Seminera sy Institiota
Lesona 149: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: 19–42


Lesona 149

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–42

Fampidirana

Tamin’ny volana janoary 1847 dia nahazo ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ny Filoha Brigham Young tao Winter Quarters, Nebraska. Ity lesona ity dia miresaka mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19 –42, izay ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo Olomasina momba ny fomba hiarahana miasa ary ny fomba hahazoana fiarovana mandritra ny dian’izy ireo mankany andrefana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–29

Nitarika ny Olomasina ny amin’ny zavatra tokony atao mandritra ny diany ny Tompo

Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto ny lesona:

  • Inona avy ireo fahafahana hanananao amin’ny fifandraisana amin’ny olona hafa ao anatin’ny vondrona iray? (Mety ho anisan’ny valinteny ny fianakaviana, ny kôlejy ao amin’ny fisoronana sy kilasin’ny Zatovovavy, ny ekipam-panatanjahantena, ary ny mpiara-miasa.)

  • Inona no lafi-tsaran’ny fiarahana miasa amin’ny hafa ao anatin’ny vondrona iray?

Hazavao fa rehefa noterena hiala an’i Nauvoo ireo Olomasina, ny fiatombohan’ny taona 1846 ary nanomboka nandeha niakandrefana, dia maro ireo tsy niomana akory tamin’ny dia. Niparitadritaka ireo Olomasina ‘tamin’ny voalohany ka izany no nampihena ny fahafahan’izy ireo mifanampy. Tamin’ny fanambarana azon’i Brigham Young tao Winter Quarters, tokony herintaona taty aoriana, dia nanome torolalana ny Tompo ny mba hifandaminan’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mifanampy mandritra ny fanohizana ny dia.

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:2,8–10 amim-pahanginana ary hilaza ny zavatra hitan’izy ireo mikasika ny fomba nanomezan’ny Tompo torolalana ho an’ireo Olomasina ny amin’ny tokony ifanampian’izy ireo.

Antitrantero fa na dia mamela antsika hifanampy aza ny fiarahana miasa ao anatin’ny vondrona dia mety hitarika olana ihany koa.

  • Araka ny traikefanao, inona avy ireo olana ateraky ny fiarahana miasa ao anatin’ny vondrona?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ireo mpiara-miasa mba hiara-hamaky ny Fotopapianarana sy Fanekempihavanana 136:19–27. Asao izy ireo hikaroka torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo Olomasina raha nanao ny dia sy niasa niaraka izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no torolalana hitanao fa mety hanampy ireo Olomasina amin’ny fanaovana ny dia sy amin’ny fiasana miaraka? Nahoana io torolalana io no ilaina araka ny hevitrao?

  • Ahoana no fomba ampiharanao izany torolalana izany rehefa mifanerasera sy miara-miasa amin’ny olona hafa ianao?

  • Inona avy ireo zavatra ateraky ny tsy fankatoavan’ny olona io torohevitra io?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:23–24 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra. Mety ilaina ny hanazavanao na antony nanomezan’ny Tompo ny torolalana ho an’ny Olomasina manao hoe “atsaharo ny fimamoanareo” na dia efa nandray ny Tenin’ny Fahendrena aza izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo fa ireo Olomasina dia nandroso tsikelikely tamin’ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena. Rehefa nomena ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136, dia tsy voarara tamin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola rehetra tahaka ny amin’izao fotoana izao ny Olomasina.

  • Araka ny andininy 24, dia tokony hitondra inona eo amin’ny manodidina antsika ny tenintsika? (Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny tenintsika dia tokony hampiorina ny hafa. Mety ilaina ny fanazavana fa ny teny hoe mampiorina dia midika hoe mankahery olona iray ara-panahy na ara-pihetsehampo.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no mety hanan-danja ho an’ny Olomasina ny fampiasana teny mampiorina mandritra ny dian’izy ireo miaraka?

  • Tamin’ny fotoana manao ahoana ianao no nahita olona nampiasa teny izay mampiorina olona iray hafa?

Asao ireo mpianatra mba handinika ny zavatra azony lazaina izay mampiorina ny hafa manodidina azy.

Asao ny mpianatra roa mba samy hamaky mafy ny iray amin’ireto tantaran’ny Olomasina nandritra ny dian’izy ireo ireto. Asao ny mpianatra rehetra hieritreritra mikasika ny toetran’ireo Olomasina mahatoky ireo.

Mary Ann Weston Maughan dia nanoratra hoe:

“Nantsoina izahay mba handevona ny namanay roa izay matin’ny kôlerà tamin’ny maraina, ny lehilahy iray nantsoina hoe Brown ary ny zazakely iray. Mbola nisy marary hafa tany amin’ny toby. Nahita ny Renirano Platte ny andro tontolo. Nandeha 24,4 km ary nijanona tao Salt Creek. Vetivety teo dia zazakely hafa indray no maty tao amin’ny toby. Natao ny fandevenana teo amoron’ny ranokely, rehefa nody ny masoandro. Mitombo ny marary. Tena mampalahelo anay ny mandevina ny namanay mandritra ny dia. Toetrandro tena mafana” (Mary Ann Weston Maughan journal, boky 3., 21 jona 1850, 2: 1, Family History Library, Salt Lake City; spelling, capitalization, and punctuation modernized).

I Clarissa Young Spencer (zanakavavin’i Brigham Young) dia nanoratra hoe:

“Anisan’ireo toetra tsara nampiavaka an’i Dada tamin’ny naha-mpitarika azy ny fomba nijereny ny soa ara-batana sy ara-piarahamonin’ny vahoakany niaraka tamin’ny fitarihana azy ireo tao amin’izay zavatra nilainy ara-panahy. Tamin’ny dia lehibe namakivaky ny tanety izay nanaovan’ireo malemy ny dia an-tongotra nandritra ny ankamaroan’ny fotoana dia niangona manodidina ny afon-dasy ny Olomasina mba hialana voly ny hariva, raha toa ka tsara ny toetrandro. Nohiraina ny hira teo, notendren’ireo mpitendry lokangam-bazaha ny mozika, ary nanadino ny harerahana noho ny’ny fandehanana an-tongotra 24 kilaometatra na mihoatra namakivaky ny tany foana tsy nisy lalana ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa nandihy “quadrille” izy ireo. Izany no fomba nampiakarany ny ‘môraly’, na dia tsy mbola nisy namorona akory aza izany teny izany” (with Mabel Harmer, One Who Was Valiant [1940], 162).

  • Ahoana no hamariparitanao ireo mpamaky lay mahatoky ireo raha miainga avy amin’ireo tantara ireo?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:28–29 ny mpianatra iray.

Anontanio ireo mpianatra hoe inona no torohevitra hita ao anatin’ireo andininy ireo. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fahamarinana manaraka ireto: Raha faly isika dia tokony hidera sy hisaotra ny Ray any An-danitra. Raha malahelo isika dia tokony hivavaka mba ho faly ny fanahintsika.

  • Ahoana araka ny hevitrao no nanampian’ireo fitsipika ireo ny Olomasina manoloana ny dian’izy ireo?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fitsipika ireo antsika ankehitriny?

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fotoana izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo amin’ny fanampiana azy ireo ho faly. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Amporisiho ireo mpianatra mba hidera sy hisaotra ny Tompo rehefa faly izy ireo ary hangataka fanampiana rehefa malahelo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:30–42

Nanome toky ireo Olomasina indray ny Tompo ary nanoro lalana azy ireo mba hazoto amin’ny fanajana ny didiny rehetra

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ireo Olomasina dia niharitra fisedrana lehibe ary nahafantatra fa ny fanohizana ny dian’izy ireo dia tena ho fanamby lehibe ihany koa.

  • Inona araka ny hevitrao no nanampy ireo Olomasina hijanona ho mahatoky na dia manoloana izany toe-javatra tena sarotra izany aza?

Zarao ho ao anatin’ny vondrona roa ny mpianatra. Asao ny vondrona voalohany mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: 30–33. Asao ny vondrona faharoa mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136: 34–40. Asao ireo vondrona roa mba hikaroka ireo fitsipika izay mety ho nandrisika ireo Olomasina.

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia anontanio ireo mpianatra avy amin’ny vondrona tsirairay mba hilaza ny zavatra hitany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny sosokeviny. Mety ho hita ao amin’ny valintenin’izy ireo ireto fitsipika sy fotopampianarana manaraka ireto:

Tsy tokony hatahotra ny fahavalontsika isika, satria efa eo an-tanan’ny Tompo izy ireo.

Ireo fisedrana mahazo antsika dia afaka manomana antsika handray ny voninahitra izay homanin’ Andriamanitra ho antsika.

Raha manetry ny tenantsika isika ary miantso an’ Andriamanitra dia hanazava ny saintsika ny Fanahy.

Raha mahatoky isika amin’ny fanajana ireo teny rehetra izay nomen’ny Tompo ho antsika dia hahita ny voninahiny isika indray andro any.

Ny Tompo dia manome ny teniny ho antsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Ny Tompo dia afaka manafaka antsika amin’ireo fahavalontsika.

  • Ahoana araka ny hevitrao ny fomba nanampian’ireo fitsipika ireo ny Olomasina mba hijanona ho mahatoky?

  • Ahoana no hanampian’ireo fitsipika ireo antsika mba hijanona ho mahatoky mandritra ny fotoan-tsarotra iainantsika?

Asao ny mpianatra iray mba hanao famerenana vetivety ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo mba handinika ny hafatra amin’ny amkapobeny izay heverin’izy ireo fa mety nianaran’ny Olomasina. Asao ireo mpianatra mba hilaza ny zavatra hitany. Mety hahita karazana hafatra samy hafa ny mpianatra fa ampio izy ireo mba hahatakatra fa ny Tompo dia nanome toky ireo Olomasina fa hilamina ny zava-drehetra.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:41–42 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka fanomezan-toky sy torohevitra fanampiny avy amin’ny Tompo.

  • Mety ahoana no nanomezan’ny hafatry ny Tompo ao amin’ny andininy 41 toky ny Olomasina?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny didy nomen’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ny andininy 42? (Rehefa avy namaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mazoto isika amin’ny fanajana ireo didin’ny Tompo dia tsy hianjady amintsika ny famaizan’ny Tompo, hatanjaka ny finoantsika ary tsy handresy antsika ireo fahavalontsika.)

  • Ahoana no mety hanampian’io fitsipika io an’ireo Olomasina manoloana ny dian’izy ireo? Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika?

Hazavao fa ireo Olomasina dia nankatò ny didin’ny Tompo. Ny vondrona voalohan’ny mpamaky lay dia nandao an’i Winter Quarters ny 5 aprily 1847. Nandeha nihoatra ny 1.000 km izy ireo ary tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny faramparan’ny jolay 1847. Ny 24 jolay 1847, dia niditra ny lohasaha i Brigham Young ary nandray fanamafisana fa ireo Olomasina dia nahita ny toeram-ponenan’izy ireo vaovao. Tamin’izany fotoana izany dia nitaingina ny kalesin’i Wilford Woodruff izy satria nararin’ny tazo.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny tantaran’ny Filoha Wilford Woodruff momba ny fahitan’i Brigham Young ny Lohasahan’i Salt Lake:

Filoha Wilford Woodruff

“Rehefa … nahita tanteraka ilay lohasaha izahay dia natodiko niankandrefana ny saretiko, ka nitsangana avy teo am-pandriany ny Filoha Young ary nandinika ilay faritra. Raha variana nijery ny zava-niseho teo anoloanay izy dia voasaron’ny fahitana izy nandritra ny minitra maro. Efa nahita ny lohasaha tamin’ny fahitana izy taloha, ary tamin’io fotoana io izy dia nahita ny voninahitry Ziona sy i Isiraely amin’ny fotoana ho avy. … Rehefa tapitra ilay fahitana, dia hoy izy hoe: ‘Ampy izay. Ity no ilay toerana. Tohizo ny dia’” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 146).

  • Nahoana no mety nanan-danja tamin’i Brigham Young sy tamin’ireo Olomasina ny nandraisana fanamafisana fa ny Lohasahan’i Salt Lake no toerana marina tokony hanorenam-ponenana?

Farano ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra mba hiezaka ny hitandrina ny didy rehetra sy hihaino ny fanomezan’ny Tompo toky ho azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:24. “Atsaharo ny fimamoanareo”

Ny Olomasina mpamaky lay sasany dia nandray zavatra voararan’ny Tenin’ny Fahendrena toy ny alikaola sy ny paraky. Tsy nanome ny Tenin’ny Fahendrena ho didy ny Tompo tamin’ny voalohany (jereo ny F&F 89:2). Nanazava ny Filoha Joseph F. Smith hoe:

Filoha Joseph F. Smith

“Raha nomena ny olona ho didy [ny Tenin’ny Fahendrena] dia mety nitondra fanamelohana ho an’ny olon-drehetra izay miankin-doha amin’ny fampiasana ireo zavatra manimba ireo izany; noho izany dia be famindrampo ny Tompo ary nanome azy ireo fahafahana ny handresy izany, alohan’ny hitondrany azy ireo ho eo ambanin’ny lalàna” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1913, 14).

Eo anatrehan’izany, dia tokony hitandrina isika mba tsy hitsara ny sasany tamin’ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany izay nandray ireo zavatra voararan’ny Tenin’ny Fahendrena. Nandritra ny tantaran’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nanasa ireo Olomasina ny mpitarika mba hiaina tanteraka ny Tenin’ny Fahendrena. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny septambra 1851 dia niantso ny mpikambana mba hanao fanekempihavanana ny amin’ny fifadiana dite, kafe, paraky, toaka ary ireo “zavatra rehetra izay voatonona ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena” i Brigham Young (jereo ny “Minutes of the General Conference,” Millennial Star, 1 feb. 1852, 35). Ny taona 1919, dia nataon’ny Fiadidiana Voalohany, teo ambany fiahian’ny Filoha Heber J. Grant, ho isan’ny fepetra takina mba hahazoana ny fahazoan-dalana idirana ny tempoly ny Tenin’ny Fahendrena, (jereo ny James R. Clark, natambatra, Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, boky miisa 6 [1965–75], 5:163). Ny Tenin’ny Fahendrena dia mbola didy manan-danja ankehitriny, ary ny fankatoavana izany dia fepetra takiana alohan’ny batisa, alohan’ny fandehanana any amin’ny tempoly, alohan’ny fanaovana asa fitoriana, ary alohan’ireo asa ilaina famendrehana rehetra hafa ao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:33. “Fa ny Fanahiko dia halefa … hanazava ireo manetry tena sy manenina”

Raha mbola tany Winter Quarters ny Filoha Brigham Young dia niseho taminy tamin’ny alalan’ny nofy i Joseph Smith ary nilaza hoe:

Filoha Brigham Young

“Lazao ny olona mba hanetry tena sy hahatoky, ary ho azonao antoka fa hihazona hatrany ny fanahin’ny Tompo izy ireo ary hitarika azy ireo tsara izany. Mitandrema ary aza mitodi-damosina ilay feo malefaka; hampianatra anareo izay tokony atao sy ny tokony aleha Izy; hamokatra ny voan’ny fanjakana Izy. Lazao ny rahalahy mba hihazona ny fon’izy ireo hisokatra amin’ny finoana matanjaka, ka rehefa tonga amin’izy ireo ny Fanahy Masina, ny fon’izy ireo dia ho vonona handray Azy. Afaka manavaka ny Fanahin’ny Tompo amin’ireo fanahy hafa rehetra izy ireo; hibitsika fiadanana sy fifaliana amin’ny fanahin’izy ireo izany; hanaisotra nyhafetsena, ny fankahalana, ny ady sy ireo ratsy rehetra amin’ny fon’izy ireo izany; ary ny fanirian’izy ireo dia ny hanao ny tsara, ny hitondra fahamarinana ary ny hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Lazao ny rahalahy fa raha manaraka ny Fanahin’ny Tompo izy ireo dia tsy hanana olana. Aza adinoina ny miteny ny olona mba hihazona ny Fanahin’ny Tompo; ary raha manao izany izy ireo dia hahita ny tenan’izy ireo ho marina tahaka ny namoronan’ny Ray any An-danitra azy ireo talohan’ny nahatongavany teto an-tany. …

“Aza adinoina ny miteny ny olona mba hihazona ny Fanahin’ny Tompo sy mba hanaraka izany ary hitarika azy ireo tsara izany” (ao amin’ny Manuscript History of Brigham Young, 1846–1847, natambatr’i Elden J. Watson [1971], 529–30).

Tamin’ny fotoana hafa, talohan’ny nandaozan’ireo Olomasina an’i Nauvoo, dia niseho tamin’i Filoha Young ny Mpaminany Joseph Smith ary nampiseho azy ny toerana tokony hananganana fiaraha-monina ao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Ny Filoha George A. Smith tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nitantara hoe:

Filoha George A. Smith

“[Nahita] an’i Joseph Smith tamin’ny fahitana [izy], izay nampiseho azy ny tendrombohitra antsoina ankehitriny hoe Ensign Peak, izay any avaratry ny tanànan’i Salt Lake avy hatrany ary nisy faneva nalatsaka teo an-tendrony teo, ary i Joseph dia niteny hoe ‘Manorena eo ambanin’ny toerana hisian’ny faneva dia hiroborobo sy hiadana ianao’” (Historical Discourse,” Deseret News,, 30 jona 1869, 248).