Lesona 78
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–19
Fampidirana
Ny 16 Febroary 1832 dia nanao ny fanitsiana nentanim-panahy ho an’ny Baiboly (indraindray antsoina hoe Dikantenin’i Joseph Smith) i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Raha mbola teo am-pandikana sy teo am-pisaintsainana ny Jaona 5:29izy ireo dia nampisehoana fahitana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 Nandritra io fahitana io dia nampisehoan’ny Mpamonjy an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny fahitana mifanesy mazava tsara izay nanamafy ny fisiana sy ny maha-Andriamanitra an i Jesoa Kristy. Nampianatra ihany koa momba ny fahalavoan’i Satana sy ireo zanaky ny fahaverezana Izy ary nanambara ny toetran’ny fanjakam-boninahitra telo sy ireo izay handova izany. Hoy ny Filoha Wilford Woodruff : “Raha ny ‘Fahitana’ [ao amin’ny fizarana 76] fotsiny no resahiko dia ampitahaiko amin’ny fanambarana manome fahazavana bebe kokoa sy fahamarinana bebe kokoa ary fitsipika bebe kokoa mihoatra noho ny fanambarana hafa izay voarakitra amin’ny boky hafa izay vakiantsika izany. Manome fahatakarana mazava tsara mikasika ny toerana misy antsika amin’izao izany, avy aiza isika, nahoana isika no eto, ary handeha ho aiza isika. Ny olona tsirairay dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny fanambarana ny anjara toerany sy ny mety ho fepetra iainany” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 120–21).
Hampianarina ao anatin’ny lesona efatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Ity lesona ity dia mahafaoka ny topimaso fohifohy momba ny fahitana, ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo ary ny asa izay nitarika an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon hahazo ilay fahitana.
Sosokevitra enti-mampianatra
Topimaso ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76
Asaivo manome anaran-tanàna vitsivitsy izay tiany hanaovana fialan-tsasatra na fety ny mpianatra. (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.) Ataovy anaty faribolana ny iray amin’ireo toerana eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hanoratra ny fanoritsoritana ny lalana izay tokony handehanany mba hahatongavana any amin’ilay toerana haleha nofidiana. Rehefa afaka iray na roa minitra dia asao ny sasany amin’ny mpianatra hilazalaza ny zavatra nosoratany. Avy eo dia misafidiana toerana haleha iray voatanisa eny amin ny solaitrabe izay samy hafa tanteraka amin’ilay toerana haleha voalohany ka apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Raha toa ka manaraka ny lalana izay nofaritanao mankany amin’ilay toerana haleha voalohany ianao dia moa ve hitondra anao mankamin’ilay toerana haleha hafa izany?
-
Ahoana ny toerana tianao hahatongavana no miantefa amin’ny lalana tsy maintsy ho raisinao mba hahatongavana any?
Hazavao fa ny volana Febroary 1832 dia nahazo fahitana izay nanambara ny toerana mandrakizay halehan’ny olombelona ny Mpaminany Joseph Smith sy Sidney Rigdon. Io fahitana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76io dia milazalaza ny ambaratongam-boninahitra (na fanjakana) telo sy ny ambaratongan’ny fivoarana ara-panahin’ireo izay handova izany. Asao ny mpianatra hamantatra ny safidy izay mitondra mankamin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy eo am-pandalinany io fahitana io mandritra ny lesona efatra manaraka. Ankoatra izany, asao izy ireo hisaintsainana raha toa ka mitarika azy ireo mankamin’ny toerana haleha mandrakizay, izay hitondra ny fahasambarana lehibe indrindra ho azy ireo, ny safidy izay ataony amin’izao fotoana izao.
Mba hanomezana topimaso fohifohy momba ny votoatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia omeo ny mpianatra ny tahadikan’itykisary ampiarahana eto ity. (Ataovy kelikely ilay tahadika mba hahafahan’ny mpianatra manatsofoka izany ao amin’ny soratra masiny sy mijery izany rehefa mandalina ny fizarana 76 izy ireo.) Hazavao fa ilay kisary dia manasongadina ny zavatra izay hita sy fantatr’i Joseph sy Sidney momba ny fahitana azony.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: 1–10
Mampanantena fitahiana ho an’ireo izay mahatoky Aminy ny Tompo
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–5 Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny toetoetran’i Jesoa Kristy.
-
Iza amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy voalaza ao amin’ireo andininy ireo no manan-danja aminao? Nahoana?
Sariho ny sain’ny mpianatra amin’ny toetran’ny Mpamonjy voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5.
-
Araka ny andininy 5, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny famindram-po sy ny fihantran’ny Tompo? (Tsy maintsy matahotra Azy isika. Hazavao fa eto amin’ity toe-javatra ity, ny hoe matahotra ny Tompo dia midika hoe mitsaoka sy manaja ary mitia Azy.)
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fankalazan’ny Tompo? Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe manompo ny Tompo amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:6–9, sady hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mitsaoka sy manompo Azy.
-
Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia inona no fitahiana hirotsaka amin’ireo izay mitsaoka sy manompo ny Tompo? (Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny teny hoe mistery ao amin’ny andininy 7 dia entina hilazana ny fahamarinana ara-panahy izay tsy azo fantarina raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana.)
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Raha mitsaoka ny Tompo isika ka manompo Azy hatramin’ny farany dia hamaly soa antsika Izy amin’ny alalan’ny …
Asao ireo mpianatra hameno ny banga eo amin’ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Tokony hahita izao manaraka izao izy ireo: Raha mitsaoka ny Tompo isika ka manompo Azy hatramin’ny farany dia hamaly soa antsika Izy amin’ny alalan’ny fanambarana ny fahamarinana amintsika Izy.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba mety hanambaran’ny Tompo ny fahamarinana amintsika dia mitazòna takamoa (na jiro fanao am-paosy) iray ka anontanio ny fomba mety ifandraisan’izany amin’ny fitarihan’ny Fanahy. Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:10. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny hevi-baovao fanampiny amin’ny fomba mety ifandraisan’ny fitarihan’ny Fanahy amin’ilay takamoa (na ilay jiro fanao am-paosy).
-
Ahoana no fomba itovizan’ny fitarihan’ny Fanahy amin’ilay loharanom-pahazavana, toy ny takamoa? (Mety haneho ity fahamarinana manaraka ity ny valintenin’ireo mpianatra: Manazava antsika amin’ny alalan’ny Fanahy ny Tompo.)
-
Inona no dikan’ny hoe manazava? (Manome fahalalana na hevi-baovao ara-panahy izay mampitombo ny fahatakarantsika na manampy antsika hahita ny fahamarinana.)
-
Oviana ianao no niaina ny fanazavan’ny Fanahy? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia azonao atao ny mizara zavatra iray efa niainanao manokana.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–19
Nilaza ny toe-javatra izay nitarika ny fahitany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–14. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny fahatanterahan’ny fampanantenana voalaza ao amin’nyandininy 5–10.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny traikefan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ho fahatanterahan’ny fampanantenana voalaza ao amin’nyandininy 5–10?
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana izay namakiany soratra masina nefa tsy takany ny zavatra izay novakiany.
-
Inona no nataonao mba hahatakarana tsara kokoa ny soratra masina?
Hazavao fa ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon talohan’ny nahazoany ity fahitana ity dia afaka mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mahatakatra tsara kokoa ny soratra masina sy manasa ny Fanahy Masina mba hanambara ny fahamarinana amintsika.
Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra iray ao amin’ny ekipa tsirairay mba hamaky mangina ny teny fanolorana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 Asao ilay mpianatra iray hafa hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:15–19 Angataho ny mpianatra hitady ny zavatra natao na efa nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izay nanomana azy ireo tamin’ny fandraisana ny fahatakarana ny soratra masina tamin’ny alalan’ny fanambarana. (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny teny fanolorana ny fizarana dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoeireodia midika hoe maro isan-karazany.) Azonao atao ihany koa ny manazava fa tamin’ny andron’i Joseph Smith dia nieritreritra ny ankamaroan’ny olona izay nino ny Baiboly fa aorian’ny Fitsarana Farany dia na halefa any an-danitra na any amin’ny helo ny olona rehetra. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra hamakiany dia asaivo mizara izay zavatra hitany amin’ny mpiara-miasa aminy izy ireo. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Inona no zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izay nanomana azy ireo handray io fahitana io? (Nandalina sy nisaintsaina ny tao amin’ny Jaona 5:29 izy ireo.)
-
Inona no dikan’ny hoe misaintsaina ny soratra masina? (Ny valinteny dia mety ahitana ny hoe mandalina na mieritreritra ny zavatra vakianao, mametraka fanontaniana mikasika ny zavatra vakianao, ary mampifandray ny zavatra ianaranao amin’ny zavatra izay efa fantatrao.)
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy tamin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon? (Mety handroso karazana fitsipika maro samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hanamafisana ity fitsipika manaraka ity: Rehefa ombam-bavaka ny fandalinana sy ny fisaintsainana ny soratra masina ataontsika dia manomana ny tenantsika handray ny fahatakarana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba fandalinana sy fisaintsainana amim-bavaka ny soratra masina dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra atao miaraka amin’ny fandalinana sy fisaintsainana amim-bavaka ny soratra masina. (Azonao atao ny manome ny tahadikan’ilay fanambarana an’ny mpianatra mba hahafahany manaraka ny vakiteny.)
“Rehefa miteny aho hoe ‘mandalina,’ dia zavatra mihoatra ny mamaky no tiako holazaina. … Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara ianareo, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy, ary manoratra ireo hevitra sy fahatakarana izay tonga ireo mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toa izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, kanefa hanisy toerana ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy”(“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 11).
-
Asa inona no nampiarahin’ny Loholona Christofferson amin’ny fandalinana sy fisaintsainana ny soratra masina?
-
Ankoatra ny torohevitra avy amin’ny Loholona Christofferson dia inona koa no zavatra efa nataonao mba handalinana sy hisaintsainana amim-bavaka ny soratra masina? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
-
Inona no traikefa nanananao vokatry ny fandalinana sy fisaintsainana amim-bavaka ny soratra masina?
Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny asa izay noresahana androany ao anatin’ny fandalinany manokana ny soratra masina. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fandalinana sy fisaintsainana amim-bavaka ny soratra masina.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Topimaso ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Fidio ny lalana marina izay mitondra mankamin’ny toerana irina haleha
Ity tantara manaraka ity, araka ny fitantaran’ny Loholona Sterling W. Still ao amin’ny Fitopololahy azy, dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fifidianana ny lalana izay hitarika antsika mankamin’ny toerana mandrakizay izay iriantsika handehanana fatratra.
“Afaka mianatra lesona manan-danja iray lehibe amin’ny tantara izay nataon’ny Dokotera Harry Emerson Fosdick, taona maro lasa, izay mitondra ny lohateny hoe ‘Diso fiara fitateram-bahoaka’ isika. Mitantara momba ny lehilahy iray [tany Etazonia] izay nandeha fiara fitateram-bahoaka mba handeha hankany Detroit izany. Kanefa rehefa tonga tany amin’ny faran’ilay dia lavitra izy dia nahita fa tonga tany Kansas City. Tamin’ny voalohany dia tsy nety nino izy. Rehefa nanontany [ny lalana mankany] amin’i Woodward Avenue izy ka nilazana fa tsy nisy izany Woodward Avenue izany dia tezitra—fantany fa nisy izany. Fotoana elaela taorian’izay vao tonga saina izy fa na dia teo aza ny fikasany tsara sy ny faniriany fatratra dia tsy tonga velively tany Detroit izy fa tany Kansas City. Nety tsara daholo ny zava-drehetra afa-tsy ny zavatra kely iray, diso ny fiara fitateram-bahoaka noraisiny.
“Moa ve tsy mahavariana ny mahita fa maro ireo olombelona izay tonga any amin’ny toerana iray eo amin’ny fiainana izay tsy nokasainy haleha na oviana na oviana? Ny haja sy ny fahombiazana ary ny fahasambarana no safidiantsika ho tanjona, kanefa indraindray isika dia mitaingina fiara fitateram-bahoaka izay mitondra antsika mankamin’ny toerana haleha izay feno fahafam-baraka, tsy fahombiazana ary fahasorenana. Ny tanjona voalohan’ny fiainana eto an-tany dia ny fiomanana amin’ny fiainana aorian’izao eto an-tany izao. Ary nozaraina telo lehibe ny toerana azontsika haleha, izay ampitahain’i Paoly amin’ny fisarihan’ny hazavan’ny masoandro, ny volana ary ny kintana. …
“Koa dia hiverenantsika indray ilay hevi-dehibe, izay anisan’ny manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao: voalohany, fantatsika ny toerana tiantsika haleha; faharoa, mitaingina ny fiara fitateram-bahoaka izay hitondra antsika any isika” (On the Wrong Bus,”New Era,Jolay 1983, 4, 6.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–12. “Noho ny herin’ny Fanahy dia nosokafana ny masonay”
Nilaza i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon fa raha teo am-pandikana ny Jaona 5:29 izy ireo dia “notsindrian’ny Fanahy” (F&F 76:11) ary “noho ny herin’ny Fanahy” (F&F 76:12) dia nosokafana ny masony. Ao anatin’io toe-javatra io, ireo andian-teny ireo dia entina hilazana ny toetra miserana eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo antsoina hoe fiovan-tarehy. Mitranga ny fiovan-tarehy rehefa “novana vetivety ny endriny sy ny tenany olona—izany hoe nakarina amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa—mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ireo olon’ny lanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina,Fiovan-tarehy,” scriptures.lds.org.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19 Fandalinana sy fisaintsainana ny soratra masina
Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra momba ny fahasamihafana misy eo amin’ny fandalinana sy fisaintsainana ary ny fifandraisana misy eo amin’ny fisaintsainana sy ny fandraisana fanambarana:
“Ny mamaky, mandalina ary misaintsaina dia zavatra samihafa mihitsy. Mamaky teny isika dia mety hahita hevitra. Mandalina isika ary mety hahita modely arahina sy fifandraisana eo amin’ny soratra masina. Fa rehefa misaintsaina kosa isika, dia manasa ny fanambaran’ny Fanahy. Ny hoe misaintsaina dia ny fieritreretana sy ny fivavahana ataoko aorian’ny famakiana sy ny fandalinana tsara ny soratra masina” (“Manompo miaraka amin’ny Fanahy,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 60).
Nanoro hevitra ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Rehefa misaintsaina isika dia manome fahafahana ny Fanahy hibitsika sy hitarika” (“There Are Many Gifts,” Ensign, nôv. 1987, 20).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. “Ilay Fahitana”
Teo ambany fitarihan’i Joseph Smith dia nisy asa soratra miendrika tononkalo nosoratana momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, izay antsoina amin’ny fomba mahazatra hoe “Ilay Fahitana.” Ny 1 Febroary 1843 dia navoaka printy tao amin’ny Times and Seasons,izay gazetim-piangonana nivoaka tao Nauvoo, Illinois, nanomboka ny volana Nôvambra 1839 ka hatramin’ny Febroary 1846, ilay tononkalo (jereo ny Times and Seasons,1 Feb. 1843, 82–85). Ilay tabilao etsy ambany dia mampiseho ny ampahany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,sy ireo andininy mifandraika amin’izany ao amin’ilay tononkalo, ary hevi-baovao izay azontsika tsoahina avy amin’izy roa.
Soratra miendrika tononkalo |
Hevi-baovao | |
---|---|---|
“Fa tamin’ ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra.” |
Andinin-tononkalo 19–20 “19. Ary nandre feo mahery aho, izay nanambara avy an-danitra, Fa Izy no Mpamonjy, sy zanaka lahitokan’ Andriamanitra— Fa tamin’ny alalany, sy tao Aminy ary avy Aminy no nahariana an’izao tontolo izao, Eny fa na dia ireo rehetra mitsipalotra eny amin’ny lanitra midadasika aza, “20. Ary na ny mponina any koa aza, ny voalohany ka hatramin’ny farany, Dia novonjen’ilay Mpamontsika ihany koa; Ary mazava ho azy fa zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, Amin’ny alalan’ireo fahamarinana sy hery teo ireo ihany.” |
I Jesoa Kristy dia tsy Mpamonjin’ny mponina eto amin’ity tanintsika ity ihany fa Mpamonjin’ny mponina manerana ny tontolo rehetra izay nohariany. |
“Indro, ireo no ireo izay maty tsy nisy lalàna; “Ary koa ireo izay fanahin’ ny olona notanana an-tranomaizina, izay novangian’ ny Zanaka, ka nitoriany ny filazantsara mba ho azo tsaraina araka ny olona ao amin’ ny nofo izy ireo;” |
Andinin-tononkalo 54–55 “54. Indro, ireo no ireo izay maty tsy nisy lalàna; Dia ireo mpanompo sampy hatrizay tsy nanam-panantenana, Sy ireo ao amin’ny faritra sy aloky ny fahafatesana, Dia ireo fanahy tao an-tranomaizina izay natsangana. “55. Ireo fanahy tao an-tranomaizina izay nitorian’ny Mpamonjy, Sy nampianarina ny filazantsara tamin-kery indray; Ary avy eo natao batisa ho an’ny maty eo aminy ireo velona, Mba hahafahana mitsara azy ireo ho toy ny olombelona.” |
Tsy tahaka an’i Alvin Smith izay nanaiky ny filazantsara raha tahiny ka nanana fahafahana ny handray izany izy talohan’ny nahafatesany (jereo ny F&F 137), dia maro ireo izay handà ny filazantsara raha toa ka nandre izany izy ireo nandritra ny fiainana an-tany. Kanefa noho Andriamanitra be famindram-po dia hanana fahafahana ny handre sy hanaiky ny filazantsara any amin’ny tranomaizin’ny fanahy ireny olona ireny ka hotsaraina tahaka ny olona velona araka ny nofo. |
“Izay tsy nandray ny tenivavolombelon’ i Jesoa tao amin’ ny nofo, saingy nandray izany tatỳ aoriana. “Ireo no ireo izay olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ ny fanitahan’ ny olona. “Ireo no ireo izay mandray amin’ ny voninahiny saingy tsy mandray amin’ ny fahafenoany. “Ireo no ireo izay mandray amin’ ny maha-eo ny Zanaka, saingy tsy mandray amin’ ny fahafenoan’ ny Ray. |
Andinin-tononkalo 56–57 “56. Ireo no ireo izay olom-banona teto an-tany; Izay nohajambaina sy nofitahin’ny hafetsen’ny olona: Tsy nanaiky ny fahamarinan’ny Mpamonjy tamin’ny voalohany; Kanefa nanaiky ihany rehefa nandre izany indray tany an-tranomaizina. “57. Tsy nahery fo tamin’ny fahamarinana ka tsy nahazo ny satroboninahitra, Fa nahazo voninahitra izay voalaza fa mitovy amin’ny an’ny volana: Ireo no ireo izay ho tonga eo anatrehan’i Kristy, Fa tsy handray ny fahafenoan’ Andriamanitra, eo amin’ny seza fiandrianany.” |
Maro ireo olom-banona izay mandà ny filazantsara eto amin’ity fiainana ity kanefa mibebaka sy manaiky ny filazantsara any aoriana rehefa ampianarina azy ireo any amin’ny tontolon ny fanahy izany. Handray ny voninahitra terestrialy izay hampitahaina amin’ny hazavan’ny volana izy ireo. Afaka hifandray amin’i Jesoa Kristy izy ireo fa tsy hahazo ny fahafenoan’ Andriamanitra Ray. |