Seminera sy Institiota
Lesona 49: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–93


Lesona 49

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–93

Fampidirana

Ilay ampahany farany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 dia fitohizan’ilay antsoina hoe lalàn’ny Fiangonana. Izany dia ahitana ireo fampianaran’ny Tompo mikasika ny fahafatesana sy ny fanasitranana. Izy io ihany koa dia mirakitra ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo Olomasina mikasika ny fomba hamahana ny olana noho ny fanaovana fahotana goavana sy heloka bevava ary ny fomba hitondrana ireo toe-javatra izay nahatafintohina antsika na nanafintohinantsika olona.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–55

Manome torohevitra momba ny fahafatesana sy ny fanasitranana ny Tompo

Hazony amin’ny tanana iray ny tavoahangy kely na fitoeran’ny menaka oliva ho an’ny fanasitranana marary; hazony amin’ny tanana ilany kosa ny tavoahangy mirakitra fanafody.

  • Inona no ampiasana ireo zavatra ireo? Inona amin’ireo zavatra roa ireo no hiankinanao rehefa marary?

Rehefa avy mizara fohifohy ny eritreriny ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–44. Asao ny mpianatra rehetra mba hitady ny torolalan’ny Tompo momba ny zavatra tokony hiankinantsika rehefa marary isika. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo dia mety hanampy ny hanazavana fa ny raokandro sy ny hani-maivana voalaza ao amin’ny andininy 43 dia entina hilazana ireo fitsaboana izay nampiasain’ny besinimaro nandritra ny vanim-potoana nanomezana ity fanambarana ity.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hihaino ny fomba ahafahan’ny fahasitranana ho sady tonga amin’ny alalan’ny finoana no ho tonga amin’ny alalan’ny fitsaboana.

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ny fampiasana fahalalana sy teknika ara-tsiansa tsara indrindra izay misy. Isika dia mampiasa ny sakafo, ny fanaovana fanatanjahatena sy ny fomba hafa mba hitandrovana ny fahasalamana ary mangataka ny fanampian’ireo matihanina amin’ny fanasitranana toy ny mpitsabo sy ny mpandidy isika mba hamerenana indray ny fahasalamana.

“Ny fampiasana ny fitsaboana ara-tsiansa dia tsy mifanipaka velively amin’ny vavaky ny finoana sy ny fiankinantsika amin’ny tsodranon’ny fisoronana. …

“Mazava ho azy fa tsy miandry ny tsy fahombiazan’ny fomba hafa isika vao hivavaka amim-pinoana na hanome tsodranon’ny fisoronana ho amin’ny fanasitranana. Rehefa mitranga ny hamehana dia atao voalohany ny vavaka sy ny tsodrano. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia atao miaraka ireo asa rehetra ireo” (“Fanasitranana ireo marary,”Liahona, mey 2010, 47).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho antsika ny mampiasa vavaka sy tsodranon’ny fisoronana ary fitsaboana mba hanasitranana rehefa marary?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 44 dia ho sitrana avokoa ve ireo olona marary izay mahazo tsodranon’ny fisoronana?

Lazao amin’ny mpianatra fa nohazavain’ny Tompo ny antony mety tsy hahasitrana ny olona sasany izay mahazo tsodranon’ny fisoronana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ireo fitsipika mitantana ny fanasitranana ny olona iray noho ny tsodranon’ny fisoronana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 48 dia inona no antony lehibe indrindra izay mamaritra ny vokatra azo avy amin’ny tsodranon’ny fisoronana? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny hoe “tsy voatendry ny ho faty” dia entina ilazana fa na fahafatesana na fahasitranana no hitranga araka ny fotoan’ny Tompo sy ny fahendreny ary ny sitrapony.)

  • Nahoana ireo rehetra manana finoana an’i Jesoa Kristy no tsy ho sitrana daholo?

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika rehetra ny fananana finoana ny sitrapo sy ny fotoan’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra hitady fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48 mikasika ny fahasitranantsika amin’ny rofintsika. Tokony ahitana taratra ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ny mpianatra: Raha manam-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia ho sitrana araka ny sitrapony. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny ao amin’ny andininy 48 izay mampianatra ity fitsipika ity.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa tokony hafantotsika amin’i Jesoa Kristy ny finoantsika fa tsy amin’ireo vokatra sasantsasany izay iriantsika dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino ny antony iray maha-zava-dehibe ny hifantohan’ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy.

Loholona Dallin H. Oaks

“Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, izay mahafantatra ny Fitiavany lehibe sy ny Fahalalany faratampony amin’ny tsara indrindra ho antsika eo amin’ny mahasoa antsika mandrakizay dia matoky Azy isika. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ary ny finoana dia midika hoe fametraham-pitokisana. Nahatsapa izany fametraham-pitokisana izany aho rehefa naheno ny lahateny nataon’ny zanaky ny mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreniko iray izay nataony tamin’ny fivoriana fanaovam-beloma farany ny zatovovavy iray izay nodimandry noho ny aretina goavana nahazo azy. Nilaza ireto teny ireto izy, izay nahatalanjona ahy tany am-boalohany ary avy eo nankahery ahy: ‘Fantatro fa sitrapon’ny Tompo ny nahalasa azy. Nandray fitsaboana tomombana izy. Nomena tsodranon’ny fisoronana izy. Ny anarany dia napetraka teo amin’ny taratasy mirakitra anaran’olona hoentina am-bavaka any amin’ny tempoly. Natao ho azy daholo ny vavaka aman-jatony mba hamerenana ny fahasalamany amin’ny laoniny. Ary fantatro fa ampy ny finoana ao amin’io fianakaviana io fa ho sitrana izy raha tsy hoe sitrapon’ny Tompo ny hamerenany azy hody any Aminy amin’izao fotoana izao. Nahatsapa izany fametraham-pitokisana izany aho tamin’ny tenin’ny rain’ny tovovavy sarobidy iray izay matin’ny homamiadana tamin’ny fahatanorany. Nilaza izy hoe, ‘Ny finoan’ny fianakavianay dia ao amin’i Jesoa Kristy ary tsy miankina amin’ny zavatra mety hitranga.’ Toa tena marina ho ahy ireo fampianarana ireo. Manao izay rehetra vitantsika isika ho an’ny fahasitranan’ireo olon-tiantsika ary avy eo dia mametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo isika amin’izay hitranga” (“Fanasitranana ireo marary,” 50).

  • Ahoana no nampiasan’ireo olona noresahin’ny Loholona Oaks ny finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Indraindray dia mitaky finoana lehibe kokoa ny mahita ny fahafatesan’ny olon-tiana na ny faharetany aretina mandritra ny fotoana ela noho ny fahitana azy velona indray na sitrana. Nahoana araka ny hevitrao no mety hitranga izany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fampiasana finoana an’i Jesoa Kristy na dia tsy hitranga aza ny zavatra iriantsika?

Anontanio ireo mpianatra raha mahafantatra olona nodimandry na dia nanaraka torohevitra ara-pitsaboana tomombana aza sy na dia nikatsaka fanasitranana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny tsodranon’ny fisoronana aza. (Mila mitandrina tsara ianao manoloana ny fahatsapan’ireo izay niaina izany toe-javatra izany.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45–47. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ireo teny na andian-teny izay mety hitondra fampiononana ny olona izay niatrika fahafatesan’ny olon-tiana iray.

  • Ny andininy 45 dia milaza amintsika fa hitomany ny famoizana ireo olona tiantsika isika noho ny toetrantsika ara-boajanahary. Inona ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andininy 46 izay mety hitondra fampiononana ho an’ireo izay mitomany ny famoizany ny havan-tiany? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, saingy tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Ho mamy amin’izay maty ao amin’ny Tompo ny fahafatesana.

  • Inona araka ny hevitrareo ny dikan’ny hoe maty ao amin’ny Tompo?

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe ho “mamy” ho an’ireo izay maty ao amin’ny Tompo ny fahafatesana? (Mety ilaina ny hanazavanao fa na dia mety hiaritra fijaliana ara-batana aza ny olona maty mahatoky iray dia milaza ny fiadanana sy ny fialan-tsasatra hiainany ao amin’ny tontolon’ny fanahy io fampanantenana io.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo miaina ny fiainany araka ny fomba izay hahatonga ny fahafatesana ho “mamy” ho azy ireo raha hitranga anio izany. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hirakitra ny eritreriny ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56–73

Nampanantena ny hanambara soratra masina sy fahalalana fanampiny amin’ireo izay mangataka ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56–58 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo andininy ireo dia miresaka ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Baiboly. Nolazain’ny Tompo tamin’ireo Olomasina fa tokony hampianarina ny olona rehetra ny Dikantenin’i Joseph Smith. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:59–69 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo andininy ireo dia mirakitra ireo torolalana avy amin’ny Tompo ho an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fotoana sy ny olona tokony hitorian’izy ireo ny filazantsara. Nananatra azy ireo ny Tompo mba hiaina mifanaraka amin’ireo lalàna nomena azy ireo ary nanazava izy fa handray toromarika fanampiny izy ireo izay hanampy azy hanangana ny Fiangonana sy hanomana ny Olomasina hiaina ao amin’ilay Jerosalema Vaovao izay ho avy. Ankoatra izay dia nampianarin’ny Tompo azy ireo ireo fitsipika mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manohy mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:70–73 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo izay nanompo tamin’ny fotoana feno na tamin’ny ampahany ny Fiangonana dia nomena fanampiana ara-bola tamin’ny alalan’ny lalàn’ny fanokanana.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 68 mba hitady ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fanambarana. Mety hahitana izao manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra:

Raha mangataka isika dia hanome antsika fahalalana izay hitondra fiadanana sy fifaliana ary fiainana mandrakizay ny Tompo.

Raha mangataka fahendrena isika dia hanome antsika malalaka ny Tompo.

  • Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fangatahana fanambarana amin’ny Tompo amim-pahazotoana?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mitarika antsika amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fanambarana mitohy ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:74–87

Mahazo torolalana mikasika ny fomba hitondrana ireo mpikambana izay nahavita fahotana goavana ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana

Hazava o fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:74–87 dia mamariparitra ireo lalàna mifehy ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana ny Tompo. Nanome torolalana manokana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana Izy mikasika ny fomba hanompoana ireo izay nahavita fahotana goavana, ao anatin’izany ny fahalotoam-pitondrantena, ny fangalarana, ny fandaingana, na “izay mety ho faharatsiana” (F&F 42:87).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:88–93

Manome torolalana ny Olomasina mikasika ny fomba handravonana ny fahatafintohinan’ny tena manokana ny Tompo

  • Oviana ianareo no nahita olona tafintohina tamin’ny teny na ny fihetsika nataon’ny olona iray hafa? Efa nahatsapa ho voaratra na tohina tamin’ny teny na fihetsika nataon’ny olona iray ve ianareo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:88–89. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny zavatra tokony hatao raha manafintohina antsika ny olona iray.

  • Inona no tokony hataontsika amin’ny olona iray izay nanafintohina antsika? (Miombona aminy any amin’ny toerana mitokana. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe miombona dia midika hoe mamaha ny fifandirana ary mamerina ny fihavanana.)

  • Nahoana io fomba mirindra io no mety hanampy araka ny eritreritrareo?

Soraty eo amin’ny ilan’ny solaitrabe ireto fehezan-teny misy banga ireto:

Ny fanafintohinana atao any amin’ny miafina dia tokony …

Ny fanafintohinana atao ampahibemaso dia tokony …

Soraty eo amin’ilay ilany hafa amin’ny solaitrabe ny fiafaran’ireo fehezan-teny tsirairay tetsy aloha:

… hovahana ampahibemaso.

… hovahana any amin’ny miafina.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:90–93 ary omeo toromarika izy ireo hampifanandrify ny fehezanteny tsy feno tsirairay amin’ny fiafarana mifanaraka amin’izany. (Ny fanafintohinana atao any amin’ny miafina dia tokony hovahana any amin’ny miafina. Ny fanafintohinana atao ampahibemaso dia tokony hovahana ampahibemaso.)

  • Nahoana no mety tsy ho tsara ny hamahana ampahibemaso ny fanafintoninana natao tao amin’ny miafina?

  • Nahoana no mety ho fahendrena indraindray ny mamaha ampahibemaso ny fanafintohinana natao ampahibemaso?

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo toe-javatra izay maneho ny fampiharana amin’ny fomba mety sy amin’ny fomba tsy mety an’ireo fahamarinana ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny. (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra dia antitrantero fa tafiditra ao amin’ny famahana ireo fanafintohinana amin’ny fomban’ny Tompo ny fibebahana sy ny famelan-keloka.)

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no mety hitahiana ny fianakaviana iray amin’ny famahana ny fanafintohinana araka ny tokony ho izy? Ny paroasy iray na sampana iray? Ny mpiara-mianatra?

Azonao atao ny manazava fa mila herimpo isika mba hanatonana olona iray nanafintohina antsika. Asao ny mpianatra hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka ny handravona araka ny tokony ho izy ny fifandiran’izy ireo amin’ny hafa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:46–47. Mamy ho an’ireo izay maty ao amin’ny Tompo ny fahafatesana

Nohazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith ny dikan’ny hoe mamy ho an’ireo izay maty ao amin’ny Tompo ny fahafatesana:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Ho an’ny mpikambana sasany ato amin’ny Fiangonana dia zavatra sarotra lazaina ilay filazana fa tsy hanandrana fahafatesana ireo izay maty ao amin’ny Tompo. Nahita lehilahy sy vehivavy mahatoky izy ireo izay nijaly nandritra ny andro maro ary indraindray aza dia nandritra ny volana maro talohan’ny nahafatesan’izy ireo. Saingy eto ny Tompo dia tsy milaza fa tsy hiaritra fanaintainan’ny vatana izy ireo, fa tsy hahatsapa ny fahoriana sy ny fijalian’ny fanahy izay ho tsapan’ireo ratsy fanahy, ka na mety hijaly ao amin’ny vatany aza izy ireo dia mbola ho mamy amin’izy ireo ny fahafatesana satria ho hitan’izy ireo fa mendrika eo anatrehan’ny Tompo izy” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:186). (Jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, 2nd ed. [Church Educational System manual, 2001], 85.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48. “Tsy voatendry ny ho faty”

Filoha Joseph Fielding Smith

Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Tsy misy olo-marina alaina alohan’ny fotoany” (ao amin’ny Funeral Services for Elder Richard L. Evans,” Ensign, Dec. 1971, 10).

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa tahaka ny ilantsika finoana mba ho sitrana dia mila finoana isika mba hanekena ny sitrapon’ny Tompo fa tsy ho sitrana isika:

Loholona David A. Bednar

“[Misy] fitsipika iray izay mihatra amin’ny mpianatra mahafoy tena rehetra: ny finoana matanjaka ny Mpamonjy dia ny manaiky amim-pankatoavana ny sitrapony sy ny fotoany eo amin’ny fiainantsika—na dia tsy izay nantenaintsika na nirintsika aza ny vokatra mitranga. …

“Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana fanisahana tendrombohitra—raha ny fanisahana tendrombohitra no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Noho izany, na dia miaraka amin’ny finoana matanjaka aza, dia ho maro ireo tendrombohitra tsy hikisaka. Ary tsy ireo marary sy kilemaina rehetra no ho sitrana. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba.

“Maro amin’ireo lesona tokony hianarantsika eto amin’ny fiainana an-tany no tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ireo zavatra iainantsika ary indraindray iaretantsika fijaliana. Ary miandry antsika sy matoky antsika Andriamanitra mba hiatrika omban’ny fanampiany ireo fahoriana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany mba hahafahantsika mianatra ny zavatra ilaintsika ianarana, ka amin’ny farany dia ho tonga tahaka izay tokony hahatongavantsika amin’ny mandrakizay” (That We Might ‘Not … Shrink’ [F&F 19:18]” [CES devotional for young adults, Mar. 3, 2013], lds.org/broadcasts (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana : Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:70–73. Mandray “tambiny sahaza … amin’ny fanompoany rehetra”

Ao amin’ireo andininy ireo dia misy filazana fa mandray “tambiny sahaza … amin’ny” fanompoany ny eveka sy ireo mpanolotsainy. Amin’izao androntsika izao dia mahakasika manokana ireo Manampahefana Ambony sy ireo filohan’ny misiôna ary ireo filohan’ny tempoly izay angatahina mba hanajanona ny antom-pivelomany izany mba hanompoana ao amin’ny Fiangonana ao anatin’ny fotoana feno. Ireo olona ireo dia mandray vola voafetra izay ampy hamelomana azy ireo sy ny vady aman-janany mandritra ny fotoana hanompoan’izy ireo.