Seminera sy Institiota
Lesona 83: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78–80


Lesona 83

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78–80

Fampidirana

Ny 1 Martsa 1832 dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78 an’i Joseph Smith ny Tompo. Tao amin’ity fanambarana ity dia nanome baiko ny Mpaminany ny Tompo mba hanangana orinasa iray (izay fantatra taty aoriana tamin’ny anarana hoe Orinasa Miray) ka hitantana ny trano fanobiana sy ny asa famoaham-bokin’ny Fiangonana. Nanoritsoritra ny fitahiana ho azon’ireo Olomasina ihany koa ny Tompo raha toa ka mankatò ny didy hananganana io orinasa io izy ireo. Ho fiarovana ity fikambanana notantanin’ny Fiangonana ity amin’ny fahavalon’ny Fiangonana dia novana ny sasantsasany tamin’ireo fomba fiteny tao anatin’ity fanambarana ity fony izany vao navoaka tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fanontana 1835. Ohatra: natao hoe “lamina” na “lamina miray” ilay Orinasa Miray. Nanodidina io fotoana nandidian’ny Tompo an’i Joseph Smith mba hanangana ny Orinasa Miray io ihany koa no nanomezan’ny Tompo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80. Tao amin’ireo fanambarana ireo dia niantso an’i Jared Carter sy i Stephen Burnett ary i Eden Smith mba hanao asa fitoriana ny Tompo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:1–16

Didian’ny Tompo hanangana ny Orinasa Miray ny Mpaminany Joseph Smith

Mihazòna vola vitsivitsy ka apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hampiasaina ny vola amin’ny tanjona ratsy?

  • Ahoana no mety hampiasaina ny vola amin’ny fampandrosoana ny tanjona tsara?

Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia hazavao fa ny volana Mey 1831 dia nandidy ny hananganana trano fanobiana ny Tompo mba hanangonana ny entana sy vola mihoatra ho tombontsoan’ny mahantra (jereo ny F&F 51). Taorian’izay dia trano fanobiana roa no naorina: ny iray notantanin’i Sidney Gilbert tany Independence, Missouri, ary ny iray kosa notantanin’i Newel K. Whitney tao Kirtland, Ohio. Niasa ho toy ny mpitantan-draharaha ho an’ny Fiangonana ny Rahalahy Gilbert sy Rahalahy Whitney tamin’izay andraikitra izay. Nasaina hanome ny entana izay ilain’ny Olomasina ireo trano fanobiana ireo, nefa nata hiteraka vola ihany koa mba hividianana tany sy hampiodinana ny famoahana ireo fanambarana voarain’i Joseph Smith. Natao hanampiana ireo izay sahirana koa ireo trano fanobiana ireo (jereo ny F&F 72:10–12).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78, dia asao ny mpianatra iray hamaky ny fampidirana io fizarana io ao amin’ny soratra masina natonta tamin’ny 2013:

“Tany am-boalohany dia nanome torolalana ny Mpaminany sy i Sidney ary i Newel K. Whitney io fanambarana io mba handeha any Missouri ka hanorina ny toeram-pivarotana sy ny famoaham-bokin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fananganana ‘orinasa’ izay hanara-maso ireo asa ireo sy hiteraka vola ho fanorenana an’i Ziona ary ho tombontsoan’ny mahantra. Io orinasa izay fantatra amin’ny anarana hoe Orinasa Miray io dia natsangana tamin’ny volana Aprily 1832 ary noravana ny taona 1834 (jereo ny fizarana 82). Taona maro taty aorian’ny fandravana izany dia novaina teo ambany fitarihan’i Joseph Smith ny andian-teny hoe ‘tranom-pivarotana sy famoaham-boky’ tao amin’ilay fanambarana ka nosoloina hoe ‘ny raharahan’ny trano fanobiana ho an’ny mahantra,’ ary ny teny hoe ‘orinasa’ kosa dia nosoloina hoe ‘lamina.’”

Ataovy takatry ny mpianatra fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78 ny teny hoe lamina (jereo ny andininy 4) dia entina hilazana ilay Orinasa Miray. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:3–4, ka angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra azon’ny Olomasina hatao noho ny fisian’io orinasa na lamina io.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, inona no foto-kevitra izay tian’ny Tompo hampandrosoana amin’ny alalan’ny fananganana io orinasa io? (Ny famonjena ny olombelona.)

  • Inona ireo fomba sasantsasany izay mety ampiasaina ny vola mba hampandrosoana ny foto-kevitry ny famonjena?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny antony nahatonga ny Tompo handidy ny Olomasina hanampy ny “mahantra amin’ny vahoakany” (F&F 78:3). Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampiana ny Olomasina ho lasa “mitovy amin’ny zavatra ety an-tany” rehefa manampy ny mahantra izy ireo?

Mety hilainao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa tany amin’ny fanambarana tany aloha ny Tompo dia namaritra ny fitoviana araka ny toe-piainana sy ny zavatra ilaina ary ny hetahetan’ny fianakaviana iray (jereo ny F&F 51:3). Noho izany, ny didy hoe mitovy amin’ny zavatra ety an-tany dia tsy milaza an-kolaka hoe hitovy tanteraka ny fidiram-bolan’ny tsirairay, fa hanana izay sahaza avy kosa ny fianakaviana tsirairay amin’ny zavatra ilainy sy ny hetahetany, arakaraka ny toe-piainany avy.

Resaho ilay andian-teny hoe “zavatra any an-danitra” ao amin’ny andininy 5–6.

  • Araka ny eritreretrao, “zavatra any an-danitra” inona no irian’ny Tompo hampitovy antsika?

  • Ahoana no hahatonga antsika hitovy amin’ny fahazoana ny zavatra any an-danitra rehefa mitovy amin’ny zavatra etỳ an-tany?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:7 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny antony hafa nahatonga ny Tompo handidy ny Olomasina hikarakara ny mahantra. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Araka ny eritreritrao, amin’ny fomba ahoana no hanomanana ireo Olomasina handova ny fanjakana selestialy rehefa mikarakara ny mahantra izy ireo?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io andininy io izay mihatra amintsika amin’izao fotoana izao? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny kanefa tokony hita taratra ao kosa ity fitsipika manaraka ity: Ny fankatoavana ny didin’ny Tompo dia manomana antsika amin’ny fahazoana toerana iray ao amin’ny fanjakana selestialy.)

Asaivo mitanisa didin’ny Tompo betsaka araka izay azony atao ao anatin’ny iray minitra ireo mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Asao ny mpianatra mba hisafidy ny iray amin’ireo didy voatanisa eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra fehezanteny vitsivitsy ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina, izay manazava ny fomba hanampiana azy ireo hiomana hankany amin’ny fanjakana selestialy rehefa mankatò izany didy izany izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra misimisy kokoa momba ny tanjona kendren’ny Tompo amin’ny fanomezana didy antsika dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Drafitra iray izay mampiseho ny fomba hahatongavantsika amin’ilay irin’ny Raintsika any an-danitra hahatongavantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (The Challenge to Become,”Ensign, nôv. 2000, 32).

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampiana antsika hankatò ny Tompo amim-pahatokiana bebe kokoa rehefa takatsika ny tanjona kendreny amin’ny fanomezana antsika ny didy?

Manasà mpianatra roa mba hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:8–9. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sady hitady ny anaran’ireo izay notendren’ny Tompo mba hanangana ny Orinasa Miray. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9, dia nasaina hiara-midinika amin’iza ireo lehilahy telo ireo? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ilay andian-teny hoe “ireo olomasina ao Ziona” dia entina hilazana ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Independence, Missouri.)

Hazavao fa nankatò io didy io i Joseph Smith, Newel K. Whiteny, Sidney Rigdon sy i Peter Whitmer zanany ary i Jesse Gause ka nandeha tany Missouri ny volana Aprily 1832. Fotoana fohy taorian’ny fahatongavany dia nanao filankevitra izy ireo ka tao anatin’izany no nananganana ny Orinasa Miray araka ny toromarika tao amin’ity fanambarana ity. Nahitana an’i Joseph Smith, Sidney Rigdon, Newel K. Whitney, Edward Partridge, Sidney Gilbert, Oliver Cowdery, John Whitmer, William W. Phelps ary Martin Harris tao amin’ilay orinasa.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:10–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ao anatin’ireo andininy ireo ny Tompo dia manasongadina fa tokony hifamatotra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ireo mpikambana ao amin’ilay orinasa mba hitantanana ny fikambanan’ny Fiangonana. Rehefa mahatoky amin’io fanekempihavanana io izy ireo dia hahazo ny fanampian’ny Tompo amin’ny fanatanterahana ny didiny. Nanazava ihany koa ny Tompo fa raha manaraka ny toromarika izay omeny ireo Olomasina dia afaka hijoro ho mahaleo tena eo anatrehan’ireo zavatra hafa eto an-tany ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–22

Manoritsoritra ny fitahiana natao ho an’ireo izay mitandrina ny didiny ny Tompo

Asaivo mitanisa fanomezam-pahasoavana na fitahiana vitsivitsy izay voarainy fony izy ireo mbola kely ny mpianatra ka ankasitrahany bebe kokoa amin’izao fotoana izay mahalehibe azy ireo izao.

  • Nahoana ianao no mankasitraka bebe kokoa ireo fanomezam-pahasoavana na fitahiana ireo amin’izao fotoana izao?

  • Araka ny eritreritrao, ahoana no fomba ifandraisan’izany amin’ny fitahiana izay nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hamantatra ny maha-toy ny zaza madinika ny Olomasina.

  • Nahoana indraindray no sarotra ho antsika ny mahatakatra ny fitahiana izay nomanin’ny Tompo ho antsika?

  • Na dia mety tsy afaka mahatakatra na mahatanty ny zava-drehetra aza isika dia inona no fanasana nomen’ny Tompo antsika? (Mba hatoky.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampiana antsika hatoky rehefa fantatsika fa “hitari-dalana antsika” (F&F 78:18) amin’ny zavatra izay tsy afaka ny ho takatsika na zakantsika ny Tompo?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19 sy hitady ny didy nomen’ny Tompo ny Olomasina. Avy eo dia asao izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra nianarany.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa hihatra amin’ireo izay misafidy ny handray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana? (Tokony hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Raha mandray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana isika dia hampitombo ny fitahiantsika ny Tompo.)

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no hampitombo ny fitahiana ho an’ireo izay mandray amin’ny fankasitrahana ny Tompo?

  • Amin’ ny fomba ahoana no mety hanampiana antsika hatoky koa rehefa misafidy ny mandray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana isika?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahany mandray ny zava-drehetra amim-pankasitrahana bebe kokoa.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:20–22, sady hitady ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa tsy maintsy ataontsika vokatry ny fahatakarana ny fampanantenana voasoritsoritra ao amin’ny andininy 19. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80

Nantsoina hanao asa fitoriana i Jared Carter sy Stephen Burnett ary Eden Smith

Ampahafantaro ny mpianatra fa niantso olona telo hanao asa fitoriana ny Tompo ao amin’ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79 sy 80. Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79 ny namana iray ary mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80 kosa ny iray hafa. Asao izy ireo hitady ny fitsipika izay mihatra amin’ny asa fitoriana rehefa mandalina ny fizarana nomena azy ireo.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny fitsipika izay hitany miaraka amin’ny namany. Avy eo dia asao ny mpianatra mba hanoratra fitsipika iray izay nianarany ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Asao izy ireo hanoratra fehezanteny vitsivitsy mikasika ny fomba ahafahany mampiasa izany fitsipika izany mba hizarana ny filazantsara amin’ny olona iray izay fantany.

Farano ity lesona ity amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fotopampianarana sy fitsipika izay vao avy noresahanao tao an-dakilasy anio.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:5–6. “Mitovy amin’ny zavatra ety an-tany”

Ao anatin’ity fanambarana manaraka ity dia mampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba tsy hametraka ny fony amin’ny zavatra ety an-tany:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Mety manontany tena isika, izay miaina ao anatin’ny fiarahamonina manompo fananana sy fahafinaretana ny ankamaroany, raha toa ka mba mitoetra lavitry ny fitsiriritana sy ny faniriana hanangona bebe kokoa ny zavatr’izao tontolo izao. Ny fitiavan-karena dia fisehon’ny fanompoan-tsampy sy ny fieboeboana iray hafa izay mampiavaka an’i Babylona. Angamba afaka mianatra ny hionona amin’izay ilaintsika fotsiny isika” (“Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 39).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:15. Adama-Ondia-Amàna

Adama-Ondia-Amàna no toerana izay nitsofan’i Adama rano ny taranany marina, telo taona talohan’ny nahafatesany (jereo ny F&F 107:53–56) ary any no hihaonany amin’ny Olomasina alohan’ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny F&F 116).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:15–16. Mikaela sy ireo fanalahidin’ny famonjena

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“I Adama dia anisan’ireo faharanitan-tsaina izay noresahan’ny Tompo tamin’i Abrahama izay notendrena ho mpanapaka eto amin’ity tany ity. Izy no Mikaela, printsy sy zanak’ Andriamanitra nofidiana ho tonga eto amin’ity tany ity izay mijoro ho lohan’ny taranany ary nihazona ny fanalahidin’ ny famonjena, teo ambanin’ ny torohevitra sy ny fitarihan’ ny Iray Masina izay tsy misy fiandohan’ andro na fiafaram-piainana’ [F&F 78:16]. I Jesoa Kristy io Iray Masina io. Teto an-tany dia fantatra tamin’ny anarana hoe Adama i Mikaela. Tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia fanahy tahaka ny hafa amin’ireo zanaky ny Raintsika izy” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., 5 vols. [1957–66], 1:5–6). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky navoaka faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:20. Ny Zanakalahy Amàna

Sary
Loholona Orson Pratt

Nanamafy ny Loholona Orson Pratt fa “misy fanambarana iray izay tsy fantatr’ity vahoaka ity loatra amin’ny ankapobeny. Mihevitra aho fa mbola tsy navoaka na oviana na oviana izany, kanefa mety havoaka ao amin’ny tantaran’ny fiangonana ihany. Nomena tamin’ny endrika fanontaniana sy valiny izany. Ny fanontaniana voalohany dia hoe: “Iza no anaran’ Andriamanitra tamin’ny fiteny madio?” Ny valiny dia hoe: “Amàna.” “Iza no anaran’ny Zanakalahin’ Andriamanitra?” Valiny: ‘Zanakalahy Amàna—ilay lehibe indrindra amin’ny ampahany amin’ Andriamanitra afa-tsy Amàna’” (“Discourse,” Deseret News, 23 mey 1855, 82 [ny ampahany voalohany tamin’ity lahateny ity dia navoaka tao amin’ny Deseret News, 16 mey 1855, 76]; jereo ihany koa ny Documents, Volume 2: July 1831–January 1833, vol. 2 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 215).

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa “Nantsoina ihany koa hoe Zanakalahy Amàna i Jesoa Kristy. (Jereo ny F. & F. 95:17.) Misy ifandraisany amin’ny anaran’ny toerana izay nipetrahan’i Adama noho izany io anarana io. Noho izay antony izay no nahatonga ny Loholona Orson Pratt handika izany amin’ny hoe ‘Ny Lohasahan’ Andriamanitra’” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:310). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky navoaka faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79. Iza moa i Jared Carter?

Lasa mpikamban’ny fiangonana i Jared Carter sy ny vadiny tamin’ny taona 1831 raha mbola nipetraka tany New York. Nifindra monina niaraka tamin’ireo Olomasin’i Colesville tany Thompson, Ohio izy ireo. Nanao asa fitoriana nandritra ny faramparan’ny taona 1831 sy ny voalohandohan’ny taona 1832 tany Ohio, Pennsylvania sy New York ary Vermont i Jared. Fotoana fohy taorian’ny fodiany tany Amherst, Ohio dia nandeha tany Hiram, Ohio izy mba hitsidika ny Mpaminany ka nanontany mikasika ny asa fitoriana manaraka izay ho ataony. Tamin’ny 12 Martsa 1832 dia nandray fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79 i Joseph Smith izay, niantso an’i Jared Carter hanao asa fitoriana iray hafa. Ny 15 Aprily 1832 izy no niainga nanao io asa fitoriana io. Naharitra nandritra ny 6 volana sy 2 andro ny asa fitoriany ka nahavita batisa olona 79 izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80. Iza moa i Stephen Burnett?

Iray volana latsaka kely taorian’ny nanaovan’i Parley P. Pratt batisa azy dia nizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’i Stephen Burnett sy ny fianakaviany i John Murdock tamin’ny faramparan’ny volana Nôvambra 1830. Herintaona latsaka taorian’izay, ny volana Ôktôbra 1831 dia notendrena ho mpisorona avo teo amin’ny faha-17 taonany i Stephen Burnett nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tao Orange, Ohio. Tamin’ny 25 Janoary 1832 dia nahazo antso hitory ny filazantsara niaraka tamin’ny Ruggles Eames i Stephen (jereo ny F&F 75:35). Ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80 sy voaray ny 7 Martsa 1832 dia ahitana antso iray hafa ho an’i Stephen mba hitoriany ny filazantsara, miaraka amin’i Eden Smith tamin’ity indray mitoraka ity. Niainga nandeha nanao ny asa fitoriany ny volana Aprily 1832 i Stephen ka nanomboka nitory niaraka tamin’i Eden Smith ny volana Aogositra tamin’io taona io ihany. Nanao asa fitoriana tany New Hampshire sy ny faritra antsinanana hafa i Stephen Burnett nanomboka ny 1832 ka hatramin’ny 1834.

Hamoaka printy