Lesona 127
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33
Fampidirana
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 dia ahitana ireo sombiny nalaina tamin’ny taratasy nentanim-panahy nosoratan’i Joseph Smith ho an’ireo Olomasina, tamin’ny 20 martsa 1839 avy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33 dia manoritsoritra ny fitsarana izay hanjo an’ireo ratsy fanahy ary nampanantena fanambarana ho an’ny maherifo.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–25
Namariparitra ireo fitsarana ho tonga eo amin’ireo izay manenjika ny Olomasina ny Mpamonjy
Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ity fehezanteny manaraka ity. “Ny Môrmôna dia tokony horaisina toy ny fahavalo ary tsy maintsy ringanina.”
Amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana dia asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe indray maraina, raha iny handao ny tranony iny izy ireo dia mahita an’io filazana io mipetraka amin’ny varavaran’ny tranony.
-
Moa ve ianao hatahotra ny hivoaka ny trano? Aiza no hikarohanao fanampiana? Inona no mety ho tsapanao raha fantatrao fa nisy nidiran’ny sasantsasany tamin’ireo namanao taloha ilay filazana?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin-kevitra ara-tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 dia hazavao fa nivadika tamin’i Joseph Smith ireo namany mahatoky sasantsasany fahiny. Ny roa tamin’ireo namany taloha ireo, i Thomas B. Marsh sy i Orson Hyde, dia mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Samy nanao sonia ny fanambarana ombam-pianianana diso ireo lehilahy roa ireo, izay nanendrikendrika an’i Joseph Smith sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana fa nikasa ny hanery ireo fahavalony hiala ny tany tamin’ny alalan’ny fandorana sy ny famotehana ny fananan’izy ireo. Io fanambarana ombam-pianianana io dia nitaona ny governoran’i Missouri hamoaka fanambarana, izay nantsoina hoe didy fandringanana, izay nanambara fa tsy maintsy ringanina ny Môrmôna rehetra, na terena hiala ao amin’ilay fanjakana. Ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe dia nalaina mivantana avy tao amin’ilay didy fandringanana. (Nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony i Thomas B. Marsh tamin’ny 17 martsa 1839 ary naverina natao batisa ny 16 jolay 1857. I Orson Hyde kosa dia nesorina tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 4 mey 1839 ary naverina tao amin’ny kôlejy ny 27 jona 1839.)
Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 dia sombiny tamin’ny taratasy nentanim-panahy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ireo Olomasina ny volana martsa 1839 raha mbola nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy. Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–17 mba hitady ny zavatra nianaran’ny Mpaminany tamin’ny Tompo mikasika ny zavatra hitranga amin’ireo izay niampanga an’ireo mpanompon’ny Tompo ho nandika lalàna. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo.
-
Araka ny hevitrao, inona no dikan’ilay andian-teny hoe “ho poaka aty ny fanantenany, ary ny fanampoizany dia ho levona”? (Tsy hahomby amin’ny fikasany ireo izay miady manohitra an’ireo mpanompon’ny Tompo amin’ny farany.)
-
Ao amin’ny andininy 13 sy ny 17, inona ireo antony nomen’ny Tompo nahatonga ny sasany niampanga ireo mpanompon’ny Tompo ho nahavita fahotana? (“Lo ny fon’ireo mpanameloka,” ary “mpanompon’ny fahotana” sy “zanaky ny tsy fankatoavana” izy ireo.)
Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:18–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra sady hitady ireo vokatra fanampiny izay ho avy amin’ireo izay miampanga diso sy miady amin’ireo Olomasina. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra. Azonao atao ny manazava fa ny hoe “hosarahina hiala amin’ny ôrdônansin’ny tranon’ny Tompo” (andininy 19) dia midika hoe hovahana na hesorina hiala amin’ireo fitahiana mifandraika amin’ny ôrdônansin’ny tempoly.
Ampahafantaro an’ireo mpianatra fa nanosika an’ireo mpihetraketraka hampitombo ny fanenjehany an’ireo Olomasina ny fanambarana diso avy amin’ireo mpikambana mpivadika tao amin’ny Fiangonana sy ireo hafa mbamin’ny didy fandringanana nataon’ilay governora. Vakio mafy ity tantara manaraka ity ka asao ireo mpianatra hihaino ireo ohatra momba ny fomba nitondrana tsy ara-drariny an’ireo Olomasina tamin’io fotoana io:
Tamin’ny 30 ôktôbra 1838, telo andro monja taorian’ny namoahana an’ilay didy fandringanana dia nanatona ny toeram-ponenana Môrmôna iray ny lehilahy miisa ho 240 eo ho eo teo amin’ny toerana iray nantsoina hoe Fitotoam-barin’i Haun. Nandositra tany anaty ala ireo zaza amam-behivavy, raha nitady fiarovana tao amin’ilay toeram-piasan’ny mpanefy kosa ireo lehilahy. Nanofaofa ny satrony i David Evans, iray amin’ireo mpitarika ny Olomasina, ka nangataka fitoniana. Feom-basy an-jatony no nasetrin’izy ireo azy, ka ny ankamaroany dia nikendry an’ilay toeram-piasan’ilay mpanefy avokoa. Tsy nisy famindrampo fa dia notifirin’ireo mpihetraketraka avokoa ny olon-drehetra izay hitany, ka anisan’izany ireo vehivavy sy beantitra ary ankizy. Nobedain’i Amanda Smith ny zanany vavy kely roa ka niara-nitsoaka tamin’i Mary Stedwell nanavatsava an’ilay ranon’ny fitotoam-bary tamin’ny lala-masaka iray izy. Nampahatsiahy i Amanda hoe: “Na dia vehivavy niaraka tamin’ny zaza bodo nanavotra ny ainay aza izahay dia nitifitra tsy an-kijanona ireo lehilahy ratsy fanahy mba hamonoana anay” (ao amin’ny Andrew Jenson, The Historical Record, jolay 1886, 84).
Niditra tao amin’ilay toeram-piasan’ny mpanefy ireo mpihetraketraka ka nahita sy namono an’i Sardius Smith, izay 10 taona, zanakalahin’i Amanda Smith izay niafina tao ambanin’ny tafoforan’ilay mpanefy. Nanazava ilay lehilahy taty aoriana hoe: “Lasa hao ireo zanaka hao, ka raha velona teo iny dia ho lasa Môrmôna” (ao amin’ny Jenson, The Historical Record, des. 1888, 673; jereo koa ny James B. Allen and Glen M. Leonard, The Story of the Latter-day Saints 1976, 127–28). Vavolombelona nanatri-maso ny famonoana ny rainy sy ny rahalahiny i Alma Smith, rahalahin’i Sardius, fito taona, ka voatifitra teo amin’ny andilany ihany koa. Tsy hitan’ireo mpihetraketraka izy ary sitrana tamim-pahagagana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana taty aoriana. Na dia vitsy aza ireo lehilahy niaraka tamin’ireo zaza amam-behivavy izay tafatsoaka niampita an’ilay renirano nankany amin’ireo havoana dia farafahakeliny olona 17 no maty ary tokony ho 13 teo ho eo no naratra. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 201, 203–4; jereo koa ny History of the Church 3:183–87.) Tsy nisy na dia iray tamin’ireo mpihetraketraka maherisetra aza notsaraina noho ny helony tany amin’ny fitsaran’i Missouri na nataon’ny manampahefan’ny fanjakana foibe.
-
Inona no mety zavatra tsapanao raha toa ka niaina an’ireo habibiana ireo ianao? Inona no mety zavatra tsapanao rehefa fantatrao fa tsy ho tanana tompon’andraikitra tamin’ny zavatra nataony ireo mpanafika anao?
Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:23–25 sady hitady ireo andian-teny izay milaza fa horaisin’ Andriamanitra ho tompon’andraikitry ny zavatra nataony ireo fahavalon’ny Olomasina.
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 23–25? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia amafiso ireto fitsipika manaraka ireto amin’ny alalan’ny fanoratana azy ireo eny amin’ny solaitrabe: Mahita sy mahafantatra ny asantsika rehetra ny Tompo. Ireo izay miady amin’ny Tompo sy ny vahoakany dia handray ny famalian’ Andriamanitra amin’ny fotoana voatendriny.)
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana nahitany olona izay nanao ratsy nefa afa-niala ireo vokatr’izany teo no ho eo.
-
Inona no mety ifandraisan’ireo fitsipika izay hitantsika tao amin’ny andininy 23–25 amin’ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao izay toa maha-afa-maina an’ireo olona amin’ny vokatry ny zava-dratsy nataony?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26–33
Mampanantena ny hampahafantatra ireo fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra
Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ny Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 97; jereo koa ny LDS.org).
-
Inona ireo ady mafy sasantsasany izay niharetan’i Joseph Smith sy ireo namany tao amin’ny Fonjan’i Liberty?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fahamarinana iray izay noraketin’ny Mpaminany Joseph Smith raha mbola nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy.
-
Inona no fahamarinana izay noraketin’i Joseph Smith tao amin’ny andininy 26? (Tokony hamantatra ity zavatra manaraka ity ny mpianatra: Hanome fahalalana ho antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ifandraisan’io fahamarinana io amin’izy ireo rehefa mandalo fotoan-tsarotra izy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ity fijoroana ho vavolombelona manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Afaka manana traikefa masina sy feno fanambarana ary tena feno fampianarana lalina ianao miaraka amin’ny Tompo ao anatin’ireo zavatra mahafadiranovana anao indrindra eo amin’ny fiainanao—ao anatin’ny tontolo ratsy indrindra, rehefa miaritra ny tena tsy rariny indrindra, rehefa miatrika ireo olana sy fanoherana tsy hay ihoarana indrindra ianao” (“Lessons from Liberty Jail,” Ensign, sept. 2009, 28).
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fandraisana fahalalana avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina manampy antsika rehefa miaina zava-tsarotra isika?
-
Oviana ianao no nahazo fahalalana na fitarihan’ny Fanahy Masina izay nanampy anao hamakivaky ny fotoan-tsarotra iray? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny masina loatra na an’ny tena manokana ireo traikefa sasantsasany ka tsy tokony hozaraina.)
Mba hanehoana bebe kokoa ilay fahamarinana izay hitan’ireo mpianatra ao amin’ny andininy 26 dia azonao atao ny manasa ny mpianatra iray mba hamaky ity tantaran’i Lucy Mack Smith ity, izay nahazo fahalalana sy fankaherezana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina taorian’ny nanagadrana an’i Joseph sy i Hyrum sy nandrahonana azy ireo ho faty:
“Tao anatin’ny alaheloko aho dia nahazo fampionona izay nihoatra ny fankaherezana rehetra eto an-tany. Heniky ny Fanahin’ Andriamanitra aho ka nahazo an’ity manaraka ity tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana: ‘Aoka hionona ny fonao mikasika an’ireo zanakao, tsy haratran’ireo fahavalony izy ireo. …’ Nampilamin-tsaina ahy izany, ary vonona ny hankahery ireo zanako aho. Nolazaiko azy ireo ny zavatra nambara tamiko ka nampionona fatratra azy ireo izany” (History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 291).
-
Tamin’ny fomba ahoana no mety nahatonga ny fampanantenan’ny Tompo momba ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hankahery an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina nandritra an’io fotoan’ny fanenjehana io?
Fintino ny andininy 26–33 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampanantena ny hanambara fahalalana izay “tsy mbola nambara hatry ny nisian’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny” (F&F 121:26) sy handrotsaka fitahiana be voninahitra amin’ireo rehetra izay hiaritra “amin-kerim-po noho ny amin’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy” (F&F 121:29).
Ampahafantaro an’ireo mpianatra fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33 ny Mpaminany Joseph Smith dia nampiasa fifanahafana iray mba hanampiana ireo Olomasina hahatakatra ny hoe manan-kery bebe kokoa ny Tompo noho ireo izay nanenjika an’ireo Olomasina sy niezaka ny hanakana ny asan’ Andriamanitra.
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny sary izay nampiasain’i Joseph mba hanehoana ny herin’ Andriamanitra. (“Rano mikoriana” sy “ny Reniranon’i Missouri.” Azonao atao ny manazava fa ny Reniranon’i Missouri dia renirano midadasika sy mahery vaika ka teo akaikin’izany no niaina ny ankamaroan’ireo Olomasina fahiny ary fantatr’izy ireo tsara izany.)
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay nahitany rano mandeha mafy, toy ny renirano na rano mamakivaky tendrombohitra. Asao ihany koa izy ireo hieritreritra ny fotoana izay nahitany rano mihandrona toy ny dobo iray. Raha mety dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ireo karazana rano samihafa ireo.
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io andininy io? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Tsy misy na inona na inona afaka manakana ny fandrosoan’ny asan’ny Tompo.)
-
Inona no tsapanao noho ny fahafantarana fa hitohy ny asan’ny Tompo na inona na inona ny fanoherana?
Ho famaranana dia azonao atao ny mamerina fohifohy ireo fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121. Asao ireo mpianatra mba hizara ny fomba hampiharany an’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany. Azonao atao ihany koa ny mijoro ho vavolombelona momba ny fomba nitahin’ireo fahamarinana ireo anao.