Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108; 137 (Fizarana 23)
Fampidirana
Tsy nasaina nandalina betsaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:60–100 ireo mpianatra nandritra ireo asa nampanaovina azy ireo tamin’ny herinandro. Ity lesona ity dia hanome azy ireo izany fahafahana izany. Afaka manampy azy ireo hahafantatra misimisy kokoa ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana sy hahatakatra bebe kokoa ny andraikiny amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izany. Ny mpianatra dia hianatra ihany koa avy amin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Lyman Sherman izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108.
Rehefa mandalina ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana mandritra ny lesona anio dia zava-dehibe ny hanampianao ireo mpianatra hahatakatra fa na dia voatendry ao amin’ny anjara fanompoana izan-karazany ny lehilahy amin’ny maha mpihazona ny fisoronana dia ho an’ny rehetra ny fitahian’ny fisoronana. Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Ny fisoronana no herin’ Andriamanitra ampiasana mba hitahiana ny zanany rehetra, na lahy izany na vavy. Ny sasantsasany amin’ny andian-teny afohizintsika, toy ny hoe ‘ny vehivavy sy ny fisoronana’ dia mitondra hevitra diso. Tsy ‘fisoronana’ ny lehilahy. Ny fivorian’ny fisoronana dia fivorian’ireo izay mihazona sy mampiasa ny fisoronana. Fa ireo fitahian’ny fisoronana tahaka ny batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ny fanafiana masina atao any amin’ny tempoly ary ny fanambadiana mandrakizay dia samy natokana ho an’ny lahy sy ny vavy. Ny fahefan’ny fisoronana dia miasa ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny Fiangonana, araka ireo fitsipika napetraky ny Tompo” (“Priesthood Authority in the Family and the Church,” Ensign or Liahona, nôv. 2005, 25–26). Ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy manana anjara asa manan-danja ao amin’ny fianakaviana sy ny Fiangonana (jereo ny “Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign, nôv. 2010, 129).
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:60–100
Manambara ny adidin’ireo filohan’ny kôlejin’ny fisoronana ny Tompo
Ho famerenana fohy dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Fisoronana Melkizedeka sy Fisoronana Aharôna. Asao ny mpianatra mba hanao lisitra ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany. Angataho ny mpianatra iray mba hanoratra anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana iray ka hampita ny tsaoka na ny penina fanoratana amin’ny solaitrabe amin’ny mpianatra iray hafa, ary hanohy izany mandra-pahavitan’ny mpianatra ny lisitr’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fisoronana. Amporisiho ny mpianatra mba hifanampy raha ilaina izany. (Ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Melkizedeka dia ny loholona, mpisorona avo, patriarika, Fitopololahy ary Apôstôly. Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny eveka.)
-
Inona no atao hoe kôlejin’ny fisoronana? (Vondrona rahalahy nalamina izay mihazona ny anjara fanompoana mitovy ao amin’ny fisoronana.)
Asao ny mpianatra iray mba hanatona eny amin’ny solaitrabe ka hanisy faribolana eo amin’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana izay voarafitra ho kôlejy. Amporisiho ny mpianatra mba hanampy raha ilaina izany. (Ireto anjara fanompoana manaraka ireto dia manana kôlejy: Apôstôly, Fitopololahy, mpisorona avo, loholona, mpisorona, mpampianatra ary diakona. Azonao atao ny manazava fa manana kôlejin’ny mpisorona avo iray ny tsatòka tsirairay, miaraka amin’ny filohan’ny tsatòka ho filohan’ny kôlejy. Harafitra ao amin’ny vondron’ny mpisorona avo ireo mpisorona avo ao amin’ny paroasy tsirairay.)
Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:60–63, 85–89, 93–94. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hamantatra ny zavatra mampitovy ireo kôlejy voatonona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no mampitovy ireo kôlejin’ny fisoronana ireo? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra nefa alaivo antoka ny hamantaran’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Misy filoha iray izay notendrena hiahy sy hitarika ny asan’ny kôlejin’ny fisoronana tsirairay.)
-
Araka ny andininy 87–88, dia inona no maha-samy hafa ny kôlejin’ny mpisorona amin’ny kôlejin’ny diakona sy ny kôlejin’ny mpampianatra? (Ny evekan’ny paroasy no miahy ireo kôlejin’ny mpisorona. Miahy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy ihany koa izy. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona.)
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny hananan’ny kôlejy tsirairay filoha iray? Ahoana no ahafahan’ny filohan’ny kôlejin’ny fisoronana manampy ireo mpikambana ao amin’izany kôlejy izany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:65–66. Asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakinteny ha hijery ilay mpitarika ny Fiangonana izay miahy ireo mpihazona ny fisoronana rehetra. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia miresaka ny Filohan’ny Fiangonana.
Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:67, 91–92. Asao ny rehetra mba hanaraka ny vakinteny sady hitady ireo teny na andian-teny izay mamariparitra ny fahefana sy andraikitry ny Filohan’ny Fiangonana.
-
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, ahoana no hamintinanao ny fahefana sy ireo andraikitry ny Filohan’ny Fiangonana? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Ny Filohan’ny Fiangonana dia mihazona ny fahefana hanatanteraka ireo ôrdônansy sy tsodrano rehetra ary miahy ny Fiangonana iray manontolo. Asao ny mpianatra iray hanoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)
azonao hazavaina misimisy kokoa ny teny sasany ao amin’ny andininy 92 amin’ny alalan’ireto famaritana manaraka nataon’ny Loholona John A. Widtsoe tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:
“Ny mpaminany dia mpampianatra ny fahamarinana efa fantatra, ny mpahita dia olona mahatakatra ny fahamarinana miafina, ary ny mpanambara dia mpitondra fahamarinana vaovao. Raha amin’ny hevitra ankapobeny, izay mazàna fampiasa dia tafiditra ao amin’ilay anarana fiantsoana hoe mpaminany ireo anarana fiantsoana hafa” (Evidences and Reconciliations, arr. G. Homer Durham, 3 vols. in 1 [1960], 258).
Asehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny.
-
Inona ireo fitahiana azonao noho ny fahefan’ny fisoronana izay hazonin’ny Filohan’ny Fiangonana?
Asao hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99–100 ireo mpianatra.
-
Inona araka ireo andininy ireo no tsy maintsy ataontsika mba ho mendrika ny hitoetra eo anoloan’ny Tompo isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, nefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Mba hitoerana ho mendrika eo anoloan’ny Tompo dia tsy maintsy mianatra ny andraikitsika isika ary miasa amin’ny zotom-po rehetra mba hanatanterahana izany.)
Na dia natokana ho an’ireo mpihazona ny fisoronana aza ireo andininy ireo tany am-piandohany dia mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fitsipika ampianariny.
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Vakio tsirairay ny fanontaniana na soraty eny amin’ny solaitrabe izany.
-
Ahoana no nitahiana anareo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay nanatontosa tamin’ny zotom-po ny adidiny?
-
Inona no ataonareo mba hianarana ny adidinareo sy hanaovana asa amin’ny zotom-po rehetra mba hanatontosana izany?
Omeo fahafahana hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny adidintsika ao am-piangonana sy ao amin’ny fianakaviantsika ny mpianatra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:4–8
Ny Tompo dia manome torohevitra sy fampanantenana an’i Lyman Sherman
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108 dia ahitana fanambarana iray momba ny sitrapon’ny Tompo mikasika an’i Lyman Sherman, izay nanatona ny Mpaminany Joseph Smith sy nangataka mba hahafantatra bebe kokoa momba ny andraikiny.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra sady hikaroka ireo torolalana nomen’ny Tompo an’i Lyman. Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Azonao atao ny manazava fa ny fampaherezana dia teny fanoroana na famporisihana.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanirian’ny Tompo an’i Lyman Sherman mba hampaherezany ny rahalahiny?
Asao ny mpianatra mba hamantatra fitsipika iray avy amin’ny torolalan’ny Tompo ho an’i Lyman ao amin’ny andininy 7–8. Mety hahita fitsipika samihafa izy ireo, anisan’izany izao manaraka izao: Isika dia tokony hampatanjaka ny hafa amin’ny resaka ataontsika sy ny asantsika rehetra. (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)
-
Ahoana no ahafahanao mampatanjaka ireo izay manodidina anao amin’ny resaka ataonao?
-
Ahoana no ahafahanao mampatanjaka ireo izay manodidina anao amin’ny alalan’ireo asa ataonao?
Asao ny mpianatra mba hitantara ny zavatra iray izay niainany rehefa nampatanjaka azy ireo tamin’ny fanaovana ny iray amin’ireo asa voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108 ny olona iray. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana. Asao ny mpianatra hieritreritra olona iray izay azony ankaherezina anio ary hieritreritra asa voafaritra iray izay ho tanterahany.
Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–112)
Mba hanampiana ny mpianatra hiomana handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–112 dia asao izy ireo mba handinika izao manaraka izao: Nahoana ny tempoly no manan-danja? Efa nandray anjara tamin’ny fanokanana tempoly ve ianao? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka dia hianatra izy ireo momba ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Hianatra bebe kokoa izy ireo momba ny zava-nitranga sy ireo olona niseho tao ary ny fomba hahafahan’ny zavatra nambara tao hitahy azy ireo sy ny fianakaviany mandrakizay.