Seminera sy Institiota
Lesona 16: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8


Lesona 16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8

Fampidirana

Nanomboka nanampy ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fandikana ireo takela-bolamena i Oliver Cowdery tamin’ny Aprily 1829 tamin’ny naha-mpitantsoratra azy. Satria notoloran’ny Tompo ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny izy raha niriany izany (jereo ny F&F 6:25 dia “lasa tsy andrin’i Oliver mihitsy ny hanomezana azy ilay hery handikana teny” (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church,1:36). Ho setrin’izany dia niteny ny Tompo fa hanome an’i Oliver ny fahafahana mandika teny araka ny finoan’i Oliver.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1–5

Mampanantena ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana ho an’i Oliver Cowdery ny Tompo

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana. Amelao toerana malalaka eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay mba hanoratana ireo fitsipika izay hofantarin’ny mpianatra mandritra ny lesona.

Inona no azontsika atao mba hahatonga ny vavaka ataontsika ho amin’ny fo kokoa?

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fotoana hiresahan’ Andriamanitra amintsika?

Asao ireo mpianatra hijery ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no manan-danja ny mahatakatra ny valin’ireo fanontaniana ireo ?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8 dia ahitana fanambarana iray izay nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Afaka mahita torolalana avy amin’ny Tompo izay manampy antsika hamaly ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe isika ato anatin’ity fanambarana ity.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1, hitady ny fomba nandidian’ny Tompo an’i Oliver mba hivavaka.

  • Inona no torolalana nomen’ny Tompo an’i Oliver momba ny fomba fivavahana?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mangataka amin’ny finoana, amin-kitsim-po”?

Soraty eo ambanin’ilay fanontaniana voalohany eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha mivavaka isika, dia afaka mahazo .

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1, dia ahoana no hamenoanao ity fehezanteny ity? (Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hanambara izao fitsipika izao ny valintenin’izy ireo: raha mivavaka amin’ny finoana, amin-kitsim-po isika dia afaka mahazo fahalalana avy amin’ Andriamanitra. Fenoy ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe ka ampiasao ny tenin’izy ireo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misy fiantraikany eo amin’ny fahafahantsika mahazo fahalalana avy amin’ Andriamanitra ny finoana sy ny fahitsian-toetrantsika?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fotoana iray izay nahazoany fitahiana rehefa nivavaka tamin’ny finoana sy tamin-kitsim-po izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahazo hevi-baovao amin’ilay fanontaniana faharoa eny amin’ny solaitrabe dia asao ny mpianatra iray mba hitantara ny tantaran’i Mosesy nitarika ny zanak’Isiraely niala tamin’ny fanandevozana niaraka tamin’ny Egyptiana nanenjika azy ireo (jereo ny Eksodosy 14).

Mosesy manasaraka ny ranomasina mena

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Amporisiho ny mpianatra hitady ny fomba nanambaran’ Andriamantira tamin’i Mosesy fa tokony hitondra ny zanak’Isiraely handia ny ranomasina mena izy.

  • Ahoana no nitaoman’ Andriamanitra an’i Mosesy mba hanasaraka ny ranomasina mena? (Tamin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana.)

  • Inona ny fahamarinana ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba mety hiresahan’ny Tompo amintsika? (Tokony haneho ny mpianatra fa miresaka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fanontaniana faharoa io fahamarinana io.)

kisarin’ny saina sy fo

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary nampiarahina ity. Ampio tsipìka manondro ny saina sy ny fo izany.

  • Ahoana no fomba iresahan’ny Tompo ao an-tsaintsika? Ahoana no fomba iresahan’ny Tompo ao am-pontsika?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba hahatsapana ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Afaka mianatra ianareo izao, ao amin’ny fahatanoranareo, mba hotarihin’ny Fanahy Masina.

“Amin’ny maha-Apôstôly ahy dia mihaino izany fitaomam-panahy izany aho ankehitriny, avy amin’io loharano io ihany aho, amin’ny fomba mitovy tamin’ny nihainoko izany fony aho zazalahy. Mazava kokoa ny fifandraisana ankehitriny” (Prayers and Answers,”Ensign, Nov. 1979, 21).

Dia angataho ny mpianatra iray avy eo hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Richard G. Scott

“Tena miavaka ny fahatsapana ao an-tsaina.

“Afaka maheno na mahatsapa sy manoratra ireo teny amin’ny antsipiriany toy ireny hoe tononina mafy ireny ilay torolalana.

“Fahatsapana amin’ny ankapobeny kokoa ny fifandraisana ao am-po. Matetika ny Tompo no manomboka amin’ny fanomezana fahatsapana. Rehefa misy ny fahalalana ny maha-manan-danja azy ireny ary rehefa ankatoavina ireny dia mahazo fahafahana hahazo torolalana amin’ny antsipiriany kokoa ao an-tsaina ny olona iray. Hamafisin’ny torolalana miavaka kokoa ao an-tsaina ny fahatsapana ao am-po, raha manaraka izany” (“Helping Others to Be Spiritually Led” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 11 aog, 1998], 3–4, LDS.org).

Azonao atao ny manazava fa amin’ny olona sasany dia mety ho miavaka tahaka ny fahatsapana ao an-tsaina ny fahatsapana ao am-po.

  • Nahoana no manan-danja ny mahatakatra sy mahalala ny fomba ifandraisan’ny Tompo amintsika tsirairay?

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba (1) ny fotoana iray izay niresahan’ny Ray any An-danitra tao an-tsainy sy tao am-po tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina na (2) ny fotoana iray izay nahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Azonao atao ihany koa ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nosoratany raha toa ka mahazo aina ny hanao izany izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainana iray izay nahafantaranao fa niresaka taminao ny Tompo.

Hazavao fa ny fahafahana mikatsaka sy mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana dia natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Sariho ho any amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:4 ny sain’ny mpianatra. Vakio mafy amin’ny mpianatra izao ampahan’ilay andininy izao : “Koa io no fanomezam-pahasoavana anananao; ampiasao izany, ary ho sambatra ianao.” Hazavao fa ao anatin’ireo andininy ireo ny teny hoe fanomezam-pahasoavana dia ilazana ny fahafahan’i Oliver mandray fanambarana.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mampiasa” ny fanahin’ny fanambarana? (Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina.)

Asaivo misaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny fanahin’ny fanambarana eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra. Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha mampiasa ny fanahin’ny fanambarana isika dia .

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i Oliver raha toa ka “mampiasa” ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana izy. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia toroy hevitra izy ireo fa mety ho toy izao no fomba iray hamenoana ilay fehezan-teny: Raha mampiasa ny fanahin’ny fanambarana isika dia azo afahana amin’ny ratsy. Fenoy ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no fomba nampiasan’ny Tompo ny herin’ny fanambarana mba hiarovana anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny ratsy?

Asao ny mpianatra mba hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fomba sasany izay mety “hampiasantsika” bebe kokoa ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana mba hahazoana fiarovana amin’ny ratsy. Anontanio azy ireo ny fomba ahafahan’ireo sosokevitra narosony mampitombo ny fahafantsika mandray sy mahafantatra ny fanambarana. Amporisiho izy ireo mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina tanjona iray mba hanaraka ny iray amin’ireo sosokevitra ireo.

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fanahin’ny fanambarana sy miteny amin’ny mpianatra ny fomba nitahian’ny fanaovana izany ny fiainanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:6–9

Manana ny “fanomezam-pahasoavan’i Aharôna” i Oliver Cowdery

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:6–9 amin’ny filazana amin’ny mpianatra fa nomen’ny Tompo ireo fanomezam-pahasoavana izay hanampy azy hanatanteraka ny anjara asany amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara i Oliver Cowdery. Anisan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo ny “fanomezam-pahasoavan’i Aharôna” izay nolazain’ny Tompo tamin’i Oliver fa hanatontosan’i Oliver “asa mahatalanjona”. Tsy fantatsika mazava hoe inona no ao anatin’izany “fanomezam-pahasoavan’i Aharôna” izany. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Aharôna dia rahalahin’i Mosesy ao amin’ny Testamenta Taloha ary nanampy an’i Mosesy hanatontosa ny andraikiny amin’ny maha-mpaminany azy izy.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:7–8 , hitady ilay hery ao ambadiky ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy rehetra. Hazavao fa na rahoviana na rahoviana iantsoan’ny Tompo sy andidiany antsika hanao asa iray dia hanome antsika fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao hanatontosana izany Izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10–12

Mampanantena ny fanomezam-pahasoavana handika teny an’i Oliver Cowdery ny Tompo raha toa ka mampiasa finoana izy

Sariho ho eny amin’ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe ny sain’ny mpianatra: “Raha toa isika mivavaka amim-pinoana sy amin-kitsim-po dia afaka mahazo fahalalana avy amin’ Andriamanitra.” Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:10–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo hevi-baovao fanampiny momba ny vavaka. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ilay fanontaniana mandritra ny fotoana fohy alohan’ny hamalian’izy ireo :

  • Raha teo amin’ny toeran’i Oliver ianao, ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ity toromarika ity anao?

Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina fanontaniana vitsivitsy izay tena itadiavany valiny mafy. Azony atao ihany koa ny manoratra ireo fiovana manokana tian’izy ireo atao amin’ny fomba fangatahany ireo valim-bavaka ireo.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ireo mpianatra sy ny faniriany mafy hamaly ny vavak’izy ireo sy hanomezany fanambarana ho azy ireo. Amporisiho izy ireo mba hametraka ny fanontaniany amin’ny Ray any An-danitra amin’ny finoana sy fikasana marina mba hanao asa araka ireo valinteny azon’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1. “Mangataha amim-pinoana”

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Richard G. Scott

“Tena mahomby ny vavaka rehefa miezaka ny hadio sy hankatò isika miaraka amin’ny antony mendrika ary vonona ny hanao izay angatahiny. Ny vavaka feno fanetrentena sy fahatokiana dia mitondra fitarihana sy fiadanana” (Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign or Liahona, May 2007, 8).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2. “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina”

Mpaminany Joseph Smith

“Mety hahazo tombontsoa amin’ny fahafantarana ny famantarana voalohan’ny fanahin’ny fanambarana ny olona iray. Rehefa mahatsapa fahalalana vaovao mibosesika ao anatinao ohatra ianao dia mety hanome hevitra tampoka tsy nampoizina ho anao izany … ; koa amin’ny alalan’ny fianarana ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fahatakarana izany noho izany no ahafahanao mandroso hatrany amin’ny fitsipiky ny fanambarana, mandra-pahatonganao ho tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 132).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2. Ny fanambarana dia tonga tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana

Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa matetika ireo hafatra avy amin’ Andriamanitra no tonga amin’ny fomba bitika sy mandeha tsikelikely. Nanoro hevitra antsika izy mba tsy ho kivy rehefa tsy miaina toe-javatra miseho matetika sy mampitolagaga ho valin’ny vavaka ataontsika:

Loholona David A. Bednar

“Ny jiro arehitra ao amin’ny efitra maizina iray dia tahaka ny fandraisana hafatra avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba haingana sy feno, ary indray mandeha miaraka. Maro amintsika no efa niaina izany lamin’ny fanambarana izany rehefa nahazo valiny tamin’ny vavaka natao tamin-kitsim-po isika na nomena fitarihana na fiarovana nilaina, araka ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo. Ny famaritana ny fisehoana eo no ho eo sy mahery vaika tahaka izany dia hita ao amin’ny soratra masina sy voalaza ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana ary voaporofo eo amin’ny fiainantsika manokana. Eny, tena mitranga tokoa ireny fahagagana goavana ireny. Kanefa io lamin’ny fanambarana io dia toa lasa tsy dia mateti-pitranga.

“Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely miparitaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraky ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any an-danitra dia ‘hitsika’ tsikelikely sy tsimoramora ‘amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra’ (F&F 121:45). Io lamin’ny fanambarana io dia miharihary ao amin’ireo zavatra niainan’i Nefia rehefa nanandrana fomba maro samihafa izy talohan’ny nahombiazany tamin’ny fahazoana ireo takela-barahina avy tamin’i Labana (jereo ny1 Nefia 3–4). Farany, notarihan’ny Fanahy hankany Jerosalema izy ‘tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataony’ (1 Nefia 4:6). Ary dia tsy nianatra ny fomba hanamboarana sambo araka ny fahaizana asa kanto izay tao anatin’ny indray mandeha monja izy; fa nasehon’ny Tompo azy -ombieny ombieny kosa ny fomba tokony handrafeta[ny] ny hazo amin’ny sambo-(1 Nefia 18:1). …

“Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia toa mifantoka be loatra amin’ireo fisehoana ara-panahy mahavariana sy mampitolagaga isika hany ka tsy mahay mamantatra ary tena tsy mahita ilay lamina mahazatra mihitsy aza izay entin’ny Fanahy Masina hanaovana ny asany. Ny ‘fahatsoran’ny làlana’ (1 Nefia 17:41 amin’ny fandraisana ireo fahatsapana ara-panahy kely sy mitombo miandalana, izay rehefa mandeha ny fotoana ary rehefa atao bango tokana dia mirakitra ny valiny izay nirintsika na ny fitarihana izay nilaintsika, dia mety hahatonga antsika hibanjina ‘ny any ivelan’ny tanjona’ (Jakôba 4:14).

“Niresaka tamin’ny olona maro izay miahiahy mikasika ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo manokana aho sy manamaivana ny fahaiza-manaon’izy ireo ara-panahy satria tsy maharay fahatsapan-javatra matetitetika na mahagaga na mahery vaika izy ireo. Angamba rehefa mandinika ny zavatra niainan’i Joseph tao amin’ny Alakely Masina, sy i Paoly teny amin’ny lalan’i Damaskosy, ary i Almà Zanany isika dia lasa mino fa misy zavatra tsy mety na tsy ampy amintsika raha toa ka tsy misy ireo ohatra mahazendana ara-panahy sy malaza toy ireo ny fiainantsika. Raha nanana eritreritra na ahiahy sahala amin’izany ianareo, dia fantaro fa tsy hafahafa ianareo. Mandrosoa hatrany amim-pankatoavana fotsiny sy miaraka amin’ny finoana ny Mpamonjy. Rehefa manao izany ianareo dia ‘tsy mety ho diso làlana’ (F&F 80:3)” (Ny Fanahin’ny Fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88–89).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:1–4. Tarihin’ny Fanahy

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Richard G. Scott

“Manàna faharetana eo am-panatanterahanareo ny fahafahanareo hotarihin’ny Fanahy. Hahazo fitarihana ara-panahy indray ianareo amin’ny alalan’ny fampiharana amim-pitandremana, amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipika marina, sy amin’ny alalan’ny fihainoana ireo fahatsapana izay tonga amintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia afaka miresaka amin’ny sainareo sy ny fonareo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Indraindray dia fahatsapana ankapobeny fotsiny ireo fahatsapana. Indraindray dia tonga mazava be sy mora fantatra ilay fitarihana ka azo soratana toy ny sora-tononina ara-panahy izany.

“Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mivavaka amin’ny tanjaky ny fanahinareo rehetra ianareo, miaraka amin’ny fanetrentena sy fankasitrahana, dia afaka mianatra ho tarihin’ny Fanahy Masina tsy tapaka ianareo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanareo. Nanamafy ny fahamarinan’izany fitsipika izany aho nandritra ireo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainako manokana. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mianatra mifehy ireo fitsipiky ny hoe tarihin’ny Fanahy amin’ny tenanareo manokana ianareo. Amin’izany dia afaka mitarika anareo ny Mpamonjy mba hamaha ireo fahasarotan’ny fiainana ka hankafy fiadanana sy fahasambarana lehibe” (To Acquire Spiritual Guidance,” Ensign or Liahona, Nov. 2009, 9).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:3. Notarihin’ny fanahin’ny fanambarana i Mosesy

Nanazava ny antony mety nampiasan’ny Tompo ny ohatra amin’ny fiampitana ny Ranomasina Mena ho ohatra amin’ny fanahin’ny fanambarana ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo :

Loholona Jeffrey R. Holland

“Fanontaniana: Nahoana ny Tompo no nampiasa ny ohatry ny fiampitana ny Ranomasina Mena ho ohatra tsara indrindra momba ny ‘fanahin’ny fanambarana’? Nahoana izy no tsy nampiasa ny Fahitana Voalohany? … Na ny fahitana hitan’ny rahalahin’i Jareda? Afaka nampiasa na inona na inona tamin’ireo Izy, kanefa tsy nataony izany. Nanana tanjona hafa tao an-tsaina Izy teto.

“Voalohany indrindra, saika tonga hatrany ho valin’ny fanontaniana iray ny fanambarana, matetika fanontaniana maika izany —tsy hoe tsy tapaka, fa matetika. Ny hamoahana ny tenany sy ny zanak’Isiraely hiala amin’ilay toe-java-nisy mahatsiravina nisy azy ireo no olan’i Mosesy. Nisy kalesy maro taorian’izy ireo, tora-pasika teny amin’ny lafiny rehetra, ary rano be dia be nitatao teo anoloan’izy ireo. Nila fampahalalana teo no ho eo izy—inona no ho atao—kanefa tsy zavatra mahazatra no nangatahiny. Teto dia tena resaka aina sy fahafatesana marina no nisy.

“Misy fotoana hilànao fampahalalana koa, saingy raha resaka fitadiavana vokany lehibe dia mety tsy ho tonga izany raha tsy mila izany maika sy amim-pahatokiana ary amim-panetrentena ianao. Antsoin’i Môrônia hoe ‘omban’ny tena finiavana’ izany (Môrônia 10:4). Raha afaka mikatsaka fampahalalana amin’izany fomba izany ianao, ka mihazona izany fomba fanao izany dia tsy misy zavatra betsaka azon’ny fahavalo atao mba hitarihana anao hiala amin’ny lalana marina.

“Hisokatra amin’ny mpikatsaka fanambarana marina ny Ranomasina Mena. Manana hery hamefena ny lalana ny fahavalo, hanangonana ireo fahavalontsika hiady amintsika sy hanenjika antsika lalandava hatramin’ny fotoana nanafahana antsika, saingy tsy afaka haharesy antsika izy raha toa ka misafidy ny tsy hamela azy hanao izany isika. Izany no lesona laharana voalohany momba ny Ranomasina Mena, ireo Ranomasina Menantsika, amin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana” (“Remember How You Felt,” New Era, Aug. 2004, 7).