka ity. Nandoro ny tobim-bilona sy ny saham-boa izy ireo ary nanimba trano sy vala ary tsena maro. Nony farany dia nifampiresaka tamina mpitarika ny Fiangonana niisa enina izay nanolotra ny ainy ho takalo rehefa nahita fa tandindomin-doza ny fananana sy fiainan’ireo Olomasina. Rehefa nandà izany tolotra izany ireo mpitarika ny mpihetraketraka dia nandrahona fa ho karavasiana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra raha tsy nanaiky nandao ny fivondronana izy ireo. Nanao sonia ny fifanarahana handao ny Fivondronan’i Jackson teo ambany famoretana ireo rahalahy. Niala mialoha ny 1 janoary 1834 ny antsasaky ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny ankamaroan’ireo mpitarika, ary niala mialoha ny 1 aprily 1834 ny ambiny. Navelan’ilay andiana mpihetraketraka hijanona i John Corrill sy i Sidney Gilbert mba hivarotra ny trano sy tanin’ireo Olomasina izay voaroaka. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 134.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay voalaza ao anatin’ity fanambarana ity. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Araka ny sasin-teny ho an’ny fizarana, inona no zavatra miavaka mikasika ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity?

Hazavao fa niaina fanenjehana ihany koa ireo Olomasina tany Ohio tamin’io fotoana io. Nihatra tamin’izy ireo ity fanambarana ity ary afaka mihatra amintsika ihany koa izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–2. Angataho ny mpianatra mba hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny Sabaota, ao amin’ny andininy 2, dia teny Hebreo izay midika hoe “andiany” na “tafika.” Ny fampiasana izany etoana dia manambara fa ny Tompo dia mibaiko ireo tafik’anjely na andian’anjely sy ireo tafik’i Isiraely na ireo Olomasina .

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Nahoana no manan-danja amin’ny Olomasina ny manolotra fisaorana mandritra ny fotoan-tsarotra?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe miandry ny Tompo amim-paharetana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny dikan’ny hoe miandry ny Tompo amim-paharetana.

Loholona Robert D. Hales

“Inona izany no dikan’ny hoe miandry ny Tompo? Ao amin’ ny soratra masina ny teny hoe miandry dia midika hoe manantena, manao zavatra mialoha, ary matoky. Ny hoe manantena sy matoky ao amin’ny Tompo dia mitaky finoana, faharetana, fanetrentena, fahamoram-panahy, fahari-po sy fitandremana ny didy ary faharetana hatramin’ny farany” (“Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 72).

  • Nahoana no ho nanan-danja ho an’ireo Olomasina tany Missouri ny torohevitra mba hiandry ny Tompo amim-paharetana?

  • Inona avy ireo teny fampiononana hitanao ao amin’ny andininy 2?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao teny tsy feno manaraka izao: Raha toa ka misaotra amin’ny zava-drehetra isika sy miandry ny Tompo amim-paharetana dia …

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady izay nampanantenain’ny Tompo tamin’ny Olomasina raha toa ka hankatò ny toroheviny izy ireo.

  • Ahoana no hamenoanao ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe raha miainga avy amin’ny andininy 3? (Fomba iray mety hamenoan’ny mpianatra ilay fitsipika izao manaraka izao: Raha toa ka misaotra amin’ny zava-drehetra isika sy miandry ny Tompo amim-paharetana dia afaka manao izay hiarahan’ny zavatra mahory antsika miasa ny Tompo mba hahasoa antsika.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny olona iray izay fantatr’izy ireo fa niandry ny Tompo tamim-paharetana nandritra ireo fotoan-tsarotra ka nahita antony mba hahavelom-pankasitrahana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitondra soa teo amin’ny fiainan’izany olona izany ny fahoriany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:4–10

Manoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hanohana ny lalàn’ny firenena

Hazavao fa ankoatra ny fanoroana hevitra ny Olomasina mba hiandry ny Tompo amim-paharetana dia nilaza tamin’izy ireo koa ny Tompo mba hankatò ny didiny rehetra (jereo ny F&F 98:4) ary nilaza fa nohamarinina izy ireo “amin’ny [fanohanany] izany lalàna izany izay lalàm-panorenan’ny firenena” (F&F 98:6). Nanazava Izy fa ny lalàm-panorenan’ny firenena dia manohana “ilay fitsipiky ny fahafahana amin’ny fiarovana ny zo sy ny tombontsoa” ary an’ny “olombelona rehetra” izany (F&F 98:5).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:9–10 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Tompo momba ireo mpitantana ny governemanta. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11–18

Manoro lalana ny Olomasina ny Tompo mba hitandrina ny fanekempihavanany na dia mandritra ireo fotoan-tsarotra aza izany

Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Inona no valisoa azon’ireo izay manolotra ny ainy noho i Jesoa Kristy sy ny anarany?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11–15 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny valinteny ho amin’izany fanontaniana izany sy izay nambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasina mikasika ny hoe hosedraina sy hozahana.

  • Inona no didy nomen’ny Tompo ny Olomasina? (Jereo ny F&F 98:11–12.)

  • Araka ny andininy 13–15, dia inona no antony iray hisedran’ny Tompo antsika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Misedra antsika ny Tompo mba hahitana raha toa ka hitandrina ny fanekempihavanantsika isika na dia sarotra amintsika aza ny manao izany.)

  • Nahoana no nanan-danja tamin’ireo Olomasina izay nonina tany Missouri tamin’ny taona 1833 ny nahafantatra izany fahamarinana izany? Nahoana no manan-danja amintsika ny mahatsiaro izany fahamarinana izany ankehitriny?

Asaivo mieritreritra olona iray izay fantany fa ohatra tsara amin’ny fitandremana fanekempihavanana mandritra ny fotoan-tsarotra ny mpianatra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina izay hataony mba hijanonany ho matanjaka sy hitandremany ny fanekempihavanany na dia sarotra aza ny manao izany.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:16–18 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Mpamonjy mba hataon’ny Olomasina. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:19–22.

Milaza amin’ny Olomasina mba hibebaka ny Tompo

Hazavao fa tamin’ny fotoana nanomezan’ny Tompo ity fanambarana ity dia niaina fahasarotana ihany koa ny Olomasina tany Kirtland, Ohio. Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:19–22 ny hafatry ny Tompo ho azy ireo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:19–22 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nolazain’ny Tompo momba ireo Olomasina tany Kirtland. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no hifandraisan’ny tenin’ny Tompo momba ireo Olomasina tany Kirtland amin’izay nolazainy tamin’ireo Olomasina tany Missouri? (Jereo ny F&F 98:11.)

  • Ahoana no hampiharana amintsika ilay hafatry ny Tompo ao amin’ny andininy 11? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe “mifikitra amin’ny” tsara dia manolo-tena amin’izany ka tsy voahozongozona.)

Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fotopampianarana sy fitsipika nifanakalozana hevitra androany. Amporisiho ny mpianatra mba hahafoy ny fahotany ka hifikitra amin’ny tsara.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98. Anton’ny olana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson

“Nanjary niahiahy ny mponina voalohany tao amin’ny faritra rehefa nitombo haingana ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Betsaka ny olona natahotra fa ho betsaka kokoa ireo mpifindra monina avy any atsinanan’i Etazonia izay entanin’ny fitsipika ara-pivavahany. Toe-javatra samy hafa amin’izay niainan’ireo Olomasina tonga nifindra monina ny an’ireo ‘mpanamaintimolaly’tao, ary mazava ho azy fa nisy ny tsy fitovian-kevitra ara-kolontsaina sy ara-pôlitika ary ara-pivavahana.

“Ireo mponina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson dia andian’olona avy any amin’ireo faritra be tendrombohitra avy amin’ny faritany atsimo maromaro ka hatrany amin’ny sisiny adrefan’i Etazonia izay nikatsaka fahalalahana noho ny faneriteren’ny fiarahamonina. Tsy nahita fianarana ny ankamaroan’izy ireo ary tsy nanana ny toe-piainana mihaja izay fahita tany amin’ireo faritra Avaratra Atsinanana sy tany Atsinanan’i Etazonia. Betsaka tamin’izy ireo no tafiditra tamin’ny faniratsirana, fandikana ny andro Sabata, filalaovana hazakazaka an-tsoavaly, fampiadina akoholahy, fidonanaham-poana, fisotroana toaka, filokana, ary herisetra. …

“Noheverin’ireo mponina tao ho fampitahorana ara-pôlitika ny fitombon’ny vondron’ny Olomasina, na dia tsy nirotsaka hofidiana tamin’ny toerana ara-panjakana na nanao safidy mitovy tamin’ny fifidianana aza ireo mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana fohy nijanonan’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Hatramin’ny volana jolay 1833 dia saika roa arivo sy iray alina ny isan’ny mponina Môrmôna tao amin’ny fivondronana, ary niampy foana izany isam-bolana. Nisy mpikambana sasany izay nieboebo hoe nisy mpikamban’ny Fiangonana an’arivony mbola ho avy hipetraka tao amin’ilay fivondronana. … Mazava ho azy fa nanahy momba ny fahazotoana ara-pivavahana izay nilaza fa horavana ireo ‘Jentilisa’(tsy Môrmôna) rehefa hatsangana ao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny fanjakana amin’ny arivotaona.

“Tezitra tamin’ny fidiran’ny Môrmôna tao amin’ilay fivondronana ihany koa ireo mpitandrina protestanta. Nantsoina hoe olona mpiziriziry amin’ny hevi-tokana sy mpamitaka ny Olomasin’ny Andro Farany ary noesoina ho mora fitahana sy tsy mahay na inona na inona satria nino sy niaina fahagagana, faminaniana, fanasitranana, fanambarana ary fitenenana amin’ny teny tsy fantatra matetika izy ireo. Nanampy ny fanoheran’ireo mpitandrina ny fialonana sy ny tahotra hamery ny sasany amin’ireo ondriny. …

“Ankoatra izany dia nanjakan’ireo mpivarotra sy mpanao raharaham-barotra Môrmôna tamim-pahombiazana ny ampahany tamin’ilay tsenabe Santa Fe Trail izay nofehezin’ireo mponina tao Missouri teo aloha. Ny sasany tamin’ireo mpanamaintimolaly ny tany dia natahotra fa vonona haka ny taniny sy ny raharaham-barotra nataony ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ankoatra izany dia tsy nividy zavatra tamin’ireo mpivarotra teo an-toerana ny Olomasina, satria tsy nanam-bola izy ireo saingy nifanakalo zavatra teo amin’izy samy izy tao amin’ny trano fitehirizan’ny Fiangonana. … Namarotra ny tany sy tranony tamin’ny Môrmôna ny sasany tamin’ireo mponina ka dia nifindra toerana. Izany dia nidika fa hihena hatrany ny isan’ny mpanjifa ao amin’ny tsena, ary hisy fitontonganan’ny toe-karena ho an’ireo mpanamaintimolaly ny tany taloha izay sisa tavela [T. Edgar Lyon, “Independence, Missouri, and the Mormons, 1827–1833,” BYU Studies, autumn 1972, 17–18].

“Nanampy trotraka izany ny fandravan’ny Reniranon’i Missouri ny tany tao Independence tamin’ny lohataona 1833, ka nampisitaka ny lalan’ilay renirano ho lavitra ny fiarahamonina. Natsangana tery ambonimbonin’ny renirano, teny amin’ny tany tsaratsara kokoa i Westport, izay tanàna vaovao ary tsy nanomboka nihemotra ny raharaham-barotra tao Independence. Nanome tsiny ny Môrmôna ny amin’izany toe-javatra niseho izany ireo mpandraharaha tao Independence. Nanolotra ny hivarotra ny fananany tamin’ireo Olomasina ny sasany tamin’ireo mpanamaintimolaly taloha raha nahita mialoha izay mety ho ateraky ny hoavy. Naniry hividy ireo toeram-pambolena sy fiompiana ary ireo fananana ny mpikamban’ny Fiangonana saingy tsy ampy ny vola hanaovany izany. Nahatezitra mafy ny olona avy ao Missouri izany ka vetivety teo dia nanaparitaka tantara izy ireo fa olo-mahantra ny Môrmôna.

“Natahotra sy nankahala ny Indiana ny mponina any amin’ny sisin-tanin’i Missouri. Nitombo ny fankahalan’izy ireo tamin’ny taona 1830 rehefa nanomboka nametraka fokona Indiana avy any Atsinanana teo amin’ny tany andrefan’i Independence ny governemanta. Taorian’ilay ady teo amin’ny mponina sy ny Indiana tamin’ny 1832 dia nangataka ny hananganana toby miaramila ny mponina tao amin’ny andrefan’i Missouri ho fiarovana azy ireo. Tao anatin’izany toe-java-miseho mifamahofaho izany no nahatongavan’ny misiônera Môrmôna izay nanambara ilay faminaniana momba ny anjaran’ireo Amerikana voalohany. Natahotra ireo mpanamaintimolahy ny tany fa hampiasa ny Indiana ny Olomasina mba hanampiana azy ireo handresy ny faritra ho an’ny Jerosalema Vaovaony. Nohasarotin’ireo mpitondra fivavahana Protestanta izay nialona ny ezaka fitoriana nataon’ny Olomasin’ny Andro Farany teo anivon’ny Indiana ny raharaha.

“Nitatra hatramin’ny olan’ny fanandevozana ny fifandirana teo amin’ireo Olomasina sy ireo mpanamaintimolaly ny tany. Nanjary ho anisan’i Etazonia i Missouri ka firenena andevo araka ny Marimaritra iraisana tamin’ny 1820. Na izany aza dia voafetra ny isan’ny andevo azo tazonina. Nanome lanja ny zony hanana andevo ireo mpanamaintimolaly ny tany ary nanao tsinontsinona ny fanafoanana ny fanandevozana izy ireo. Nitondra ny fomba fijerin’ireo te hanafoana ny fanandevozana avy any Avaratra sy Atsinanana ny sasany tamin’ireo Olomasina, ary zavatra tena natahorana nanerana ny faritra Atsimo ny mety hisian’ny fikomian’ny mainty fihodirana tamin’izany fotoana izany. Ny fikomian’ireo andevo teo ambany fitarihan’i Nat Turner tamin’ny 1831 tany Virginia dia niteraka ny fahafatesana ny olona fotsy fihodirana fitopolo sy ny andevo zato. Niparitaka nanerana ireo firenena izay ara-dalàna ny fanandevozana ny fitaintainana lavareny. Noho izany dia niahiahy mafy ireo mponina tao Missouri tamin’ny fiandohan’ny 1832 fa nisy nanely tsaho fa niezaka ny nandresy lahatra ireo andevo mba tsy hankatò ny tompony na handositra ny Olomasina.

“Mba hanajanonana faingana ireo tsaho dia namoaka lahatsoratra mampitandrina ireo misiônera mba tsy hitory teo anivon’ireo andevo sy ireo andevo teo aloha izay fantatra amin’ny hoe ‘olona mainty fihodirana afaka’ ny Evening and Morning Star tamin’ny volana jolay 1833. Mampalahelo fa nodisoan’ireo mponina tao Missouri izany torohevitra izany ka nolazainy fa nanasa ireo mainty fihodirana afaka mba hiditra ho mpikambana ao amin’ny Môrmôna tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny Rahalahy Phelps. Nahatonga hatezerana fatratra ilay lahatsoratra ka namoaka ‘Extra’(lahatsoratra fanampiny) i Phelps izay nanazava fa tsy nanana fikasana ny hanasa ireo mainty fihodirana afaka ho any Missouri ny Fiangonana, kanefa tsy naharesy lahatra ny fandavany” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. Faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 130–32).