Seminera sy Institiota
Lesona 44: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40


Lesona 44

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40

Fampidirana

Tamin’ny volana janoary 1831 dia nihaona tamin’i Joseph Smith tao Fayette, New York ny mpitandrina Prôtestanta iray nantsoina hoe James Covel ary “nifanaiky tamin’ny Tompo fa hankatò izay didy omen’ny Tompo amin’ny alalan’i Joseph mpanompony” (jereo ny Documents, Volume 1: July 1828–June 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 233–34). Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39ny valintenin’ny Tompo. Ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia miantso an’i James Covel mba hatao batisa sy hitory ny fahafenoan’ny filazantsara tao Ohio. Ny ampitson’ny nanomezana azy ilay fanambarana anefa dia niala tao Fayette i James Covel ary “niverina tamin’ireo fitsipika narahiny sy tamin’ireo olony teo aloha” (History of the Church,1:145). Dia nomen’ny Tompo fanambarana avy eo i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izay manazava ny antony tsy nitandreman’i Covel ny didy izay nomena azy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40 ilay fanambarana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–12

Nanasa an’i James Covel handray ny filazantsarany sy ho atao batisa i Jesoa Kristy

Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe vao avy nomen’ny rainy na ny reniny na olona hafa akaiky ny fony fanomezana izy ireo. Rehefa manokatra ilay fanomezana izy ireo dia mahita fa zavatra tena ilainy ilay izy.

  • Hanaiky io fanomezana io ve ianareo? Mety misy antony hisafidiananareo ny tsy handray ilay fanomezana ve?

  • Inona no mety ho fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra izay tonga ao an’eritreritrareo izay nofidian’ireo zanany tsy horaisina?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–3. Asao ny mpianatra rehetra hitady ny zavatra nofidian’ny olona sasany tsy horaisina.

  • Inona no nofidian’ireo olona ireo tsy horaisina?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mandray an’i Jesoa Kristy?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra fantatrareo mikasika ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia inona ireo antony sasantsasany tsy nandraisan’ny olony Azy?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno ity: Raha mandray an’i Jesoa Kristy isika dia …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:4. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fomba azo hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe mba handrafetana fitsipika iray. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany

. Dia fenoy toy izao manaraka izao ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe: Raha mandray an’i Kristy isika dia hanome hery antsika Izy mba ho tonga zanany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe lasa zanak’i Jesoa Kristy dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith. (Azonao atao ny manoratra io teny nambara io eo amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana na manome izany amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra.)

Filoha Joseph Fielding Smith

“Lasa Raintsika araka ny heviny ampiasana io teny io ao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy satria manome antsika fiainana izy, fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony ho antsika” (Doctrines of Salvation, comp. McConkie, 3 vols. [1954–56], 1:29).

Hazavao fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mianatra fa aterak’i Jesoa Kristy ara-panahy ireo izay niova fo tamin’ny alalan’ny finoana ny anarany. Lasa zanany lahy sy zanany vavy izy ireo (jereo ny Môsià 5:7). Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia “ireo izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” no atao hoe zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Zanak’i Kristy,” scriptures.lds.org).

  • Araka ny tenin’ny Filoha Smith dia nahoana isika no afaka ny ho tonga zanak’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:5–6 mba hitady ny fomba ahafahantsika mandray an’i Jesoa Kristy sy mampiasa ny zavatra omeny antsika ho tombontsoantsika mba hahafahantsika ho lasa zanany.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo avy amin’ireo andininy ireo dia ahoana no hanazavanareo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho lasa zanak’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa niantefa tamin’i James Covel, izay mpitandrina metôdista mamy hoditra nandritra ny efapolo taona teo ho eo, ny tenin’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo. Talohan’ny nahazoan’i Joseph Smith io fanambarana io mihitsy no nahalalan’i James Covel mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Na dia tsy mpikamban’ny Fiangonana aza izy dia nanao fanekempihavanana ny hankatò izay didy voarainy amin’ny alalan’i Joseph Smith. (Marihina fa nanome fampahalalana bebe kokoa mikasika ny amin’ilay lehilahy nomena ity fanambarana ity ny fikarohana natao vao haingana. Raha tsy manana ilay bokin-tsoratra masina natonta farany indrindra ny mpianatra dia tsy hahitana ilay fampahalalana vaovao indrindra ny sasin-tenin’ny fizarana.)

  • Koa satria fantatsika fa tsy mpikamban’ny Fiangonana i James Covel tamin’ny fotoana nandraisana ity fanambarana ity dia nahoana no mety nahakasika azy ireo fampianarana ao amin’ny andininy 5–6?

  • Nahoana i James Covel no mety nila finoana lehibe mba handraisana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary ho atao batisa? (Noho ny naha-mpitandrina an’i James Covel dia tsy maintsy niala tamin’ny toerany sy nandao ireo namany ary nahafoy ny vola niditra taminy tao anatin’ny 40 taona mahery izy raha natao batisa.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny porofo fa nahafantatra an’i James Covel ny Tompo. Rehefa avy milaza ny zavatra nianarany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha ianareo no teo amin’ny toeran’i James Covel dia inona no mety ho tsapanareo rehefa avy naheno an’ireo teny ireo? Nahoana?

  • Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ny toe-pon’i James Covel tamin’io fotoana io? Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “ankehitriny” (tamin’izany fotoana izany) “dia mahitsy eo anoloan’ny” Tompo ny fony ? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ilay teny hoe ankehitrinyao amin’ny andininy 8.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9, dia nahoana i James Covel no nitsipaka ny Tompo imbetsaka?

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity:

Raha … ianao

Dia …

Manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10–12. Alohan’ny hamakin’izy ireo dia asao ny antsasaky ny mpianatra hitady ny zavatra natoron’i Tompo an’i James Covel mba hataony. Asao ilay antsasany iray hafa hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa ho azon’i James Covel raha nankatò ny Tompo izy.

Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ao amin’ilay tabilao ny valintenin’izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hamakafaka ireo andininy ireo dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Tamin’ny fomba ahoana no ho nandraisan’i James Covel fitahiana lehibe kokoa sy ho nanaovany asa lehibe kokoa raha nanaiky ny fanasan’ny Tompo ho atao batisa izy? (Ampio ny mpianatra hahita fa nomen’ny Tompo ny fahafenoan’ny filazantsara i James, izay nahitana ireo andraikitra sy fitahiana tsy nananany teo aloha, toy ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fanokanana ho amin’ny fisoronana.)

Antitrantero ilay teny hoe raha ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10 sy 11. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika io andian-teny io ao amin’ny soratra masiny.

  • Inona no dikan’ilay teny hoe raha ao amin’ireo andininy ireo? (Niankina tamin’ny fihainoan’i James ny feon’ny Tompo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo azy.)

  • Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampiasan’ny Tompo ilay teny hoe raha ao amin’ireo andininy ireo? (Na dia holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa aza izany dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Miankina amin’ny fihainoantsika ny teniny ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Angataho ny mpianatra hieritreritra mangina ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo azy ireo. Avy eo dia asaivo misaintsaina ity fanontaniana manaraka ity izy ireo:

  • Inona no fepetra napetraky ny Tompo taminareo alohan’ny ahafahanareo mahazo ireo fitahiana ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13–24

Nantsoina hitory ny fahafenoan’ny filazantsara tao Ohio i James Covel

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13–24 amin’ny alalan’ny fampahafantarana amin’ny mpianatra fa niantso an’i James Covel hitory ny filazantsara tao Ohio ny Tompo. Nomen’ny Tompo toromarika mikasika ny zavatra ho ampianarina sy ny fomba hampianarana izany izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba ifandraisan’io andininy io amin’ireo fitsipika efa noresahinareo tao anatin’ity lesona ity.

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no mety ho fihetsikareo raha tsy mpikamban’ny Fiangonana ianareo ary nomena anareo ireo toromarika ato amin’ity fanambarana ity?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40

Mampahafantatra ny antony nitsipahan’i James Covel ny teniny ny Tompo

Ampahafantaro amin’ny mpianatra fa ny ampitson’ilay andro nanomezana ilay fanambarana izay fantatra amin’ny anarana hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 dia niala tao Fayette, New York i James Covel ka “niverina tamin’ireo fitsipika narahiny sy tamin’ireo olony teo aloha” (History of the Church, 1:145). Nampahafantarin’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny antony tsy nankatoavan’i James Covel ireo toromarika nomen’ny Tompo sy ny antony tsy nandraisany ireo fitahiana voalaza ao amin’ny fizarana 39.

Manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny antony tsy nihainoan’i James Covel ny feon’ny Tompo.

  • Ampitahao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:8 ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1. Niova ho toy ny ahoana ny fon’i James Covel?

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:2, dia inona no nitarika an’i James Covel hitsipaka ny tenin’ny Tompo tamin’ny farany?

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao ao amin’ny andininy 2? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra, kanefa ataovy izay haneken’izy ireo fa ny fahatahorana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao dia mety mahatonga antsika hitsipaka ny tenin’ Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io. Azonao atao ny manome sosokevitra ny mpianatra mba hanoratra izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masiny.)

  • Inona ireo fiahiahiana sasantsasany an’izao fiainana izao izay mety hanakana ny olona tsy hanaraka ny Tompo?

Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny sasantsasany amin’ireo fiahiahiana izao tontolo izao izay mety hanakana azy ireo tsy hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany. Dia anontanio azy ireo avy eo ny zavatra azony atao mba hanana finoana handresy ireo tahony na ireo fiahiahiany. Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nosoratany.

Mba hanampiana ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ilay teny hoe raha. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no ifandraisan’io teny io amin’i James Covel?

  • Inona no ifandraisan’izany amintsika?

Mba hamaranana ny lesona dia asao ny mpianatra vitsivitsy hiresaka ny fotoana nahazoan’izy ireo fitahiana avy tamin’ny Tompo noho ny nankatoavany ireo fepetra nifamatotra tamin’izany fitahiana izany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitahiana raisintsika rehefa mitandrina ny didy isika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39. James Covel

Ilay lahatsoratra voalohany indrindra an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 dia tsy nilaza afa-tsy hoe fanambarana nomena olona iray atao hoe James izany. Ny tahadikan’ilay fanambarana izay navoaka dia nanitatra ny anaran’ilay mpandray ho lasa “James (C.,).” Lasa fantatra tamin’ny hoe “James Covill” ny anarany tao amin’ilay bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay navoaka tamin’ny taona 1835. Tao amin’ilay bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana navoaka tamin’ny taona 1981 dia fantatra tamin’ny hoe mpitandrina Batista izy. Ireo fikarohana natao vao haingana anefa dia milaza fa ity fanambarana ity dia nomena an’i James Covel, izay mpitandrina Metôdista.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40. Nahoana i James Covel no nitsipaka ny tenin’ny Tompo?

Tamin’ny taona 1831 dia sady tsy nino ny famerenana ny fanaovana batisa ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana Metôdista Mitambatra no tsy nino fa misy lehilahy manana fahefana hanome ny Fanahy Masina. I James Covel, izay mpitandrina Metôdista, dia mety sahiran-tsaina tamin’ilay didy mba ho atao batisa indray (jereo ny F&F 39:10). Ankoatra izay dia niasa fito taona tamin’ny naha-mpitandrina mpitety faritra azy tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra niainana sy tany ambanivohitra be izy. Nisotro ronono tamin’ny fitoriana filazantsara isam-paritra izy tamin’ny taona 1797. Rehefa niantso an’i Covel hanao asa fitoriana ny Tompo dia mety ho nahatsapa izy fa nitaky fahafoizantena lehibe ilay fanomezana azy andraikitra handeha hitory ny filazantsara ka hamakivaky ilay sisin-tany mampisaraka ny any anebakeban-tany amin’ireo faritra efa mandroso. Izany dia mety ampahany amin’ny “fiahiahiana izao fiainana izao” (F&F 40:2) izay nahatonga azy hitsipaka ny fanekempihavanana nataony.