Seminera sy Institiota
Lesona 24: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22


Lesona 24

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22

Fampidirana

Tamin’ny volana Jona 1829 dia nanakarama an’i Egbert B. Grandin izay mpanao printy i Joseph Smith mba hanonta printy tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 5 000 tamin’ny sarany mitentina 3 000 $. Tsy nanaiky hanomboka ny fanontana printy anefa i Grandin na hividy ireo fitaovana akory aza raha tsy nasiana antoka ny fandoavana ny karama amin’ilay asa. Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19, izay azo heverina fa nomena tamin’ny vanimpotoana fahavaratry ny taona 1829, dia nandidy an’i Martin Harris ny Tompo mba “hanome ny ampahany amin’ny fanananao … sy handoa ny trosa izay efa naraikitrao tamin’ny mpanota printy” (F&F 19:34–35). Tamin’ny fanaovany antoka ny ampahany tamin’ny toeram-piompiany sy famboleny dia nanome antoka avy amin’ny tenany manokana i Martin Harris amin’ny fandoavana ny saran’ny fanontana printy raha toa tsy voaloa amin’ny fandafosana ny Bokin’i Môrmôna izany.

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia namaritra ity fanambarana ity, miaraka amin’ny fampianarana entin’izany mikasika ny Sorompanavotana, ho ny “iray amin’ireo fanambarana lehibe izay nomena tamin’ity fotoampitantanana ity; ary vitsy no manan-danja kokoa noho izy ity” (Church History and Modern Revelation, boky miisa 2 [1953], 1:85).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–3

Manambara ny Mpamonjy fa manatanteraka ny sitrapon’ny Ray Izy.

Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia angataho ny mpianatra hieritreritra zavatra vitsivitsy izay nasaina nataon’izy ireo na ho asaina ataon’izy ireo satria mpikamban’ny Fiangonana izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Dia asao avy eo ny mpianatra hamerina hijery ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe ka hifidy zavatra izay mety heverin’ny sasany ho sarotra. Ireo ohatra dia mety ahitana ny fandoavana fahafolonkarena sy ny fanaovana asa fitoriana ary ny fibebahana.)

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny manao ireo zavatra ireo ?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia vakio mafy ny fampidirana ity lesona ity.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–3 mba hitady ireo fahamarinana mikasika ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra dia ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’ny mpianatra ireto fotopampianarana manaraka ireto: Nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy. Hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy. Adikao [eny amin’ny solaitrabe] ity tabilao manaraka ity, ary ampiasao ho lohatenin’ireo tsanganana roa ireo fahamarinana ireo. Asao ireo mpianatra hanao tabilao mitovy amin’izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ka hameno izany mandritra ny lesona. Mamelà toerana malalaka tsara eo amin’ny solaitrabe mba hamenoana ilay tabilao araka izay haseho ao amin’ny lesona afaka fotoana vitsy.

Nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy.

Hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy.

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fahafantarana ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo an’i Martin Harris hahatsapa fiadanana mikasika ny fanapahan-keviny hivarotra ampahany lehibe tamin’ny taniny ?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4–12

Manazava ny famaizana mandrakizay sy tsisy fiafarana i Jesoa Kristy.

Soraty eo amin’ilay tabilao eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lohateny hoe “Hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy” ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4–12. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4 mba hitady fahamarinana iray mikasika ilay fitsarana izay tokony hoeritreretintsika rehetra. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Tsy maintsy mibebaka na mijaly ny olona rehetra. Asao ny mpianatra iray hanoratra io fotopampianarana io eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4–12.”

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:5 dia mirakitra ny fanazavan’ny Mpamonjy fa tsy hanafoana ny famaizany Izy. Izany dia midika fa tsy maintsy hiaritra famaizana noho ny fahotany ireo izay tsy mibebaka. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny toe-piainan’ireo izay tsy mibebaka ary hiharan’ny fitsarany noho izany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe “Tsy maintsy mibebaka na mijaly ny olona rehetra” ity andian-teny manaraka ity: Famaizana tsisy fiafarana na mandrakizay.

  • Inona no eritreretinao rehefa mandre na mamaky ilay andian-teny hoe “famaizana tsisy fiafarana na mandrakizay” ianao?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6–12 mba hitady ny fomba hamaritan’ny Tompo ny famaizana tsisy fiafarana na mandrakizay. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fafao ireo teny hoe tsisy fiafarana na mandrakizay eo amin’ny solaitrabe ary soloy amin’ny teny hoe an’ Andriamanitra izany.

  • Inona no eritreretinareo rehefa mamaky na mandre ilay andian-teny hoe “famaizan’ Andriamanitra” ianao?

Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny soratra masina, ireo fiteny hoe famaizana tsisy fiafarana sy famaizana mandrakizay dia tsy entina ilazana ny faharetan’ny fotoana hijalin’ny olona noho ny fahotany. Hoy ny Mpamonjy: “Izaho dia tsisy fiafarana ary ny famaizana izay omen’ ny tanako dia famaizana tsisy fiafarana, satria Tsisy Fiafarana no anarako” (F&F 19:10). Noho izany dia miresaka ny famaizana izay hampihariny araka ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fitakin’ny fahamarinana izy rehefa miresaka ny famaizana tsisy fiafarana na famaizana mandrakizay.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–22

Miresaka momba ny fijaliany noho ny ota ny Mpamonjy.

Soraty ao amin’ilay tabilao eo amin’ny solaitrabe, ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy” ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–17. Hazavao fa ny andininy 13–17 dia ahitana fampitandremana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–17 mba hitady ireo zavatra ratsy hitranga amin’ireo izay mifidy ny tsy hibebaka.

  • Inona no hitranga amin’ireo izay mifidy ny tsy hibebaka amin’ny fahotany ? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ireo mpianatra: Ireo izay misafidy ny tsy hibebaka dia hiaritra ny famaizana noho ny fahotany. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–17” io fahamarinana io.)

Soraty ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe “Hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy” ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny antony nambaran’ny Mpamonjy fa nahatonga Azy hijaly noho ny fahotantsika.

  • Inona no antony nolazain’ny Mpamonjy fa nahatonga Azy hijaly noho ny fahotantsika ? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany, kanefa tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Nijaly noho ny fahotantsika ny Mpamonjy mba hahafahantsika mibebaka sy tsy hijaly tahaka Azy.)

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no nahatonga ny fahotantsika ho azo avela? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty ao amin’ilay tabilao eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19” ity teny nambara manaraka ity: Nanefa ny fitakian’ny fahamarinana ny fijalian’i Jesoa Kristy sy ny rany manavotra. Noho izany dia atolotra an’izay mibebaka ny famindram-po.

  • Ahoana no hanentanan’ny fahafantarana an’ireo fahamarinana efa hitantsika androany ireo ny faniriantsika mba hibebaka ?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny safidy izay ananantsika rehetra na hibebaka isika na hiaritra ny famaizana noho ny fahotantsika, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Neal A. Maxwell

“Hiafara amin’ny fisafidianana ny fomba niainan’i Kristy isika na ny fomba nijaliany! Na izany hoe ‘mijaly tahaka Ahy’ (F&F 19:16–17), na mandresy ‘tahaka ny nandreseny (Fanambarana 3:21)” (“Mandresy … tahaka ny nandreseko koa,” Ensign, May 1987, 72).

Soraty ao amin’ilay tabilao eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ilay lohateny hoe “Nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy” ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15, 18–19

Hazavao fa ny ankamaroan’ny fitantarana ny fijalian’i Jesoa Kristy dia ataon’ny olona hafa ankoatra Azy (jereo ny Matio 26:36–39; Lioka 22:39–44). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia mirakitra ny fitantaran’ny Mpamonjy ny fijaliany. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15, 18–19 mba hitady ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny fijaliana niainany nandritra ny Sorompanavotana. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany. Soraty eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15, 18–19 ny valintenin’ny mpianatra. Mety hanana endrika toy izao manaraka izao ilay tabilao feno:

Nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy.

Hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy.

F&F 19:15, 18–19

Namaivay sy nangirifiry ary sarotra zakaina ny fijalian’ny Mpamonjy.

Nahatonga Azy hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ ny mason-koditra rehetra ny fijalian’ny Mpamonjy.

I Jesoa Kristy dia nijaly na vatana na fanahy.

Nivavaka ny Tompo mba tsy hisotroany ilay kapoaka mangidy.

Nanatanteraka ny sitrapon’ny Ray ny Mpamonjy ary “novitainy izay efa nomaniny ho an’ ny zanak’ olombelona” (F&F 19:19).

F&F 19:4–12

Tsy maintsy mibebaka na mijaly ny olona rehetra.

Famaizan’ Andriamanitra

F&F 19:13–17

Ireo izay misafidy ny tsy hibebaka dia hizaka ny sazin’ny fahotan’izy ireo.

F&F 19:16–19

Nanefa ny fitakian’ny fahamarinana ny fijalian’i Jesoa Kristy sy ny rany manavotra. Noho izany dia atolotra an’izay mibebaka ny famindram-po.

  • Inona no tsapanao mikasika ny niaretan’ny Mpamonjy ny famaizana noho ny fahotanao ?

  • Mety ho ahoana no nanampian’ny fahafantarana mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy an’i Martin Harris rehefa nieritreritra ny fahaverezan’ireo sora-tanana 116 takila izy na rehefa nanome ny ampahany tamin’ny fananany mba hamatsiana vola ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Oviana no nanampy anao hiatrika zava-tsarotra ny fahalalanao mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny masina loatra na an’ny tena manokana ireo traikefa sasantsasany ka tsy tokony hozaraina.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady andian-teny iray miresaka fotoana izay nandalovan’i Martin Harris fijaliana noho ny fahotany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hitondra amin’ny fijaliana ny fisintonan’ny Fanahy ?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13, 15, 20 mba hitady ny didy nomena ao amin’ny andininy tsirairay ary ireo fampitandremana ao amin’ny andininy 15 sy 20.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-porofon’ny fitiavan-Andriamanitra antsika ny didin’ny Tompo mba hibebaka ?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny iray amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika nianaran’izy ireo avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19: Sasin-tenin’ny fizarana. “Didin’ Andriamanitra fa tsy didin’olombelona ho an’i Martin Harris”

Ny volana martsa 1830, volana maromaro taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 angamba, dia nahita maso ny fifanakalozan-kevitra teo amin’i Joseph Smith sy i Martin Harris i Joseph Knight rainy mahakasika ny fivarotana ny Bokin’i Môrmôna:

“‘Tsy ho lafo ireo boky satria tsy misy olona mila izany.[’] Hoy i Joseph hoe: ‘Mino aho fa ho be mpividy ireo.’ Hoy i Martin Harris hoe: ‘Mila Didy aho [na fanambarana avy amin’ny Tompo].’ ‘Fa ahoana,’ hoy i Joseph, ‘tanteraho ny didy efa voarainao.’ ‘Ka tena mila mahazo Didy aho’ hoy izy. … Nisisika intelo na inefatra izy fa tena mila mahazo Didy” (Dean Jessee, “Joseph Knight’s Recollection of Early Mormon History,” BYU Studies, boky 17, lah. 1 [1976], 37).

Ilay toromarika nomen’i Joseph Smith manao hoe “tanteraho ny didy efa voarainao” dia toa miresaka ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 izay ahitana fa efa nanome didy ho an’i Martin Harris Andriamanitra mba “hanomezany ny fananany malalaka ho fanontana ny Bokin’ i Môrmôna” (F&F 19:26).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:2, 19. “Rehefa nahatontosa sy nahavita ny sitrapon’ Ilay Izy izay Azy Aho”

Loholona Neal A. Maxwell

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “ny fampandeferana ny sitrapon’ny tena no ilay tena hany zavatra ataon’ny tena manokana tokony omentsika an’ Andriamanitra. Ireo zavatra hafa izay ‘omentsika’ … dia tsy inona fa ireo zavatra izay efa nomeny na nampindraminy antsika. Na izany aza rehefa mankatò izaho sy ianao, amin’ny fampanarahana ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, amin’izay isika dia tena manome zavatra ho Azy! Izay no hany fananantsika izay tena antsika marina ka azontsika hatolotra!” (“Swallowed Up in the Will of the Father,” Ensign, Nov. 1995, 24).

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa nanana finiavana hatrany ny Mpamonjy mba hanaiky ny sitrapon’ny Ray:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny zavatra izay nisasaran’i Kristy indrindra ka notsindriany mafy tamin’ny iraka nampanaovina Azy—mihoatra ireo hatsaran-toetrany sy mihoatra ireo toriteny mahatalanjona ary mihoatra ny fanasitranana mihitsy aza, dia ny fampanarahany ny sitrapony tamin’ny sitrapon’ny Ray” (“Therefore, What?” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 8 aog. 2000], 8, LDS.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6, 11–12. “Fijaliana tsisy fiararana” sy “famaizana mandrakizay”

Nizara izao hevi-baovao manaraka izao mikasika ny “famaizan’ Andriamanitra” ny Filoha J. Reuben Clark tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Ny Filoha J. Reuben Clark

“Rehefa tonga ny Tompo hanome antsika ny valisoantsika … sy ny famaizana antsika, dia tsapako fa ilay famaizana faran’izay kely indrindra ka voamarin’ny fandikan-dalàna nataontsika no homen’ny [Mpamonjy]. Mino aho fa hampidiriny ao amin’ny fampiharany ny lalàna ny fitiavana sy ny fitahiana sy ny famindrampo sy ny hatsaram-panahy ary ny fandeferana rehetra tsy manam-petra izay ananany. …

“Ary etsy an-kilan’izay dia mino aho fa rehefa hanome antsika ireo valisoa noho ny hatsaran’ny fitondrantenantsika Izy dia izay betsaka indrindra azo atolotra no omeny antsika, ary hotsaroany ireo fandikan-dalàna izay nataontsika” (“As Ye Sow … ,” Brigham Young University Speeches of the Year [3 mey 1955], 7).

Nanazava ny hevitra fonosin’ny hoe fijaliana tsisy fiafarana sy famaizana mandrakizay ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa ny hoe famaizana mandrakizay na ny famaizana tsisy fiafarana dia tsy midika fa hiaritra io famaizana io mandrakizay ny olo-meloka iray. … Rehefa manefa ny sazy avy amin’ny tsy nety nataony ny olona iray ary mibebaka amim-panetrentena ary mandray ny filazantsara dia mivoaka avy ao amin’ny trano maizina izy ary alefa any amin’ny ambaratongam-boninahitra izay mifanaraka amin’ny fahamendrehany” (Doctrines of Salvation,comp. Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–1956], 2:160).

Nanome hevi-baovao fanampiny mikasika ny dikan’ny hoe famaizana mandrakizay ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona James E. Talmage

“Ny hoe ‘famaizana mandrakizay’ … dia tsy midika fa ilay olona mijaly na mpanota dia natao mba hiaritra sy hijaly mandrakizay na tsy misy fiafarana. Tsisy olona hohazonina ao amin’ny helo mihoatra noho izay fotoana ilaina mba hahatonga azy ho vonona amin’ny zavatra tsaratsara kokoa. Rehefa tonga eo amin’izay dingana izay izy dia hisokatra ny varavaran’ny tranomaizina ary hisy fifaliana lehibe eo anivon’ireo mpampiantrano izay handray azy ho ao amin’ny toetra tsara kokoa” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1930, 97; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky navoaka faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 37).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:20. “Tamin’ny fotoana nisintonako ny Fanahiko”

Ilay andian-teny hoe “tamin’ny fotoana nisintonako ny Fanahiko” dia mety miresaka mikasika ilay zavatra niainan’i Martin Harris taorian’ny nanariany ireo sora-tanana 116 takila an’ny Bokin’i Môrmôna. Nampahatsiahivin’i Lucy Mack Smith, renin’i Joseph, fa rehefa nolazain’i Martin Harris an’i Joseph Smith ny fahaverezan’ireo sora-tanana dia “nihiaka tamin’alahelo lalina izy hoe ‘Andray! Tena very ny fanahiko! Very ny fanahiko!’” (History of Joseph Smith by His Mother, boky navoakan’i Preston Nibley [1958], 128).

Mety mitranga mandritra ny fiainana an-tany ny fijaliana ary mety mitranga aorian’ny hahafatesantsika koa. Rehefa manota isika dia misintona ny Fanahy Masina, ary mamela antsika tsy hahazo ny fampiononana sy ny hery manamasina avy amin’ny fisiany eo akaikintsika. Rehefa tsy eo Izy dia “mahatsapa kely” ny fijaliana niainan’ny Mpamonjy isika rehefa nijaly noho ny fahotantsika. Ny dingan’ny fibebahana dia mahatonga antsika hihavana amin’ny Ray any An-danitra ary hanana indray ny Fanahy Masina ho namantsika, miaraka amin’ireo fitahiana rehetra avy amin’izany.

Niresaka mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny tsy fananana ny Fanahy Masina ho namana sy ny filana fibebahana ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Henry B. Eyring

“Raha mananosarotra ny fahatsapanao ny Fanahy Masina dia tokony hisaintsaina amim-pahendrena ianao sao misy zavatra tokony hibebahanao ka hahazoanao famelankeloka” (“Gifts of the Spirit for Hard Times,”Ensign or Liahona, June 2007, 23).