Seminera sy Institiota
Lesona 74: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68


Lesona 74

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68

Fampidirana

Ny 1 nôvambra 1831 dia nihaona tamin’ny andiana loholona tao Hiram, Ohio ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny fihaonambe manokana. Niresaka mikasika ny famoahana ny Bokin’ireo Didy, izay rakitsoratry ny fanambarana noraisin’ny Mpaminany izy ireo. Nangataka an’i Joseph Smith mba hanontany ny Tompo momba ny sitrapony mikasika azy ireo ny efatra tamin’ireo loholona tao amin’ilay fihaonambe. Ho setrin’io fangatahana io dia nandray ny fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68 ny Mpaminany. Ilay fanambarana dia ahitana ny torohevitra ho an’ireo izay nantsoina hitory ny filazantsara, ny toromarika momba ny fiantsoana eveka, ary ny didy hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany mikasika ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–12

Manoro hevitra ireo nantsoina hitory ny filazantsara ny Mpamonjy

Raha toa ka efa nandeha nanao asa fitoriana ho an’ny Fiangonana ianao na ny olona akaiky anao dia atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ireo fahatsapana sasany izay niainan’ny olona eo am-panomanany ny handao ny tokantrano ka ho lasa misiônera amin’ny fotoana feno. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no mety fanahiana na fisalasalana ananan’ny olona iray mikasika ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mahatonga ny olona ho matahotahotra amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny fianakaviany sy ny namany?

Hazavao fa nandritra ny fihaonambe izay natao ny 1 nôvambra 1831 dia nanatona an’i Joseph Smith ny loholona efatra izay hanompo hitory ny filazantsara ka nangataka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo mikasika azy ireo. Ho setrin’izany dia nanambara ny ohatra fakan-tahaka amin’ny fitoriana ny filazantsara ny Tompo. Manasà mpianatra dimy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–5 Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny singa rehetra ao amin’izany ohatra fakan-tahaka izany. Alohan’ny hamakian’izy ireo izany dia hazavao fa ny andininy 2 dia ahitana ny teny hoe fianarana. Ny fianarana dia manoro ny zavatra atao na maodely.

  • Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba tokony hitoriantsika ny filazantsara?

  • Inona no fampanantenana nomen’ny Tompo ireo mpanompony ao amin’ny andininy 3–5?

  • Inona no ho fiantraikan’ireo teny nentanim-panahy ho an’ny misiônera ireo eo amin’ireo izay mandray izany? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa entanin’ny Fanahy Masina ireo mpanompon’ny Tompo dia hitarika ny olona amin’ny famonjena ny teniny. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Inona no afaka ataontsika hanasana ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mizara ny filazantsara isika?

Hazavao fa na dia afaka manampy ny olona hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana aza ireo izay notendrena hitory ny filazantsara dia ny Filohan’ny Fiangonana ihany no manana ny zo handray sy hanambara ny sitrapon’ny Tompo momba ny Fiangonana iray manontolo. Eo ambanin’ny fitarihany dia manana fahefana hanambara ny sitrapon’ Andriamanitra momba antsika ihany koa ny mpikambana hafa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Asao ny mpianatra hafa iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny fankaherezana fanampiny izay nomen’ny Tompo ny mpanompony.

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanao ao amin’io andininy io izay mety mitondra fampiononana ho an’ny misiônera iray?

  • Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra fa mijoro eo anilan’ny mpanompony mahatoky ny Tompo?

Ampahafantaro fa ny andininy–6 dia manasongadina ny andraikitra voalohany sahanin’ireo mpanompon’ny Tompo: hijoro vavolombelona momba an i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy taloha sy ankehitriny ary ho avy. Avy eo dia fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:7–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa miantso ireo loholona mahatoky ao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba hitory ny filazantsara sy hanao batisa ireo izay mino.

Azonao atao ny mizara ny traikefa izay nitarihan’ny Fanahy anao mba hahafantarana ny fomba fizarana ny filazantsara amin’ny olona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:13–24

Manambara ny Tompo fa ny Fiadidiana Voalohany no asaina miahy ny fiantsoana ny eveka

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe manontany ny namana iray avy amin’ny finoana hafa hoe: “Ahoana no fomba nifidianana ny evekanareo?”

  • Inona no havalinao?

Hazavao fa i Edward Partridge no eveka voalohany nantsoina tato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny (tamin’ny 4 Febroary 1831; jereo ny F&F 41:9). Talohan’ny nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68 (ny volana Nôvambra 1831), dia ny Eveka Partridge no hany eveka tato amin’ny Fiangonana. Fotoana fohy taorian’ny nandraisan’ny Mpaminany ity fanambarana ity dia nantsoina ny eveka hafa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:14–15. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hijery ny fomba fisafidianana ny eveka.

Fanamarihana: Ny andininy 15–20 dia ahitana ireo toromarika mikasika ny taranak’i Aharôna ara-bakiteny izay mety antsoina ho Eveka Mpiahy. Ny andian-teny hoe “taranak i Aharôna ara-bakiteny” dia milaza ny taranak’i Aharôna rahalahin’i Mosesy tao amin’ny Testamenta Taloha. Manana ny zo hisahana ny anjara fanompoan’ny Eveka Mpiahy ny taranaka toy izany raha toa ka antsoina sy eken’ny Fiadidiana Voalohany. Ny andininy 16–20 dia tsy mahakasika afa-tsy ny Eveka Mpiahy fa tsy ny evekan’ny paroasy (jereo ny Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 3:92–93). Ny literatiora voalohany tao amin’ny Fiangonana dia niresaka momba ny Eveka Partridge ho Eveka Mpiahy. Nivoatra sy niova tsikelikely tao anatin’ny taona maro manaraka ny andraikitry ny Eveka Mpiahy. Teo ambanin’ny fitarihan’ny Filoha Brigham Young dia nazavaina bebe kokoa ny andraikitry ny Eveka Mpiahy tamin’ny 1847 tao Winter Quarters, izay nandraisan’ny Eveka Newel K. Whitney izany antso izany.

Azonao atao ny manazava fa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia ny mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany no nanendry sy nanokana ny eveka rehetra. Ao amin ny Fiangonana ankehitriny dia mbola marina ihany izany ho an’ny Eveka Mpiahy. Kanefa, ny fiantsoana sy ny fanendrena ary ny fanokanana ireo eveka dia tarihin’ireo filohan’ny tsatòka, eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany. Ny filohan’ny tsatòka, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny mpanolotsainy ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, dia mikatsaka fanambarana hahafantarana ny fotoana hiantsoana eveka vaovao sy ny olona ho antsoina. Alefany any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny tolo-kevitra mba hiandrasana ny fankatoavana. Rehefa ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany ilay antso dia manome fahazoan-dalana ny filohan’ny tsatòka izy ireo hanendry sy hanokana ilay eveka vaovao. (Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Manuel 2: Administration de l’Eglise [2010], 19.6.)

  • Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra fa nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fiantsoana ny evekanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–35

Mandidy ireo ray aman-dreny hampianatra ny filazantsara ny zanany ny Tompo

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ny hoe mety ho lasa ray aman-dreny izy ireo afaka taona vitsivitsy. Hazavao fa nomen’ny Tompo andraikitra goavana ny reny sy ny ray—nasaina hampianatra ny filazantsara ireo zanany amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra izy ireo (jereo ny F&F 29:46–50 sy “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” izay hita ao amin’ny tovana any amin ny faran’ity boky ity). Asao izy ireo hanao lisitry ny fitsipika izay tiany hampianarina ny zanany ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mamaky ny lisitra nataony amin’ny hafa izy ireo. Avy eo dia asao izy ireo hiara-hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–27 sy hitady ny zavatra afaka ampiany ao anatin’ny lisitra izay nataony.

  • Inona no nasain’ny Tompo hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany? (Tokony hamantatra ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Nandidy ny ray aman-dreny ny Tompo mba hampianatra ireo zanany hahatakatra ny fotopampianaran’ny fibebahana, ny finoana an’i Kristy sy ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ao amin’nyandininy 25 izay mampianatra io fotopampianarana io.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho an’ny zazakely ny mahatakatra ny fibebahana? Ny finoana an’i Kristy? Ny batisa? Ny Fanomezana ny Fanahy Masina?

Asao ny mpianatra mba hanoratra ny fotoana izay nahitany ny ray aman-dreny nampianatra ny fitsipika sy ôrdônansy izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25. Rehefa avy nomena fotoana ampy nanoratana izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

handout iconAsao ny mpianatra hanohy hiara-hiasa tsiroaroa amin’ny asa atao manaraka. Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28–31ny Tompo dia nanome torohevitra fanampiny ho an’ny ray aman-dreny. Omeo ny tahadikan’ity fampahalalana manaraka ity ny mpiara-miasa tsirairay. Amporisiho ny ekipa hamaky ny andalan-tsoratra masina tsirairay ka hiara-hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana. Hazavao fa rehefa vitany izany dia hanao tatitra momba ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy izy ireo.

  1. Vakio nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo hampianarin’ireo ray aman-dreny ny zanany.

    • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho anao ny mampianatra ny zanakao hivavaka?

    • Ahoana no fomba nampianarana anao hivavaka? Ahoana no fomba nitahiana anao sy ny ankohonanao?

    • Inona, araka ny eritreritrareo, ny dikan’ny hoe “handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo”?

  2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:29, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo hataontsika.

    • Inona no azonao ianarana momba ny fitandremana ny andro Sabata ho masina?

    • Inona no azonao atao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina?

  3. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:30, ary tadiavo ny fampitandremana avy amin’ny Tompo. Mariho fa ny teny hoe kamo dia entina hilazana ny olona izay malaina.

    • Oviana ianao no nahita ireo fitahiana avy amin’ny asa mafy?

    Vakio ity teny manaraka nalaina tao amin’nyJeunes soyez forts ity:

    “Ny Tompo dia nandidy antsika mba tsy hidonanaham-poana. Ny fidonanaham-poana dia mety hitarika any amin’ny fitondran-tena tsy mendrika, fahasimban’ny fifandraisana ary fahotana. Endrika iray isehoan’ny fidonanaham-poana ny fandaniana fotoana elabe amin’ny tsy fanaovana na inona na inona izay tsy hamela anao hanao asam-pamokarana, toy ny Internet, ny filalaovana jeux video, ary ny fijerena fahitalavitra” (Jeunes, soyez forts [bokikely, 2011], 40).

    • Ahoana no mahatonga ny fidonanaham-poana ho lasa faharatsiana?

    • Inona ireo zavatra sasany izay afaka manampy ny olona iray handresy ny fironana ho lasa kamo?

  4. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:31–32, ary tadiavo ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo Olomasina tao Ziona.

    • Ahoana, araka ny hevitrao, no fiantraikan’ny fimatimatesan-karena eo amin’ny fianakaviana?

    • Inona no afaka ataontsika eo amin’ny fiainantsika mba handresena ny fitiavan-tena sy ny fimatimatesan-karena?

Rehefa avy nahavita io asa atao io ireo mpianatra dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra nianarany. (Azonao atao ny mangataka mpianatra iray mba hanoratra ny valintenin’ny mpianatra hafa eny amin’ny solaitrabe.) Ny fitsipika iray izay azonao asongadina ao amin’ny andininy 31 sy 32 dia ny hoe nasaina hanala ny fidonanaham-poana sy ny fimatimatisan-karena eo amin’ny fiainantsika isika. (Rehefa miresaka io fitsipika io ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa tsy voatery hananana ny zava-drehetra ananan’ny namantsika isika vao ho faly.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho an’ny ray aman-dreny ny mampianatra sy miaina ny fenitry ny filazantsara?

  • Inona no afaka ataon’ny zatovolahy sy zatovovavy mba hanampiana ny fianakaviany “handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo”?

Raha ray aman-dreny ianao dia azonao atao ny maneho fankasitrahana momba ny fomba nanampian’ny zanakao anao hiaina ny didin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68. Avy eo dia asao ny mpianatra mba hanoratra tanjona iray izay hanampy azy ireo hiomana ho lasa ray aman-dreny tsara. Na asao izy ireo hanoratra tanjona iray hanampy ny ray aman-dreniny amin’ny andraikiny. Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny tanjony amin’ny iray kilasy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–4 “Na inona na inona hotenenin’ izy ireo noho ny fanentanan’ ny Fanahy Masina”

Nanazava ny Filoha J. Reuben Clark fa ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany no manana zo sy hery ary fahefana hanambara ny saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny vahoakany:

Ny Filoha J. Reuben Clark

“Tokony ho [ataontsika] ao an-tsaina fa ny sasany amin’ireo Manampahefana Ambony dia nomena antso manokana ho sahanin’izy ireo. Manana fanomezam-pahasoavana manokana izy ireo, ary tohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambara. Izany dia manome azy ireo fanomezam-pahasoavana manokana ara-panahy mifandray amin’ny fampianarany ny olona. Izy ireo dia manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana mba hanambara ny saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fampianariny ny olony, izay mifanaraka amin’ny hery sy ny fahefana faran’izay lehibe ananan’ny Filohan’ny Fiangonana. Fa ireo Manampahefana Ambony hafa kosa dia tsy nomena izany fanomezam-pahasoavana sy fahefana ara-panahy manokana izany izay iankinan’ny fampianarany. Misy famerana mihatra amin’izy ireo. Ary ny famerana mihatra amin’ny heriny sy ny fahefany ao anatin’ny fampianarana dia mihatra amin’ny mpiandraikitra sy mpikamban’ny Fiangonana hafa rehetra satria tsy misy amin’izy ireo nomena fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ankoatra izay, araka ny efa voalaza dia manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy manokana sy lehibe kokoa ny Filohan’ny Fiangonana eo amin’izay lafiny izay, satria izy no Mpaminany sy Mpahita ary Mpanambara ho an’ny Fiangonana iray manontolo” (“When Are Church Leaders’ Words Entitled to Claim of Scripture?” Church News, 31 jolay 1954, 9–10).

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny mpaminany iray dia tsy miteny toy ny mpaminany raha tsy rehefa entanin’ny Fanahy Masina:

Loholona D. Todd Christofferson

“Tokony hotsaroana fa tsy izay zavatra rehetra nolazain’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na mpitarika taloha izany na ankehitriny akory dia voatery ho fotopampianarana. Iarahan’ny rehetra mahalala ato amin’ny Fiangonana fa ny zavatra nolazain’ny mpitarika iray tao anatin’ny fotoana iray manokana dia matetika raisina ho hevitry ny tenany manokana izay na dia avy tamin’ny fisainana tsara aza, dia tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy na tsy maintsy arahin’ny Fiangonana iray manontolo. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ‘ny mpaminany iray [dia] mpaminany rehefa mitondra tena ho toy izany izy’ ao amin’ny History of the Church, 5:265]. Ny Filoha [J. Reuben] Clark Jr. … dia nanambara hoe: …

“‘… Ny Fiangonana dia hahafantatra amin’ny alalan’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona izay omena ireo mpikambana raha toa ilay rahalahy, izay maneho ny heviny ka “entanin’ny Fanahy Masina”, ary hiseho ihany izany fahalalana izany amin’ny farany’ [J. Reuben Clark Jr., “When Are Church Leaders’ Words Entitled to Claim of Scripture?” Church News, 31 jolay 1954, 10.]” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2012, 88, 89).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:15–21 “Taranak’i Aharôna ara-bakiteny”

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny toromarika nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:15–21 dia tsy mihatra afa-tsy amin’ny anjara fanompoan’ny Eveka Mpiahy ato amin’ny Fiangonana ihany:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Ny olona izay resahina ao amin’ny fanambarana fa manana zo ho ao amin’ny episkôpà amin’ny alalan’ny firazanana dia olona izay lahimatoa. Manana zo hihazona ny “ny fanalahidy na ny fahefana amin’izany” izy noho ny firazanany. Io dia tsy milaza afa-tsy ny olona iray izay miahy ny Fisoronana Aharôna. Tsy miresaka momba ny evekan’ny paroasy velively io. Ankoatra izay, tsy maintsy tendren’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonana ny olona toy izany ary mandray … ny fanendrena azy eo ambanin’ny tanany. Avy amin’ny Fiadidiana ny fanambarana, fa tsy avy amin’ny patriarka, mba hametrahana ny fitakiana ny zo hiahy ao amin’io anjara fanompoana io. Raha toa ka tsy fantatra ny momba izany taranaka izany dia afaka mitana ny anjara fanompoan’ny Eveka Mpiahy ny mpisorona avo, izay fidian’ny Fiadidiana, ka manompo miaraka amin’ny mpanolotsaina” (Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 3:92–93; sora-mandry amin’ny endrika nanaovana azy tany am-boalohany).