Seminera
Lesona 26: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36


Lesona 26

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36

Fampidirana

Ao amin’ny fanambarana iray izay nomena ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome didy ny Tompo mba handaminana ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny tamin’ny 6 Aprily 1830. Nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna ihany koa izy ary nanome torolalana mikasika ny fitantanana ny Fiangonany, ao anatin’izany ireo anjara fanompoan’ny fisoronana sy ireo ôrdônansy ary ireo fizotry ny fanaovan-javatra ao amin’ilay Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny. Ity fanambarana ity, izay nantsoina hoe “Lalàna sy Fanekem-pihavanana” tany am-piandohan’ny Fiangonana, dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 amin’izao fotoana izao. Ity fanambarana ity dia noraketina an-tsoratra andro vitsivitsy taorian’ny faha 6 aprily 1860, kanefa mety ho efa taloha tamin’ny fotoam-pahavaratry ny taona 1829 no nanambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany ny ampahany tamin’izany. Noho ny halavan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia nozaraina ho ao anatin’ny lesona telo izy ity ato anatin’ity boky torolalana ity.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–4

Nandidy ny hanorenana ny Fiangonana Andriamanitra

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fivoriana farany nizarana fijoroana ho vavolombelona izay natrehan’izy ireo. Angataho izy ireo hilaza ny maha samy hafa ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fitantarana tantara na fanehoana fankasitrahana.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity famaritana ny fijoroana ho vavolombelona ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo :

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara dia fijoroana ho vavolombelona manokana teraka ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay milaza fa marina sy fantatsika ho marina ireo zava-misy izay manana dikany maharitra mandrakizay” (“Testimony,” Ensign or Liahona, May 2008, 26).

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Fantatray fa …

Asao ny mpianatra hamadika ny bokiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20. Hazavao fa namaky mafy an’ity fizarana ity ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana nandritra ireo fihaonamben’ny Fiangonana izay natao tamin’ny 9 Jona 1830 sy 26 Septambra 1830, izay nanampy ireo mpikambana tao amin’ilay Fiangonana vaovao hahatsiahy fahamarinana mana-danja maro ao amin’ny filazantsara. Amporisiho ny mpianatra hitady ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ity fizarana ity, izay afaka miandoha amin’ny andian-teny hoe “Fantatray fa …”

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–2 mba hitady ireo hevi-baovao mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

  • Inona ireo fahamarinana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay hijoroan’ireo andininy ireo ho vavolombelona ? (Iray amin’ireo fotopampianarana izay mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe i Joseph Smith dia voantson’ Andriamanitra ary nodidiany handamina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra iray hanoratra io fotopampianarana io eo amin’ny solaitrabe, miaraka amin’ireo hafa izay hitan’ny mpianatra rehetra, eo ambanin’ilay andian-teny hoe: “Fantatray fa …” Azon’ireo mpianatra atao ny mamorona lisitra mitovy amin’izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana ireo dia amporisiho izy ireo hisaintsaina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny antso masina nomena an’i Joseph Smith sy ny fahamarinan’ny Fiangonana. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny fomba nahafantaran’izy ireo fa marina ireo zavatra ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay teny hoe “fitsanganana” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1 raha ampifandraisina amin’ny fananganana ny Fiangonana? (Azonao atao ny mampahatsiahy an’ireo mpianatra mikasika ny Apôstazia sy ny filàna ny Famerenana amin’ny laoniny.)

  • Amin’ny fomba ahoana no azontsika anampiana ny Fiangonan’ny Tompo mba hitsangana hatrany amin’izao androntsika izao ?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–16

Mitantara fohy ny sasany amin’ireo zavatra mitranga ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Tompo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo zavatra izay nanomana an’i Joseph Smith handamina indray ny Fiangonana eto an-tany.

  • Inona ny zavatra niainan’i Joseph ka nanome azy fahafahana handamina indray ny Fiangonana marina eto an-tany? (Nampianarin’ Andriamanitra sy ireo anjely izy ary nomena hery handikana ny Bokin’i Môrmôna.)

Hazavao fa rehefa nalamina ny Fiangonana tamin’ny volana aprily 1830 dia vao voatonta printy mihitsy ny Bokin’i Môrmôna tamin’izay. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:9–12 mba hitady ireo fahamarinana izay ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny miteny ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny ity: Ny Bokin’i Môrmôna dia manaporofo amin’izao tontolo izao fa …

Asao ny mpianatra maromaro ho eo amin’ny solaitrabe ary hameno ilay fehezanteny amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andian-teny hitan’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:9–12. Azonao atao ny miresaka ny lisitr’ireo valintenin’izy ireo ary mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto :

  • Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny mahazo fijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna ?

  • Raha marina ny Bokin’i Môrmôna dia inona no hevitra fonosin’izany mikasika an’i Joseph Smith?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia porofo fa namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Azo soratana eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana ity, eo ambanin’ny lohateny hoe “Fantatray fa …”

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:14–15. Angataho ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandray ny Bokin’i Môrmôna sy mampihatra ireo zavatra ampianariny.

  • Inona ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo amin’ireo izay mandray ny Bokin’i Môrmôna amin’ny finoana?

  • Inona no hitranga amin’ireo izay manamafy ny fony ao amin’ny tsy finoana ary mitsipaka ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona ireo fomba sasantsasany izay ahafahantsika mandray ny Bokin’i Môrmôna amin’ny finoana ?

  • Ahoana no hitarihan’ny Bokin’i Môrmôna ny olona iray “hanao ny marina”?

Asao ny mpianatra hisaintsaina (1) ny fomba nanampian’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna azy ireo ho mpankatò kokoa ny didin’ Andriamanitra sy (2) ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampatanjahana ny fijoroany ho vavolombelona momba izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–36

Mampianatra sy manazava ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara ny Bokin’i Môrmôna

Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky an’ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ao amin’ny fizarana faharoapolon’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manokana andininy maromaro ny Tompo mba hamintinana ireo fahamarinana tena manan-danja izay ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna. (Jereo ny andininy 17–36.) Miresaka mikasika an’ Andriamanitra izany, sy ny fahariana ny olombelona, ny Fahalavoana, ny Sorompanavotana, ny fiakaran’i Kristy tany an-danitra, ireo mpaminany, ny finoana, ny batisa, ny fibebahana, ny Fanahy Masina, ny faharetana, ny vavaka, ny fanamarinana ary ny fanamasinana amin’ny alalan’ny famindram-po, ary miresaka an’ilay Andriamanitra be fitiavana sy tia manompo” (“A New Witness for Christ,” Ensign, nôv. 1984, 7).

Asao ny mpianatra hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17, 29, 30, 31, 35 ary hitady ilay andian-teny izay miverimberina eo akaikin’ny fiantombohan’ny andininy tsirairay. (Tokony hahita ilay andian-teny hoe “fantatray fa” na karazandrazan’izany ny mpianatra.) Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–36 dia afaka mahita fotopampianarana manan-danja isika, izay ambaran’ny Fiangonan’ny Tompo amin’izao tontolo izao fa tanteraka noho ny Fahitana Voalohany sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina sy ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatin’ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:21–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:26–28.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanatontosa ny anjara asany amin’ilay dingan’ny fianarana dia ampiomano hitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izy ireo, zarazarao ho tsiroaroa izy ireo ary omeo iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hiara-handalina ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ka hitady ireo fahamarinana mikasika ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sy ny zavatra nataon’izy ireo ho antsika mba hamonjena antsika.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra maromaro hizara fahamarinana iray izay hitan’izy ireo mikasika ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy, na ny Fanahy Masina, ary hanazava ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanoratra ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra amin’izy ireo ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

Rehefa mahita ireo fahamarinana ireo ny mpianatra dia azonao ampidirina ao amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe izany eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fantatray fa …” Ny sasany amin’ireo fotopampianarana mety ho hitan’ny mpianatra dia ahitana izao manaraka izao:

Velona Andriamanitra, tsisy fetra sy mandrakizay ary tsy miova Izy (andininy 17).

Nohariana tahaka ny endrika sy araka ny tarehin’ Andriamanitra isika (andininy 18)

Nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hohomboina sy hitsangana indray mba hahafahan’ireo rehetra izay hino sy hatao batisa ary haharitra hatramin’ny farany ho voavonjy (andininy 21–25).

Vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina (andininy 27).

Miara-miasa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina mba hanomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay (andininy 17–28).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–34. Asao ny mpianatra hitady ireo andraikitra sahanintsika raha toa isika ka te hahazo ny fiainana mandrakizay. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo andininy ireo dia azonao atao ny manazava fa ny hoe fanamarinana (andininy 30) dia midika hoe voavela heloka sy voambara fa tsy meloka. Ny hoe fanamasinana (andininy 31) dia midika hoe lasa madio sy masina ary tahaka an’i Kristy.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo fa tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:35–36. Asaivo tadiavin’ny mpianatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampisehoana fa mahafantatra izy ireo fa marina ireo zavatra ireo.

  • Ahoana no hanomezantsika haja sy voninahitra ny anaran’ny Tompo ?

Asao ny mpianatra hijery indray ireo lisitra eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny andian-teny hoe “Fantatray fa …” Asao izy ireo hieritreritra mangina hoe iza amin’ireo fitsipika ireo no fantany fa marina. Raha nosoratan’izy ireo tao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ireo lisitra ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika kely eo akaikin’ireo fahamarinana ireo.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hifidy ny iray amin’ireo fitsipika nolokoina miavaka ary hizara ny fomba nahafantaran’izy ireo ny fahamarinan’izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–8. Famintinana ireo zava-nitranga manan-tantara

Ity tabilao manaraka ity dia mamintina ny sasany amin’ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–8:

Andinin-tsoratra masina

Zava-nitranga manan-tantara

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5

“Taorian’ ny nanehoana marina tokoa tamin’ ity loholona voalohany [Joseph Smith] ity fa efa azony ny famelana ny fahotany”

Tamin’ny lohataonan’ny taona 1820: Nahita ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith (jereo ny JS—T 1:15–20; jereo koa ny Milton V. Backman Jr., “Joseph’s Recitals of the First Vision,”Ensign, jan. 1985, 13).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5

“Voafandrika indray tao amin’ ny zava-poan’ izao tontolo izao” i Joseph Smith

1820–1823: “Nandritra ny fotoana izay nandalo teo anelanelan’ny fotoana izay nahazoako ilay fahitana sy ny taona telo amby roapolo sy valonjato sy arivo … dia niatrika ireo karazana fakampanahy rehetra aho; ary … nahalavo ahy matetika tao amin’ireo hadisoana kidaladala maro, ka nampiseho ny fahalemen’ny fahatanorana sy ny fahosan’ny toetran’olombelona” (JS—T 1:28).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:6

“Nampianarin’ Andriamanitra izy tamin’ ny alalan’ ny anjely masina”

Septambra 1823: Nampianatra an’i Joseph ny anjely Môrmônia (jereo ny JS—T 1:30–33).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:7

“Ary nomeny azy didy izay nitaona ny fanahiny”

Septambra 1823: Nanome torolalana an’i Joseph ny anjely Môrmônia (jereo ny JS—T 1:34–42).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8

“Ary nomeny azy ny hery avy any ambony, tamin’ ny alalan’ ny fomba izay efa nomanina mialoha mba handikana ny Bokin’ i Môrmôna”

Septambra 1827–fahavaratry ny taona 1829: Nahazo ireo takela-bolamena sy ny Orima sy ny Tomima i Joseph ary nandika ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny JS—T 1:59–75).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:30–31. Fanamarinana sy fanamasinana

Ity teny nambara manaraka ity dia notsongaina tao amin’ny lahatsoratra iray nosoratan’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ity ampahany naverina nolazaina eto ambany ity dia manazava fohifohy ireo fotopampianaran’ny fanamarinana sy ny fanamasinana. Azonao atao ny mamaky ilay lahatsoratra manontolo mba hahazoana fahatakarana feno kokoa momba ireo fotopampianarana ireo.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Noho ‘ilay toetra tsisy fiafarana ananan’ny Sorompanavotany lehibe,’ dia afaka manatanteraka na ‘manefa ny fitakian’ny lalàna’ ho antsika i Jesoa Kristy. Tonga amin’ny alalan’ny famindram-pon’Ilay nanefa ny fitakian’ny lalàna amin’ny alalan’ny fijalian’ny tenany ny famelan-keloka, ‘ny marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra’ (1 Pet. 3:18). Nanaisotra ny fanamelohana antsika Izy kanefa tsy nanaisotra ny lalàna. Voavela heloka isika ary apetraka ao amin’ny toetry ny fahamarinana miaraka Aminy. Lasa toa Azy isika, tsy manam-pahotana. Tohanan’ny lalàna sy ny fahamarinana isika ary arovany. Raha lazaina amin’ny teny iray dia nohamarinina isika.

“Toy izany ny olona izay azontsika lazaina fa nohamarinina satria navela heloka, tsy manam-pahotana na tsisy tsiny. Ohatra hoe: ‘Ary … na zovy na zovy no mibebaka sy atao batisa amin’ ny anarako dia ho henika; ary raha maharitra hatramin’ ny farany izy, dia indro, izy no hotanako tsisy tsiny eo anoloan’ ny Raiko amin’ io andro io rehefa hitsangana Aho hitsara izao tontolo izao’ (3 Ne. 27:16; nampiana fanamafisana). Kanefa na dia tena lehibe toy izany aza ny famelan-keloka dia mbola mahavita zavatra lehibe kokoa ny Sorompanavotana. Resahin’i Môrônia io ‘lehibe kokoa’ io :

“‘Ary koa, raha tanteraka ao amin’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo ary tsy mandà ny heriny, amin’ izany dia hamasinina ao amin’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo, noho ny fandatsahana ny ran’ i Kristy, izay ao amin’ ny fanekempihavanan’ ny Ray ho famelana ny fahotanareo, mba hahatonga anareo ho masina, tsy misy pentina’ (Môrô. 10:33; nampiana fanamafisana).

“Ny hoe hamasinina amin’ny ran’i Kristy dia midika hoe lasa madio sy masina. Raha manaisotra ny famaizana avy amin’ny fahotana natao taloha ny fanamarinana dia ny fanamasinana no manala ny pentina na ny vokatry ny ota. Nijoro ho vavolombelona ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“‘Ary izao no filazantsara, ny vaovao mahafaly izay nambaran’ ny feo avy any an-danitra taminay—

“‘Fa tonga teo amin’ izao tontolo izao Izy, dia i Jesoa, mba hohomboana ho an’ izao tontolo izao sy hitondra ny fanamarinana ny fahotan’ izao tontolo izao, ary mba hanamasina izao tontolo izao sy hanadio izany amin’ ny tsy fahamarinana rehetra’ (F&F 76:40–41)” (“Justification and Sanctification,” Ensign, jona 2001, 20–22).

Hamoaka printy