Seminera sy Institiota
Lesona 33: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27


Lesona 33

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27

Fampidirana

Tamin’ny aogositra 1830 dia nandeha tany Harmony, Pennsylvanie i Newel Knight sy i Sally vadiny mba hamangy ny Mpaminany Joseph Smith. Natao batisa tamin’ny fiandohan’ny fotoam-pahavaratra i Sally Knight sy i Emma Smith saingy tsy mbola voaray ho mpikambana noho ny fanenjehana nataon’ny andian’olona iray. Nandritra ny famangian’ny fianakaviana Knight tao Harmony dia tapaka fa tokony horaisina ho mpikambana i Sally sy i Emma ary handray miaraka ny fanasan’ny Tompo ilay vondrona miaraka amin’i John Whitmer. Rehefa nandeha nivoaka haka divay hanaovana ny fanasan’ny Tompo i Joseph dia nifanena tamin’ny iraka iray avy any an-danitra izy, izay nampita taminy ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 amin’izao fotoana izao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4

Manome torolalana mikasika ny marika ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo ny Tompo

Raha misy izany dia mampisehoa hoditr’ovy ary angataho ny mpianatra hamantatra ny tanjona ara-panahy mety ampiasana azy ireo. Rehefa avy mamaly ny mpianatra vitsivitsy dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fehezanteny manaraka ity, izay nalaina avy amin’ny fahatsiarovan’ny Filoha Ezra Taft Benson ny fitsidihana nataony tany Eorôpa, izay rotidrotiky ny ady taorian’ny Ady Lehibe Faharoa:

Filoha Ezra Taft Benson

“Tsy haiko ny hanadino ireo Olomasina Frantsay izay tsy afaka nahazo mofo ka dia nampiasa hoditr’ovy hanehoana ny tandindon’ny fanasan’ny Tompo” (“Prepare for the Days of Tribulation,” Ensign, Nôv. 1980, 33–34).

  • Inona no hoeriteretinao raha hitanao fa hoditr’ovy no ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no azon’ireo Olomasina Frantsay nekena ny fampiasana zavatra hafa ankoatra ny mofo mba hanehoana ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo?

Mba hanomezana ny mpianatra ny sahan-kevitra ara-tantara ho an’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 dia fintino ilay fampahalalana omena ao amin’ny fampidirana ny lesona. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’i Joseph Smith mikasika ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona no nampianarin’ilay iraka an’i Joseph Smith mikasika ny zavatra tokony hohanintsika na sotrointsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo? (Ny zavatra ampiasaintsika hanehoana ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo dia tsy manan-danja noho ny zavatra tian’ireo tandindona ireo hotsarovantsika.)

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia inona no tokony hifantohantsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony ho hita taratra ao amin’ny valinteniny ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia tokony hahatsiaro ilay sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2. Azonao hazavaina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra fa manana “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitry [ny Tompo]” isika rehefa mifantoka Aminy sy mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe io fahamarinana io sy hieritreritra ny fomba hiaran’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo dia resadresaho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra tsapanao rehefa nisaintsaina ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ianao nandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona no azontsika atao mba hanatsarana ny fahafahantsika mahatsiaro ny sorona nataon’i Jesoa Kristy sy handray ny fanasan’ny Tompo “amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahi[ny]”?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny zavatra ho ataon’izy ireo mba hiomanana handray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Amporisiho izy ireo hieritreritra fomba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny hevitra fonosin’ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo. Azonao atao ny manasa ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:3–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitandrina an’i Joseph Smith ny Tompo mba tsy hividy divay na zava-pisotro mahery (ny zava-pisotro rehetra izay misy zavatra manimba vatana na inona izany na inona) avy amin’ireo fahavalon’ny Fiangonana mba ho ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo. Izay divay “vaovao nataon’ny” Olomasina ihany no azon’izy ireo ampiasaina. Mety hanampy ny mpianatrao ny mahafantatra fa ny Tenin’ny Fahendrena dia tsy navoaka raha tsy afaka roa taona sy tapany taorian’izay (jereo ny F&F 89) ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia mampiasa rano isika ho an’ny fanasan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–14

Mbola handray ny fanasan’ny Tompo eto ambonin’ny tany indray ny Tompo

Angataho ny mpianatra hisaintsaina izay mety ho fiovan’ny fandraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo raha toa izy ireo ka mandray izany eo anatrehan’ny Mpamonjy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo.

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa nampahafantatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo Apôstôliny nandritra ny Fiaraha-misakafo Farany ny Mpamonjy. Tamin’io fotoana io i Jesoa Kristy dia naminany mikasika ny fotoana iray izay hiverenany aty an-tany sy handraisany indray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ireo mpianany (jereo ny Matio 26:26–29).

Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–12 dia nanonona manokana ireo olona izay hanatrika io fivoriana io ny Tompo. Asao ny mpianatra hamaky tsara ireo andininy ireo ary hamantatra hoe (1) iza ireo olona ireo ary (2) raha voalaza ao izany dia, inona no fanalahidy na andraikitra sahanin’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hanao lisitra io fampahalalana io eo amin’ny solaitrabe eo am-pilazan’ny mpianatra sisa ny zavatra hitany. (Azonao atao ny manazava fa tao anatin’ny tantaran’ity tany ity dia nanome ny fahefan’ny fisoronana tamin’ireo lehilahy marina ny Tompo mba hitantana ny filazantsarany. Nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana koa Izy mba hahafahan’izy ireo mitarika sy manara-maso ary mitantana ny fampiasana ny fisoronany eto an-tany.)

Rehefa feno ilay lisitra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hamantatra ireo fanalahidy izay nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Inona avy ireo fanalahidy natolotry ny Tompo na nomeny ny Mpaminany Joseph Smith? (Asao ny mpianatra iray hanampy hoe Joseph Smith sy fanalahidin’ny fanjakan’ny Tompo eo amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe.)

Hazavao fa maro tamin’ireo mpaminany izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27 ny anarany no namangy an’i Joseph Smith mba hanome azy ireo fanalahidy.

Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny hoe “fotoampitantanan’ ny filazantsara ho an’ ny andro farany; ary ho an’ ny fotoam-pahafenoana” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:13.

  • Araka ny voalaza ao amin’io andininy io dia inona no nolazain’ny Tompo fa hataony mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana? (“Hanangona miaraka ny zavatra rehetra ho tokana.”)

Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lisitra ity fotopampianarana ity: Ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana dia manangona miaraka ireo fanalahidin’ny filazantsara rehetra sy ireo ôrdônansy rehetra ary ireo fahamarinana rehetra tao anatin’ireo fotoampitantanana teo aloha.

Hazavao fa ny fotoampitantanana iray dia “vanim-potoana izay nananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray ombàm-pahefana sady mihazona ireo [fanalahidin’ny] fisoronana masina … ary nihazona andraikitra masina ny hitory ny filazantsara” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Fotoampitantanana” ary manatanteraka ireo ôrdônansy. Rehefa mametraka fotoampitantanana iray ny Tompo dia “ambara amin’ny fomba vaovao indray ny filazantsara ka tsy voatery hiantehitra amin’ireo fotoampitantanana efa lasa ny olon’izany fotoampitantanana izany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Fotoampitantanana” Nitarika ireo fotoampitantanan’ny filazantsara i Adama, i Enôka, i Noa, i Mosesy, ary ireo hafa. I Joseph Smith no mpitarika ny fotoampitantanana izay iainantsika—ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana. Ity fotoampitantanana farany ity dia nanomboka tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Antsoina hoe fitantanana ny fotoam-pahafenoana izany satria naverina tamin’ny laoniny avokoa ireo fanalahidy rehetra izay nampahafantarin’ny Tompo mba hitahiana ireo zanany, ary ho tanteraka avokoa ireo drafitra sy tanjon’ny Tompo hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:14. Asao ny mpianatra sisa hanaraka ny vakiteny ary hamantatra hoe iza koa no hanatrika ilay fivoriana fanasan’ny Tompo izay resahina ato amin’ity fizarana ity.

  • Iza araka ny eritreritrao no tiana holazaina amin’ilay andian-teny hoe “ireo rehetra izay efa nomen’ ny Ray Ahy avy tamin’ izao tontolo izao”?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Bruce R. McConkie

“Ny olona rehetra izay nahatoky hatramin’izay nisian’izao tontolo izao, ny olona rehetra izay niaina mba ho mendrika ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ny Ray dia hanatrika ary handray, miaraka amin’ny Tompo, ny fanasan’ny Tompo” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 595).

Ampio hoe izaho sy ianao eo amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe.

  • Araka ny nolazain’ny Loholona McConkie dia tokony ho toy ny ahoana ny fomba fiainantsika mba hahafahantsika manatrika io fivoriana fanasan’ny Tompo io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Mandidy ny vahoakany ny Tompo mba hitafy ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 dia ahitana torohevitra izay hanampy antsika ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny Tompo, ao anatin’izany ny fitahiana mba hanatrika ilay fivoriana fanasan’ny Tompo voalaza ao amin’ny andininy 4–14.

Anontanio amin’ny mpianatra ny zavatra izay tian’izy ireo hanaovana raha fantany fa handeha hiady izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady (1) ny zavatra asain’ny Tompo ataontsika mba hiomanana amin’ireo ady ara-panahy sy (2) ny fitahiana ampanantenainy raha manaraka didy omeny isika.

  • Inona no asain’ny Tompo ataontsika mba hiomanana amin’ireo ady ara-panahy? (Fintino ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana izao manaraka izao eo amin’ny solaitrabe: Raha tafiantsika avokoa ny fiadian’ Andriamanitra …

  • Inona no fitahiana ampanantenain’ny Tompo amin’ireo izay mitafy ny fiadian’ Andriamanitra rehetra? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe: Raha tafiantsika avokoa ny fiadian’ Andriamanitra dia afaka ny hahatohitra ny ratsy isika.)

olona manao fiarovan-tena

handout iconAdikao eny amin’ny solaitrabe ity sary nampiarahina eto ity ary asio tsipika miaraka amin’ny fiarovan-tena tsirairay izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18. Zarazarao ho vondrona kely ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo fiarovan-tena ny vondrona tsirairay. Omeo ny vondrona tsirairay ny tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Harold B. Lee ity sy ilay fampahalalana sy ireto fanontaniana ao anatin’ilay fizarana manaraka ireto izay mikasika ny singan’ny fiarovan-tena nampiandraiketana azy ireo. Asao ny mpianatra hiasa ao anatin’ny vondrona misy azy avy mba hamaliana ireo fanontaniana mikasika ny singan’ny fiarovan-tena nampandraiketina azy ary hiomana hizara ny valiny amin’ny mpianatra rehetra.

Filoha Harold B. Lee

“Manana ireo singa efatry ny vatana izay nolazain’ny Apôstôly Paoly fa mora tratran’ny herin’ny maizina avokoa isika. Ny valahana, izay tandindon’ny fahadiovan-tena, na ny fahadiovam-pitondrantena. Ny fo, izay maneho ny fitondrantenantsika. Ny tongotsika, izay maneho ny tanjontsika eo amin’ny fiainana ary ny lohantsika izay maneho ny eritreritsika” (Harold B. Lee, Feet Shod with the Preparation of the Gospel of Peace, Brigham Young University Speeches of the Year [9 nôv. 1954], 2).

“Sikin[o] fahamarinana ny valahanareo” (jereo ny F&F 27:15–16):

Hoy ny Filoha Lee: “Ny valahana dia ilay faritra eo amin’ny vatana eo anelanelan’ny taolan-tehezana farany ambany sy ny maoja izay fantatrareo fa itoeran’ireo taova antoky ny aina izay mifandray amin’ny fiterahana” (Feet Shod, 2). Ny hoe misikina dia midika hoe mamatotra mafy amin’ny fehinkibo.

  • Nahoana araka ny hevitrao i Satana no mikasa hamotika ny fahadiovantsika sy ny fahadiovan-tenantsika ary ny fahadiovam-pitondrantenantsika?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fahafantarana ireo fitsipi-pitondrantenan’ Andriamanitra antsika hijanona ho madio fitondrantena?

Ny fandalinana soratra masina dia manampy antsika hisikina ny fahamarinana ary manampy amin’ny fiarovana ny fahadiovam-pitondrantena.

“Ny rariny ho saron-tratra” (F&F 27:16):

  • Inona araka ny voalazan’ny Filoha Lee no harovan’ny saron-tratra?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hiantraikan’ny fahamarinan’ny fontsika (ny fitondrantenantsika sy ny faniriantsika) amin’ny fahafahantsika miatrika ny adintsika ara-panahy?

“Akiraroy ny tongotrareo ny fanomanana ny filazantsaran’ny fiadanana” (F&F 27:16)

:

  • Manambara inona araka ny voalazan’ny Filoha Lee ny tongotsika?

  • Ahoana no fomba handratran’i Satana ny tarigetra na ny tanjontsika amin’ny fiainana?

  • Inona no nomen’ Andriamanitra ho antsika mba “hohazonina” mba hanampiana ny tongotsika handeha amin’ny lalan’ny fiainana mankany amin’ny tanjontsika hatrany? (Jereo ny 1 Nefia 8:24).

  • Ahoana no hanampian’ny fifantohana amin’ny tanjona tsara antsika handresy ny fakampanahy?

“Ny ampingan’ny finoana” (F&F 27:17):

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “mamono ny zana-tsipìka mirehitra alefan’ ilay ratsy”?

  • Tamin’ny fomba ahoana no niarovan’ny finoanao anao ?

“Ny satro-bin’ny famonjena” (F&F 27:18):

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Lee, inona no voaro rehefa misarona ny lohantsika?

  • Nahoana no zava-dehibe ny miaro ny eritreritsika?

  • Ahoana no hanafihan’i Satana ny eritreritsika?

  • Inona ireo zavatra manokana azontsika atao mba hiarovana ny eritreritsika?

“Ny sabatry ny Fanahiko” (F&F 27:18):

  • Ahoana no hahafahan’ny Fanahy manampy antsika hahatohitra ny fanafihan’i Satana?

  • Inona no tombotsoa manokana misy noho ny fananana ny Fanahy manoloana ny ady amin’ny ratsy?

  • Ahoana no hanampian’ny tenin’ Andriamanitra antsika amin’ny fampiasana ny sabatry ny Fanahy?

  • Inona no azonao atao mba hanasana bebe kokoa ny Fanahy ao amin’ny fiainanao?

Rehefa avy milaza ny valinteniny ny mpianatra dia vakio ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary angataho ny mpianatra hihaino ny fomba hitafiantsika sy hanamafisantsika ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra:

Loholona M. Russell Ballard

“Tiako ny mieritreritra ity fiarovan-tena ara-panahy ity ho toy ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy fa tsy toy ny vongam-bỳ mafy iray misarona ny vatana. Ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy dia mirakitra singam-bỳ madinika maro mifamatotra mba hahafahan’ny mpitondra azy mihetsika tsaratsara kokoa nefa voaro hatrany. Miteny izany aho satria noho ny traikefako no hilazako fa tsy misy ny zavatra lehibe sy goavana iray monja izay afaka atao mba hiarovana ny tenantsika ara-panahy. Ny hery tena izy ara-panahy dia hita ao amin’ireo asa kely marobe izay voarary ao anatin’ny lamban’ny fampatanjahana ara-panahy izay miaro antsika amin’ny ratsy rehetra” (“Be Strong in the Lord,” Ensign, jolay 2004, 8).

  • Inona avy ireo zavatra bitika ataontsika izay hanampy antsika ho voaro amin’ny fakam-panahy sy ny ratsy rehefa mitambatra ny heriny?

Asao ireo mpianatra hiverina hijery ireo andalana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no toe-tsaintsika tokony hananantsika rehefa mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra isika? (Tokony “hanandratra ny fon[tsika] sy hifaly” isika.) Nahoana isika no tokony hanana io toe-tsaina io?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo tao anatin’ny lesona androany, ary asao izy ireo hifidy zavatra iray manokana izay azon’izy ireo atao mba hitafiana ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba mahomby kokoa. Amporisiho izy ireo mba hanoratra ny zavatra izay hataony amin’ny taratasy iray izay azony atao ho fampahatsiahivana ny fanapahan-kevitra noraisiny.

Mba hamaranana ity lesona ity dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2. “Tsy mampaninona izay hohaninareo na izay hosotroinareo rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo ianareo”

Nohazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith ny antony nanomezana an’ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2 sy ny dikan’ilay izy:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Nisy iraka [iray] avy any an-danitra nilaza tamin’i Joseph Smith fa tsy mampaninona izay zavatra tokony ho ampiasaina amin’ny Fanasan’ny Tompo ary tsy tokony hividy divay na zava-pisotro mahery amin’ireo fahavalony izy. Mazava ny anton’izany satria nanana fahavalo maro ny Mpaminany. Na izany aza dia nanana tanjona lavitra kokoa noho ny fiarovana azy tamin’ireo fahavalony fotsiny io antony io satria fampitandremana hiarovana tamin’ny ratsy izany ary tamin’ireo olona izay nanam-pikasana ny handoto ireo zavatra ireo. (Jereo ny Tenin’ny Fahendrena, Fiz. 89). Nolazaina tamin’i Joseph Smith koa fa tsy tokony ampiasaina amin’ny Fanasan’ny Tompo ny divay raha tsy hoe namboarin’ireo Olomasina izany, ary tokony ho divay vaovao natao teo anivon’izy ireo. Na dia hoe tsy nampiasa rano fotsiny ihany aza ny Fiangonana tamin’izany fotoana niandohan’ny Fiangonana izany nandritra ny Fanasan’ny Tompo dia efa nampiasaina nanomboka tamin’izany fotoana izany ny rano mba hanoloana ny divay, fa ity farany no tena nampiasaina noho ny fitoviany amin’ny ra. Amin’izao fotoana izao dia rano no ampiasaina manerana ny Fiangonana mandritra ny Fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana ny ran’i Jesoa Kristy izay nalatsany mba ho famelana ny fahotana ho an’ireo rehetra izay mibebaka sy manaiky ny Filazantsara” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:132; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra boky navoaka faharoa [Boky torolalan’ny Departemantan’ny fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 55).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2. “Maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro”

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahantsika manana maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra:

Loholona Russell M. Nelson

“Raha sitrakao dia alaivo sary an-tsaina ny masolavitra iray izay tena matanjaka tokoa. Fitaovana fijerena roa samy hafa no natambatra tamin’ny nifinkodia mba hijerena sary roa miavaka tsara amin’ny izay hita amin’ny endrika trois dimensions. Mba hampiharana io fifanahafana io dia ataovy maneho ny fahitanao ny asanao ilay sary hita eo amin’ny ilany ankavia amin’ny masolavitrao. Ary ny sary eo amin’ny ilany havanana dia ataovy maneho ny fahitan’ny Tompony asanao—ilay ampahany amin’ny drafiny izay nampiandraiketiny anao. Dia ampifandraiso amin’ny Azy amin’izay ny rafi-pitaovana fijerenao. Ovao amin’ny alalan’ny fanovana ny toe-tsainao ny fomba fijerinao mba hitovy amin’ny Azy. Misy zavatra mahatalanjona mitranga. Mitovy amin’izay izao ny fijerinao sy ny Azy. Lasa manana ‘maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra’ ianao (F&F 4:5; jereo koa ny Môrmôna 8:15)” (“With God Nothing Shall Be Impossible,” Ensign, mey 1988, 34).