Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44 (Fizarana 10)
Fampidirana
Mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hifantoka amin’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 mikasika ny fahafatesana sy ny fanasitranana, izay tsy tafiditra tao amin’ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–52
Manome torohevitra momba ny fahafatesana sy ny fanasitranana ny Tompo
Hazony amin’ny tanana iray ny tavoahangy kely na fitoeran’ny menaka oliva ho an’ny fanasitranana marary; hazony amin’ny tanana ilany kosa ny tavoahangy mirakitra fanafody.
-
Inona no ampiasana ireo zavatra ireo?
-
Inona amin’ireo zavatra roa ireo no hiankinanao rehefa mamary?
Rehefa avy mizara fohifohy ny eritreriny ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–44. Asao ny mpianatra rehetra mba hitady ny torolalan’ny Tompo momba ny zavatra tokony hiankinantsika rehefa marary isika. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo dia mety hanampy ny hanazavana fa ny raokandro sy ny hani-maivana voalaza ao amin’ny andininy 43dia entina hilazana ireo fitsaboana izay nampiasain’ny besinimaro nandritra ny vanim-potoana nanomezana ity fanambarana ity.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny fanasitranana dia afaka mitranga amin’ny alalan’ny finoana sy amin’ny alalan’ny fitsaboana dia asaivo vakin’ny mpianatra iray ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Rehefa mamaky ilay mpianatra dia asao ny rehetra mba hihaino ny fomba hahafahan’ny fanasitranana mitranga sady amin’ny alalan’ny finoana no amin’ny alalan’ny fitsaboan’ny siansa.
“Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino ny fampiasana fahalalana sy teknika ara-tsiansa tsara indrindra izay misy. Isika dia mampiasa ny sakafo, ny fanaovana fanatanjahatena sy ny fomba hafa mba hitandrovana ny fahasalamana ary mangataka ny fanampian’ireo matihanina amin’ny fanasitranana toy ny mpitsabo sy ny mpandidy isika mba hamerenana indray ny fahasalamana.
“Ny fampiasana ny fitsaboana ara-tsiansa dia tsy mifanipaka velively amin’ny vavaky ny finoana sy ny fiankinantsika amin’ny tsodranon’ny fisoronana. …
“Mazava ho azy fa tsy miandry ny tsy fahombiazan’ny fomba hafa isika vao hivavaka amim-pinoana na hanome tsodranon’ny fisoronana ho amin’ny fanasitranana. Rehefa mitranga ny hamehana dia atao voalohany ny vavaka sy ny tsodrano. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia atao miaraka ireo asa rehetra ireo” (Fanasitranana ireo marary,”Ensign na Liahona, mey 2010, 47).
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho antsika ny mampiasa vavaka sy tsodranon’ny fisoronana ary fitsaboana mba hanasitranana rehefa marary?
-
Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 44, ho sitrana daholo ve ny mamary rehetra izay mandray tsodranon’ny fisoronana?
Lazao ny mpianatra fa nanazava ny antony tsy hahasitrana ireo marary nandray tsodranon’ny fisoronana sasany ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ireo fitsipika mitantana ny fanasitranana ny olona iray noho ny tsodranon’ny fisoronana.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 48 dia inona no antony lehibe indrindra izay manapaka ny vokatra azo avy amin’ny tsodranon’ny fisoronana? (Raha manam-pinoana an’i Jesoa Kristy sy tsy voatendry ny ho faty ny olona iray dia ho sitrana. Mety ilaina ny hanazavanao hoe ny andian-teny “tsy voatendry ny ho faty” dia midika fa ny fahafatesana na ny fanasitranana dia hitranga araka ny fotoana sy ny fahendrena ary sitrapon’ Andriamanitra.
-
Nahoana ireo rehetra manana finoana an’i Jesoa Kristy no tsy ho sitrana daholo?
-
Nahoana no zava-dehibe ho antsika rehetra ny fananana finoana ny sitrapo sy ny fotoan’ Andriamanitra?
Asao ny mpianatra hitady fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48 mikasika ny fahasitranantsika amin’ny rofintsika. Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra dia tokony hahatsapana ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Raha manam-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ho sitrana, araka ny sitrapony. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny ao amin’ny andininy 48 izay mampianatra ity fitsipika ity.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa tokony hafantotsika amin’i Jesoa Kristy ny finoantsika fa tsy amin’ireo vokatra sasantsasany izay iriantsika dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino ny antony iray maha-zava-dehibe ny hifantohan’ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy.
“Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, izay mahafantatra ny Fitiavany lehibe sy ny Fahalalany faratampony amin’ny tsara indrindra ho antsika eo amin’ny mahasoa antsika mandrakizay dia matoky Azy isika. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ary ny finoana dia midika hoe fahatokiana. Nahatsapa izany fametraham-pitokisana izany aho rehefa naheno ny lahateny nataon’ny zanaky ny mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreniko iray izay nataony tamin’ny fivoriana fanaovam-beloma farany ny zatovovavy iray izay nodimandry noho ny aretina goavana nahazo azy. Nilaza ireto teny ireto izy, izay nahatalanjona ahy tany am-boalohany ary avy eo nankahery ahy: ‘Fantatro fa sitrapon’ny Tompo ny nahalasa azy. Nandray fitsaboana tomombana izy. Nomena tsodranon’ny fisoronana izy. Ny anarany dia napetraka teo amin’ny taratasy mirakitra anaran’olona hoentina am-bavaka any amin’ny tempoly. Natao ho azy daholo ny vavaka aman-jatony mba hamerenana ny fahasalamany amin’ny laoniny. Ary fantatro fa ampy ny finoana ao amin’io fianakaviana io fa ho sitrana izy raha tsy hoe sitrapon’ny Tompo ny hamerenany azy hody any Aminy amin’izao fotoana izao. Nahatsapa izany fahatokisana izany aho tamin’ny tenin’ny rain’ny tovovavy sarobidy iray izay matin’ny homamiadana tamin’ny fahatanorany. Nilaza izy hoe, ‘Ny finoan’ny fianakavianay dia ao amin’i Jesoa Kristy ary tsy miankina amin’ny zavatra mety hitranga.’ Toa tena marina ho ahy ireo fampianarana ireo. Manao izay rehetra vitantsika isika ho an’ny fahasitranan’ireo olon-tiantsika ary avy eo dia mametra-pahatokiana amin’ny Tompo isika amin’izay hitranga” (“Fanasitranana ireo marary,”50).
-
Ahoana no nampiasan’ireo olona noresahin’ny Loholona Oaks ny finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Indraindray dia mitaky finoana lehibe kokoa ny mahita ny fahafatesan’ny olon-tiana na ny faharetany aretina mandritra ny fotoana ela noho ny fahitana azy velona indray na sitrana. Nahoana araka ny hevitrao no mety hitranga izany?
-
Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fampiasana finoana an’i Jesoa Kristy na dia tsy hitranga aza ny zavatra iriantsika?
Anontanio ireo mpianatra raha mahafantatra olona nodimandry na dia nanaraka torohevitra ara-pitsaboana tomombana aza sy na dia nikatsaka fanasitranana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny tsodranon’ny fisoronana aza. (Mila mitandrina tsara ianao manoloana ny fahatsapan’ireo izay niaina izany toe-javatra izany.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45–47. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ireo teny na andian-teny izay mety hitondra fampiononana ny olona izay niatrika fahafatesan’ny olon-tiana iray.
-
Ny andininy 45 dia milaza amintsika fa hitomany ny famoizana ireo olona tiantsika isika noho ny toetrantsika ara-boajanahary. Inona ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andininy 46izay mety hitondra fampiononana ho an’ireo izay mitomany ny famoizany ny havan-tiany? (Mamy ho an’ireo izay maty ao amin’ny Tompo ny fahafatesana. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra ny hanisiany marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io.)
-
Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe “maty ao amin’ny Tompo? (Ny fomba iray hanazavana izany dia ny naharetan’ny olona iray amim-pahatokiana sy nitandremany ireo fanekempihavanana masina hatramin’ny fotoana nahafatesany.)
-
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe ho “mamy” ho an’ireo izay maty ao amin’ny Tompo ny fahafatesana? (Mety ilaina ny hanazavanao fa na dia mety hiaritra fijaliana ara-batana aza ny olona maty mahatoky iray dia milaza ny fiadanana sy ny fialan-tsasatra hiainany ao amin’ny tontolon’ny fanahy io fampanantenana io.)
Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo miaina ny fiainany araka ny fomba izay hahatonga ny fahafatesana ho “mamy” ho azy ireo raha hitranga anio izany. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hirakitra ny eritreriny ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)
Farano amin’ny fizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nampianarina nandritra ny lesona androany.
Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45–48)
Anontanio ireo mpianatra raha toa izy ireo efa nahatsapa tahotra na ahiahy momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka izy ireo dia hianatra misimisy kokoa momba ireo famantarana ny Fiavian’i Mpamonjy Fanindroany. Inona no hitranga rehefa ho avy i Jesoa Kristy? Inona no azontsika atao mba ho vonona rehefa tonga izany?