Lesona 64
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:34–65
Fampidirana
Ho valin’ny fanontanian’ireo loholona momba ny fomba tokony hatao hananganana ny tanànan’i Ziona dia nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 ny Tompo tamin’ny 1 Aogositra 1831. Ny andininy 34–65 dia ahitana ny torolalana momba ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana ho an’ireo izay nifindra monina tany Ziona. Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny Tompo dia nampianatra ihany koa ny fitsipiky ny fibebahana sy nandidy ny loholona hitory ny filazantsara ary nanoro hevitra azy ireo mikasika ny fomba fananganana an’i Ziona.
Sosokevitra enti-mampianatra
Tamin’ny lesona teo aloha dia nasaina hampiasa ny ny fahafahany misafidy ny mpianatra mba hanao zavatra tsara talohan’ny fianarana androany. Mandraisa andraikitra hijerena raha nanaiky ilay fanasana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hizara ny zavatra niainany tamin’ny fisafidianana ny “hazoto hirotsaka” (F&F 58:27) amin’ny fanaovana zavatra tsara.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:34–43
Manome torolalana mikasika an’i Ziona sy mampianatra ny fitsipiky ny fibebahana ny Tompo
Soraty eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Inona no atao hoe mibebaka?
Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hamaly io fanontaniana io. Avy eo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no ahafahako mahafantatra raha tena nibebaka marina aho? Ahoana no ahafahako mahafantatra raha tena namela ahy tamin’ny heloko ny Tompo?
Asao ny mpianatra mba hanoratra ireo fanontaniana ireo ao amin’ny kahie ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Angataho izy ireo haka minitra vitsivitsy hanoratany ny valiny tsirairay avy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia ampahafantaro fa hanana fahafahana ny hamerina handinika ny valinteniny izy ireo rehefa afaka kelikely eo mandritra ny lesona.
Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:34–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa maro tamin’ireo loholona izay nandeha tany Missouri sy hanorim-ponenana tany no te-hahafantatra ny zavatra tokony hataony mba handrindrana sy handaminana ary hananganana ny tanànan’i Ziona. Nanome torolalana ireo izay nifindra monina tao Missouri ny Tompo mba hanome ny volany sy ny fananany ho amin’ny foto-kevitra fananganana an’i Ziona. Nomena toromarika i Martin Harris mba ho fakan-tahaka amin’ny fanomezana vola ny eveka. Nanome vola betsaka izy mba hanampiana ny Eveka Edward Partridge amin’ny fividianana tany ho an’ny Fiangonana.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana manaraka ireto: Martin Harris, William W. Phelps, ary Ziba Peterson. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:38–41, 60. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Martin Harris sy William W. Phelps ary Ziba Peterson teo am-piomanany hanangana an’i Ziona.
Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny anarana mifanaraka amin’izany ny valinteniny.
-
Inona no fahotana nanamelohan’ny Tompo an’i Martin Harris? Inona no nasain’ny Tompo hataony?
-
Inona no fahotana izay nolazain’ny Tompo fa nahameloka an’i William W. Phelps? Inona no nasain’ny Tompo hataony? (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “mitady ny ho ambony” [andininy 41 ] dia tsy midika hoe manao izay tsara indrindra na miezaka ny manatsara. Tsy izany, fa io andian-teny io dia midika faniriana tsy ara-drariny sy feno fieboeboana ny hiseho ho tsaratsara kokoa na manan-danja kokoa noho ny hafa.)
-
Inona no nandraman’i Ziba Peterson hatao amin’ny fahotany?
Hamafiso fa ny fahotan’ireo lehilahy ireo dia saika nanakana azy ireo amin’ny fanampiana amin’ny fananganana an’i Ziona.
-
Inona ireo zavatra sasany izay mety hanakana ny fahafahantsika manompo ny Tompo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo mikasika ny fibebahana.
-
Inona araka ireo andininy ireo no fampanantenan’ny Tompo ho antsika raha mibebaka isika? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia hamela antsika ny Tompo ka tsy hahatsiaro izany intsony. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ny teny izay mampianatra io fitsipika ao amin’ny andininy 42 io.)
-
Inona amin’ireo fahotana ataontsika no voakasik’io fampanantenana io? (Izy rehetra.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo teny na andian-teny izay mifandray amin’ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
“Na inona na inona fandikan-dalàna nataontsika, na firy na firy ny fandratrantsika ny hafa tamin’ny zavatra nataontsika dia afaka ho voafafa avokoa izany heloka izany. Ho ahy, ny andian-teny tsara indrindra ao amin’ny soratra masina angamba dia ny filazan’ny Tompo hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin” ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony’ [F&F 58:42].
“Izany no fampanantenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana” (“The Atonement,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 77).
Asaivo jeren’ireo mpianatra ny fanontaniana voasoratra eo amin’ny solaitrabe.
-
Ahoana no hanampian’ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny andininy 42 amin’ny famaliana ilay fanontaniana fahatelo hoe: Ahoana no ahafahako mahafantatra raha tena namela ahy tamin’ny heloko tokoa ny Tompo? (Ny fampanantenan’ny Tompo dia manampy antsika hahafantatra fa manome famelan-keloka mandrakariva Izy rehefa mibebaka tanteraka amin’ny fahotantsika isika.)
-
Ankoatra ny fahafantarana fa ny Tompo dia nampanantena ny hamela antsika rehefa mibebaka tanteraka amin’ny fahotantsika isika, ahoana koa no ahafahantsika mahafantatra fa voavela ny helotsika?
Asaivo mamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba ahafahany mahafantatra rehefa namela ny helony ny Tompo.
“Raha vao mibebaka marina tokoa isika dia hanala ny vesatry ny fanamelohana noho ny fahotantsika i Kristy. Ny tenantsika ihany dia afaka mahalala fa voavela heloka sy voadio isika. Hanamarina izany amintsika ny Fanahy Masina; Izy no Mpanamasina. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona momba ny famelan-keloka lehibe mihoatra noho izany” (“Fotoam-piverenana hieren-doza,” Ensign na Liahona, mey 2007, 101).
-
Ahoana no efa nitahiana ny fiainanao noho ny fahafantarana fa afaka ny ho voavela amin’ny fahotanao rehetra ianao?
Hazavao amin’ireo mpianatra fa diso ny olona sasany mihevitra fa raha mbola afaka mahatsiaro ny fahotany izy ireo dia mbola tsy nibebaka tanteraka. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: Angataho ny mpianatra mba hihaino ny antony mety mahatonga antsika hahatsiaro ny fahotantsika na dia efa avy nibebaka aza isika.
“Hiezaka hampino antsika i Satana fa tsy voavela ny helotsika satria afaka mahatsiaro azy ireny isika. Mpandainga i Satana; miezaka ny mampanjavozavo ny fahitantsika sy mitondra antsika lavitra ny lalan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka izy. Tsy nampanantena Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony isika Hanampy antsika hiala amin’ny famerenana indray ilay fahadisoana ny fahatsiarovana. Kanefa halefahana eny an-dalana eny ny fahatsiarovana ny fahotantsika raha toa ka mijanona ho marina sy mahatoky isika. Ho ampahan’ny fanasitranana ilaina sy ny dingan’ny fanadiovana izany” (“Fotoam-piverenana hieren-doza,” 101).
Hamafiso fa misy fepetra ny fampanantenana voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Afaka mahazo famelan-keloka avy any amin’ny Tompo isika raha manao izay azontsika atao amin’ny fibebahana amin’ny fahotantsika.
-
Inona no atao hoe mibebaka? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery indray ny zavatra nosoratany ho valin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.)
Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay avy ao amin’ny bokikely Jeunes soyez forts. Asaivo henoin’ny mpianatra ireo zavatra fanampiny azony hianarana mikasika ny dikan’ny hoe mibebaka.
“Mihoatra noho ny fanekena ireo fahadisoana fotsiny ny fibebahana. Fanovana ny fomba fisainana sy fiovam-po izany. Tafiditra amin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana any amin’ Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka. Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana tena marina ny hankatò ny didiny no mamporisika hanao izany” (Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 28).
Hazavao fa ny fibebahana marina dia ahitana fepetra takiana maromaro. Voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43ny roa amin’ireo fepetra takiana ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy io andininy io. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra roa tsy maintsy hataontsika mba hahafahantsika mibebaka tanteraka amin’ny fahotantsika.
-
Araka ny andininy 43 dia inona avy ireo zavatra roa izay tsy maintsy ataontsika mba hibebahana marina amin’ny fahotantsika? (Tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha te-hibebaka dia tsy maintsy mibaboka sy mahafoy ny fahotantsika isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Ahoana no hanampian’io fahamarinana io antsika amin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe: Ahoana no ahafahako mahafantatra raha tena nibebaka marina tamin’ny fahotako aho? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fibabohana sy ny fahafoizana ireo fahotana dia zava-dehibe amin’ny fibebahana tanteraka.)
-
Inona no dikan’ny hoe mibaboka ny fahotantsika?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny dikan’ny hoe mibaboka amin’ny fahotantsika dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Endri-javatra mahery vaika ny fibabohana sy ny fahafoizana. Mifono zavatra betsaka noho ny fitenenana mahazatra hoe ‘Miaiky aho fa diso’ izy ireo. Ny fibabohana dia fiaikena lalina, ary indraindray fiaikena tena mampijaly ny fahadisoana sy ny faniratsirana an’ Andriamanitra sy ny olona” (“Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 40).
-
Ahoana no hanampian’ny fibabohantsika ny fahotantsika amin’ny fitodihana avy amin’izany sy amin’ny fanatonana an’ Andriamanitra mba ho voavela?
Tafiditra ao amin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny mety handinihan’ny mpianatra ny fahotana izay mety ilainy hibabohana sy ny olona tokony hibabohany izany. Hazavao fa mila mibaboka ny fahotana rehetra vitantsika amin’ny Ray any An-danitra isika. Ny fandikan-dalàna goavana toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena na ny fampiasana ny pôrnôgrafia dia tokony hibabohana amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana ihany koa.
Asaivo jeren’ny mpianatra ny fahamarinana farany izay nosoratanao teny amin ny solaitrabe.
-
Inona no dikan’ny hoe “mahafoy ny fahotanao”? (Mitodika tanteraka avy amin’ny fahotantsika sy tsy manao izany intsony.)
Mijoroa ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ireo fitsipiky ny fibebahana ary famelan-keloka nifanakalozana hevitra teo. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa misy fahotana mila hibebahany ary amporisiho izy ireo mba hibebaka amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fahamarinana nianarany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:44–65
Nandidy ireo loholona ny Tompo mba hitory ny filazantsara sy nanoro hevitra azy ireo mikasika ny fomba fananganana an’i Ziona.
Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:49–62 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nilaza tamin’ireo loholona izay nasaina nijanona tao Missouri fa tokony hividy tany sy hiomana amin’ny fanangonana ny Olomasina tao Missouri izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:46–47, 63–65. Angataho ny mpianatra mba hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo ireo loholona izay nasaina niverina tany Ohio.
-
Araka ny ao amin’ny andininy 46–47, dia inona no zavatra tokony nataon’ireo loholona teny am-piverenany ho any Ohio?
-
Araka ny ao amin’ny andininy 64, dia iza no tsy maintsy itoriana ny filazantsara? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony hita taratra ao kosa ity fitsipika manaraka ity: Tsy maintsy toriana amin’ny olona tsirairay avy ny filazantsara. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ny teny izay mampianatra io fahamarinana ao amin’ny andininy 64 io.)
Amporisiho ireo mpianatra hanaraka ny fitaoman’ny Fanahy mba hizara ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ireo manodidina azy ireo.