Lesona 135
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–25
Fampidirana
Ity lesona ity dia miresaka mikasika ireo ampahany sisa tavela tamin’ny taratasy iray izay nosoratan’i Joseph Smith ho an’ireo Olomasina tamin’ny voalohandohan’ny volana septambra 1842. Ao amin’io ampahany amin’ilay taratasy io ny Mpaminany dia nampianatra momba ny famonjena ny velona sy ny maty. Namporisika ny Olomasina Izy mba ho mahatoky amin’ny asa ataon’izy ireo ho an’ny maty ka naneho ny hafaliany tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–18
Mampianatra momba ny famonjena ny velona sy ny maty i Joseph Smith
Manehoa sarina toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly iray (ohatra hoe ny “Toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly,” Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 121; jereo koa ny LDS.org). Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe manatrika varavarana misokatra ho an’ny tempoly miaraka amin’ny namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana izy ireo. Rehefa avy nandehandeha tao amin’ny toerana fanaovana batisa dia nanontany ny namany hoe: “Nahoana ianareo no asitrika tanteraka ao anaty rano rehetra atao batisa?” Manontany ihany koa ny namany hoe: “Nahoana ianareo no atao batisa ho an’ny maty?”
Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa raha mbola niafina an’ireo lehilahy izay nikatsaka ny hisambotra tsy ara-dalàna azy i Joseph Smith dia nanoratra taratasy iray ho an’ireo Olomasina. To anatin’io taratasy io dia nampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny batisa ho an’ny maty izy. Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–13 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sy mitady ny fampianaran’i Joseph Smith momba ny tandidon’ny batisa.
-
Ahoana no azonao ampiasana ireo fampianarana ao amin’ny andininy 12–13 mba hanampiana ny olona iray hahatakatra ny antony anaovana ny batisa asitrika?
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15 ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny antony anaovantsika ny batisa ho an’ny maty.
-
Araka ny voalazan’io andininy io, nahoana no ilain’ireo razambentsika isika hanatanteraka ny batisa ho an’ny maty? (Raha ilaina dia sariho amin’ireo teny hoe “fa tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika” ny sain’ireo mpianatra. Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity: Ireo razambentsika izay maty tsy nahalala ny filazantsara dia tsy afaka mankany amin’ny fahalavorariana raha tsy tanterahina ho azy ireo ny ôrdônansin’ny famonjena an’ny filazantsara.)
Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny famaliana an’io fanontaniana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity:
“Miaina any amin’ny toerana iray antsoina hoe tontolon’ny fanahy ireo razambenao efa nodimandry. Manana ny fahafahana hihaino sy hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo any. Kanefa, tsy afaka mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara ho an’ny tenany izy ireo ary tsy afaka mivoatra ambara-panomezan’ny hafa an’ireo ôrdônansy ireo azy ireo.
“Tombontsoanao sy andraikitrao ny manome an’io fanomezana io an’ireo razambenao amin’ny alalan’ny famantarana azy ireo sy ny fakana antoka fa notanterahina any amin’ny tempoly teo amin’ny toeran’izy ireo ny ôrdônansy. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny manaiky na tsia ny asa izay notanterahina” (Member’s Guide to Temple and Family History Work [2009], 2).
-
Araka ny hevitrao, inona no mety tsapan’ireo razambenao mahakasika anao rehefa manao io asa io ho azy ireo ianao?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 15, dia inona no antony iray hafa hanatanterahantsika ny batisa ho an’ny maty? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Ny famonjena an’ireo razambentsika izay efa nodimandry dia ilaina sady zava-dehibe amin’ny famonjena antsika.)
-
Nahoana, araka ny eritreritrao, no mahatonga ny hoe “ny famonjena azy ireo dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika”? (Rehefa avy nomena fotoana niresahana an’io fanontaniana io ny mpianatra dia lazao azy ireo fa hianatra bebe kokoa momba an’io fotopampianarana io izy ireo rehefa manohy mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128.)
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:16–17 ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo mpaminany amin’ny Baiboly izay nanoratra momba ny batisa ho an’ny maty. Asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany.
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly ireo an’ilay namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana?
Mampisehoa rojo iray misy rohy maromaro, na manaova sary iray eny amin’ny solaitrabe.
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba ifandraisan’ireo rohin’ny rojo amin’ireo fampianaran’i Joseph Smith mikasika ny batisa ho an’ny maty. (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny hoe fotoampitantanana dia vanim-potoana iray izay anambaran’ny Tompo ny fotopampianarany sy ireo ôrdônansiny ary ny fisoronany. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ao amin’io andininy io, ny teny hoe zanaka dia entina hilazana antsika ary ny teny hoe ray dia entina hilazana ireo razambentsika.)
-
Inona no ifandraisan’ireo rohin’ny rojo iray amin’ireo fampianaran’i Joseph Smith momba ny batisa ho an’ny maty? (Tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Manampy antsika hifamatotra mandrakizay amin’ireo razambentsika ny batisa ho an’ny maty. Hazavao fa ankoatra ny batisa dia zava-dehibe ihany koa ny ôrdônansin’ny famonjena hafa—fandraisana ho mpikambana, fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka [ho an’ny lehilahy], fanafiana any amin’ny tempoly, ary ny ôrdônansin’ny famehezana mba hanamafisana ny fifamatoran’ny rohy eo amin’ireo razambentsika sy ny tenantsika.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fotopampianarana sy ny fitsipika izay hitany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–18, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:
“Tsy maintsy misy ny rafitry ny fianakavianairay , ny vondrom-pianakaviana iray, ary ny taranaka tsirairay dia tsy maintsy fatorana amin’ilay rojo izay teo aloha mba hitondrana ny fahalavorariana ao anatin’ny rafitry ny fianakaviana. Ka amin’ny farany dia ho fianakaviana iray lehibe isika miaraka amin’i Adama eo amin’ny lohany, i Mikaela, ilay arakanjely, miahy ny taranany” (Doctrines of Salvation, natambatr’i. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:175).
Hazavao fa araka ny andininy 18 dia ho voan’ny ozona ny tany raha tsy mifamatotra ireo taranaky ny ray sy ny zanaka. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra an’io fotopampianarana io dia vakio ity fanazavana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:
“Raha tsy misy ny fifamatoran’ny rohy eo amin’ireo ray sy ny zanaka—dia ny asa atao ho an’ny maty izany—dia holavina isika rehetra. Tsy hahomby ny asan’ Andriamanitra iray manontolo ka ho ringana tanteraka” (Doctrines of Salvation, 2:122).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19–25
Maneho fifaliana ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara i Joseph Smith ka manentana an’ireo Olomasina ho mahatoky rehefa miasa ho amin’ny famonjena ny maty izy ireo
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra mikasika ny fotoana iray izay nahafaly azy ireo tamin’ny fandrenesana ny vaovao tena mahafaly. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Rehefa vitan’izy ireo izany dia anontanio izy ireo raha te hizara ireo vaovao ireo amin’ny hafa, ary nahoana.
Hazavao fa ny teny iray hafa ho an’ny hoe vaovao dia vaovao mahafaly. Dia asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19 avy eo ny mpianatra iray. Asaivo jeren’ireo mpianatra ny vaovao mahafaly izay nolazain’i Joseph Smith fa voaraintsika.
-
Inona no “vaovao mahafaly” izay voaraintsika? (Ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.)
-
Inona no maha-feon’ny vaovao mahafaly ho an’ny maty sy ny velona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
Hazavao fa notanisain’i Joseph Smith ny lisitry ny traikefa sasantsasany izay nananany tamin’ireo iraka avy any an-danitra rehefa naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ny filazantsara. Asao ireo mpianatra mba hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:20–21 sy hamantatra ireo traikefa sy ireo iraka. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany. Rehefa avy mizara ny zavatra hitany izy ireo dia fintino ny fanehoan-keviny amin’ny alalan’ny fanoratana ity fotopampianarana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Naverina tamin’ny laoniny amin’ny fotoampitantanan’ny fotoam-pahafenoana ny fanalahidy sy ny fahefana tamin’ireo fotoampitantanana taloha.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha John Taylor:
“Ireo fitsipika izay niainan’i [Joseph Smith] dia nanome fahafahana azy hifanerasera amin’ny Tompo, ary tsy hoe tamin’ny Tompo ihany fa tamin’ireo apôstôly sy mpaminany fahiny koa; ohatra hoe: ireo lehilahy tahaka an’i Abrahama, Isaka, Jakoba, Noà, Adama, Seta, Enôka sy i Jesoa, ny Ray ary ireo apôstôly izay niaina hatrizay teto amin’ity kôntinanta ity, sy ireo izay niaina tany amin’ny kôntinanta Aziatika. Toa mahazatra azy ireo olona ireo sahala amin’izao fifankahafantarantsika izao. Nahoana? Ny antony dia satria tsy maintsy nametraka ny fotoampitantanana izay nantsoina hoe fitantanan’ny fotoam-pahafenoana izy, ary izany no anarana nahafantaran’ireo mpanompon’ Andriamanitra fahiny izany” (The Gospel Kingdom [1987], 353.)
-
Mampiova inona eo amin’ny fiainanao ny mahalala fa naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’ireo iraka avy any an-danitra ny filazantsara?
Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22–23 dia ahitana ny fanehoana ny fifaliana tsapan’i Joseph Smith satria naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ary afaka nanampy amin’ny fanavotana ny maty ireo Olomasina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo andian-teny izay manan-danja manokana ho azy ireo. (Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo fehezan-teny ireo.) Avy eo dia asaivo mamaky ireo andian-teny ireo ny mpianatra sy manazava ny antony mahalehibe an’ireo andian-teny ireo.
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:24, ary angataho ny iray kilasy hitady ny zavatra nasain’ny Mpaminany nataon’ny Olomasina. Asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany.
-
Araka ny voalazan’io andininy io, inona no fanatitra amim-pahamarinana tokony hataontsika amin’ny Tompo? (Boky izay misy ireo rakitsoratry ny maty eo amintsika.)
-
Inona no azontsika atao mba handraisana anjara amin’io “boky” io? Inona no zavatra ampianarin’ny andininy 24 momba ny fandraisantsika anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa manao ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana isika ka mandray ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika dia manao fanatitra amim-pahamarinana amin’ny Tompo isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo henoin’ireo mpianatra ny famaritana nataon’ny Loholona Bednar momba ny anjara asan’izy ireo amin’ny famonjena ny maty:
“Maro aminareo no mety mieritreritra fa natao ho tanterahan’ ireo olon-dehibe aloha ny fanaovana ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Kanefa izaho tsy mahita filazana fetran-taona ao amin’ ny soratra masina na torolalana izay nambaran’ ireo mpitarika ny Fiangonana ka mametra izany asa manan-danja izany mba ho ataon’ ireo olon-dehibe ihany. …
“Tsy kisendrasendra ny fahatongavan’ … ireo fitaovana hafa amin’izao fotoana maha havanana an’ireo tanora eo amin’ny lafin’ny teknôlojia ara-pahalalam-baovao sy ara-pifandraisana amin’ny endriny maro. … Ireo fahaiza-manao hita soritra eo anivon’ireo tanora maro amin’izao fotoana izao dia isan’ny fiomanana mba hitondra anjara biriky ao anatin’ilay asa famonjena.
“… Mamporisika anareo aho handalina, sy hikaroka momba ireo razambenareo ary hiomana hanatanteraka batisa amin’ny alalan’ny fisoloana tena ao amin’ny tranon’ny Tompo ho an’ireo havanareo efa nodimandry. … Ary mamporisika anareo aho hanampy ireo olona hafa hamantatra ny tantaram-pianakaviany” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 26).
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?
-
Oviana ianareo no nanao fanatitra tamin’ny alalan’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao rehefa nanao an’ireo fanatitra ireo ianao?
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana horaisin’ireo mpianatra rehefa mandray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly izy ireo. Asao ireo mpianatra hametraka tanjona izay hanampy azy ireo hanao ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao amin’ny tempoly.