Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Ny toerana afovoany ho an’i Ziona; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57–59 (Fizarana 13)
Fampidirana
Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ireo fitsipiky ny fibebahana. Rehefa mianatra ireo fitsipika ireo ny mpianatra dia afaka mandinika ny tokony hataony izy ireo mba hibebahana ary handinika ny fomba ahafahan’ny fampanantenan’ny Tompo famelan-keloka mitahy ny fiainan’izy ireo. Raha ny sasantsasany amin’ity loharanom-pitaovana ity no natokana ho an’ny lesona isan’andro dia manome fahafahana ho anao mba hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fitsipiky ny fibebahana tsaratsara kokoa sy ny fomba hampiharana izany amin’ny fiainany ity lesona ity.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:34–43
Manome toromarika mikasika an’i Ziona ny Tompo sy mampianatra ireo fitsipiky ny fibebahana
Soraty mialoha ny fotoam-pampianarana eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no atao hoe fibebahana? Ahoana no ahafantarako fa nibebaka tanteraka aho? Any am-piandohan’ny fotoam-pampianarana dia anontanio ny fomba mety hamaliany ireo fanontaniana ireo ny mpianatra.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana manaraka ireto: Martin Harris, William W. Phelps, ary Ziba Peterson.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:38–41, 60. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo lehilahy ireo raha niomana hanangana an’i Ziona izy ireo. Rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia soraty eo ambanin’ny anarana tokony ho izy eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.
-
Inona no fahotana nanamelohan’ny Tompo an’i Martin Harris? Inona no nasain’ny Tompo hataony?
-
Inona no fahotana izay nolazain’ny Tompo fa nahameloka an’i William W. Phelps? Inona no nasain’ny Tompo hataony? Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “mitady ny ho ambony” [andininy 41] dia tsy midika hoe manao izay tsara indrindra na miezaka ny manatsara. Tsy izany, fa io andian-teny io dia midika faniriana tsy ara-drariny sy feno fieboeboana ny hiseho ho tsaratsara kokoa na manan-danja kokoa noho ny hafa.)
-
Inona no nandraman’i Ziba Peterson hatao amin’ny fahotany?
Hamafiso fa ny fahotan’ireo lehilahy ireo dia saika nanakana azy ireo amin’ny fanampiana amin’ny fananganana an’i Ziona.
-
Inona ireo zavatra sasany izay mety hanakana ny fahafahantsika manompo ny Tompo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo mikasika ny fibebahana.
-
Inona araka ireo andininy ireo no fampanantenan’ny Tompo ho antsika raha mibebaka isika? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia hamela antsika ny Tompo ka tsy hahatsiaro izany intsony. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika ny teny izay mampianatra io fitsipika ao amin’nyandininy 42io.)
-
Inona amin’ireo fahotana ataontsika no voakasik’io fampanantenana io? (Izy rehetra.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo teny na andian-teny izay mifandray amin’ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe.
“Na inona na inona fandikan-dalàna nataontsika, na firy na firy ny fandratrantsika ny hafa tamin’ny zavatra nataontsika dia afaka ho voafafa avokoa izany heloka izany. Ho ahy, ny fehezan-teny tsara indrindra ao amin’ny soratra masina rehetra angamba dia tamin’ny Tompo nilaza hoe, ‘Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.’ [F&F 58:42.]
“Izany no fampanantenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana” (“The Atonement,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 77).
-
Ahoana no efa nitahiana ny fiainanao noho ny fahafantarana fa afaka ny ho voavela amin’ny fahotanao rehetra ianao?
Hazavao fa ny olona sasany dia diso fiheverana rehefa mieritreritra fa raha mbola mahatsiaro ny fahotany izy ireo dia mbola tsy feno ny fibebahana natao. Omeo toky izy ireo fa ny fahatsiarovana ny fahotana izay nataony dia manampy azy ireo tsy hamerina hanao ilay izany indray.
Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Harold B. Lee. Asaivo mihaino ny fampianarany momba ny fiadanan-tsaina izay azo amin’ny alalan’ny fibebahana ny rehetra.
“Raha tonga ny fotoana ka efa nanao izay rehetra azonao natao ianao mba hibebahana tamin’ny fahotanao, na iza ianao na iza, na aiza na aiza no misy anao, ary efa nanisy fanovana sy nanonitra tamin’ny tsara indrindra azonao natao; raha toa izany ka zavatra iray izay hisy fiantraikany amin’ny maha mpikambana anao ao am-piangonana ary nandeha tany amin’ny mpitarika na ny manampahefana mifandraika amin’izany ianao, dia hila izany valinteny manamafy izany ianao ny amin’ny hoe nanaiky ny fibebahanao ve ny Tompo sa tsia. Mandritra ny fandinihanao ny feon’ny fieritreretanao, raha toa ianao ka mikatsaka ary mahita izany fiadanan-tsaina izany, dia amin’ny alalan’izany no ahafahanao mahafantatra fa nanaiky ny fibebahanao ny Tompo” (Stand Ye in Holy Places [1974], 185).
Hamafiso fa misy fepetra ny fampanantenana voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Tsy afaka mandray ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo isika raha tsy efa nanao izay azontsika natao rehetra mba hibebahana tanteraka amin’ny fahotantsika.
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka notsoahina avy tamin’ny bokikely Jeunes, Soyez Forts ity. Asaivo mihaino ny zavatra azony ianarana momba ny dikan’ny hoe fibebahana ny rehetra.
“Ny fibebahana dia tsy ny fanekena fotsiny ireo tsy nety natao. Fanovana ny fomba fisainana sy fiovam-po izany. Tafiditra amin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana any amin’ Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka. Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana tena marina ny hankatò ny didiny no mamporisika hanao izany” (Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 28).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra roa tsy maintsy hataontsika mba hahafahantsika mibebaka tanteraka amin’ny fahotantsika.
-
Inona araka io andininy io no zavatra roa tsy maintsy ataontsika mba hahafahantsika mibebaka tanteraka amin’ny fahotantsika? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Tsy maintsy mibaboka sy mahafoy ny fahotantsika isika rehefa mibebaka.)
-
Ahoana no hanampian’io fotopampianarana io antsika amin’ny famaliana ny fanontaniana manao hoe “Ahoana no hahafantarako raha efa nibebaka tanteraka aho?” (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fibabohana sy ny fahafoizana ireo fahotana dia zava-dehibe amin’ny fibebahana tanteraka.)
-
Inona no dikan’ny hoe mibaboka ny fahotantsika?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny dikan’ny hoe mibaboka amin’ny fahotantsika dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Endri-javatra mahery vaika ny fibabohana sy ny fahafoizana. Mifono zavatra betsaka noho ny fitenenana mahazatra hoe ‘Miaiky aho fa diso’ izy ireo. Ny fibabohana dia fiaikena lalina, ary indraindray fiaikena tena mampijaly ny fahadisoana sy ny faniratsirana an’ Andriamanitra sy ny olona” (“Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 40).
-
Ahoana no hanampian’ny fibabohantsika ny fahotantsika amin’ny fitodihana avy amin’izany sy amin’ny fanatonana an’ Andriamanitra mba ho voavela?
Tafiditra ao amin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny mety handinihan’ny mpianatra ny fahotana izay mety ilainy hibabohana sy ny olona tokony hibabohany izany. Hazavao fa mila mibaboka ny fahotantsika rehetra amin’ny Raintsika any an-danitra isika. Ireo heloka goavana, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (anisan’izany ny pôrnôgrafia) dia tokony hibabohana amin’ny eveka na amin’ny filohan’ny sampana.
Resaho amin’ny mpianatra ilay fotopampianarana farany nosoratanao teny amin’ny solaitrabe.
-
Inona no dikan’ny hoe “mahafoy ny fahotanao”? (Mitodika tanteraka avy amin’ny fahotantsika sy tsy manao izany intsony.)
Mijoroa ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ireo fitsipiky ny fibebahana ary famelan-keloka nifanakalozana hevitra teo. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa misy fahotana mila hibebahany ary amporisiho izy ireo mba hibebaka amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fahamarinana nianarany.
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Asao izy ireo hanao tatitra ny amin’ny zavatra ataony mba hitadidiavana izany tsy an-jery.
Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–64)
Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–64 dia azonao atao ny manasa azy ireo handinika izao manaraka izao: Raha tsy mahavita mamela ny olona iray hafa noho ny fahadisoana nataony taminy ny olona iray dia iza no voaheloky ny fahotana lehibe kokoa? Asao ny mpianatra handinika ny zavatra hataony rehefa misy olona hafa mandratra azy ireo amin’ny alalan’ny fihetsika na teny. Iza no tokony havelantsika heloka, na dia manoloana ny toe-javatra mahatonga fahorian-tsaina indrindra aza? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka dia hianatra avy amin’ny Tompo momba io zavatra io sy momba ny fomba tokony hiatrehantsika ny fanafintohinan’ny hafa ny mpianatra.