Seminera sy Institiota
Lesona 95: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89


Lesona 95

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89

Fampidirana

Ny 27 Febroary 1833 dia nanontany ny Tompo i Joseph Smith ny momba ny fampiasan’ireo mpihazona ny fisoronana ny paraky sy ny sigara nandritra ireo fivoriany. Ho setrin’izany dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ny Tompo, izay fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena. Nampitandrina ny amin’ ny fampiasana ireo zavatra manimba ny Tompo ao anatin’izany ka nanentana ny fihinanana sakafo mahasalama. Nampanantena koa ny Tompo fa ireo izay manaraka ny Tenin’ ny Fahendrena dia hotahiana eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–3

Mampahafantatra ny fanambarana fantatra amin’ ny hoe ny Tenin’ ny Fahendrena ny Tompo

Soraty eo amin’ny farany ambony amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Tenin’ny Fahendrena dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Moa ve ianao efa voatery nanazava tamin’ny olona iray mikasika ny antony tsy hisotroanao toaka, dite na kafe na tsy hampiasanao paraky sy sigara? Inona no nolazainao? Ahoana no nandraisan’ilay olona izany? (Raha tianao dia azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana.) Amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana dia azonao zaraina tsiroaroa ny mpianatra ka asao izy ireo hiara-hamaly ireo fanontaniana ireo. Avy eo dia asaivo manao tatitra ny traikefany sasany amin’ny mpianatra rehetra izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89. Asao ny iray kilasy hamantatra ny toe-javatra izay nitarika an’i Joseph Smith hahazo io fanambarana io. Asao izy ireo hitatitra izay zavatra hitan’izy ireo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–3 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny teny na andian-teny izay manoritsoritra ny zava-kendren’ny Tompo tamin’ny fanomezana ity fanambarana ity.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2–3, dia inona no antony nanomezana ity fanambarana ity? (Mety ilainao ny manazava fa ny andian-teny hoe “famonjena ny vatana” dia misy ifandraisany amin’ny zava-mahasoa ny vatantsika sy ny fiantraikany eo amin’ny zava-mahasoa ny fanahintsika.)

Hazavao fa tsy nomen’ny Tompo ho toy ny didy ny Tenin’ ny Fahendrena tany am-boalohany (jereo ny F&F 89:2). Nanazava ny Filoha Joseph F. Smith hoe:

Filoha Joseph F. Smith

“Raha nomena ny olona ho didy [ny Tenin’ny Fahendrena] dia mety nitondra fanamelohana ho an’ny olon-drehetra izay miankin-doha amin’ny fampiasana ireo zavatra manimba ireo izany; noho izany dia be famindrampo ny Tompo ary nanome azy ireo fahafahana ny handresy izany, alohan’ny hitondrany azy ireo ho eo ambanin’ny lalàna” (ao amin’ny Conference Report, Oct. 1913, 14).

Hazavao fa noho io antony io dia tokony hitandrina tsara isika mba tsy hitsara ireo mpitarika sy mpikambana fahiny tao amin’ny Fiangonana izay nampiasa zavatra izay voarara ankehitriny ny fampiasana azy, eny fa na dia taorian’ny nanambarana ny Tenin’ ny Fahendrena aza. Nandritra ny tantaran’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nanasa ireo Olomasina ny mpitarika mba hiaina tanteraka ny Tenin’ny Fahendrena. Nandritra ny fihaonambe natao tamin’ny fararanon’ny taona 1851 dia nanolotra sosokevitra i Brigham Young mba hanaovan’ny Olomasina fanekempihavanana amin’ny fomba ôfisialy ny tsy hisotro dite, kafe, paraky sy sigara ary whisky. Ny 13 Ôktôbra 1882 dia nambaran’ny Tompo tamin’ny Filoha John Taylor fa horaisina ho toy ny didy ny Tenin’ ny Fahendrena. Tamin’ny 1919 dia nataon’ny Fiadidiana Voalohany izay teo ambany fitarihan’ny Filoha Heber J. Grant ho zavatra takiana amin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny fitandremana ny Tenin’ ny Fahendrena. Ny Tenin’ny Fahendrena dia mbola didy manan-danja ankehitriny, ary ny fankatoavana izany dia fepetra takiana alohan’ny batisa, alohan’ny fandehanana any amin’ny tempoly, alohan’ny fanaovana asa fitoriana, ary alohan’ireo asa ilaina famendrehana rehetra hafa ao amin’ny Fiangonana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ilay hoe Tenin’ ny Fahendrena mihitsy ny andian-teny hoe Fitsipika iray omban’ny fampanantenana avy ao amin’ny andininy 3, araka izay haseho etsy ambany. Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika io andian-teny io ao amin’ny soratra masiny. Hatao ho lohahevitra ho an’ny ambiny amin’ny lesona io andian-teny io.

Fitsipika iray  omban’ny  fampanantenana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4–9

Mampitandrina ny Olomasina ny Tompo mba tsy hampiasa toaka, na paraky na sigara, na dite na kafe

Mampisehoa haranjono sy fandrika na jono vitsivitsy, na ataovy eny amin’ny solaitrabe izy ireo.

haranjono miaraka amin’ny jono
  • Inona ireo fomba entin’ny mpanjono hamitahana ny trondro ho voajono amin’ny fintana?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny olona izay hanandrana ny hamitaka ny Olomasina amin’ny andro farany, araka ny fampitandreman’ny Tompo.

  • Inona no zavatra nampitandreman’ny Tompo ireo Olomasina ao amin’ity andininy ity?

Soraty eo ambanin’ilay teny hoe Fitsipika eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Noho ny fikasan-dratsy amin’ny andro farany dia mampitandrina antsika ny Tompo mba tsy hampiasa zavatra manimba. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–9 sady hitady ny zavatra izay nampitandreman’ny Tompo ny Olomasina fa tsy tokony hampidirina amin’ny vatan’izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona no zavatra izay nampitandreman’ny Tompo fa tsy tokony hohanin’ireo Olomasina? (Mety ilainao ny manazava ny hoe nilaza ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa ny teny hoe “zava-pisotro mahamay” dia entina hilazana ny dite sy kafe.) Amin’ny fomba ahoana no hanimban’ireo zavatra ireo ny vatantsika?

Hazavao fa azo ampiasaina amin’ny lafiny tsara sy lafiny ratsy ny toaka sy ny paraky ary ny sigara (jereo ny F&F 89:7–8). Ankehitriny dia misy ireo zavatra hafa izay afaka ampiasaina amin’ny lafiny ratsy ka noho izany dia lasa manimba sy mampiankin-doha. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nampitandrina mikasika ny fampiasana ny zava-pisotro, ny zava-mahadomelina, ny zavatra simika na ny fanao mampidi-doza izay miteraka “fanapoizinana” na vokatra artifisialy hafa izay mety manimba ny vatantsika na ny saintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny rongony, ny zava-mahadomelina mahery vaika, ny fanararaotana fihinanana fanafody na misy na tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera ary ireo zavatra simika fampiasa ao an-tokantrano. (Jereo ny Jeunes, Soyez Forts [bokikely, 2011], 26.)

  • Nahoana no miezaka ny mandresy lahatra anao handray zavatra izay noraran’ny Tompo ny olona sasany? (Mihevitra ny olona sasany fa malaza ny fandraisana ireny zavatra ireny. Ny sasany kosa mitady hahazo tombony amin’ny fivarotana ireny zavatra mampiankin-doha ireny amin’ny hafa.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mampitovy ny fiankinan-doha amin’ny fintana izay ampiasain’ny mpanjono mba hisamborana trondro? Amin’ny fomba ahoana no hanimban’ny fiankinan-doha ny fivoarantsika mandrakizay?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nitahiana ny fiainany na ny fiainan’ny namany na ny fianakaviany noho ilay fampitandremana hiala amin’ny fandraisana zavatra manimba sy mampiankin-doha. Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao manokana. Asao ny mpianatra mba handray fanapahan-kevitra ny tsy handray na oviana na oviana ireo zavatra izay mifanohitra amin’ny Tenin’ ny Fahendrena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17

Mamporisika ny fampiasana raokandro, voankazo sy hena ary voamaina Andriamanitra

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17 sady hitady ny zavatra namporisihin’ny Tompo mba hohanintsika. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Sakafo inona no atoron’ny Tompo hohanintsika izay tafiditra ao anatin’ny Tenin’ ny Fahendrena?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 11inona no toetra tokony hananantsika rehefa mihinana ireny sakafo mahasalama ireny isika? (Tokony horaisintsika amin’ny fahamalinana sy ny fankasitrahana ireny sakafo ireny. Mety ilainao ny manazava fa ny teny hoe “amin’ny fahamalinana” dia midika hoe amim-pahendrena sy amim-pitandremana. Mety hiteraka tsy fahasalamana ny fihinanana sakafo be loatra na sakafo ambany foitra, eny fa na dia sakafo tsara aza izany.)

  • Araka ny zavatra izay nianarantsika tao amin’ireo andininy ireo dia inona no fitsipika momba ny sakafo ara-pahasalamana izay afaka ampiantsika eny amin’ny solaitrabe? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity zavatra manaraka ity eo ambanin’ilay fitsipika mikasika ny zavatra manimba: Asaina mampiasa raokandro, voankazo sy hena ary voa amim-pahendrena sy amim-pankasitrahana isika.)

Hazavao fa misy ohatra iray amin’ny fampiasana amim-pahamalinana ny sakafo ao amin’ny toromarika izay nomen’ny Tompo mikasika ny hena ao amin’ny andininy 12–13. Ny teny hoe amin’ny fitsitsianadia manoro fa tokony amin’ny antonony no ihinanana ny hena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21

Ho an’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena dia mampanantena fahasalamana, fahendrena ary fiarovana ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao, eo ambanin’ilay teny hoe Fampanantenana: Raha manaraka ny Tenin’ ny Fahendrena sy ireo didin’ ny Tompo hafa isika, dia hitahy antsika amin’ny … ny Tompo.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–19 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo fitahiana izay afaka mameno ny banga eo amin’ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona ireo fitahiana izay ampanantenain’ny Tompo ireo olona izay mitandrina ny Tenin’ ny Fahendrena? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra mba hamenoana ilay fehezan-teny.)

Azonao atao ny manazava fa ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny andininy 18 dia tsy midika hoe manasitrana ireo aretina mitaiza sy mikiky ny Tenin’ ny Fahendrena. Fa manampy ny olona kosa mba hanana fahasalamana sy hery tsara indrindra izay mety ho vitan’ny vatany.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fitandremana ny Tenin’ ny Fahendrena antsika hahazo fahendrena sy fahalalana?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fankatoavana ny Tenin’ ny Fahendrena dia mamela antsika hahazo ny fiarahan’ny Fanahy Masina izay manambara fahendrena sy fahalalana ho an’ny mahatoky. Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Filoha Boyd K. Packer

“Nanomboka fantatro … fa misy ifandraisany amin’ny fanambarana ny tanjona fototry ny Tenin’ny Fahendrena. …

“Raha toa ka sarotra ho an’ny olona iray izay ‘eo ambany fitaoman’ny’ zava-maha-domelina ny mihaino resaka mazava iray, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’izy ireny mamaly ny bitsika ara-panahy izay mikasika ny tena fahatsapany lalina?

“Na dia lalàn’ny fahasalamana manan-danja aza ny Tenin’ny Fahendrena dia mety manan-danja ara-panahy kokoa aminao izany mihoatra noho ny ara-nofo” (“Prayers and Answers,” Ensign, nôv. 1979, 20).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:20–21 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo fitahiana fanampiny avy amin’ny fitandremana ny Tenin’ ny Fahendrena.

  • Inona ireo fitahiana fanampiny izay ampanantenain’ny Tompo ireo olona mitandrina ny Tenin’ ny Fahendrena?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andian-teny hoe “handalo azy ireo, … ny anjely mpandringana,” dia asaivo jereny ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:21, fanovozan-kevitra a eny amin’ny farany ambanin’ny pejy. Hazavao fa io fampanantenana hahazo ny fiarovan’ Andriamanitra io dia azo hilazana ny fiarovana ara-batana sy ara-panahy ihany koa. Fenoy ny banga eo amin’ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hahitana taratra ity fitsipika manaraka ity: Raha manaraka ny Tenin’ ny Fahendrena sy ireo didin’ ny Tompo hafa isika, dia hitahy antsika amin’ny fahasalamana, fahendrena, tanjaka ary fiarovana ny Tompo.

  • Oviana ianao no nahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana ao amin’ny andininy 18–21 teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao?

Asaivo mizara (na amin’ny iray kilasy na amin’ny namana iray) ny zavatra nianarany na tsapany mikasika ny Tenin’ ny Fahendrena ireo mpianatra rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 izy ireo androany. Asao izy ireo hisaintsaina ny fitsipika sy ny fampanantenana izay nosoratana eny amin’ny solaitrabe ka hametraka tanjona ny hiaina ny Tenin’ ny Fahendrena amim-pahatokiana kokoa. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fitahiana izay hirotsaka aminy raha miaina io lalàna io izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89. Fampahalalana ara-tantara

Ny ririnin’ny taona 1833 dia mpihazona ny fisoronana tokony ho 20 no nivory tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny trano fivarotan’i Newel K. Whitney tao Ohio mba hanatrika ny Sekolin’ny Mpaminany. Tahaka ny mahazatra tamin’izany andro izany dia maro ireo lehilahy izay nifoka sy nihinana paraky sy sigara nandritra ny fivoriana. Nitantara i Brigham Young fa “matetika ny Mpaminany rehefa niditra tao amin’ny efitrano mba hanome fampianarana tao amin’ilay sekoly no tojo setroka paraky sy sigara.” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 263). Ireo toe-javatra ireo sy ny fitarainan’i Emma Smith izay voatery nanadio ny roraparaky amin’ny tany, no nanosika an’i Joseph Smith hametraka fanontaniana mikasika ny fampiasana ny zavatra toy izany. Nangataka torolalana tamin’ny alalan’ny vavaka i Joseph Smith ka nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89: 3. “Fitsipika iray omban’ny fampanantenana”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fahatsapany manokana sy ny traikefany mikasika ny Tenin’ ny Fahendrena:

Filoha Boyd K. Packer

“Noho ny lefakozatra izay nanjò ahy tamin’ny fahazazako dia tsy afaka nandray anjara tamin’ny fanatanjahantena aho ka nahatonga ahy nahatsapa tena ho ambany raha oharina amin’ny namako.

“Nanome torohevitra ahy ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy: ‘Tandremo sy arovy ny [vatanao]—aza mihinana na inona na inona izay mety hanimba ny taovan’izany satria masina izany. Fitaovana eo am-pelantanan’ny sainao izany ary fototry ny toetranao’ (tsodranon’ny patriarikan’i Boyd K. Packer, 15 Jan. 1944, 1).

“Nahita fitsipika iray omban’ny fampanantenana tao amin’ny Tenin’ ny Fahendrena aho. Toy izao ilay fitsipika: Karakarao ny vatanao; ialao ny zavatra izay miteraka fiankinan-doha toy ny dite, kafe, paraky sy sigara, toaka ary zava-mahadomelina (jereo ny F&F 89:3–9). Ny zavatra mampiankin-doha toy izany dia tsy manao afa-tsy ny manamaivana ny faniriana mafy izay izy ihany no nahatonga izany.

“Toy izao ny fampanantenana: Ireo izay mankatò dia hahazo fahasalamana tsara kokoa (jereo ny F&F 89:18) sy rakitsoa lehiben’ ny fahalalana … dia rakitsoa miafina’ (F&F 89:19). …

“Na dia ny fisedrana mafin’ny fahasalamana na ny vatana misy kilema na misy fahasembanana aza dia afaka manadio ny fanahy ho amin’ilay andro be voninahitry ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fahasitranana izay tena azo antoka fa ho avy tokoa.

“Ny vatanao dia tena fitaovana eo am-pelantanan’ny sainao sy fototry ny toetranao” (“Ye Are the Temple of God,” Ensign, nôv. 2000, 72).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4. Fikasan-dratsy sy mpiaramioko

Ny olona mpiaramioko sy ratsy toetra dia mitady hahazo tombony amin’ny fivarotana zavatra manimba amin’ny hafa. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Filoha Ezra Taft Benson

“Ny Tompo dia nahita mialoha ny toe-javatra amin’izao andro izao izay hahatonga ny olona hioko, noho ny antony ara-bola, ka hitaona ny hafa mba hampiditra ireo zavatra manimba ireo ao amin’ny vatany. Anisan’ny ohatra amin’ny zavatra hitan’ny Tompo mialoha ny dokambarotra izay mampahafantatra ny labiera, divay, toaka, kafe, paraky sy sigara ary zavatra manimba hafa. Fa ny ohatra mamohetra indrindra mikasika ny fiokoana ratsy amin’izao androntsika izao dia ireo izay mamporisika ny zatovo hampiasa zava-mahadomelina.

“Ry zandriko lahy sy vavy, amin’ny fo feno fitiavana no ampitandremanay anareo fa hiezaka ny hitaona anareo hampiasa zavatra manimba i Satana sy ny solontenany, satria fantany tsara fa raha mandray izany ianareo dia hoferana ny hery ara-panahinareo ka ho eo ambanin’ny fahefany ratsy ianareo. Halaviro ny toerana na olona izay hitaona anareo handika ny didin’ Andriamanitra. Tandremo ny didin’ Andriamanitra dia hanana fahendrena hahalalana sy hanavahana izay ratsy ianareo” (“A Principle with a Promise,” Ensign, mey 1983, 54–55).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–9. Dia ahoana raha tsy voalaza manokana ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena ny zavatra iray?

Tsy voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ny zavapisotro, ny sakafo na ny zavatra izay voarara rehetra. Indraindray dia mipetraka ny fanontaniana mikasika ireo zavatra izay tsy voalaza ao amin’ny fanambarana na mikasika ny antony mahatonga ny dite sy kafe ho voarara, na dia tsy voalaza ao aza izany. Manampy amin’ny fanazavana izany ity fanambarana manaraka ity:

“Tsy misy ny fanazavana amin’ny fomba ôfisialy [ny] Tenin’ ny Fahendrena afa-tsy izay nomen’ireo Rahalahy tany am-piandohan’ny Fiangonana, izay nanambarana fa nidika hoe dite sy kafe ny hoe ‘zava-pisotro mahamay’.

“Mikasika ny zava-pisotro misy kôlà kosa dia tsy mbola nanapa-kevitra tamin’ny fomba ôfisialy mihitsy ny Fiangonana mikasika an’io raharaha io, saingy nanoro hevitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ankehitriny dia mbola manome torohevitra koa izahay ny amin’ny tsy hampiasana ny zava-pisotro izay misy zava-mahadomelina miteraka fahazarana manimba amin’ny toe-javatra izay hitarika amin’ny fiankinan-doha. Tokony hialana avokoa ny zava-pisotro izay misy fangarony manimba ny vatana” (Priesthood Bulletin, feb. 1972 [volume 8, number 1], 3–4; jereo koa ny “Staying Healthy: Welfare Services Suggests How,” Ensign, jan. 1981, 15–16).

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ilaintsika ny miaina ny fitsipiky ny Tenin’ ny Fahendrena sy matoky ireo fampanantenana:

Filoha Boyd K. Packer

“Manoratra taratasy aty aminay ireo mpikambana mba hahalalana raha toa ka mifanohitra amin’ny Tenin’ ny Fahendrena na tsia ny zavatra sasantsasany. Fantatsika rehetra fa mifanohitra amin’izany ny dite, ny kafe, ny zava-pisotro mahamamo ary ny paraky sy ny sigara. Tsy nisy fanazavana momba ny antsipiriany amin’izany. Fa mampianatra ny fitsipika omban’ny fitahiana ampanantenaina kosa isika. Maro ireo zavatra izay miteraka fahazarana sy fiankinan-doha izay afaka sotroina na tsakoana na trohana na atsindrona amin’ny vatana izay mandratra ny vatana sy ny fanahy ka tsy voalaza ao amin’ilay fanambarana.

“Tsy notanisaina manokana ao ny zava-drehetra izay manimba; ny arsenika, ohatra—izay azo antoka fa ratsy kanefa tsy miteraka fiankinan-doha! Fa izay didiana amin’ ny zava-drehetra, hoy ny Tompo, dia “mpanompo kamo sady tsy hendry” (F&F 58:26).

“Amin’ny kolontsaina sasany dia nolazaina fa tsy manimba ny zava-pisotro vita eo an-toerana satria tsy voalaza manokana ao amin’ny fanambarana izany. Kanefa nitarika ny mpikambana, indrindra fa ny lehilahy, hanalavitra ny fianakaviany izany mba handeha any amin’ny fety izay azo antoka fa mandika ilay fitsipika. Tsy avela hahazo ny fampanantenana natao ao amin’ny fanambarana ireo olona tsy miraharaha na tsy mitandrina.

“Hanampy amin’ny fiarovana anao eo amin’ny fiainana ny fankatoavana ny torohevitra” (“The Word of Wisdom: The Principle and the Promises,” Ensign, mey 1996, 17–18).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:21. “Handalo azy ireo ny anjely mpandringana”

Nanazava ny tandindona ara-panahy momba ny fandalovan’ny anjely mpandringana amin’ireo izay mitandrina ny Tenin’ ny Fahendrena ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Russell M. Nelson

“Misy dikany manokana ilay andininy farany ao amin’ny fizarana 89, izay milaza hoe: ‘Handalo azy ireo, tahaka ny tamin’ ny zanak’ i Isiraely, ny anjely mpandringana fa tsy hamely azy ireo’ (and. 21). Io fampahatsiahivana ny Paska io dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny finoana ara-panahy. Fony i Abrahama nampiseho ny fahavononany hanolotra an’i Isaka ho sorona dia tsy nisy mihitsy filazana fa tsy maintsy hitondra soa ara-nofo ny fankatoavana izany. Fony i Josoa nitarika ny Isiraelita nita ny Reniranon’i Jordana tao anatin’ny fotoan’ny tondra-drano dia tsy zavatra notakian’ireo mpanara-dia mahatoky mialoha ny fanamafisana ny valisoa ara-nofo. Mankatò ny Tenin’ ny Fahendrena isika satria maneho ny sitrapon’ny Tompo amin’ny fanomanana ara-panahy antsika izany mba hahatonga antsika ho zanakalahiny sy zanakavaviny mendrika. Anisan’ny dingana fitsapana antsika ny fandresen’ny fanahintsika ny filàna ara-nofo” (“Twenty Questions” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 13 sept. 1985], LDS.org).

Nanazava ny lanja ara-panahin’ny fampanantenana hoe “handalo azy ireo ny anjely mpandringana” ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Tsy ilay fahafatesana ara-nofo no hitsimbinana antsika amin’ny paska toy izany raha miaina ao amin’ny fankatoavana ireo didy ireo isika, satria samy ho faty avokoa ny tsirairay amintsika indray andro any. Fa misy kosa ny fahafatesana ara-panahy izay tsy voatery hianjady aminao. Raha mankatò ianao dia handalo anao ny fahafatesana ara-panahy, satria ilay fanambarana dia mampianatra hoe ‘Fa voavono Kristy, Paska ho antsika’ (1 Kor. 5:7)” (“The Word of Wisdom: The Principle and the Promises,” Ensign, mey 1996, 19).