Seminera
Lesona 112: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–38


Lesona 112

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–38

Fampidirana

Tany Kirtland, Ohio ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao notendrena tamin’ny volana aprily 1835, niomana ny hanainga amin’ny asa fitoriany voalohany amin’ny maha-kôlejy azy. Talohan’ny niaingan’izy ireo dia nangataka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo mba hikatsaka fanambarana mba hanampy azy ireo rehefa tafasaraka izy (jereo ny fampidirana ny lesona 111). Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 ilay fanambarana noraisiny. Ity no lesona faharoa ao amin’ny lesona telo izay miresaka momba ity fizarana ity. Ato anatin’ity ampahany amin’ilay fanambarana ity, ny Tompo dia mamariparitra ireo adidin’ny kôlejy mpiahin’ny Fiangonana: ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fitopololahy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–26

Namariparitra ireo adidy sy fahefan’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana ny Tompo

Mialoha ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao teny manaraka izao: manohana. Rehefa manomboka ny fampianarana dia angataho ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nanohan’ny olona iray azy ireo. Dia asao ny mpianatra avy eo mba hitodika amin’ny namana iray ka hamariparitra ny zavatra niainany.

  • Inona no niova rehefa fantatrareo fa nanohana anareo ny olona iray

?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–22 ka hitady ny olona izay nolazain’ny Tompo fa tokony hotohanan’ny mpikamban’ny Fiangonana.

  • Iza no nolazain’ny Tompo fa tokony hotohanantsika? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty ho lohateny eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Fiadidiana Voalohany.)

Angataho ny mpianatra mba hamerina hijery mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8–9. Mialoha ny hamakian’izy ireo ireo andinin-tsoratra masina ireo dia hazavao fa ao amin’ny andininy 9, ilay andian-teny hoe “Fiadidian’ny Fisoronana Avo araka ny lamin’i Melkizedeka” dia milaza ny Fiadidiana Voalohany. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo andininy izay mampianatra momba ny Fiadidiana Voalohany.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Fiadidiana Voalohany? (Soraty eo ambanin’ilay lohateny izao fahamarinana manaraka izao: Ny Fiadidiana Voalohany dia manana andraikitra sy fahefana hiahy ny anjara fanompoana rehetra ato amin’ny Fiangonana.)

  • Araka ny andininy 22, dia ahoana no hanohanantsika ny Fiadidiana Voalohany? (Tokony haneho izao fahamarinana manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Ny Fiadidiana Voalohany dia tohanana amin’ny fahatokisana, ny finoana ary ny vavaka ataon’ny Fiangonana. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 22 izay mampianatra izany fitsipika izany.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mila manohana ny Fiadidiana Voalohany isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Angataho ny mpianatra mba hihaino izay nolazainy fa tokony hataontsika mba hanohanana ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Mba hanohanantsika ireo voantso … , dia tsy maintsy mandinika ny fiainantsika isika, sy mibebaka raha ilaina izany ary mampanantena fa hitandrina ny didin’ny Tompo sy hanaraka ireo mpanompony. …

“… Tsara ny mivonona ny hanohana amin’ny finoantsika sy ny vavaka ataontsika an’ireo izay manompo antsika ao amin’ny fanjakana. Fantatro manokana ny herin’ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fanohanana ireo izay voantso. … Nahatsapa mafy ny vavaka sy finoan’ny olona izay tsy fantatro aho ary izay tsy mahafantatra afa-tsy amin’ny maha-olona voantso ahy mba hanompo amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana” (“Ilay Fiangonana marina sady velona,” Ensign na Liahona, mey 2008, 21).

  • Inona no nolazain’ny Filoha Eyring fa tsy maintsy ataontsika mba hanohanana ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana?

  • Ahoana no ahafahantsika manohana ireo mpitarika ny Fiangonana, toy ny Fiadidiana Voalohany, izay tsy fantatsika manokana?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra momba izay ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao mba hanohanana ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana. Asao izy ireo mba hanoratra tanjona mivaka ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany ny soratra masina momba ny zavatra izay ho ataony amin’ny hoavy mba hanohanana bebe kokoa azy ireo.

Soraty ho lohateny eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23 ka hitady izay nolazain’ny Tompo momba ireo adidin’ny Apôstôly Roambinifolo.

  • Araka ny andininy 23, dia nantsoina mba ho lasa inona ireo Apôstôly Roambinifolo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny “Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo” izao fotopampianarana manaraka izao: Vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy eran’izao tontolo izao ireo Apôstôly. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izany fotopampianarana izany ao amin’ny soratra masiny.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly?

Asao ny mpianatra mba hamaky izay lazain’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina momba ny teny sy ny anarana hoe Apôstôly. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany.

Hazavao fa ny Filohan’ny Fiangonana no Apôstôly ela niasana indrindra eto ambonin’ny tany ary Apôstôly ihany koa ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Noho izany dia vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny fahatsapan’izy ireo rehefa nihaino na namaky ireo teny vavolombelon’ny Apôstôly izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fahatsapany amin’ny rehetra.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:24 ka hitady izay nolazain’ny Tompo momba ny fahefana sy ny herin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

  • Ao amin’ny andininy 24, inona no ianarantsika momba ny fahefana sy ny herin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo? (Manana fahefana sy hery mitovy amin’ny Fiadidiana Voalohany ilay Kôlejy. Azonao atao ny manoratra izany fampahalalana izany eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe “Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.”)

Hazavao fa rehefa hatokana ho Apôstôly ny lehilahy iray dia omena ireo fanalahidin’ny fisoronana mitovy amin’ny an’ny Filohan’ny Fiangonana izy ireo. Ny Filohan’ny Fiangonana anefa no lehilahy tokana eto ambonin’ny tany izay manana fahefana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy ny Fisoronana Melkizedeka azy. Mampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo Apôstôly hafa rehefa omen’ny Filohan’ny Fiangonana lalana. Rehefa nodimandry ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, izay mitovy tantana amin’ny Fiadidiana Voalohany eo amin’ny fahefana sy hery no lasa vondrona mpiahy ny Fiangonana. Ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, amin’ny maha-Apôstôly ela niasana indrindra velona azy no manana lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra amin’izany.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25 ka hitady kôlejy hafa ao amin’ny fisoronana izay voalaza ao anatin’ity fanambarana ity sy ireo adidin’ny mpikambana ao amin’izany.

  • Inona ilay kôlejy fahatelo izay noresahin’ny Tompo ao anatin’ity fanambarana ity? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty ho lohateny eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Fitopololahy.)

  • Inona no adidin’ny Fitopololahy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny Fitopololahy” izao fahamarinana manaraka izao: Ny Fitopololahy dia antsoina hitory ny filazantsara sy ho vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy ao amin’izao tontolo izao manontolo.)

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:26 ka hitady izay nolazain’ny Tompo momba ny fahefan’ny Fitopololahy. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izay nolazain’ny Tompo momba ny fahefan’ny Fitopololahy dia asao ny mpianatra iray hamaky ireo teny natao manaraka izao:

“I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana mikasika ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay an’ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Izay Apôstôly efa ela velona indrindra, izay Filohan’ny Fiangonana, no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana. …

Ireo Fitopololahy dia miasa amin’ny alalan’ny fanomezana andraikitra sy ny fanomezana fahefana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. … Hatokana sy omena ireo fanalahidy mba hiahy ireo Kôlejin’ny Fitopololahy ny Fiadidian’ny Fitopololahy” (Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 2.1.1).

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo zavatra niainan’izy ireo rehefa namaly na nihaino ireo lahateny nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ary ny Fitopololahy izy ireo. Raha toa ka efa nahita maso ireo rahalahy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo mba hizara ihany koa ny zavatra niainany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–32

Nanazava ny fomba handraisan’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana fanapahan-kevitra ny Mpamonjy

Lazao amin’ny mpianatra fa tianao handray fanapahan-kevitra tsotra izy ireo amin’ny maha-vondrona iray azy (ohatra, afaka manapa-kevitra amin’ny fihirana izay hohiraina amin’ny fampaherezam-panahy amin’ny fotoam-pianarana manaraka izy ireo). Ampirisiho ny mpianatra mba hifanakalo hevitra ny amin’ireo safidiny ka hiara-handray fanapahan-kevitra. Rehefa tapaka ny hevitry ny mpianatra dia hifanakalozy hevitra izao manaraka izao:

  • Ahoana amin’ny ankapobeny no handraisan’ny vondron’olona fanapahan-kevitra?

  • Manao ahoana ireo fomba fandraisana fanapahan-kevitra ireo raha miohatra amin’ny fandraisan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fitopololahy fanapahan-kevitra?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo mba hiara-hamaky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–32, ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fomba tokony handraisan’ireo kôlejy miahy ao amin’ny Fiangonana fanapahan-kevitra. Rehefa ampy ny fotoana nizahan’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina ireo dia hifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, ahoana no fomba fandraisan’ireo kôlejy mpiahy fanapahan-kevitra? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny mamintina ny valintenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratra izao fitsipika manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Atao amin’ny firaisan-kina sy ny fahamarinana ireo fanapahan-kevitr’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana.)

  • Inona avy ireo toetra mendrika voalaza ao amin’ny andininy 30 izay manan-danja ny hananan’ireo rahalahy ireo izany mba handraisany fanapahan-kevitra iraisana?

  • Araka ny andininy 31, dia inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana rehefa mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampiasana ireo toetra mendrika ireo izy ireo?

  • Ahoana no manampy anareo hanohana ireo mpitarika ireo amin’ny fahatokisana sy finoana ary vavaka, ary hanaraka ny torohevitr’izy ireo ny fahafantaranareo fa mampanantena ny hitahy ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fitopololahy ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33–38

Nanome torolalana fanampiny an’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana ny Tompo

Omeo ny tsirairay amin’ny mpianatra ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33, 34, na 35. Asao ny mpianatra mba handalina ny andinin-tsoratra masiny ka hamantatra ireo fahamarinana momba ireo Apôstôly Roambinifolo na ny Fitopololahy. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra ireo fahamarinana izay hitan’izy ireo ao ambanin’ny hoe “Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo” na “Ny Fitopololahy.”

Mety ho anisan’ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra ireto manaraka ireto: Ny Apôstôly Roambinifolo dia manao asa amin’ny anaran’ny Tompo sy eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fananganana ny Fiangonana. Ny Fitopololahy dia manao asa amin’ny anaran’ny Tompo, eo ambany fitarihan’ny Apôstôly Roambinifolo. NY Apôstôly Roambinifolo dia mihazona ireo fanalahidin’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Farano ity lesona ity amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo andraikitra masin’ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny Fiangonany. Amporisiho ny mpianatra mba hanohana azy ireo amin’ny alalan’ny fihainoana sy fanarahana ny torolalana entanim-panahy azony.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–24. Vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy

Nampianatra ny dikan’ny vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mitovy tamin’ny taloha ny anjara asan’ny Apôstôly ankehitriny (jereo ny Asan’ny Apôstôly 1:22; 4:33). Ny iraka nampanaovina anay dia ny handeha amin’izao tontolo izao ka hitory momba an’i ‘Jesoa Kristy, … fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana’ (jereo ny Marka 16:15; 1 Korintiana 2:2). Ny Apôstôly iray dia misiônera sy vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy. Ny ‘anaran’i Kristy’ dia milaza ny fitambaran’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty—ny fahefany sy ny fotopampianarany ary ireo toetrany miavaka amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy mba ho ny Mpanavotra sy ny Mpamonjintsika. Amin’ny maha-vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy anay dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-tena misy Azy sy ny maha-Andriamanitra Azy ary ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izahay, ny amin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra sy mandrakizay, ary ny Filazantsarany” (“Special Witnesses of the Name of Christ,” The Religious Educator: Perspectives on the Restored Gospel, vol. 12, no. 2 [2011], 1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–30. Ireo fanapahan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Nampianatra momba ireo fanapahan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Tsy misy fanapahan-kevitra mivoitra avy amin’ny fandinihana tsara ataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha tsy misy fifanekena tanteraka teo anivon’ireo rehetra izay voakasik’izany. Mety hisy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fiandohan’ny famakafakana ireo olana. Tsy maintsy misy izany. Samy manana ny traikefam-piainana samy hafa avy ireo lehilahy ireo. Lehilahy izay mieritreritra ho an’ny tenany izy ireo. Kanefa mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra farany dia miray saina sy feo izy ireo.

“Izany no miseho rehefa arahina ny teny nambaran’ny Tompo. Averiko tononina avy ao amin’ilay fanambarana indray hoe:

“‘Ny fanapahan-kevitr’ireo kôlejy ireo na ny iray aminy dia horaisina amin’ny fahamarinana rehetra, amin’ny fahamasinana ary amin’ny fietren’ny fo, ny halemem-panahy sy ny fahari-po, ary amin’ny finoana sy ny hatsaran-toetra ary fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny toetra araka an’ Andriamanitra, ny fifankatiavan’ny mpirahalahy ary ny fiantrana;

“‘Satria ny fampanantenana dia izao: raha miavosa ao aminy ireo zavatra ireo, dia tena hahavokatra izy ireo amin’ny fahalalana ny Tompo’ (F&F 107:30–31).

“Ampiako amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana fa nandritra ireo roapolo taona nanompoako tamin’ny maha-mpikambana ahy ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy sy nandritra ireo efa ho telo ambin’ny folo taona nanompoako tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia tsy nisy na oviana na oviana asa lehibe noraisina raha tsy narahina io lamina fanaovan-draharaha io. Nahita tsy fitovian-kevitra naseho nandritra ireny famakafakana lalina ireny aho. Tao anatin’izany dingan’ny famborahan’ireo lehilahy ireo ny eritreriny izany no nipoitra ny fifantenana sy famakafakan-kevitra. Kanefa tsy mbola nahita tsy fifankahazoana na lolom-po teo amin’ireo Rahalahy aho na oviana na oviana. Fa nahita zavatra mahafinaritra sy mahatalanjona kosa aho—ny fifanojoan’ireo fijery samy hafa, teo ambany fitarihan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy teo ambanin’ny herin’ny fanambarana, ambara-pahatongavan’izany ho firaisam-peo sy fifanekena tanteraka. Eo vao misy ny fanatanterahana araka ny fikasana. Hijoroako ho vavolombelona fa maneho ny fanahin’ny fanambarana izay aseho hatrany hatrany izany amin’ny fitarihany ity asan’ny Tompo ity” (“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 54, 59).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:35. Ireo fanalahidin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Sary
Mpaminany Joseph Smith

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Apôstôly Roambinifololahy dia “miahy ireo fiangonan’ny Olomasina. … Tokony mihazona ireo fanalahidian’ny fanompoana izy ireo, mba hamoha ny varavaran’ny Fanjakan’ny lanitra ho an’ny firenena rehetra, sy hitory ny Filazantsara amin’ny voahary rehetra. Izany no hery sy fahefana ary hatsaran’ny maha-apôstôly” (Enseignements des Presidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 141).

Hamoaka printy