Seminera
Lesona 23: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–47


Lesona 23

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–47

Fampidirana

I Joseph Smith dia nahazo ity fanambarana ity ho an’ny tenany sy i Oliver Cowdery ary i David Whitmer tamin’ny Jona 1829. Rehefa avy niantso an’ireo lehilahy roa ireo hitory fibebahana ny Mpamonjy dia nampianatra azy ireo ny maha-zava-dehibe ny fitondran’izy ireo teo aminy ny anarany Izy. Nilaza ny fiantsoana ireo Apôstôly Roambinifolo amin’ny ho avy Izy ary ny faniriana hananan’izy ireo mba hitondra eo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy “amin’ny fo feno finiavana” (F&F 18:27). Dia nanome an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer andraikitra ny Tompo mba hitady ireo lehilahy izay afaka ny hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–25

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny anarany no hany anarana ahafahana mamonjy antsika

Asao ny mpianatra iray na roa hanoratra ny anaran’izy ireo eo amin’ny solaitrabe. Apetraho amin’izy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Midika inona aminareo ny anaranareo?

  • Inona ireo tombontsoa sy andraikitra miaraka amin’izany anarana izany ? (Ireo tombontsoa dia mety ahitana ny toerana hipetrahana, ny fitiavan’ny fianakaviana, ny fahazoana fiarovana amin’ny loza ary ny maha-voataiza ao amin’ny Fiangonana. Ireo andraikitra dia mety ahitana ny fanampiana mba hiarovana ny tokantrano, fanehoana fanajana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, fanaovana ireo raharaha ao an-trano ary ny fanomezam-boninahitra ny anaran’ny fianakaviana.)

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa niantso an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer hitory fibebahana ny Tompo (jereo ny F&F 18:6, 9, 14). Hazavao fa rehefa avy nanome azy ireo an’io toromarika io ny Tompo dia niresaka tamin’izy ireo mikasika ireo tombontsoa sy andraikitra amin’ny fitondrana eo amin’izy ireo ny anarany Izy.

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity, saingy aza atao eo amin’ny faritra faharoa ny valiny. Asao ny mpianatra handika ilay tabilao ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Dia asao avy eo ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–25 ka hitady ireo tombontsoa sy andraikitra miaraka amin’ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo hanoratra ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ireo efitrefitra ambany amin’ilay tabilao.

Tombontsoa

Andraikitra

Mandray sy ampianarin’ny Fanahy Masina

Manasa ny hafa hanao batisa sy haharitra hatramin’ny farany

Mandray ny famonjena ao amin’ny fanjakan’ny Ray

Manana finoana sy fanantenana ary fiantrana

Misoroka ny fifandirana amin’ireo fiangonana hafa

Milaza ny fahamarinana amin’ny fahononantena

Mibebaka sy maharitra hatramin’ny farany

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:23, dia nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ireo mpianatra: Ny anaran’i Jesoa Kristy no hany anarana ahafahana mamonjy antsika. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Angataho ny mpianatra hihaino ny torohevitry ny Loholona Ballard mikasika ny fomba tokony hitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Mitondra ny anaran’ i Kristy eo amintsika isika ao anatin’ ny ranon’ ny batisa. Manavao ny fanekena tamin’izany batisa izany isan-kerinandro isika rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo sy maneho ny fahavononantsika hitondra ny anarany ary mampanantena fa hahatsiaro Azy mandrakariva (jereo ny F&F 20:77, 79) …

“Nangatahina isika mba hijoro ho vavolombelona momba Azy. … Midika amin’ ny ampahany izany fa tsy maintsy mivonona isika ny hampahafantatra ny hafa hoe iza no arahintsika ary Fiangonan’ iza no misy antsika: dia ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy izany. Azo antoka fa te hanao izany ao anatin’ ny toe-tsaina feno fitiavana sy maneho fijoroana ho vavolombelona tokoa isika. Te hanaraka ny Mpamonjy isika amin’ny fanambarana amin’ny fomba tsotra sy mazava ary amim-panetrentena fa mpikambana ao amin’ny Fiangonany isika” (“Ny maha-zava-dehibe ny anarana,” Liahona, nôv. 2011, 79–80).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanoroan’ny Loholona Ballard antsika mba hampahafantarana ny hafa fa manaraka an’i Jesoa Kristy isika?

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:19–20 dia nandidy an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ny Tompo mba hanana finoana sy fanantenana ary fiantrana, sy hisoroka ny fifandirana amin’ireo fiangonana hafa sy ireo mpikambana ao amin’izy ireo. Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe amintsika ny manao ireo zavatra ireo amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika?

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hahatakatra fa ilay andian-teny hoe “fiangonan’ny devoly” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:20 dia tsy milaza fiangonana iray voafaritra. Izy io dia entina ilazana na iza na iza olona, na vondrona, na fikambanana, na filôzôfia izay manohitra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny famonjena ireo zanak’ Andriamanitra.

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba iray azon’izy ireo ampahafantarana ny hafa fa manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–47

Manambara ny antso sy ny asa hanirahana ireo Apôstôly Roambinifolo ny Tompo.

Hazavao fa ny Tompo dia niresaka lehilahy hafa ankoatra an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer izay hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy sy hitory ny filazantsarany. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:27–32 ary hanoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana na omano amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra tsirairay izy ireo.)

  1. Inona no faniriana hananan’ireo mpianatra roa ambin’ny folo ireo ?

  2. Ho antsoina hanao inona ireo lehilahy ireo ? (Mitadiava hevitra hafa miisa 3–5.)

  3. Iza ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao izay tadidinao ? (Soraty ny anaran’izy ireo.)

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia angataho izy ireo hilaza ny valinteniny amin’ilay fanontaniana voalohany voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona aminao no dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy amin’ny fo feno finiavana ?

Manasà mpianatra vitsivitsy hilaza ny valinteniny amin’ilay fanontaniana faharoa voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Fitsipika iray tokony ho hitan’ireo mpianatra ny hoe nantsoina hitory sy hitantana ny filazantsara ho an’izao tontolo izao ireo Apôstôly Roambinifolon’ny Tompo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:37–39. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny andraikitra izay nomen’ Andriamanitra an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer.

  • Inona no nandidian’ny Tompo an’i Oliver sy i David mba ho ataon’izy ireo ? (Hitady ireo lehilahy izay ho antsoin’ny Tompo ho mpikambana voalohany ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’ny andro farany.)

  • Ahoana no hamantaran’izy ireo izay olona tokony ho antsoina ho Apôstôly? (Hampiseho ny faniriana sy ny asa izay noresahin’ny Tompo ireo izay ho lasa Apôstôly.)

Hazavao fa i Martin Harris koa dia nahazo andraikitra hitady ireo Apôstôly Roambinifolo. Ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’ny andro farany dia nantsoina tamin’ny 14 febroary 1835, tokotokony ho dimy taona taorian’ny fanorenana ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy. Ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 dia manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe an’io kôlejy io amin’ny alalan’ny famintinana ny anjara asan’ny Apôstôly ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra hilaza ny valinteniny amin’ilay fanontaniana fahatelo voasoratra eo amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hitanisa ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao. (Raha azo atao dia mampisehoa ny sarin’ireo lehilahy ireo. Ireo sary ireo dia hita ao amin’ny Ensign sy Liahona mivoaka ny volana mey sy nôvambra sy ao amin’ny lds.org/church/leaders.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Alohan’ny hamakin’ireo mpianatra izany dia hazavao fa tamin’ny lahateny nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana voalohany izay natrehany fony izy vao nantsoina ho Apôstôly no nilazan’ny Loholona Holland an’ireo zavatra ireo.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mazava tsara fa ny tena mampientanentana indrindra ahy sy ny mampifaly ahy indrindra amin’ny zavatra vitako dia ny fananako fahafahana, tahaka ny nolazain’i Nefia, hiresaka an’i Kristy, … hifaly amin’i Kristy, hitory an’i Kristy, [ary] haminany ny amin’i Kristy’ (2 Ne.25:26) na aiza mety hisy ahy sy na iza no hiaraka amiko mandrapahalasan’ny fara-fofon’aiko. Azo antoka fa tsy misy tanjona avo kokoa na tombontsoa lehibe kokoa mihoatra noho ny an’ny ‘vavolombelona [manokan]’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao’ (F&F 107:23).

“… Ankoatra ny teniko sy ny fampianarako ary ny fijoroana ho vavolombelona ambarako, dia tokony ho tafiditra ao amin’izany fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa izany ny fiainako. Tokony ho hita taratra eo amin’ny tena maha-izaho ahy mihitsy ny maha-avy amin’ Andriamanitra ity asa ity. Tsy ho zakako mihitsy raha toa misy zavatra teneniko na ataoko ka mampihena na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny finoanareo an’i Kristy, sy ny fitiavanareo ity fiangonana ity na ny fanajanareo ny toetra masin’ny maha-apôstôly.

“Mampanatena anareo aho—tahaka izay nampanantenaiko ny Tompo sy ireto apôstôly namako ireto—fa hiezaka ny hiaina aho mba ho mendrika an’io fitokiana io ary hanompo araka izay tsara indrindra vitako” (“Miracles of the Restoration,” Ensign, Nov. 1994, 31).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:27.

  • Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa mitondra eo aminy ny anaran’i Kristy amin’ny fo feno finiavana ireo manana antso amin’ny maha-Apôstôly ? Ahoana no hanarahantsika ny ohatr’izy ireo?

Manasà mpianatra iray na roa hanampy anao amin’ny asa atao iray. Tampeno ny mason’ireo mpianatra ireo na asaivo akimpiny ny masony. Manasà mpianatra maro hafa hifandimby hiteny amin’ny feony izay mahazatra. Angataho ireo mpianatra mitampi-maso mba hilaza hoe iza ilay olona miteny. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Nahoana no mora fantarina noho ny hafa ny feo sasany? (Mety hanazava ireo mpianatra fa arakaraky ny hahenoantsika ny feo iray no mahatonga an’ilay izy ho mahazatra sy mora fantarina.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36, 47. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady fomba iray izay nolazain’ny Tompo fa ahafahantsika mandre ny feony. (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “ireto teny ireto” ao amin’ny andininy 34 dia entina ilazana ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.)

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mandre ny feon’ny Tompo ? (Mety hanome valinteny samihafa ny mpianatra, saingy ataovy izay hampazava an’ity fitsipika manaraka ity: Afaka mandre ny feon’i Jesoa Kristy isika rehefa mamaky soratra masina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fandalinana soratra masina antsika handre ny feon’i Jesoa Kristy ?

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa afaka mandre ny feon’ny Tompo amin’ny fomba izay tsy ren’ny sofintsika isika. Afaka mahazo fahatsapana sy hafatra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika (jereo ny F&F 8:2–3).

Resaho ireo fahamarinana nosoratanao eo amin’ny solaitrabe.

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana no hiantraikan’io fahamarinana io amin’ny fomba fiheveranao ny soratra masina ? Ahoana no hitarihan’izany anao rehefa misafidy ny fotoana sy ny toerana hamakinao soratra masina ianao?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nitaona ny fanahinao ny Tompo rehefa namaky na nisaintsaina ny soratra masina ianao ?

Amporisiho ny mpianatra handalina soratra masina isan’andro sy hazoto amin’ny fikatsahana sy ny fahatakarana ny feon’ny Tompo. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:40–47 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nilaza fa hahazo fitahiana lehibe i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha toa izy ireo ka mahatoky amin’ny fitandremana ny didiny. Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana izay noresahinao tamin’ireo mpianatra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:20. “Mifanditra … amin’ny fiangonan’ny devoly”

Rehefa niresaka mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:20 ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra hoe: “Tokony ho takatsika fa io dia torolalana nomena antsika mba hifanditra amin’ny fitaoman-devoly rehetra, izay manohitra ny fahamarinana” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:83). Tsy fiantsoana mba hifanditra amin’ireo fiangonana hafa na ireo mpikambana ao aminy izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:44. “Amin’ ny tananareo no hanaovako asa mahatalanjona”

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Raha maka tahaka ny ohatra tonga lafatra nasehon’ny [Mpamonjy] isika dia afaka ho lasa tanany ny tanantsika, ho lasa masony ny masontsika ary ho lasa fony ny fontsika. …

“Raha mitazona izany ao an-tsaina isika dia aoka ny fontsika sy ny tanantsika hatolotsika amim-pangorahana any amin’ny hafa, satria samy mandia lalana sarotra daholo ny tsirairay. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia antsoina isika mba hanohana sy hanasitrana fa tsy hanameloka” (“Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010, 68–69).

Hamoaka printy