Seminera sy Institiota
Lesona 134: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127; 128:1–11


Lesona 134

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana127; 128:1–11

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 dia mirakitra taratasy iray avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith izay nosoratany tamin’ny 1 septambra 1842, izay mampianatra ireo Olomasina hirakitra an-tsoratra ireo batisa notanterahin’izy ireo ho an’ny maty. Sahabo ho herinandro taorian’izay dia nanoratra taratasy hafa mikasika ny batisa ho an’ny maty i Joseph.Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 no ahitana an’io taratasy io izay mampianatra ny antony mahatonga antsika mitana ny firaketana momba an’ireo ôrdônansin’ny famonjena.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:1–4

Nirehareha tamin’ny fanenjehana sy ny fahoriana i Joseph Smith

Atombohy ny kilasy amin’ny alalan’ny fampisehoana fitoeran-javatra lehibe sy mazava izay asiana marika hoe fiainana an-tany ary fitoeran-drano iray asiana marika hoe fahoriana. Anontanio ireo mpianatra hoe inona no fahoriana izay nianjady taminy na hitany nianjady tamin’ny hafa. Isaky ny fahoriana izay lazainy dia andraraho rano avy ao amin’ilay fitoeran-drano mankao amin’ilay fitoeran-javatra mazava.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny fahoriana izay niainan’i Joseph Smith tao Nauvoo tamin’ny 1842. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hazavao fa tamin’ny mey 1842 i Lilburn W. Boggs, ilay governoran’i Missouri teo aloha izay namoaka ilay didy fandringanana an’ireo Olomasina dia noratran’ny olon-tsy fantatra. Nampangain’ireo manampahefana tao Missouri i Joseph Smith tamin’ny fibaikoana olona hamono an’i Boggs ka niezaka ny hitondra ny Mpaminany hiverina any Missouri izy ireo mba hotsaraina. Nandao an’i Missouri i Joseph Smith taona maro talohan’izay ary nipetraka tany amin’ny faritr’i Nauvoo, Illinois, tamin’izany fotoana izany. Noho ny fahafantarana fa ho faty izy raha niverina tany Missouri dia niafina an’ireo manampahefana avy any Missouri nandritra ny fotoana iray ny Mpaminany mba hialana amin’ny fisamborana tsy ara-dalàna. Tamin’ny volana janoary 1843 dia voafaritra fa tsy ara-dalàna ny fisamboarana an’i Joseph Smith sy ny fitondrana azy tany Missouri.

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 dia taratasy nosoratan’i Joseph Smith ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana raha mbola nifindra toerana izy mba hialana amin’ny fisamborana tsy ara-dalàna hataon’ireo manampahefana avy any Missouri. Novakina tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo io taratasy io andro vitsivitsy taty aoriana.

Mampisehoa baolina roa izay mitovitovy habe, ny iray afaka mitsingevana fa ny iray tsy afaka. (Ohatra: azonao atao ny mampiasa baolina golf paokaty vita amin’ny plastika sy baolina golf izay mahazatra ianao.) Samy apetraho ao amin’ilay fitoeran-drano ireo baolina roa ireo dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Amin’ny fomba ahoana no mety anehoan’ireo baolina roa ireo ny fomba isan-karazany hiatrehan’ny olona ireo fahoriana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2. Asaivo karohan’ireo mpianatra ny fomba niatrehan’i Joseph ireo fahoriana.

  • Iza amin’ireo baolina ireo no maneho tsara kokoa ny fiatrehan’i Joseph Smith ny fahoriana? Nahoana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahalalan’i Joseph fa horesiny ny fahoriany sy ny loza manjo azy?

  • Araka ny voalazan’ny zavatra izay nosoratan’i Joseph an’ireo Olomasina, dia inona no zavatra afaka manampy antsika hiharitra ny fahoriana? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia fintino ny zavatra nolazain’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Ny fahatokiana ny Ray any An-danitra dia afaka manampy antsika hiaritra ny fahoriana.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ny olona iray izay fantany (na reny ny momba azy) izay afaka niaritra ny fahoriana satria natoky ny Ray any An-danitra izy. Asaivo hazavain’ny mpianatra vitsivitsy ny hoe iza ilay olona eritreretiny ary tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fitokiana ny Ray any An-danitra an’io olona io haharitra ny fahoriana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:3–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra, sady mitady ny zavatra nolazain’ny Mpaminany tamin’ireo Olomasina. Asao ireo mpianatra hamantatra sy hizara ireo andian-teny manan-danja ho azy ireo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3, dia nahoana no tokony ho faly ireo Olomasina miaritra ny fahoriana?

  • Ao amin’ny andininy 4 dia inona no zavatra ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay maharitra fahoriana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fitokiana ny Ray any An-danitra anao hiharitra ireo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–12

Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Mpaminany Joseph Smith mba hitana rakitsoratra ho an’ny batisa izay ataon’izy ireo ho an’ny maty

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa herintaona sy tapany talohan’ny nanoratan’i Joseph Smith an’io taratasy io dia nilaza tamin’ireo Olomasina ny Tompo fa tokony hotanterahana ao amin’ny tempoly ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty (jereo ny F&F 124:30). Kanefa ny Tompo dia namela ny Olomasina hanatanteraka ny batisa ho an’ny maty tao amin’ny renirano manodidina sy ireo rano teny akaiky teny nandritra ny fe-potoana fohy. Nilaza tamin’izy ireo ny Tompo fa vantany vao vonona ilay tempoly dia tsy ho ekeny ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty raha tsy tanterahina any amin’ny tempoly. Nanomboka nanatanteraka batisa ho an’ny maty tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo ny Olomasina tamin’ny nôvambra 1841.

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fotoana farany izay nandraisany anjara tamin’ny batisa ho an’ny maty. Asao izy ireo hizara ilay traikefa, ka anisan’izany ny hoe nisy olona nipetraka ve teo akaikin’ilay fitoeran-drano fanaovana batisa nandritra an’ireo batisa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ny hoe iza no mila manatrika eo rehefa tanterahina ireo batisa ho an’ny maty. Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 7, dia nahoana no zava-dehibe ny hahitan’ny mpirakitra an-tsoratra mivantana ireo batisa atao?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity: Ireo Ordônansin’ny tempoly izay tanterahantsika eto an-tany dia …

Asao ireo mpianatra hameno ilay fehezan-teny araka izay voalaza ao amin’ireo andininy 5–9. (Tokony hofenoin’ireo mpianatra io fehezan-teny io mba hitovy amin’ity fahamarinana manaraka ity: Ireo Ordônansin’ny tempoly izay tanterahantsika eto an-tany dia fehezina any an-danitra.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe ho fehezina any an-danitra ireo ôrdônansin’ny tempoly?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahalalana an’io fahamarinana io anao amin’ny fanatontosana ny andraikitrao amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo “maty eo aminareo”?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:10–12 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe sitrak’i Joseph Smith ny hampianatra an’ireo Olomasina bebe kokoa momba ny batisa ho an’ny maty saingy tsy afaka nanao izany izy satria niafina. Nampanantena izy fa hanoratra taratasy fanampiny momba ny batisa ho an’ny maty sy momba ny zava-dehibe hafa ho an’ireo Olomasina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1–11

Nanazava ny antony itanantsika ny rakitsoratr’ireo ôrdônansin’ny famonjena i Joseph Smith

Tokony ho herinandro taorian’ny nanoratany ilay taratasy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 i Joseph dia nanoratra taratasy anankiray hafa ho an’ireo Olomasina momba ny batisa ho an’ny maty. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 io taratasy io.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe nampianatra i Joseph fa tokony hotendrena ny mpitam-boky eo an-toerana mba ho vavolombelona sy hirakitra ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty. Nampianatra ihany koa izy fa tokony hotendrena ny mpitam-bokim-piangonana tompon-toerana mba hanangona ireo rakitsoratra eo an-toerana ho ao amin’ny rakitsoratra ankapoben’ny fiangonana.

Mampisehoa pasipaoro (na sarina pasipaoro iray). Anontanio hoe: karazana tombontsoa inona no ananan’ilay tompon’ny pasipaoro.

  • Nahoana no tsy afaka mahatafiditra anao any amin’ny firenena iray hafa ny pasipaoron’ny olona iray hafa?

  • Inona no mety hitranga raha toa ka niezaka niditra tany amin’ny firenena iray hafa ianao nefa tsy feno ny fampahalalana tao anatin’ny pasipaoronao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7. Asao ireo mpianatra mba hitady ny rakitsoratra izay ho ampiasaina mba hamaritana raha toa ka mendrika ny hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra isika. Asao izy ireo hitatitra izay zavatra hitan’izy ireo. Hamafiso fa samy nilaza rakitsoratra maro i Jaona sy i Joseph Smith: “novelarina ny boky” sy ny “ary nisy boky iray … novelarina.”

  • Araka ny voalazan’ny andininy 7, dia inona no boky voalohany izay noresahan’i Jaona? (Rakitsoratra notanana eto an-tany.)

  • Inona ilay bokin’ny fiainana? (Ny rakitsoratra tanana any an-danitra.)

  • Inona no voarakitra ao amin’ireo boky ireo? (Ny asantsika.)

  • Inona ireo asa tsy maintsy raketina ao amin’ireo boky mba ho afaka hampidirina eo anatrehan’ Andriamanitra?

Rehefa avy nizara ny eritreriny momba an’io fanontaniana io ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Filoha Boyd K. Packer

“Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no lasa fepetra takina mba hahatongavantsika eo anatrehan[’ Andriamanitra]” (“Covenants,” Ensign, mey 1987, 24).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Packer, inona no hitranga amin’ny andro fitsarana raha toa ka tsy mampiseho ny rakitsoratry ny olona iray hoe tsy mbola nandray ny ôrdônansin’ny batisa na oviana na oviana izy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fomba nanazavan’i Joseph Smith an’io fanambarana io tamin’ireo Olomasina. Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia soloy amin’ny hoe raketina ny teny hoe fehezina ary amin’ny hoe horaketina ny teny hoe hofehezina eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny andininy 8 mikasika ny firaketana ireo ôrdônansy izay raisintsika? (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “izy tenany” dia entina hilazana ireo olona izay natao batisa ho an’ny tenany ihany ary ilay andian-teny hoe “solontenany” kosa dia entina hilazana ireo izay natao batisa nisolo tena olona.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Rehefa tanterahina amin’ny alalan’ny ny ôrdônansy iray ka misy marina voatana, dia fehezina eto an-tany sy any an-danitra ilay ôrdônansy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8, dia inona no zavatra ilaina hitranga mba hahatonga ireo ôrdônansy ho voafehy eto an-tany sy any an-danitra? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray mba hameno ny banga amin’ilay fahamarinana eny amin’ny solaitrabe ho sahala amin’izao: Rehefa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ny ôrdônansy iray ka misy rakitsoratra marina voatana dia fehezina eto an-tany sy any an-danitra ilay ôrdônansy.)

  • Inona no fanantenana afaka omen’io fitsipika io an’ireo izay maty tao amin’ny tsy fahalalana ny filazantsara?

  • Inona no andraikitsika mba hanatanterahana an’io fitsipika io?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:9 ny mpianatra iray. Asaivo jeren’ireo mpianatra ny zavatra nolazain’i Joseph Smith momba an’io fitsipika io.

  • Inona no zavatra nataon’ny Tompo isaky ny fotoampitantanan’ny fisoronana? (Nanome lalana ny iray amin’ireo mpanompony farafahakeliny ny Tompo mba hihazona sy hampiasa ireo fanalahidin’ny famehezana an’ny fisoronana.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9, dia inona no mitranga rehefa tanterahin’ny fahefan’ny fisoronana ny ôrdônansy iray ka tanana ny rakitsoratra marina? (Lasa lalàna eto an-tany sy any an-danitra izany ka tsy azo foanana raha tsy hoe miaina ao anatin’ny tsy famendrehana ilay olona izay mandray izany.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:10–11 amin’ny alalan’ny fanazavana ny hoe tahaka ny nanomezan’ny Mpamonjy ireo fanalahidin’ny famehezana an’ny fisoronana an’i Petera no nanomezany ireo fanalahidy ireo indray amin’izao androntsika izao.

Hamaranana ny lesona dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

Inona no ifandraisan’ny batisa ho an’ny maty sy ny fanalahidin’ny famehezana?

Inona no tsapanao tokony hataonao noho ny zavatra nianaranao androany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nosoratany. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny maty.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Ny fandraisana anjaran’ireo mpitarika ny Fiangonana fahiny tamin’ny “franc-maçonnerie”

Na dia efa nandao an’i Missouri aza ny Mpaminany Joseph Smith sy ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1839 dia nitohy hatrany ny fanenjehan’ireo mponin’i Missouri ny Mpaminany teo am-pananganany ny tanànan’i Ziona, Illinois. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 1842 dia niditra tamin’ny fikambanana ara-pirahalahiana nantsoina hoe franc-maçon i Joseph Smith sy ny sasantsasany tamin’ireo mponina tao Nauvoo. Ny antony mety nanaovany izany dia ny fametrahana sy ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ny fanjakana sy ireo mpitarika ny firenena izay franc-maçons izay afaka manampy an’ireo Olomasina ho voaro amin’ny fandrahonana tsy tapaka ataon’ireo mpanenjika tao Missouri. Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 264.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5. “Batisa ho an’ny maty eo aminareo”

Nanazava ny Loholona W. Grant Bangerter tao amin’ny Fitopololahy fa manatanteraka ny batisa ho an’ny maty isika ho an’ireo maty ara-batana kanefa mbola velona ao amin’ny fanahy:

Loholona W. Grant Bangerter

“Enga anie isika hahatsiaro mandrakariva fa ho an’ny olona no anatanterahantsika an’ireo ôrdônansy ao amin’ny tempoly fa tsy ho an’ny anarana. Ireo izay antsointsika hoe ‘maty’ dia velona ao amin’ny fanahy ka manatrika ao amin’ny tempoly” (“What Temples Are For,” Ensign, mey 1982, 72).