Seminera sy Institiota
Lesona 10: Joseph Smith—Tantara 1:55–65


Lesona 10

Joseph Smith—Tantara 1:55–65

Fampidirana

Namaritra ireo zava-nitranga manan-danja maro izay niainany teo anelanelan’ny faha-17 sy faha-22 taonany ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo zava-nitranga ireo dia ahitana ireo asa nataony mba hanohanana ny fianakaviany, ny fahafatesan’i Alvin rahalahiny, ary ny fanambadiany an’i Emma Hale. Nanoratra ihany koa i Joseph fa taorian’ny taona maro nampianaran’ny anjely Môrônia azy, dia nankinina taminy ireo takelaka ary nanomboka nandika ny Bokin’i Môrmôna izy. Nampiseho ny tahadikan’ny sasany tamin’ireo endri-tsoratra avy tao amin’ireo takelaka sy ny dikantenin’izany tamin’ny olona manam-pahaizana tany New York i Martin Harris. Nanamarina ny maha-marina ireo endri-tsoratra sy ny maha-marina ny dikantenin’izany ireo olona manam-pahaizana ireo. Nandà ny tantara nahazoan’i Joseph Smith ireo takelaka anefa ny manam-pahaizana iray, ka dia nanatanteraka ilay faminaniana avy ao amin’ny bokin’i Isaia (jereo ny Isaia 29:11–12 sy ny2 Nefia 27:15–20).

Sosokevitra enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:55–58

Niasa ho an’i Josiah Stoal i Joseph Smith ary nanambady an’i Emma Hale

Fanamarihana: Ao amin’ny Joseph Smith—Tantara, Josiah Stoal no anarana nambaran’ny Mpaminany. Ao amin’ny raki-tantara sasany dia misy manoratra hoe Stowell na amin’ny endriny hafa ny Stoal.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hilaza zava-nitranga manan-danja iray izay niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo nandritra ny taona vitsivitsy lasa. Angataho izy ireo mba hanazava ny fiantraikan’ity zava-nitranga ity teo amin’ny toetrany sy ny hoaviny. Dia asaivo milaza zavatra manan-danja andrandrain’izy ireo hitranga eo amin’ny fiainany mandritra ny dimy taona manaraka izy ireo. Hazavao fa ato anatin’ny lesona anio dia hianatra momba ireo zava-nitranga manan-danja tao anatin’ny dimy taona teo amin’ny fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo. Ambarao fa ao amin’ilay tantara voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:55–65, dia teo anelanelan’ny 17 sy 22 taona i Joseph Smith—manakaikikaiky ny taonan’ny ankamaroan’ny mpianatra seminera.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Joseph Smith—Tantara 1:55–58 ka hitady ireo zava-nitranga manan-danja teo amin’ny fiainan’i Joseph Smith.

  • Inona ireo zava-nitranga manan-danja niseho teo amin’ny fiainan’i Joseph Smith nandritra io fotoana voafaritra io? (Mety ahitana ireto manaraka ireto ny valintenin’ny mpianatra: nodimandry i Alvin rahalahin’i Joseph, nandeha niasa ho an’i Josiah Stoal i Joseph, nanambady an’i Emma Hale i Joseph.)

Joseph Smith—Tantara 1:59–62

Nandray ireo takelaka i Joseph ary nanomboka nandika izany

Mitondrà zavatra iray avy any an-trano (na makà zavatra iray ao amin’ny efitrano fampianaranao) izay tsapanao fa manan-danja sy azonao kajikajina tsara. Hazavao ny maha-zava-dehibe ilay zavatra sy ny antony hikajikajinao tsara izany.

  • Efa nahita olona izay tsy niraharaha firy na nanao an-tsirambina zavatra manan-danja iray ve ianao? Nahoana ny olona sasany no manao izany?

Hazavao fa nankinina tamin’i Joseph Smith ny zavatra tena manan-danja iray. Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azony ianarana avy amin’ny ohatra nasehony eo am-pandalinan’izy ireo ny Joseph Smith—Tantara 1:59–62.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:59. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ireo zavatra manan-danja nomen’ny anjely Môrônia an’i Joseph Smith.

  • Inona ireo zavatra nankinin’i Môrônia tamin’i Joseph Smith? (Ireo takela-bolamena, ny Orima sy Tomima, ary ilay saron-tratra. Hazavao fa ny Orima sy Tomima dia fitaovana iray nomanin’ Andriamanitra izay manampy ireo mpahita amin’ny asa fandikan-teny sy amin’ny fahazoana fanambarana.)

  • Inona ny fepetra nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith mikasika ireo takelaka? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny hoe “manao izay tratry ny heriko rehetra hitarihizana izany.”)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny manaraka izao: Rehefa mandray andraikitra amin’izay nomen’ny Tompo antsika isika ary mitahiry izany dia Izy.

  • Inona no nampanantenan’ny Tompo an’i Joseph raha toa ka mandray ireo takelaka ho andraikiny izy?

Asao ny mpianatra mba hilaza fomba hamenoana ilay teny eo amin’ny solaitrabe. Fomba iray mety hamalin’izy ireo izany izao manaraka izao: Rehefa mandray andraikitra amin’izay nomen’ny Tompo antsika isika ary mitahiry izany dia hanolotra ny fiarovany sy ny fanampiany Izy.

Mba hanampiana ny mpianatra hampitaha ny zavatra niainan’i Joseph amin’ny zava-nitranga teo amin’izy ireo manokana dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona avy ny ohatra sasany amin’ireo zava-masina nankinin’ny Tompo tamintsika? (Mety ahitana izao ny valinteny: fitondrana ny vatantsika amim-panajana, ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ny tempoly, ny fahefana sy ireo adidy ao amin’ny fisoronana, ny andraikitsika mba hanome sakafo ny saintsika sy ny fanahintsika, ireo andraikitsika sy fifandraisantsika amin’ny fianakaviana, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.)

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:60. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ilay fehezanteny izay maneho fa nanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo rehefa nahatoky tamin’ilay zavatra nankinina taminy i Joseph. (“Nefa noho ny fahendren’ Andriamanitra, dia tafajanona soa aman-tsara teo am-pelatanako izany mandra-pahavitako taminy izay nangatahina tamiko.”)

Mba hanehoana ny fomba nanoloran’ny Tompo ny fiarovany sy ny fanampiany raha nikatsaka tamim-pahavitrihana ny hitahiry ireo takelaka i Joseph Smith dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy izao tantara manaraka izao. Alohan’ny hamakin’ny mpianatra dia hazavao fa izany dia ampahany tamin’ny tantara notantarain’ny renin’i Joseph Smith, i Lucy Mack Smith, momba ny zava-nitranga fotoana fohy taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ireo takelaka avy tamin’i Môrônia tao amin’ny Havoan’i Komôrà. Hazavao ihany koa fa rehefa nandray ireo takelaka tamin’i Môrônia i Joseph Smith dia nafeniny tao anaty vatan-kazo bouleau efa ratsy tany amin’ny 5 kilaometatra latsaka niala ny tranony izany tamin’ny voalohany. Noraketin’ny renin’i Joseph Smith ny zavatra nitranga rehefa naka ireo takelaka avy tamin’ilay toerana nanafenany azy izy taty aoriana ka nitondra izany tany an-trano:

Lucy Mack Smith

“Naka izany tany amin’ny toerana miafina nisy azy i Joseph raha nandeha tany, dia nofonosiny tamin’ny palitaony vita amin’ny rongonim-bazaha izany, napetrany tao ambany heliny ary nitodi-doha hody izy.

“Rehefa avy nandeha kelikely izy dia nieritreritra fa ho azo antoka kokoa ny miala amin’ny arabe ka hanivaka any anaty ala. Rehefa nandeha kelikely taorian’ny nandaozany ny arabe izy dia tonga teo amin’ny hazo lehibe iray izay nazeran’ny rivotra, ary rehefa nandingana vatan-kazo voakapa iray izy dia nisy lehilahy nipoitra avy tao aoriany ka nively azy mafy tamin’ny basy. Nihodina i Joseph ary namely azy, dia nihazakazaka araka izay faran’ny heriny izy. Valonjato metatra lavidavitra kely an’izany dia nisy nanafika azy indray tamin’ny fomba mitovy tamin’ny teo aloha; nasiany tamin’ny fomba nitovy tamin’ny teo aloha ilay lehilahy dia nihazakazaka indray izy; ary mialoha ny nahatongavany tao an-trano dia nisy nanafika fanintelony izy. Folaka ny ankihibeny raha namely ilay iray farany izy, izay tsy tsikariny anefa raha tsy nahita ny trano izy, rehefa nitsambikina teny amin’ny zoron’ny fefy mba haka aina. Raha vantany vao nahazo aina izy dia nitsangana ary nanatona ny trano. Mbola tsy nahateny tanteraka noho ny tahotra sy ny harerahana tamin’ny fihazakazahana izy” (tao amin’ny Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, navoakan’i Preston Nibley [1958], 108).

  • Oviana ianao (na ny olona iray izay fantatrao) no nahazo ny fiarovana sy ny fanampian’ny Tompo rehefa nikatsaka tamim-pahavitrihana ny ho mahatoky amin’ny zava-masina iray izay nankinin’ny Tompo taminao?

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fanirian’izy ireo hitandrina ireo zava-masina nankinin’ny Tompo taminy dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona D. Todd Christofferson

“Aoka ianareo hanam-pahendrena eo anatrehan’ny zavatra izay omen’ny Tompo anareo. Fametrahan-pitokisana izany. …

“Enga anie ny fiainanareo mba hahitana taratra ny fitomboan’ny fankatoavana araka ny tokony ho izy toy izay hoe mirona any amin’ny fanaovana an-tsirambina. Manantena aho fa hieritreritra sy hahatsapa ary hiakanjo sy hanao asa amin’ny fomba izay mampiseho fanajana fatratra ireo zavatra masina, ireo toerana masina ary ireo fotoana masina ianareo” (“A Sense of the Sacred” [Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana ho an’ireo tanora latsaky ny 30 taona, 7 nov. 2004], 9, 10; speeches.byu.edu

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:61–62. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo ohatra maneho ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Joseph sy i Emma Smith noho ny fahatokian’izy ireo tamin’ny fitandrovana ireo zavatra masina.

  • Ahoana no fomba nitahian’ny Tompo ny Mpaminany sy ny vadiny tamin’io fotoana io? (Ampio ny mpianatra mba hahita fa nanampy an’i Joseph hanatanteraka ny sitrapony ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanampian’i Martin Harris.)

Joseph Smith—Tantara 1:63–65

Nampiseho ireo endri-tsoratra teo amin’ireo takelaka tamin’ny olona manam-pahaizany tany New York i Martin Harris

Raha azo atao dia ampisehoy ny mpianatra ny sary nampiarahina eto, izay mampiseho ny ohatra amin’ireo endri-tsoratra izay voasoratra tao amin’ireo takela-bolamena. Nandika ny sasany tamin’ireo endri-tsoratra tamin’ny taratasy iray i Joseph Smith tamin’ny 1828. Nangataka i Martin Harris raha toa ka afaka mampiseho ny tahadikan’ny sasany amin’ireo endri-tsoratra avy tao amin’ireo takelaka amin’ny manam-pahaizana any New York izay nanana fahalalana momba ireo fiteny sy sivilizasiôna fahiny izy. (Rehefa mampiseho ilay sary ianao dia azonao atao ny milaza fa tahadika maro tamin’ireo endri-tsoratra no natao. Tsy fantatra raha toa ity mihitsy ilay tahadika izay nasehon’i Martin Harris tamin’ireo manam-pahaizany.)

endri-tsoratra avy amin’ireo takelaka

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Joseph Smith—Tantara 1:63–65 sy Isaia 29:10–12. Hazavao fa mamaritra ny fivorian’i Martin Harris tamin’ireo olona manam-pahaizana ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara. Ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia dia ahitana faminaniana iray momba ny andro farany. Asao ny mpianatra mba hiasa tsiroaroa ka hifandimby hamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’izy samy izy. Asaivo vakiny aloha ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara.  Eo am-pamakian’izy ireo ireo andininy ao amin’ny Isaia 29, dia asaivo mitady ireo zavatra mitovy amin’ny tantara nataon’i Martin Harris izy ireo. Rehefa avy mamaky sy mifanakalo hevitra mikasika ireo andinin-tsoratra masina roa ireo ny mpianatra dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao :

  • Inona ny fahamarinana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo antsika momba ny fahafantaran’ny Tompo zavatra mialoha sy ireo faminanian’ireo mpanompony ? (Azonao atao ny milaza fa nanampy tamin’ny fanatanterahana ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 29:11–12 i Martin Harris rehefa nampiseho ireo endri-tsoratra avy tao amin’ireo takelaka tamin’ireo olona manam-pahaizana tany New York.)

Na dia mety ho amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hamantatra izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Ho tanteraka avokoa ny faminanian’ny mpanompon’ny Tompo. Azaonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra izany ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:65. Anontanio ny mpianatra raha toa ka afaka mieritreritra andalan-tsoratra masina fehezina izay mampianatra izany fahamarinana izany izy ireo (ohatra, jereo ny F&F 1:37–38 sy ny Amosa 3:7). Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:65.

  • Ahoana no fomba hampatanjahan’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra na nataon’ny mpaminany ny finoanao?

Asao ny mpianatra mba hanoratra fehezanteny vitsivitsy ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina izay mamintina ny zavatra nianarana tamin’ny lesona androany sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo. Mba hanomezana fahafahana an’ireo mpianatra hanazava sy hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nianarany dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara amin’ny ankizy ny zavatra nosoratany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Joseph Smith—Tantara 1:56. Ireo teny farany mifono toromarika nataon’i Alvin Smith tamin’i Joseph Smith

Nanambara i Lucy Mack Smith fa talohan’ny nahafatesan’i Alvin Smith dia niteny ireto teny manaraka ireto tamin’ny Joseph zandriny izy:

“Tiako ianao mba ho zazalahy hendry, ka hanao izay rehetra faran’ny herinao mba hahazoana ilay Rakitsoratra. Aoka ianao ho mahatoky amin’ny fandraisana torolalana, sy amin’ny fitandremana ny didy rehetra izay omena anao. Tsy maintsy mandao anao i Alvin zokinao; kanefa tsarovy ny ohatra izay napetrany taminao; ary aoka ianao ho ohatra amin’ireo ankizy izay zandrinao, ary aoka ianao ho tsara fanahy hatrany amin’i dada sy i neny” (Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, navoakan’i Preston Nibley [1958], 87).

Joseph Smith—Tantara 1:56. “Ary amin’izany no nisehoan’ny resaka mateza fa efa mpitrandraka volamena aho”

Hatramin’ireo andro voalohany amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia namely an’i Joseph Smith ireo mpitsikera noho izy niasa tamin’ny naha-mpitrandraka vola azy fony zatovo. Nantsoin’ireo mpitsikera hoe “fitrandraham-bola” na “fikatsahana harena” ny ezaka nataony mba handotoana azy. I Joseph Smith dia nitombo tao anatin’ny fotoana sy kolontsaina iray izay mahazatra sy nekena ny fikatsahana harena na fitrandrahana volamena na volafotsy milevina. Nanazava i Joseph Smith ao amin’ny tantarany fa nokaramaina mba hitrandraka volafotsy izy sy ny fianakaviany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:56).

Joseph Smith—Tantara 1:59–62. Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny

Misy ireo nanontany hoe : Manana ny antsipiriany momba ny fomba nandikana ny Bokin’i Môrmôna ve isika? Nanome izao valinteny manaraka izao ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Neal A. Maxwell

“Tsy mahagaga raha toa ireo olona maro mamaky ny Bokin’i Môrmôna no maniry ny hahalala misimisy kokoa mikasika ny nipoirany, ary ao anatin’izany ny ambaratonga marin’ny fandikan-teny. Inoana marina fa toy izany no nitranga tamin’i Hyrum Smith izay nahatoky sy tsy nivadim-pitokisana. Mikasika izay fikarokarohana izay, dia niteny tamin’i Hyrum ny Mpaminany Joseph fa ‘tsy nisy ny fikasana hilaza amin’izao tontolo izao ireo antsipirian-javatra mikasika ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna’ ary ‘tsy mahasoa azy ny hizarany ireo zavatra ireo’ (History of the Church, 1:220). Noho izany, dia ampy antsika izay fantatsika ankehitriny mikasika ny nipoiran’ny Bokin’i Môrmôna, saingy tsy tena amin’ny antsipiriany izany. …

“Na inona na inona antsipirian’ilay ambaratonga narahana, dia nitaky ezaka lehibe manokana avy amin’i Joseph izany omban’ny fanampian’ireo fitaovana nanome fanambarana izany. Mety niovaova arakaraka ny fitombon’ny fahaizan’i Joseph ilay ambaratonga narahana, tafiditra ao anatin’izany ny Orima sy Tomima, saingy mety tsy dia niankina firy tamin’ireo fitaovana ireo intsony tany amin’ny faramparan’ny asa fandikan-teny nataon’ny Mpaminany. Nolazain’ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa nilaza taminy i Joseph Smith hoe nampiasa ny Orima sy Tomima izy tamin’ny fotoana tsy mbola nananany traikefa tamin’ny fandikan-teny saingy tsy nilainy intsony izany nony taty aoriana, toy ny nitranga tamin’ny fotoana nandikan’i Joseph andinin-tsoratra masina maro avy tao amin’ny Baiboly (Jereo ny Latter-day Saints’ Millennial Star, 11 Aug. 1874, 498–99)”. …

“Nahoana isika no tsy manana fanambarana bebe kokoa mikasika ny dingan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna? Tsy nambara angamba ilay dingana iray manontolo satria tsy ho vonona ny hahatakatra izany isika, na dia omena antsika aza izany. Angamba koa tian’ny Tompo hifototra amin’ny finoana ny hanekentsika ny Bokin’i Môrmôna, na dia feno porofo mazava aza izany. Eo koa ny hoe nomen’i Kristy torolalana i Môrmôna, izay namerina ny fampianaran’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, mba tsy handrakitra azy rehetra eo amin’ny takelaka satria ‘hozahako ny finoan’ny oloko’ (3 Ne. 26:11). Nafenina angamba ny antsipiriany mikasika ny fandikan-teny satria tiana hamakafaka lalina ny votoatin’ny boky isika fa tsy hanjary hanana olana amin’ny tsy antony momba ny dingana izay nahazoana izany” (“By the Gift and Power of God,”Ensign, Jan. 1997, 39, 41).

Na dia tsy mahafantatra ny antsipirian-javatra momba ny fomba nandikana ny Bokin’i Môrmôna aza isika dia fantatsika fa nadika “araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” izany (F&F 135:3) ary ilay ampahany izay nadika dia marina (jereo ny F&F 17:6).

Joseph Smith—Tantara 1:59–62. “Tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomima no nandikako”

Ny Orima sy Tomima dia “fitaovana iray nomanin’ Andriamanitra hanampiana ny olona amin’ny fandraisana fanambarana sy amin’ny fandikana teny” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Orima sy Tomima ”). Nampiasa ny Orima sy Tomima i Joseph Smith ho fanampiana tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Ankoatra ny Orima sy Tomima dia nampiasa vato mpahita ny Mpaminany tamin’ny dingan’ny fandikan-teny.

Niteny izao manaraka izao ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ilay dingan’ny fandikan-teny sy ny fampiasan’i Joseph Smith ny Orima sy Tomima ary ilay vaton’ny mpahita:

Loholona Neal A. Maxwell

“Ny Mpaminany Joseph irery ihany no nahalala ireo ambaratonga feno, ary tena tsy nazoto ny hilazalaza ireo antsipiriany izy. Mankasitraka ny tenin’i David Whitmer, i Joseph Knight, sy i Martin Harris isika izay mpanara-maso, fa tsy mpandika teny. Nilaza i David Whitmer fa rehefa nampiasa ireo fitaovana avy any amin’ Andriamanitra nomena mba hanampy azy ny Mpaminany, dia ‘nipoitra ny hierôglifa, ary nipoitra ihany koa ny dikan’ny teny tamin’ny teny anglisy … tamin’ny endri-tsoratra mamiratra.’ Dia hovakin’i Joseph amin’i Oliver ireo teny (nampiasaina tao amin’ny James H. Hart, “About the Book of Mormon,” Deseret Evening News, 25 Mar. 1884, 2). Nitantara momba ireo vaton’ny mpahita i Martin Harris: ‘Mipoitra ireo fehezanteny, dia vakin’ny Mpaminany ary avy eo dia raisin’i Martin an-tsoratra’ (nampiasaina tao amin’ny Edward Stevenson, “One of the Three Witnesses: Incidents in the Life of Martin Harris,” Latter-day Saints’ Millennial Star, 6 Feb. 1882, 86–87). Nanao fanamarihana toy izany ihany koa i Joseph Knight (jereo ny Dean Jessee, “Joseph Knight’s Recollection of Early Mormon History,” BYU Studies 17 [Automn 1976]: 35).

“Voalaza fa nijoro ho vavolombelona teo anoloan’ny fitsarana i Oliver Cowdery fa ny Orima sy Tomima dia nanome fahafahana an’i Joseph mba ‘hamaky ny teny Anglisy, sy ny fiteny Egyptiana nohavaozina, izay voasokitra teo amin’ireo takelaka’ (“Mormonites,” Evangelical Magazine and Gospel Advocate, 9 Apr. 1831). Raha toa ka marina ireo tatitra ireo, dia maneho izany fa tena nanome ‘fahitana sy hery handika teny’ ho an’i Joseph Andriamanitra tao anatin’izany ambaratonga izany (F&F 3:12).

“Raha nahita ireo teny fahiny nivadika ho Anglisy ka nanonona izany ny Mpaminany tamin’ny alalan’ireo fampitaovana avy amin’ Andriamanitra ireo dia tsy nila namakafaka hatrany ireo endri-tsoratra teo amin’ny takelaka izy—izay dingan’ny fandikan-teny mahazatra amin’ny famerimberenana misaintsaina lahatsoratra fahiny iray sy ny fanolorana famaritana maoderina iray.

“Araka ny hita dia tsy nitaky ny Mpaminany mba ho matihanina tamin’ny fiteny fahiny ilay ambaratongan’ny fandikan-teny tamin’ny alalan’ny fanambarana. …

“Na inona na inona antsipirian’ilay ambaratonga narahana, dia nitaky ezaka lehibe manokana avy amin’i Joseph izany omban’ny fanampian’ireo fitaovana nanome fanambarana izany. Mety niovaova arakaraka ny fitombon’ny fahaizan’i Joseph ilay ambaratonga narahana, tafiditra ao anatin’izany ny Orima sy Tomima, saingy mety tsy dia niankina firy tamin’ireo fitaovana ireo intsony tany amin’ny faramparan’ny asa fandikan-teny nataon’ny Mpaminany. Nolazain’ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa nilaza taminy i Joseph Smith hoe nampiasa ny Orima sy Tomima izy tamin’ny fotoana tsy mbola nananany traikefa tamin’ny fandikan-teny saingy tsy nilainy intsony izany nony taty aoriana, toy ny nitranga tamin’ny fotoana nandikan’i Joseph andinin-tsoratra masina maro avy tao amin’ny Baiboly (jereo ny Latter-day Saints’ Millennial Star, 11 Aug. 1874, 498–99)” (“By the Gift and Power of God,” Ensign, Jan. 1997, 39).

Joseph Smith—Tantara 1:63–65. Iza ireo olona manam-pahaizana notsidihan’i Martin Harris?

Nitsidika lehilahy telo farafahakeliny izay nalaza ho mpadika teny matihanina i Martin Harris. Niresaka tamin’i Luther Bradish, izay diplômaty iray, olom-panjakana, mpitety izao tontolo izao ary mpianatra fiteny izy tany Albany, New York. Nitsidika ny Dr. Samuel Mitchell izay filoha lefitry ny Rutgers Medical College izy tao New York City. Nitsidika lehilahy iray ihany koa izy izay nahafantatra fiteny maro ka anisan’izany ny Hebreo sy Babyloniana. Ny Profesora Charles Anthon tao amin’ny Columbia College tao New York City izany, izay anisan’ireo mpitarika tamin’ireo olona manam-pahaizana momba ny fiteny fahiny tamin’ny androny. Tamin’ny fotoana nitsidihan’i Martin Harris dia profesora mpanampy tamin’ny taranja Grika sy Latina i Charles Anthon. Nahay teny Frantsay, Alemana, Grika ary Latina izy ary nahafantapantatra ireo zavatra hita farany mikasika ny fiteny Egyptiana izy, araka ny boky ao amin’ny tranom-bokiny izay porofon’izany ka anisan’izany ireo asan’i Champollion tany am-piandohana.