Seminera sy Institiota
Lesona 90: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87


Lesona 90

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Fampidirana

Nandritra ny taona 1832 dia naharay tatitra tamin’ny alalan’ny gazety mikasika ny fahasahirana izay manjo an’izao tontolo izao ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana. Fantany, ohatra, ny ady mikasika ny fanandevozana tao Etazonia, sady fantany koa ny momba ny fanafoanana ireo habantseranana alain’ny fanjakana foibe amin’ireo fanafaran’entana ao amin’ny faritanin’i South Carolina. Nilaza ny Mpaminany hoe: “ny fikorontanana misy eo amin’ireo firenena samihafa dia lasa miharihary bebe kokoa tamin’ity vanimpotoana ity noho ny taloha hatramin’izay niantombohan’ny dian’ny Fiangonana niala ny tany foana izay” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 249). Ny 25 Desambra 1832, no nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 izay ahitana ihany koa ireo faminaniana momba ireo ady sy fitsarana izay hatobaka eo amin’ny firenen-drehetra amin’ny andro farany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–8

Naminany tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo fa halatsaka amin’ ny firenen-drehetra ny ady

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Inona no maha-samy hafa ny vinavina sy ny faminaniana? (Ny vinavina dia hevitra mikasika ny zavatra mety hitranga amin’ny hoavy. Fa ny faminaniana kosa dia fanambarana ny famantarana na tranga ho avy araka izay ambaran’ny Fanahy Masina.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana manaraka ireto: Noa, Josefa tany Egypta, Lehia, Samoela ilay Lamanita. (Azonao atao koa ny mampiseho ny sarin’ireo mpaminany ireo.) Asao ny mpianatra mba hilaza ny faminaniana izay noresahin’ny tsirairay tamin’ireo mpaminany fahiny ireo. (Mety ho toy izao ny valinteny: Naminany mikasika ny safo-drano i Noà; naminany i Josefa tany Egypta fa hisy taona fito zina izay arahin’ny fito taonan’ny mosary; naminany i Lehia fa horavana i Jerosalema; ary naminany mikasika ny famantarana sy ny tranga izay hanaraka ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy i Samoela ilay Lamanita.)

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Joseph Smith. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4 sady hitady faminaniana iray izay nambara tamin’i Joseph Smith.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa “hitranga tsy ho ela”? (Hitranga tsy ho ela ny ady, izay manomboka amin’ ny fikomian’ i South Carolina ka hiteraka ny fahafatesana sy ny fahorian’ ny olona maro.)

  • Inona no ianarantsika momba ny Tompo ao amin’ny andininy 1–4? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Afaka manambara ny hoavy amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.)

  • Amin’ny fomba ahoana no fitahiana ho an’ny Fiangonana ny fahafantarana fa manambara ny hoavy amin’ny alalan’ny mpaminany ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana no fitahiana ho anao sy ny fianakavianao izany?

Sary
sarintany, Etazonia

Asao ny mpianatra hamaky tsara ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87, ka hitady ny daty nanomezana ity fanambarana ity. Avy eo dia fintino ity andinin-tsoratra manaraka ity na manasà mpianatra iray hamaky mafy izany:

Nahafantatra mikasika ny disadisa ara-pôlitika nisy teo amin’ny faritanin’i South Carolina sy ny governemantan’ny fanjakana foiben’i Etazonia mikasika ny habantseranana i Joseph Smith. (Ny habantseranana dia haba alaina amin’ny fanafaran’entana.) Satria niankin-doha bebe kokoa tamin’ireo fanafaran’entana novokarina tany ivelany ny mponina tao South Carolina raha oharina amin’ny olona tao amin’ny faritany tavaratra dia nihevitra izy ireo fa tsy rariny ny habantseranana avy amin’ny fanjakana foibe ary natao fanahy iniana ny fametrahana izany mba hanimbana ny Faritany tatsimo. Namorona lalàna tsy mampanan-kery na manafoana ireo lalàna federaly ireo mpitondra fanjakana tao South Carolina, ary maro tamin’ireo mponina tao South Carolina no nanomboka nanomana ady hanoherana ny governemanta federaly. Nanamafy ny filohan’i Etazonia fa hampanaja ny lalàn’i Etazonia amin’ny alalan’ny hery izy. Ny volana Desambra 1832, ny gazety rehetra nanerana an’i Etazonia dia niresaka momba io disadisa io avokoa. Tamin’izany fotoana izany indrindra no nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 naminany fa “hitranga tsy ho ela ireo ady izay manomboka amin’ny fikomian’i South Carolina” (F&F 87:1). Tany amin’ny voalohandohan’ny taona 1833, tsy ela akory taorian’ny nanomezana io faminaniana io, dia nahita vahaolana tamim-pitoniana ny governemantan’i Etazonia sy ny faritanin’i South Carolina. Nihevitra ny sasany fa tapitra ilay ady kanefa nitsahatra vonjimaika fotsiny izany fa nikomy tokoa i South Carolina.

  • Ahoana no hataonao raha tsy tanteraka araka ny zavatra nantenainao ny tenin’ny mpaminany

? Asaivo mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–13 ny mpianatra ka angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireo andininy ireo.

  • Inona no zavatra namafisin’i Joseph Smith indray tao anatin’ity faminaniana ity? (Hanomboka ao South Carolina ny ady.)

Asao ny mpianatra mba hijery ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 ka hitady ny taona izay nanomezan’i Joseph Smith ny fanamafisana indray ilay faminaniana tao amin’ny fizarana 87.

  • Tamin’ny taona firy no nanamafisan’i Joseph Smith indray ilay faminaniana ao amin’ny fizarana 87? (1843.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa voavaha 10 taona lasa talohan’izay, dia ny taona 1833 ny olana nisy teo amin’ny governemantan’i Etazonia sy i South Carolina.

  • Inona no afaka ampianarin’ny fanamafisan’i Joseph Smith ilay faminaniana izay azony 10 taona lasa tany aloha anao mikasika ny finoany? (Na dia nilaza aza ny olona sasany fa mpaminany sandoka i Joseph Smith dia nitozo tamin’ny fitazomana ny finoana an’ilay faminaniana izay nambaran’ny Tompo tamin’ny alalany izy.)

Vakio ity andininy manaraka ity na manasà mpianatra iray hamaky mafy izany. (Azonao atao ny manao tahadikan’izany ho an’ireo mpianatra mba hapetrany ao anatin’ny soratra masiny.)

Ny taona 1861 dia nanomboka nidaroka tafondro ireo miaramilan’ny fanjakana foiben’i Etazonia izay nipetraka tao amin’ny Fort Sumter, tao amin’ny Helodranomasin’i Charleston, South Carolina, ny sambo mpiady Tatsimo. Nitambatra tamin’i South Carolina ireo faritany Tatsimo hafa tao anatin’ny ady an-trano nanohitra ireo faritany tavaratra. Nony farany dia nangataka ny fanampian’ny Firenena Britanika ireo faritany Tatsimo. Ankoatra izay dia maro ireo andevo tany Atsimo izay nikambana tamin’ny tafiky ny Tavaratra ka niady tamin’ireo tompony taloha. Naharitra hatramin’ny taona 1865 ilay Ady An-trano tany Amerika ka niafara tamin’ny fahafatesan’ny miaramila tokony ho 620 000 (ny mpahay tantara sasany aza nanombatombana izany hatrany amin’ny 750 000).

  • Inona no azon’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 ampianarina antsika mikasika an’i Joseph Smith? (Mety anisan’ny valinteny ny hoe marina ny faminanian’i Joseph Smith ary mpaminanin’ Andriamanitra izy. Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity: Mpaminany marin’ Andriamanitra i Joseph Smith.)

Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa mpaminany marina i Joseph Smith. Avy eo dia hazavao fa ankoatra ireo tranga izay nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4, dia naminany tamin’ny alalan’i Joseph Smith mikasika ny zavatra hafa izay hitranga ny Tompo.

Asao ny mpianatra mba hamaky samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6–7 ka hitady ireo tranga hafa izay nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany.

  • Inona ireo tranga izay nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6 sy 7 dia inona ireo antony sasantsasany izay hahatonga ireo zavatra ireo hitranga?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe “tanam-pamaizan’” Andriamanitra dia entina hilazana ny fampiasan’ny Tompo ny fitsarany mba hamporisihina ireo zanany hibebaka amin’ny fahotany (jereo ny Helamàna 12:3). Ankoatra izay dia hitranga ny sasany amin’ireo fitsarana voasoritsoritra ao amin’ireto andininy ireto rehefa manafay ny ratsy fanahy ny Tompo noho ny tsy rariny nataon’izy ireo tamin’ny marina.

Hamafiso fa ny faminaniana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 dia efa tanteraka na mbola ho tanteraka avokoa. Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8 mba hianatra ny zavatra nasain’ny Tompo ataontsika mba hanomanana antsika amin’ny ady sy ny voina izay hanjò ny tany amin’ny andro farany.

  • Inona no nandidian’ny Tompo hataontsika? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Asaina mitsangana amin’ny toerana masina isika ka tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona ireo toerana masina izay afaka manome fiadanana sy fiarovana amin’ny loza ho antsika? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao lisitry ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Mety ho hita ao amin’ny valinteny ny hoe: ny ankohonana, ny fiangonana, ny tempoly ary ny kilasin’ny seminera.)

Tsindrio tsara ny hoe ny toerana masina dia toerana izay ahafahantsika mahatsapa ny fisian’ny Fanahy Masina, izay manampy antsika hanatona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka hianarana ny Aminy.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mitsangana amin’ny toerana masina ka “tsy hoesorina” (F&F 87:8)?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanesorina ny olona iray amin’ireny toerana masina ireny?

  • Ahoana no fahatsapanao ny fitahian’ny fiadanana na ny fiarovana amin’ny loza rehefa mitsangana amin’ny iray amin’ireo toerana masina ireo ianao?

Hazavao fa ankoatra ny hoe toerana ara-batana izay masina, ny “toerana masina” dia miompana kokoa amin’ny fomba iainantsika fa tsy ny toerana ipetrahantsika. Raha mendriky ny ho naman’ny Fanahy Masina lalandava isika dia mitsangana amin’ny toerana masina. Amporisiho ny mpianatra mba hanao ny fony ho toerana masina feno ny Fanahin’ny Tompo. Rehefa manasa ny Fanahy ho eo amin’ny fiainany izy ireo dia afaka mamela Azy hanome hery fitaomana ny ao an-tranony ka hahatonga izany ho toerana masina.

  • Inona no ezaka azonao atao mba hanaovana ny fonao ho toerana masina?

  • Inona avy ireo fanampiana azonao entina amin’ny fanaovana ny ao an-tranonao ho toerana masina? (Mety ho toy izao ny valiny: manohana ny vavaka sy fandalinana soratra masina ataon’ny mpianakavy sy maneho hatsaram-panahy amin’ny fianakaviana.)

  • Raha asaina mijery ny efitranonao ny mpaminany dia moa ve toerana masina no hitany ao? Ary ianao?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao anaty kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay hataony mba hahatonga azy ireo hitsangana amin’ny toerana masina bebe kokoa ka tsy hoesorina eo. Rehefa avy nanoratra ny mpianatra dia asao ny sasantsasany amin’izy ireo hizara ny tanjony amin’ny mpianatra rehetra. Amporisiho ny mpianatra rehetra hiezaka hanatratra ny tanjona izay napetrany. Azonao faranana amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra tato amin’ity lesona ity ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:3. Hangataka ny fanampian’ny Firenena Britanika ny faritany Tatsimo

Nanoratra ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona James E. Talmage

“Na dia tsy nisy fifanarahana ôfisialy aza teo amin’ireo Faritany Tatsimo sy ny governemanta Anglisy dia nanome fanampiana an-kolaka sy famporisihana goavana ho an’ny Tatsimo ny hery fitaomana Britanika, ary izany dia niteraka fahasarotana goavana teo amin’ny lafiny iraisam-pirenena. Namboarina sy nasiana fitaovana tao amin’ireo seranantsambo Britanika ireo sambo ho tombontsoan’ny “Confédération”; ary niteraka fatiantoka hatramin’ny dimy hetsy sy dimy ambinifolo tapitrisa dôlara ho an’ny Firenena Britanika ny vokatr’izany fandikany ny lalàn’ny tsy fiandaniana amin’ny atsy na ny aroa izany, ary izany vola izany dia nomena an’i Etazonia nandritra ny fivoriana fanelanelana nentina nandaminana ny raharahan’i Alabama izay natao tany Genève. Nanendry solontena nankany amin’ny Firenena Britanika sy Frantsa ny “Confédération”; saingy nosamborin’ny manampahefana avy any Etazonia tao amin’ny sambo Britanika mandeha amin’ny entona izay nandehanany ireo solontena ireo. Io fihetsika io, izay voatery neken’ny governemantan’i Etazonia ampahibemaso, dia nandrahona nandritra ny fotoana fohy ny hisian’ny ady teo amin’i Etazonia sy ny Firenena Britanika” (The Articles of Faith, ed. faha-49 [1968], 25–26; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 194).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:3–4. Tohin’ny fahatanterahan’ny faminaniana

Ity tabilao manaraka ity dia mampisongadina ireo antsipiriany fanampiny amin’ilay faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 sy ny fomba sasany nahatanterahan’izany:

Faminaniana

Fomba sasany nahatanterahan’io faminaniana io

F&F 87:3

“Ireo firenena hafa, dia ny Firenena Britanika … koa dia hangataka ny fanampian’ ireo firenena hafa mba hiarovany ny tenany amin’ ireo firenena hafa; ary amin’ izany dia harotsaka amin’ ny firenen-drehetra ny ady”

Nitranga ny Ady Lehibe Voalohany sy ny Ady Lehibe Faharoa rehefa nangataka ny fanampian’ny firenena hafa ireo firenena mba hanampy azy ireo hiaro ny tenany. Tamin’ireo ady roa ireo dia nangataka ny fanampian’ny firenena hafa ny Firenena Britanika.

F&F 87:4

“Rehefa afaka andro maromaro, dia hitsangana hanohitra ny tompony … ireo andevo”

Tamin’ny fotoana nanomezana ity fanambarana ity dia tsy tao Etazonia ihany no nisy fanandevozana fa tany amin’ny faritra hafa nanerana an’izao tontolo izao koa. Tamin’ny taonjato faha-19 sy faha-20 dia nitsangana nanohitra ny tompony ireo andevo, na ireo tanaty fanandevozana ka niady ho an’ny fahafahany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8 “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina”

Nampianatra mikasika ny fomba vitsivitsy izay ahafahantsika mitsangana eo amin’ny toerana masina ny Loholona Dallin H. Oaks:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Moa ve isika manaraka ny didin’ny Tompo manao hoe: ‘Koa mitsangàna eo amin’ ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina mandra-pahatongan’ ny andron’ ny Tompo; fa indro avy faingana tokoa izany’? (F&F 87:8). Inona avy ireo “toerana masina” ireo? Mazava ho azy fa anisan’izany ny tempoly sy ny fanekempihavanany nohajaina amim-pahatokiana. Mazava ho azy fa anisan’izany ny tokantrano izay toerana mahasarobidy ny zanaka sy hanajana ny ray aman-dreny. Mazava ho azy fa anisan’ny toerana masina ny andraikitsika izay nomen’ny fahefan’ ny fisoronana, ka anisan’izany ny misiôna sy ny antso izay tanterahina amim-pahatokiana any amin’ireo sampana sy paroasy ary tsatòka.” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 10).

Nanazava ny dikan’ny hoe mitsangana eo amin’ny toerana masina ny Rahavavy Sharon G. Larsen tao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany:

Sary
Rahavavy Sharon G. Larsen

“Ny hoe mitsangana eo amin’ny toerana masina dia midika hoe miaraka amin’ny namana tsara, na irery ianao na miaraka amin’ny hafa. Izany dia midika hoe mitoetra eo amin’ny toerana izay mampisy ny Fanahy Masina isika—na irery na ao anaty vahoaka. Rehefa manapa-kevitra ao anatintsika isika fa hifehy ny eritreritsika sy ny asa ataontsika, ka ho lasa tsara indrindra araka izay azontsika atao, dia ho avy amintsika ny zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainana. …

“… Na inona na inona zava-mitranga manodidina anao dia afaka mamorona tontolo ho anao samirery izay feno ny Fanahin’ny Tompo ianao. …

“Mety ho eny amin’ny toerana rehetra izay misy anao ny toerana masina—na irery, na ao anaty vahoaka, na miaraka amin’ny olona tsy fantatra na miaraka amin’ny namana. … Misy ny zavatra izay azonao atao mba hitondrana fahamasinana amin’ny toerana mahazatra.” (“Standing in Holy Places,” Ensign, mey 2002, 91, 92).

Hamoaka printy